[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | index ouvrages | index auteurs | index sujets | centres d’intérêt]
Levitikosy
Accès direct aux
chapitres du Lévitique : 1, 2,
3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27
1 [Ny fanatitra odorana] Ary
Jehovah niantso an'i Mosesy ka niteny taminy tao amin'ny trano-lay fihaonana
hoe:
2 Mitenena amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Raha misy aminareo manatitra biby fiompy ho fanatitra ho
an'i Jehovah, dia omby na ondry na osy no haterinareo ho fanatitrareo.
3 Raha omby no ateriny ho
fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; eo anoloan'ny
varavaran'ny trano-lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahana eo
anatrehan'i Jehovah izy.
4 Ary hametraka ny tànany eo
amin'ny lohan'ny fanatitra dorana izy, dia hahazoany fankasitrahana izany,
hanaovana fanavotana ho azy.
5 Dia hamono ny zanak'omby eo
anatrehan'i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, dia hanatitra ny rà
ka hanopy azy manodidina amin'ny lafin'ny alitara, izay eo anoloan'ny
varavaran'ny trano-lay fihaonana;
6 ary
hohodirany ny fanatitra dorana, dia horasainy tsara.
7 Ary ireo
zanak'i Arona mpisorona dia hanisy afo eo ambonin'ny alitara ka handahatra
kitay eo amin'ny afo.
8 Ary ireo
mpisorona, zanak'i Arona, dia handahatra ny voarasa mbamin'ny lohany sy ny
saborany eo ambonin'ny kitay eo amin'ny afo izay eo ambonin'ny alitara;
9 fa ny
taovany, sy ny tongony kosa hosasany amin'ny rano; dia hodoran'ny mpisorona ho
fofona izy rehetra eo ambonin'ny alitara; fanatitra dorana izany, dia fanatitra
atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
10 Ary raha
ondry na osy no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema koa no
hateriny.
11 Dia hamono
azy eo avaratry ny alitara eo anatrehan'i Jehovah izy; ary ireo mpisorona,
zanak'i Arona, dia hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.
12 Dia
horasainy tsara izy mbamin'ny lohany sy ny saborany; ary halahatry ny mpisorona
eo ambonin'ny kitay izy eo amin'ny afo izay eo ambonin'ny alitara;
13 fa ny
taovany sy ny tongony kosa hosasany amin'ny rano; dia ho entin'ny mpisorona izy
rehetra ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara; ho fanatitra dorana izany,
dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
14 Ary raha
vorona no ateriny ho an'i Jehovah ho fanatitra dorana, dia domohina na
zana-boromailala no hateriny ho fanatiny.
15 Ary
haterin'ny mpisorona ho eo amin'ny alitara izany, ka hotapahiny amin'ny hoho ny
lohany, dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara, ary hofiazany eo amin'ny
rindrin'ny alitara ny ràny;
16 ary hesoriny
ny takorobabony sy ny ao anatiny, ka hariany eo atsinanan'ny alitara, dia eo
amin'ny fitoeran-davenona;
17 ary
hosamahany amin'ny elany no fameraka azy, fa tsy hohenteriny; ary ny mpisorona
handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara, ambonin'ny kitay izay eo amin'ny
afo; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra
ankasitrahana ho an'i Jehovah.
*
1 [Ny fanatitra
hohanina] Ary raha misy manatitra fanatitra hohanina ho an'i Jehovah, dia koba
tsara toto no hataony fanatiny; ary hanidina diloilo aminy izy sy hanisy
ditin-kazo mani-pofona eo amboniny.
2 Ary hitondra
azy ho amin'ireo mpisorona, zanak'i Arona, izy, dia handraofan'ireo
eran-tànan-ila ny kobany sy ny diloilony mbamin'ny ditin-kazo manipofona
rehetra; ary hodoran'ny mpisorona ho fofona eo ambonin'ny alitara izany
fanati-pahatsiarovana avy aminy izany; dia fanatitra atao amin'ny afo ho
hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izany.
3 Ary ny sisa
amin'ny fanatitra hohanina dia ho an'i Arona sy ny zanany; ho masina dia masina
avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.
4 Ary raha
manatitra fanatitra hohanina voaendy amin'ny fanendasa-mofo ianao, dia aoka ho
mofo tsy misy masirasira atao amin'ny koba tsara toto sady voaharo diloilo sy
mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo.
5 Ary raha
fanatitra hohanina voaendy amin'ny lapoely no fanatitrao, dia aoka ho koba
tsara toto voaharo diloilo sady tsy misy masirasira.
6 Hovakivakinao
izy ary hanidinanao diloilo; dia fanatitra hohanina izany.
7 Ary raha
fanatitra hohanina voahandro amin'ny vilany no fanatitrao, dia koba tsara toto
asian-diloilo no hatao.
8 Ary ho
entinao ho an'i Jehovah ny fanatitra hohanina izay atao amin'ireo zavatra ireo;
ary rehefa voatitra eo amin'ny mpisorona izany, dia ho entiny eo amin'ny
alitara.
9 Ary ny
mpisorona haka ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny fanatitra hohanina ka
handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara; dia fanatitra atao amin'ny afo ho
hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izany.
10 Ary ny sisa
amin'ny fanatitra hohanina dia ho an'i Arona sy ny zanany; ho masina dia masina
avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.
11 Ny fanatitra
hohanina rehetra, izay aterinareo ho an'i Jehovah, dia aza asiana
zava-maharikivy; fa ny masirasira sy ny tantely dia samy tsy hangalanareo
hodorana ho fofona ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah;
12 fa ho
fanatitra voaloham-bokatra ihany no hahazoanareo manatitra ireo ho an'i
Jehovah; kanefa tsy hakarina eo ambonin'ny alitara ho hanitra ankasitrahana
izany.
13 Ary samy
asio sira ny fanatitra hohaninao rehetra; ary ny siran'ny
faneken'Andriamanitrao dia aza atsahatra amin'ny fanatitra hohaninao; fa
manatera sira miaraka amin'ny fanatitrao rehetra.
14 Ary raha
manatitra fanatitra hohanina ho an'i Jehovah avy amin'ny voaloham-bokatra
ianao, dia salohim-bary voaendy amin'ny afo, dia lango avy amin'ny salohy
maitso, no haterinao ho fanatitra hohanina avy amin'ny voaloham-bokatrao.
15 Ary hasianao
diloilo izy, sady hasianao ditin-kazo mani-pofona eo amboniny; dia fanatitra
hohanina izany.
16 Ary
hodoran'ny mpisorona ho fofona ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny langony sy
avy amin'ny diloilony ary ny ditin-kazo mani-pofona rehetra; dia fanatitra atao
amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.
*
1 [Ny
fanati-pihavanana] Ary raha fanati-pihavanana no fanatiny, ka ombilahy na
ombivavy no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan'i
Jehovah.
2 Ary hametraka
ny tànany amin'ny lohan'ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan'ny
varavaran'ny trano-lay fihaonana; ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, hanopy ny
rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.
3 Dia
hangalan'ny mpisorona ny fanati-pihavanana, ka hateriny ho fanatitra atao
amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
4 sy ny voany
roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe;
hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany.
5 Ary ireo
zanak'i Arona dia handoro izany ho fofona eo ambonin'ny alitara miaraka amin'ny
fanatitra dorana izay eo ambonin'ny kitay eo amin'ny afo; dia fanatitra atao
amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izany.
6 Ary raha
ondry na osy no ateriny ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah, dia izay tsy misy
kilema, na lahy na vavy, no hateriny.
7 Raha
zanak'ondry no hateriny ho fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan'i Jehovah
izy.
8 Ary hametraka
ny tànany amin'ny lohan'ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan'ny trano-lay
fihaonana; ary ireo zanak'i Arona hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny
alitara.
9 Ary
hangalan'ireo ny fanati-pihavanana ka hateriny ho fanatitra atao amin'ny afo ho
an'i Jehovah, dia ny hofany manontolo (faranana hatreo amin'ny faran'ny
taolan-damosina no fanaisony izany) sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny
saboran-tsinainy
10 ary ny voany
roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe;
hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany.
11 Ary ny
mpisorona dia handoro izany ho fofona eo ambonin'ny alitara; hanina avy amin'ny
fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.
12 Ary raha osy
no fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan'i Jehovah izy.
13 Ary
hametraka ny tànany amin'ny lohany izy, dia hamono azy eo anoloan'ny trano-lay
fihaonana; ary ireo zanak'i Arona dia hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny
alitara.
14 Ary avy
aminy no hanaterany ny fanatiny atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny
safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
15 ary ny voany
roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe;
hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany.
16 Ary ny
mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara; hanina avy amin'ny
fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana izany; an'i Jehovah ny
sabora rehetra.
17 Izao no ho
lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby eny amin'izay
rehetra itoeranareo: tsy hihinana sabora na rà akory ianareo.
*
1 [Ny fanatitra
noho ny ota] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mitenena
amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy olona manota tsy nahy ny didin'i Jehovah
amin'izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin'ireny:
3 raha ny
mpisorona voahosotra no manota ka mahameloka ny olona, dia aoka hanatitra
vantotr'ombilahy tsy misy kilema izy noho ny fahotany izay nataony, dia
fanatitra noho ny ota ho an'i Jehovah.
4 Ary hitondra
ny vantotr'ombilahy ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy ho eo
anatrehan'i Jehovah; ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy
izy ka hamono azy eo anatrehan'i Jehovah.
5 Ary
hangalan'ny mpisorona voahosotra ny ran'ny vantotr'ombilahy ka ho entiny ho ao
amin'ny trano-lay fihaonana;
6 ary ny
mpisorona hanoboka ny fanondrony eo amin'ny rà, ka hafafiny impito eo
anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny efitra lamba ao amin'ny fitoerana masina;
7 ary
hotentenan'ny mpisorona rà ny tandroky ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra
eo anatrehan'i Jehovah, izay ao amin'ny trano-lay fihaonana; ary ny rà sisa
rehetra avy amin'ny vantotr'ombilahy dia haidiny eo am-bodin'ny alitara
fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay
fihaonana.
8 Ary halainy
avokoa ny saborany rehetra amin'ny vantotr'ombilahy izay atao fanatitra noho ny
ota, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy,
9 ary ny voany
roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, sy ny ila-atiny
lehibe;'hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany,
10 tahaka ny
fanalana azy amin'ny omby izay atao fanati-pihavanana; ary ny mpisorona handoro
azy ho fofona eo ambonin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana.
11 Fa ny
hoditry ny vantotr'ombilahy sy ny henany rehetra mbamin'ny lohany sy ny tongony
ary ny taovany sy ny tain-drorohany,
12 dia ny
tenan'ny vantotr'ombilahy rehetra, no havoakany avokoa ho eny ivelan'ny toby ho
amin'izay fitoerana madio fanariana ny lavenona; ary handoro azy eo ambonin'ny
kitay amin'ny afo izy; eo amin'ny fanariana ny lavenona no handoroana azy.
13 Ary raha ny
fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, kosa no manota tsy nahy, fa misy tsy
hitan'ny mason'ny fiangonana, ary mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah
amin'izay tsy tokony hatao izy ka meloka,
14 rehefa fantatra
ny ota izay nataony, dia hanatitra vantotr'ombilahy ny fiangonana ho fanatitra
noho ny ota ka hitondra azy ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana.
15 Ary ny
loholon'ny fiangonana hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy eo
anatrehan'i Jehovah; ary ny vantotr'ombilahy dia hovonoina eo anatrehan'i
Jehovah.
16 Ary
hangalan'ny mpisorona voahosotra ny ran'ny vantotr'ombilahy ka ho entiny ho ao
amin'ny trano-lay fihaonana,
17 ary ny
mpisorona hanoboka ny fanondrony amin'ny rà, ka hafafiny impito eo anatrehan'i
Jehovah, dia eo anoloan'ny efitra lamba.
18 Ary
hangalany koa ny rà ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara izay eo
anatrehan'i Jehovah, dia ilay ao anatin'ny trano-lay fihaonana, ary ny rà sisa
rehetra dia haidiny eo ambodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay
eo am-baravaran'ny trano-lay fihaonana.
19 Dia
hanaisotra ny saborany rehetra izy ka handoro azy ho fofona eo ambonin'ny
alitara.
20 Ary ny
vantotr'ombilahy dia hataony tahaka ny efa nataony tamin'ny vantotr'ombilahy
izay natao fanatitra noho ny ota, toy izany no hanaovany azy; ary ny mpisorona
hanao fanavotana ho an'ny olona, dia havela ny helony.
21 Ary ny
vantotr'ombilahy dia havoakany ho eny ivelan'ny toby ka hodorany tahaka ny efa
nandoroany ny vantotr'ombilahy voalohany; dia fanatitra noho ny ota ho an'ny
fiangonana izany.
22 Ary raha
misy mpanapaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah
Andriamaniny amin'izay tsy tokony hatao ka meloka,
23 ary misy
mampahafantatra azy ny fahotany izay nataony, dia hitondra osilahy tsy misy
kilema ho fanatiny izy;
24 ary
hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny osilahy izy, dia hamono azy eo amin'ny
famenoana ny fanatitra dorana eo anatrehan'i Jehovah; dia fanatitra noho ny ota
izany.
25 Ary
hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka
hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny
rà sisa dia haidiny eo am-bodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana;
26 ary ny
saborany rehetra dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara, tahaka ny
saboran'ny fanati-pihavanana ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny
fahotany, dia havela ny helony.
27 Ary raha
misy amin'ny vahoaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i
Jehovah amin'izay tsy tokony hatao ka meloka,
28 ary misy
mampahafantatra azy ny fahotany izay nataony, dia hitondra osivavy tsy misy
kilema ho fanatiny izy noho'ny fahotany izay nataony.
29 Ary
hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy
eo amin'ny fitoeran'ny fanatitra dorana.
30 Ary
hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny rà ka hatentiny eo amin'ny tandroky
ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny
eo am-bodin'ny alitara.
31 Ary hesoriny
avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran'ny
fanati-pihavanana; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara
ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho
azy, dia havela ny helony.
32 Ary raha zanak'ondry
no entiny ho fanatitra noho ny ota, dia ny vavy tsy misy kilema no ho entiny;
33 ary
hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy
ho fanatitra noho ny ota eo amin'ny famonoana ny fanatitra dorana.
34 Ary
hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka
hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny
rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin'ny alitara.
35 Ary hesoriny
avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran'ny zanak'ondry izay
natao fanati-pihavanana, ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny
alitara, ambonin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary ny
mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny
helony.
*
1 Ary raha misy
manota, satria mandre ny feon'ny fampianianana, sady vavolombelona nahita na
nahalala, nefa tsy manambara izy, ka mahameloka azy izany,
2 na misy
mikasika izay zavatra tsy madio, na ny fatin'ny bibi-dia tsy madio, na ny
fatin'ny biby fiompy izay tsy madio, na ny fatin'ny biby mandady na mikisaka
izay tsy madio, nefa tsy hitany izany, ka mahaloto sy mahameloka azy izany,
3 na misy
mikasika ny fahalotoan'olona, dia izay fahalotoany rehetra na inona na inona,
nefa tsy hitany izany, rehefa fantany izany, ka mahameloka azy,
4 na misy
mianiana ka miteniteny foana amin'ny molotra hanao ratsy na hanao soa, na inona
na inona tenitenenin'ny olona foana ka asiany fianianana, nefa tsy hitany
izany, rehefa fantany, ka meloka amin'ny anankiray amin'ireo izy:
5 koa raha
meloka amin'ny anankiray amin'ireo izy, dia hiaiky izay zavatra nanotany,
6 ary hitondra
ny saziny ho an'i Jehovah noho ny fahotany izay nataony izy, dia ondrivavy na
osivavy, nefa izay vantony, ho fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao
fanavotana ho azy noho ny fahotany.
7 Ary raha tsy
tratry ny ananany izany, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho
an'i Jehovah izy ho saziny noho ny nanotany; ka ny anankiray hatao fanatitra
noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana.
8 Dia hitondra
ireo ho eo amin'ny mpisorona izy, ary ny mpisorona kosa hanatitra ny iray aloha
ho fanatitra noho ny ota, ka hotapahiny amin'ny hoho ny lohany ho afaka amin'ny
vozony, fa tsy hohenteriny izy.
9 Ary hamafazany
eo amin'ny rindrin'ny alitara ny ran'ny fanatitra noho ny ota; ary ny rà sisa
hofiazany eo ambodin'ny alitara; dia fanatitra noho ny ota izany.
10 Ary ny iray
kosa dia hataony fanatitra dorana, araka ny fanao; ary ny mpisorona hanao
fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony.
11 Fa raha tsy
tratry ny ananany koa ny domohina roa na ny zana-boromailala roa, dia hitondra
ny fanatiny noho ny fahotany izy, dia koba tsara toto ampahafolon'ny efaha ho
fanatitra noho ny ota; tsy hasiany diloilo izany, ary tsy hasiany ditin-kazo
mani-pofona, fa fanatitra noho ny ota izany.
12 Dia hitondra
azy ho eo amin'ny mpisorona izy, ary handraofan'ny mpisorona eran-tànan-ila ho
fanati-pahatsiarovana avy aminy ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara
miaraka amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; dia fanatitra noho
ny ota izany.
13 Ary ny
mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony tamin'ny
anankiray amin'ireo, dia havela ny helony; ary ho an'ny mpisorona ny sisa, toy
ny fanatitra hohanina.
14 [Ny
fanati-panonerana] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
15 Raha misy
olona manao izay mahadiso ka manota tsy nahy ny amin'ny zava-masin'i Jehovah,
dia hitondra ny fanati-panonerany ho an'i Jehovah izy, dia ondrilahy tsy misy
kilema, koa sekely volafotsy no anombananao azy, araka ny sekely masina, ho
fanati-panonerana.
16 Ary izay efa
nanotany ny amin'ny zava-masina dia honerany, ary hampiany ho tonga avy
fahenina ka hatolony amin'ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho
azy amin'ny ondrilahy atao fanati-panonerana, dia havela ny helony.
17 Ary raha
misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray
amin'ny didin'i Jehovah, nefa tsy fantany izany, ka mahameloka azy, ary mitondra
ny helony izy,
18 dia hitondra
ondrilahy tsy misy kilema izy, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana
ho any amin'ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny ota
tsy nahy izay nahadiso azy, nefa tsy fantany, dia havela ny helony;
19 dia
fanati-panonerana izany, fa efa meloka tamin'i Jehovah tokoa izy.
20 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
21 Raha misy
olona manota, satria manao izay mahadiso amin'i Jehovah, fa mandainga amin'ny
namany ny amin'izay nampitehirizina azy, na amin'ny zavatra notanany ho
tsatòka, na amin'izay nalainy an-keriny, na ota nampahory ny namany,
22 na nahita
izay zavatra very ka mandainga amin'izany sady mianian-tsy tò ny amin'izay mety
ho fahotan'ny olona,
23 satria
nanota izy ka meloka, dia hanonitra izay nalainy an-keriny, na izay tamin'ny
fampahoriana, na izay nampitehirizina azy, na izay zavatra very hitany,
24 na izay
rehetra nianianany tsy tò; dia hanonitra toraka izany izy sady hanampy azy koa
ho tonga avy fahenina, ka homeny ilay tompon-javatra amin'ny andro anaterany ny
fanati-panonerany izany.
25 Ary ny
fanati-panonerana ho entiny ho an'i Jehovah dia ondrilahy tsy misy kilema,
araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin'ny mpisorona.
26 Ary ny
mpisorona hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah, dia havela ny helony
na inona na inona no fahadisoana nataony.
*
1 [Lalàna ho
an'ny mpisorona ny amin'ny fanaterany ny fanatitra samy hafa, sy ny
hizarazarana azy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mandidia an'i
Arona sy ireo zanany hoe: Izao no lalàna ny amin'ny fanatitra dorana: Ny
fanatitra dorana dia ho eo amin'ny fatana eo an-tampon'ny alitara mandritra ny
alina mandra-pahamaraina, ary ny afon'ny alitara hirehitra eo.
3 Any
hiakanjoan'ny mpisorona ny akanjony rongony fotsy, ary ny kalisaoniny rongony
fotsy dia hataony manolo-koditra, dia handraoka ny lavenona avy amin'ny
fanatitra dorana izay nolevonin'ny afo teo ambonin'ny alitara izy ka hametraka
azy eo anilan'ny alitara.
4 Ary hanala ny
fitafiany izy ka hitafy fitafiana hafa, dia hamoaka ny lavenona ho eny
ivelan'ny toby amin'izay fitoerana madio.
5 Ary ny afo eo
ambonin'ny alitara hirehitra eo ka tsy havela ho faty, fa hotohofan'ny
mpisorona kitay hazo isa-maraina; ary ny fanatitra dorana halahany eo amboniny
ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny saboran'ny fanati-pihavanana.
6 Dia hisy afo
mirehitra mandrakariva eo ambonin'ny alitara ka tsy havela ho faty.
7 Ary izao no
lalàna ny amin'ny fanatitra hohanina: Ireo zanak'i Arona no hanatitra azy eo
anatrehan'i Jehovah eo anoloan'ny alitara.
8 Ary hangalany
eran-tànan-ila ny koba tsara toto amin'ny fanatitra hohanina sy ny diloilony
mbamin'ny ditin-kazo manipofona rehetra izay eo ambonin'ny fanatitra hohanina,
dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany
ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
9 Ary izay sisa
amin'ireny dia hohanin'i Arona sy ireo zanany, koa hataony mofo tsy misy
masirasira, ary eo amin'izay fitoerana masina anankiray no hihinanany azy, dia
eo anatin'ny kianjan'ny trano-lay fihaonana.
10 Tsy hasiana
masirasira izany raha hendasina; fa efa nomeko ho anjarany avy amin'ny
fanatitra atao amin'ny afo ho Ahy izany; masina dia masina izany tahaka ny
fanatitra noho ny ota sy tahaka ny fanati-panonerana.
11 Ny lehilahy
rehetra amin'ny zanak'i Arona no mahazo mihinana izany. Ho anjara mandrakizay
ho an'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby avy amin'ny fanatitra atao
amin'ny afo ho an'i Jehovah izany; ho masina izay rehetra manendry izany.
12 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
13 Izao no
fanatitr'i Arona sy ireo zanany, izay hateriny ho an'i Jehovah amin'izay andro
anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon'ny efaha no hatao fanatitra hohanina
isan'andro, ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva.
14 Amin'ny
lapoely no hanaovana azy ka hasiana diloilo; ary rehefa voaendy izy, dia ento;
voaendy sady voavakivaky toy ny fanatitra hohanina no hanateranao azy ho
hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
15 Ary ilay
mpisorona avy amin'ny zanany, izay voahosotra handimby azy, no hanao izany;
anjara mandrakizay ho an'i Jehovah izany ka hodorana ho fofona avokoa;
16 fa ny
fanatitra hohanina rehetra izay aterin'ny mpisorona dia hodorana avokoa, fa tsy
hohanina.
17 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
18 Mitenena
amin'i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no Lalàna ny amin'ny fanatitra noho ny
ota: Eo amin'ny famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanatitra noho ny
ota eo anatrehan'i Jehovah; ho masina dia masina izany.
19 ilay
mpisorona manatitra azy noho ny ota no hihinana azy; eo amin'izay fitoerana
masina no hihinanany azy, dia eo amin'ny kianjan'ny trano-lay fihaonana.
20 Ho masina
izay rehetra manendry ny henany; ary raha misy fitafiana ipitihan'ny ràny, dia
hosasanao eo amin'izay fitoerana masina izay ipitihany.
21 Ary ny
vilany tany izay nandrahoana azy dia hovakivakina; fa raha vilany varahina kosa
no nandrahoana azy, dia hofotsiana sy hosasan-drano izany.
22 Ny lehilahy
rehetra amin'ny mpisorona no mahazo mihinana azy; masina dia masina izany.
23 Fa ny
fanatitra noho ny ota izay angalan-drà ho entina ao amin'ny trano-lay
fihaonana, hanaovana fanavotana ao amin'ny fitoerana masina, dia tsy hohanina;
hodorana amin'ny afo izany.
1 Ary izao no
lalàna ny amin'ny fanati-panonerana: masina dia masina izany.
2 Eo amin'izay
famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanati-panonerana; ary ny rà dia
hatopiny manodidina amin'ny lafin'ny alitara.
3 Ary dia
hateriny avokoa ny hofany sy ny saborany rehetra, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
4 ary ny voany
roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe;
hatao indray manala amin'ny voany no fanaisony izany.
5 Ary
hodoran'ny mpisorona ho fofona eo ambonin'ny alitara ireo ho fanatitra atao
amin'ny afo ho an'i Jehovah; dia fanati-panonerana izany.
6 Ny lehilahy
rehetra amin'ny mpisorona no mahazo mihinana izany; eo amin'izay fitoerana
masina no hihinanany azy: masina dia masina izany.
7 Ho tahaka ny
fanatitra noho ny ota ny fanati-panonerana, ka lalàna iray no ho amin'izy roa:
ho an'ny mpisorona izay manao fanavotana aminy izany.
8 Ary ilay
mpisorona manatitra ny fanatitra dorana izay aterin'ny olona dia hahazo ny
hoditr'izany fanatitra dorana nateriny izany.
9 Ary ny
fanatitra hohanina rehetra izay voaendy am in'ny fanendasa-mofo sy izay rehetra
atao amin'ny vilany fandrahoana, na amin'ny lapoely, dia ho an'ilay mpisorona
manatitra azy.
10 Fa ny
fanatitra hohanina rehetra, izay voaharo diloilo, na ny maina, dia ho an'ny
zanak'i Arona rehetra kosa, ka hiara-misalahy izy.
11 Ary izao no
lalàna ny amin'ny fanati-pihavanana izay haterina ho an'i Jehovah:
12 Raha misy
manatitra izany ho fanati-pisaorana, dia izao no hateriny ho fanampiny: mofo
izay tsy misy masirasira sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy
masirasira sady voahoso-diloilo ary mofo atao amin'ny koba tsara toto voaendy
sady voaharo diloilo.
13 Ary miaraka
amin'ny mofo tsy misy masirasira dia mofo misy masirasira kosa no hateriny ho
fanampin'ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana.
14 Ary
hangalany iray avy ny isam-panatitra ho fanatitra asandratra ho an'i Jehovah;
ho an'ilay mpisorona manopy ny ran'ny fanati-pihavanana izany.
15 Ary ny
henan'ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin'ny
andro anaterana azy; tsy hisy havela ho tra-maraina.
16 Fa raha
fanati-panalamboady na fanati-tsitrapo kosa no ateriny, dia amin'ny andro
anaterany ny fanatiny no hihinanana azy, ary ampitson'iny no hihinanana izay
ambiny.
17 Fa ny sisa
amin'ny henan'ny fanatitra dia hodorana amin'ny afo amin'ny andro fahatelo.
18 Ary raha
tahìny hihinanana amin'ny andro fahatelo ny henan'ny fanati-pihavanana, na dia
kely aza, dia tsy horaisina na hisaina ho an'izay manatitra azy izany, fa
fahavetavetana; ary ny olona izay mihinana amin'izany dia ho meloka.
19 Ary na ny
hena izay mikasika zava-maloto aza dia tsy hohanina, fa hodorana amin'ny afo;
ary ny amin'ny hena, dia izay madio rehetra no mahazo mihinana azy;
20 fa ny olona
izay misy fahalotoana, nefa mihinana hena avy amin'ny fanati-pihavanana, izay
an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
21 Ary ny olona
izay mikasika zava-maloto, na fahalotoan'olona, na biby maloto, na izay
zava-betaveta maloto, ka mihinana amin'ny henan'ny fanati-pihavanana izay an'i
Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
22 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
23 Mitenana
amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Aza mihinana sabora akory ianareo, na ny an'ny
omby, na ny an'ny ondry, nany an'ny osy.
24 Ary ny
saboran'ny biby izay maty ho azy sy ny saboran'izay noviraviraim-biby dila azo
atao amin'ny zavatra hafa ihany, fa aza mihinana azy ianareo.
25 Fa izay
rehetra mihinana saboran'ny biby fiompy, izay fanao fanatitra, atao amin'ny afo
ho an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
26 Ary aza
mihinana rà eny amin'izay rehetra itoeranareo, na ny an'ny vorona, na ny an'ny
biby fiompy.
27 Izay rehetra
mihinana rà dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
28 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
29 Mitenena
amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izay manatitra ny fanati-pihavanany ho an'i Jehovah
dia hitondra ny fanatiny ho an'i Jehovah avy amin'ny fanati-pihavanany.
30 Ny tànany
ihany no hitondra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ny saborany
mbamin'ny tratrany no ho entiny, ka ny tratrany dia hahevaheva ho fanatitra
ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
31 Ary
hodoran'ny mpisorona ho fofona eo ambonin'ny alitara ny saborany; fa ny
tratrany kosa dia ho an'i Arona sy ireo zanany.
32 Ary ny
soroka ankavanana dia homenareo ny mpisorona ho fanatitra asandratra avy
amin'ny fanati-pihavananareo.
33 Ny anankiray
amin'ny zanak'i Arona izay manatitra ny ran'ny fanati-pihavanana sy ny saborany
no hanana ny soroka ankavanana ho anjarany.
34 Fa ny tratra
ahevaheva sy ny soroka asandrata dia efa nalaiko tamin'ny Zanak'Isiraely avy
amin'ny fanati-pihavanany, ary nomeko ho an'i Arona mpisorona sy ny zanany, ho
anjarany mandrakizay avy amin'ny Zanak'Isiraely.
35 Izany no
anjaran'i Arona sy ny zanany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i
Jehovah, amin'ilay andro ampanakekeny azy mba ho mpisorona ho an'i Jehovah,
36 dia izay
nandidian'i Jehovah homena azy avy amin'ny Zanak'Isiraely amin'ilay andro
anosorana azy, ho anjarany mandrakizay amin'ny taranany hatramin'ny fara
mandimby.
37 Izany no lalàna
ny amin'ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny
ota sy ny fanati-panonerana sy ny fanati-panokanana ary ny fanati-pihavanana,
38 izay
nandidian'i Jehovah an'i Mosesy tao amin'ny tendrombohitra Sinay, tamin'ny
andro izay nandidiany ny Zanak'Isiraely hanatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah,
tany an-efitr'i Sinay.
*
1 [Ny
nanokanana an'i Arona sy ny zanany ho mpisorona] Ary Jehovah niteny tamin'i
Mosesy ka nanao hoe:
2 Alao Arona sy
ny zanany ary ny fitafiana sy ny diloilo fanosorana sy ny vantotr'ombilahy iray
hatao fanatitra noho ny ota sy ny ondrilahy roa ary ny harona misy mofo tsy
misy masirasira.
3 Ary vorio ny
fiangonana rehetra ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
4 Ary Mosesy
nanao araka izay nandidian'i Jehovah azy; dia vory teo anoloan'ny varavaran'ny
trano-lay fihaonana ny fiangonana.
5 Ary hoy
Mosesy tamin'ny fiangonana: Izao atao izao no raharaha izay nandidian'i
Jehovah.
6 Ary Arona sy
ny zanany dia nentin'i Mosesy nanatona ka nampandroiny tamin'ny rano.
7 Dia
nampiakanjoiny ny akanjo lava izy ary nasiany ny fehin-kibo, dia nampiakanjoiny
ny akanjo ivelany izy, ary ny efoda dia nataony taminy, dia nasiany ny
fehin-kibo momba ny efoda izy, ka nataony fehin'ny efoda taminy izany.
8 Ary ny saron-tratra
dia nataony taminy, ka nataony tao ny Orima sy ny Tomima.
9 Ary ny hamama
dia nataony teo an-dohany; ary ny takela-bolamena, ilay diadema masina, dia
nataony teo anoloana amin'ny hamama, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i
Mosesy.
10 Ary nalain'i
Mosesy ny diloilo fanosorana dia nohosorany ny tabernakely sy izay rehetra tao
ka nohamasininy.
11 Dia
namafazany impito teo ambonin'ny alitara ny diloilo; ary nohosorany avokoa ny
alitara mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany hahamasina
azy.
12 Ary
nanidinany teo amin'ny lohan'i Arona ny diloilo fanosorana, ka nanosotra azy
izy hahamasina azy.
13 Ary dia
nentin'i Mosesy nanatona koa ny zanak'i Arona ka nampiakanjoiny akanjo lava,
ary nasiany fehin-kibo, dia nampisatrohiny, araka izay efa nandidian'i Jehovah
an'i Mosesy.
14 Ary nentiny
nanatona koa ny vantotr'ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota; ary Arona sy
ny zanany nametraka ny tànany tamin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy izay hatao
fanatitra noho ny ota.
15 Dia
novonoiny ny, ary nalain'i Mosesy ny rà, ka notentenany tamin'ny fanondrony ny
tandroky ny alitara teo amin'ny zorony efatra nanadiovany azy; ary ny rà sisa
dia naidiny teo ambodin'ny alitara, ka nahamasina azy, mba hanao fanavotana ho
azy.
16 Dia nalainy
ny saboran-tsinainy rehetra sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany mbamin'ny
fonom-boany, ka nodoran'i Mosesy ho fofona teo ambonin'ny alitara ireo.
17 Fa ny
hoditry ny vantotr'ombilahy sy ny henany ary ny tain-drorohany kosa dia
nodorany tamin'ny afo teny ivelan'ny toby, araka izay efa nandidian'i Jehovah
an'i Mosesy.
18 Ary nentiny
nanatona ny ondrilahy izay hatao fanatitra dorana; ary Arona sy ny zanany
nametraka ny tànany tamin'ny lohan'ny ondrilahy.
19 Dia
novonoina iny; ary Mosesy nanipy ny rà manodidina tamin'ny lafin'ny alitara.
20 Ary
norasainy tsara ny ondrilahy; dia nodoran'i Mosesy ho fofona ny lohany sy ireo
voarasa ireo ary ny saborany.
21 Ary ny
taovany sy ny tongony nosasany tamin'ny rano; dia nodoran'i Mosesy ho fofona
teo ambonin'ny alitara ny tenan'ny ondrilahy; fanatitra dorana izany ho hanitra
ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, araka izay efa
nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
22 Dia nentiny
nanatona koa ny ondrilahy anankiray, dia ny ondrilahy fanokanana; ary Arona sy
ny zanany dia nametraka ny tànany tamin'ny lohan'ny ondrilahy.
23 Dia
novonoiny iny; ary nangalan'i Mosesy ny rà ka, natentiny teo amin'ny tendron'ny
ravin-tsofin'i Arona ankavanana sy tamin'ny ankihiben-tànany ankavanana ary
tamin'ny ankihiben-tongony ankavanana.
24 Ary nentiny
nanatona koa ny zanak'i Arona, ka notentenan'i Mosesy ny rà ny tendron'ny
ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny
ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia natopin'i Mosesy manodidina
tamin'ny lafin'ny alitara.
25 Ary nalainy
ny hofany sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny
voany roa mbamim'ny fonom-boany ary ny sorony ankavanana.
26 Ary ilay
harona nisy ny mofo tsy misy masirasira, izay teo anatrehan'i Jehovah, dia
nangalany iray tamin'ny mofo tsy misy masirasira sy iray tamin'ny mofo voaisy
diloilo ary iray tamin'ny mofo manify ka napetrany teo ambonin'ny saborany sy
ny sorok'ondry ankavanana.
27 Dia
napetrany teo amin'ny tànan'i Arona sy ny zanany ireo rehetra ireo ka
nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
28 Dia nalain'i
Mosesy tamin'ny tànany indray ireo ka nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara
niaraka tamin'ny fanatitra dorana; fanati-panokanana ireo ho hanitra
ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
29 Dia nalain'i
Mosesy koa ny tratran'ondry ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo
anatrehan'i Jehovah; anjaran'i Mosesy avy amin'ny ondrilahy fanokanana izany,
araka izay efa nandidian'i Jehovah azy.
30 Ary
nangalan'i Mosesy ny diloilo fanosorana sy ny rà izay teo ambonin'ny alitara ka
nafafiny tamin'i Arona sy tamin'ny fitafiany ary tamin'ny zanany sy tamin'ny
fitafian'ny zanany koa; dia nanamasina an'i Arona sy ny fitafiany ary ny zanany
sy ny fitafian'ny zanany koa Izy.
31 Ary hoy Mosesy
tamin'i Arona sy ny zanany: Andrahoy eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay
fihaonana ny hena; ary eo no hihinananareo azy mbamin'ny mofo izay eo amin'ny
haron'ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako hoe: Arona sy ny zanany no
hihinana azy.
32 Ary izay
sisa amin'ny hena sy ny mofo dia hodoranareo amin'ny afo.
33 Ary tsy
hiala eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hafitoana ianareo, dia
mandra-pahatapitry ny andro fanokanana anareo; fa hafitoana no hanokanany
anareo.
34 Tahaka ny
efa natao androany no nandidian'i Jehovah hatao, hanaovana fanavotana ho
anareo.
35 Ary hitoetra
eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hafitoana andro aman'alina
ianareo ka hitandrina izay asain'i Jehovah hotandremana, dia tsy ho faty
ianareo fa izany no nandidiana ahy.
36 Dia nataon'i
Arona sy ny zanany izay rehetra efa nandidian'i Jehovah ka nampilazainy an'i
Mosesy.
1 [Ny
nanombohan'i Arona sy ny zanany ny raharahany] Ary tamin'ny andro fahavalo
Mosesy dia nampaka an'i Arona sy ny zanany ary ny loholon'ny Isiraely.
2 Dia hoy izy
tamin'i Arona: Makà ombilahy kely ho anao hatao fanatitra noho ny ota sy
ondrilahy ho fanatitra dorana, izay samy tsy misy kilema, ka atero eo
anatrehan'i Jehovah.
3 Ary ny
Zanak'Isiraely dia ilazao hoe: Makà osilahy hatao fanatitra noho ny ota sy
ombilahy kely ary zanak'ondry, izay samy iray taona sady samy tsy misy kilema,
hatao fanatitra dorana,
4 ary omby sy
ondrilahy hatao fanati-pihavanana, hovonoina ho fanatitra eo anatrehan'i
Jehovah, ary fanatitra hohanina voaharo diloilo; fa anio no hisehoan'i Jehovah
aminareo.
5 Dia nitondra
izay nandidian'i Mosesy azy ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana izy; ary ny
fiangonana rehetra nanatona ka nijanona teo anatrehan'i Jehovah.
6 Ary hoy
Mosesy: Izao no zavatra izay nandidian'i Jehovah, koa ataovinareo, dia hiseho
aminareo ny voninahitr'i Jehovah.
7 Ary hoy
Mosesy tamin'i Arona: Manatona ny alitara, dia manatera ny fanatitrao noho ny
ota sy ny fanatitra odoranao ka manaova fanavotana ho an'ny tenanao sy ho an'ny
olona; dia manatera ny fanatitry ny olona ka manaova fanavotana ho azy, araka
izay nandidian'i Jehovah.
8 Dia nanatona
ny alitara Arona ka namono ny ombilahy kely hatao fanatitra noho ny ota, izay
ho an'ny tenany.
9 Ary nentin'ny
zanak'i Arona ho eo aminy ny rà, dia nanoboka ny fanondrony tamin'ny rà Arona,
ka notentenany ny tandroky ny alitara ary ny rà sisa dia naidiny teo
am-bodin'ny alitara;
10 fa ny
saborany sy ny voany roa ary ny ila-atiny lehibe avy tamin'ny fanatitra noho ny
ota dia nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara, araka izay nandidian'i
Jehovah an'i Mosesy;
11 ary ny hena
sy ny hoditra dia nodorany tamin'ny afo teny ivelan'ny toby.
12 Dia namono
ny fanatitra dorana Arona; ary ny zanany nanolotra azy ny rà dia nanopy izany
manodidina tamin'ny lafin'ny alitara izy.
13 Ary ny
fanatitra dorana mbamin'ny lohany dia natolotr'ireo azy tsirairay araka ny
nandrasàna azy ka nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara.
14 Ary nanasa
ny taovany sy ny tongony izy, dia nandoro ireo ho fofona niaraka tamin'ny
fanatitra dorana teo ambonin'ny alitara.
15 Dia nentiny
nanatona ny fanatitry ny olona, ka nalainy ny osilahy hatao fanatitra noho ny
ota, izay ho an'ny olona, dia namono azy izy ka nanatitra azy ho fanatitra noho
ny ota, tahaka ilay anankiray teo.
16 Dia
nanatitra ny fanatitra dorana izy ka nanao azy araka ny fanao.
17 Dia nentiny
nanatona koa ny fanatitra hohanina ka nangalany eran-tànan-ila, dia nodorany ho
fofona teo ambonin'ny alitara izany, ho fanampin'ny fanatitra dorana maraina.
18 Dia namono
ny omby sy ny ondrilahy koa izy hatao fanati-pihavanana, izay haterina noho ny
olona; ary ny zanak'i Arona nanolotra azy ny rà, dia nanopy izany manodidina
tamin'ny lafin'ny alitara izy.
19 Ary natolony
azy koa ny saboran'ny omby sy ny hofaky ny ondrilahy mbamin'ny safodrorohany
ary ny voany roa sy ny ila-atiny lehibe,
20 dia
napetrany teo ambonin'ny tratran'ireo ny saborany, ary nodorany ho fofona teo
ambonin'ny alitara izany;
21 fa ny
tratrany sy ny sorony ankavanana kosa dia nahevahevan'i Arona ho fanatitra
ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah, araka izay nandidian'i Mosesy.
22 Ary Arona
nanandratra ny tànany manandrify ny olona ka nitso-drano azy; dia nidina izy,
rehefa avy nanatitra ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana ary ny
fanati-pihavanana.
23 Ary Mosesy
sy Arona niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana, dia nivoaka ka nitso-drano ny
olona; ary ny voninahitr'i Jehovah niseho tamin'ny olona rehetra.
24 Ary nisy afo
nivoaka avy teo anatrehan'i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny
saborany teo ambonin'ny alitara; ary nony hitan'ny olona rehetra izany, dia
nihoby izy sady niankohoka.
*
1 [Ny
nitondran'i Nadaba sy Abiho afo tsy izy, sy ny nataon'Andriamanitra noho izany]
Ary Nadaba sy Abiho, zanak'i Arona, samy naka ny fitondran'afony avy ka nanisy
afo teo anatiny, ary nanisy ditin-kazo manitra teo, dia nanatitra afo tsy izy
teo anatrehan'i Jehovah, izay tsy nandidiany azy.
2 Dia nisy afo
nivoaka avy teo anatrehan'i Jehovah ka nahafaty azy roa lahy, dia maty teo
anatrehan'i Jehovah izy.
3 Dia hoy
Mosesy tamin'i Arona: Izany dia ilay nolazain'i Jehovah hoe: Amin'izay akaiky
Ahy no hisehoako ho masina, ary eo anatrehan'ny olona rehetra no hampisehoako
ny voninahitro. Dia sina Arona.
4 Ary Mosesy
dia nampaka an'i Misaela sy Elzafana, zanak'i Oziela, rahalahin-drain'i Arona,
ka nanao taminy hoe: Manatòna, ka ento ny rahalahinareo hiala eo anoloan'ny
fitoerana masina ho eny ivelan'ny toby.
5 Dia nanatona
izy roa lahy ka nitondra azy, mbola miakanjo ny akanjo lavany ihany, ho eny
ivelan'ny toby, araka izay efa nolazain'i Mosesy.
6 Ary hoy
Mosesy tamin'i Arona ary tamin'i Eleazara sy Itamara, zananilahy: Aza
mirakaraka volo, na mandriatra ny akanjonareo, fandrao mba maty koa ianareo,
sady hisy fahatezerana hahatratra ny olona rehetra; fa aoka ny rahalahinareo,
dia ny taranak'Isiraely rehetra, no hitomany noho ny fahamaizana izay
narehitr'i Jehovah.
7 Ary aza miala
eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, fandrao maty ianareo; fa efa
mby aminareo ny diloilo fanosoran'i Jehovah. Dia nanao araka ny tenin'i Mosesy
izy.
8 Ary Jehovah
niteny tamin'i Arona ka nanao hoe:
9 Aza misotro
divay na toaka ianao, na ny zanakao, raha miditra ao amin'ny trano-lay
fihaonana, mba tsy ho faty ianareo (ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo
hatramin'ny fara mandimby izany),
10 ary mba
hahaizanareo manavaka ny masina sy ny tsy masina, ary ny madio sy ny tsy madio,
11 ary mba
hampianarinareo ny Zanak'Isiraely ny didy rehetra izay nasain'i Jehovah
holazain'i Mosesy taminy.
12 Ary hoy
Mosesy tamin'i Arona ary tamin'i Eleazara sy Itamara zananilahy sisa: Alao ny
fanatitra hohanina izay sisa amin'ny fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i
Jehovah, ka hano eo anilan'ny alitara izany, nefa aza asiana masirasira; fa
masina dia masina izany.
13 Ary hano eo
amin'izay fitoerana masina izany, fa anjaranao sy ny zanakao avy amin'ny
fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany; fa izany no nandidiany ahy.
14 Ary ny
tratrany ahevaheva sy ny sorony asandratra hohaninareo eo amin'izay fitoerana
madio, dia ianao mbamin'ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy koa; fa nomena ho
anjaranao sy ny zanakao ireo avy amin'ny fanati-pihavanana aterin'ny
Zanak'Isiraely.
15 Ny sorony
asandratra sy ny tratrany ahevaheva mbamin'ny saborany izay fanatitra atao
amin'ny afo dia ho entiny mba hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i
Jehovah; dia ho anao sy ny zanakao koa ireo, ho anjaranareo mandrakizay, araka
izay nandidian'i Jehovah.
16 Ary Mosesy
nitady fatratra ny osilahy izay natao fanatitra noho ny ota, kanjo efa voadotra
izany; dia tezitra tamin'ny zanak'i Arona sisa izy, dia tamin'i Eleazara sy
Itamara, ka hoy izy:
17 Nahoana no
tsy nohaninareo teo amin'ny fitoerana masina ny fanatitra noho ny ota? fa
masina dia masina izany, ary efa nomeny anareo izy hitondranareo ny heloky ny
fiangonana, hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah.
18 Indro, ny
ràny tsy nampidirina tao anatin'ny fitoerana masina, koa tokony ho nihinana azy
mihitsy teo amin'ny fitoerana masina ianareo, araka izay nandidiako.
19 Ary Arona
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Indro, androany no nanaterany ny fanatiny
noho ny ota sy ny fanatitra dorany teo anatrehan'i Jehovah, ary efa azon'izao
manjo izao aho; koa raha tàhiny nihinana ny fanatitra noho ny ota androany aho,
moa ho tsara teo imason'i Jehovah va izany?
20 Ary raha ren'i
Mosesy izany, dia nankasitrahany.
*
1 [Ny lalàna ny
amin'ny biby madio sy maloto] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka
nanao taminy hoe:
2 Mitenena
amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izao no ho fihinanareo amin'ny biby rehetra
ambonin'ny tany:
3 Izay biby
rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony, sady mandinika izy, no ho
fihinanareo.
4 Kanefa
amin'izay mandinika sy mivaky kitro dia izao kosa no tsy ho fihinanareo: Ny
rameva, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo
izy;
5 ary ny
hyraka, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo
izy;
6 ary ny
rabitro, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro; maloto aminareo
izy;
7 ary ny kisoa,
satria mivaky kitro ihany izy ka misaraka tsara ny kitrony, nefa tsy mba
mandinika izy: maloto aminareo izy.
8 Ny
henan'ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo akory;
zava-maloto aminareo ireny.
9 Ary amin'izay
rehetra ao anatin'ny rano dia izao no ho fihinanareo: Izay rehetra misy vombony
sy kirany ao anaty rano, na ao anatin'ny ranomasina, na ao anatin'ny ony, no ho
fihinanareo;
10 fa izay
rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa, na ao anatin'ny ranomasina, na ao
anatin'ny ony, na amin'izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin'ny
zava-manan'aina izay ao anaty rano; fahavetavetana aminareo ireny;
11 eny, ho
fahavetavetana aminareo ireny; tsy ho fihinanareo ny nofony, ary hataonareo ho
zava-betaveta ny fatiny.
12 Izay rehetra
tsy misy vombony na kirany ao anaty rano dia ho zava-betaveta aminareo.
13 Ary izao no
ho zava-betaveta aminareo amin'ny vorona ka tsy ho fihinanareo, fa
zava-betaveta izy: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay
14 ary ny
papango sy ny voromahery, isan-karazany,
15 ary ny
goaika rehetra, isan-karazany,
16 ary ny
ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka sy ny hitsikitsika, isan-karazany,
17 ary ny
vorondolo sy ny manarana sy ny vorondolo lehibe
18 ary ny ibisa
sy ny sama ary ny voltora madinika
19 sy ny vano
sy ny vanobe, isan-karazany, ary ny takidara sy ny manavy.
20 Ny
zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra dia ho
zava-betaveta aminareo;
21 nefa izao
kosa no ho fihinanareo amin'ny zava-mandady izay manana elatra sady mandia
tongotra efatra, dia izay manam-pingotra ambonin'ny faladiany hitsipihany eo
amin'ny tany.
22 Amin'ireny
dia izao no ho fihinanareo; ny valala, isan-karazany, ny solama, isan-karazany,
ary ny hargola, isan-karazany, ary ny hagaba, isan-karazany.
23 Fa ny
zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra afa-tsy
ireo dia ho zava-betaveta aminareo.
24 Dia Ireo no
ho zava-maloto aminareo; ary izay rehetra mikasika ny fatiny dia haloto
mandra-paharivan'ny andro.
25 Ary izay
rehetra mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ary haloto
mandra-paharivan'ny andro.
26 Ny biby
rehetra izay mivaky kitro, nefa tsy mba misara-kitro tsara sady tsy mandinika,
dia ho zava-maloto aminareo; haloto izay rehetra mikasika azy.
27 Ary izay
rehetra mandeha amin'ny faladiany, amin'ny biby rehetra izay mandia tongotra
efatra, dia zava-maloto aminareo; haloto mandra-paharivan'ny andro izay rehetra
mikasika ny fatiny.
28 Ary izay
mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ka haloto mandra-paharivan'ny andro;
ho zava-maloto aminareo ireny.
29 Ary izao no
haloto aminareo amin'ny biby izay mandady na mikisaka amin'ny tany: ny
kionkiona sy ny totozy ary ny sitry, isan-karazany,
30 ary ny anakà
sy ny koaha sy ny letaha sy ny hometa ary ny tana.
31 Ireo no
maloto aminareo amin'ny biby rehetra izay mandady na mikisaka; izay rehetra
mikasika ny fatin'ireo dia haloto mandra-paharivan'ny andro.
32 Ary izay
zavatra rehetra ilatsahan'ny fatin'Ireo, na fanaka hazo, na fitafiana, na
hoditra, na lasaka, izay mety ho fanaovan-javatra na inona na inona, dia
haloto, ka tsy maintsy hatao anaty rano izany, ary haloto mandra-paharivan'ny
andro izy vao hadio.
33 Ary ny
amin'ny vilany tany rehetra izay ilatsahan'ny fatin'ireo, dia haloto izay ao
anatiny na inona na inona, ary ny vilany dia hovakinareo.
34 Ary ny
hanina fihinana rehetra, izay asian-drano, sy ny fisotro rehetra izay sotroina
dia haloto koa, na tamin'ny fanaka inona na tamin'ny fanaka inona.
35 Ary haloto
izay zavatra rehetra ilatsahan'ny fatin'ireo, na fanendasana, na vilany
mirakotra, dia hovakivakina izany; fa maloto ireny, ary ho zava-maloto
aminareo.
36 Kanefa ny
loharano na ny lavaka famorian-drano izay misy rano be dia hadio ihany; fa izay
mikasika ny fatin-javatra eo no haloto.
37 Ary raha
misy fatin'ireo latsaka amin'ny voan-javatra famafy, izay efa hafafy, dia hadio
ihany izany.
38 Fa raha misy
voan-javatra nalona tamin'ny rano ka ilatsahan'ny fatiny, dia ho zava-maloto
aminareo izany.
39 Ary raha
misy maty izay biby fihinanareo, dia haloto mandra-paharivan'ny andro izay
mikasika ny fatiny.
40 Ary izay
mihinana amin'ny fatiny dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan'ny
andro; ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sady haloto
mandra-paharivan'ny andro
41 Ary ny
zavatra rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany dia ho zava-betaveta aminareo
ka tsy ho fihinana.
42 Izay rehetra
mandady amin'ny kibony sy Izay rehetra mandia tongotra efatra ary izay rehetra
maro tongotra, dia ny biby tehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia
tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta ireny.
43 Aza mametaveta
ny tenanareo amin'izay biby mandady na mikisaka; ary aza mandoto ny tenanareo
aminy, mba tsy hahaloto anareo izany.
44 Fa Izaho no
Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasina ny tenanareo, ka dia ho masina
ianareo, satria masina Aho; ary aza mandoto ny tenanareo amin'izay zavatra
mandady na mikisaka amin'ny tany.
45 Fa Izaho no
Jehovah Izay nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, mba ho
Andriamanitrareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho.
46 Izany no
lalàna ny amin'ny biby sy ny vorona sy ny zava-manan'aina rehetra izay
mihetsiketsika ao anaty rano ary ny zava-manan'aina rehetra izay mandady na
mikisaka amin'ny tany,
47 mba
hanavahana ny maloto sy ny madio, ary ny biby izay ho fihinana sy ny biby izay
tsy ho fihinana.
*
1 [Ny lalàna ny
amin'ny fanadiovana ny vehivavy velom-bao] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka
nanao hoe:
2 Mitenena
amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy vehivavy manan'anaka ka tera-dahy, dia
haloto hafitoana izy; tahaka ny andro fahalotoany raha mararin'ny fadim-bolany
no hahalotoany.
3 Ary amin'ny
andro fahavalo dia hoforana ny zaza.
4 Ary telo amby
telo-polo andro no hitoeran-dravehivavy amin'ny ràny izay mahadio azy; tsy
hanendry zava-masina izy, na hiditra ao amin'ny fitoerana masina, mandra-pahatapitry
ny andro fidiovany.
5 Fa raha
tera-bavy kosa izy, dia haloto tapa-bolana, tahaka ny tamin'ny fahalotoany
ihany koa; ary enina amby enim-polo andro no hitoerany hidiovany amin'ny ràny
izay mahadio azy.
6 Ary raha
tapitra ny andro fidiovany ny amin'ny zanany, na lahy na vavy, dia zanak'ondry
izay iray taona no halainy ho fanatitra dorana sy zana-boromailala, na
domohina, ho fanatitra noho ny ota, ka ho entiny eo anoloan'ny varavaran'ny
trano-lay fihaonana ho eo amin'ny mpisorona ireo.
7 Ary izy
hanatitra izany eo anatrehan'i Jehovah ka hanao fanavotana ho an-dravehivavy,
dia hadio tamin'ny fandehanan'ny ràny izy. Izany no lalàna ny amin'ny vehivavy
tera-dahy na tera-bavy.
8 Ary raha tsy
tratry ny ananany ny zanak'ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala
roa izy, ny anankiray hatao fanatitra dorana, ary ny anankiray kosa hatao
fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia
hadio izy.
*
1 [Ny lalàna ny
amin'ny habokana sy ny aretina mitovitovy aminy] Ary Jehovah niteny tamin'i
Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2 Raha misy
mamontsina eo amin'ny hoditry ny nofon'ny olona, na misy manako-pery na misy
mifaritra mangirana, ka eo amin'ny hoditry ny nofony tahaka ny habokana izany,
dia ho entina ho eo amin'i Arona mpisorona izy, na ho eo amin'izay iray amin'ny
mpisorona, zanak'i Arona;
3 koa raha
zahan'ny mpisorona ny aretina eo amin'ny hoditry ny nofo, ka efa niova ho fotsy
ny volo eo amin'ny aretina, ary efa lalina noho ny hoditry ny nofo no fijeriny
ny aretina, dia habokana izany; ary raha zahan'ny mpisorona izy, dia hataony
hoe maloto.
4 Fa raha misy
mifaritra fotsy mangirana kosa eo amin'ny hoditry ny nofony, nefa tsy lalina
noho ny hoditra no fijeriny azy, ary tsy niova ho fotsy ny volony, dia
hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana ilay marary.
5 Ary raha
zahan'ny mpisorona amin'ny andro fahafito izy, ka hitany fa tsy mitombo ny
aretina sady tsy manitatra eo amin'ny hoditra, dia hatokany toerana hafitoana
indray izy;
6 ary raha
zahan'ny mpisorona indray amin'ny andro fahafito izy, ka hitany fa matromatroka
ny aretina sady tsy manitatra eo amin'ny hoditra, dia hataony hoe madio izy:
manako-pery ihany izany, ka hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.
7 Fa raha
nanitatra teo amin'ny hodiny kosa ny manako-pery, taorian'ny nisehoany tamin'ny
mpisorona ny amin'ny fanadiovana azy, dia hiseho amin'ny mpisorona indray izy.
8 Ary raha
zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa manitatra eo amin'ny hoditra ny
manako-pery, dia hataony hoe maloto izy: habokana izany.
9 Raha misy habokana
amin'ny olona, dia ho entina any amin'ny mpisorona izy;
10 ary raha
zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa misy mamontsina fotsy eo amin'ny hoditra,
sady efa niova ho fotsy ny volo, ary misy nofo mangenahena hita eo amin'ny
mamontsina,
11 dia habokana
efa ela teo amin'ny hoditry ny nofony izany, ka hataon'ny mpisorona hoe maloto
izy; tsy hatokany toerana akory izy, fa efa maloto.
12 Ary raha
mipoipoitra mihitsy eo amin'ny hoditra ny habokana, ary manenika ny hoditr'ilay
marary hatramin'ny lohany ka hatramin'ny tongony, na aiza na aiza zahan'ny
mpisorona,
13 ary zahan'ny
mpisorona, ka hitany fa manenika ny tenany rehetra ny habokana, dia hataony hoe
madio ilay marary; fa efa niova ho fotsy avokoa izy, ka dia madio.
14 Fa raha misy
nofo mangenahena miseho eo aminy, dia haloto izy.
15 Ary raha
zahan'ny mpisorona ny nofo mangenahena, dia hataony hoe maloto izy; fa maloto
ny nofo mangenahena: habokana izany.
16 Ary raha
miova ny nofo mangenahena ka tonga fotsy, dia hankeo amin'ny Mpisorona izy;
17 ary raha zahan'ny
mpisorona ilay marary, ka hitany fa tonga fotsy ny aretina, dia hataon'ny
mpisorona hoe madio izy, fa efa madio.
18 Ary raha
misy fery sitrana eo amin'ny hoditry ny nofo,
19 ary misy
fotsy mamontsina eo amin'ny holatry ny fery, na misy holamena, dia hiseho
amin'ny mpisorona izy.
20 Ary raha
zahan'ny mpisorona izy, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary efa
niova ho fotsy ny volony, dia hataon'ny mpisorona hoe maloto izy: habokana efa
mipoitra eo amin'ny fery izany.
21 Fa raha
zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo, ary tsy lalina
noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan'ny mpisorona toerana
hafitoana izy;
22 ary raha
nanitra mihitsy teo amin'ny hoditra izany, dia hataon'ny mpisorona hoe maloto
izy: habokana izany.
23 Fa raha tsy
mitombo ny faritra mangirana, ka tsy manitatra, dia fahamaimaizana eo amin'ny
fery izany; ary hataon'ny mpisorona hoe madio.
24 Ary raha
misy main'ny afo eo amin'ny hoditry ny nofo, ary hita ny may, fa
mitarehi-kola-mena,
25 ary zahan'ny
mpisorona ka hitany fa efa niova ho fotsy ny volo eo amin'ny itoeran'ny
mifaritra mangirana, ary lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia habokana
efa mipoipoitra eo amin'ny may izany, ka hataon'ny mpisorona hoe maloto,
habokana izany.
26 Fa raha zahan'ny
mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo amin'ny mifaritra mangirana,
ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan'ny
mpisorona toerana hafitoana izy,
27 ary raha
zahan'ny mpisorona amin'ny andro fahafito izy, ka nanitatra mihitsy teo amin'ny
hoditra izany, dia hataony hoe maloto: habokana izany.
28 Ary raha tsy
mitombo ny faritra fotsy mangirana ka tsy nanitatra teo amin'ny hoditra, fa
matromatroka ihany, dia mamontsina eo amin'ny may izany; ary hataon'ny mpisorona
hoe madio izy fa fahamaimaizana ihany izany.
29 Ary raha
misy lehilahy na vehivavy manana aretina eo amin'ny lohany na eo amin'ny
saokany,
30 ary zahan'ny
mpisorona ny aretina, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary misy volo
madinika tomamotamo eo, dia hataon'ny mpisorona hoe maloto izy, olona kongonina
izany, dia habokana eo amin'ny loha na eo amin'ny saoka izy.
31 Fa raha
zahan'ny mpisorona ny kongonina, ka tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy,
nefa tsy misy volo mainty eo, dia hatokany toerana hafitoana ilay olona
kongonina.
32 Ary raha
zahan'ny mpisorona ny aretina amin'ny andro fahafito, ka hitany fa tsy
nanitatra ny aretina, atỳ tsy misy volo tomamotamo eo, ary tsy lalina
noho ny hoditra no fijeriny azy,
33 dia
hiharatra izy, fa ny misy ny aretina tsy hoharatany; ary hatokan'ny mpisorona
toerana hafitoana indray ilay olona kongonina.
34 Ary raha
zahan'ny mpisorona amin'ny andro fahafito ny kongonina, ka hitany fa tsy
nanitatra teo amin'ny hoditra ny aretina, ary tsy lalina noho ny hoditra no
fijeriny azy, dia hataon'ny mpisorona hoe madio izy; ary hanasa ny fitafiany
izy, dia hadio.
35 Fa raha
nanitatra teo amin'ny hoditra mihitsy ny aretina, rehefa natao hoe madio izy,
36 dia
hozahan'ny mpisorona izy, ka raha nitany fa nanitatra teo amin'ny hoditra ny
aretina, dia tsy hitady ny volo tomamotamo intsony ny mpisorona; efa maloto
izy.
37 Nefa raha
hitany fa tsy mitombo ny aretina, ka misy volo mainty maniry eo, dia sitrana ny
kongonina, ka madio izy; ary hataon'ny mpisorona hoe madio.
38 Ary raha
misy lehilahy na vehivavy misy mifaritra mangirana eo amin'ny hoditry ny
nofony, dia mifaritra fotsy mangirana,
39 ary zahan'ny
mpisorona, ka hitany fa misy mifaritra fotsy eo amin'ny hoditry ny nofony
mangirana, nefa matromatroka, dia aretina mamentimpetina fotsy mipoipoitra eo
amin'ny hoditra izany, madio izany.
40 Ary ny
amin'ny lehilahy mihintsam-bolon-doha, dia sola ihany izy ka madio.
41 Ary raha
mihintsana ny volony eo ambonin'ny handriny, dia mazavaray ihany izy ka madio.
42 Fa raha misy
aretina tera-mena sady fotsy, na eo amin'ny loha sola, na eo amin'ny mazavaray,
dia boka mipoipoitra amin'ny loha sola, na amin'ny mazavaray izany
43 Ary raha
zahan'ny mpisorona izy ka hitany fa tera-mena somary fotsy no famontsin'ny
aretina eo amin'ny loha sola, na eo amin'ny mazavaray, tahaka ny fisehon'ny
habokana eo amin'ny hoditry ny nofo,
44 dia lehilahy
boka izy ka maloto; hataon'ny mpisorona hoe maloto tokoa izy: eo amin'ny lohany
ny aretina.
45 Ary ny
amin'izay efa boka mihitsy, dia lamba triatra no ho fitafiany, ary hirakaraka
ny volony, dia hisarom-bava izy sady hiantsoantso hoe: Maloto e! maloto e!
46 Amin'ny
andro rehetra izay haharariany amin'izany aretina izany dia haloto izy; eny,
maloto izy, dia hitoetra mitokana, ka eny ivelan'ny toby no itoerany.
47 Amin'ny
fitafiana izay misy habokana, na fitafiana volon'ondry, na fitafiana rongony,
48 sy izay ho
an'ny tenany, na izay ho fahany, na rongony, na volon'ondry, ary ny hoditra, na
izay zavatra natao tamin'ny hoditra,
49 raha
maitsomaitso na menamena eo amin'ny fitafiana ny aretina, na eo amin'ny
hoditra, na eo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra
natao tamin'ny hoditra, dia habokana izany ka haseho amin'ny mpisorona.
50 Ary
hozahan'ny mpisorona ny aretina ka hatokana toerana hafitoana ilay zavatra misy
azy.
51 Ary raha
zahany ny aretina amin'ny andro fahafito, ka nanitatra teo amin'ny fitafiana ny
aretina, na teo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin'ny zavatra
natao tamin'ny hoditra, dia habokana mafy izany, ka dia maloto.
52 Dia hodorana
ny fiafiana, na izay ho an'ny tenany, na izay ho fahany, na volon'ondry, na
rongony, na izay zavatra natao tamin'ny hoditra, izay misy aretina; fa habokana
mafy izany, ka dia hodorana amin'ny afo.
53 Ary raha
mizaha azy ny mpisorona, ka hitany fa ny aretina tsy nanitatra teo amin'ny
fitafiana, na teo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin'ny
zavatra natao tamin'ny hoditra,
54 dia
hasain'mpisorona hosasana izay misy izany, ary hatokana toerana hafitoana
indray izy;
55 ary rehefa
voasasa izy, dia hozahan'ny mpisorona indray ny aretina; ka raha hitany fa tsy
niova tarehy ny aretina, na dia tsy nanitatra aza, dia maloto izy ka hodoranao
amin'ny afo; aretina mafy izany, na amin'ny atiny, na amin'ny ivelany.
56 Fa raha
mizaha azy ny mpisorona, ka hitany fa matromatroka ny aretina, rehefa voasasa
izy, dia hesorina ho afaka amin'ny fitafiana ny misy izany, na ho afaka amin'ny
hoditra, na ho afaka amin'ny tenany, na izay ho fahany.
57 Ary raha
mbola misy miseho eo amin'ny fitafiana indray izy, na eo amin'izay ho tenany,
na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, dia aretina
mipoipoitra izany, ka hodorana amin'ny afo izay misy izany.
58 Ary ny
fitafiana, na izay ho an'ny tenany, na izay ho fahany, na izay zavatra natao
tamin'ny hoditra, izay hosasanao, raha afaka taminy ny aretina, dia hosasana
fanindroany izy ka hadio.
59 Izany no
lalàna ny amin'ny habokana eo amin'ny fitafiana volon'ondry na rongony, na eo
amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny
hoditra, hanaovana azy hoe madio, na hanaovana azy hoe maloto.
*
1 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Izao no
lalàna ny amin'ny boka amin'ny andro fanavotana azy: ho entina any amin'ny
mpisorona izy;
3 dia hivoaka
eny ivelan'ny toby ny mpisorona ka hizaha azy; Ary raha hitany fa sitrana
amin'ny habokany ny boka,
4 dia vorona
roa velona sady madio sy hazo sedera sy jaky ary hysopa no hasain'ny mpisorona
ho an'ilay hodiovina;
5 Ary hasainy
hovonoina ny vorona anankiray eo ambonin'ny vilany tany izay misy rano nalaina
tamin'ny rano mandeha;
6 Ary halainy
ny vorona velona sy ny hazo sedera sy ny jaky ary ny hysopa, dia hatsobony ireo
mbamin'ny vorona velona eo amin'ny ran'ny vorona izay novonoina teo ambonin'ny
rano nalaina tamin'ny rano mandeha.
7 Dia
hofafazany impito ilay hodiovina ho afaka amin'ny habokany ka hataony hoe
madio, ary halefany ny vorona velona.
8 Ary ilay
hodiovina dia hanasa ny fitafiany sy hanaratra ny volon-dohany rehetra ary
handro amin'ny rano, ka hadio izy; ary rehefa faka izany dia hankeo an-toby
izy, kanefa hitoetra eo ivelan'ny lainy hafitoana.
9 Ary amin'ny
andro fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany, na ny
somony, na ny manja-masony; ny volony rehetra hoharatany avokoa ary hanasa ny
fitafiany izy sady handro amin'ny rano, dia hadio izy.
10 Ary amin'ny
andro fahavalo dia haka zanak'ondrilahy roa tsy misy kilema izy ary
zanak'ondrivavy iray tsy misy kilema izay iray taona ary koba tsara toto telo
ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary diloilo iray
loga.
11 Ary ny
mpiosorona izay manadio ilay lehilahy hodiovina dia hametraka azy sy ireo
zavatra ireo eo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay
fihaonana;
12 dia haka ny
zanak'ondrilahy iray ny mpisorona ka hanatitra azy ho fanati-panonerana
mbamin'ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo
anatrehan'i Jehovah.
13 Ary hamono
ny zanak'ondrilahy eo amin'ny famonoana ny fanatitra noho ny ota sy ny
fanatitra dorana izy, dia eo amin'ny fitoerana masina; fa ho an'ny mpisorona ny
fanatitra noho ny ota, toy ny fanati-panonerana, ho masina dia masina izany.
14 Dia
hangalan'ny mpisorona ny ran'ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron'ny
ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny
ankihiben-tongony ankavanana,
15 ary ny
diloilo iray loga dia hangalan'ny mpisorona ka haidiny eo am-pelatanany
ankavia;
16 dia
hatsoboky ny mpisorona ny fanondrony ankavanana eo amin'ny diloilo izay eo
am-pelatanany ankavia ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah.
17 ary ny
diloilo sisa eo am-pelatanany dia hanentenan'ny mpisorona ny tendron'ny
ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny
ankihiben-tongony ankavanana eo amin'ilay nasiana ny ran'ny fanati-panonerana;
18 ary ny
diloilo mbola sisa eo ampela-tànan'ny mpisorona dia hataony amin'ny lohan'ilay
hodiovina; ary hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah ny mpisorona.
19 Ary ny
mpisorona dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota ka hanao fanavotana ho an'ilay
hodiovina hahafahany amin'ny fahalotoany; ary rehefa afaka izany, dia hamono ny
fanatitra dorana izy;
20 ary ny
mpisorona dia hanatitra ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina eo
ambonin'ny alitara ka hanao fanavotana ho an'ilay olona hodiovina, dia hadio
izy.
21 Fa raha
malahelo kosa izy, ka tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra zanak'ondry
iray hatao fanati-panonerana havehaveva izy, hanaovana fanavotana ho azy, ary
koba tsara toto iray ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra
hohanina sy diloilo iray loga
22 ary domohina
roa, na zana-boromailala roa, araka izay tratry ny ananany, ka ny anankiray
hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray hatao fanatitra dorana.
23 Dia ho eniny
any amin'ny mpisorona ireo amin'ny andro fahavalon'ny fanadiovana azy, ho eo
anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana eo anatrehan'i Jehovah.
24 Dia
horaisin'ny mpisorona ny zanak'ondrilahy izay hatao fanati-panonerana sy ny
diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
25 Dia
hovonoina ny zanak'ondry izay hatao fanati-panonerana, dia hangalan'ny
mpisorona ny ran'ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron'ny
ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny
ankihiben-tongony ankavanana;
26 ary
hangalan'ny mpisorona ny diloilo ka haidiny eo ampela-tànany ankavia;
27 dia
hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ankavanana ny diloilo izay eo
ampela-tànany ankavia, ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah;
28 dia
hotentenan'ny mpisorona amin'ny diloilo izay eo an-tànany ny tendron'ny
ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny
ankihiben-tongony ankavanana, eo amin'ilay nasiana ny ran'ny fanati-panonerana;
29 ary ny
diloilo sisa eo ampela-tànan'ny mpisorona dia hataony amin'ny lohan'ilay
hodiovina hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah.
30 Dia hateriny
koa ny domohina anankiray, na ny zana-boromailala anankiray, araka izay tratry
ny ananany,
31 dia ny
anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra
dorana, mbamin'ny fanatitra hohanina; ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho
an'ilay hodiovina eo anatrehan'i Jehovah.
32 Izany no
lalàna ny amin'ny boka, raha tsy tratry ny ananany izay hanadiovana azy.
*
33 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
34 Rehefa tonga
any amin'ny tany Kanana izay omeko ho taninareo ianareo, ka misy trano hasiako
habokana amin'ny tany fanananareo,
35 dia handeha
ny tompon-trano ka hilaza amin'ny mpisorona hoe: Toa misy aretina miseho ao
amin'ny tranoko.
36 Dia
hasain'ny mpisorona hesorina aloha ny entana ao an-trano mandra-pihaviny hizaha
ny aretina, mba tsy hahalotoan'ny zavatra rehetra ao an-trano; ary rehefa vita
izany, dia ho avy ny mpisorona hizaha ny trano;
37 ary raha
zahany ny aretina, ka hitany fa mihady eo amin'ny rindrin'ny trano izy ka
maitsomaitso na menamena, ary milentika eo amin'ny rindrin-trano no fijeriny
azy,
38 dia hivoaka
ho eo am-baravarana ny mpisorona ka hanidy ny trano tsy hivoha hafitoana.
39 Ary hiverina
ny mpisorona amin'ny andro fahafito, ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa
nanitatra teo amin'ny rindrin'ny trano izy,
40 dia hasain'ny mpisorona hesorina ny vato izay mis