[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | index ouvrages | index auteurs | index sujets | centres d’intérêt]
Nomery
Accès direct aux
chapitres des Nombres : 1, 2,
3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28, 29, 30, 31, 32, 33, 34, 35, 36
1 [Ny nandaminana ny
firenen'Isiraely] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay, tao
amin'ny trano-lay fihaonana tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa,
tamin'ny taona faharoa taorian'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta, ka
nanao hoe:
2 Alao isa ny fiangonana, dia
ny Zanak'Isiraely rehetra, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny
anarany tsirairay,
3 dia ny lehilahy rehetra
amin'ny Isiraely hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra
azo alefa hanafika; handamina azy araka ny antokony avy ianao sy Arona.
4 Ary aoka hisy lehilahy iray
avy isam-pirenena ho namanareo, dia izay samy lohan'ny fianakaviany avy.
5 Ary izao no anaran'ireo
lehilahy ho namanareo ireo: Ny avy amin'i Robena dia Elizora, zanak'i Sedeora;
6 ny avy amin'i Simeona dia
Selomiela, zanak'i Zorisaday;
7 ny avy amin'i
Joda dia Nasona, zanak'i Aminadaba;
8 ny avy amin'Isakara dia
Netanela, zanak'i Zoara;
9 ny avy amin'i
Zebolona dia Eliaba, zanak'i Helona;
10 ny avy amin'ny
zanak'i Josefa dia Elisama, zanak'i Amihoda, avy amin'i Efraima, ary Gamaliela,
zanak'i Pedazora, avy amin'i Manase kosa;
11 ny avy
amin'i Benjamina dia Abidana, zanak'i Gideony;
12 ny avy
amin'i Dana dia Ahiezera, zanak'i Amisaday;
13 ny avy amin'i Asera dia
Fagiela, zanak'i Okrana;
14 ny avy amin'i Gada dia
Eliasafa, zanak'i Doela;
15 ny avy amin'i Naftaly dia
Ahira, zanak'i Enana.
16 Ireo no voafidin'ny
fiangonana, dia samy lohan'ny fireneny avy sady mpifehy arivo amin'ny Isiraely.
17 Ary Mosesy
sy Arona naka ireo olona voatonona anarana ireo,
18 dia namory
ny fiangonana rehetra tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa; ary
samy nampanoratra ny anarany avy izy araka ny firazanany, dia araka ny fokony
sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona
no ho miakatra.
19 Araka izay
nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nandaminany azy tany an-efitr'Sinay.
20 Ary tamin'ny
taranak'i Robena, lahimatoan'Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary
araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny roa-polo taona
no ho miakatra izay azo nalefa hanafika,
21 izay
voalamina avy tamin'ny firenen'i Robena dia diman-jato amby enina arivo sy
efatra alina.
22 Ary tamin'ny
taranak'i Simeona araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra
voalamina, araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny
roa-polo taona no ho miakatra, izay azo nalefa hanafika
23 izay
voalamina avy tamin'ny firenen'i Simeona dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy
alina.
24 Ary tamin'ny
taranak'i Gada araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo
nalefa hanafika,
25 izay
voalamina avy tamin'ny firenen'i Gada dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy
arivo sy efatra alina.
26 Ary tamin'ny
taranak'i Joda araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo
nalefa hanafika,
27 izay
voalamina avy tamin'ny firenen'i Joda dia enin-jato amby efatra arivo sy fito
alina.
28 Ary tamin'ny
taranak'Isakara araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo
nalefa hanafika,
29 izay
voalamina avy tamin'ny firenen'Isakara dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy
alina.
30 Ary tamin'ny
taranak'i Zebolona araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo
nalefa hanafika,
31 izay
voalamina avy tamin'ny firenen'i Zebolona dia efa-jato amby fito arivo sy dimy
alina.
32 Ary tamin'ny
taranak'i Josefa: dia avy tamin'ny taranak'i Efraima araka ny fokony sy ny
fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho
miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
33 izay
voalamina avy tamin'ny firenen'i Efraima dia diman-jato amby efatra alina;
34 ary tamin'ny
taranak'i Manase araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo
nalefa hanafika,
35 izay
voalamina avy tamin'ny firenen'i Manase dia roan-jato amby roa arivo sy telo
alina.
36 Ary tamin'ny
taranak'i Benjamina araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo
nalefa hanafika,
37 izay
voalamina avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia efa-jato amby dimy arivo sy telo
alina.
38 Ary tamin'ny
taranak'i Dana araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo
nalefa hanafika,
39 izay
voalamina avy tamin'ny firenen'i Dana dia fiton-jato amby roa arivo sy enina
alina.
40 Ary tamin'ny
taranak'i Asera araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo
nalefa hanafika
41 izay
voalamina avy tamin'ny firenen'i Asera dia diman-jato amby arivo sy efatra
alina.
42 Ary tamin'ny
taranak'i Naftaly araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo
nalefa hanafika,
43 izay
voalamina avy tamin'ny firenen'i Asera dia efa-jato amby telo arivo sy dimy
alina.
44 Ireo no
voalamin'i Mosesy sy Arona ary ny roa ambin'ny folo lahy lehibe amin'ny
Isiraely, izay samy lohan'ny fianakaviany avy.
45 Ary izay
rehetra avy tamin'ny Zanak'Isiraely araka ny fianakaviany, hatramin'ny roa-polo
taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika avy amin'ny
Isiraely,
46 dia
dimam-polo amby dimam-jato sy telo arivo sy enina hetsy.
47 [Ny amin'ny
raharahan'ny Levita] Fa ny Levita, araka ny fireneny kosa dia tsy mba nalamina
ho isan'ireo.
48 Fa Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
49 Ny firenen'ny
Levita ihany no aza alamina, ary aza mba alaina isa miaraka amin'ny
Zanak'Isiraely;
50 fa tendreo
izy hitandrina ny tabernakelin'ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny
zavatra rehetra izay momba azy; fa izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra
rehetra momba azy sady hanao fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny
tabernakely no hitobiany.
51 Ary raha
hafindra ny tabernakely, dia ny Levita no hangorona azy; ary raha haorina ny
tabernakely, dia ny Levita no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky,
dia hatao maty izy.
52 Dia hitoby
ny Zanak'Isiraely, samy eo amin'ny tobiny avy, ary samy eo amin'ny fanevany
ary, araka ny antokony.
53 Fa ny Levita
kosa hitoby manodidina ny tabernakelin'ny Vavolombelona, mba tsy hisy
fahatezerana hahatratra ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely; ary ny Levita
hitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin'ny Vavolombelona.
54 Dia
nataon'ny Zanak'Isiraely izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i
Mosesy no nataony.
*
1 [Ny
filaharan'ny tobin'ny Isiraely araka ny fireneny avy] Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2 Samy eo
amin'ny fanevany sy eo amin'ny faneva kelin'ny fianakaviany avy no hitobian'ny
Zanak'Isiraely; manodidina ny trano-lay fihaonana sady manandrify azy no hitobiany.
3 Ary ny hitoby
eo amin'ny lafiny atsinanana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro, dia izay
momba ny fanevan'ny tobin'i Joda, araka ny antokony; ary ny lohan'ny taranak'i
Joda dia Nasona, zanak'i Aminadaba;
4 ary ny
miaramilany izay nalamina dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.
5 Ary ny hitoby
eo anilany dia ny firenen'Isakara; ary ny lohan'ny taranak'Isakara dia
Netanela, zanak'i Zoara;
6 ary ny
miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.
7 Dia vao ny
firenen'i Zebolona; ary ny lohan'ny taranak'i Zebolona dia Eliaba, zanak'i
Helona;
8 ary ny
miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.
9 Ny
tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Joda dia efa-jato amby enina arivo
sy valo alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no loha-lalana.
10 Ary ny
fanevan'ny tobin'i Robena no ho eo amin'ny lafiny atsimo, araka ny antokony;
ary ny lohan'ny taranak'i Robena dia Elizora, zanak'Sedeora;
11 ary ny
miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.
12 Ary ny
hitoby eo anilany dia ny firenen'i Simeona; ary ny lohan'ny taranak'i Simeona
dia Selomiela, zanak'i Zorisaday;
13 ary ny
miaramilany izay nalamina dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.
14 Dia vao ny
firenen'i Gada; ary ny lohan'ny taranak'i Gada dia Eliasafa, zanak'i Roela;
15 ary ny
miaramilany izay nalamina dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra
alina.
16 Ny
tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Robena dia dimam-polo amby efa-jato
sy arivo sy dimy alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha
faharoany.
17 Dia handroso
ny trano-lay fihaonana sy ny tobin'ny Levita, eo afovoan'ny toby rehetra; ka
araka ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin'ny filaharany avy, araka
ny fanevany.
18 Ary ny
fanevan'ny tobin'i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny
andrefana; ary ny lohan'ny taranak'i Efraima dia Elisama, zanak'i Amihoda;
19 ary ny
miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby efatra alina.
20 Ary ny
firenen'i Manase ho eo anilany; ary ny lohan'ny taranak'i Manase dia Gamaliela,
zanak'i Pedazora;
21 ary ny
miaramilany izay nalamina dia roan-jato amby roa arivo amby telo alina.
22 Dia vao ny
firenen'i Benjamina; ary ny lohan'ny taranak'i Benjamina dia Abidana, zanak'i
Gideony;
23 ary ny
miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby dimy arivo amby telo alina.
24 Ny
tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Efraima dia zato amby valo arivo sy
iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha fahatelony.
25 Ary ny
fanevan'ny tobin'i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny avaratra;
ary ny lohan'ny taranak'i Dana dia Ahiezera, zanak'i Amisaday;
26 ary ny
miaramilany izay nalamina dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.
27 Ary ny
hitoby eo anilany dia ny firenen'i Asera; ary ny lohan'ny taranak'i Asera dia
Pagiela, zanak'i Okrana;
28 ary ny
miaramilany izay nalamina dia dimam-jato amby arivo sy efatra alina.
29 Dia vao ny
firenen'i Naftaly; ary ny lohan'ny taranak'i Naftaly dia Ahira, zanak'i Enana;
30 ary ny
miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
31 Ny
tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Dana dia enin-jato amby fito arivo
sy dimy alina sy iray hetsy. Dia ireo kosa no vodi-lalana.
32 Ireo no
nalamina avy tamin'ny Zanak'Isiraely, araka ny fianakaviany; ny tontalin'izay
nalamina tamin'ny toby rehetra, araka ny antokony, dia dimam-polo amby
dimanjato amby telo arivo sy enina hetsy.
33 Fa ny Levita
dia tsy mba niaraka nalamina tamin'ny Zanak'Isiraely, araka izay efa nandidian'i
Jehovah an'i Mosesy.
34 Ary ny
Zanak'Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy
ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny
fianakaviany avy izy.
*
1 [Ny
nandaminana ny firenen'i Levy, sy ny nitobiany, ary ny zavatra hotandremany]
Ary izao no taranak'i Arona sy Mosesy tamin'ny andro nitenenan'i Jehovah
tamin'i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay.
2 Ny anaran'ny
zanakalahin'i Arona dia Nadaba lahimatoa sy Abiho ary Eleazara sy Itamara.
3 Ireo no
anaran'ny zanakalahin'i Arona, dia ny mpisorona voahosotra, izay natokana hanao
fisoronana.
4 Fa maty teo
anatrehan'i Jehovah Nadaba sy Abiho tamin'izy nanatitra afo tsy izy teo
anatrehan'i Jehovah tany an-efitr'i Sinay, sady samy tsy nanan-janaka izy
mirahalahy; ary Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana teo anatrehan'i Arona
rainy.
5 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
6 Ento ny
firenen'i Levy hanatona, ka ampitoero eo anatrehan'i Arona mpisorona mba
hanompo azy.
7 Dia
hitandrina ny anjara-raharahan'i Arona sy ny anjara raharahan'ny fiangonana
rehetra eo anoloan'ny trano-lay fihaonana izy, ka hanao ny fanompoana ao
amin'ny tabernakely.
8 Dia
hitandrina ny fanaka rehetra momba ny trano-lay fihaonana sy ny
anjara-raharahan'ny Zanak'Isiraely izy ka hanao ny fanompoana ao amin'ny
tabernakely.
9 Ary homenao
an'i Arona sy ny zananilahy ny Levita; efa nomena azy mihitsy avy amin'ny
Zanak'Isiraely ireo.
10 Ary Arona sy
ny zananilahy hotendrenao hitandrina ny fisoronany; fa raha olon-kafa no
manakaiky, dia hatao maty izy.
11 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
12 Indro, Izaho
efa naka ny Levita avy tamin'ny Zanak'Isiraely ho solon'ny lahimatoa rehetra
izay voalohan-teraka eo amin'ny Zanak'Isiraely: dia Ahy ny Levita,
13 satria Ahy
ny lahimatoa rehetra; tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra
tany amin'ny tany Egypta no nanamasinako ny voalohan-teraka rehetra eo amin'ny
Isiraely ho Ahy, na olona, na biby fiompy: Ahy ireo; Izaho no Jehovah.
14 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay ka nanao hoe:
15 Alamino ny
Levita araka ny fianakaviany sy ny fokony; ny lahy rehetra eo aminy hatramin'ny
iray volana no ho miakatra no halaminao.
16 Ary Mosesy
nandamina azy araka ny tenin'i Jehovah, araka izay efa nandidiana azy.
17 Ary izao no
zanakalahin'i Levy, araka ny anarany: Gersona sy Kehata ary Merary.
18 Ary izao no
anaran'ny zanakalahin'i Gersona, araka ny fianakaviany: Libny sy Simey.
19 Ary ny
zanakalahin'i Kehata, araka ny fianakaviany, dia Amrama sy Jizara sy Hebrona
ary Oziela.
20 Ary ny
zanakalahin'i Merary, araka ny fianakaviany, dia Maly sy Mosy. Ireo no fokon'ny
Levita, araka ny fianakaviany.
21 Avy tamin'i
Gersona ny fokon'ny Libnita sy ny Simeita: Ireo no fokon'ny Gersonita.
22 Ary izay
nalamina, araka ny isan'ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra,
dia diman-jato amby fito arivo.
23 Ny fokon'ny
Gersonita dia hitoby eo ivohon'ny tabernakely, dia eo andrefany.
24 Ary ny
lohan'ny fianakavian'ny Gersonka dia Efiasafa, zanak'i Laela.
25 Ary ny
anjara-raharahan'ny zanak'i Gersona eo amin'ny trano-lay fihaonana dia ny
tabernakely sy ny lay sy ny firakony sy ny varavarana lamba amin'ny
varavaran'ny trano-lay fihaonana,
26 ary ny
fefi-lamban'ny kianja sy ny vavahady lamba amin'ny vavahadin'ny kianja, izay
manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehy rehetra momba azy.
27 Ary avy
tamin'i Kehata ny fokon'ny Amramita sy ny fokon'ny Jizarita sy ny fokon'ny
Hebronita ary ny fokon'ny Ozielita; ireo no fokon'ny Kehatita.
28 Ny isan'ny
lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, izay mpitandrina ny
anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia enin-jato amby valo arivo.
29 Ny fokon'ny
zanak'i Kehata dia hitoby eo amin'ny lafiny atsimo amin'ny tabernakely.
30 Ary ny
lohan'ny fianakaviana amin'ny fokon'ny Kehatita dia Elisafana, zanak'i Oziela.
31 Ary ny
anjara-raharahany dia ny fiara sy ny latabatra sy ny fanaovan-jiro sy ny
alitara roa, ary ny fanaky ny fitoerana masina, izay fanaovana
fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba mbamin'ny zavatra rehetra
fanaovana ny fanompoana momba azy.
32 Ary ny
lehiben'ny lohan'ny Levita dia Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, izay
lehiben'ny mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny fitoerana masina.
33 Avy tamin'i
Merary ny fokon'ny Malita sy ny fokon'ny Mosita; Ireo no fokon'i Merary.
34 Ary izay
nalamina, araka ny isan'ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra,
dia roan-jato amby enina arivo,
35 Ary ny
lohan'ny fianakaviana amin'ny fokon'i Merary dia Zoriela, zanak'i Abihaila;
ireo no hitoby eo amin'ny lafiny avaratra amin'ny tabernakely.
36 Ary ny
anjara-raharahan'ny zanak'i Merary dia ny zana-kazo amin'ny tabernakely sy ny
barany sy ny andriny ary ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy, sy ny
zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao,
37 ary ny
tsangantsangan'ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany ary ny
kofehiny.
38 Ary ny
mitoby eo anoloan'ny tabernakely atsinanany, dia eo anoloan'ny trano-lay
fihaonana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro, dia Mosesy sy Arona ary ny
zanany, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia ny
anjara-raharahan'ny Zanak'Isiraely; ary raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao
maty izy.
39 Ny
tontalin'izay nalamina avy tamin'ny Levita, dia izay nalamin'i Mosesy sy Arona
araka ny didin'i Jehovah, avy tamin'ny fokony, ny lahy rehetra hatramin'ny iray
volana no ho miakatra, dia roa arivo amby roa alina.
40 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Alamino ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely
hatramin'ny iray volana no ho miakatra, ka alao isa ny anarany.
41 Ary alao ho
Ahy ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely: Izaho no
Jehovah; ary ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny voalohan-teraka rehetra
amin'ny biby fiompin'ny Zanak'Isiraely.
42 Dia nalamin'i
Mosesy ny lahimatoa rehetra teo amin'ny Zanak'Isiraely, araka izay efa
nandidian'i Jehovah azy.
43 Ary ny
lahimatoa rehetra, araka ny anarany tsirairay hatramin'ny iray volana no ho
miakatra, izay nalamina avy taminy dia telo amby fito-polo sy roan-jato sy roa
arivo sy roa alina.
44 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
45 Alao ny
Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely; ary ny biby
fiompin'ny Levita ho solon'ny biby fiompiny: Ahy ny Levita; Izaho no Jehovah.
46 Ary ny
amin'ny avotry ny telo amby fito-polo sy roan-jato amin'ny lahimatoan'ny
Zanak'Isiraely, izay mihoatra isa noho ny Levita,
47 dia
hangalanao sekely dimy isan-olona; araka ny sekely masina no hangalanao azy
(gera roa-polo ny sekely iray).
48 Dia homenao
an'i Arona sy ny zanany ny vola ho avotr'ireo mihoatra isa ireo.
49 Ary Mosesy
nandray ny vola izay avotry ny nihoatra isa noho ny voavotry ny Levita;
50 tamin'ny
lahimatoan'ny Zanak'Isiraely no nandraisany ny vola, dia sekely dimy amby
enim-polo sy telon-jato sy arivo, araka ny sekely masina;
51 dia nomen'i
Mosesy an'i Arona sy ny zanany izany vola avotra izany, araka ny tenin'i
Jehovah, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
*
1 [Ny
raharahan'ny Levita, sy ny isany isam-pirazanany] Ary Jehovah niteny tamin'i
Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2 Alao isa ny
taranak'i Kehata eo amin'ny taranak'i Levy, araka ny fokony sy ny fianakaviany,
3 hatramin'ny
telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra miditra
amin'ny antokony hanao raharaha ao amin'ny trano-lay fihaonana.
4 Izao no ho
fanompoan'ny taranak'i Kehata ao amin'ny trano-lay fihaonana, dia ny zavatra
masina indrindra:
5 Ary raha
hifindra ny toby, dia hiditra Arona sy ny zanany ka hampidina ny efitra lamba
fanakonana; ary hasarony ny fiaran'ny Vavolombelona'izany;
6 ary
hodi-takasy no hataony sarona eo amboniny, ka lamba volon'ondry manga
tokam-bolo no hovelariny hasarony eo ambonin'io, dia hataony eo aminy ny baony.
7 Ary hamelatra
lamba, volon'ondry manga eo ambonin'ny latabatry ny mofo aseho izy, ka hataony
eo ny lovia sy ny lovia kely sy ny kapoaka ary ny fitoeran-divay ho fanidinana;
ary ny mofo aseho dia hataony eo amboniny.
8 Dia
hovelarany lamba jaky eo amboniny izy, ka hosaronany amin'ny sarona hodi-takasy
izany; dia hataony eo aminy ny baony.
9 Dia haka
lamba volon'ondry manga izy, ka hasarony ny fanaovan-jiro fanazavana sy ny lela
fanaovan-jirony sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony ary ny
fitoeran-diloilo rehetra eo, izay anaovana ny fanompoam-pivavahana;
10 ary ireo sy
ny fanaka rehetra momba azy dia hataony ao anatin'ny sarona hodi-takasy ka
hatainginy eo ambonin'ny filanjana azy.
11 Ary
hamelatra lamba manga eo ambonin'ny alitara volamena izy, dia hosaronany sarona
hodi-takasy, ary hataony eo aminy ny baony;
12 dia halainy
ny fanaka rehetra enti-manompo, dia izay fanaovany fanompoam-pivavahana ao
amin'ny fitoerana masina, ka hataony ao anaty lamba volon'ondry manga ka
hosaronany sarona hodi-takasy, dia hatainginy eo ambonin'ny filanjana azy.
13 Dia
hanaisotra ny lavenona amin'ny alitara izy ka hamelatra lamba volomparasy eo
amboniny.
14 Ary
hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra momba azy, izay fanaovana
fanompoan-pivavahana eo, dia ny fitondran'afony sy ny fitrebiny sy ny
sotron'afony ary ny loviany famafazana, dia ny fanaka rehetra momba ny alitara;
ary hovelarany sarona hodi-takasy eo amboniny izy, dia hataony eo aminy ny
baony.
15 Ary rehefa
vitan'i Arona sy ny zanany ny manarona ny fitoerana masina sy ny fanaka rehetra
momba azy, ka efa hifindra ny toby, dia vao izay no ho avy ny zanak'i Kehata
hitondra azy; fa tsy hikasika ny fitoerana masina izy, fandrao maty. Izany
zavatra momba ny trano-lay fihaonana izany no ho anjara entan'ny taranak'i
Kehata.
16 Ary ny
raharahan'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, dia ny diloilo hatao fanazavana
sy ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanatitra hohanina fanao isan'andro ary ny
diloilo fanosorana, dia ny raharaha rehetra amin'ny tabernakely sy izay rehetra
ao anatiny amin'ny fitoerana masina sy ny fanaka momba azy.
17 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
18 Ataovy izay
tsy hahafongotra ny fokon'ny Kehatita tsy ho amin'ny Levita:
19 fa izao no
hataonareo aminy, mba ho velona izy ka tsy ho faty, raha manatona ny zavatra
masina indrindra: Arona ny ny zanany ihany no hahazo miditra ka hanendry azy
rehetra samy ho amin'ny fanompoany avy sy amin'ny entany avy;
20 fa izy dia
tsy hiditra hijery ny fitoerana masina, na dia indray mipi-maso akory aza,
fandrao maty.
21 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
22 Alao isa koa
ny taranak'i Gersona, araka ny fianakaviany sy ny fokony avy;
23 ny
hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona no halaminao, dia
izay rehetra miditra amin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay
fihaonana.
24 Izao no ho
fanompoan'ny fokon'ny Gersonita hanompoany sy hitondrany entana:
25 ny ambain'ny
tabernakely sy ny trano-lay fihaonana sy ny firakony sy ny sarona hodi-takasy
izay eo amboniny, ary ny varavarana lamba amin'ny varavaran'ny trano-lay
fihaonana,
26 ary ny fefy
lamban'ny kianja sy ny vavahady lamba amin'ny vavahadin'ny kianja, izay
manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehiny mbamin'ny fiasana
rehetra momba azy; ary izay rehetra hatao amin'ireo no ho fanompoany.
27 Araka ny
tenin'i Arona sy ny zanany no hanaovan'ny Gersonita ny fanompoany amin'ny
entany rehetra sy ny fanompoany rehetra; ary hatolotrao azy ho
anjara-raharahany ny zavatra rehetra izay ho entiny.
28 Izany no ho
fanompoan'ny fokon'ny Gersonita ny amin'ny trano-lay fihaonana; ary ny ho
mpifehy azy amin'izany anjara-raharahany izany dia Itamara, zanak'i Arona
mpisorona.
29 Ny amin'ny
taranak'i Merary, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany no handaminanao azy;
30 ny
hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona no halaminao, dia
izay rehetra miditra amin'ny antokony hanao ny fanompoana momba ny trano-lay
fihaonana.
31 Ary izao no
ho anjara-raharahany ny amin'ny entana araka ny fanompoany rehetra ao amin'ny
trano-lay fihaonana: ny zana-kazo amin'ny tabernakely sy ny barany sy ny
andriny sy ny faladiany,
32 sy ny
tsangantsangan'ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany rehetra ary
ny kofehy momba ny fiasana rehetra sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana
ao; ary araka ny anarany avy no handaminanareo ny fanaka izay anjarany ho
entina.
33 Izany no ho
fanompoan'ny fokon'ny taranak'i Merary, araka ny fanompoany rehetra ao amin'ny
trano-lay fihaonana, ary Itamara, zanak'i Arona mpisorona, no ho mpifehy azy.
34 Ary Mosesy
sy Arona ary ny lohan'ny fiangonana nandamina ny taranaky ny Kehatita, araka ny
fokony sy ny fianakaviany avy,
35 hatramin'ny
telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra
tamin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana.
36 Ary izay nalamina
taminy, araka ny fokony, dia dimam-polo amby fiton-jato sy roa arivo.
37 Ireo no
nalamina tamin'ny fokon'ny Kehatita, dia izay rehetra manao fanompoana ao
amin'ny trano-lay fihaonana, izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i
Jehovah nampitondrainy an'i Mosesy.
38 Ary izay
nalamina tamin'ny taranak'i Gersona, araka ny fokony sy ny fianakaviany,
39 hatramin'ny
telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra
amin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana
40 izay
nalamina taminy, araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia telo-polo amby
enin-jato sy roa arivo.
41 Ireo no
nalamina tamin'ny fokon'ny taranak'i Gersona, izay rehetra manao fanompoana ao
amin'ny trano-lay fihaonana, dia izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny
didin'i Jehovah.
42 Ary izay
nalamina tamin'ny fokon'ny taranak'i Merary, araka ny fokony sy ny fianakaviany
43 hatramin'ny
telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra
tamin'ny antokony, hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana,
44 izay
nalamina taminy, araka ny fokony, dia roan-jato sy telo arivo;
45 ireo no
nalamina tamin'ny fokon'ny taranak'i Merary, izay nalamin'i Mosesy sy Arona
araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.
46 Ny tontalin'ny
taranak'i Levy izay nalamin'i Mosesy sy Arona mbamin'ny lohan'ny Isiraely,
araka ny fokony sy ny fianakaviany
47 hatramin'ny
telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra hanao
raharaha amin'ny fanompoana sy ny fitondrana entana ao amin'ny trano-lay
fihaonana,
48 izay
nalamina taminy dia valo-polo amby diman-jato sy valo arivo.
49 Araka ny
didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy no nandaminany azy samy ho
amin'ny fanompoany avy sy ny anjara-entany avy ary ny zavatra nalamina araka
izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
*
1 [Lalàna ny
amin'ny famoahana izay misy fahalotoana ho any ivelan'ny toby] Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mandidia ny
Zanak'Isiraely hamoaka ny boka rehetra sy ny marary mitsika rehetra ary ny
maloto amim-paty rehetra hiala amin'ny toby;
3 na lehilahy
na vehivavy dia samy havoakanareo any ivelan'ny toby, mba tsy handoto ny tobiny
izay itoerako eo afovoany.
4 Dia nanao
izany ny Zanak'Isiraely ka namoaka ireny ho any ivelan'ny toby; araka izay
nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely.
5 [Ny amin'ny
fanonerana, raha misy manao izay mahadiso] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka
nanao hoe:
6 Lazao amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy manao izay mety ho
fahotan'ny olona ka manao izay mahadiso amin'i Jehovah ary meloka,
7 dia tsy
maintsy hiaiky ny fahotana izay nataony izy ary hanonitra ny amin'ny
fahadisoany ka hanampy azy ho tonga avy fahenina, ary homeny an'ilay nanaovany
diso.
8 Fa raha
tàhiny tsy manana havana akaiky haterany ny fanonerana ny amin'ny fahadisoany
ilay olona, ny zavatra naterina ho fanonerana dia ho an'i Jehovah ka ho an'ny
mpisorona, ho fanampin'ny ondrilahy fanavotana izay hanaovany fanavotana ho
azy.
9 Ary ny
fanatitra rehetra alaina amin'ny zava-masina rehetra aterin'ny Zanak'Isiraely,
izay ateriny ho an'ny mpisorona, dia ho azy izany.
10 Ary ho azy
ny zava-masina aterin'ny olona rehetra; na inona na inona omen'olona ho an'ny
mpisorona, dia ho azy izany.
11 [Ny lalàna
ny amin'ny fanatitra noho ny ahiahy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
12 Mitenena
amin'ny Zanak'Isiraely, ka lazao aminy hoe: Na iza na iza vadin'olona mivily ka
manao izay mahadiso azy amin'ny lahy,
13 fa nisy
lehilahy nandry taminy, nefa tsy hitan'ny lahy, fa miafina, ary voaloto
ravehivavy, nefa tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tanana
izy;
14 kanefa misy
fiahiahiana ao amin'ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, sady efa voaloto
ravehivavy; na misy fiahiahiana ao amin'ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy,
kanjo tsy voaloto ravehivavy;
15 dia ho
entin'ny lahy ho eo amin'ny mpisorona ny vadiny, ary hitondra ny fanatiny noho
ny vavy izy, dia kobam-bary hordea ampahafolon'ny efaha; tsy hanidinany diloilo
izany, sady tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy
izany, dia fanati-pahatsiarovana, hampahatsiaro heloka.
16 Ary
hampanakaiky azy ny mpisorona ka hampitoetra azy eo anatrehan'i Jehovah;
17 dia haka
rano masina amin'ny lovia tany ny mpisorona; ary ny vovoka eo amin'izay
itoeran'ny tabernakely dia hangalan'ny mpisorona ka hataony amin'ny rano;
18 ary
ravehivavy dia hampitoeran'ny mpisorona eo anatrehan'i Jehovah, ka harakarakany
ny volondohan-dravehivavy, ary hataony eo an-tànany ny fanati-pahatsiarovana,
dia ny fanatitra noho ny ahiahy; ary ho eo an-tànan'ny mpisorona ny
ranom-pangidiana izay mitondra ozona;
19 dia
hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy
lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily niala tamin'ny vadinao ho amin'ny
fahalotoana ianao, dia afaka amin'ity ranom-pangidiana mitondra ozona ity;
20 fa raha
nivily niala tamin'ny vadinao kosa ianao ka voaloto ihany, fa nisy lehilahy
nandry taminao, afa-tsy ny vadinao,
21 dia
hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona mba hiozona, ka hanao aminy hoe:
Jehovah anie hanao anao ho fiozonana sy ho fianianana eo amin'ny firenenao,
amin'ny fampifezahan'i Jehovah ny fenao sy ny fampivontosany ny kibonao;
22 ary ity rano
mitondra ozona ity dia hiditra ao an-kibonao ka hampivonto ny kibonao sy
hampifezaka ny fenao. Ary ravehivavy hanao hoe: Amena, amena.
23 Ary
hosoratan'ny mpisorona amin'ny taratasy izany fiozonana izany ka hosasany eo
amin'ny rano mangidy ny soratra;
24 dia
hampisotroiny an-dravehivavy ny ranom-pangidiana mitondra ozona; atỳ ny
rano izay mitondra ozona dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy.
25 Dia
halain'ny mpisorona eo an-tànan-dravehivavy ny fanatitra noho ny ahiahy; ary
hahevahevany eo anatrehan'i Jehovah izany ka hateriny eo amin'ny alitara.
26 Dia
horaofin'ny mpisorona ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny fanatitra ka
hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara; ary rehefa afaka izany, dia
hampisotroiny io rano io ravehivavy.
27 Ary rehefa
nampisotroina ny rano izy, ary voaloto, satria nanao izay nahadiso azy tamin'ny
vadiny, dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy ny rano mitondra ozona, ary
hivonto ny kibony, sady hifezaka ny feny; ka dia ho fiozonana eo amin'ny
fireneny ravehivavy.
28 Nefa kosa,
raha tsy voaloto ravehivavy, fa madio, dia ho afaka izy ka hanan'anaka.
29 Izany no
lalàna ny amin'ny ahiahy, raha misy vehivavy mivily miala amin'ny vadiny ka
voaloto;
30 na misy
lehilahy azon'ny fiahiahiana ka miahiahy ny vadiny; dia hampitoetra ny vadiny
eo anatrehan'i Jehovah izy, ary ny mpisorona hanefa izany lalàna rehetra izany
aminy.
31 Dia tsy
hanan-tsiny ralehilahy, fa ravehivavy kosa ho meloka.
*
1 [Ny lalàna ny
amin'ny mivoady ho Nazirita] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mitenena
amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady hitokana ho
Nazirita mba hitokana ho an'i Jehovah,
3 dia hifady
divay sy toaka izy; tsy hisotro divay efa maharikivy na toaka efa maharikivy
izy, ary tsy hisotro ranom-boaloboka izy, na hihinana voaloboka akory, na ny
lena, na ny maina.
4 Amin'ny andro
fitokanany rehetra dia tsy hihinana izay atao amin'ny voaloboka hatramin'ny
voany ka hatramin'ny hodiny izy.
5 Amin'ny andro
rehetra izay nivoadiany hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany;
mandra-pahatapitry ny andro izay nitokanany ho an'i Jehovah dia ho masina izy,
ka havelany haniry ny volondohany.
6 Amin'ny andro
rehetra izay itokanany ho an'i Jehovah dia tsy hiditra am-paty izy;
7 aoka tsy
handoto tena izy na dia amin'ny rainy, na ny reniny, na ny rahalahiny, na ny
anabaviny aza, raha maty ireo, satria eo amin'ny lohany ny fitokanana ho
an'Andriamaniny.
8 Amin'ny andro
fitokanany rehetra dia ho masina ho an'i Jehovah izy.
9 Ary raha misy
olona maty tampoka eo anilany ka mandoto ny lohany izay fitokanany dia
hanaratra ny lohany amin'ny andro fanadiovana azy izy, dia amin'ny andro
fahafito no hanaratany azy;
10 ary amin'ny
andro fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho eo amin'ny
mpisorona, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy.
11 Ary ny
mpisorona dia hanatitra ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray
kosa ho fanatitra dorana, dia hanao fanavotana ho azy, satria nanota ny amin'ny
faty izy; ary hanamasina ny lohany amin'izany andro izany izy.
12 Dia hanokana
ho an'i Jehovah ny androny fitokanany izy ka hitondra ondrilahy iray izay iray
taona ho fanati-panonerana; fa ho very ny andro teo aloha, satria voaloto ny
fitokanany
13 Ary izao no
lalàna ny amin'ny Nazirita: Rehefa tapitra ny andro fitokanany, dia ho entina
ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy;
14 ary
hanatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah izy, dia ondrilahy iray izay iray taona
tsy misy kilema ho fanatitra dorana, ary ondrivavy iray izay iray taona tsy
misy kilema ho fanatitra noho ny ota, ary ondrilahy iray tsy misy kilema ho
fanati-pihavanana,
15 ary mofo tsy
misy masirasira iray harona, dia mofo atao amin'ny koba tsara toto voaharo
diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo, mbamin'ny
fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy.
16 Dia haterin'ny
mpisorona eo anatrehan'i Jehovah ireo; ary hateriny koa ny fanatiny noho ny ota
sy ny fanatitra dorany;
17 dia hateriny
ny ondrilahy ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah mbamin'ny mofo tsy misy
masirasira iray harona; ary haterin'ny mpisorona koa ny fanatitra hohaniny sy
ny fanatitra aidiny.
18 Ary ny
Nazirita hanaratra, ny lohany izay fitokanany eo anoloan'ny varavaran'ny
trano-lay fihaonana, ary horaisiny ny volon-dohany fitokanany ka hataony eo
amin'ny afo izay eo ambanin'ny fanati-pihavanana.
19 Dia
halain'ny mpisorona ny sorok'ondrilahy izay efa masaka sy mofo iray tsy misy
masirasira avy amin'ny harona ary mofo manify iray tsy misy masirasira ka
hataony eo amin'ny tanan'ny Nazirita, rehefa voaharatra ny lohany izay
fitokanany.
20 Dia
hahevahevan'ny mpisorona ireo ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; ho
masina izany ho an'ny mpisorona ho fanampin'ny tratra ahevaheva sy ny soroka
asandratra; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo misotro divay ny Nazirita.
21 Izany no
lalàna ny amin'ny Nazirita, izay mivoady hitondra fanatitra ho an'i Jehovah
noho ny fitokanany, afa-tsy izay zavatra hafa tratry ny ananany; araka ny voady
izay nivoadiany no hataony, araka ny lalàna ny amin'ny fitokanany.
22 [Ny
tso-drano fanaon'ny mpisorona] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
23 Mitenena
amin'i Arona sy ny zanany hoe: Izao no teny ho entinareo mitso-drano ny
Zanak'Isiraely:
24 Hitahy anao
anie Jehovah ka hiaro anao;
25
Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao;
26 Hanandratra
ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana.
27 Dia
hametraka ny anarako amin'ny Zanak'Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy.
*
1 [Ny zavatra
naterin'ny lohan'ny firenen'ny Isiraely ho amin'ny fitokanana ny alitara] Ary
tamin'ny andro izay nahavitan'i Mosesy ny nananganana ny tabernakely dia
nanosotra sy nanamasina azy izy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny
alitara sy ny fanaka rehetra momba azy; ary rehefa nanosotra sy nanamasina ireo
izy,
2 dia nitondra
fanatitra ny lohan'ny firenen'ny Isiraely, dia ny lohan'ny fianakaviana (ireo
no lohan'ny firenena, izay nifehy ny voalamina).
3 Ary izy ireo
nitondra ny fanatiny teo anatrehan'i Jehovah, dia sariety enina mirakotra sy
omby roa ambin'ny folo, dia sariety iray no avy amin'ny lohan'ny firenena roa,
ary omby iray avy; dia nitondra ireo teo anoloan'ny tabernakely izy.
4 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
5 Raiso aminy
ireo hanaovana ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ka omeo ny Levita,
dia samy araka ny fanompoany avy.
6 Dia
noraisin'i Mosesy ny sariety sy ny omby ka nomeny ny Levita.
7 Sariety roa
sy omby efatra no nomeny ho an'ny taranak'i Gersona, araka ny fanompoany;
8 ary sariety
efatra sy omby valo no nomeny ho an'ny taranak'i Merary, araka ny fanompoany,
eo amin'ny fehin'Itamara, zanak'i Arona mpisorona.
9 Fa ny
taranak'i Kehata kosa dia tsy mba nomeny na dia iray akory aza, satria ny
fanompoana momba ny fitoerana masina no azy, ka eo an-tsorony ihany no
hilanjany azy.
10 Dia ny
lohan'ny firenena no nanatitra ho amin'ny fitokanana ny alitara tamin'ny andro
izay nanosorana azy; koa dia samy nanatitra ny fanatiny teo anoloan'ny alitara
izy.
11 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Aoka ny lohan'ny firenena samy hanatitra ny fanatiny
amin'ny an'androny avy ho amin'ny fitokanana ny alitara.
12 Ary ny
nanatitra ny fanatiny tamin'ny andro voalohany dia Nasona, zanak'i Aminadaba,
avy tamin'ny firenen'i Joda.
13 Ary ny
fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy
lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy
roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
14 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
15 ary
vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry iray izay iray taona,
ho fanatitra dorana;
16 ary osilahy
iray, ho fanatitra noho ny ota;
17 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Nasona, zanak'i Aminadaba.
18 Ary tamin'ny
andro faharoa dia Netanela, zanak'i Zoara, lohan'ny taranak'Isakara, no
nanatitra.
19 Nanatitra ny
fanatiny izy, dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany,
sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina;
izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
20 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
21 ary
vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray sy zanak'ondry iray izay iray taona, ho
fanatitra dorana;
22 ary osilahy
iray, ho fanatitra noho ny ota;
23 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Netanela, zanak'i Zoara.
24 Ary tamin'ny
andro fahatelo dia Eliaba, zanak'i Helona, lohan'ny taranak'i Zebolona, no
nanatitra.
25 Ny fanatiny
dia lovia volafotsy, iray sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia
volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa
samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
26 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
27
vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho
fanatitra dorana;
28 ary osilahy
iray ho fanatitra noho ny ota;
29 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Eliaba, zanak'i Helona.
30 Ary tamin'ny
andro fahefatra dia Elizora, zanak'i Sedeora, lohan'ny taranak'i Robena, no
nanatitra.
31 Ny fanatiny
dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia
volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa
samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
32 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno dinti-kazo manitra;
33
vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho
fanatitra dorana;
34 ary osilahy
iray, ho fanatitra noho ny ota;
35 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray ireo no fanatitr'i Elizora, zanak'i Sedeora.
36 Ary tamin'ny
andro fahadimy dia Selomiela, zanak'i Zorisaday, lohan'ny taranak'i Simeona, no
nanatitra.
37 Ny fanatiny
dia Lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia
volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa
samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
38 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
39
vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho
fanatitra dorana;
40 ary osilahy
iray ho fanatitra noho ny ota;
41 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Selomiela, zanak'i Zorisaday,
42 Ary tamin'ny
andro fahenina dia Eliasafa, zanak'i Doela, lohan'ny taranak'i Gada, no
nanatitra.
43 Ny fanatiny
dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia
volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa
samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
44 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
45
vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho
fanatitra dorana;
46 ary osilahy
iray, ho fanatitra noho ny ota;
47 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Eliasafa, zanak'i Doela.
48 Ary tamin'ny
andro fahafito dia Elisama, zanak'i Amihoda, lohan'ny taranak'i Efraima, no
nanatitra.
49 Ny fanatiny
dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia
volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa
samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
50 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
51
vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho
fanatitra dorana;
52 ary osilahy
iray, ho fanatitra noho ny ota;
53 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondrilahy
dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Elisama, zanak'i Amihoda.
54 Ary tamin'ny
andro fahavalo dia Gamaliela, zanak'i Pedazora, lohan'ny taranak'i Manase, no
nanatitra.
55 Ny fanatiny
dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia
volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa
samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
56 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
57 vantotr'ombilahy
iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
58 ary osilahy
iray, ho fanatitra noho ny ota;
59 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Gamaliela, zanak'i Pedazora.
60 Ary tamin'ny
andro fahasivy dia Abidana, zanak'i Gideony, lohan'ny taranak'i Benjamina, no
nanatitra.
61 Ny fanatiny
dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia
volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa
samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
62 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
63
vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona ho fanatitra
dorana;
64 ary osilahy
iray, ho fanatitra noho ny ota;
65 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Abidana, zanak'i Gideony.
66 Ary tamin'ny
andro fahafolo Ahiezera, zanak'i Amisaday, lohan'ny taranak'i Dana, no
nanatitra.
67 Ny fanatiny
dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia
volafotsy iray famafazana, dia sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy
roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
68 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
69
vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho
fanatitra dorana;
70 ary osilahy
iray, ho fanatitra noho ny ota;
71 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Ahiezera, zanak'i Amisaday.
72 Ary tamin'ny
andro fahiraika ambin'ny folo dia Pagiela, zanak'i Okrana, lohan'ny taranak'i
Asera. no nanatitra.
73 Ny fanatiny
dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia
volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa
samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
74 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
75
vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho
fanatitra dorana;
76 osilahy
iray, ho fanatitra noho ny ota;
77 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Pagiela, zanak'i Okrana.
78 Ary tamin'ny
andro faharoa ambin'ny folo dia Ahira, zanak'i Enana, lohan'ny taranak'i
Naftaly, no nanatitra.
79 Ny fanatiny
dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia
volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa
samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
80 lovia kely
volamena iray, dia sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
81 vantotr'ombilahy
iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra odorana;
82 ary osilahy
iray, ho fanatitra noho ny ota;
83 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Ahira, zanak'i Enana.
84 Ireo no
zavatra naterin'ny lohan'ny Isiraely ho amin'ny fitokanana ny alitara tamin'ny
andro izay nanosorana azy: lovia volafotsy roa ambin'ny folo, lovia volafotsy
roa ambin'ny folo famafazana, lovia kely volamena roa ambin'ny folo;
85 sekely
telo-polo amby zato avy no lanjan'ny lovia volafotsy, ary sekely fito-polo avy
ny lovia famafazana; ny lanjan'ny volafotsy rehetra tamin'ireo fanaka ireo dia
sekely efa-jato amby roa arivo, araka ny sekely masina;
86 lovia kely
volamena roa ambin'ny folo, feno ditin-kazo manitra, dia sekely masina; ny
lanjan'ny lovia kely volamena rehetra dia sekely roa-polo amby zato.
87 Ny isan'ny
biby rehetra izay natao fanatitra dorana dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny
folo, ondrilahy roa ambin'ny folo, zanak'ondry roa ambin'ny folo, izay samy
iray taona,'mbamin'ny fanatitra hohanina momba azy, ary osilahy roa ambin'ny
folo ho fanatitra noho ny ota.
88 Ary ny
isan'ny biby rehetra izay natao fanati-pihavanana dia vantotr'ombilahy efatra
amby roa-polo, ondrilahy enim-polo, osilahy enim-polo, zanak'ondry enim-polo,
izay samy iray taona. Izany no nateriny ho amin'ny fitokanana ny alitara,
rehefa voahosotra izy.
*
89 Ary rehefa
niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana Mosesy mba hiteny amin'Andriamanitra,
dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin'ny rakotra
fanaovam-panavotana izay teo ambonin'ny fiaran'ny Vavolombelona, avy eo
anelanelan'ny kerobima roa; dia niteny taminy Jehovah.
*
1 [Ny amin'ny
fampirehetana ny jiro, sy ny nanadiovana ny Levita, ary ny fe-taona hanompoany]
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mitenena
amin'i Arona hoe: Raha mampirehitra ny jiro fito ianao, dia ataovy mahazava ny
eo anoloan'ny fanaovan-jiro izy.
3 Dia nataon'i
Arona izany, fa nampirehetiny ny jiro mba hahazava ny eo anoloan'ny
fanaovan-jiro, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
4 Ary izao no
toetry ny fanaovan-jiro; volamena novoasana izy; hatramin'ny faladiany sy ny
voniny aza dia samy novoasana avokoa; araka ny endrika izay nasehon'i Jehovah
an'i Mosesy no nanaovany ny fanaovan-jiro.
5 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
6 Alao ny
Levita avy amin'ny Zanak'Isiraely, ka diovy izy.
7 Ary izao no
hataonao aminy hanadiovana azy: Fafazo rano fanadiovana izy, ary asaovy
haratany avokoa ny tenany rehetra, ary aoka hosasany ny fitafiany, ka dia hadio
izy.
8 Dia asaovy
maka vantotr'ombilahy iray izy mbamin'ny fanatitra hohanina fombany, dia koba
tsara toto voaharo diloilo; ary vantotr'ombilahy iray koa no halainao ho
fanatitra noho ny ota.
9 Ary ento ny
Levita hankeo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary vorio ny fiangonana, dia ny
Zanak'Isiraely rehetra.
10 Ary ento ny
Levita hankeo anatrehan'i Jehovah; ary ny Zanak'Isiraely hametraka ny tànany
aminy;
11 ary Arona
dia hanatitra ny Levita eo anatrehan'i Jehovah ho fanatitra ahevaheva avy
amin'ny Zanak'Isiraely, mba hanao ny fanompoana an'i Jehovah izy.
12 Ary ny
Levita hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy roa; dia atero ny
anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana
ho an'i Jehovah, hanaovana fanavotana ho an'ny Levita.
13 Ary apetraho
eo anatrehan'i Arona sy ny zanany ny Levita, ka atero ho fanatitra ahevaheva ho
an'i Jehovah izy.
14 Ary
ampiavaho amin'ny Zanak'Isiraely ny Levita, dia ho Ahy izy.
15 Ary rehefa
afaka izany, dia hiditra ny Levita hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay
fihaonana. Dia hodiovinao toy izany izy ka haterinao ho fanatitra ahevaheva;
16 fa efa
nomena ho Ahy avy tamin'ny Zanak'Isiraely mihitsy izy; ho solon'izay voalohan-teraka
rehetra, dia izay lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, no nanalako azy ho
Ahy.
17 Fa Ahy ny
voalohan-teraka rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, na olona na biby fiompy;
tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Egypta
no nanamasinako azy ho Ahy.
18 Ary efa
nalaiko ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely.
19 Ary nomeko
ho an'i Arona sy ny zanany mihitsy ny Levita, avy amin'ny Zanak'Isiraely, hanao
ny fanompoan'ny Zanak'Isiraely ao amin'ny trano-lay fihaonana sy hanao
fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy,
raha manakaiky ny fitoerana masina izy.
20 Dia nataon'i
Mosesy sy Arona mbamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tamin'ny
Levita izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny
Levita no nataon'ny Zanak'Isiraely taminy.
21 Dia
nodiovin'ny Levita ny tenany ho afaka ota, ary nosasany ny fitafiany; ary Arona
nanatitra azy ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah sady nanao
fanavotana ho azy hanadiovana azy.
22 Ary rehefa
afaka izany, dia niditra ny Levita hanao ny fihaonana teo anatrehan'i Arona sy
ny zanany; araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny Levita no
nataony taminy.
23 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
24 Ny amin'ny
Levita dia izao: Hatramin'ny dimy amby roa-polo taona no ho miakatra izy no
hanatona hilatsaka amin'ny antokony hanao ny fanompoana ao amin'ny trano-lay
fihaonana;
25 fa rehefa
dimam-polo taona kosa izy, dia hiala amin'ny antokon'ny fanompoana ka tsy
hanompo intsony;
26 kanefa
mahazo manampy ny rahalahiny ao amin'ny trano-lay fihaonana ihany izy mba
hitandrina izay anjara-raharaha; fa tsy hanao fanompoana hafa izy. Izany no
hataonao amin'ny Levita ny amin'ny anjara-raharahany.
*
1 [Ny
nitandreman'ny Zanak'Isiraely ny Paska tany an-efitr'i Sinay] Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay tamin'ny volana voalohany tamin'ny
taona faharoa taorian'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta ka nanao hoe:
2 Aoka
hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Paska amin'ny fotoany.
3 Amin'ny
harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity no hitandremanareo
azy amin'ny fotoany; araka ny didy sy ny fanao rehetra aminy no hitandremanareo
azy.
4 Ary Mosesy
niteny tamin'ny Zanak'Isiraely mba hitandrina ny Paska.
5 Dia
nitandrina ny Paska tany an-efitr'i Sinay izy tamin'ny harivan'ny andro
fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany; araka izay rehetra efa
nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely.
6 Ary nisy
olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska
tamin'izany andro izany; dia nankeo anatrehan'i Mosesy sy Arona izy tamin'izany
andro izany
7 ka nanao
taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay, ka nahoana no sakanana tsy hiaraka
amin'ny Zanak'Isiraely hanatitra ny fanatitra ho an'i Jehovah amin'ny fotoany?
8 Fa hoy Mosesy
taminy: Andraso aloha, fa hanontaniako izay handidian'i Jehovah ny aminareo.
9 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
10 Mitenena
amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy olona eo aminareo, na eo amin'ny
taranakareo hatramin'ny fara mandimby, maloto amim-paty, na lasan-davitra, dia
mbola hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah ihany koa izy.
11 Amin'ny
harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana faharoa no hitandremany
azy; ary hampiarahina amin'ny mofo tsy misy masirasira sy ny anana mangidy no
fihinany azy.
12 Aza avela
hasiany sisa ho tra-maraina, ary aza avela hisy hotapahiny ny taolany; araka ny
lalàna rehetra ny amin'ny Paska ihany koa no hitandremany azy.
13 Fa ny olona
izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia
hofongorana tsy ho amin'ny fireneny, satria tsy nanatitra ny fanatitra ho an'i
Jehovah tamin'ny fotoany izy; ho meloka izany olona izany.
14 Ary raha
misy mivahiny eo aminareo ka mba te-hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, dia
araka ny didy sy ny fanao amin'ny Paska ihany no hanaovany azy; lalàna iray
ihany no ho aminareo, na vahiny, na tompon-tany.
*
15 [Ny amin'ny
rahona izay nitarihan'i Jehovah ny Zanak'Isiraely] Ary tamin'ny andro izay
nananganana ny tabernakely ny rahona dia nanarona ny tabernakely, dia ny
trano-lain'ny Vavolombelona; ary nony hariva dia niseho teo ambonin'ny
tabernakely tahaka ny afo izy mandra-pahamarain'ny andro.
16 Dia toy izany
mandrakariva izy: ny rahona nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo izy nony
alina.
17 Ary rehefa
niakatra niala tamin'ny tranolay ny rahona, dia niainga ny Zanak'Isiraely, ka
teo amin'izay nijanonan'ny rahona no nitobiany.
18 Araka ny
didin'i Jehovah no niaingan'ny Zanak'Isiraely, ary araka ny didin'i Jehovah koa
no nitobiany; tamin'ny andro rehetra izay nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny
tabernakely no nitobiany.
19 Ary na dia
nijanona ela teo ambonin'ny tabernakely aza ny rahona, dia nitandrina izay
nasain'i Jehovah notandremana ihany ny Zanak'Isiraely ka tsy niainga.
20 Fa
indraindray kosa dia andro vitsy ihany no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny
tabernakely; araka ny didin'i Jehovah ihany no nitobiany, ary araka ny didin'i
Jehovah no niaingany.
21 Ary
indraindray kosa dia nijanona hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina ihany
ny rahona, ary raha niakatra izy nony maraina, dia niainga ny Zanak'Isiraely;
koa na andro na alina no niakaran'ny rahona, dia niainga izy.
22 Ary na
indroa andro, na iray volana, na ela aza, no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny
tabernakely dia mbola nitoby ihany ny Zanak'Isiraely, fa tsy niainga; fa raha
niakatra kosa ny rahona, dia niainga izy.
23 Araka ny
didin'i Jehovah no nitobiany, ary araka ny didin'i Jehovah no niaingany;
nitandrina izay nasain'i Jehovah notandremany izy, araka ny tenin'i Jehovah
izay nampitondrainy an'i Mosesy.
*
1 [Ny trompetra
volafotsy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Manaova
trompetra volafotsy roa ho anao; voasana no hanaovanao azy; dia ho fiantsoanao
ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo.
3 Ary raha
tsofina avokoa ireo, dia hivory eo aminao, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay
fihaonana, ny fiangonana rehetra.
4 Fa raha ny
iray ihany no tsofina, dia ny lohan'ny firenena, izay mpifehy arivo amin'ny
Isiraely, ihany no hivory eo aminao.
5 Fa raha
mitsoka ho fampitairana ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo
atsinanana.
6 Ary raha
mitsoka ho fampitairana fanindroany ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra
eo atsimo; fampitairana no hatao fiaingany.
7 Fa raha
hampivory ny fiangonana kosa ianareo, dia hitsoka fotsiny, fa tsy hanao
fampitairana.
8 Ary ireo
mpisorona, zanak'i Arona, no hitsoka ny trompetra; dia ho lalàna mandrakizay ho
anareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany.
9 Ary raha misy
ady eo amin'ny taninareo, ka mandeha hiady amin'ny fahavalo izay mampahory
anareo ianareo, dia hitsoka ireo trompetra ireo ho fampitairana, dia
hotsarovana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka hovonjena
amin'ny fahavalonareo.
10 Ary amin'ny
andro fifalianareo, sy amin'ny fotoam-pivavahanareo, ary amin'ny
voaloham-bolanareo no hitsofanareo ny trompetra, raha manao ny fanatitra
doranareo sy ny fanati-pihavananareo; dia ho fahatsiarovana ho anareo izany eo
anatrehan'Andriamanitrareo: Izaho Jehovah no Andriamanitrareo.
*
11 [Ny
niaingan'ny Zanak'Isiraely niala tany an-efitr'i Sinay, sy ny teny nataon'i
Mosesy tamin i Hobaba. Ary tamin'ny andro faharoa-polo tamin'ny volana faharoa,
tamin'ny taona faharoa, no niakaran'ny rahona niala teo ambonin'ny
tabernakelin'ny Vavolombelona.
12 Dia niainga
tany an-efitr'i Sinay ny Zanak'Isiraely ka nandroso, ary ny rahona nijanona
tany an-efitra Parana.
13 Dia izany no
niaingany voalohany araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.
14 Ary ny
fanevan'ny tobin'ny taranak'i Joda no niainga voalohany araka ny antokony, ary
Nasona, zanak'i Aminadaba, no mpifehy ny antokony.
15 Ary
Netanela, zanak'i Zoara, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'Isakara.
16 Ary Eliaba,
zanak'i Helona, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Zebolona.
17 Dia nahorona
ny tabernakely, ka niainga ny taranak'i Gersona sy ny taranak'i Merary,
nitondra ny tabernakely.
18 Dia niainga
ny fanevan'ny tobin'i Robena araka ny antokony; ary Elizora, zanak'i Sedeora,
no mpifehy ny antokony.
19 Ary
Selomiela, zanak'i Zorisaday, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i
Simeona.
20 Ary
Eliasafa, zanak'i Doela, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Gada.
21 Dia niainga
ny Kehatita, mitondra ny zava-masina; ary nisy nanangana ny tabernakely
mandra-pihaviny.
22 Dia niainga
ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Efraima, araka ny antokony; ary Elisama,
zanak'i Amihoda, no mpifehy ny antokony.
23 Ary
Gamaliela, zanak'i Pedazora, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i
Manase.
24 Ary Abidana,
zanak'i Gideony, no mpifehy ny firenena taranak'i Benjamina.
25 Dia niainga
ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Dana, izay vodi-lalan'ny toby rehetra, araka
ny antokony; ary Ahiezera, zanak'i Amisaday, no mpifehy ny antokony.
26 Ary Pagiela,
zanak'i Okrana, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Asera.
27 Ary Ahira,
zanak'i Enana, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Naftaly.
28 Izany no
fandehan'ny Zanak'Isiraely, araka ny antokony avy, raha niainga izy.
29 Dia hoy
Mosesy tamin'i Hobaba, zanak'i Regoela Midianita, rafozan'i Mosesy: Izahay izao
dia mandeha hankany amin'ny tany izay nolazain'i Jehovah hoe: Homeko anareo
izy; andeha hiaraka aminay ianao, dia hasianay soa; fa Jehovah efa nilaza soa
ny amin'ny Isiraely.
30 Fa hoy kosa
izy taminy: Tsy handeha aho; fa hody any amin'ny taniko sy ny havako.
31 Dia hoy
Mosesy: Aza dia ilaozanao izahay; fa fantatrao izay tokony hitobianay atỳ
an-efitra, ka dia ho masonay ianao.
32 Ary raha
hiaraka aminay ianao, dia izay soa hataon'i Jehovah aminay no mba hataonay
aminao kosa.
33 Dia niainga
niala tany an-tendrombohitr'i Jehovah lalan-kateloana izy; ary ny fiaran'ny
faneken'i Jehovah nandroso nialoha azy lalan-kateloana hitady fialan-tsasatra
ho an'ny olona.
34 Ary ny
rahon'i Jehovah dia teo amboniny nony andro tamin'ny niaingany niala tamin'ny
nitobiany.
35 Ary raha
niainga ny fiara, dia hoy Mosesy: Mitsangàna, Jehovah ô, ka aoka hiely ny
fahavalonao; ary aoka handositra ny tavanao izay mankahala Anao.
36 Ary raha
nijanona kosa ny fiara, dia hoy izy: Miverena, Jehovah ô, ho amin'ny Isiraely
tsy omby alinalina.
*
1 [Ny
nimonomononan'ny Zanak'Isiraely tao Tabera sy Kibrota-hatava] Ary dia
nitaraim-pahoriana teo anatrehan'i Jehovah ny olona, ary nony ren'i Jehovah
izany, dia nirehitra ny fahatezerany, ary ny afon'i Jehovah nandoro azy, ka may
ny teo an-tsisin'ny toby.
2 Dia nitaraina
tamin'i Mosesy ny olona; ary Mosesy nifona tamin'i Jehovah, dia maty ny afo.
3 Ary ny
anaran'izany tany izany dia nataony hoe Tabera, satria nandoro azy ny afon'i
Jehovah.
*
4 Ary ny olona
hafa firenena izay niharo taminy dia liana, ary ny Zanak'Isiraely koa dia
nitomany indray hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay!
5 Tsaroanay ny
hazandrano izay nohaninay, maimaim-poana tany Egypta mbamin'ny voatango sy
tongolo samy hafa karazana.
6 Fa izao dia
maina ny ainay: tsy misy na inona na inona eto imasonay afa-tsy ny mana ihany.
7 Ary ny mana
dia toy ny voan-drafy, ary ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'ny bedola.
8 Nandehandeha
ny olona ka nanangona azy, dia nitoto azy tamin'ny fikosoham-bary na tamin'ny
laona, ary nahandro azy tamin'ny vilany, dia nanao mofo azy; ary ny
fanandramana azy dia tahaka ny fanandramana mofo misy diloilo.
9 Ary raha
nilatsaka tamin'ny toby ny ando nony alina, dia nilatsaka koa niaraka taminy ny
mana.
10 Ary Mosesy
nandre ny olona nitomany tamin'ny isam-pianakaviany, samy teo amin'ny
varavaran'ny lainy avy; dia nirehitra fatratra ny fahatezeran'i Jehovah; ary
tsy sitrak'i Mosesy koa izany.
11 Dia hoy
Mosesy tamin'i Jehovah: Nahoana no dia nasianao ratsy ny mpanomponao? ary
nahoana no tsy nahita fitia eo imasonao aho, ka nampitondrainao enta-mavesatra,
dia ity firenena rehetra ity?
12 Izaho va no
torontoronina an'ity firenena rehetra ity? ary izaho va no niteraka azy, no
ilazanao hoe: Trotroinao izy, tahaka ny ray mpitaiza mitondra ny zaza minono,
ho any amin'ny tany izay nianiananao tamin'ny razany homena azy?
13 Avy aiza no
hahazoako hena homena ity firenena rehetra ity, no dia mitomany amiko izy manao
hoe: Omeo hena izahay hohaninay?
14 Tsy zakako
izaho irery ny mitondra ity firenena rehetra ity, fa mavesatra amiko loatra.
15 Koa raha
izao no ataonao amiko, masìna Hianao, vonoy mihitsy aho, raha nahita fitia eo
imasonao; fa aza avela hahita ny fahoriako aho.
16 Dia hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Manangòna fito-polo lahy amin'ny loholon'ny Isiraely ho
etỳ amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin'ny fireneny sy mpifehy
azy; ary ento miaraka aminao ho ao amin'ny trano-lay fihaonana izy.