[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | index ouvrages | index auteurs | index sujets | centres d’intérêt]
Rota
Accès direct aux
chapitres de Ruth : 1, 2, 3, 4
1 [Ny nanjo an'i Naomy, sy ny
niarahan'i Rota taminy, rehefa niverina ho any Betlehema izy] Ary tamin'ny
andro nitsaran'ny mpitsara dia nisy mosary teo amin'ny tany. Ary nisy lehilahy
avy any Betlehema-joda nandeha nivahiny tany amin'ny tany Moaba, dia izy sy ny
vadiny mbamin'ny zanany roa lahy;
2 Elimeleka no
anaran-dralehilahy, ary Naomy no anaran'ny vadiny, ary ny anaran'ny zanany roa
lahy dia Malona sy Kiliona, Efratita avy any Betlehema-joda izy ireo. Dia tonga
tany amin'ny tany Moaba izy ka nitoetra tany.
3 Ary maty
Elimeleka, vadin'i Naomy ka izy sy ny zanany roa lahy ihany no sisa.
4 Ary naka vady
tamin'ny vehivavy Moabita izy roa lahy: Orpa no anaran'ny anankiray, ary Rota
no anaran'ny anankiray; dia nitoetra tany Moaba tokony ho folo taona izy.
5 Ary maty koa
izy mirahalahy, dia Malona sy Kiliona, ka dia namoy ny zanany roa lahy sy ny
vadiny ravehivavy.
6 Dia niainga
izy sy ny vinantoni-vavy ka nody avy tany amin'ny tany Moaba; fa efa reny tany
amin'ny tany Moaba fa novangian'i Jehovah ny olony ka nomeny hanina.
7 Dia niala
tamin'izay nitoerany izy, ary ny vinantony roa vavy niaraka taminy; ary nandeha
teny an-dalana izy hiverina any amin'ny tanin'ny Joda.
8 Ary hoy Naomy
tamin'ny vinantony roa vavy: Andeha, samy mody any amin'ny tranon-dreninareo
avy ianareo; mba hohasoavin'i Jehovah anie ianareo araka izay efa nataonareo
tamin'ny maty sy tamiko koa.
9 Homen'i
Jehovah tokan-trano anie ianareo ka hahita fiadanana amin'izay tranon'ny
vadinareo avy. Dia nanoroka azy Naomy; ary izy roa vavy dia samy nanandratra ny
feony ka nitomany.
10 Dia hoy izy
roa vavy taminy: Hiara-miverina aminao tokoa izahay ho any amin'ny firenenao.
11 Fa hoy
Naomy: Miverena ihany ianareo, anaka; nahoana no hiara-mandeha amiko ianareo?
Mbola misy zazalahy va ato an-kiboko mba ho vadinareo?
12 Miverena
ihany ianareo, anaka, ka mandehana; fa efa antitra aho ka tsy hahazo vady
intsony tsy akory. Raha hoy izaho: Manantena ihany aho, eny, na dia hanam-bady
anio alina aza aho ka hiteraka zazalahy,
13 moa hahandry
azy mandra-pahalehibeny va ianareo ka hijanona tsy hanam-bady? Tsia, anaka, fa
mangidy lavitra ny nanjo ahy noho ny nanjo anareo; fa ny tànan'i Jehovah efa
nahinjiny hamely ahy.
14 Dia samy
nanandratra ny feony indray izy roa vavy ka nitomany; ary Orpa dia nanoroka ny
rafozani-vavy, fa Rota kosa nifikitra taminy ihany.
15 Ary hoy izy:
Indro ny rahavavinao lasa nody ho any amin'ny fireneny sy ny andriamaniny ka
mba miverena ianao koa hanaraka ny rahavavinao.
16 Fa hoy Rota:
Aza manery ahy handao anao sy hiala amin'ny fanarahana anao; fa izay alehanao
no halehako ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary
ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro;
17 izay tany
hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon'i
Jehovah amiko anie izany, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana
ihany no hampisaraka antsika.
18 Ary rehefa
hitany fa mbola mikikitra homba azy ihany Rota, dia nitsahatra tsy niteny
taminy intsony izy.
19 Dia nandeha
izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Ary rehefa tonga tany Betlehema
izy, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ka hoy ny vehivavy hoe: Naomy va re
ity?
20 Fa hoy izy
taminy: Aza atao hoe Naomy* intsony aho, fa ataovy hoe Mara*, satria mangidy
indrindra ny nataon'ny Tsitoha amiko. [Naomy = Mahafinaritra][Mara = Mangidy]
21 Nivoaka
nanam-be aho, fa ampodin'i Jehovah tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no
ataonareo hoe Naomy, fa Jehovah efa nitsangan-ko fahavaloko, ary ny Tsitoha efa
nampahory ahy?
22 Dia niverina
Naomy, ary Rota, vehivavy Moabita, vinantoni-vavy. nomba azy tamin'izy niverina
avy tany amin'ny tany Moaba; dia tonga tao Betlehema izy tamin'ny niandohan'ny
taom-pijinjana ny vary hordea.
*
1 [Ny
nitsimponan'i Rota salohim-bary teny an-tanimbarin'i Boaza, sy ny soa nataon'i
Boaza taminy] Ary nisy havan'ny vadin'i Naomy avy amin'ny fokon'i Elimeleka,
lehilahy mpanjatobe, Boaza no anarany.
2 Ary hoy Rota,
vehivavy Moabita, tamin'i Naomy: Aoka aho hankany an-tsaha mba hitsimpona
salohim-bary eo aorian'izay hahitako fitia eo imasony. Dia hoy izy taminy:
Andeha ary, anaka.
3 Dia lasa
nandeha izy ka nitsimpona tany an-tsaha teo aorian'ny mpijinja; ary sendra
tonga tany amin'ny tanimbarin'i Boaza, izay avy amin'ny fokon'i Elimeleka, izy.
4 Ary, indro,
Boaza tonga avy tany Betlehema ka niteny tamin'ny mpijinja hoe: Jehovah anie ho
aminareo. Dia hoy kosa Ireo taminy: Hitahy anao anie Jehovah.
5 Dia hoy Boaza
tamin'ny zatovony, izay nitandrina ny mpijinja: Zanak'iza moa io zazavavy io?
6 Dia namaly
ilay zatovo nitandrina ny mpijinja ka nanao hoe: Zazavavy Moabita, izay
niverina nomba an'i Naomy avy tany amin'ny tany Moaba io;
7 fa hoy izy:
Masìna ianao aoka aho hitsimpona sy hanangona eo aorian'ny mpijinja eny
anelanelan'ny amboara; dia tonga izy ka nijanona teto hatramin'ny maraina ka
mandraka ankehitriny; kely foana no nitoerany tao an-trano.
8 Dia hoy Boaza
tamin'i Rota: Tsy mandre va ianao, anaka? Aza mandeha hitsimpona any
an-tanimbary hafa na miala eto ianao, fa mitoera eto anilan'ny zatovovavy.
9 Aoka ny
masonao ho amin'ny tanimbary izay jinjany, ka manaraha eo aoriany ianao: tsy
efa nodidiako va ny zatovo tsy haninona anao? Ary raha mangetaheta ianao,
mankanesa eroa amin'ny siny, ka misotroa amin'izay antsakain'ny zatovo.
10 Dia
niondrika sy niankohoka tamin'ny tany Rota ka nanao taminy hoe: Ahoana no mba
ahitako fitia eto imasonao sy itsinjovanao ahy, nefa vahiny ihany aho?
11 Dia namaly
Boaza ka nanao taminy hoe: Efa reko tsara izay rehetra nataonao tamin'ny
rafozanao-vavy hatrizay nahafatesan'ny vadinao sy ny nahafoizanao ny rainao sy
ny reninao mbamin'ny tany nahaterahanao sy nankanesanao atỳ amin'ny
firenena tsy mbola fantatrao.
12 Hamaly ny
nataonao anie Jehovah. ka homen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
valim-pitia lehibe anie ianao, satria avy hialoka eo ambanin'ny elany ianao.
13 Dia hoy Izy:
Aoka hahita fitia eo imasonao aho, tompokolahy; fa efa nampifaly ahy ianao, ary
efa niteny mora tamin'ny zatovovavinao, na dia tsy tahaka ny anankiray amin'ny
zatovovavinao aza aho.
14 Ary rehefa
tonga ny fotoam-pisakafoana, dia hoy Boaza taminy: Mankanesa atỳ, ka
mihinàna mofo, ary atsobohy amin'ny vinaingitra ny sombi-mofonao. Dia nipetraka
teo anilan'ny mpijinja izy; ary nangalan-dralehilahy lango izy, dia nihinana ka
voky, ary nisy sisa tsy laniny aza.
15 Ary raha
nitsangana hitsimpona izy, dia nodidian'i Boaza ny ankizilahiny hoe: Aoka izy
hitsimpona na dia eny anelanelan'ny amboara aza, ka aza maninona azy.
16 Ary asio
latsadatsaka avy amin'ny amboara, ka avelao ireny hotsimponiny, fa aza raràna
izy.
17 Ary
nitsimpona tany an-tsaha mandra-paharivan'ny andro Rota, dia nively izay efa
voatsimpony, ka nisy vary hordea tokony ho iray efaha.
18 Dia nentiny
izany, ka nankany an-tanàna izy, ary hitan'ny rafozani-vavy izay efa
voatsimpony; ary navoakany koa ilay sisa tsy laniny tamin'ny nisakafoany ka
nomeny ny rafozany.
19 Dia hoy ny
rafozanivavy taminy: Taiza no nitsimponanao androany, ary taiza no nanaovanao?
Hotahina anie izay nitsinjo anao. Dia nambarany tamin'ny rafozani-vavy izay efa
nitsimponany ka hoy izy: Boaza no anaran'ny lehilahy, izay tompon'ny tanimbary
nitsimponako androany
20 Dia hoy
Naomy tamin'ny vinantonivavy: Hotahin'i Jehovah anie izay tsy nitsahatra hanao
soa amin'ny velona sy ny maty. Ary hoy koa Naomy taminy: Havantsika akaiky
ihany ralehilahy, ka isan'izay mahavotra antsika izy.
21 Ary hoy
Rota, vehivavy Moabita: Izao koa no nataony tamiko: Mitoera tsara eo anilan'ny
zatovoko ianao mandra-pahatapitry ny fijinjana.
22 Ary hoy
Naomy tamin'i Rota vinantoni-vavy: Tsara izany, anaka, raha miara-mivoaka
amin'ny ankizivavy ianao, fandrao hisy haninona anao raha any an-tsaha hafa.
23 Ary izy tsy
nety nisaraka tamin'ny zatovovavin'i Boaza, fa nitsimpona mandra-pahatapitry ny
fijinjana ny vary hordea sy ny vary tritika; ary nitoetra tao amin'ny
rafozani-vavy Izy.
*
1 [Ny
nangatahan'i Rota an'i Boaza hitondra loloha azy araka ny hevitra natoron'i
Naomy] Dia hoy Naomy rafozani-vavy taminy: Tsy hitady izay tokan-trano
hahitanao fiadanana va aho, anaka, mba hahasoa anao?
2 Ary
ankehitriny tsy isan'ny havantsika va Boaza, tompon'ny ankizivavy izay
niarahanao? Indro, mikororoka vary hordea eo am-pamoloana izy anio alina.
3 Koa mandroa
sy mihosora diloilo ary miakanjoa, dia midìna any am-pamoloana; nefa aza atao
fanta-dralehilahy akory ianao, raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.
4 Ary rehefa
mandry izy, dia fantaro izay andriany, ary midìra, ka songay ny lamba eo
an-tongony, dia mandria eo ianao; ary holazainy aminao izay hataonao.
5 Dia hoy izy
taminy: Eny, fa hataoko izay rehetra lazainao amiko.
6 Dia nidina
tany am-pamoloana izy ka nanao araka izay rehetra nandidian'ny rafozani-vavy
azy.
7 Ary rehefa
avy nihinana sy nisotro Boaza, ka faly ny fony, dia nandeha handry teo amin'ny
faran'ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa Rota, dia nanonga ny
lamba teo an-tongony ka nandry teo.
8 Ary nony
namatonalina, dia taitra ralehilahy ka niarina hitsapa, ary, indro, nisy
vehivavy nandry teo an-tongony.
9 Dia hoy izy:
Iza moa izato? Ary hoy kosa ravehivavy: Rota zatovovavinao aho; mba rakofy ny
lambanao ny zatovovavinao, fa havana mahavotra ianao.
10 Dia hoy izy:
Hotahin'i Jehovah anie ianao, anaka; efa nanao soa be lavitra tamin'ny ato
aoriana ianao noho ny tamin'ny voalohany, noho ny tsy nanarahanao ny zatovo, na
ny malahelo, na ny manan-karena.
11 Koa
ankehitriny anaka, aza matahotra; hataoko aminao izay rehetra angatahinao; fa
fantatr'izay rehetra ao an-tanànan'ny fireneko fa vehivavy tsara ianao.
12 Ary
ankehitriny marina izany, fa havana mahavotra aho; nefa misy havana mahavotra
akaiky kokoa noho izaho.
13 Mitoera
ihany atỳ anio alina, ary rehefa maraina, raha hitondra loloha anao izy,
dia tsara izany, aoka izy no hitondra loloha anao; fa raha tàhiny kosa tsy
hanao izany izy, dia ho entiko loloha ihany ianao, raha velona koa Jehovah,
mitoera ihany atỳ mandra-pahamarain'ny andro.
14 Dia nandry
teo an-tongony mandra-pahamarain'ny andro Rota, ary nifoha, raha mbola
maizimaizina, ilay mbola tsy ahitana tarehy iny. Fa hoy ralehilahy: Aza avela
ho fantatr'olona fa tatỳ am-pamoloana ravehivavy.
15 Dia hoy koa
izy: Ento etỳ ny lamba itafianao, ka hazòny izy. Ary rehefa nataony
izany, dia namatra vary hordea inenin'ny famarana Boaza, ka nampitondrainy azy
izany. Dia lasa nankany an-tanàna Boaza.
16 Ary rehefa
tonga tany amin'ny rafozani-vavy Rota, dia hoy Naomy: Nanao ahoana izay tany,
anaka? Dia nambarany azy izay rehetra nataon-dralehilahy taminy.
17 Ary hoy koa
izy: Ireto vary hordea inenin'ny famarana ireto dia nomeny ahy; fa hoy izy
tamiko: Aza mandeha tsy mitondra zavatra ho any amin'ny rafozanao-vavy.
18 Dia hoy izy:
Mitoera ihany, anaka, mandra-pahafantatrao izay hiantefan'ny raharaha; fa tsy
hijanona ralehilahy, fa hovitainy anio ihany ny raharaha.
*
1 [Ny
nampakaran'i Boaza an'i Rota, sy ny nahaterahan'i Obeda, ary ny
filazam-pirazanana hatramin'i Fareza ka hatramin'i Davida] Ary rehefa tafakatra
teo am-bavahady Boaza ka nipetraka teo, dia, indro, nandalo ilay havana
mahavotra voalazany, dia hoy Boaza: Ranona iry ô! maitia kely ange; mipetraha
eto. Dia nanatona izy ka nipetraka.
2 Dia naka folo
lahy tamin'ny loholona tao an-tanàna Boaza ka nanao hoe: Mipetraha eto ianareo.
Dia nipetraka ireo.
3 Dia niteny
tamin'Ilay havana akaiky izy ka nanao hoe: Naomy, izay niverina avy tany
amin'ny tany Moaba, dia mivarotra ny tany izay an'i Elimeleka rahalahintsika.
4 Ary izaho
nikasa hampandre anao hoe: Vidio eto anatrehan'izay mipetraka eto sy eto
anatrehan'ny loholona amin'ny fireneko izany. Raha hanavotra ianao, dia avoty;
fa raha tàhiny tsy hanavotra ianao, dia lazao amiko mba ho fantatro; fa tsy
misy tokony hanavotra afa-tsy ianao, ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy
izy: Hanavotra ihany aho.
5 Dia hoy
Boaza: Amin'izay andro ividiananao ny tany amin'ny tànan'i Naomy, dia amin'i
Rota koa, vehivavy Moabita, vadin'ny maty, no hividiananao azy, mba hamelo-maso
ny anaran'ny maty ao amin'ny lovany ianao.
6 Fa hoy ilay
havana mahavotra: Tsia, tsy mahazo manavotra ho an'ny tenako aho, fandrao
mahasimba ny lovako; avoty ihany ho anao ny ahy, fa tsy mahavotra aho.
7 Ary ny
amin'ny fanavotana sy ny fanakalozana teo amin'ny Isiraely fahiny hahamafy ny
teny rehetra dia izao: nesorin'ny lehilahy ny kirarony ka nomeny ho an'ny
namany; dia vavolombelona teo amin'ny Isiraely izany.
8 Ary hoy ilay
havana mahavotra tamin'i Boaza: Vidio ho anao izany. Dia nanaisotra ny kirarony
izy.
9 Ary hoy Boaza
tamin'ny loholona sy ny vahoaka rehetra: Hianareo no vavolombelona androany fa
efa novidiko tamin'ny tànan'i Naomy izay rehetra an'i Elimeleka sy izay rehetra
an'i Kiliona sy Malona.
10 Ary Rota
koa, vehivavy Moabita, vadin'i Malona, dia lasako ho vadiko hamelo-maso ny
anaran'ny maty ao amin'ny lovany, mba tsy ho faty maso ny anaran'ny maty eo
amin'ny rahalahiny sy eo amin'ny vavahadin'ny fonenany; ianareo no
vavolombelona androany.
11 Dia hoy ny
vahoaka rehetra izay teo amin'ny vavahady sy ny loholona: Eny, vavolombelona
izahay; hataon'i Jehovah tahaka an'i Rahely sy tahaka an'i Lea anie izay
vehivavy efa ho tonga ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon'ny
Isiraely; ary aoka ho lehibe any Efrata anie ianao, ary halaza any Betlehema
anie ny anaranao;
12 ary ho
tahaka ny taranak'i Fareza, izay naterak'i Tamara tamin'i Joda, anie ny
taranakao avy amin'ny zanaka izay homen'i Jehovah anao amin'ity vehivavy ity.
13 Ary Boaza
dia nampakatra an'i Rota ka nanambady azy; ary Jehovah nampanan'anaka azy, ka
niteraka zazalahy izy.
14 Ary hoy ireo
vehivavy tamin'i Naomy: Isaorana anie Jehovah, Izay tsy namela anao androany
tsy hanan-kavana mahavotra, ary aoka halaza ny anarany eo amin'ny Isiraely.
15 Dia hamelona
ny ainao sy hitaiza anao izy, rehefa antitra ianao; fa niteraka azy ny
vinantonaovavy, izay tia anao, ilay tsara lavitra aminao mihoatra noho ny
zanaka fito lahy.
16 Dia nandray
ny zaza Naomy ka nitrotro azy, dia tonga mpitaiza azy.
17 Ary ny
vehivavy namany nifidy ny anarany ka nanao hoe: Misy zazalahy teraka ho an'i
Naomy; ary ny anarany nataony hoe Obeda; izy no rain'i Jese, rain'i Davida.
18 Ary izao no
taranak'i Fareza: Fareza niteraka an'i Hezrona;
19 ary Hezrona
niteraka an'i Rama; ary Rama niteraka an'i Aminadaba;
20 ary
Aminadaba niteraka an'i Nasona; ary Nasona niteraka an'i Salmona;
21 ary Salmona
niteraka an'i Boaza; ary Boaza niteraka an'i Obeda;
22 ary Obeda
niteraka an'i Jese; ary Jese niteraka an'i Davida.