[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | index ouvrages | index auteurs | index sujets | centres d’intéręt]
Ohabolana
Accčs direct aux
chapitres des Proverbes : 1, 2,
3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28, 29, 30, 31
1 [Fitarihan-teny] Ny
Ohabolan'i Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely:
2 Hahalalana fahendrena sy
fananarana, Ary hahafantarana ny tenin'ny fahalalana;
3 Hahazoana fananarana
mampahahendry, Dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana;
4 Hanomezam-pahendrena ho
an'ny kely saina, Ary fahalalana sy fisainana mazava ho an'ny zatovo.
5 Aoka ny hendry hihaino ka
hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara;
6 Hahafantarana ohabolana sy
fanoharana, Ary ny tenin'ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony.
7 Ny fahatahorana an'i
Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny
famaizana. Fananarana tsy hikambana amin'ny mpanao ratsy.
8 Anaka, mihainoa ny
ana-drainao, Ary aza mahafoy ny lalān-dreninao;
9 Fa fehiloha tsara tarehy
amin'ny lohanao izany, Ary rado amin'ny vozonao.
10 Anaka, raha taomin'ny
mpanota ianao, Aza manaiky.
11 Raha hoy izy: Andeha
hiaraka isika, Aoka isika hanotrika handatsa-drā; Andeha hamitsahantsika tsy
ahoan-tsy ahoana ny tsy manan-tsiny;
12 Aoka isika hitelina azy
velona tahaka ny fitelin'ny fiainan-tsi-hita* Ary hanao azy teli-moka toy ny
latsaka any an-davaka;[Heb. Sheola]
13 Dia ho azontsika ny
fananana sarobidy rehetra, Ka hofenointsika babo ny tranontsika;
14 Avia mba hiara-miloka eto
aminay; Aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra:
15 Anaka, aza miara-dalana
aminy ianao; Arovy ny tongotrao tsy hankamin'ny alehany;
16 Fa ny tongony mihazakazaka
ho amin'ny ratsy Sady faingana handatsa-drā.
17 Fa velarim-poana ny
fandrika, Raha hitan'ny vorona.
18 Fa ireny dia manotrika
handatsaka ny ran'ny tenany ihany; Mamitsaka hahafaty ny tenany ihany izy.
19 Toy izany no iafaran'izay
rehetra fatra-pila harena; Fa hipaoka ny ain'izay fatra-pila azy izany.
20 [Fiantsoana sy fananarana
ataon'ny fahendrena] Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny
feony eny an-kalalahana izy;
21 Mitory ao amin'izay
fivorian'ny maro be mireondreona izy; Eo anoloan'ny vavahady sy ao an-tanāna no
ilazany ny teniny hoe:
22 Ry kely saina,
mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian'ny mpaniratsira
amin'ny faniratsirana, Ary hankahalan'ny adala ny fahalalana?
23 Miverena ianareo hihaino
ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo
ny teniko.
24 Satria efa niantso
Aho, fa nandā ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina;
25 Fa nolavinareo ny
saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo:
26 Izaho kosa
hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny
mahatahotra anareo.
27 Raha tonga ny
zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny
tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana,
28 Dia vao hiantso
Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany
Aho.
29 Satria nankahala
ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an'i Jehovah,
30 Tsy nekeny ny
saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra,
31 Dia hihinana
ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny.
32 Fa ny
fihemoran'ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan'ny adala handringana azy.
33 Fa izay
mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy
hatahotra ny ratsy.
1 [Ny soa
hitan'izay mandray ny fahendrena] Anaka, raha raisinao ny teniko, Ary raketinao
ao am-ponao ny didiko,
2 Ka
atongilanao amin'ny fahendrena ny sofinao, Ary ampitandremanao fahalalana ny
fonao;
3 Eny, raha
miantso ny fahalalana ianao Ary manandratra ny feonao hahazo saina,
4 Raha mitady
azy toy ny fitady volafotsy ianao Ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena
afenina:
5 Dia ho fantatrao
marina ny fahatahorana an'i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana
an'Andriamanitra.
6 Fa Jehovah no
manome fahendrena; Avy amin'ny vavany no ihavian'ny fahalalana sy ny
fahazavan-tsaina.
7 Izy mitahiry
fanambinana*ho an'ny mahitsy Sady ampingan'izay mandeha tsy misy tsiny;[Na:
tena fahendrena]
8 Ka dia mitandrina
ny lalan'ny fahamarinana Izy Ary miambina ny lalan'ny olony masina.
9 Ary amin'izay dia
ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny Ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara
rehetra.
10 Raha latsaka ao
am-ponao ny fahendrena, Ary* mamin'ny fanahinao ny fahalalana,[Na: Fa ho
tafiditra ao am-ponao ny fahendrena, Ka ho]
11 Dia hiaro anao ny
fisainana mazava, Ary hiambina anao ny fahalalana,
12 Ka hamonjy
anao amin'ny lalan-dratsy Sy amin'ny lehilahy izay miteny fitaka,
13 Izay mahafoy
ny lalan'ny fahamarinana Mba hizorany amin'ny lalan'ny fahamaizinana,
14 Dia izay
faly hanao ratsy Sy finaritra amin'ny fitaky ny ratsy,
15 Dia izay
melo-dalana Sy maniasia amin'ny alehany;
16 Ary hamonjy
anao amin'ny vehivavy jejo* koa izany, Dia amin'ny vahiny janga izay mandrobo
amin'ny teniny,[Heb. vehivavy tsy vadinao]
17 Izay mahafoy
ny vadin*'ny fahatanorany Sy manadino ny fanekeny teo amin'Andriamaniny.[Heb.
sakaizan']
18 Fa ny
tranony milentika ho amin'ny fahafatesana, Ary ny alehany mankany amin'ny maty.
19 Tsy misy
afa-miverina izay mankany aminy, Na mihazo amin'ny lalan'aina,
20 Handehananao
amin'ny lalan'ny tsara fanahy Sy hitandremanao ny alehan'ny marina.
21 Fa ny olona
mahitsy no honina amin'ny tany, Ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa
mitoetra ao;
22 Fa ny ratsy
fanahy kosa hofongorana amin'ny tany, Ary ny mpivadika hongotana.
1
[Famporisihana hitondra tena tsara] Anaka, aza manadino ny lalāko; Fa aoka ny
fonao hitandrina ny didiko;
2 Fa andro maro sy
taona ela iainana Ary fiadanana no hanampiny ho anao.
3 Aoka tsy handao
anao ny famindram-po sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary
soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka,
4 Ka dia hahazo fitia
sy fahalalana tsara Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao.
5 Matokia an'i
Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;
6 Maneke Azy amin'ny
alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao,
7 Aza manao anao ho
hendry; Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.
8 Dia ho
famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao.
9 Mankalazā an'i
Jehovah amin'ny fanananao Sy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra;
10 Ka dia ho feno
mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin'ny vata
fanantazanao.
11 Anaka, aza
manamavo ny famaizan'i Jehovah, Ary aza tofoka amin'ny fananarany;
12 Fa izay tian'i
Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon'ny ray amin'ny zanaka tiany.
13 [Ny
fahasambaran'izay olona mahita fahendrena] Sambatra izay olona mahita
fahendrena Sy izay olona mahazo fahalalana.
14 Fa ny fandrantoana
azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, Ary ny tombom-barotra aminy dia
mihoatra noho ny volamena tsara.
15 Sarobidy noho ny
voahangy* izy; Ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy.[Na:
perla]
16 Fa andro maro no
eo an-tānany ankavanana; Ary harena sy voninahitra no eo an-tānany ankavia.
17 Lālana
mahafinaritra ny lalany, Ary fiadanana ny alehany rehetra.
18 Hazon'aina ho
an'izay rehetra mifikitra aminy izy; Ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe
sambatra.
19 Fahendrena no
nanorenan'i Jehovah ny tany, Ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra.
20 Ny fahalalany no
entiny mampiboiboika ny rano any amin'ny lalina Sy ampitetevany ando avy
amin'ny rahona.
21 Anaka, aoka tsy
hiala amin'ny masonao izany; Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava,
22 Ka dia ho ain'ny
fanahinao izany Ary ho firavaky ny vozonao,
23 Dia handroso
aman-toky ianao, Ka tsy ho tafintohina ny tongotrao.
24 Tsy hatahotra
ianao, raha mandry; Eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao.
25 Aza manahy ny
tahotra avy tampoka, Na ny rivo-doza mamely* ny ratsy fanahy, raha avy izany;
[Na: ny fandringanana avy amin'ny]
26 Fa Jehovah no ho
tokinao Ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika.
27 [Famporisihana
hanao soa amin'olona sy hanao ny marina] Aza mamihina ny soa amin'izay tokony
homena azy, Raha azon'ny tananao atao ihany;
28 Aza manao amin'ny
namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana
ihany ianao.
29 Aza mamorona
sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy.
30 Aza miady
amin'olona foana, Raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.
31 Aza mialona ny
olon-dozabe, Na mifidy izay lalany akory,
32 Satria
fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny maniasia, Fa ao amin'ny marina kosa ny
fisakaizany.
33 Ny ozon'i Jehovah
dia ao an-tranon'ny ratsy fanahy; Fa ny fonenan'ny marina dia tahėny kosa.
34 Na dia
tsiratsirainy aza ny mpaniratsira, Dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra.
35 Ny hendry handova
voninahitra; Fa henatra kosa no ho anjaran'ny adala.
1 [Fananarana
hikatsaka ny fahendrena tsy hikambana amin'ny mpanao ratsy] Ry zanaka, henoy ny
anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ny fahalalana tsara.
2 Fa anatra tsara no
omeko anareo; Aza mahafoy ny lalāko.
3 Fa zanak'ikaky aho,
Sady tiana* no hany malala teo imason'ineny.[Heb. malemilemy]
4 Ary nampianatra ahy
izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko,
dia ho velona ianao.
5 Mahazoa fahendrena,
mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako.
6 Aza mahafoy azy, fa
hiaro anao izy; Tiavo izy, dia hitandrina anao.
7 Ny
voaloham-pahendrena dia izao*: Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao
rehetra hamidy fahalalana tsara.[Na: Fahendrena no ambony indrindra]
8 Asandrato izy, dia
hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tananao.
9 Dia hasiany
fehiloha mahafinaritra ny lohanao; Eny, satro-boninahitra tsara tarehy no
homeny anao.
10 Anaka, mihainoa,
ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao.
11 Lālam-pahendrena
no atoroko anao: Eny, mitarika anao amin'ny lalana mahitsy aho.
12 Raha mandeha
ianao, dia tsy ho etỳ ny lalanao; Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho
tafintohina.
13 Tano mafy ny
fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao.
14 Aza mankany
amin'ny alehan'ny ratsy fanahy, Ary aza mizotra amin'ny lalan'ny ratsy.
15 Manalavira azy;
aza mandalo eo akory; Mivilia azy, ka mizora.
16 Fa tsy matory
ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa
nanafintohina ny sasany.
17 Fa mihinana ny
mofon'ny faharatsiana izy, Sy misotro ny divain'ny fahalozāna.
18 Fa ny lalan'ny
marina dia toy ny fipoak'andro maraina, Izay mihamazava
mandra-pitataovovonan'ny andro.
19 Ny alehan'ny
ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy.
20 Anaka,
tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako.
21 Aza avela hiala eo
imasonao izy, Fa raketo ao am-ponao.
22 Fa aina ho an'ny
mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an'ny nofony rehetra.
23 Tandremo ny fonao
mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian*'ny
aina. [Heb. fivoahan']
24 Esory aminao ny
vava mandainga, Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka.
25 Aoka ny masonao
hijery mahitsy, Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao.
26 Ataovy marina ny*
alehan'ny tongotrao, Dia ho voalamina ny alehanao rehetra;[Na: Saino tsara
izay]
27 Aza mivily, na ho
amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia; Esory amin'ny ratsy ny tongotrao.
1 [Fananarana tsy
hijejojejo] Anaka, tandremo ny fahendreko, Ary atongilano ny sofinao ho amin'ny
fahalalako,
2 Hiheveranao tsara
ny fisainana mazava Sy hitandreman'ny molotrao ny fahalalana.
3 Fa ny molotry ny
vehivavy jejo* dia mitete toy ny tantely avy amin'ny tohotra, Ary ny vavany dia
malama noho ny diloilo;[Heb. vehivavy tsy vadiny]
4 Nefa ny farany
mangidy tahaka ny hazo mahafaty Ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela.
5 Ny tongony
midina ho any amin'ny fahafatesana, Ary ny diany mizotra ho any amin'ny
fiainan-tsi-hita*. [Heb. Sheola]
6 Tsy mahazo
mandia ny lalan'aina mihitsy izy, Fa manjenjena, ka tsy fantany akory izay
halehany.
7 Koa mihainoa
ahy, ry zanaka, Ary aza miala amin'ny teny aloaky ny vavako.
8 Ampanalaviro
azy ny alehanao, Ary aza manakaiky ny varavaran'ny tranony;
9 Fandrao
omenao ho an'ny sasany ny voninahitrao, Ary ny taonanao ho an'izay lozabe;
10 Fandrao
hivokisan'ny vahiny ny fanananao; Ary izay nisasaranao ho tonga ao an-tranon'ny
vahiny;
11 Ka dia
hitoloko ianao any am-parany, Raha mihalevona ny nofonao sy ny tenanao;
12 Dia hanao hoe
ianao: Nahoana re no nankahala famaizana aho? Ary nahoana no naniratsira
fanaranana ny foko,
13 Ka tsy nihaino ny
tenin'ny mpanoro hevitra ahy, Ary tsy nanongilana ny sofiko hihaino ny
mpampianatra ahy?
14 Efa saiky azon'ny
ratsy rehetra aho Tao amin'ny fiangonana sy ny fivoriana.
15 Misotroa rano avy
amin'ny lavaka famorian-dranonao ihany Sy rano miboiboika avy amin'ny
fantsakanao.
16 Hipasaka eny
ivelany va ny rano avy amin'ny loharanonao, Ary eny an-dalambe ny rano velonao?
17 Aoka ho anao irery
ihany izany, Fa aza iombonana amin'ny hafa.
18 Aoka hotahina ny
loharanonao, Ary mifalia amin'ny vadin'ny fahatanoranao.
19 Fa dieravavy
mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy, Dia aoka ny tratrany no hahafeno
fifaliana anao mandrakariva, Ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin'ny
fitiavany ianao.
20 Nahoana ianao,
anaka, no ho renoka amin'ny fitiavana vehivavy jejo* Ka hanohona ny tratran'ny
vahiny janga? [Heb. vehivavy tsy vadiny]
21 Fa eo imason'i
Jehovah ny alehan'ny olona, Ary ny diany rehetra dia dinihiny avokoa.
22 Ny heloky ny
ratsy fanahy dia mahazo ny tenany ihany, Ary ny kofehin'ny fahotany no itanana
azy
23 Maty noho ny
tsi-fahazoany famaizana izy, Eny, mikorapaka noho ny haben'ny fahadalany.
1 [Ny tsy
mahamety ny miantoka olona sy ny hakamoana sy ny fitaka sy ny avonavona; ary ny
zavatra fito loha izay halan'i Jehovah] Anaka, raha niantoka ny namanao ianao
Ary nandray tanana hiantoka ny hafa,
2 Ka
voafandriky ny teny naloaky ny vavanao ianao Sady voasingotry ny teny naloaky
ny vavanao,
3 Dia izao no
ataovy, anaka, ka afaho ny tenanao (Satria efa mby eo an-tanan'ny namanao
ianao): Andeha mihohoka sy mifona mafy amin'ny namanao.
4 Aza avela
hatory akory ny masonao, Ary aza avela hilondolondo ny hodimasonao.
5 Afaho ny
tenanao toy ny gazela* miala amin'izay mihazona azy, Ary toy ny voron-kely
miala amin'ny tanan'ny mpamandrika.[Izahao 2 Sam. ii.18]
6 Mandehana any
amin'ny vitsika, ry ilay malaina; Diniho ny fanaony, ka mba hendre;
7 Tsy manana
komandy ireny, Na mpifehy, na mpanapaka,
8 Nefa mamory
ny haniny raha fahavaratra izy, Ary manangona ny fihinany amin'ny fararano.
9 Mandra-pahoviana no
mbola handry ihany ianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin'ny
torimasonao ianao?
10 Mbola hatory kely
ihany, mbola ho renoka kely ihany, Ary mbola hanohon-tanana kely hatory,
11 Dia ho tonga toy
ny lehilahy mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.
12 Ny olona tena
ratsy fanahy sy mpanao ratsy Dia ilay mandehandeha manao vava ratsy,
13 Izay
mami-maso sy manao famantarana amin'ny tongony Ary manao baiko amin'ny rantsan-tānany;
14 Fahafetsena
no ao am-pony, Mihevi-dratsy mandrakariva izy Sady mamafy ady.
15 Ary noho
izany dia ho avy tampoka kosa ny loza hanjo azy; Ho torotoro tampoka izy, ka
tsy hisy fahasitranana.
16 Izao enina
izao no halan'i Jehovah, Eny, fito no ataony ho fahavetavetana:
17 Ny maso
miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tanana mandatsa-drā marina,
18 Ny fo
mamoron-tsain-dratsy, Ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy,
19 Ny mamoaka
lainga ho vavolombelona tsy marina, Ary ny mamafy ady ao amin'ny rahalahy.
20 [Fananarana
hankatō tsara ny ana-dray aman-dreny mba hifady ny fifangajangana] Anaka,
tandremo ny didin-drainao, Ary aza mahafoy ny lalān-dreninao.
21 Afatory
amin'ny fonao mandrakariva ireo, Ary afehezo eo am-bozonao,
22 Raha mandeha
ianao, dia hitari-dalana anao ireo; Raha mandry ianao, dia hiambina anao; Ary
raha mifoha ianao, dia hamelona eritreritra anao.
23 Fa jiro ny
didy, ary fanazavana ny lalāna, Ary lalan'aina ny anatra famaizana,
24 Hiarovana
anao amin'ny vehivavy ratsy fanahy, Ary amin'ny fandroboan'ny lelan'ny vahiny
janga*. [Heb. lelam-bahiny]
25 Aoka ny
fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin'ny
hodimasony izy.
26 Fa noho ny
vehivavy mpijangajanga no mila tsy hananan'ny lehilahy sombi-mofo, Ary ny amin'ny
vadin'ny olona no mihaza ny aina soa.
27 Mahatondra
afo ao an-tratran'akanjony va ny olona, Ka tsy ho may ny akanjony?
28 Misy mahadia
vain'afo va, Ka tsy ho may ny tongony?
29 Dia toy
izany izay mankamin'ny vadin'ny namany; Tsy maintsy hampijalina izay mikasika
azy.
30 Tsy
avelan'ny olona ho afa-maina ny mpangalatra, Raha maka zavatra hahavoky ny
tenany izy, na dia noana aza;
31 Fa* raha azo
izy, dia hampanoneriny fito heny Ka hanome ny fananana rehetra ao
an-tranony.[Na: Ny olona tsy manome tsiny ny mpangalatra, noana; Nefa]
32 Izay
mijangajanga amin'ny vehivavy dia tsy ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao
izany.
33 Voakapoka sy
afa-baraka izy Ary tsy ho afaka amin'ny tondro-molotra.
34 Fa ny
fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran-dehilahy, Koa tsy hamindra fo
izy amin'ny andro hamaliany.
35 Tsy handray
vola ho enti-manalady* akory izy, Ary tsy hety, na dia omenao fanambatambazana
be aza.[Heb. avotra]
1 Anaka,
tandremo ny teniko, Ary raketo ao aminao ny didiko.
2 Tandremo ny
didiko, dia ho velona ianao; Ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalāko.
3 Afehezo eo
amin'ny rantsan-tananao izy, Soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato
fisaka izy.
4 Ny fahendrena
dia ilazao hoe: Anabaviko ianao; Ary ny fahafantarana dia antsoy hoe: Sakaiza
mahazatra ianao;
5 Mba hiarovana
anao amin'ny vehivavy jejo*, Dia amin'ny vahiny janga izay manao teny
mandrobo.[Heb. vehivavy tsy vadinao]
6 Fa teo amin'ny
varavarankelin'ny tranoko, Dia teo amin'ny makarakara, no nitsirihako,
7 Ka nahita anankiray
tamin'ny kely saina aho, Eny, nandinika ny tovolahy aho ka nahita zazalahy
anankiray tsy ampy saina,
8 Izay nandeha
tamin'ny lalana akaikin'ny zoron-tranon'ny vehivavy janga Sy nizotra nankany
an-tranony,
9 Nony takariva ilay
somambisamby iny Sy tamin'ny alina efa maizina dia maizina.
10 Dia, indro, nisy
vehivavy nitsena azy Sady manao fitafin'ny janga no mifetsy am-po,
11 Sady vavāna
no maditra, Tsy mahajanona ao an-tranony ny tongony;
12 Fa vetivety
mby eny an-dalam-be izy, ary vetivety mby eny an-tsena, Ary mamitsaka eny
an-joron-trano rehetra eny izy.
13 Ka dia
nisavika ilay tovolahy izy ka nanoroka azy Sady nisolantsolana taminy ka nilaza
hoe:
14 Efa nivoady
hanatitra fanati-pihavanana aho; Ary androany no nanefako ny voadiko.
15 Koa dia
nivoaka hitsena anao aho, Mba hitady fatratra ny tarehinao, ka dia nahita anao
tokoa.
16 Ny fandriako
efa nasiako firakotra tsara, Dia lambam-pandriana misoratsoratra voafoly
hatrany Egypta.
17 Efa norarahako
zava-manitra ny fandriako, Dia miora sy hazomanitra* ary havozo manitra.[Heb.
ahalima]
18 Andeha, aoka isika
hivoky fitia ambara-pahamarain'ny andro, Aoka ho feno fahafinaretana amin'ny
fitiavana isika.
19 Fa tsy ao an-trano
ny lehilahy, Fa lasa nivahiny lavitra izy;
20 Ny kitampom-bola
dia nentiny any an-tānany, Ka tsy mbola hody izy mandra-pahafenon'ny volana.
21 Tamin'ny
teny maro no nampanekeny azy, Tamin'ny fandroboan'ny molony no nitaomany azy,
22 Ka dia
nandeha nanaraka azy niaraka tamin'izay ilay zatovo*, Tahaka ny omby entina
hovonoina, Ary tahaka ny adala hogadrana**, [*Na: Na iza na iza mandeha
manaraka azy dia][**Heb. tahaka ny gadra ho famaizana ny adala]
23
Ambara-piboroaky ny lefom-pohy amin'ny atiny, Ary tahaka ny vorona mipaoka ny
fandrika, Fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany.
24 Koa mihainoa
ahy ianareo, anaka, Ary tandremo ny teny aloaky ny vavako.
25 Aoka tsy
hivily ho any amin'ny lalany ny fonareo, Ary aza mania ho amin'ny alehany.
26 Fa betsaka
no naripany ka maty; Ary maro be no efa matiny.
27 Ny tranony
dia lalana mankany amin'ny fiainan-tsi-hita*, Eny, midina ho any amin'ny
efi-tranon'ny fahafatesana.[Heb. Sheola]
1 [Ny
fiantsoan'ny fahendrena, sy ny fahatsarany] Tsy miantso va ny fahendrena, Ary
tsy manandra-peo va ny fahalalana?
2 Eo
an-tampon'ny fitoerana avo amoron-dalana Sy eo an-tsampanan-dalana no ijoroany.
3 Eo anilan'ny
vavahady, amin'ny fidirana ho ao an-tanāna, Sy eo anaty vavahady no iantsoany
maty hoe:
4 Hianareo no
antsoiko, ry olona; Ary ny feoko ho amin'ny zanak'olombelona.
5 Fantaro ny
fahendrena, ry kely saina; Ary fantaro ny fahalalana, ry adala.
6 Henoy, fa hilaza
zava-tsoa aho; Ary ny hilaza ny mahitsy no isokafan'ny molotro.
7 Fa ny marina ihany
no holazain'ny vavako; Ary ny ratsy dia fahavetavetana, raha amin'ny molotro.
8 Marina ny teny
rehetra aloaky ny vavako; Tsy misy fiolakolahana na fitaka ao aminy.
9 Miharihary avokoa
izy, raha amin'ny mazava saina, Ary mahitsy, raha amin'ny efa nahazo
fahalalana.
10 Aza ny volafotsy
no raisina, fa ny anatro, Ary aleo ny fahalalana toy izay ny volamena
voafantina.
11 Fa ny fahendrena
dia tsara noho ny voahangy*; Ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina
aminy.[Na: perla]
12 Izaho fahendrena
dia miara-monina amin-tsaina, Ary hitan'ny fahalalako ny fisainana mazava.
13 Ny
fankahalana ny ratsy no fahatahorana an'i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny
fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.
14 Ahy ny
fisainana sy ny fanambinana*; Izaho no fahalalana, izaho no manan-kery;[Na:
tena fahendrena]
15 Izaho no
anjakan'ny mpanjaka Sy andidian'ny mpanapaka araka ny rariny;
16 Izaho no
anapahan'ny andriandahy sy ny lehibe, Dia ny mpitsara rehetra amin'ny tany.
17 Tiako izay
tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy.
18 Ato amiko ny
harena sy ny voninahitra, Eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana.
19 Ny vokatro
dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza, Ary ny fitomboan'ny
hareko mihoatra noho ny volafotsy voafantina.
20 Amin'ny
alehan'ny fahamarinana no izorako, Dia ao amin'ny lalan'ny fitsarana marina,
21 Mba hampandovako
harena izay tia ahy, Sy hamenoako ny firaketany.
22 Jehovah
nahary* ahy ho fiandohan'ny alehany, Ho voalohany amin'ny asany hatramin'ny
taloha.[Na: nahazo]
23 Izaho
notendreny hatramin'ny fahagola, Eny, hatramin'ny voalohany indrindra, dia fony
tsy mbola ary ny tany.
24 Fony tsy
mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny loharano
miboiboika be,
25 Fony tsy
mbola naorina ny tendrombohitra, Fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka
aho,
26 Fony tsy
mbola natao ny tany, na ny saha, Na ny voalohan'ny vovo-tany ambonin'izao
rehetra izao.
27 Raha
namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, Raha namaritra ny hababakaka tambonin'ny
lalina Izy,
28 Raha
nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra ny loharanon'ny
lalina,
29 Raha nanisy
faritra ho an'ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan'ny rano mihoatra ny fetrany,
Ary nandidy ny amin'ny fanorenan'ny tany,
30 Dia
mpitā-marika* teo anilany aho Sady ravoravo isan'andro isan'andro Ka nilalao
mandrakariva teo anatrehany;[Na: notezaina]
31 Eny,
nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny
zanak'olombelona.
32 Koa mihainoa
ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako;
33 Minoa anatra, ka
hendre, Fa aza mandā.
34 Sambatra izay
olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo
amin'ny tolam-baravarako.
35 Fa izay mahita ahy
dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin'i Jehovah;
36 Fa izay diso ahy
kosa mampidi-doza amin'ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia
fahafatesana.
1 [Ny fiantsoan'ny
fahendrena sy ny fahadalana] Ny fahendrena efa nanao ny tranony; Efa nipaika ny
andriny fito izy;
2 Efa namono ny
bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa;
3 Ary efa naniraka ny
ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon'ny fitoerana avo any an-tanāna izy ka
manao hoe:
4 Izay kely saina,
dia aoka izy hankatỳ; Ary amin'izany tsy ampy saina dia hoy izy:
5 Avia, hano ny
mofoko, Ary sotroy ny divay voaharoharoko.
6 Ilaozy ny* kely
saina, dia ho velona ianao, Ary mizora amin'ny lalan'ny fahalalana.[Na:
Mitsahara, ry]
7 Izay mananatra ny
mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo
tsiny.
8 Aza mananatra ny
mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.
9 Toroy ny hendry,
dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy.
10 Ny fahatahorana
an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no
fahazavan-tsaina.
11 Fa izaho no
hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao.
12 Raha hendry ianao,
dia hendry ho an'ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao
ihany no hiharan'izany.
13 Ny fahadalana dia
toy ny vehivavy vavāna; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona.
14 Fa mipetraka eo
am-baravaran'ny tranony izy, Ary amin'ny seza eny amin'ny fitoerana avo eo
an-tanāna,
15 Mba hiantso ny
mpandalo Izay mizotra amin'ny alehany, ka manao hoe:
16 Aoka hivily
atỳ izay kely saina; Ary amin'izay tsy ampy saina dia hoy izy:
17 Mamy ny rano
angalarina, Ary fy ny mofo hanina amin'ny fiafenana,
18 Nefa tsy
fantany fa ny maty no ao, Ary any amin'ny halalin'ny fiainan-tsi-hita* ny olona
nasainy.[Heb: Shoela]
*
1 [Ohabolana
samy hafa ny amin'ny tsi-fitovian'ny toetry ny hendry sy ny adala, mbamin'ny
valin'ny ataony avy] Ohabolan'i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy;
Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.
2 Ny harena azo
amin'ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona; Fa ny fahamarinana no
mamonjy amin'ny fahafatesana.
3 Tsy avelan'i
Jehovah ho mosarena ny fanahin'ny marina; Fa foanany ny fanirian'ny ratsy
fanahy.
4 Ho tonga malahelo
ny miraviravy tanana amin'ny asany; Fa mampanan-karena ny tanan'ny mazoto.
5 Izay manangona
amin'ny fararano no zanaka hendry; Fa izay sondrian-tory amin'ny taom-pijinjana
no zanaka mampahamenatra.
6 Fitahiana no ho ao
amin'ny lohan'ny marina; Fa loza no mandrakotra* ny vavan'ny ratsy fanahy.[Na:
Fa manaron-doza]
7 Hankasitrahana ny
fahatsiarovana ny marina; Fa ho lō ny anaran'ny ratsy fanahy.
8 Izay hendry am-po
no handray ny didy; Fa ho lavo ny adala maro vava.
9 Izay mandeha tsy
misy tsiny no mandeha matoky; Fa izay maniasia amin'ny alehany dia fantatra.
10 Izay mami-maso
manome alahelo; Fa ho lavo ny adala maro vava.
11 Loharanon'aina ny
vavan'ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy*. [Izahao and.
6]
12 Ny fankahalana dia
manetsika ady; Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra.
13 Amin'ny molotry ny
manan-tsaina no ahitam-pahendrena; Fa tsorakazo no ho amin'ny lamosin'ny tsy
ampy saina.
14 Ny hendry
mirakitra fahalalana; Fa ny vavan'ny adala eo akaikin'ny fandringanana.
15 Ny haren'ny
manan-karena no vohiny mafy; Fa ny tsi-fananan'ny ory no fandringanana azy.
16 Ho fiainana ny
asan'ny marina; Fa ho ota ny fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy.
17 Izay mino anatra
dia ho tonga eo amin'ny lalan'ny fiainana; Fa mivily izay mandā anatra.
18 Izay mitahiry
lolompo dia manana molotra mandainga, Ary izay mampiely endrikendrika dia
adala.
19 Ny teny maro tsy
ilaozan'izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry.
20 Volafotsy
voafantina ny lelan'ny marina; Fa ny fon'ny ratsy fanahy tsy misy vidiny.
21 Ny molotry ny
marina mamelona ny maro; Fa maty ny adala noho ny tsi-fananany fahalalana.
22 Ny fitahian'i
Jehovah no mampanan-karena, Ary tsy azon'ny fisasarana ampiana izany*.[Na: Ary
tsy ampiany alahelo]
23 Toa laolaon'ny
adala ny fanaovan-dratsy Fa raha ny manan-tsaina, dia fahendrena kosa*. [Na:
Toa laolaon'ny adala ny fahafetsena; Fa ny manan-tsaina no manam-pahendrena]
24 Ny tahotry
ny ratsy fanahy hihatra aminy; Fa ny irin'ny marina no homena azy.
25 Rehefa
mipaoka ny tafio-drivotra, dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy; Fa ny marina
voaorina ho mandrakizay.
26 Toy ny
vinaingitra amin'ny nify sy ny setroka amin'ny maso. Dia mba toy izany koa ny
malaina amin'izay maniraka azy.
27 Ny
fahatahorana an'i Jehovah no mahela velona; Fa ny taonan'ny ratsy fanahy
hohafohezina.
28 Ny fanantenan'ny
marina dia fifaliana; Fa ny fanantenan'ny ratsy fanahy ho foana.
29 Ny lalan'i
Jehovah dia fiarovana mafy ho an'izay tsy misy tsiny, Fa fandringanana kosa ho
an'ny mpanao ratsy.
30 Ny marina
tsy hangozohozo mandrakizay; Fa ny ratsy fanahy tsy honina amin'ny tany.
31 Eo amin'ny
vavan'ny marina no itsimohan'ny fahendrena; Fa ny lela fandainga hofongorana.
32 Ny molotry
ny marina mahalala izay ankasitrahana; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia feno
fitaka.
1 Ny mizana mandainga
dia fahavetavetana eo imason'i Jehovah; Fa ny vato marina no ankasitrahany.
2 Raha tonga ny
fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka; Fa ao amin'ny manetry tena no
misy fahendrena.
3 Ny fahitsian'ny
mahitsy no mitarika azy; Fa ny faharatsian'ny mpivadika mahatonga fandringanana
amin'ny tenany.
4 Ny harena dia tsy
mahasoa amin'ny andro fahatezerana; Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho
azon'ny fahafatesana.
5 Ny
fahamarinan'ny marina mandamina ny alehany; Fa ny ratsy fanahy lavon'ny
haratsiany ihany.
6 Ny
fahamarinan'ny mahitsy mamonjy azy; Fa ny mpivadika dia voafandriky ny filāny.
7 Raha maty ny
ratsy fanahy, dia foana ny fanantenany, Eny, foana ny fanantenan'ny mpanao
ratsy*. [Na: mahery]
8 Ny marina dia
vonjena amin'ny fahoriana; Fa ho avy kosa ny ratsy fanahy hisolo azy.
9 Ny vavan'ny
mpihatsaravelatsihy* no animbany ny namany; Fa ny fahalalana no hanafahana ny
marina**. [*Na: ratsy
fanahy][**Na: Ny fahalalan'ny marina no hanafahana ny namany]
10 Raha miadana ny
marina, dia ravoravo ny tanāna; Fa raha ringana ny ratsy fanahy, dia velona ny
hoby.
11 Ny fisaoran*'ny
marina no isandratan'ny tanāna; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy no aharavany.[Na:
Ny fitahiana avy amin']
12 Tsy ampy saina
izay manamavo ny namany; Fa izay hendry dia mangina.
13 Izay mandehandeha
manaratsy dia manambara ny hevitra afenina; Fa ny olona mahatoky tsy mba tia
lazalaza.
14 Raha tsy misy
mpitondra, dia rava ny firenena; Fa handry fahizay, raha maro ny
mpanolo-tsaina.
15 Hahita loza tokoa
ny mianto-bahiny: Fa mitoetra tsy manana ahiahy ny tsy tia antoka.
16 Ny vehivavy tsara
tarehy mahazo dera; Ary ny mpanao an-keriny mahazo harena.
17 Ny olona mamindra
fo dia mahazo soa ho an'ny tenany; Fa ny lozabe dia todin'ny halozany.
18 Ny ratsy fanahy
dia mahazo valiny tsy mahasoa; Fa izay mamafy fahamarinana no mahazo izay tena
tambiny tokoa.
19 Ny tena
fahamarinana dia mamantana any amin'ny fiainana; Fa izay fatra-panaraka ny
ratsy dia iharan'ny fahafatesana.
20 Fahavetavetana eo
imason'i Jehovah ny meloka am-po; Fa ankasitrahany kosa izay mandeha tsy misy
tsiny.
21 Azo itompoana
tokoa fa* tsy maintsy hampijalina ny ratsy fanahy; Fa ny taranaky ny marina no
hovonjena.[Na: Azo ifandraisan-tanana fa; na: Hatramin'ny taranaka fara
mandimby dia]
22 Toy ny
kavim-bolamena eo amin'ny oron-kisoa Ny vehivavy tsara tarehy tsy
manam-pahendrena*.[Na: efa niala tamin'ny fahendrena]
23 Ny soa ihany no
irin'ny marina; Fa fahatezerana no fanantenan'ny ratsy fanahy.
24 Misy mahafoy*,
nefa mitombo fananana ihany; Ary misy fatra-pahihitra loatra**, nefa tonga
malahelo ihany.[*Heb. mamafy][**Na: mihazona ny hareny]
25 Izay manisy soa
olona hohatavezina; Ary izay mandena dia mba holemana kosa*. [Heb. Ary izay
mampisotro dia mba hampisotroina kosa]
26 Izay tsy mamoaka
ny variny dia ozonin'ny olona; Fa saotra no ho amin'ny lohan'izay mivarotra.
27 Izay
fatra-pikatsaka ny tsara no mitady ny mahafinaritra; Fa izay mitady ny ratsy
dia hiharan'izany.
28 Izay matoky ny
hareny dia ho lavo; Fa ny marina ho tahaka ny ravina maitso.
29 Izay mampidi-doza
amin'ny ankohonany dia mandova ny rivotra; Ary ny adala dia tonga mpanompon'ny
hendry.
30 Ny vokatry ny
marina dia hazon'aina, Ary ny hendry dia mahataona olona.
31 Indro, ny marina
aza dia valiana etỳ an-tany, Koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!
1 Izay tia fananarana
no tia fahalalana; Fa izay mandā anatra dia biby.
2 Ny tsara fanahy
mahazo sitraka amin'i Jehovah; Fa ny mamoron-tsain-dratsy hohelohiny.
3 Tsy maha-tafatoetra
ny olona ny haratsiana; Fa ny fakan'ny marina tsy mba hihetsika.
4 Ny vehivavy tsara
dia satro-boninahitry ny lahy; Fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia
tahaka ny lō ao anatin'ny taolana.
5 Rariny ny hevitry
ny marina; Fa fitaka ny fisainan'ny ratsy fanahy.
6 Ny tenin'ny ratsy
fanahy dia otrika ho enti-mandatsa-drā; Fa ny vavan'ny marina hamonjy azy.
7 Haringana ny ratsy
fanahy ka tsy ho ao intsony*; Fa ny mpianakavin'ny marina haharitra.[Na:
Vetivety foana dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy]
8 Araka ny
fahendren'ny olona no hiderana azy; Fa izay meloka am-po dia hatao
tsinontsinona.
9 Aleo ambany toetra,
nefa manana mpanompo iray, Toy izay mihambo ho be voninahitra, nefa tsy
manan-kohanina akory.
10 Ny marina mitsimbina
ny ain'ny bibiny; Fa fahasiahana kosa no famindram-pon'ny ratsy fanahy;
11 Izay miasa ny
taniny dia ho voky hanina; Fa izay manaraka ny olom-poana* dia tsy ampy
saina.[Na: ny zava-poana]
12 Ny mpanota maniry
ny hazan*'ny ratsy fanahy; Fa ny fakan'ny marina mitrebona**. [*Na: ny
fandriky][**Na: Fa ny marina ataon'Andriamanitra miorim-paka]
13 Amin'ny fahotan'ny
molotra dia misy fandrika ahitan-doza; Fa ny marina ho afaka amin'ny fahoriana.
14 Ny vokatry ny
vavan'ny olona no mahavoky soa azy, Ary ny asan'ny tānany hitsingerina aminy.
15 Ny lalan'ny adala
dia mahitsy eo imasony; Fa izay mino anatra no hendry.
16 Ny fahasosoran'ny
adala dia fantatra miaraka amin'izay; Fa izay mahatsindry fo amin'ny
fanalam-baraka no hendry.
17 Izay olona
mahatoky dia manambara ny rariny; Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny
fitaka.
18 Misy mandefalefa
teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron'ny sabatra; Fa ny lelan'ny marina
dia fanasitranana kosa.
19 Ny molotra marina
ampitoerina ho mandrakizay; Fa ny lela mandainga dia indray mipi-maso monja.
20 Fitaka no ao
am-pon'izay mamoron-tsain-dratsy; Fa hafaliana no amin'izay misaina fiadanana.
21 Tsy misy ratsy
manjo ny marina; Fa heni-doza* ny ratsy fanahy.[Heb. henika ny ratsy]
22 Fahavetavetana eo
imason'i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.
23 Ny olon-kendry tsy
mba mampideradera fahalalana foana*; Fa ny fon'ny adala mamoaka
fahadalana.[Heb. manafina fahalalana]
24 Ny tanan'ny mazoto
no hanapaka; Fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina.
25 Ny alahelo ao
am-pon'ny olona dia mampitanondrika azy; Fa ny teny soa no mahafaly azy.
26 Ny marina dia
mitari-dalana ny namany; Fa ny alehan'ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy.
27 Ny kamo tsy mety
mihaza*; Fa fananana soa ho an'ny olona ny zoto.[Na: tsy mahatono izay
nohazainy]
28 Amin'ny lalan'ny
fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsi-fahafatesana no lalan-kalehany.
1 Ny zanaka hendry
mihaino ny fananaran-drainy; Fa ny mpaniratsira tsy mety mihaino, na dia anarina
mafy aza.
2 Ny vokatry ny
vavan'ny olona no ahazoany soa; Fa ny hampidi-doza no mahafaly ny mpivadika.
3 Izay mahambim-bava
no miaro ny ainy*; Fa izay vavāna dia haringana.[Na: ny fanahiny]
4 Ny fanahin'ny kamo
maniry, fa tsy mba mahazo; Fa ny fanahin'ny mazoto hohatavezina.
5 Ny lainga dia
halan'ny marina; Fa ny ratsy fanahy manao izay maharikoriko sy mahamenatra.
6 Ny fahamarinana
miaro izay mandeha tsy misy tsiny; Fa ny haratsiana mamotraka ny mpanota.
7 Misy mihambo ho
manan-karena, nefa tsy manana na inona na inona; Misy kosa mody malahelo, nefa
manana harena be.
8 Ny haren'ny olona
dia avotry ny ainy; Fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory.
9 Ny fahazavan'ny
marina dia tsara firehitra*; Fa ny jiron'ny ratsy fanahy ho faty.[Heb. mifaly]
10 Fifandirana ihany
no vokatry ny fiavonavonana; Fa ao amin'ny mino anatra no misy fahendrena.
11 Ny harena azoazo
foana dia mihena lalandava; Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo.
12 Ny fanantenana tsy
azo vetivety dia mankarary am-bavafo; Fa hazon'aina ny faniriana tanteraka.
13 Izay manamavo ny
teny ho voasingony*; Fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia.[Na:
mahavery tena]
14 Ny fampianaran'ny
hendry dia loharanon'aina Ka mampivily tsy ho ao amin'ny fandriky ny
fahafatesana.
15 Ny fahendrena
tsara dia ahazoam-pitia; Fa sarotra ny lalan'ny mpivadika.
16 Ny mahira-tsaina,
rehetra miasa amin'ny fahalalana; Fa ny adala kosa mampiseho hadalana;
17 Ny iraka ratsy
fanahy idiran-doza; Fa ny iraka mahatoky dia famelombelomana*.[Na: fanasitranana]
18 Fahalahelovana sy
henatra no ho an'izay mandā famaizana; Fa izay manaiky anatra no
homem-boninahitra.
19 Mamin'ny fo ny
faniriana tanteraka*; Fa fahavetavetana eo imason'ny adala ny hiala amin'ny
ratsy. [Na: efa mitranga]
20 Izay miara-dia amin'ny
hendry dia ho hendry; Fa izay misakaiza amin'ny adala dia hidiran-doza*.[Na: ho
ratsy]
21 Ny mpanota dia
enjehin'ny loza: Fa hovalian-tsoa ny marina.
22 Ny tsara fanahy
mahenina lova ny zafiny, Fa ny haren'ny mpanota kosa voatahiry ho an'ny marina.
23 Ny tanin'ny
malahelo izay voasa dia ahazoana hanina be; Fa maro no ringana noho ny
fanaovan'izay tsy rariny.
24 Izay mitsitsy ny
tsorakazony dia tsy tia ny zanany; Fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha
mbola kely.
25 Ny marina mihinana
ka voky tsara; Fa noana ny kibon'ny ratsy fanahy.
1 Ny vehivavy hendry*
dia samy manao ny tranony; Fa ny adala** kosa mandrava ny tranony amin'ny
tānany.[*Heb. fahendren'ny vehivavy][**Heb. fahadalana]
2 Mandeha mahitsy
izay matahotra an'i Jehovah; Fa mivily lalana kosa izay maniratsira Azy.
3 Eo am-bavan'ny
adala misy tsorakazon'ny fiavonavonana; Fa ny molotry ny hendry miaro ny
tenany.
4 Raha tsy misy omby,
dia foana* ny fihinanam-bilona; Fa be ny fitomboan-karena azo amin'ny herin'ny
omby.[Heb. madio]
5 Ny vavolombelona
mahatoky tsy mba mety mandainga; Fa mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy
mahatoky.
6 Ny mpaniratsira mba
mitady fahendrena, fa tsy mahita; Fa ny manan-tsaina mora mahazo fahalalana.
7 Mialā eo
anatrehan'ny olona adala, Fa tsy ho hitanao aminy ny molotry ny fahalalana.
8 Ny mitandrina ny
alehany no fahendren'ny mahira-tsaina; Fa fitaka ny hadalan'ny adala.
9 Ny adala
ihomehezan'ny fanati-panonerana*; Fa ao amin'ny marina no misy
fankasitrahana.[Na: Ihomehezan'ny adala ny heloka]
10 Ny fo no mahalala
ny fangidian'ny alahelony; Ary tsy raharahan'ny olon-kafa ny hafaliany.
11 Ravana ny
tranon'ny ratsy fanahy; Fa ambinina ny lain'ny marina.
12 Misy lalana
ataon'ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany.
13 Na dia mihomehy
aza, dia ory ihany ny fo, Ary ny faran'ny hafaliana dia alahelo.
14 Ny mihemotra am-po
dia ho voky ny alehany; Fa ny tsara fanahy kosa ho voky ny azy ihany.
15 Ny kely saina mino
ny teny rehetra; Fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.
16 Ny hendry
matahotra ka mivily tsy ho amin'ny ratsy; Fa ny adala fatra-pirehareha* ka
matokitoky foana.[Na: misafoaka]
17 Izay malaky
tezitra dia manao adaladala; Ary ny olona mamoron-tsain-dratsy dia ankahalaina.
18 Ny kely saina dia
handova fahadalana; Fa ny mahira-tsaina mahazo ny fahalalana ho
satro-boninahiny*.[Na: mandray fahalalana]
19 Ny ratsy fanahy
miondrika eo anatrehan'ny tsara fanahy, Ary ny meloka dia eo am-bavahadin'ny
marina.
20 Ny malahelo dia
halan'ny havany aza; Fa ny manan-karena no tian'ny maro.
21 Izay manao
tsinontsinona ny namany dia manota; Fa endrey ny fahasambaran'izay mamindra fo
amin'ny ory!
22 Tsy mivily
va izay manao asa* ratsy? Fa
famindram-po sy fahamarinana no ho an'izay manao asa** tsara. [*Na: misaina
ny][**Na. misaina ny]
23 Ny fisasarana
rehetra misy valiny avokoa; Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na
inona na inona.
24 Satroboninahitry
ny hendry ny hareny; Fa ny fahadalan'ny adala dia fahadalana ihany.
25 Ny vavolombelona
marina mamonjy ain'olona; Fa izay mamoaka lainga dia tena fitaka.
26 Ny fahatahorana
an'i Jehovah dia fiarovana mahatoky, Ary ny zanany hahazo fialofana.
27 Ny fahatahorana
an'i Jehovah no loharanon'aina, Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.
28 Ny fahabetsahan'ny
vahoaka no voninahitry ny mpanjaka; Fa ny havitsiany kosa no fietreny.
29 Be saina izay
mahatsindry fo; Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.
30 Ny fo mionona no
fiainan'ny nofo; Fa ny fahamaimaizan-tsaina dia mahalō ny taolana.
31 Izay mampahory ny
mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; Fa ny mamindra fo aminy kosa dia
manome voninahitra Azy.
32 Ny ratsy fanahy
azera* noho ny haratsiany; Fa ny marina matoky, na dia mby ao amin'ny
fahafatesana aza.[Na: roahina]
33 Mandry tsara ao
am-pon'ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny an'ny adala kosa dia miharihary.
34 Ny fahamarinana
manandratra ny firenena; Fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin'ny olona
35 Ny
fankasitrahan'ny mpanjaka dia amin'ny mpanompo hendry; Fa ny fahatezerany kosa
amin'ny manao izay mahamenatra.
1 Ny famaliana mora
dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga
fahasosorana.
2 Ny lelan'ny hendry
mampiseho fahalalana tsara; Fa ny vavan'ny adala miboiboika fahadalana.
3 Ny mason'i Jehovah
amin'izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
4 Ny teny* malemy dia
hazon'aina; Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy.[Heb. lela]
5 Ny adala
maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho
hendry.
6 Ao an-tranon'ny
marina misy harena be; Fa ny fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy dia misy loza.
7 Ny molotry ny
hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon'ny adala.
8 Ny fanatitry
ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason'i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina
no sitrany.
9
Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny lalan'ny ratsy fanahy; Fa izay
fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany.
10 Famaizana
mafy no hihatra amin'izay mivily lalana. Eny, izay mankahala anatra dia ho
faty.
11 Ny
fiainan-tsi-hita* sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan'i
Jehovah, Koa mainka ny fon'ny zanak'olombelona![Heb. Sheola]
12 Tsy tian'ny
mpaniratsira izay mananatra azy, Ary tsy mety manatona ny hendry izy.
13 Ny fo
ravoravo mahamiramirana ny tarehy; Fa ny alahelon'ny fo mahareraka ny fanahy.
14 Ny fon'ny
manan-tsaina mitady fahendrena; Fa ny vavan'ny adala mankamamy ny fahadalana.
15 Ratsy avokoa
ny andron'ny ory; Fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva.
16 Aleo ny kely
misy ny fahatahorana an'i Jehovah Toy izay harena be misy ahiahy.
17 Aleo sakafo
anana ampian-tsetsetra* Toy izay omby mifahy asian-dromoromo**. [*Heb.
fitiavana][**Heb. fankahalana]
18 Izay malaky
tezitra manetsika ady; Fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.
19 Ny lalan'ny malaina
dia toy ny fefy tsilo Fa ny lalamben'ny marina dia voalamina tsara.
20 Ny zanaka hendry
mahafaly ny rainy; Fa ny adala manao tsinontsinona an-dreniny.
21 Ny fahadalana dia
fifalian'ny tsy ampy saina; Fa ny manan-tsaina kosa mizotra mahitsy
22 Ho foana ny
fikasana, raha tsy misy mpisaina; Fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka
izany.
23 Faly ny olona,
raha mahavaly tsara ny vavany, Ary endrey ny hatsaran'ny teny atao amin'izay
andro mahamety azy!
24 Lālan'aina
ho any ambony no alehan'ny hendry, Hanalavirany ny fiainan-tsi-hita* any
ambany,[Heb. Sheola]
25 Ravan'i
Jehovah ny tranon'ny mpiavonavona; Fa ny fari-tanin'ny mpitondra-tena aoriny
mafy.
26
Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny hevi-dratsy; Fa madio ny* teny
mahafinaritra.[Na: Fa ny madio manao]
27 Izay fatra-pila
harena dia mampidi-doza amin'ny ankohonany; Fa izay mankahala kolikoly no ho
velona.
28 Ny fon'ny marina
mihevitra vao mamaly; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana.
29 Jehovah dia
lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny marina no henoiny.
30 Ny tarehy
miramirana* mahafaly ny fo; Ary ny filazan-tsoa mamelombelona ny taolana.[Heb.
Ny fahazavan'ny maso]
31 Ny sofina izay
mihaino anatra mahavelona Dia miara-mitoetra amin'ny hendry.
32 Izay mandā anatra
dia manary tena; Fa izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana.
33 Ny fahatahorana
an'i Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny
fisandratana.
1 Ny fikasan'ny fo no
amin'ny olona; Fa ny famalian'ny lela dia avy amin'i Jehovah.
2 Ataon'ny olona ho
madio avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no mpandanja ny
fanahy.
3 Ankino amin'i
Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao.
4 Ny zavatra rehetra
nataon'i Jehovah dia samy misy antony avokoa; Eny, ny ratsy fanahy koa aza dia
nataony ho amin'ny andro hahitan-doza.
5 Fahavetavetana eo
imason'i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po, Azo itompoana tokoa fa* tsy
maintsy hampijalina izy.[Heb. Azo ifandraisan-tanana; na: Hatramin'ny taranaka
fara mandimby dia]
6 Ny famindram-po sy
ny fahamarinana no avotra amin'ny heloka; Ary ny fahatahorana an'i Jehovah no
analavirana ny ratsy.
7 Raha sitrak'i
Jehovah ny alehan'ny olona, Na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy.
8 Aleo ny kely
omban'ny fahamarinana Toy izay ny harem-bevava azo amin'ny tsy rariny.
9 Ny fon'ny olona
mihevitra tsara ny halehany; Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany.
10 Ny teny marina dia
eo amin'ny molotry ny mpanjaka, Ary tsy diso teny izy, raha mitsara.
11 An'i Jehovah ny
fandanjana sy ny mizana marina, Avy aminy* avokoa ireo vato rehetra
an-kitapo.[Heb. Asany]
12 Fahavetavetana eo
imason'ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy; Fa fahamarinana no iorenan'ny seza
fiandrianana.
13 Sitraky ny
mpanjaka ny molotra marina, Ary izay miteny mahitsy no tiany.
14 Ny
fahatezeran'ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana. Fa ny olon-kendry mampionona izany.
15 Amin'ny
fahamiramiranan'ny tarehin'ny mpanjaka dia misy fiainana, Ary ny fankasitrahany
dia toy ny rahona amin'ny fararano.
16 Tsara ny mahazo
fahendrena noho ny volamena, Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy.
17 Ny manalavitra ny
ratsy no lalamben'ny marina, Ary izay mitandrina ny alehany no miaro ny
ainy*.[Na: fanahiny]
18 Ny fiavonavonana
mialoha ny fahasimbana, Ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.
19 Tsara ny malemy
fanahy ao amin'izay manetry tena Noho ny mizara babo amin'izay miavonavona.
20 Izay
mandinika ny teny no hahita soa; Ary izay matoky an'i Jehovah no ho sambatra.
21 Izay hendry
am-po dia lazaina hoe manan-tsaina, Ary ny hamamian'ny molotra mampandroso
fahendrena.
22
Loharanon'aina ny fahazavan-tsaina amin'izay manana izany; Fa ny famaizana
ataon'ny adala dia fahadalana ihany.
23 Ny fon'ny
hendry mahahendry ny vavany Sady manampy fahendrena eo amin'ny molony.
24 Toho-tantely
ny teny mahafinaritra, Ka sady mamin'ny fanahy no mahatsara ny taolana.
25 Misy lalana
ataon'ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin'ny fahafatesana no
iafarany.
26 Ny
fahanoanan'ny mpiasa dia mampiasa azy*, Fa ny tendany** no manesika azy.[*Heb.
miasa ho azy][**Heb. vavany]
27 Ny ratsy
fanahy mihady lavaka fanimbana, Sady misy toy ny afo mahamay eo amin'ny molony.
28 Ny
mpivadibadika mamafy ady; Ary ny mpibitsibitsika mampisaraka ny tena
mpisakaiza.
29 Ny lozabe
mitaona ny namany Ka mitarika azy amin'ny lalana tsy tsara.
30 Izay
manakimpy ny masony hieritreritra ny ratsy Sady manaikitraiki-molotra dia efa
mikasa hanao ratsy.
31
Satroboninahitra tsara tarehy ny volofotsy, Ao amin'ny lalan'ny fahamarinana no
ahazoana azy.