[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | index ouvrages | index auteurs | index sujets | centres d’intérêt]
Jaona
Accès direct aux
chapitres de Jean : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21
1 Tamin'ny voalohany ny Teny,
ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.
2 Izy dia tao
amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany.
3 Izy no nahariana ny
zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao,
na dia iray aza.
4 Izy no
nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.
5 Ary ny mazava dia
mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy*. [*Na: Tsy
mahasakana azy]
6 Nisy lehilahy
nirahin'Andriamanitra, Jaona no anarany.
7 Izy tonga ho
vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan'ny olona rehetra noho ny teniny.
8 Tsy izy anefa no
Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy.
9 Tao ny tena Mazava*
Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao**. [*Na: Izy no
tena Mazava] [**Na: Ny Mazava marina, Izay mahazava ny olona rehetra, dia tonga
amin'izao tontolo izao]
10 Teo amin'izao
tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo
izao tsy nahalala Azy.
11 Tonga tany amin'ny
Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.
12 Fa izay rehetra
nandray Azy dia nomeny hery* ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny
anarany, [*Na: anarana, na fahefana]
13 dia ireo izay tsy
nateraky ny rà, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa
naterak'Andriamanitra.
14 Ary ny Teny dia
tonga nofo ka nonina* tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra
miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy
fahamarinana. [*Gr. nitoetra an-day]
15 Jaona nanambara
Azy ka niantso hoe: Izy Ilay nolazaiko hoe: Izay avy
16 Fa tamin'ny
fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana.
17 Fa ny lalàna dia
nomena tamin'ny alalan'i Mosesy; [fa] ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa
dia tonga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
18 Tsy nisy nahita
an'Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao
an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara [Azy].
19 Ary izao no
nambaran'i Jaona, raha ny Jiosy naniraka mpisorona sy Levita avy tany
Jerosalema hankany aminy mba hanontany azy hoe: Iza moa ianao?
20 Ary nilaza marina
izy ka tsy nandà, fa hoy ny filàzany: Tsy izaho no Kristy.
21 Ary izy ireo
nanontany azy hoe: Ahoana ary? Elia va ianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va ianao? Fa izy
namaly hoe: Tsia.
22 Dia hoy ireo
taminy: Iza ary ianao? mba hitondranay valiny ho any amin'izay naniraka anay.
Lazainao ho iza moa ny tenanao?
23 Dia hoy izy: Izaho
dia feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Ataovy mahitsy ny lalan'i Jehovah
(Isa. 40. 3), araka izay nolazain'Isaia mpaminany.
24 Ary iraka avy
tamin'ny Fariseo ireo.
25 Dia nanontany azy
ireo ka nanao taminy hoe: Nahoana ary ianao no manao batisa raha tsy ianao no
Kristy, na Elia, na Ilay Mpaminany?
26 Jaona namaly azy
ka nanao hoe: Izaho manao batisa amin'ny rano; fa eto aminareo misy Anankiray
Izay tsy fantatrareo,
27 dia Ilay avy ao
aoriako, ary tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
28 Izany zavatra
izany dia natao tany Betania* any an-dafin'i Jordana, izay nanaovan'i Jaona
batisa. [*Na: Betabara]
29 Nony ampitso dia
nahita an'i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny
Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra* ny fahotan'izao tontolo izao!
[*Na: mitondra]
30 Izy Ilay nolazaiko
hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako
Izy.
31 Ary izaho tsy
nahalala Azy; fa mba haseho amin'ny Isiraely Izy, izany no nihaviako manao
batisa amin'ny rano.
32 Ary Jaona
nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka
ny voro-mailala ka nitoetra teo amboniny.
33 Ary izaho tsy
nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko
hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa
amin'ny Fanahy Masina.
34 Ary nahita aho, ka
dia nanambara fa Izy no Zanak'Andriamanitra.
35 Nony ampitson'iny
indray dia nijanona Jaona sy ny mpianany roa lahy;
36 ary nijery an'i
Jesosy nitsangantsangana izy ka nanao hoe: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra!
37 Ary ireo mpianatra
roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an'i Jesosy.
38 Ary Jesosy
nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo?
Ary hoy izy roa lahy taminy: Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô,
aiza Hianao no mitoetra?
39 Hoy Izy taminy:
Avia, fa ho hitanareo. Koa dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary
nitoetra teo aminy tamin'izany andro izany; ary efa tokony ho ora fahafolo
tamin'izay.
40 Andrea,
rahalahin'i Simona Petera, no anankiray tamin'izy roa lahy, izay nandre ny
tenin'i Jaona ka nanaraka an'i Jesosy.
41 Izy no nahita an'i
Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay (izay
atso hoe, raha adika, ny Kristy).
42 Dia nitondra azy
ho any amin'i Jesosy izy. Ary nony nijery azy Jesosy, dia hoy Izy: Hianao no Simona,
zanak'i Jaona; ianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika, Petera*)
[*Petera = vato]
43 Nony ampitso dia
te-hiala ho any Galilia Jesosy, ary nahita an'i Filipo Izy ka nanao taminy hoe:
Manaraha Ahy.
44 Ary Filipo
dia avy any Betsaida, tanànan'i Andrea sy Petera.
45 Filipo kosa
nahita an'i Natanaela ka nanao taminy hoe: Efa hitanay Ilay nosoratan'i Mosesy
tao amin'ny lalàna, sy nosoratan'ny mpaminany, dia Jesosy, zanak'i Josefa, avy
any Nazareta.
46 Ary hoy
Natanaela taminy: Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy Filipo
taminy: Andeha hizaha.
47 Jesosy
nahita an'i Natanaela avy manatona Azy, dia nilaza azy hoe: Indro ny tena
Isiraelita tsy misy fitaka.
48 Hoy Natanaela
taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe:
Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin'ny aviavy* ianao.
[*aviavimbazaha]
49 Dia namaly
Natanaela ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak'Andriamanitra; Hianao no
Mpanjakan'ny Isiraely.
50 Jesosy namaly ka
nanao taminy hoe: Moa ny nilazako taminao va fa hitako teo ambanin'ny aviavy
ianao no inoanao? Hahita zavatra lehibe noho izany ianao.
51 Ary hoy koa Izy
taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra
misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin'ny
Zanak'olona.
1 Ary tamin'ny andro
fahatelo dia nisy fampakaram-bady tao Kana any Galilia; ary tao ny renin'i
Jesosy.
2 Ary Jesosy sy ny
mpianany koa dia nalainy ho ao amin'ny fampakaram-bady.
3 Ary rehefa lany ny
divay, dia hoy ny renin'i Jesosy taminy: Tsy manana divay izy.
4 Hoy Jesosy taminy:
Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? tsy mbola tonga ny fotoako.
5 Fa hoy ny reniny
tamin'ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo.
6 Ary nisy siny vato
enina mahalany rano indroa na intelon'ny vata* avy nipetraka teo ho fanadiovana
araka ny fanaon'ny Jiosy. [*Gr.metatra]
7 Dia hoy Jesosy
taminy: Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin'ny molony.
8 Ary hoy Jesosy
taminy: Tovozy amin'izao, ka ento ho eo amin'ny mpandahatra ny fanasana. Dia
nentiny.
9 Ary raha nanandrana
ny rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay
nihaviany (fa ny mpanompo izay nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny
mpampakatra izy
10 ka nanao taminy
hoe: Araka ny fanaon'ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa
nisotro be* ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia efa
nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny. [*Gr.mamo]
11 Izany no nataon'i
Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny;
ary nino Azy ny mpianany.
12 Rehefa afaka
izany, dia nidina nankany Kapernaomy Jesosy mbamin'ny reniny sy ny rahalahiny
ary ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela teo Izy.
13 Ary efa akaiky ny
Pasky ny Jiosy, ka dia niakatra tany Jerosalema Jesosy.
14 Ary hitany teo
an-kianjan'ny tempoly ny nivarotra omby sy ondry sy voromailala ary ny
mpanakalo vola izay nipetraka teo;
15 dia nanao kotopia
kofehy Izy ka nandroaka azy rehetra hiala teo an-kianjan'ny tempoly, na ny
ondry na ny omby, ary nararany ny volan'ny mpanakalo vola, sady nazerany ny
latabatra;
16 dia hoy Izy
tamin'ny nivarotra ny voromailala: Ento mivoaka ireto zavatra ireto; aza atao
trano fivarotana ny tranon'ny Raiko.
17 Ary ny mpianany
nahatsiaro fa voasoratra hoe: Ny firehetako ny amin'ny tranonao no haharitra
aina ahy (Sal. 69. 9).
18 Fa namaly ny Jiosy
ka nanao taminy hoe: Inona no famantarana asehonao aminay, no manao izao
zavatra izao Hianao?
19 Jesosy namaly ka
nanao taminy hoe: Ravao ity tempoly ity, ary amin'ny hateloana dia hatsangako
indray izy.
20 Fa hoy ny Jiosy:
Enina amby efa-polo taona izay no efa nanaovana ity tempoly ity, ka Hianao va
hahatsangana azy amin'ny hateloana?
21 Fa ny tenany no
tempoly nolazainy.
22 Ary koa, rehefa
nitsangana tamin'ny maty Izy, dia tsaroan'ny mpianany fa efa nilaza izany Izy;
ary dia nino ny Soratra Masina sy ny teny izay nolazain'i Jesosy izy.
23 Ary nony tao
Jerosalema Jesosy tamin'ny Paska, dia tamin'ny andro firavoravoana, maro no
nino ny anarany, raha nahita ny famantarana izay nataony.
24 Fa Jesosy tsy
natoky azy, satria Izy nahalala ny olona rehetra;
25 ary tsy nitady
olona hanambara olona Izy; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon'ny olona.
1 Ary nisy Fariseo
anankiray atao hoe Nikodemosy, mpanapaka tamin'ny Jiosy.
2 Izy nankao amin'i
Jesosy nony alina ka nanao taminy hoe: Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy
amin'Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana
ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy.
3 Jesosy namaly ka
nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka
indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. [*Na:
ateraka avy ambony]
4 Hoy Nikodemosy
taminy: Hataon'ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra
any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka?
5 Jesosy namaly hoe:
Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy
ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy.
6 Izay ateraky ny
nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.
7 aza gaga noho ny
nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray* ianareo. [*Na: hateraka avy
any ambony]
8 Ny rivotra mitsoka
amin'izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay
alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.
9 Nikodemosy namaly
ka nanao taminy hoe: Hatao ahoana no hahatonga izany zavatra izany?
10 Jesosy namaly ka
nanao taminy hoe: Hianao va no mpampianatra ny Isiraely ka tsy mahalala izany
zavatra izany?
11 Lazaiko aminao
marina dia marina tokoa: Izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no
ambaranay; nefa ny fanambaranay tsy raisinareo.
12 Raha ny zavatra
etỳ an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy inoanareo, ahoana no
hinoanareo, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho?
13 Ary tsy nisy
niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny
Zanak'olona, Izay any an-danitra.
14 Ary tahaka
ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana
ny Zanak'olona,
15 mba hanana
fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
16 Fa <1063>
toy izao <3779> no nitiavan'<25> (5656) Andriamanitra <2316>
izao tontolo izao <2889>: nomeny <1325> (5656) ny Zanani-lahy
<5207> <846> Tokana <3439>, mba <2443> tsy <3361>
ho very <622> (5643) izay rehetra <3956> mino <4100> (5723)
Azy <846>, fa <235> hanana <2192> (5725) fiainana
<2222> mandrakizay <166>.
17 Fa Andriamanitra
tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka* izao tontolo izao,
fa mba hamonjeny izao tontolo izao. [*Gr. hitsara]
18 Izay mino Azy dia
tsy helohina*; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka** rahateo, satria tsy
nino ny anaran'ny Zanaka-lahy Tokan'Andriamanitra izy. [*Gr. tsaraina] [**Gr.
voatsara]
19 Ary izao no
fanamelohana*, fa tonga amin'izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon'ny olona
ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. [*Gr. voatsara]
20 Fa izay rehetra
manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita
miharihary ny asany.
21 Fa izay manao ny
marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao
amin'Andriamanitra izany.
22 Rehefa afaka
izany, dia tonga tany amin'ny tany Jodia Jesosy sy ny mpianany; ary
niara-nitoetra taminy tao Izy sady nanao batisa.
23 Ary Jaona koa
nanao batisa tao Ainona, akaikin'i Saleima, satria nisy loharano maro tao; dia
nankany ny olona ka nataony batisa.
24 Fa tsy mbola natao
tao an-tranomaizina Jaona.
25 Ary nisy
nifandiran'ny mpianatr'i Jaona tamin'ny Jiosy anankiray ny amin'ny fanadiovana;
26 ary tonga tany
amin'i Jaona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Raby ô, Ilay tany aminao, tany
an-dafin'i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona
rehetra manatona Azy.
27 Jaona namaly ka
nanao hoe: Tsy misy olona mahay mandray na inona na inona, raha tsy nomena azy
avy any an-danitra izany.
28 Hianareo no
vavolombeloko fa hoy izaho: Tsy izaho no Kristy, fa nirahiny hialoha Azy aho.
29 Izay manana ny
ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan'ny mpampakatra, izay mitsangana sy
mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon'ny mpampakatra; ary efa
tanteraka izany fifaliako izany.
30 Izy tsy maintsy
mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.
31 Izay avy any
ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany,
ka ny momba ny etỳ an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia
ambonin'izy rehetra;
32 koa izay
hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany.
33 Izay mandray ny
fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra.
34 Fa Izay
nirahin'Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny
fanomezan'Andriamanitra ny Fanahy.
35 Ny Ray tia ny
Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany.
36 Izay mino ny
Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita
fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy.
1 Koa amin'izany,
rehefa fantatry ny Tompo fa ny Fariseo efa nahare fa Jesosy mahazo mpianatra
maro sy manao batisa be noho Jaona
2 (kanefa tsy Jesosy
no nanao batisa, fa ny mpianany),
3 dia niala tany
Jodia Izy ka nankany Galilia indray.
4 Ary tsy
maintsy mamaky an'i Samaria Izy.
5 Dia tonga tao
an-tanàna anankiray any Samaria Izy, izay atao hoe Sykara, akaikin'ny tany izay
nomen'i Jakoba ho an'i Josefa zanany.
6 Ary teo ilay
fantsakan*'i Jakoba. Ary satria sasatra Jesosy tamin'ny nalehany dia nipetraka
teo am-pantsakana* Izy, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina. [*Gr. loharano;
sahala amin'ny teny ao amin'ny and. 14]
7 Ary nisy
vehivavy Samaritana anankiray avy hantsaka rano dia hoy Jesosy taminy: Omeo Aho
hosotroiko.
8 (Fa ny
mpianany efa lasa nankany an-tanàna hividy hanina)
9 Fa hoy
ravehivavy Samaritana taminy: Nahoana Hianao no Jiosy ka mangataka amiko
hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana? (Fa ny Jiosy tsy manan-draharaha
amin'ny Samaritana.)
10 Jesosy
namaly ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao ny fanomezan'Andriamanitra sy Izay
miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka
nomeny rano velona.
11 Hoy
ravehivavy taminy: Tompoko, tsy manana fanovozana Hianao, sady lalina ny
fantsakana; koa avy aiza no ahazoanao izany rano velona izany?
12 Hianao va
lehibe noho Jakoba razantsika izay nanome anay ity fantsakana ity, sady izy sy
ny zanany mbamin'ny bibiny no nisotro teto?
13 Jesosy
namaly ka nanao taminy hoe: Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola
hangetaheta indray;
14 fa na iza na
iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny
rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana
mandrakizay.
15 Hoy
ravehivavy taminy: Tompoko, omeo izany rano izany aho, mba tsy hangetaheta na
hanketo hantsaka intsony.
16 Hoy Jesosy
taminy: Andeha ary, antsoy ivadinao, ka mankanesa atỳ .
17 Ravehivavy
namaly ka nanao taminy hoe: Tsy manam-bady aho. Hoy Jesosy taminy: Marina ihany
izay nolazainao hoe: Tsy manam-bady aho;
18 fa efa
nanam-bady indimy ianao, sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny; marina
izany voalazanao izany.
19 Hoy
ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao.
20 Ny razantsika
nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any
Jerosalema no tokony hivavahana.
21 Hoy Jesosy taminy:
Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na
any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray.
22 Hianareo mivavaka
amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy
amin'ny Jiosy ny famonjena.
23 Fa avy ny andro*,
sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny
fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka
izany. [*Gr. ora]
24 Andriamanitra dia
Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny
fahamarinana.
25 Hoy ravehivavy
taminy: Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy,
dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra.
26 Hoy Jesosy
taminy: Izaho Izay miresaka aminao no Izy.
27 Ary
tamin'izay dia tonga ny mpianany ka gaga, satria vehivavy no niresahany; nefa
tsy nisy nanao hoe: Inona no tadiavinao? na: Nahoana no miresaka aminy Hianao?
28 Dia nandao
ny sininy ravehivavy ary nankany an-tanàna ka nanao tamin'ny olona hoe:
29 Andeha
hizaha izaroa Lehilahy izaroana, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; Izao
angaha no Kristy?
30 Dia nivoaka
avy tao an-tanàna ny olona ka nankeo amin'i Jesosy.
31 Ary raha tsy
mbola tonga izy ireny, ny mpianany dia nangataka taminy ka nanao hoe: Hano,
Raby ô.
32 Fa hoy
Jesosy taminy: Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo.
33 Dia niresaka ny
mpianatra ka nanao hoe: Nisy olona nitondra zavatra hohaniny va re?
34 Hoy Jesosy taminy:
Ny haniko dia ny manao ny sitrapon'izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.
35 Moa ianareo tsy manao
hoe va: Efa-bolana no sisa, dia tonga ny fararano? Indro, lazaiko aminareo:
Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana
izy.
36 Ary izay mijinja
dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin'ny fiainana mandrakizay, mba
hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja.
37 Ary amin'izany dia
marina ilay teny hoe: Ny iray mamafy, ary ny iray kosa mijinja,
38 Izaho naniraka
anareo hijinja izay tsy nisasaranareo; olon-kafa no nisasatra, fa ianareo kosa
no niditra teo amin'izay nisasarany.
39 Ary maro ny
Samaritana avy tao amin'izany tanàna izany no nino an'i Jesosy noho ny
filazan-dravehivavy, izay nanambara hoe: Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra
nataoko.
40 Ary rehefa
nanatona Azy ny Samaritana, dia nangataka Azy hitoetra tao aminy; ka dia
nitoetra tao indroa andro Izy.
41 Ary maro koa no
nino noho ny teniny
42 ka
nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny
tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao.
43 Ary rehefa afaka
ny indroa andro, dia niala tao Jesosy ka nankany Galilia.
44 Fa ny tenan'i
Jesosy no efa nanambara fa tsy misy mpaminany manan-daza eo amin'ny taniny.
45 Koa rehefa tonga
tany Galilia Izy, dia nandray Azy ny Galiliana, satria efa hitany izay rehetra
nataony tany Jerosalema tamin'ny andro firavoravoana; fa izy ireo koa mba
niakatra tamin'ny andro firavoravoana.
46 Ary tonga
tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin'ilay nampodiany ny rano ho
divay. Ary nisy tandapa anankiray izay nanana zanakalahy narary tany
Kapernaomy.
47 Ary rehefa
reny fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia, dia nankany aminy izy ka
nangataka Azy mba hidina sy hahasitrana ny zanany, satria efa ho faty izy.
48 Dia hoy
Jesosy taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba
hety hino mihitsy.
49 Hoy ilay
tandapa taminy: Tompoko, midina re, dieny tsy mbola maty ny zanako.
50 Hoy Jesosy
taminy: Andeha mody; velona ny zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay
nolazain'i Jesosy taminy, ka dia lasa nody.
51 Ary nony
nidina izy, dia nitsena azy ny mpanompony ka nilaza fa velona ny zanany.
52 Ary izy
nanontany azy ny ora izay nanaretany. Dia hoy ireo taminy: Omaly tamin'ny ora fahafito no nialan'ny tazo taminy.
53 Koa fantatry ny
rainy fa tamin'izay indrindra no ora nanaovan'i Jesosy taminy hoe: Velona ny
zanakao. Dia nino izy mbamin'ny ankohonany rehetra.
54 Izany
no famantarana faharoa nataon'i Jesosy, fony Izy tonga tany Galilia avy tany
Jodia.
1 Rehefa afaka izany,
dia nisy andro firavoravoan'ny Jiosy, ary Jesosy niakatra tany Jerosalema.
2 Ary misy farihy any
Jerosalema, eo akaikin'ny vavahadin'ondry, izay atao amin'ny teny Hebreo hoe
Betesda, misy fialofana dimy.
3 Tao no nandrian'ny
marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny mati-ila*. [*Gr. efa maina, na malazo.
Ampio hoe: [miandry ny fihetsehan'ny rano]
4 [Fa nisy anjely
nidina tany amin'ny farihy indraindray ka nampihetsika ny rano; koa izay iray
niroboka aloha, rehefa nihetsika ny rano, dia sitrana na inona na inona no
aretina nanjo azy]
5 Ary nisy lehilahy
anankiray teo, izay efa narary valo amby telo-polo taona.
6 Raha nahita azy
mandry Jesosy ka nahalala fa efa toy izany ela izy, dia hoy Izy taminy: Te-ho
sitrana va ianao?
7 Ilay marary namaly
Azy hoe: Tompoko, raha hetsehina ny rano, dia tsy mba misy olona handroboka ahy
eto amin'ny farihy; nefa raha mandeha aho, dia misy olon-kafa misosoka eo
alohako.
8 Hoy Jesosy taminy:
Mitsangana, ento ny fandrianao, ka mandehana.
9 Ary niaraka
tamin'izay dia sitrana ralehilahy ka nitondra ny fandriany, dia lasa nandeha.
Ary Sabata izay andro izay.
10 Dia hoy ny Jiosy
tamin'ilay efa sitrana: Sabata ny andro, ka tsy mety raha mitondra ny
fandrianao ianao.
11 Fa ralehilahy
namaly azy hoe: Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao,
ka mandehana.
12 Ary ireo nanontany
azy hoe: Iza moa izany Lehilahy izany Izay nanao taminao hoe: Ento ny
fandrianao, ka mandehana?
13 Fa ilay sitrana
tsy nahalala Ary; fa niala teo Jesosy, satria nisy vahoaka betsaka teo.
14 Rehefa afaka
izany, dia hitan'i Jesosy teo an-kianjan'ny tempoly ralehilahy, ka hoy Izy
taminy: Indro, efa sitrana ianao; aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay
ratsy noho ny teo.
15 Dia lasa
ralehilahy ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no nahasitrana azy.
16 Ary noho izany ny
Jiosy dia nanenjika an'i Jesosy, satria nanao izany zavatra izany tamin'ny
Sabata Izy.
17 Fa Jesosy namaly
azy hoe: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa.
18 Nefa vao mainka
nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin'ny Sabata ihany, fa
noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy
amin'Andriamanitra Izy.
19 Ary Jesosy namaly
ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny Zanaka tsy
mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon'ny Ray; fa na
inona na inona no ataon'ny Ray dia toy izany koa no ataon'ny Zanaka.
20 Fa ny Ray tia ny
Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon'ny tenany; ary asa lehibe
noho ireny no hasehony Azy, mba ho gaga ianareo.
21 Fa toy ny Ray
manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no ameloman'ny Zanaka izay
tiany.
22 Fa ny Ray aza tsy
mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka,
23 mba hanajan'ny
olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka
dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy.
24 Lazaiko aminareo
marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no
manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina*; fa tafafindra niala tamin'ny
fahafatesana ho amin'ny fiainana izy. [*Gr. hotsaraina]
25 Lazaiko aminareo
marina dia marina tokoa: Avy ny andro* ary tonga ankehitriny, izay
handrenesan'ny maty ny feon'ny Zanak'Andriamanitra; ary izay mandre dia ho
velona. [*Gr. ora]
26 Fa tahaka ny Ray
manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana
ho Azy;
27 ary nomeny
fahefana hitsara Izy, satria Zanak'olona.
28 Aza gaga
amin'izany; fa avy ny andro* izay handrenesan'ny olona rehetra any am-pasana ny
feony; [*Gr. ora]
29 dia hivoaka izy:
izay nanao tsara dia ho any amin'ny fitsanganana ho fiainana fa izay nanao
ratsy kosa dia ho any amin'fitsanganana ho fahamelohana*. [*Gr. ho fitsarana]
30 Raha Izaho ihany,
dia tsy mahay manao na inona na inona; araka izay reko no itsarako; ary marina
ny fitsarako; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy.
31 Raha Izaho no
manambara ny tenako, dia tsy marina ny fanambarako.
32 Misy Anankiray
Izay manambara Ahy. ary fantatro fa marina ny fanambarana izay anambarany Ahy.
33 Hianareo naniraka tany
amin'i Jaona, ary nanambara ny marina izy.
34 Fa Izaho tsy
mandray ny fanambarana avy amin'olona; fa milaza izany zavatra izany Aho mba ho
voavonjy ianareo.
35 Izy dia jiro
nirehitra ka nazava; ary nahafinaritra anareo ny nifalianareo vetivety tamin'faharavany.
36 Fa Izaho kosa
manana fanambarana lehibe noho Jaona; fa ny asa nomen'ny Ahy hovitaiko, dia
izany asa ataoko izany no manambara Ahy fa nirahin'ny Ray.
37 Ary ny Ray
Izay naniraka Ahy, Izy no nanambara Ahy. Tsy mba renareo ny feony, na hitanareo
akory aza ny endriny,
38 ary ny
teniny tsy mba mitoetra ao anatinareo, satria tsy mino Izay nirahiny ianareo.
39 Dinihinareo* ny
Soratra Masina, ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary
ireny no manambara Ahy. [*Na: Diniho]
40 Kanefa tsy mety
manatona Ahy ianareo hanananareo fiainana.
41 Tsy mandray laza
avy amin'olona
42 Fa fantatro
ianareo, fa tsy misy fitiavana an'Andriamanitra ao am-ponareo.
43 Izaho dia avy
amin'ny anaran'ny Raiko, nefa tsy raisinareo; raha misy hafa avy amin'ny anaran'ny
tenany, dia horaisinareo ihany izy.
44 Hataonareo izay
mifampitady laza ahoana no fino, nefa ny laza avy amin'ny Andriamanitra Tokana
kosa dia tsy tadiavinareo?
45 Aza ataonareo fa
Izaho no hiampanga anareo amin'ny Ray; misy ny mpiampanga anareo, dia Mosesy
izay itokianareo.
46 Fa raha mba nino
an'i Mosesy ianareo, dia hino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy.
47 Fa raha tsy mino
izay nosoratany ianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko?
1 Rehefa afaka izany,
dia niala Jesosy ka lasa nita ny Ranomasin'i Galilia, dia ny Ranomasin'i
Tiberiasy izany.
2 Ary nisy vahoaka
betsaka nanaraka Azy noho ny nahitany ny famantarana izay efa nataony tamin'ny
marary.
3 Ary Jesosy niakatra
tao an-tendrombohitra, dia nipetraka tao mbamin'ny mpianany.
4 Fa efa akaiky ny
Paska, ilay andro firavoravoan'ny Jiosy.
5 Ary Jesosy nanopy
ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia hoy Izy tamin'i
Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin'ireo?
6 Izany no nataony
mba hizahany toetra azy; fa izy nahalala ihany izay efa hataony.
7 Filipo namaly Azy
hoe: Na dia mofo vidina denaria roan-jato aza tsy ampy azy rehetra hananany
kely avy.
8 Ny mpianany
anankiray, dia Andrea, rahalahin'i Simona Petera, nilaza taminy hoe:
9 Misy zazalahy
manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa
izany amin'izao olona betsaka izao?
10 Fa hoy Jesosy:
Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo. Ka dia nipetraka ny lehilahy, tokony ho dimy arivo no isany.
11 Dia nandray ny
mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin'izay nipetraka
hihinana Izy; ary ny hazandrano koa araka izay nilainy.
12 Ary rehefa voky ny
olona, dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Angony ny sisa tsy lany, mba tsy hisy
ho very.
13 Dia nangoniny, ka
nahafeno harona roa ambin'ny folo ny sombintsombin'ny mofo vary hordea dimy,
izay ambiny tsy lanin'ny nihinana.
14 Ary hoy ireny
olona ireny, rehefa nahita ny famantarana izay nataon'i Jesosy: Ity tokoa no
Ilay Mpaminany Izay ho tonga amin'izao tontolo izao.
15 Ary
rehefa fantatr'i Jesosy fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hataony
mpanjaka, dia niala ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra..
16 Ary rehefa hariva
ny andro, dia nidina ho any amin'ny ranomasina ny mpianany.
17 Ary
niondrana an-tsambokely izy, dia nita ny ranomasina nankany Kapernaomy. Ary efa
maizina ny andro tamin'izay, nefa Jesosy tsy mbola tonga tany aminy.
18 Ary ny
ranomasina nanonja, fa mafy ny fifofofofon'ny rivotra.
19 Ary rehefa
nivoy tokony ho dimy amby roa-polo na telo-polo stadio* izy, dia nahita an'i
Jesosy nitsangantsangana eny ambonin'ny ranomasina ka nanakaiky ny sambokely;
dia natahotra izy. [*Na: dimy na enina kilometatra]
20 Fa hoy
Jesosy taminy: Izaho ihany; aza matahotra.
21
Dia ta-handray Azy ho eo an-tsambokely izy; ary niaraka tamin'izay ny sambokely
dia tonga tamin'ny tany izay nalehany.
22 Nony
ampitson'iny ny vahoaka izay nijanona teny am-pitan'ny ranomasina dia nahita fa
tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy iray ihany, ary Jesosy tsy mba
niara-niondrana an-tsambokely tamin'ny mpianany, fa ny mpianany ihany no
nandeha,
23 kanefa nisy
sambokely hafa avy tany Tiberiasy tonga teo akaikin'ilay tany nihinanany ny
mofo, rehefa nisaotra ny Tompo,-
24 koa nony
hitan'ny vahoaka fa tsy teo Jesosy, na ny mpianany, dia niondrana an-tsambokely
izy ka nankany Kapernaomy hitady an'i Jesosy.
25 Ary rehefa
nahita Azy teny am-pitan'ny ranomasina izy, dia hoy izy taminy: Raby ô, oviana
no tonga teto Hianao?
26 Jesosy
namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Mitady Ahy ianareo,
nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka
voky.
27 Aza miasa
hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana
mandrakizay, izay homen'ny Zanak'olona anareo; fa Izy no nasian'Andriamanitra
Ray tombo-kase.
28 Dia hoy ireo
taminy: Inona no hataonay mba hiasanay ny asan'Andriamanitra?
29 Jesosy namaly ka
nanao taminy hoe: Izao no asan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny.
30 Dia hoy ireo
taminy: Inona ary no famantarana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao?
Inona moa no asa ataonao?
31 Ny
razantsika nihinana ny mana tany an-efitra, araka ny voasoratra hoe: Mofo avy
tany an-danitra no nomeny azy hohaniny (Sal. 78. 24).
32 Dia hoy
Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Tsy Mosesy no nanome
anareo ny mofo avy tany an-danitra; fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo
avy any an-danitra.
33 Fa ny
mofon'Andriamanitra dia Ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho
an'izao tontolo izao.
34 Ary hoy ireo taminy:
Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany.
35 Hoy Jesosy taminy:
Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy
mba hangetaheta intsony.
36 Fa efa nolazaiko
taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.
37 Izay rehetra
omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko
mihitsy.
38 Fa tsy nidina avy
tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy.
39 Ary izao no
sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny
Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy.
40 Fa izao no
sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy
fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
41 Dia nimonomonona
tamin'i Jesosy ny Jiosy, satria Izy nanao hoe: Izaho no mofo izay nidina avy
tany an-danitra.
42 Dia hoy ireo: Tsy
Ilehio va no Jesosy, Zanak'i Josefa, Izay fantatsika ny rainy aman-dreniny?
Ahoana no dia anaovany ankehitriny hoe: ho nidina avy tany an-danitra?
43 Jesosy namaly ka
nanao taminy hoe: Aza mimonomonona ianareo.
44 Tsy misy olona
mahay manatona Ahy, raha tsy taomin'ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho
hanangana azy amin'ny andro farany.
45 Voasoratra ao
amin'ny mpaminany hoe: Ary izy rehetra dia hampianarin'Andriamanitra (Isa. 54.
13). Izay rehetra mandre ka mianatra amin'ny Ray no manatona Ahy.
46 Nefa tsy nisy
nahita ny Ray, afa-tsy Izay avy amin'Andriamanitra: Izy no nahita ny Ray.
47 Lazaiko aminareo
marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay.
48 Izaho no
mofon'aina.
49 Ny razanareo
nihinana ny mana tany an-efitra, nefa maty ihany.
50 Ity no mofo
izay midina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy.
51 Izaho no
mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity,
dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho
fiainan'izao tontolo izao.
52 Dia
nifanditra ny Jiosy ka nanao hoe: Hataon'ilehio ahoana re no fanome ny nofony
hohanintsika?
53 Fa hoy Jesosy
taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon'ny
Zanak'olona sy misotro ny ràny ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.
54 Izay
mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho
hanangana azy amin'ny andro farany.
55 Fa ny nofoko no
tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro.
56 Izay mihinana ny
nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy.
57 Ary tahaka ny
nanirahan'ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin'ny Ray, dia tahaka izany
koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko.
58 Ity no mofo izay
nidina avy tany an-danitra; tsy tahaka ny razana izay nihinana, nefa maty
ihany; fa izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay.
59 Izany teny izany
no nolazainy tao amin'ny synagoga, raha nampianatra tao Kapernaomy Izy.
60 Koa maro tamin'ny
mpianany, nony nandre, dia nanao hoe: Sarotra izany teny izany, iza no
mahahaino izany?
61 Ary fantatr'i
Jesosy tao am-pony fa nimonomonona tamin'izany ny mpianany, ka dia hoy Izy
taminy: Mahatafintohina anareo va izay?
62 Mainka raha mahita
ny Zanak'olona miakatra ho any amin'izay nitoerany taloha ianareo.
63 Ny fanahy no
mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko
taminareo dia fanahy sy fiainana.
64 Fa misy ny sasany
aminareo izay tsy mino. Fa fantatr'i Jesosy hatramin'ny voalohany izay tsy nino
sy izay hamadika Azy.
65 Ary hoy Izy: Izany
no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen'ny
Ray azy izany.
66 Hatramin'izany*
dia maro tamin'ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony.
[*Na: Noho izany]
67 Dia hoy Jesosy
tamin'ny roa ambin'ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala?
68 Simona Petera
namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin'iza moa izahay? Hianao no manana ny
tenin'ny fiainana mandrakizay.
69 Ary izahay mino ka
mahalala fa Hianao no Ilay Masin'Andriamanitra.
70 Jesosy namaly azy
hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin'ny folo lahy, nefa ny anankiray
aminareo aza dia devoly?
71 Fa Izy nilaza an'i
Jodasy, zanak'i Simona Iskariota; fa izy no ilay efa hamadika Azy, nefa isan'ny
roa ambin'ny folo lahy.
1 Ary rehefa afaka
izany, dia nandeha tany Galilia Jesosy; fa nalain-kandeha tany Jodia Izy,
satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy.
2 Ary efa akaiky ny
andro firavoravoan'ny Jiosy, dia ny amin'ny Tabernakely,
3 ka hoy ny
rahalahiny taminy: Mialà eto, ka mandehana ho any Jodia, mba ho hitan'ny
mpianatrao koa ny asa izay ataonao;
4 fa tsy misy olona
manao zavatra amin'ny takona, nefa ny tenany mitady ho hita miharihary*; raha
manao izany zavatra izany Hianao, dia misehoa amin'izao tontolo izao. [*Na:
mitady ho hita fa matoky]
5 Fa na dia ny
rahalahiny aza tsy nino Azy.
6 Dia hoy Jesosy
taminy: Tsy mbola tonga ny fotoako; fa ny fotoanareo dia vonona lalandava.
7 Tsy mahazo
mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no halany, satria milaza fa ratsy
ny asany.
8 Miakara ho amin'ny
andro firavoravoana ianareo; fa Izaho tsy mbola miakatra ho amin'ity andro
firavoravoana ity; satria tsy mbola tonga ny fotoako.
9 Ary rehefa nilaza
izany teny izany taminy Izy, dia mbola nitoetra tany Galilia ihany.
10 Fa rehefa lasa
niakatra ho amin'ny andro firavoravoana ny rahalahiny, dia niakatra koa Izy,
nefa tsy mba nisehoseho, fa toa niafinafina.
11 Ary ny Jiosy dia
nitady Azy tamin'ny andro firavoravoana ka nanao hoe: Aiza Izy?
12 Ary
nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka. Hoy ny sasany: Tsara fanahy Izy; fa hoy
kosa ny sasany; Tsia; fa mamitaka ny vahoaka Izy.
13 Nefa tsy
nisy sahy niresaka Azy miharihary noho ny fahatahorany ny Jiosy.
14 Ary rehefa
nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy
ka nampianatra.
15 Dia gaga ny
Jiosy ka nanao hoe: Ahoana no nahaizan'ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra
Izy?
16 Dia namaly
azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy.
17 Raha misy
olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin'ny fampianarana izy, na avy
amin'Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho.
18 Izay miteny
ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr'izay
naniraka azy no marina, ary tsy misy tsi-fahamarinana ao aminy.
19 Tsy Mosesy
va no nanome anareo ny lalàna? nefa tsy misy eo aminareo mankatò ny lalàna.
Nahoana ianareo no mitady hamono Ahy?
20 Ny vahoaka
namaly hoe: Manana demonia Hianao; iza no mitady hamono Anao?
21 Jesosy
namaly ka nanao taminy hoe: Asa iray loha ihany no nataoko, ka gaga avokoa
ianareo rehetra.
22 Izao no
nanomezan'i Mosesy anareo ny famorana: tsy noho izy avy tamin'i Mosesy, fa noho
izy avy tamin'ny razana, ka na dia amin'ny Sabata aza dia mamora olona ihany
ianareo.
23 Raha amin'ny
Sabata aza no amorana olona, mba tsy hahafoana ny lalàn'i Mosesy, dia tezitra
amiko va ianareo, satria nisy olona anankiray nataoko sitrana avokoa ny tenany
rehetra tamin'ny Sabata.
24 Aza mitsara araka
ny miseho, fa mba mitsarà marina.
25 Ary ny mponina
sasany tany Jerosalema dia nanao hoe: Tsy Ilehity va Ilay tadiaviny hovonoina?
26 Ary indro
Izy miteny miharihary, nefa tsy misy miteny Azy akory. Sao efa fantatry ny mpanapaka anie fa Io no
Kristy?
27 Nefa fantatsika
izay nihavian'ilehio, fa raha avy Kristy, tsy misy mahalala izay hihaviany.
28 Dia niantso teo
an-kianjan'ny tempoly Jesosy, raha nampianatra, ka nanao hoe: Izaho dia
fantatrareo, sady fantatrareo koa izay nihaviako; ary tsy avy ho Ahy Aho, fa
marina ny naniraka Ahy, Izay tsy fantatrareo.
29 Izaho mahalala
Azy; fa Izy no nihaviako, ka Izy no naniraka Ahy.
30 Dia nitady
hisambotra Azy ny olona; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy, satria tsy
mbola tonga ny fotoany.
31 Ary maro ny
vahoaka no nino Azy ka nanao hoe: Raha tonga Kristy, moa hanao famantarana maro
mihoatra noho ny nataon'ity Lehilahy ity va Izy?
32 Ny Fariseo nandre
ny vahoaka nitakoritsika izany zavatra izany ny aminy; ary ny lohan'ny mpisorona
sy ny Fariseo dia naniraka mpiandry raharaha mba hisambotra Azy.
33 Dia hoy
Jesosy: Kely foana no itoerako aminareo, dia hankany amin'izay naniraka Ahy
Aho.
34 Hitady Ahy
ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako dia tsy azonareo haleha.
35 Dia niresaka
hoe ny Jiosy: Hankaiza moa no halehan'ilehity, no tsy ho hitantsika? Hankany
amin'izay miely any amin'ny Grika va Izy ka hampianatra ny Grika?
36 Ahoana re
izao teny nolazainy izao hoe: Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay
itoerako tsy azonareo haleha?
37 Ary tamin'ny
andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana
Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy
ka hisotro.
38 Izay mino
Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny
voalazan'ny Soratra Masina.
39
Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny
Fanahy* tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny.
[* Na: Fanahy Masina]
40 Ary ny
sasany tamin'ny vahoaka, raha nandre izany teny izany, dia nanao hoe: Ity tokoa
no Ilay Mpaminany.
41 Hoy ny
sasany: Ity no Kristy. Fa hoy
kosa ny sasany: Avy any Galilia va no ihavian'i Kristy?
42 Tsy voalazan'ny
Soratra Masina va fa Kristy dia avy amin'ny taranak'i Davida, sady avy ao
Betlehema, vohitra nonenan'i Davida (Mik. 5. 1)?
43 Dia nisara-tsaina
ny amin'i Jesosy ny vahoaka.
44 Ary ny sasany
nitady hisambotra Azy; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy.
45 Ary ny mpiandry
raharaha nankeo amin'ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo, ka hoy izy ireo
taminy: Nahoana ianareo no tsy nitondra Azy?
46 Ny mpiandry
raharaha namaly hoe: Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.
47 Ary ny Fariseo
namaly azy hoe: Hianareo koa va voafitaka?
48 Moa misy mpanapaka
na Fariseo mba nino Azy?
49 Fa voaozona ireto
vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna.
50 Ary Nikodemosy,
anankiray teo aminy, dia ilay nankeo amin'i Jesosy teo aloha, dia nanao taminy
hoe:
51 Moa manameloka
olona va ny lalàntsika, raha tsy mbola mihaino azy aloha ka mahafantatra izay
nataony?
52 Izy ireo namaly ka
nanao taminy hoe: Hianao koa angaha mba avy any Galilia? Diniho, dia ho hitanao fa tsy mba
misy mpaminany avy any Galilia.
53 [Dia samy
lasa nody ho any an-tranony avy izy rehetra;]
1 [fa Jesosy kosa
nankany an-tendrombohitra Oliva]
2 [Ary nony maraina
koa dia nankeo an-kianjan'ny tempoly indray Jesosy, ary ny vahoaka rehetra
nanatona Azy, dia nipetraka Izy ka nampianatra azy]
3 [Ary nisy vehivavy
anankiray azo nijangajanga nentin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; ary rehefa
napetrany teo afovoany izy,]
4 [dia hoy ireo
taminy: Mpampianatra ô, ity vehivavy ity azo olan-tanana nijangajanga]
5 [Ary ao amin'ny
lalàna Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy
izany (Deo. 22. 22-24); fa ahoana kosa hoy Hianao?]
6 [Izany no nolazainy
hakany fanahy Azy, mba hahazoany izay hiampangany Azy. Fa Jesosy niondrika ka
nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tànany]
7 [Ary raha naharitra
nanontany Azy ireo, dia nitraka Izy ka nanao taminy hoe: Izay tsy nanota eo
aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany]
8 [Dia niondrika
indray Izy ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tànany]
9 [Ary raha nandre
izany izy, dia nivoaka tsirairay hatramin'ny zokinjokiny ka hatramin'ny
zandrinjandriny; ary Jesosy irery ihany no sisa teo sy ilay vehivavy teo]
10 [Ary rehefa
nitraka Jesosy, dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va?]
11 [Ary hoy
izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana,
ary amin'izao sisa izao dia aza manota intsony]
12 Ary Jesosy
niteny tamin'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo
izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny
fahazavan'aina.
13 Ary hoy ny
Fariseo taminy: Hianao manambara ny tenanao, koa tsy marina ny fanambaranao.
14 Jesosy
namaly ka nanao taminy hoe: Na dia manambara ny tenako aza Aho, dia marina ny
fanambarako, satria fantatro izay nihaviako sy izay alehako; fa ianareo kosa
tsy mahalala izay ihaviako, na izay alehako.
15 Hianareo
mitsara araka ny nofo; Izaho tsy mitsara olona na dia iray akory aza.
16 Ary na dia
mitsara aza Aho, dia marina ny fitsarako, satria tsy irery Aho, fa Izaho sy ny
Ray Izay naniraka Ahy.
17 Ary
voasoratra ao amin'ny lalànareo fa marina ny fanambaran'ny olona roa lahy (Deo.
19. 15).
18 Izaho no
manambara ny tenako, ary ny Ray Izay naniraka Ahy dia manambara Ahy koa.
19 Dia hoy ireo
taminy: Aiza izay Rainao? Jesosy namaly hoe: Samy tsy fantatrareo, na Izaho, na
ny Raiko; raha nahalala Ahy ianareo, dia ho nahalala ny Raiko koa.
20 Izany teny
izany no nolazain'i Jesosy teo akaikin'ny fandatsahan-drakitra, raha
nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Izy; ary tsy nisy olona nisambotra Azy,
satria tsy mbola tonga ny fotoany.
21 Ary hoy indray
Jesosy taminy: Handeha Aho, ary hitady Ahy ianareo, ary ho faty amin'ny
fahotanareo; izay alehako tsy azonareo haleha.
22 Dia hoy ny
Jiosy: Hamono tena va Izy, no manao hoe: Izay alehako tsy azonareo haleha?
23 Fa hoy Izy
taminy; Hianareo avy atỳ ambany; Izaho avy any ambony; ianareo avy
amin'izao tontolo izao; Izaho tsy mba avy amin'izao tontolo izao;
24 koa izany no
nilazako taminareo fa ho faty amin'ny fahotanareo ianareo; fa raha tsy mino
ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin'ny fahotanareo ianareo.
25 Dia hoy ireo
taminy: Iza moa Hianao? Hoy Jesosy taminy: Ilay nolazaiko taminareo hatramin'ny
voalohany*. [*Na: Ilay lazaiko aminareo indrindra]
26 Manana zavatra
maro hilazana sy hitsarana anareo Aho, satria marina Izay naniraka Ahy; ary
izay zavatra efa reko taminy no lazaiko amin'izao tontolo izao.
27 Tsy fantany
fa ny Ray no nolazainy taminy,
28 ka dia hoy
Jesosy: Rehefa asandratrareo ny Zanak'olona, dia ho fantatrareo fa Izaho no
Izy, ary tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa araka ny nampianarin'ny
Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany.
29 Ary izay
naniraka Ahy dia eto amiko; tsy nandao Ahy ho irery Izy, satria Izaho manao
izay sitrany mandrakariva.
30 Raha nanao
izany teny izany Jesosy, dia maro no nino Azy.
31 Dia hoy Jesosy
tamin'ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin'ny teniko ianareo, dia ho
mpianatro tokoa;
32 ka ho fantatrareo
ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.
33 Ary ireo dia
namaly Azy ka nanao hoe: Taranak'i Abrahama izahay, fa tsy mba andevon'olona
hatrizay ela izay; koa nahoana no ataonao hoe: Ho afaka ianareo?
34 Jesosy namaly azy
hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia
andevon'ny ota.
35 Fa ny andevo tsy
mitoetra ao an-trano mandrakariva*; fa ny zanaka no mitoetra mandrakariva*.
[*Gr. mandrakizay]
36 Koa raha ny Zanaka
no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.
37 Fantatro ihany fa
taranak'i Abrahama ianareo, nefa mitady hamono Ahy, satria ny teniko tsy
mitombo ao anatinareo.
38 Izay efa hitako
tamin'ny Ray no lazaiko, ary ianareo kosa manao izay renareo tamin'ny rainareo.
39 Dia namaly ireo ka
nanao taminy hoe: Abrahama no rainay. Hoy Jesosy taminy: Raha zanak'i Abrahama
ianareo, dia ny asan'i Abrahama no hataonareo.
40 Fa ankehitriny
ianareo mitady hamono Ahy, Izay Lehilahy nilaza ny marina taminareo, dia izay
efa reko tamin'Andriamanitra; tsy mba nanao izany Abrahama.
41 Hianareo manao ny
asan'ny rainareo. Hoy ireo taminy: Tsy mba teraka avy tamin'ny fijangajangana
izahay; iray Ray izahay, dia Andriamanitra ihany.
42 Hoy Jesosy taminy:
Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria avy
tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako atỳ ; fa Izaho tsy tonga
ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy.
43 Nahoana no tsy
azonareo ny teniko? satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo.
44 Hianareo avy
tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy
dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin*'ny marina, satria
tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria
mpandainga izy sady rain'ny lainga. [*Na: (mitoetra amin')]
45 Fa satria milaza
ny marina Aho, dia tsy inoanareo.
46 Iza moa aminareo
no mampiseho Ahy ho nanota? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy
mino Ahy?
47 Izay avy
amin'Andriamanitra dia mihaino ny tenin'Andriamanitra; izany no tsy
ihainoanareo, satria tsy mba avy amin'Andriamanitra ianareo.
48 Dia namaly ny
Jiosy ka nanao taminy hoe: Tsy marina va ny filazanay fa Samaritana Hianao sady
manana demonia?
49 Jesosy namaly hoe:
Izaho tsy manana demonia, fa mankalaza ny Raiko, ary ianareo kosa
mahafa-boninahitra Ahy.
50 Fa Izaho tsy
mitady ny voninahitro; misy Iray mitady sy mitsara.
51 Lazaiko aminareo
marina dia marina tokoa: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba
hahita fahafatesana izy mandrakizay.
52 Dia hoy ny Jiosy
taminy: Fantatray ankehitriny fa manana demonia Hianao. Efa maty Abrahama sy ny
mpaminany; nefa hoy Hianao: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba
hanandrana fahafatesana izy mandrakizay.
53 Moa Hianao va
lehibe noho Abrahama rainay izay efa maty? sady efa maty koa ny mpaminany;
manao Anao ho iza moa Hianao?
54 Jesosy namaly hoe:
Raha mankalaza ny tenako Aho, dia tsinontsinona ny lazako; ny Raiko, Izay
ataonareo fa Andriamanitrareo, Izy no mankalaza Ahy.
55 Tsy fantatrareo
Izy, fa Izaho no mahalala Azy; ary raha hoy Izaho: Tsy fantatro Izy, dia mba
mpandainga tahaka anareo koa Aho; nefa mahalala Azy Aho ka mitandrina ny
teniny.
56 Ravoravo Abrahama
rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly.
57 Dia hoy ny Jiosy
taminy: Tsy mbola dimam-polo taona akory Hianao, ka dia efa nahita an'i
Abrahama va?
58 Hoy Jesosy taminy:
Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho.
59 Dia naka vato
hitoraka Azy ny olona; fa Jesosy niery ka niala teo an-kianjan'ny tempoly*.
[*Ampio hoe: ary namaky teo afovoan'ny olona ka lasa]
1 Ary raha nandalo
Jesosy, dia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka.
2 Ary ny mpianany
nanontany Azy hoe: Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray
aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?
3 Jesosy namaly hoe:
Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny
asan'Andriamanitra eo aminy.
4 Isika tsy maintsy
manao ny asan'izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy
mahazo miasa ny olona.
5 Raha amin'izao
tontolo izao Aho, dia fahazavan'izao tontolo izao.
6 Rehefa nilaza izany
Izy, dia nandrora tamin'ny tany ka nanao feta tamin'ny rora, dia nahosony ny
mason'ilay jamba.
7 Ary hoy Izy taminy:
Andeha, sasao ny masonao any amin'ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika,
Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra.
8 Koa izay
nifanolotra taminy sy izay nahita azy fa mpangataka izy taloha dia nanao hoe:
Tsy ity va ilay nipetraka nangataka?
9 Hoy ny sasany: Izy
ity, fa hoy ny sasany: Tsia, fa tahaka azy ihany; ary hoy kosa izy: Izaho no
izy.
10 Dia hoy ny olona
taminy: Ahoana no nahiratan'ny masonao?
11 Ary izy namaly ka
nanao hoe: Ilay Lehilahy atao hoe Jesosy no nanao feta, dia nanosotra ny masoko
ka nanao tamiko hoe: Mankanesa any Siloama, ka sasao ny masonao; koa nandeha
aho, dia nanasa azy, ka dia nahiratra.
12 Ary hoy ny olona
taminy: Aiza moa izany Lehilahy izany? Hoy ralehilahy: Tsy fantatro.
13 Ary ilay
jamba taloha dia nentiny tany amin'ny Fariseo.
14 Ary tamin'ny
andro Sabata no nanaovan'i Jesosy ny feta sy nampahiratany ny
mason-dralehilahy.
15 Ary ny
Fariseo koa nanontany azy izay nahiratan'ny masony. Dia hoy izy taminy: Nasiany
feta ny masoko, dia nosasako, ka nahiratra aho.
16 Ary hoy ny
Fariseo sasany: Tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy
mitandrina ny Sabata Izy. Hoy ny sasany: Hataon'ny lehilahy mpanota ahoana no
fahay manao fahagagana toy izany? Dia nisara-tsaina izy.
17 Ary hoy indray
izy tamin'ilay jamba: Ahoana no ilazanao Azy, fa nampahiratra ny masonao Izy?
Dia hoy izy: Mpaminany Izy.
18 Ary
amin'izany ny Jiosy tsy nino azy ho efa jamba ka nahiratra, ambara-piantsony ny
ray aman-drenin'ilay nahiratra
19 ka
nanontaniany hoe: Zanakareo moa ity, izay lazainareo fa teraka jamba? Koa nanao
ahoana ary no nahiratany izao?
20 Ny ray
aman-dreniny namaly ka nanao hoe: Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba;
21 fa tsy
fantatray izay nahiratany izao; ary tsy fantatray izay nampahiratra ny masony;
izy ihany no anontanio; efa lehibe izy, aoka izy no hilaza ny amin'ny tenany.
22 Izany teny
izany no nolazain'ny ray aman-dreniny, satria natahotra ny Jiosy izy; fa efa
nifanaiky rahateo ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy dia horoahina hiala
amin'ny synagoga.
23 Izany no
nilazan'ny ray aman-dreniny hoe: Efa lehibe izy, koa izy no anontanio.
24 Dia niantso
ilay jamba teo aloha indray izy ka nanao taminy hoe: Omeo voninahitra
Andriamanitra; izahay mahalala fa mpanota izany Lehilahy izany.
25 Fa izy
namaly hoe. Tsy fantatro na mpanota Izy, na tsia; zavatra iray loha ihany no
fantatro: jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao.
26 Dia hoy izy
taminy: Inona no nataony taminao? Nanao ahoana ange no nampahiratany ny
masonao?
27 Dia namaly
azy hoe izy: Efa voalazako taminareo rahateo, fa tsy nihaino ianareo; nahoana
no te-hihaino indray ianareo? Moa te-ho mpianany koa va ianareo?
28 Dia nanevateva azy
izy ka nanao hoe: Ialahy no mpianany; fa izahay mpianatr'i Mosesy.
29 Izahay mahalala fa
Mosesy no nitenenan'Andriamanitra; fa ny amin'izany Lehilahy izany, dia tsy
fantatray izay nihaviany.
30 Ralehilahy namaly
azy hoe: Mba mahagaga tokoa lahy izany! fa tsy fantatrareo ny nihaviany, nefa
nampahiratra ny masoko Izy.
31 Fantatsika fa
Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny
sitrapony no henoiny..
32 Hatrizay hatrizay
dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason'izay teraka jamba.
33 Raha tsy avy
amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona Izy.
34 Ary namaly ireo ka
nanao taminy hoe: Tena teraka tamin'ny ota ialahy, ka ialahy indray va
mampianatra anay? Dia noroahiny izy.
35 Jesosy nandre fa
efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny
Zanak-Andriamanitra va ianao?
36 Ralehilahy namaly
ka nanao hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy?
37 Hoy Jesosy taminy:
Efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy.
38 Ary hoy izy:
Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy.
39 Ary hoy
Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin'izao tontolo izao, mba hahiratra ny
tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra.
40 Ary ny
Fariseo sasany izay teo aminy, nony nandre izany, dia nanao taminy hoe: Izahay
koa va mba jamba?
41 Hoy Jesosy
taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy ianareo
ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo.
Chapitre 10. 1 Lazaiko aminareo
marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin'ny vavahady ho amin'ny
valan'ondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy.
2 Fa izay miditra
amin'ny vavahady no mpiandry ny ondry.
3 Ary izy no vohan'ny
mpiandry vavahady; ary ny ondry mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia
antsoiny amin'ny anarany avy ka entiny mivoaka.
4 Ary rehefa mamoaka
ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria
mahalala ny feony ireo.
5 Ary ny vahiny tsy
harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon'ny vahiny.
6 Izany fanoharana
izany no nolazain'i Jesosy taminy, nefa tsy azony izay zavatra nolazainy
taminy.
7 Dia hoy indray
Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no
vavahadin'ondry.
8 Mpangalatra sy
jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry.
9 Izaho no vavahady;
raha Izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady
hahazo hanina.
10 Ny mpangalatra tsy
avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany
fiainana, sady hananany be dia be.
11 Izaho no Mpiandry
Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.
12 Ary ny mpikarama,
satria tsy mpiandry na tompon'ny ondry izy, koa raha mahita ny amboadia* avy,
dia mandao ny ondry ka mandositra, ary ny amboadia* misambotra ny ondry ka
mampihahaka azy; [*lopa]
13 mandositra izy,
satria mpikarama ka tsy mitandrina ny ondry.
14 Izaho no
Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho,
15 dia tahaka
ny ahafantaran'ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny
aiko hamonjy ny ondry.
16 Manana ondry
hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka
hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.
17 Ary izany no
itiavan'ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy
indray.
18 Tsy misy
manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary
manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin'ny Raiko.
19 Ary nisy
fisarahana indray tao amin'ny Jiosy noho izany teny izany.
20 Ary maro
tamin'ireo no nanao hoe: Manana demonia Izy ka efa very saina; nahoana no
mihaino Azy ianareo?
21 Hoy kosa ny
sasany: Tsy mba tenin'ny demoniaka izany; moa ny demonia va mahay mampahiratra
ny mason'ny jamba?
22 Ary tonga ny andro
firavoravoana tany Jerosalema, dia ilay atao hoe Fitokanana, ary efa ririnina
ny andro.
23 Ary Jesosy
nitsangantsangana teo an-kianjan'ny tempoly teo amin'ny Fialofan'i Solomona.
24 Dia
nitangoronan'ny Jiosy Izy ka nanontaniany hoe: Ambara-pahoviana no
hampisalasalanao anay? Raha Hianao no Kristy, dia lazao marimarina aminay.
25 Jesosy namaly azy
hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko
amin'ny anaran'ny Raiko no manambara Ahy.
26 Kanefa ianareo tsy
mino, satria tsy mba isan'ny ondriko.
27 Ny ondriko mihaino
ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy,
28 ary Izaho manome
azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy
handrombaka azy amin'ny tanako.
29 Ny Raiko Izay
nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin'ny
tanan'ny Ray.
30 Izaho sy ny
Ray dia iray ihany.
31 Dia naka
vato indray ny Jiosy hitoraka Azy.
32 Jesosy
namaly azy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin'ny Ray; koa ny
asa manao ahoana amin'ireny moa no itorahanareo vato Ahy?
33 Ny Jiosy
namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy*,
satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra. [*Gr.
blasfemia, izahao Mat. 9,3]
34 Jesosy
namaly azy hoe: Tsy voasoratra ao amin'ny lalànareo va hoe: Hoy Izaho:
Andriamanitra ianareo? (Sal. 82. 6).
35 Raha ireny
izay nanaovana izany tenin'Andriamanitra izany no natao hoe andriamanitra (ary
ny Soratra Masina tsy azo foanana),
36 moa Izay
nohasinin'ny Ray ka nirahiny ho amin'izao tontolo izao va no ataonareo hoe:
Miteny ratsy Hianao, satria hoy Izaho: Zanak'Andriamanitra Aho?
37 Raha tsy
manao ny asan'ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy.
38 Fa raha
manao ihany kosa Aho, na dia tsy mino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asa, mba ho
fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray no ato amiko, ary Izaho ao amin'ny Ray.
39 Dia nitady
hisambotra Azy indray ny Jiosy; fa nandositra azy* Izy. [*Gr. Ny tànany]
40 Dia lasa
nankany an-dafin'i Jordana indray Jesosy, ho any amin'ilay tany nanaovan'i
Jaona batisa voalohany, ka nitoetra tany Izy.
41 Ary maro no
nankeo aminy ka nanao hoe: Jaona tsy mba nanao famantarana, nefa izay rehetra
nolazainy ny amin'ity Lehilahy ity dia marina avokoa.
42 Ary maro no nino
Azy teo.
1 Ary nisy lehilahy
anankiray narary, dia Lazarosy avy any Betania, tanànan'i Maria sy Marta
rahavaviny.
2 Maria dia ilay
nanosotra ny Tompo tamin'ny menaka manitra sy namaoka ny tongony tamin'ny
volon-dohany, ary Lazarosy anadahiny no narary.
3 Ary izy mirahavavy
dia naniraka tany amin'i Jesosy hanao hoe: Tompoko, marary ilay tianao.
4 Ary rehefa ren'i
Jesosy izany, dia hoy Izy: Tsy ho fahafatesana no anton'izany aretina izany, fa
ny hampisehoana ny voninahitr'Andriamanitra, mba hankalazana ny
Zanak'Andriamanitra.
5 Ary Jesosy
tia an'i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy.
6 Koa nony
ren'i Jesosy fa narary Lazarosy, dia mbola nitoetra indroa andro teo amin'izay
nitoerany ihany Izy.
7 Rehefa afaka
izany, dia hoy Izy tamin'ny mpianatra: Andeha isika ho any Jodia indray.
8 Hoy ny
mpianatra taminy: Raby ô, vao haingana teo no nitadiavan'ny Jiosy hitora-bato
Anao, ka hankany indray va Hianao?
9 Jesosy namaly
hoe: Tsy roa ambin'ny folo va ny ora amin'ny indray andro? Raha misy mandeha
amin'ny antoandro, dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan'izao
tontolo izao.
10 Fa raha misy kosa
mandeha amin'ny alina, dia ho tafintohina izay, ka tsy misy mazava ao aminy.
11 Izany no
nolazainy; ary rehefa afaka izany, dia hoy Izy taminy: Matory Lazarosy
sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho.
12 Dia hoy ny
mpianatra taminy: Tompoko, raha matory izy, dia ho tsara ihany*. [*Gr.
hovonjena]
13 Nefa Jesosy nilaza
ny fahafatesany; fa nataon'izy ireo kosa fa fialan-tsasatra amin'ny torimaso no
nolazainy.
14 Ary tamin'izany
Jesosy dia nilaza tsotra taminy hoe: Maty Lazarosy;
15 ary faly Aho noho
ny aminareo, satria tsy teo Aho, mba hinoanareo; fa andeha isika hankany aminy.
16 Dia hoy Tomasy
(izay atao hoe Didymo) tamin'ny mpianatra namany: Andeha isika mba hiara-maty
aminy.
17 Ary nony tonga
Jesosy, dia hitany fa efa nilevina hefarana izy.
18 Ary Betania dia
tao akaikin'i Jerosalema, tokony ho dimy ambin'ny folo stadio* no elanelany.
[*Na: telo kilometatra]
19 Ary maro tamin'ny
Jiosy no efa tonga teo amin'i Marta sy Maria hitsapa alahelo azy noho ny
amin'ny anadahiny.
20 Ary Marta, raha
nandre fa tamy Jesosy, dia nandeha nitsena Azy; fa Maria kosa nitoetra tao
an-trano.
21 Ary hoy Marta
tamin'i Jesosy: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.
22 Nefa fantatro fa
na dia ankehitriny izao aza na inona na inona no hangatahinao
amin'Andriamanitra dia homen'Andriamanitra Anao.
23 Hoy Jesosy
taminy: Hitsangana ny anadahinao.
24 Fa hoy Marta
taminy: Fantatro ihany fa hitsangana izy amin'ny fitsanganan'ny maty amin'ny
andro farany;
25 Hoy Jesosy
taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty
aza, dia ho velona indray.
26 Ary izay
rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?
27 Hoy izy
taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra, Ilay
ho tonga amin'izao tontolo izao.
28 Ary rehefa
nilaza izany izy, dia lasa nandeha ka niantso mangingina an'i Maria rahavaviny,
nanao hoe: Tonga ny Mpampianatra ka miantso anao.
29 Ary raha vao
nandre izany Maria, dia nitsangana faingana izy ka nankeo aminy.
30 Fa Jesosy tsy
mbola tonga tao an-tanàna, fa mbola teo amin'ilay nitsenan'i Marta Azy ihany.
31 Ary ny Jiosy izay tao amin'i Maria tao an-trano ka nitsap