[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | index ouvrages | index auteurs | index sujets | centres d’intéręt]
Asan'ny Apostoly
Accčs direct aux
chapitres des Actes : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28
1 [Fitarihan-teny sy filazana
ny nanafaran'i Jesosy ny mpianany, sy ny nisarahany taminy, raha niakatra ho
any an-danitra] Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin'izay
nataon'i Jesosy sy nampianariny,
2 hatramin'ny andro
nampiakarana Azy, rehefa nodidiany tamin'ny Fanahy Masina ny Apostoly izay
nofidiny,
3 sady niseho koa tamin'ny
famantarana maro taorian'ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo
andro Izy ary nilaza ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
4 Ary raha niara-niangona*
teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an'i Jerosalema, fa hiandry ny
teny fikasan'ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy; [*Na: niara-nihinana]
5 fa Jaona nanao
batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina,
rehefa afaka andro vitsivitsy.
6 Koa izay tafangona
teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin'izao va no hampodianao ny fanjakana ho
amin'ny Isiraely?
7 Fa hoy kosa Izy
taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren'ny Ray
amin'ny fahefany ihany*. [*Na: izay nataon'ny Ray ho adidin'ny tenany ihany]
8 Fa hahazo hery
ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any
Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany.
9 Ary rehefa nilaza
izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona
nitondra Azy, ka tsy hitan'ny masony intsony Izy.
10 Ary raha mbola
nandinika ny lanitra izy ireo tamin'ny nandehanan'i Jesosy, indreo, nisy roa
lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy,
11 izay nanao hoe: Ry
lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? iny
Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy
tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.
12 Ary izy ireo
niverina tany Jerosalema, rehefa avy teo amin'ny tendrombohitra atao hoe Oliva,
izay akaikin'i Jerosalema (araka izay mety haleha amin'ny Sabata).
13 Ary rehefa
tafiditra izy, dia niakatra ho any an-trano ambony, izay fitoerany, - dia
Petera sy Jaona sy Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio,
Jakoba zanak'i Alfeo, sy Simona Zelota ary Jodasy, zanak*'i Jakoba. [* Na:
rahalahin']
14 Ireo rehetra ireo
niray saina naharitra nivavaka mbamin'ny vehivavy sy Maria, renin'i Jesosy, ary
ny rahalahiny.
15 [Ny nifidianan'ny
Apostoly ny anankiray ho namany hisolo an'i Jodasy] Ary tamin'izany andro izany
dia nitsangana teo afovoan'ny rahalahy Petera (tokony ho roa-polo amby zato no
isan'ny olona* vory teo) ka nanao hoe: [*Gr. anarana]
16 Ry rahalahy, tsy
maintsy notanterahina ilay tenin'ny Soratra Masina nampilazain'ny Fanahy Masina
rahateo an'i Davida ny amin'i Jodasy, izay tonga mpitarika ny olona nisambotra
an'i Jesosy;
17 fa izy dia
isantsika ihany ka nahazo anjara tamin'izao fanompoana izao koa.
18 Koa izany lehilahy
izany dia nahazo saha tamin'ny tambin'ny fahotany; ary potraka niankohoka izy,
dia vaky ny kibony ka nipoaka sady nivaroraka avokoa ny tsinainy.
19 Ary fantatr'izay
rehetra monina eto Jerosalema izany, ka ny anaran'izany saha izany amin'ny
fiteniny dia atao hoe Akeldama, izany hoe Sahan-drā.
20 Fa voasoratra eo
amin'ny Bokin'ny Salamo hoe: Aoka ho lao ny fonenany, Ary aoka tsy hisy olona
honina ao (Sal. 69. 25); ary koa: Aoka ho lasan'olon-kafa ny anjara-raharahany
(Sal. 109. 8).
21 Koa amin'ireo
lehilahy niaraka teto amintsika mandrakariva ireo, raha niditra sy nivoaka
tamintsika Jesosy Tompo,
22 hatramin'ny
batisan'i Jaona ka hatramin'ny andro nampiakarana Azy niala tamintsika, dia
tokony hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon'ny nitsanganany.
23 Ary nanokana roa
lahy izy, dia Josefa, atao hoe Barsabasy, izay atao hoe koa Josto, ary Matia.
24 Dia nivavaka izy
ka nanao hoe: Hianao, Tompo ô, Izay mahalala ny fon'ny olona rehetra, asehoy
izay nofidinao amin'izy roa lahy ireto,
25 mba hahazoany
anjara amin'izao fanompoana sy ny mah'Apostoly izao, izay nialan'i Jodasy
hankanesany any amin'ny fitoerany.
26 Dia nanao filokana
ho azy izy, ka latsaka tamin'i Matia ny filokana; ary izy no lany ho isan'ny
Apostoly iraika ambin'ny folo lahy.
1 [Ny nilatsahan'ny
Fanahy Masina tamin'ny Andro Pentekosta, sy ny tori-teny nataon'i Petera
tamin'izany] Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray
izy rehetra.
2 Ary nisy feo tonga
tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay
trano niangonany.
3 Ary nisy lela maro
mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra
isan-olona izany.
4 Ary samy feno ny
Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka
ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy.
5 Ary nisy Jiosy,
mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin'ny firenena samy hafa
rehetra ambanin'ny lanitra.
6 Ary nony re izany
feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo
niteny tamin'ny fiteniny avy izy rehetra.
7 Dia talanjona sady
gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny
ireo?
8 Koa ahoana no
andrenesantsika amin'ny fitenintsika avy izay nahabe antsika
9 - dia
Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy
Kapadokia sy Ponto sy Asia
10 sy Frygia sy
Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an'i Kyrena, ary vahiny
avy any Roma, na Jiosy na proselyta,
11 Kretana sy
Arabo - koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin'ny fitenintsika avy ny
asa lehibe ataon'Andriamanitra?
12 Dia
talanjona izy rehetra ka niahanahana sady niresaka hoe: Ahoana no tokony ho
hevitr'izany?
13 Fa ny sasany
nihomehy ka nanao hoe: Leon-divay mamy ireo.
14 Fa
nitsangana Petera sy ny iraika ambin'ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka
nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka
ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko:
15 Tsy mamo
araka ny hevitrareo tsy akory ireo, fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro.
16 Fa izao ilay
nampilazaina an'i Joela mpaminany hoe:
17 Ary amin'ny
andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo
rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny
zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy;
18 Ary ny
mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany,
Ka dia haminany izy;
19 Ary hanisy
fahagagana eny amin'ny lanitra ambony Aho sy famantarana amin'ny tany ambany,
Dia rā sy afo ary zavon'ny setroka;
20 Ny masoandro
hampodina ho aizina, Ary ny volana ho rā, Alohan'ny hahatongavan'ny andron'i
Jehovah, Dia ilay sady lehibe no malaza;
21 Ary na zovy
na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia hovonjena (Joela 3. 1-5).
22 Ry lehilahy
Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy
nasehon'Andriamanitra teo aminareo tamin'ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny
famantarana izay nampanaovin'Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny
fantatrareo ihany,
23 Izy efa
natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan'Andriamanitra rahateo, dia
nohomboanareo sy novonoinareo tamin'ny tanan'ny olona tsy tan-dalāna;
24 fa
Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan'ny fahafatesana,
satria tsy laitr'izany hohazonina Izy.
25 Fa Davida
milaza Azy hoe: Nijery an'i Jehovah teo anatrehako mandrakariva aho; Satria eo
ankavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho,
26 Dia izany no
nifalian'ny foko sy niravoravoan'ny lelako; Ny nofoko koa hitoetra amin'ny
fanantenana;
27 Fa tsy ho
foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ny aiko; Ary tsy hamela ny Iray Masinao
ho tratry ny lō Hianao; [*Gr. Hadesy]
28 Nampahafantatra
ahy ny lalan'aina Hianao; Hampifaly ahy indrindra amin'ny tavanao (Sal. 16.
8-11).
29 Ry rahalahy,
aoka aho mba hilaza aminareo marimarina ny amin'i Davida patriarka, fa efa maty
izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany.
30 Ary satria
mpaminany izy ka nahalala fa Andriamanitra efa nanao fianianana taminy fa izay
hateraky ny kibony no hipetraka* eo ambonin'ny seza fiandrianany, [*Na:
hapetrany]
31 koa raha
nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan'i Kristy, fa tsy nafoy ho any
amin'ny fiainan-tsi-hita* Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lō. [*Gr. Hadesy]
32 Izany Jesosy
izany dia efa natsangan'Andriamanitra, ary vavolombelon'izany izahay rehetra.
33 Ary rehefa
nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra* Izy, ary nandray tamin'ny Ray ny
Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo
izao Izy. [* Na: ho eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra]
34 Fa tsy
Davida no niakatra tany an-danitra; fa hoy izy: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko
hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana
35
Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao (Sal. 110. 1).
36 Koa aoka ho
fantatry ny taranak'isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo
tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.
37 Ary raha
nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny
Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay?
38 Ary hoy
Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy
Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny
fanomezana, dia ny Fanahy Masina;
39 fa ny teny
fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza
na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.
40 Ary nanambara
sy nananatra azy tamin'ny teny maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena
ho afaka amin'ity taranaka maditra ity ianareo.
41 Ary izay
nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona
nanampy ho isany tamin'izany andro izany.
42 Ary izy ireo
naharitra tamin'ny fampianaran'ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny
mofo ary ny fivavahana.
43 Dia raiki-tahotra
ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon'ny Apostoly.
44 Ary izay rehetra
nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra,
45 ary namidiny ny
taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy.
46 Ary dia niray
saina isan'andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan'ny tempoly ary namaky mofo tao
an-trano ka nihinan-kanina tamin'ny fifaliana sy ny fahatsaram-po,
47 nidera
an'Andriamanitra sady nahita fitia tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny
olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'ireo.
1 [Ny nahasitranan'i
Petera ilay lehilahy nalemy tongotra, sy ny tori-teny nataony tamin'ny olona]
Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an-kianjan'ny tempoly tamin'ny ora fahasivy
fotoam-pivavahana.
2 Ary nisy nitondra
lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isan'andro
teo anoloan'ny vavahadin'ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka
fiantrana amin'izay niditra teo an-kianjan'ny tempoly;
3 nony nahita an'i
Petera sy Jaona efa niditra eo an-kianjan'ny tempoly izy, dia nangataka mba
homena fiantrana.
4 Ary Petera sy Jaona
nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay.
5 Dia nibanjina azy
roa lahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy.
6 Fa hoy Petera: Tsy
manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin'ny
anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangāna.
7 Ary noraisiny
tamin'ny tānany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka
tamin'izay ny tongony sy ny kitrokeliny.
8 Ary niantsambotra
izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo
an-kianjan'ny tempoly, nitsangantsangana ny niantsambotsambotra sady nidera
an'Andriamanitra.
9 Ary ny vahoaka
rehetra nahita azy mitsangantsangana sy midera an'Andriamanitra.
10 Ary fantany tsara
fa io no ilay nipetraka teo amin'ny vavahady Itsaraendrika eo amin'ny tempoly
mba hiantrana; dia gaga sady talanjona ny olona noho izay tonga
tamin-dralehilahy.
11 Ary raha nihazona
an'i Petera sy Jaona izy, dia niara-nirohitra ny olona rehetra ho eo amin'izy
telo lahy teo amin'ny fialofana izay atao hoe Fialofan'i Solomona, ka
talanjona.
12 Ary Petera, nony
nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona
amin'izany ianareo? Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na
fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha?
13 Andriamanitr'i
Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome
voninahitra an'i Jesosy Mpanompony*, Izay natolotrareo sy nolavinareo teo
anatrehan'i Pilato, rehefa nokasainy halefa. [* Na: Zanany]
14 Fa ianareo nandā
Ilay Masina sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo;
15 fa ny Tompon'ny
aina kosa no novonoinareo; fa Izy natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty, ary
vavolombelon'izany izahay.
16 Ary ny anarany no
nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany;
eny, ny finoana izay azo amin'ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara
eto imasonareo rehetra izao.
17 Ary ankehitriny,
ry rahalahy, fantatro fa tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovanareo izany, tahaka
ny mpanapaka anareo koa.
18 Fa izany no nahatanterahan'Andriamanitra
ny zavatra nampilazainy ny mpaminany rehetra rahateo, fa hiaretan'ny Kristiny.
19 Koa mibebaha
ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro
famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo,
20 ary mba hanirahany
ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy,
21 Ilay tsy maintsy
horaisin'ny lanitra mandra-pihavin'ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay
nampilazain'Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin'ny voalohany
indrindra.
22 Fa Mosesy nilaza
hoe: Mpaminany no hatsangan'i Jehovah Andriamanitra ho anareo avy amin'ny
rahalahinareo, tahaka ahy; izy no hohenoinareo amin'izay rehetra holazainy
aminareo.
23 Ary izay rehetra
tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin'ny olona (Deo.
18. 15, 19).
24 Ary ny mpaminany
rehetra koa hatramin'i Samoela sy izay nanarakaraka, na iza na iza niteny, dia
nanambara izao andro izao.
25 Hianareo no zanaky
ny mpaminany sy ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'ny razanareo, raha hoy
Izy tamin'i Abrahama: Ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra
ambonin'ny tany (Gen. 22. 18).
26 Andriamanitra,
rehefa nanangana ny Mpanompony*, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy
anareo amin'ny fialanareo rehetra amin'ny faharatsianareo isam-batan'olona.
[*Na: ny Zanany]
1 [Ny namatorana an'i
Petera sy Jaona, sy ny nataon'ny Synedriona taminy] Ary raha mbola niteny
tamin'ny vahoaka izy, dia, indreo, tonga teo aminy ny mpisorona sy ny
lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary ny Sadoseo;
2 fa sosotra izy noho
ny nampianaran'ny Apostoly ny vahoaka sy ny nitoriany tamin'ny alalan'i Jesosy
ny fitsanganana amin'ny maty.
3 Dia nisambotra azy
izy ka nanao azy tao an-tranomaizina ambara-pahamarain'ny andro; fa efa hariva
ny andro tamin'izay.
4 Kanefa maro
tamin'izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan'ny
lehilahy.
5 Ary nony maraina ny
andro, dia niangona tany Jerosalema ny mpanapaka sy ny loholona sy ny
mpanora-dalāna
6 sy Anasy
mpisoronabe sy Kaiafa sy Jaona sy Aleksandro mbamin'izay rehetra mety ho
havan'ny mpisoronabe.
7 Ary rehefa nataony
teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: Fahefana manao ahoana, na
anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany?
8 Ary Petera, feno ny
Fanahy Masina, dia nanao taminy hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona,
9 raha adinina izahay
anin'ny amin'ny asa tsara natao tamin'ny nahasitranana ilay lehilahy malemy,
10 dia aoka ho
fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran'i Jesosy Kristy
avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana, fa
natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty kosa, dia Izy no itsanganan'io lehilahy
io finaritra eto imasonareo.
11 Ity no vato izay
nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro (Sal. 118. 22).
12 Ary tsy misy
famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny
olona izay hahazoantsika famonjena.
13 Ary nony nahita ny
fahasahisahian'i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalāna na
nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka
tamin'i Jesosy izy roa lahy.
14 Ary nony nijery ny
lehilahy izay efa sitrana nitsangana teo aminy izy, dia tsy hitany izay
havaliny.
15 Ary rehefa nasainy
niala teo amin'ny Synedriona izy roa lahy, dia niara-nisaina izy
16 ka nanao hoe: Hataontsika
ahoana ireo lehilahy ireo? fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy, ary
fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka tsy azontsika lavina.
17 Fa mba tsy
hielezan'izany intsony amin'ny vahoaka, dia aoka horahonantsika izy mba tsy
hiteny amin'izany anarana izany intsony na amin'iza na amin'iza.
18 Ary niantso azy
izy ka nandrara azy tsy hiteny na hampianatra amin'ny anaran'i Jesosy intsony.
19 Fa Petera sy Jaona
kosa namaly azy ka nanao hoe: Tsaraonareo na marina eo imason'Andriamanitra, na
tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra.
20 Fa izahay tsy
maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.
21 Ary rehefa
norahonany indray izy, dia nalefany; fa tsy hitany izay hampijaliany azy noho
ny tahony ny vahoaka; satria izy rehetra nankalaza an'Andriamanitra noho ny
amin'ny zavatra efa natao.
22 Fa efa tsy omby
efa-polo taona ralehilahy izay nanaovana izany famantarana nahasitrana azy
izany.
23 Ary rehefa nalefa
izy roa lahy, dia tonga teo amin'ny namany ka nanambara izay rehetra nolazain'ny
lohan'ny mpisorona sy ny loholona taminy.
24 Fa rehefa nandre
izany izy ireo, dia niara-nanandratra ny feony ho amin'Andriamanitra ka nanao
hoe: Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina
mbamin'izay rehetra ao anatiny,
25 ary ny Fanahy
Masina no nampitenenanao an'i Davida razanay sady mpanomponao hoe: Nahoana no
mitabataba ny jentilisa, Ary misaina anoano foana ny firenena?
26 Ireo mpanjakan'ny
tany nitsangana, Ary ny mpanapaka niangona Hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany
(Sal. 2. 1, 2).
27 Fa efa niangona
marina tokoa teto amin'ity tanāna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin'ny
jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao* Masina, dia Jesosy
Izay nohosoranao, [*Na: ny Zanakao]
28 mba hanao
izay notendren'ny tananao aman-tsainao rahateo hatao.
29 Koa
ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba
hitory ny teninao amin'ny fahasahiana rehetra,
30 omban'ny
aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana
amin'ny anaran'i Jesosy, Mpanomponao* Masina. [*: Na: Zanakao]
31 Ary rehefa
nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy
Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.
32 [Ny
nifankatiavan'ny mpianatra sy ny fahazotoany] Ary niray fo sy fanahy ny olona
rehetra izay nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa
niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany.
33 Ary tamin'ny
hery be no nanambaran'ny Apostoly ny nitsanganan'i Jesosy Tompo; ary
fahasoavana be no tao amin'izy rehetra.
34 Fa tsy nisy
olona nalahelo teo aminy; fa izay nanana tany na trano, raha nivarotra izany,
dia nitondra ny vola vidin'ny zavatra lafo,
35 ka napetrany
teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly, dia nozaraina tamin'izy rehetra araka izay
nilainy avy
36 Ary Josefa,
izay nataon'ny Apostoly hoe koa Barnabasy (izany hoe, raha adika, Zanaky ny
fananarana), Levita, avy any Kyprosy no firazanany,
37 dia
nivarotra ny sahany, ary nentiny ny vola vidiny ka napetrany teo anoloan'ny
tongotry ny Apostoly.
1 [Ny amin'i
Ananiasy sy Safira] Fa nisy kosa lehilahy atao hoe Ananiasy sy Safira vadiny
nivarotra tany,
2 ka nanafenany
ho azy ny vola vidiny, ary ny vavy koa nahalala izany; dia nentiny ny vola
sasany vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly.
3 Ary hoy
Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin'ny Fanahy
Masina ka hanafina ny vola sasany vidin'ny tany?
4 Fony tsy
namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay
sitraponao koa va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao ianao? Tsy nandainga
tamin'olona ianao, fa tamin'Andriamanitra.
5 Ary Ananiasy,
nony nandre izany teny izany, dia nikarapoka, ka afaka ny ainy; dia
raiki-tahotra loatra izay rehetra nandre izany.
6 Ary
nitsangana ny zatovo, dia nofonosiny ny faty ka nentiny nivoaka, dia naleviny.
7 Fa rehefa
afaka tokony ho ora telo, dia niditra koa ny vavy, nefa tsy fantany izay efa
nanjo teo.
8 Ary hoy
Petera taminy: Lazao amiko: Izany ihany va no vola vidin'ny taninareo? Dia hoy
izy: Eny, izany ihany.
9 Ary hoy
Petera taminy: Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin'ny Tompo?
Indro, eo am-baravarana ny tongotr'izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao
hivoaka koa izy.
10 Dia
nikarapoka teo anoloan'ny tongony niaraka tamin'izay koa izy, ka afaka ny ainy;
ary raha niditra ny zatovo, dia hitany fa maty, ary nentiny nivoaka ka naleviny
teo anilan'ny lahy.
11 Dia raiki-tahotra
indrindra ny fiangonana rehetra sy izay rehetra nandre izany.
12 [Ny fahagagana
nataon'ny Apostoly sy ny nandrosoan'ny fiangonana] Ary ny tanan'ny Apostoly no
nanaovana famantarana sy fahagagana maro teo amin'ny vahoaka; ary izy rehetra
niray saina teo amin'ny Fialofan'i Solomona;
13 ary tsy nisy
tamin'ny olona sisa rehetra sahy niray taminy; nefa nankalaza azy ny vahoaka.
14 Ary vao mainka
nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany;
15 ka dia nentiny
teny an-dalambe aza ny marary ka napetrany teny ambony farafara sy fandriana,
mba hisy ho azon'ny tandindon'i Petera ahay, raha mandalo izy.
16 Ary ny olona maro
avy tamin'ny vohitra manodidina an'i Jerosalema dia nivory koa, nitondra ny
marary sy izay nampahorin'ny fanahy maloto; dia sitrana avokoa izy rehetra.
17 [Ny namatorana ny
Apostoly rehetra, sy ny nitondrana azy teo anatrehan'ny Synedriona] Ary
nitsangana ny mpisoronabe mbamin'ny namany rehetra (izay antokon'ny Sadoseo),
fa feno fialonana izy,
18 dia nisambotra ny
Apostoly izy ka nanao azy tao an-tranomaizina.
19 Fa nisy anjelin'ny
Tompo namoha ny varavaran'ny tranomaizina nony alina, dia nitondra azy nivoaka
ka nanao hoe:
20 Mandehana, ka
mitsangāna, ary mitoria amin'ny vahoaka eo an-kianjan'ny tempoly ny teny
rehetra milaza izany fiainana izany.
21 Ary rehefa nandre
izany izy, dia niditra maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly ka nampianatra.
Ary rehefa tonga ny mpisoronabe sy ny namany, dia nampiangona ny Synedriona sy
ny loholona rehetra tamin'ny Zanak'isiraely izy ka naniraka nankao amin'ny
tranomaizina haka ny Apostoly.
22 Fa nony tonga ny
mpiandry raharaha, dia tsy nahita azy tao an-tranomaizina; dia niverina izy ka
nilaza hoe:
23 Ny tranomaizina
dia hitanay mihidy tsara, ary ny mpiambina mitsangana eo am-baravarana; kanefa
nony novohanay, dia tsy nahita olona tao izahay.
24 Ary ny lehiben'ny
mpiambina ny tempoly sy ny lohan'ny mpisorona, rehefa nandre izany teny izany,
dia niroahana ny amin'izay ho faran'izany.
25 Dia nisy tonga ka
nilaza taminy hoe: Ireny lehilahy izay nataonareo tao an-tranomaizina ireny,
dia indreo izy mitsangana eo an-kianjan'ny tempoly ka mampianatra ny olona.
26 Dia lasa ny
lehiben'ny mpiambina sy ny mpiandry raharaha ka nitondra azy, nefa tsy nanao
mahery, satria natahotra ny vahoaka izy, fandrao hotorahany vato.
27 Ary rehefa
nentiny, dia napetrany teo anatrehan'ny Synedriona ireo, ary ny mpisoronabe
nanontany azy
28 ka nanao hoe: Efa
noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra amin'izany anarana izany;
kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo
hankinina aminay ny ran'izany Lehilahy izany.
29 Fa Petera sy ny
Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny
olona.
30 Andriamanitry ny
razantsika efa nanangana an'i Jesosy, Izay novonoin'ny tananareo nahantonareo
teo amin'ny hazo.
31 Izy nasandratry ny
tanana ankavanan'Andriamanitra* ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy
famelan-keloka ho an'ny Isiraely. [* Na: nasandratra ho eo an-tanana
ankavanan'Andriamanitra]
32 Ary izahay dia
vavolombelon'izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra
ny manaiky Azy.
33 Ary raha nandre
izany izy, dia lotika ny fony, ka nihendry hamono azy izy.
34 Dia nitsangana teo
amin'ny Synedriona ny Fariseo anankiray atao hoe Gamaliela, mpampiana-dalāna,
izay nalaza teo amin'ny olona rehetra, ary nasainy navoaka kely ireo olona
ireo.
35 Dia hoy izy
tamin'ny namany: Ry lehilahy Isiraely, tandremo tsara izay hataonareo amin'ireo
olona ireo.
36 Fa nitsangana
fahiny Teodasy ka nanao ny tenany ho zavatra; tokony ho efa-jato no isan'ny
lehilahy izay niandany taminy; fa novonoina izy ka nihahaka izay rehetra
nanaiky azy ka tonga tsinontsinona.
37 Ary nanarakaraka
azy indray, tamin'ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana Jodasy avy any
Galilia; ary izy nitaona olona hikomy hanaraka azy; dia novonoina koa izy, ka
nihahaka izay rehetra nanaiky azy.
38 Ary ankehitriny
dia lazaiko aminareo: Mandefera amin'ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; fa
raha avy amin'olona izao saina na asa izao, dia ho foana;
39 fa raha avy
amin'Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho
mpiady amin'Andriamanitra ianareo.
40 Dia nanaiky azy
izy; ary rehefa niantso ny Apostoly izy, dia nikapoka azy sady nandrara azy tsy
hiteny amin'ny anaran'i Jesosy intsony, ary dia nandefa azy handeha.
41 Ary ireo dia niala
teo anatrehan'ny Synedriona, sady faly, satria natao miendrika hitondra
fahafaham-baraka ho voninahitr'izany anarana izany.
42 Ary tsy nitsahatra
nampianatra sy nitory an'i Jesosy ho Kristy isan'andro teo an-kianjan'ny
tempoly sy tao an-trano izy.
1 [Ny nifidianana ny
fito lahy, sy ny nandrosoan'ny fiangonana] Ary tamin'izany andro izany, rehefa
nihamaro ny isan'ny mpianatra, dia nimonomonona tamin'ny Hebreo ny Helenista,
satria tsy mba enina tamin'ny fiantrana isan'andro ny mpitondratenany.
2 Ary ny roa ambin'ny
folo lahy nampiangona ny mpianatra rehetra ka nanao hoe: Tsy mety raha mandao
ny tenin'Andriamanitra hitandrina latabatra izahay.
3 Koa amin'izany, ry
rahalahy, mizahā fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy
fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany.
4 Fa izahay kosa
haharitra amin'ny fivavahana sy ny fampianarana.
5 Dia sitraky ny
olona rehetra ny teniny, ka nifidy an'i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy
ny Fanahy Masina, ary Filipo sy Prokoro sy Nikanora sy Timona sy Parmena ary
Nikoleo (proselyta avy any Antiokia),
6 ireo dia narosony
teo anatrehan'ny Apostoly; ary rehefa nivavaka ny Apostoly, dia nametra-tanana
taminy.
7 Dia nandroso ny
tenin'Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan'ny mpianatra tany
Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana.
8 [Ny amin'i Stefana]
Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana
lehibe teo amin'ny vahoaka.
9 Fa ny sasany, izay
avy amin'ny synagoga atao hoe Synagogan'ny Libertina sy ny Kyreniana sy ny
Aleksandriana mbamin'izay avy any Kilikia sy Asia, dia nitsangana ka niady
hevitra tamin'i Stefana.
10 Fa tsy nahatohitra
ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany ireo;
11 dia nisy olona
nomeny vava hanao hoe: Efa renay niteny ratsy* an'i Mosesy sy Andriamanitra
ity. [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat. 9.3]
12 Ary nampitaitra ny
olona sy ny loholona ary ny mpanora-dalāna izy, dia nankeo amin'i Stefana ka
nisarika azy, dia nitondra azy ho eo amin'ny Synedriona;
13 ary izy nanangana
vavolombelona mandainga, izay nanao hoe: Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny
ratsy ity fitoerana masina ity sy ny lalāna;
14 Fa efa renay izy
nilaza fa ilay Jesosy avy any Nazareta dia handrava ity fitoerana ity sy hanova
ny fomba izay natolotr'i Mosesy antsika.
15 Ary izay rehetra
nipetraka teo amin'ny Synedriona, raha nandinika an'i Stefana, dia nahita ny
tarehiny tahaka ny tarehin'anjely. ]
1 Ary hoy ny
mpisoronabe: Moa izany tokoa va?
2 fa hoy
Stefana: Mihainoa, ry rahalahy sy ianareo ray: Andriamanitry ny voninahitra
niseho tamin'i Abrahama razantsika, raha tany Mesopotamia izy, fony tsy mbola
nonina tany Harana,
3 ka nanao
taminy hoe: Mialā amin'ny taninao sy ny havanao, ka andeha ho any amin'ny tany
izay hasehoko anao (Gen. 12. 1).
4 Dia niala
tamin'ny tanin'ny Kaldeana izy ka nonina tany Harana; ary rehefa maty ny rainy,
dia nafindran'Andriamanitra niala teo izy hankany amin'ny tany izay onenanareo
ankehitriny.
5 Ary tsy
nomeny lova teto izy, na dia eram-paladia akory aza; kanefa nampanantenainy izy
fa homeny azy sy ny taranany mandimby azy ho lovany izany, na dia tsy mbola
nanan-janaka akory aza izy.
6 Ary
nolazain'Andriamanitra fa ny taranany hivahiny any amin'ny tanin'ny firenena
hafa ary handevoziny sy hampahoriny efa-jato taona.
7 Nefa ny
firenena izay hotompoiny dia hotsaraiko kosa, hoy Andriamanitra; ary rehefa
afaka izany, dia hivoaka izy ka hanompo Ahy eto amin'ity tany ity (Gen. 15. 13,
14).
8 Ary nomeny
fanekena amin'ny famorana izy. Ary dia niteraka an'isaka izy ka namora azy
tamin'ny andro fahavalo; ary Isaka niteraka an'i Jakoba, ary Jakoba niteraka ny
patriarka roa ambin'ny folo lahy.
9 Ary nialona
an'i Josefa ny patriarka ka nivarotra azy ho any Egypta; nefa Andriamanitra
nomba azy
10 ka nahafaka
azy tamin'ny fahoriany rehetra sady nanome azy fahasoavana sy fahendrena teo
imason'i Farao, mpanjakan'i Egypta; ary izy nanendry azy ho mpanapaka any
Egypta mbamin'izay rehetra tao an-dapany.
11 Ary nisy
mosary eran'i Egypta sy Kanana rehetra, ka mafy ny fahoriana; ary tsy nahita
hanina ny razantsika.
12 Fa nony
nandre Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia naniraka ny razantsika izy tamin'ny
voalohany.
13 Ary tamin'ny
fanindroany dia fantatr'izy mirahalahy avy Josefa, ary dia fantatr'i Farao koa
ny havan'i Josefa.
14 Ary Josefa
naniraka ka nampaka an'i Jakoba rainy mbamin'ny mpianakaviny rehetra, dia olona
dimy amby fito-polo izy.
15 Ary Jakoba
nidina nankany Egypta, dia maty izy sy ny razantsika;
16 ary nentina
ho any Sekema izy ka nalevina tao amin'ny fasana izay novidin'i Abrahama vola
tamin'ny zanak'i Hamora tany Sekema.
17 Fa rehefa ho
tonga ny fotoana hahatanterahana ny teny fikasana, izay nataon'Andriamanitra
tamin'i Abrahama, dia nitombo sy nihamaro ny olona tany Egypta,
18
mandra-pitsangan'ny mpanjaka hafa tany Egypta, izay tsy nahalala an'i Josefa.
19 Ary izy
nanao hafetsena tamin'ny razantsika, dia nampahory azy, ka dia samy nanary ny
zanany vao teraka mba tsy ho velona izy.
20 Tamin'izany
andro izany no nahaterahan'i Mosesy, ary tsara teo anatrehan'Andriamanitra izy
ka notezaina telo volana tao an-tranon'ny rainy.
21 Fa rehefa
nariana izy, dia nalain'ny zanakavavin'i Farao ka notezainy ho zanany.
22 Ary Mosesy
nampianarina ny fahendrena rehetra nananan'ny Egyptiana, ary nahery tamin'ny
teniny sy ny asany izy.
23 Ary rehefa
ho efa-polo taona izy, dia velona tao am-pony ny hamangy ny Zanak'isiraely,
rahalahiny
24 Ary raha
nahita ny anankiray nampahorina maina izy, dia namaly ka namono ilay Egyptiana
ary namonjy ilay nampahorina.
25 Ary nataony
fa ho fantatry ny rahalahiny fa ny tānany no hamonjen'Andriamanitra azy; kanjo
tsy fantany.
26 Ary nony
ampitson'iny dia niseho tamin'ireo izay niady Mosesy ary nanao izay hampihavana
azy ka nanao hoe: Raondriana, mirahalahy ianareo, koa nahoana ianareo no miady?
27 Fa ilay
namely maina ny namany dia nanosika azy ka nanao hoe: Iza no nanendry an'ialahy
ho mpanapaka sy mpitsara anay?
28 Moa
ta-hamono ahy koa va ialahy tahaka ny namonoan'ialahy ilay Egyptiana omaly?
(Eks. 2. 13, 14.)
29 Ary
tamin'izany teny izany dia nandositra Mosesy ka nivahiny tany amin'ny tany
Midiana, ary tany no niterahany zanaka roa lahy.
30 Ary rehefa
afaka efa-polo taona, dia nisy anjely niseho taminy tany an-efitry ny
tendrombohitra Sinay teo anaty lelafo teo amin'ny voaroy.
31 Ary Mosesy,
nony nahita, dia gaga noho ny fahitana; nefa nony nanatona handinika izy, dia
tonga ny feon'ny Tompo nanao hoe:
32 Izaho no
Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba (Eks.
3. 6). Dia tora-kovitra Mosesy ka tsy sahy nandinika.
33 Ary hoy
Jehovah taminy: Esory ny kapa amin'ny tongotrao; fa masina io tany ijanonanao
io.
34 Hitako tokoa
ny fahorian'ny oloko any Egypta, ary reko ny fitarainany, dia nidina hamonjy
azy Aho. Koa andeha ankehitriny, dia hirahiko ho any Egypta ianao (Eks. 3. 5-10).
35 Izany Mosesy
izany dia nolaviny ka nataony hoe: Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy
mpitsara? (Eks. 2. 14) kanjo izy ihany no nirahin'Andriamanitra ho mpanapaka sy
mpanavotra nomban'ny tanan'ny Anjely, Ilay niseho taminy teo amin'ny voaroy.
36 Izy no
nitondra ny olona nivoaka sady nanao fahagagana sy famantarana tany Egypta sy
teo amin'ny Ranomasina Mena ary tany an-efitra efa-polo taona.
37 Izany no
Mosesy izay nilaza tamin'ny Zanak'isiraely hoe: Mpaminany no
hatsangan'Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka ahy (Deo.
18. 15).
38 Izy ilay teo
amin'ny fiangonana tany an-efitra mbamin'ny Anjely izay niteny taminy tany
an-tendrombohitra Sinay sy tamin'ny razantsika, ka izy no nandray teny velona
mba homeny antsika.
39 Nefa ny razantsika
tsy nety nanaiky azy, fa nandā, dia manina an'i Egypta ny fony,
40 ka hoy izy
tamin'i Arona: Anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay
Mosesy iny, izay nitondra antsika nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy
fantatray izay nanjo azy (Eks. 32. 1).
41 Ary dia
nanao ombilahy kely izy tamin'izany andro izany, dia nanatitra fanatitra
tamin'ny sampy ka niravoravo tamin'ny asan'ny tānany.
42 Fa
Andriamanitra nihodina, dia nanolotra azy hanompo izay eny amin'ny lanitra;
araka ny voasoratra eo amin'ny bokin'ny mpaminany hoe: Moa nanatitra zavatra
voavono sy fanatitra ho Ahy efa-polo taona tany an-efitra va ianareo, ry
taranak'isiraely?
43 Tsia, fa
nobetainareo ny tranolain'i Moloka sy ny kintan'ny andriamanitra atao hoe
Refana, Dia ny endri-javatra izay nataonareo hivavahana, Ka dia hamindra anareo
ho any ankoatr'i Babylona Aho (Amo. 5. 25-27).
44 Ny
trano-lain'ny Vavolombelona dia teo amin'ny razantsika tany an-efitra, tahaka
ny voatendrin'izay niteny tamin'i Mosesy mba hanaovany azy araka ny endrika
izay efa hitany.
45 Izany koa
dia noraisin'ny razantsika izay nandimby ireo, ka nentiny niditra niaraka
tamin'i Josoa tamin'ny nahazoany ny tanin'ny firenena izay
noroahin'Andriamanitra hiala teo anoloan'ny razantsika hatramin'ny andron'i
Davida;
46 izy nahita fitia
anatrehan'Andriamanitra ka nangataka hahita trano ho an'Andriamanitr'i Jakoba.
47 Fa Solomona kosa
no nanao trano ho Azy.
48 Kanefa ny Avo
Indrindra tsy mitoetra ao amin'izay nataon-tānan'olona; araka ny nolazain'ny
mpaminany hoe:
49 Ny lanitra no seza
fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Koa trano manao ahoana no
hataonareo ho Ahy? hoy Jehovah, Ary manao ahoana no ho fitoerana fitsaharako?
50 Tsy ny tanako va
no nanao izao zavatra rehetra izao? (Isa. 66. 1, 2.)
51 Ry olona mafy
hatoka sady tsy voafora fo sy sofina, ianareo manohitra ny Fanahy Masina
mandrakariva; tahaka ny nataon'ny razanareo ihany no ataonareo koa.
52 Iza no
mpaminany izay tsy nenjehin'ny razanareo? Eny, novonoiny aza izay naminany ny
fihavian'ilay Marina; ary ankehitriny dia efa tonga mpamadika sy mpamono Azy
ianareo,
53 dia olona
izay nahazo ny lalāna tamin'ny nandaharan'anjely azy, nefa tsy nankato izany.
54 Ary nony
nandre izany izy ireo, dia lotika ny fony, ka nihidy vazana taminy izy.
55 Fa Stefana,
feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny
voninahitr'Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan'Andriamanitra,
56 dia nanao hoe:
Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak'olona mitsangana eo
ankavanan'Andriamanitra.
57 Ary ny olona
niantso tamin'ny feo mahery sady nanentsin-tadiny ka indray nirodona taminy,
58 dia nandroaka azy
ho eny ivelan'ny tanāna ka nitora-bato azy; ary ireo vavolombelona dia
nametraka ny fitafiany teo anilan'ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe
Saoly.
59 Ary ny olona
nitora-bato an'i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny
fanahiko.
60 Dia nandohalika
izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao
ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry.
Chapitre 8. 1 Ary Saoly mba nankasitraka ny namonoana azy koa. [Ny nielezan'ny
mpianatra noho ny fanenjehana, sy ny nitorian'ny Filipo tany Samaria sy
tamin'ilay tandapa Etiopiana] Ary tamin'izany andro izany dia nisy fanenjehana
mafy tamin'ny fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin'ny tany Jodia
sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany.
2 Ary mpivavaka tsara
no nandevina an'i Stefana sady nisaona azy fatratra.
3 Fa Saoly nampahory
mafy ny fiangonana, ka nidirany isan-trano sady nosarihany, na ny lehilahy na
ny vehivavy, ka nataony tao an-tranomaizina.
4 Ary izay
niely dia nandeha nitory teny tontolo eny.
5 Ary Filipo
nidina tany an-tanāna any Samaria ka nitory an'i Kristy tamin'ny olona tao.
6 Ary ny
vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazain'i Filipo, raha nandre
azy sy nahita ny fahagagana nataony.
7 Fa ny fanahy
maloto niantso tamin'ny feo mahery, dia nivoaka tamin'ny maro izay nanana azy;
ary maro ny mararin'ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny.
8 Dia nisy
fifaliana lehibe tao amin'izany tanāna izany.
9 Ary nisy
lehilahy anankiray rahateo teo an-tanāna, atao hoe Simona, izay nanao ody ka
nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nandoka tena nanao azy ho zavatra;
10 ary nihaino
azy ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, ka nanao hoe: Ity lehilahy ity
no herin'Andriamanitra, izay atao hoe hery lehibe.
11 Ary nihaino azy ny
olona, satria efa ela no talanjona tamin'ny odiny.
12 Ary rehefa nino
an'i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra sy ny
anaran'i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy.
13 Ary Simona koa mba
nino; ary rehefa natao batisa izy, dia nanaraka an'i Filipo. Ary talanjona izy,
raha nahita ny famantarana sy ny asa lehibe izay natao.
14 Ary nony ren'ny
Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin'Andriamanitra, dia
naniraka an'i Petera sy Jaona izy hankany aminy.
15 Nony tafidina tany
izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina.
16 Fa tsy mbola nisy
nilatsahany izy na dia iray akory aza; fa natao batisa tamin'ny anaran'i Jesosy
Tompo ihany izy.
17 Ary izy roa lahy
nametra-tanana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masina ireo.
18 Ary Simona, nony
nahita fa ny fametrahan'ny Apostoly tanana no nanomezana ny Fanahy Masina, dia
nitondra vola homena azy
19 ka nanao hoe: Omeo
izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy Masina izay olona
hametrahako tanana.
20 Fa hoy Petera
taminy: Aoka ho very mbamin'ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo
vidim-bola ny fanomezan'Andriamanitra.
21 Tsy manana anjara
na raharaha amin'izany zavatra izany ianao, satria tsy mahitsy fo eo
anatrehan'Andriamanitra.
22 Koa mibebaha
amin'izao haratsianao izao, ka mangataha amin'ny Tompo, andrao mba havelany
izay noheverin'ny fonao.
23 Fa hitako fa mbola
mitoetra amin'ny fangidian'afero sy ny fehin-keloka ihany ianao.
24 Ary Simona namaly
ka nanao hoe: Mangataha ho ahy amin'ny Tompo, mba tsy ho tonga amiko izay
nolazainareo.
25 Ary rehefa
nanambara sy nitory ny tenin'ny Tompo Petera sy Jaona, dia niverina nankany
Jerosalema ka nitory ny filazantsara teny amin'ny vohitra maro izay an'ny
Samaritana.
26 Ary nisy
anjelin'ny Tompo nilaza tamin'i Filipo ka nanao hoe: Mitsangāna, ka mandehana
mianatsimo ho any amin'ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gaza; dia
efitra izany.
27 Dia nitsangana izy
ka lasa nandeha; ary, indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan'i Kandasy,
mpanjakavavin'ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny rehetra, ary tonga tany
Jerosalema izy mba hivavaka;
28 dia nody izy ka
nipetraka teo anatin'ny kalesiny ary namaky teny tao amin'Isaia mpaminany
29 Dia hoy ny Fanahy
tamin'i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin'io kalesy io.
30 Ary Filipo
nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin'Isaia mpaminany,
ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va izay vakinao?
31 Fa hoy izy:
Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra* ahy? Ary izy nangataka an'i
Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy. [* Gr. mitari-dalana]
32 Ary izao no
tenin'ny Soratra Masina novakiny: Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, Ary
tsy niloa-bava, Tahaka ny zanak'ondry moana eo anoloan'ny mpanety azy;
33 Ny fietren-tena no
nanaovana Azy resy lahatra; Ary iza no hahalaza ny amin'ny niara-belona taminy
*? Fa ny ainy nesorina tamin'ny tany (Isa. 53. 7, 8). [* Na: ny fianakaviany]
34 Ary ilay tandapa
namaly an'i Filipo ka nanao hoe: Masona ianao, iza moa no lazain'ny mpaminany
amin'izany? Ny tenany va, sa olon-kafa?
35 Ary Filipo
niloa-bava, dia nanomboka teo amin'izany Soratra Masina izany nitory an'i
Jesosy taminy.
36 Ary raha nandeha
teny an-dalana izy, dia tonga teo amin'izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa:
Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?
37 * [* Ampio hoe: 37
Dia hoy Filipo: raha mino amin'ny fonao rehetra ianao, dia azo atao ihany. Ary
namaly izy ka nanao hoe: Mino aho fa Kristy no Zanak'Andriamanitra]
38 Dia nasainy
najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo
amin'ny rano; dia nataony batisa izy.
39 Ary rehefa
niakatra avy teo amin'ny rano izy roa lahy, dia nentin'ny Fanahin'ny Tompo
Filipo ka tsy hitan'ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin'ny nalehany izy sady
nifaly.
40 Fa Filipo hita
tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin'ny tanāna rehetra izay
nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.
1 [Ny niovan'i Saoly
ho Kristiana] Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin'ny
mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin'ny mpisoronabe izy
2 ka nangataka
taratasy taminy ho any amin'ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra
ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana* izany, na lahy
na vavy. [*Gr: lalana]
3 Ary raha nandeha
izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra
nanelatretatra tampoka manodidina azy;
4 dia lavo tamin'ny
tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no
manenjika Ahy?
5 Ary hoy izy:
Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao;
6 fa
mitsangāna, ka mankanesa ho any an-tanāna, dia holazaina aminao izay mety
hataonao.
7 Ary ny olona
izay nomba azy tamin'ny nalehany dia nitsangana tsy nahateny, ary nandre ny feo
izy, nefa tsy nahita olona.
8 Ary Saoly
nitsangana tamin'ny tany, ary rehefa nahirany ny masony, dia tsy nahita na
inona na inona izy; ary ireo nitantana azy ka nitondra azy ho any Damaskosy.
9 Ary tsy
nahita izy hateloana sady tsy nihinana na nisotro.
10 Ary nisy
mpianatra anankiray tany Damaskosy, atao hoe Ananiasy; ary hoy ny Tompo taminy
tamin'ny fahitana: Ry Ananiasy. Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko.
11 Ary hoy ny
Tompo taminy: Mitsangāna, ka mandehana any amin'ny lalana atao hoe Imahitsy, ka
izahao ao an-tranon'i Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsosy; fa,
indro, efa mivavaka izy;
12 ary izy efa
nahita lehilahy atao hoe Ananiasy niditra ka nametra-tanana taminy, mba
hahiratra indray ny masony.
13 Ary Ananiasy
namaly hoe: Tompoko, efa reko tamin'ny maro ny haben'ny ratsy nataon'izany
lehilahy izany tamin'ny olonao masina tany Jerosalema.
14 Ary manana
fahefanay koa avy tamin'ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny
anaranao.
15 Fa hoy ny
Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo
anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely;
16 fa hasehoko
azy ny habetsahan'izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako.
17 Ary nandeha
Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tanana taminy ka nanao hoe Ry
Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin'ny lalana
nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan'ny masonao, ary mba ho feno ny
Fanahy Masina ianao.
18 Ary niaraka
tamin'izay dia nisy zavatra toy ny kiran'ny hazandrano niala avy tamin'ny
masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa;
19 ary
nihinan-kanina izy ka dia natanjaka. [Ny nitorian'i Saoly tany Damaskosy sy
Jerosalema] Ary Saoly nitoetra andro vitsivitsy teo amin'ny mpianatra tany
Damaskosy.
20 Ary niaraka
tamin'izay dia nitory teo amin'ny synagoga izy ka nilaza an'i Jesosy fa
Zanak'Andriamanitra.
21 Ary
talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: Tsy ity va ilay nandringana izay
niantso izany anarana izany tany Jerosalema? ary tongay koa izy mba hitondra
azy mifatotra ho any amin'ny mpisoronabe.
22 Ary Saoly
mainka nihahery, dia nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka
naneho marimarina fa Jesosy* no Kristy. [* Gr. Ity]
23 Ary rehefa
afaka andro maromaro, dia nihendry hamono azy ny Jiosy;
24 nefa
fantatr'i Saoly ny fihendreny. Ary izy ireo niambina ny vavahady andro
aman'alina hamonoany azy.
25 Fa ny mpianany
naka azy nony alina ka nampidina azy tamin'ny sobiky avy eo amin'ny mānda.
26 Ary rehefa
tonga tany Jerosalema Saoly, dia nitady hiray tamin'ny mpianatra; fa izy
rehetra natahotra azy ka tsy nino azy ho mpianatra.
27 Fa Barnabasy
naka azy ka nitondra azy ho any amin'ny Apostoly, dia nanambara taminy ny
nahitany ny Tompo sy ny nitenenany taminy teny an-dalana ary ny fahasahiany
nitory ny anaran'i Jesosy tany Damaskosy.
28 Ary izy
niara-niditra sy nivoaka tamin'ireo tany Jerosalema,
29 sady nitory
tamin'ny anaran'ny Tompo tamin'ny fahasahiana ary niresaka sy niady hevitra
tamin'ny Helenista; fa ireny nitady hahafaty azy.
30 Ary rehefa
fantatry ny rahalahy izany, dia nentiny nidina nankany Kaisaria izy ka
nampandehaniny ho any Tarsosy.
31 Dia
nanam-piadanana ny fiangonana eran'i Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady
nandroso tsara sy nandeha tamin'ny fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan'ny
Fanahy ka nihamaro.
32 [Ny
nandehanan'i Petera nitety tany, sy ny nananganany an'i Dorkasy tamin'ny maty]
Ary raha nandeha nitety ny tany rehetra Petera, dia nidina ho any amin'ny olona
masina nonina tany Lyda koa.
33 Ary izy
nahita lehilahy anankiray teo, atao hoe Enea, izay efa nandry valo taona teo
am-parafara, fa mararin'ny paralysisa.
34 Ary hoy
Petera taminy: Ry Enea, manasitrana anao Jesosy Kristy; mitsangāna, ka amboary
ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin'izay izy.
35 Ary nahita
azy izay rehetra nonina tany Lyda sy Sarôna, ka dia niverina ho amin'ny Tompo.
36 Ary tany
Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy*;
ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon'izany vehivavy izany. [* Dorkasy
= Gazela; izahao 2 Sam. 2,18]
37 Ary narary
izy tamin'izany andro izany, ka dia maty; ary rehefa nampandroiny ny faty, dia
napetrany tao an-trano ambony.
38 Ary satria
Lyda akaikin'i Jopa, ary ny mpianatra nandre fa efa tonga ao Petera, dia
naniraka roa lahy izy hangataka azy hoe: Aza misalasala hankatỳ aminay.
39 Dia nitsangana
Petera ka nandeha niaraka taminy. Ary nony tonga izy, dia nentiny tany an-trano
ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady
nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin'i Dorkasy fony fahavelony.
40 Ary navoak'i
Petera avokoa izy rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka; ary nitodika
nanatrika ny faty izy ka nanao hoe: Ry Tabita, mitsangāna. Dia nahirany ny
masony; ary raha nahita an'i Petera izy, dia niarina.
41 Ary Petera
nanolo-tanana azy ka nanangana azy; ary rehefa niantso ny olona masina sy ny
mpitondratena izy, dia nanolotra azy velona.
42 Ary dia fantatra
eran'i Jopa izany, ka maro no nino ny Tompo.
43 Ary Petera
nitoetra andro maromaro tany Jopa tao amin'i Simona mpandon-koditra.
1 [Ny amin'i
Kornelio] Ary nisy lehilahy anankiray tany Kaisaria, atao hoe Kornelio,
kapiteny tamin'ny antokon'ny miaramila atao hoe Italiana;
2 ary mpivavaka tsara
sady natahotra an'Andriamanitra izy mbamin'ny ankohonany rehetra ka nanao
fiantrana be tanin'ny olona sady nivavaka tamin'Andriamanitra mandrakariva.
3 Ary izy nahita
miharihary tamin'ny fahitana, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahasivy antoandro,
fa, indro, nisy anjelin'Andriamanitra niditra tao aminy ka nanao taminy hoe: Ry
Kornelio.
4 Ary nony nibanjina
azy izy, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Ahoana, Tompoko? Ary izy nanao taminy
hoe: Ny fivavakao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo
anatrehan'Andriamanitra.
5 Koa ankehitriny
maniraha olona hankany Jopa, ka ampanalao Simona anankiray, izay atao hoe koa
Petera;
6 mitoetra ao amin'i
Simona mpandon-koditra izy, eo amoron-dranomasina ny tranony.
7 Ary rehefa lasa ny
anjely izay niteny tamin'i Kornelio, dia niantso roa lahy tamin'ny mpanompony
izy sy miaramila mpivavaka anankiray isan'izay nanaraka azy isan'andro.
8 Ary rehefa
nambarany taminy izany rehetra izany, dia naniraka azy hankany Jopa izy.
9 Ary nony ampitso,
raha mbola nandeha teny an-dalana izy ireo ka mby teo akaikin'ny tanāna, dia
niakatra teo ambonin'ny tampon-trano Petera mba hivavaka, rehefa tokony ho
tamin'ny ora fahenina.
10 Dia noana loatra
izy ka te-hihinana; fa raha mbola natao ny nahandro, dia azon-tsindrimandry izy
11 ka nahita ny
lanitra misokatra, sady nisy zavatra midina toa lamba lehibe nampidinina
tamin'ny zorony efatra ho amin'ny tany;
12 ary tao anatiny
nisy ny biby rehetra izay manan-tongotra efatra sy ny zava-mandady sy mikisaka
etỳ an-tany ary ny voro-manidina.
13 Ary nisy feo nanao
taminy hoe: Mitsangāna, ry Petera; vonoy, ka hano.
14 Fa hoy Petera:
Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho.
15 Fa hoy ilay feo
taminy fanindroany: Izay efa nodiovin'Andriamanitra dia aza ataonao ho fady.
16 Ary intelo no
nanaovana izany; dia nakarina tany an-danitra niaraka tamin'izay ilay zavatra.
17 Ary raha mbola
nieritreritra tao am-pony Petera ny amin'izay anton'ny fahitana efa hitany,
dia, indreo, ny olona izay nirahin'i Kornelio nanontany ny tranon'i Simona ka
nijanona teo am-bavahady,
18 dia niantso ka
nanontany na mitoetra ao Simona, izay atao hoe koa Petera, na tsia.
19 Fa raha mbola
nieritreritra ny fahitana Petera, dia hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo
lahy mitady anao;
20 fa mitsangāna
ianao, dia midina, ary mandehana miaraka aminy, ka aza misalasala, fa Izaho no
naniraka azy.
21 Ary Petera nidina
tany amin'ireo olona ireo ka nanao hoe: Inty aho izay tadiavinareo; inona no
anton'ny ahatongavanareo atỳ?
22 Dia hoy ireo:
Kornelio kapiteny, lehilahy marina sady matahotra an'Andriamanitra ka tsara
laza amin'ny firenen'ny Jiosy rehetra, dia efa notoroan'anjely masina hevitra
hampaka anao ho any an-tranony sy hihaino teny avy aminao.
23 Ary Petera
nampiantrano azy handry tao. Ary nony ampitso dia niainga Petera ka nandeha
niaraka taminy, ary ny rahalahy sasany avy tany Jopa niaraka taminy koa.
24 Ary nony ampitso
indray dia tonga tany Kaisaria izy. Ary Kornelio niandry azy sady efa nampiangona
ny havany sy ny tena sakaizany.
25 Ary raha vao
niditra Petera, dia nitsena azy Kornelio ka niankohoka teo amin'ny tongony sady
nitsaoka azy.
26 Fa Petera
nampitsangana azy ka nanao hoe: Mitsangāna; fa izaho dia olona ihany.
27 Ary nony niresaka
taminy izy, dia niditra tao an-trano ka nahita ny olona maro tafangona tao.
28 Dia hoy izy
taminy: Hianareo mahalala fa fady amin'ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano
amin'ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa
tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.
29 Ary amin'izany dia
tsy nandā tsy hankatỳ aho, raha nampanalaina; koa manontany aho: Ahoana
moa no nampanalanareo ahy?
30 Dia hoy Kornelio:
Loak'andro afak'omaly, mandra-paha-toy izao ny andro, raha nivavaka teto
an-tranoko aho mandritra ny ora fahasivy, dia, indro, nisy lehilahy niakanjo
akanjo mamirapiratra nitsangana teto anatrehako
31 ka nanao hoe: Ry
Kornelio, efa re ny fivavakao, ary efa tsarovana eo anatrehan'Andriamanitra ny
fiantranao.
32 Koa maniraha
hankany Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera: mitoetra ao
an-tranon'i Simona mpandon-koditra eo amoron-dranomasina izy.
33 Koa niaraka
tamin'izay dia naniraka tany aminao aho; ary nanao soa ianao no avy. Koa
ankehitriny izahay rehetra dia efa eto anatrehan'Andriamanitra hihaino izay
rehetra nandidian'ny Tompo anao.
34 Ary Petera
niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan'olona
Andriamanitra;
35 fa amin'ny
firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.
36 Hianareo mahalala
ny teny izay nampitondrainy ho amin'ny Zanak'isiraely, mitory teny soa milaza
fiadanana amin'ny alalan'i Jesosy Kristy (Izy no Tompon'izao rehetra izao),
37 dia ilay teny
natomboka hatrany Galilia ka notorina tany Jodia rehetra teo aorian'ny batisa
izay notorin'i Jaona, dia ny amin'i Jesosy avy any Nazareta,
38 Izay
nohosoran'Andriamanitra tamin'ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha
nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon'ny herin'ny devoly, satria
Andriamanitra nomba Azy.
39 Ary izahay no
vavolombelon'ny zavatra rehetra izay nataony tany amin'ny tanin'ny Jiosy sy
tany Jerosalema; Izy dia novonoiny nahantony teo amin'ny hazo;
40 nefa
natsangan'Andriamanitra kosa Izy tamin'ny andro fahatelo ka nasehony
marimarina,
41 tsy tamin'ny olona
rehetra, fa tamin'ny vavolombelona izay notendren'Andriamanitra rahateo, dia
taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy, rehefa nitsangana tamin'ny maty
Izy.
42 Ary Izy nandidy
anay hitory amin'ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin'Andriamanitra ho
Mpitsara ny velona sy ny maty.
43 Izy no ambaran'ny
mpaminany rehetra, fa amin'ny anarany no hahazoan'izay rehetra mino Azy
famelan-keloka.
44 Raha mbola nilaza
izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin'izay rehetra nandre ny teny ny
Fanahy Masina.
45 Ary talanjona ny
mino isan'ny voafora izay niaraka tamin'i Petera, satria nilatsaka tamin'ny
jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.
46 Fa nandre azy
niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an'Andriamanitra izy. Dia
namaly Petera ka nanao hoe:
47 Moa misy olona
mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy
Masina tahaka antsika koa?
48 Dia nasainy natao
batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy izy. Ary nangatahin'ireo mba hitoetra ao
aminy andro vitsivitsy izy.
1 [Ny namalian'i
Petera ny olona izay nanome tsiny azy] Ary ny Apostoly sy ny rahalahy izay tany
Jodia dia nahare fa ny jentilisa koa efa nandray ny tenin'Andriamanitra.
2 Ary nony tafakatra
tany Jerosalema Petera, dia nila ady taminy ny mino izay isan'ny voafora
3 ka nanao hoe: Efa
niantrano tany amin'ny olona tsy voafora ianao sady niara-nihinana taminy.
4 Ary Petera dia
nitantara izany taminy hatramin'ny niandohany ka nanao hoe:
5 Tany an-tanāna Jopa
aho ka nivavaka, ary azon-tsindrimandry aho, dia nahita fahitana, ka, indro,
nisy zavatra nidina avy tany an-danitra toa lamba lehibe nampidinina tamin'ny
zorony efatra, dia nankeo amiko izany;
6 ary raha nijery sy
nandinika azy aho, dia hitako ny biby etỳ an-tany, izay manan-tongotra
efatra, sy ny bibi-dia sy ny zava-mandady sy mikisaka ary ny voro-manidina koa.
7 Ary nandre feo koa
aho nanao tamiko hoe: Mitsangāna, ry Petera, vonoy, ka hano.
8 Fa hoy izaho:
Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola niditra tamin'ny vavako izay zava-padina na tsy
madio.
9 Ary nisy feo avy
tany an-danitra namaly fanindroany hoe: Izay efa nodiovin'Andriamanitra aza
ataonao ho fady.
10 Ary intelo no
nanaovana izany, dia nosarihana niakatra tany an-danitra indray izany rehetra
izany.
11 Ary tamin'izay
dia, Indreo, nisy telo lahy nijanona teo anoloan'ny trano nitoeranay, izay
iraka avy tany Kaisaria hankeo amiko.
12 Dia nasain'ny
Fanahy hiaraka tamin'ireo aho ka tsy hizaha tavan'olona na dia kely akory aza.
Ary niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, ka niditra tao
an-tranon-dralehilahy izahay.
13 Ary nambarany
taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony ka nanao hoe: Maniraha
ho any Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera;
14 izy hilaza
teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra.
15 Ary raha vao
niteny aho, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina tahaka ny tamintsika fahiny.
16 Dia
nahatsiaro ny tenin'ny Tompo aho, izay nolazainy hoe: Jaona nanao batisa
tamin'ny rano, fa ianareo kosa dia hatao batisa amin'ny Fanahy Masina.
17 Koa raha mba
homen'Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an'i
Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an'Andriamanitra?
18 Ary rehefa
nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe:
Efa nomen'Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana.
19 [Ny
nandrosoan'ny tenin'Andriamanitra tao Antiokia, sy ny nampianaran'i Barnabasy
sy Saoly tao] Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin'i Stefana dia nandeha
hatrany, Foinika sy Kyprosy ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin'ny olona
izy, afa-tsy tamin'ny Jiosy ihany.
20 Ary ny
sasany tamin'ireny, dia lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena izay tonga tany
Antiokia, dia niresaka tamin'ny jentilisa* koa ka nitory an'i Jesosy Tompo. [*
Gr. Grika; na Helenista]
21 Ary ny
tanan'ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan'izay nino sy niverina ho amin'ny
Tompo.
22 Ary ren'ny
sofin'ny fiangonana tany Jerosalema ny amin'ireo, dia naniraka an'i Barnabasy
izy handeha hatrany Antiokia.
23 Ary rehefa
tonga izy ka nahita ny fahasoavan'Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy
rehetra haharitra hiray amin'ny Tompo amin'ny fo minia fatratra.
24 Fa lehilahy
tsara fanahy izy sady feno ny Fanahy Masina sy finoana; ary maro be ny olona
nanampy ho an'ny Tompo.
25 Dia lasa
Barnabasy nankany Tarsosy hitady an'i Saoly.
26 Ary rehefa
nahita azy izy, dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary niara-niasa tao amin'ny
fiangonana hatramin'ny herintaona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra
olona maro; ary tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran'ny mpianatra
hoe.
27 [Ny
naminanian'i Agabo fa hisy mosary] Ary tamin'izany andro izany dia nisy
mpaminany sasany avy tany Jerosalema nankany Antiokia.
28 Ary
nitsangana ny anankiray tamin'ireny, izay atao hoe Agabo, fa voatsindrin'ny
Fanahy izy ka nilaza fa hisy mosary be eran'ny tany rehetra. Ary dia tonga
izany tamin'ny andron'i Klaodio.
29 Ary ny
mpianatra ninia hampitondra zavatra araka ny ananany hamonjy ny rahalahy izay
nonina tany Jodia.
30
Dia nataony izany, ary ny tānan'i Barnabasy sy Saoly no nampitondrainy izany ho
any amin'ny loholona*. [* Gr. presbytera]
1 [Ny amin'ny
nanenjehana ny fiangonana, sy ny nanafahana an'i Petera tao an-tranomaizina]
Ary tamin'izany andro izany Heroda mpanjaka naninjitra ny tānany hampahory ny
sasany tamin'ny fiangonana.
2 Ary izy
namono an'i Jakoba, rahalahin'i Jaona, tamin'ny sabatra.
3 Ary rehefa
hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nandroso nisambotra an'i Petera koa izy.
(Efa mby tamin'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin'izany.)
4 Ary rehefa
nosamboriny izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka natolony tamin'ny miaramila
enina ambin'ny folo* hambenany; dia nikasa hamoaka azy ho eo amin'ny vahoaka
izy, rehefa afaka ny Paska. [*
Gr. miaramila efatra katernia; ny katernia iray dia miaramila efa-dahy]
5 Ary Petera
nambenana tao an-tranomaizina; ary ny fiangonana nahery nangataka
tamin'Andriamanitra ho azy.
6 Ary nony efa
hamoaka azy Heroda, dia natory teo anelanelan'ny miaramila roa lahy Petera
tamin'iny alina iny, sady voafatotra tamin'ny gadra roa izy; ary nisy mpiambina
niambina ny tranomaizina teo am-baravarana.
7 Ary, indro, nisy
anjelin'ny Tompo tonga teo, sady nisy mazava namirapiratra tao an-trano; ary
izy nanohina ny tehezan'i Petera, dia namoha azy ka nanao hoe: Mitsangāna
faingana. Dia niala tamin'ny tānany ny gadra.
8 Ary hoy ilay anjely
taminy: Misikina, ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany. Ary hoy koa izy
taminy: Tafio ny lambanao, ka manaraha ahy.
9 Dia nivoaka izy ka
nanaraka ary; ary tsy fantany ho marina izay nataon'ny anjely, fa nataony ho
nahita fahitana ihany izy.
10 Fa rehefa nandalo
ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga teo amin'ny vavahady vy izay
mahazo ny lalana ho any an-tanāna; ary nivoha ho azy io mba halehany; ary nony
nivoaka izy, dia nandroso tamin'ny lalana iray; ary niaraka tamin'izay dia
nandao azy i]ay anjely.
11 Ary rehefa
nahatsiaro fanahy Petera, dia nanao hoe: Ankehitriny fantatro marina tokoa fa
ny Tompo efa naniraka ny anjeliny ka namonjy ahy tamin'ny tānan'i Heroda sy ny
fanantenan'ny Jiosy rehetra.
12 Ary rehefa fantany
tsara izany, dia nankany an-tranon'i Maria, renin'i Jaona, izay atao hoe koa
Marka, izy; ary nisy olona maro niangona nivavaka tao.
13 Ary raha
nandondona ny vavahady Petera, dia nisy ankizivavy atao hoe Roda nankeo
hihaino.
14 Ary rehefa
nahalala ny feon'i Petera izy, dia tsy namoha ny vavahady noho ny hafaliany, fa
lasa nihazakazaka ary niditra ka nilaza fa Petera no mijanona eo am-bavahady.
15 Fa hoy ny olona
taminy: Very saina ianao. Fa izy nitompo rariny fa izany tokoa. Dia hoy indray
ny olona: Anjeliny izany.
16 Fa Petera
naharitra nandōndōna ihany, ary rehefa novohany, dia nahita azy ireo ka
talanjona.
17 Fa izy nanofa
tanana azy mba hangina, dia nanambara taminy izay namoahan'ny Tompo azy avy tao
an-tranomaizina. Ary dia hoy izy: Ambarao amin'i Jakoba sy ny rahalahy izany
zavatra izany. Dia niala izy ka lasa nankany amin'ny fitoerana hafa.
18 Ary rehefa nazava
ny andro, dia nifanaritaka be ihany ny miaramila ka nanao hoe: Nankaiza Petera?
19 Ary rehefa nitady
azy fatratra Heroda, fa tsy nahita, dia nadininy ny mpiambina ka nasainy
novonoina. Ary Heroda nidina niala tany Jodia hankany Kaisaria, dia nitoetra
tany.
20 Ary Heroda tezitra
loatra tamin'ny Tyriana sy ny Sidoniana; fa niray saina kosa ireo ka nankany
aminy, ary rehefa nahazo an'i Blasto, mpitandrina ny trano fandrian'ny
mpanjaka, ho sakaizany, dia nangataka fihavanana, satria ny taniny nivelona
tamin'ny tanin'i Heroda*. [* Gr. ny mpanjaka]
21 Ary tamin'ny andro
voatendry dia niakanjo akanjom-panjakana Heroda ka nipetraka teo ambonin'ny
seza fiandrianany, dia nikabary tamin'ny vahoaka.
22 Ary ny vahoaka
niantso hoe: Feon'Andriamanitra izany, fa tsy an'olona!
23 Ary niaraka
tamin'izay dia nisy anjelin'ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra
an'Andriamanitra izy; ka dia nohanin'ny kankana izy ka maty.
24 Ary nandroso sy
niely ny tenin'Andriamanitra.
25 Ary Barnabasy sy
Saoly niverina avy tany* Jerosalema, rehefa vita ny fanompoany, dia nitondra
an'i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy. [* Na: niverina tany]
1 [Ny nandefasana
an'i Barnabasy sy Saoly ho misionera, sy ny nampianarany tao Kyprosy] Ary teo
amin'ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy
Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono
tamin'i Heroda mpanapaka) ary Saoly.
2 Ary raha nanao
fanompoam-pivavahana ho an'ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy
Masina: Atokāny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.
3 Ary rehefa nifady
hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy, dia nandefa azy.
4 Ary rehefa
nirahin'ny Fanahy Masina izy roa lahy, dia nidina nankany Seleokia izy ka
niondrana an-tsambo teo hankany Kyprosy.
5 Ary nony tonga tany
Salamisy izy, dia nitory ny tenin'Andriamanitra teny amin'ny synagogan'ny Jiosy;
ary nitondra an'i Jaona koa ho mpanampy azy izy.
6 Ary rehefa namaky
ny nosy ka tonga tany Pafo izy, dia nahita Jiosy anankiray atao hoe Barjesosy,
mpanao ody sady mpaminany sandoka,
7 izay nitoetra tao
amin'i Serygio Paolo, governoran'ny tany sady lehilahy hendry; ary izy nampaka
an'i Barnabasy sy Saoly hankao aminy ka naniry mba hahare ny
tenin'Andriamanitra.
8 Fa Elyma, mpanao
ody (fa izany no anarany, raha adika), nanohitra azy roa lahy sady nitady
hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana.
9 Fa Saoly kosa, izay
atao hoe koa Paoly, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina azy
10 ka nanao hoe:
Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra, ialahy zanaky ny
devoly sady fahavalon'ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny
lala-mahitsin'ny Tompo va ialahy?
11 Ary, indro,
ankehitriny ny tanan'ny Tompo hamely an'ialahy, dia ho jamba ialahy ka tsy
hahita masoandro aloha. Dia latsaka tao aminy niaraka tamin'izay ny
mampanjambena sy ny aizina, ary niraparapa nitady olona hitantana azy izy.
12 Ary ny governora,
nony nahita izay efa natao, dia nino sady talanjona tamin'ny fampianaran'ny
Tompo.
13 Ary Paoly sy ny
namany, rehefa niondrana an-tsambo niala avy tany Pafo, dia tonga tany Peryga
any Pamfyha; fa Jaona nandao azy ka niverina nankany Jerosalema.
14 Ary rehefa niala
tany Peryga izy ireo, dia nandroso nankany Antiokia any Pisidia, dia niditra
tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata ka nipetraka teo.
15 Ary rehefa vita ny
famakiana ny lalāna sy ny mpaminany, ny mpanapaka ny synagoga dia nampilaza
taminy ka nanao hoe: Ry rahalahy, raha misy fananarana hataonareo amin'ny
olona, dia ataovy.