[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | index ouvrages | index auteurs | index sujets | centres d’intérêt]
1 Korintiana
Accès direct
aux chapitres de 1 Corinthiens : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16
1 [Fitarihan-teny sy
fiarahabana ary fisaorana] Paoly, voantso ho Apostolin'i Jesosy Kristy noho ny
sitrapon'Andriamanitra, ary Sostena rahalahy,
2 mamangy ny
fiangonan'Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin'i Kristy
Jesosy, olona voantso sady masina, mbamin'izay rehetra miantso ny anaran'i
Jesosy Kristy Tompontsika eny amin'ny tany rehetra, dia azy sy antsika:
3 ho aminareo anie ny
fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy
Tompo.
4 Misaotra
an'Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan'Andriamanitra
izay nomena anareo ao amin'i Kristy Jesosy,
5 dia ny nampananana
harena anareo ao aminy amin'ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny
fahalalana rehetra,
6 araka ny
niorenan'ny filazana an'i Kristy teo aminareo,
7 ka dia tsy latsaka
amin'ny fanomezam-pahasoavana rehetra ianareo, miandry ny fisehoan'i Jesosy
Kristy Tompontsika,
8 Izay hampiorina
anareo koa hatramin'ny farany, ka dia tsy hanan-tsiny ianareo amin'ny andron'i
Jesosy Kristy Tompontsika.
9 Mahatoky
Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana
amin'ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
10 [Anatra noho ny
fifampiandanian'ny fiangonana tao Korinto, sy filazana ny amin'ny
nitorian'Paoly ny filazantsara] Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin'ny
anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy
fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy
hevitra.
11 Fa efa voalazan'ny
avy amin'ny ankohonan'i Kloa tamiko ny amin'ny toetrareo, ry rahalahiko, fa
misy fifampiandaniana eo aminareo.
12 Izao anefa no
anaovako izany: Hianareo samy manao hoe: Izaho an'i Paoly, na: Izaho an'i
Apolosy, na: Izaho an'i Kefasy, na: Izaho an'i Kristy.
13 Voazarazara va
Kristy? Paoly va no voahombo tamin'ny hazo fijaliana hamonjy anareo, sa ho
amin'ny anaran'i Paoly no nanaovam-batisa anareo?
14 Misaotra
an'Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa ianareo afa-tsy Krispo sy Gaio,
15 fandrao misy
milaza fa efa natao batisa ho amin'ny anarako ianareo.
16 Nefa mba efa nanao
batisa ny ankohonan'i Stefanasy koa aho; afa-tsy ireo dia tsy hitako izay
nataoko batisa.
17 Fa Kristy tsy
naniraka ahy hanao batisa, fa hitory ny filazantsara, tsy tamin'ny teny
fahendrena, fandrao ho foana ny hazo fijalian'i Kristy.
18 Fa ny teny ny
amin'ny hazo fijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra
kosa amintsika izay hovonjena.
19 Fa voasoratra hoe:
Hofoanako ny fahendren'ny hendry, Ary holaviko ny fahalalan'ny mahalala (Isa.
29. 14).
20 Aiza ny hendry?
Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin'izao tontolo izao? Tsy
nampodin'Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren'izao tontolo izao?
21 Fa satria, na dia
naseho aza ny fahendren'Andriamanitra*, ny fahendrena dia tsy nahatonga izao
tontolo izao hahalala an'Andriamanitra, ka dia ny fahadalan'ny fitorian-teny no
sitrak'Andriamanitra hamonjeny izay mino; [* Na: Fa noho ny
fahendren'Andriamanitra]
22 fa ny Jiosy mila
famantarana, ary ny jentilisa* mitady fahendrena, [* Gr. Grika]
23 fa izahay kosa
mitory an'i Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana
amin'ny Jiosy ary fahadalana amin'ny jentilisa*, [* Gr. Grika]
24 fa amin'izay
voantso kosa, na Jiosy na jentilisa*, dia Kristy, Izay herin'Andriamanitra sy
fahendren'Andriamanitra. [* Gr. Grika]
25 Fa ny
fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny
fahalemen'Andriamanitra mahery noho ny olona.
26 Fa hevero ny
fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy
firy no olona mahery, tsy firy no avo razana;
27 fa ny adala
amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary
ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny
mahery;
28 ary ny iva razana
amin'izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin'Andriamanitra, dia ny atao
ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy,
29 mba tsy hisy nofo
hahazo mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra.
30 Fa avy aminy no
nanaovana anareo ho ao amin'i Kristy Jesosy, Izay nataon'Andriamanitra
fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika,
31 mba ho araka ny
voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany (Jery. 9. 23).
1 Ary izaho koa, ry
rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin'ny teny sy fahendrena
marevaka, raha nitory taminareo ny zava-miafina izay* an'Andriamanitra. [*Na:
[ny filazana]
2 Fa ninia tsy
hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa
Izy voahombo tamin'ny hazo fijaliana;
3 ary izaho, raha
tany aminareo, dia azon'ny fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be;
4 ary ny teniko sy ny
toriteniko dia tsy tamin'ny teny fahendrena mahataona, fa tamin'ny fanehoan'ny
Fanahy sy ny hery,
5 mba tsy niorenan'ny
finoanareo amin'ny fahendren'ny olona, fa amin'ny herin'Andriamanitra ihany.
6 Anefa milaza
fahendrena amin'ny efa matanjaka izahay, fa tsy ny fahendren'izao tontolo izao,
na ny an'ny mpanapaka izao tontolo izao, izay olona mihalevona;
7 fa milaza ny
fahendren'Andriamanitra izahay ka maneho zava-niafina, dia fahendrena izay
nafenina sady voatendrin'Andriamanitra ho voninahitsika talohan'ny nanaovana
izao tontolo izao;
8 ary tsy nisy
nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao; fa raha nahalala izy, dia tsy
nohomboany tamin'ny hazo fijaliana ny Tompon'ny voninahitra.
9 Fa araka ny
voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na
niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra
ho an'izay tia Azy (Isa. 64. 3),
10 dia isika no
nanambaran'Andriamanitra izany tamin'ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra
rehetra, na dia ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza.
11 Fa iza no olona
mahalala ny ao am-pon'olona, afa-tsy ny fanahin'ny olona izay ao anatiny ihany?
Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon'Andriamanitra afa-tsy ny
Fanahin'Andriamanitra ihany.
12 Fa isika tsy
nandray ny fanahin'izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin'Andriamanitra,
mba ho fantatsika izay zavatra nomen'Andriamanitra antsika.
13 Izany koa no
lazainay, tsy amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olona fa amin'ny teny
ampianarin'ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin'izay olona* araka ny
Fanahy** izahay. [ * Na: teny] [** Na: raha mampikambana zava-panahy; na
mampitaha zava-panahy]
14 Fa ny olona izay
araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa
fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana
izany.
15 Fa ny olona araka
ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy
fantarin'olona.
16 Fa iza no
nahafantatra ny sain'ny Tompo mba hampianatra Azy*? (Isa. 40. 13). Fa izahay
manana ny sain'i Kristy. [* Na: azy]
1 [Ny amin'ny
raharahan'ny mpitoriteny, sy ny mbola hizahan-toetra azy] Ary izaho, ry
rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin'izay araka ny Fanahy, fa
tahaka ny amin'izay mbola nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin'i
Kristy.
2 Ronono no nomeko
anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola natanjaka ianareo; eny, mbola
tsy matanjaka mandraka ankehitriny aza,
3 fa mbola araka ny
nofo ihany ianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy
araka ny nofo va ianareo ka mandeha araka ny fanaon'ny olona?
4 Fa raha hoy ny
anankiray: Izaho an'i Paoly, ary ny anankiray kosa: Izaho an'i Apolosy, moa tsy
olona ihany va ianareo?
5 Koa inona moa
Apolosy, ary inona moa Paoly? Mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino
ireo, dia samy araka ny nomen'ny Tompo azy avy.
6 Izaho namboly,
Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo.
7 Ka dia
tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo
no izy.
8 Ary iray ihany ny
mpamboly sy ny mpandena; nefa samy handray izay valim-pitiany avy araka ny
fisasarany izy.
9 Fa mpiara-miasa
amin'Andriamanitra izahay; ary sahan'Andriamanitra sy trano
arafitr'Andriamanitra ianareo.
10 Araka ny fahasoavan'Andriamanitra
nomena ahy, tahaka ny fanaon'ny mpità-marika mahay no nanaovako ny fanorenana,
ary ny hafa mandrafitra eo amboniny; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay
arafiny eo amboniny.
11 Fa tsy misy mahay
manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy.
12 Ary raha misy
mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na
mololo, eo ambonin'ny fanorenana,
13 dia haseho avokoa
ny asan'ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin'afo
izany andro izany*, ka dia hozahan-toetra, amin'ny afo ny asan'ny olona
rehetra. [* Na: izany]
14 Raha maharitra ny
asan'ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy.
15 Raha ho levon'ny
afo ny asan'ny olona, dia ho fatiantoka izy; fa ny tenany kosa dia hovonjena,
nefa toy ny avy ao amin'ny afo ihany izy.
16 Tsy fantatrareo va
fa tempolin'Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra no
anatinareo?
17 Raha misy manimba
ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban'Andriamanitra kosa izy; fa masina
ny tempolin'Andriamanitra, dia ianareo izany*. [* Na: dia masina koa ianareo]
18 Aza misy
mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin'izao tontolo izao,
aoka ho adala izy mba ho hendry.
19 Fa ny
fahendren'izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan'Andriamanitra; fa
voasoratra hoe: Ny hafetsen'ny hendry ihany no entiny misambotra azy (Joba 5.
13).
20 Ary indray:
Jehovah no mahalala ny hevitry ny hendry fa zava-poana izany (Sal. 94. 11)
21 Ka dia aza misy
manao olona ho reharehany; fa anareo ny zavatra rehetra:
22 na Paoly, na
Apolosy, na Kefasy, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na ny
zavatra ankehitriny, na ny zavatra ho avy; dia anareo izany rehetra izany;
23 ary ianareo an'i
Kristy ary Kristy an'Andriamanitra.
1 Aoka hataon'ny
olona ho mpanompon'i Kristy sy mpitandrina'ny zava-miafina izay
an'Andriamanitra izahay.
2 Ary raha izany, dia
fantatrareo fa ny mpitandrina* dia tokony ho olona mahatoky. [* Gr: mpitandrina
fananana]
3 Fa raha ny amiko,
dia ataoko ho zavatra kely foana, na hotsarainareo aho, na hotsarain'olona* fa
ny tenako aza tsy mitsara ahy. [* Gr. andron'olona]
4 Fa tsy hitako izay
tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany; fa ny Tompo no Mpitsara ahy:
5 koa amin'izany aza
mitsara na inona na inona alohan'ny fotoana, dia ny fihavian'ny Tompo, Izay
hampiharihary ny zavatra takona ao amin'ny maizina ka hampiseho ny fikasan'ny
fo; dia samy hahazo izay derany avy amin'Andriamanitra izy rehetra.
6 [Anatra noho ny
fiavonavonan'ny Korintiana] Ary izany zavatra izany, ry rahalahy, nataoko
oha-teny hilaza ahy sy Apolosy noho ny aminareo, mba hianaranareo aminay ny tsy
hihoatra noho ny voasoratra, mba tsy hisy hireharehanareo hankalaza ny
anankiray, fa hanevateva ny anankiray kosa.
7 Fa iza no mampihoatra
anao? Ary inona no anananao, izay tsy noraisinao? Fa raha nandray ihany ianao,
nahoana no mirehareha hoatra ny tsy nandray?
8 Efa afa-po sahady
ianareo, efa manan-karena sahady ianareo, efa manjaka ianareo; kanefa hay! tsy
izahay tsy akory no nahazoanareo izany! Enga anie ka manjaka tokoa ianareo,
hiarahanay sy ianareo manjaka.
9 Fa ataoko fa
nasehon'Andriamanitra ho faraidina izahay Apostoly, dia toy izay voaheloka
hovonoina; fa izahay dia natao ho fizàhan'izao rehetra izao, na anjely na
olona.
10 Izahay dia adala
noho ny amin'i Kristy, fa ianareo no hendry ao amin'i Kristy! izahay malemy, fa
ianareo no mahery! ianareo manandaza, fa izahay mavomavo!
11 Mandraka
ankehitriny izao dia noana sy mangetaheta sy tsy manan-kitafy sy asiana
totohondry ary tsy manana antom-ponenana izahay;
12 Ary misasatra
miasa amin'ny tananay izahay; raha tevatevaina izahay, dia misaotra; raha
enjehina, dia miaritra;
13 raha tenenina
mafy, dia mamaly teny moramora kosa; atao toy ny faditr'izao tontolo izao
izahay, dia faikan'ny olona rehetra, mandraka ankehitriny.
14 Tsy ny hahamenatra
anareo anefa no anoratako izany zavatra izany, fa mananatra anareo toy ny
zanako malalako aho.
15 Fa na dia manana
mpampianatra iray alina ao amin'i Kristy aza ianareo, dia tsy maro ray ianareo;
fa izaho no niteraka anareo ao amin'i Kristy Jesosy tamin'ny filazantsara.
16 Koa mananatra
anareo aho: manahafa ahy ianareo.
17 Ary noho izany dia
nirahiko ho any aminareo Timoty, zanako malalako sy mahatoky ao amin'ny Tompo,
ka izy no hampahatsiaro anareo ny fanaoko* ao amin'i Kristy, tahaka ny
ampianariko ao amin'ny fiangonana rehetra eny tontolo eny. [* Gr. lalako]
18 Fa ny sasany
mirehareha hoatra ilay tsy mikasa ho avy any aminareo iny aho.
19 Fa ho avy any
aminareo faingana aho, raha sitrapon'ny Tompo, dia ho fantatro izay herin'ireo
mpirehareha ireo, fa tsy ny fiteniny.
20 Fa ny
fanjakan'Andriamanitra tsy amin'ny teny, fa amin'ny hery.
21 Inona ary no
tianareo? Ho avy aminareo mitondra tsorakazo va aho, sa amin'ny fitiavana sy ny
fahalemem-panahy?
1 [Anatra noho ny tsy
nanesorany ilay lehilahy nanao fitondran-tena vetaveta] Efa re marina fa misy
fijangajangana atỳ aminareo, eny, dia fijangajangana izay tsy misy tahaka
azy na dia amin'ny jentilisa asa, fa misy anankiray manambady ny vadin-drainy.
2 Ary ianareo indray
va no mirehareha, ka tsy nampalahelo anareo akory izany, mba hesorina tsy ho ao
aminareo ilay nanao izany zavatra izany?
3 Fa izaho, na dia
tsy teo aza ny tenako, nefa teo ihany ny fanahiko, dia efa nitsara sahady
an'ilay nanao toy izany, tahaka ny teo ihany aho:
4 amin'ny anaran'i
Jesosy Tompontsika - rehefa tafangona ianareo sy ny fanahiko omban'ny herin'i
Jesosy Tompontsika -
5 hanolotra izany
anankiray izany ho an'i Satana hanimbana ny nofo, mba hamonjena ny fanahy
amin'ny andron'i Jesosy Tompo.
6 Tsy mety ny
fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana
rehetra?
7 Esory ny masirasira
ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo.
Fa voavono Kristy, Paska ho antsika;
8 ka dia aoka isika
hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira
lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny
fahadiovam-po sy ny fahamarinana.
9 Nanoratra taminareo
teo amin'ny epistily aho mba tsy hiharoharoanareo amin'izay mpijangajanga;
10 nefa tsy ny
mpijangajanga rehetra amin'izao tontolo izao, na ny mpierina sy ny mpanao
an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin'izao
tontolo izao ianareo.
11 Fa ny nanoratako
taminareo, dia ny mba tsy hiharoharoanareo aminy, raha misy atao hoe rahalahy,
nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo,
na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin'ny toy izany ianareo.
12 Fa ahoako ny
hitsara ny any ivelany? Tsy
ny ao anatiny va no tsarainareo?
13 Fa ny any ivelany
dia tsarain'Andriamanitra. Esory aminareo ilay mpanao ratsy.
1 [Ny tsy
mahamety ny miady eo anatrehan'ny tsy mino] Misy aminareo va, raha manana ady
amin'ny namany, sahy handeha hotsarain'ny olona tsy marina, fa tsy eo
anatrehan'ny olona masina?
2 Sa tsy fantatrareo
fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo
izao ianareo, moa tsy miendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va
ianareo?
3 Tsy fantatrareo va
fa hitsara anjely isika? mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao.
4 Koa raha misy
hotsarainareo ny amin'ny momba izao fiainana izao, moa izay ataon'ny fiangonana
ho tsinontsinona va no tendrenareo ho mpitsara?
5 Hampahamenatra anareo
no itenenako izany. Hay! dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray akory
aza, izay mahay manamboatra ny adin'ny rahalahiny?
6 Fa ny rahalahy
mandeha hiady amin'ny rahalahiny, na dia hotsarain'ny tsy mino aza.
7 Ary ankehitriny dia
kilema aminareo ny anananareo* ady amin'ny namanareo. Nahoana no tsy aleo
mandefitra ny tsy rariny aza ianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina
aza ianareo? [* Na: matiantoka mihitsy ny fanahinareo, raha manana]
8 Kanjo ianareo
indray no manao izay tsy marina ka manambaka na dia ny rahalahinareo aza.
9 Moa tsy fantatrareo
va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety
hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka
vadin'olona sy ny sodomita* [* Izahao Lev.18.22]
10 sy ny mpangalatra
sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy
mba handova ny fanjakan'Andriamanitra.
11 Ary efa mba toy
izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa* ianareo, efa nohamasinina
ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo sy
tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika. [* Gr. efa nanasa tena]
12 [Ny amin'ny
fijangajangana tsy azo atao ho isan'ny zavatra tsy mampaninona, tahaka ny
hanina samy hafa] Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa
avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety
handevozin-javatra na inona na inona.
13 Ny hanina dia ho
an'ny kibo, ary ny kibo ho an'ny hanina; nefa samy holevonin'Andriamanitra izy
roroa. Fa ny tena kosa dia tsy ho an'ny fijangajangana, fa ho an'ny Tompo; ary
ny Tompo ho an'ny tena.
14 Ary Andriamanitra
efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika koa amin'ny heriny.
15 Tsy fantatrareo va
fa momba ny tena'i Kristy ny tenanareo? Moa hanala ny momba ny tenan'i Kristy
va aho ka hanolotra izany ho momba ny tenan'ny vehivavy janga? Sanatria izany!
16 Moa tsy
fantatrareo va fa izay miray amin'ny vehivavy janga dia tena iray aminy? fa hoy
Andriamanitra: Ho nofo iray ihany izy roroa (Gen. 2. 24).
17 Fa izay miray
amin'ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy.
18 Mandosira ny
fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon'ny olona dia eny ivelan'ny tena
ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin'ny tenany.
19 Ahoana ary? Moa
tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao
anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? ka tsy tompon'ny tenanareo
ianareo.
20 Fa olom-boavidy
ianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo.
1 [Ny amin'ny
fanambadiana] Ary ny amin'ireo zavatra nosoratanareo, dia tsara amin'ny
lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory.
2 Anefa noho ny
fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka
koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy.
3 Aoka ny lahy hanao
izay mety hatao amin'ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin'ny lahy.
4 Ny vavy tsy
manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy
manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny vavy.
5 Aza
misara-pandriana ianareo, raha tsy amin'izay andro sasany ifanekenareo ho andro
hivavahana, nefa mbola hiraisanareo fandriana indray, mba tsy hakan'i Satana
fanahy anareo noho ny tsi-faharetanareo.
6 Fandeferana anefa
no anaovako izany, fa tsy mandidy aho.
7 Fa tiako ho tahaka
ahy ny olona rehetra; kanefa samy manana izay fanomezam-pahasoavana
nomen'Andriamanitra ary avy, ka ny anankiray toy izao, ary ny anankiray toy
izao kosa.
8 Fa hoy izaho
amin'ny tsy manam-bady sy ny mpitondratena kosa: Tsara aminy raha mitoetra
tahaka ahy izy.
9 Nefa raha tsy
maharitra izy, dia aoka hanam-bady ihany; fa tsara ny manam-bady noho ny ho
maimay.
10 Ary ny manam-bady
dia didiako, nefa tsy izaho, fa ny Tompo: Aoka tsy hiala amin'ny lahy ny vavy,
11 (nefa raha misy
efa niala, dia aoka hitoetra tsy manam-bady, na aoka hody amin'ny lahy); ary ny
lahy aoka tsy hiala amin'ny vavy.
12 Fa amin'ny sisa,
dia hoy izaho, fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manam-bady tsy mino, ary
mety mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy hialany izy.
13 Ary raha misy
vehivavy manam-bady tsy mino, ka mety mitoetra aminy ihany ny lahy, dia aoka
tsy hialany izy.
14 Fa ny lahy tsy
mino dia efa masina ao amin'ny vavy ary ny vavy tsy mino dia efa masina ao
amin'ny rahalahy; raha tsy izany kosa, dia tsy madio ny zanakareo; fa raha
izany, dia masina izy.
15 Fa raha ny tsy
mino no miala, aoka hiala izy. Na rahalahy na anabavy dia tsy voafehy
amin'izany; fa Andriamanitra efa niantso antsika amin'ny fihavanana.
16 Fa ahoana moa no
ahafantaranao, ravehivavy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia? Ary ahoana no
ahafantaranao, ralehilahy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia?
17 Kanefa aoka ny
olona rehetra samy handeha araka izay anjarany nomen'ny Tompo azy sy araka ny
niantsoan'Andriamanitra azy avy. Ary izany no andidiako ao amin'ny fiangonana
rehetra.
18 Misy nantsoina
voafora va? Aoka izy tsy hovana ho tsy voafora. Misy antsoina tsy voafora va?
Aoka izy tsy hoforana.
19 Tsinontsinona ny
famorana, ary tsinontsinona ny tsi-famorana; fa ny mitandrina ny
didin'Andriamanitra no izy.
20 Aoka ny olona rehetra
samy hitoetra eo amin'izay toetra efa niantsoana azy ihany.
21 Nantsoina va ianao
raha mbola mpanompo? Aoka tsy hampaninona anao izany; nefa raha misy
hahafahanao, aleo izany*. [* Na: fa na dia misy hahafahanao, dia aleo manompo
ihany]
22 Fa ny andevo izay
voantso ao amin'ny Tompo dia olona afaka an'ny Tompo; toy izany koa, ny olona
afaka izay voantso dia mpanompon'i Kristy.
23 Fa olom-boavidy
ianareo, ka aza mety ho andevon'olona.
24 Ry rahalahy, aoka
ny olona rehetra samy hitoetra amin'Andriamanitra ao amin'izay niantsoana azy
avy.
25 Fa ny amin'ny
virijina dia tsy manana didy avy amin'ny Tompo aho; nefa ataoko izay hevitro
tahaka izay niantran'ny Tompo ahy ho mahatoky.
26 Koa izao no ataoko
fa tsara amin'ny olona noho ny fahoriana miseho ankehitriny, dia ny mitoetra
toy izao ihany.
27 Manam-bady va
ianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manam-bady va ianao? Aza mitady vady.
28 Nefa na dia
hanam-bady aza ianao, dia tsy manota tsy akory; ary na dia hanam-bady aza ny
virijina, dia tsy manota izy. Kanefa kosa hanam-pahoriana amin'ny nofo ireny;
fa izaho miantra anareo.
29 Fa izao no
lazaiko, ry rahalahy: Efa fohy* ny andro, mba ho toy ny tsy manam-bady ny
manana amin'izao sisa izao; [* Gr. nohafohezina]
30 ary mba ho toy
izay tsy mitomany ny mitomany; ary mba ho toy izay tsy mifaly ny mifaly; ary
mba ho toy izay tsy mahazo ny mividy;
31 ary mba ho toy
izay tsy mahavatra izao fiainana izao loatra ny mahavatra azy, fa mandalo ny
fanaon'izao fiainana izao.
32 Fa tiako tsy ho
maro ahina ianareo. Izay
tsy manam-bady dia miahy ny an'ny Tompo mba hahafaly ny Tompo.
33 Fa izay
manam-bady kosa miahy ny an'izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy.
34 Ary tsy
mitovy koa ny vehivavy manam-bady sy ny virijina. Ny vehivavy tsy manam-bady
mitandrina ny an'ny Tompo, mba ho samy masina avokoa ny tenany sy ny fanahiny;
fa izay manam-bady kosa dia mitandrina ny an'izao fiainana izao mba hahafaly ny
lahy.
35 Ary miteny
izany aho mba hahasoa anareo, fa tsy haningotra anareo amin'ny tadivavarana, fa
mba hanaovanareo izay miendrika sy hitoeranareo tsara amin'ny Tompo, ka tsy
hivezivezen'ny sainareo.
36 Fa raha misy
mihevitra fa tsy mety ny fitondrany ny zananivavy virijina, satria mihoatra
noho ny taona tokony anambadian'ny zanany, ka tsy maintsy hisy izany, dia aoka
izy hanao izay sitrapony, tsy manota izy; aoka hanam-bady izy*. [* Gr. aoka
hivady ireo]
37 Fa raha misy
kosa efa mikasa tsara ao am-pony, sady tsy misy mahatery azy, fa mahazo
manaraka ny safidiny ka ninia tao am-pony hiaro ny zananivavy virijina, dia
hanao tsara izy.
38 Ka izay
manome ny zanany virijina hampakarina dia manao tsara, ary izay tsy manome azy
hampakarina no manao tsaratsara kokoa.
39 Ny vavy
voafehin'ny lalàna, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia
afaka hanam-bady izay tiany izy, nefa ao amin'ny Tompo ihany.
40 Nefa raha
araka ny hevitro, sambatra kokoa izy raha mitoetra toy izao ihany; ary ataoko
fa izaho koa manana ny Fanahin'Andriamanitra.
1 [Ny amin'ny
hena izay efa natao fanatitra tamin'ny sampy] Ary ny amin'ny hena aterina
amin'ny sampy, dia fantatsika fa manana fahalalana isika rehetra. Ny fahalalana
mampieboebo; fa ny fitiavana no mampandroso.
2 Fa raha misy
manao azy hahalala, dia tsy mbola mahalala araka izay tokony ho fantany akory
izy.
3 Fa raha misy tia
an'Andriamanitra, dia izy no fantany.
4 Ary ny amin'ny
mihinana ny hena aterina amin'ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona akory
ny sampy amin'izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Iray ihany.
5 Fa na dia misy aza
atao hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany (toy ny misy
andriamanitra maro sy tompo maro);
6 nefa amintsika kosa
dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian'ny zavatra rehetra, ary
ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny
zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.
7 Kanefa tsy ary
manana izany fahalalana izany avokoa ny olona rehetra; fa ny sasany, satria
zatra amin'ny sampy mandraka ankehitriny izao, dia homana ny hena ka mahatsiaro
azy ho zavatra naterina tamin'ny sampy; ka dia voaloto ny fieritreretany,
satria malemy.
8 Fa ny hanina tsy
hampaninona antsika amin'Andriamanitra; fa na dia tsy homana aza isika, dia tsy
matiantoka, ary na dia homana kosa aza isika, dia tsy mahazo tombony.
9 Nefa tandremo,
fandrao izany fahafahanareo izany ho tonga fahatafintohinana ho an'ny malemy.
10 Fa raha misy
mahita anao izay manam-pahalalana mipetraka mihinana ao amin'ny tempolin'ny
sampy, tsy hampahasahy ny fieritreretan'ny malemy hihinana izay hena aterina
amin'ny sampy koa va izany?
11 Fa verin'ny
fahalalanao ny malemy, dia ny rahalahy izay navotan'i Kristy tamin'ny
fahafatesana?
12 Fa raha manota toy
izany amin'ny rahalahy ianareo ka manimba ny fieritreretan'ny malemy, dia
manota amin'i Kristy ianareo.
13 Koa raha ny hanina
no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay,
fandrao mahatafintohina ny rahalahiko.
1 [Ny nandeferan'i
Paoly tsy hovelomin'ny fiangonana tao Korinto] Tsy olona afaka va aho? Tsy
Apostoly va aho? Tsy efa nahita an'i Jesosy Tompontsika va aho? Tsy asako ao
amin'ny Tompo va ianareo?
2 Raha tsy Apostoly
ho an'ny sasany aza aho, dia Apostoly ho anareo tokoa; fa ianareo no tombo-kase
mah'Apostoly ahy ao amin'ny Tompo.
3 Izany no
avaliko izay manadina ahy.
4 Moa tsy mahazo
mihinana sy misotro va izahay?
5 Moa tsy mahazo
mitondra vady izay isan'ny mino* va izahay, tahaka ny Apostoly sasany koa sy ny
rahalahin'ny Tompo ary Kefasy? [* Gr. anabavy]
6 Sa izaho ihany sy
Barnabasy no tsy mahazo mitsahatra tsy miasa?
7 Iza no mandeha
manafika ka mivelona amin'ny haren'ny tenany? Iza no manao tanim-boaloboka ka
tsy mihinana ny vokatra? Ary iza no miandry ondry aman'osy ka tsy mihinana ny
rononony?
8 Moa araka ny
fihevitry ny olona va no itenenako izany, sa ny lalàna mba milaza izany koa?
9 Fa voasoratra eo
amin'ny lalàn'i Mosesy hoe: Aza manakombona ny vavan'ny omby mively vary (Deo.
25. 4). Ny omby va no ahin'Andriamanitra?
10 Sa noho izahay
mihitsy no nanaovana izany teny izany? Eny, fa noho izahay indrindra no
nanoratana izany, satria izay miasa tany dia tokony hiasa amin'ny fanantenana,
ary izay mively vary dia tokony hively amin'ny fanantenana hahazo.
11 Raha izahay namafy
izay zava-panahy ho anareo, dia zavatra lehibe va raha mba mijinja izay
anananareo araka ny nofo kosa izahay?
12 Raha ny hafa aza
manana izany fahefana izany aminareo, tsy mainka va fa izahay? Kanefa tsy
nanampatra izany fahefana izany izahay, fa mihafy amin'ny zavatra rehetra,
fandrao hisakana ny filazantsaran'i Kristy.
13 Tsy fantatrareo va
fa izay manompo amin'ny zavatra masina dia mihinana ny zavatry ny tempoly, ary
izay manompo eo amin'ny alitara dia miombona amin'ny alitara?
14 Toy izany koa no
nandidian'ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana
amin'ny filazantsara.
15 Nefa tsy nahavatra
izany zavatra izany na dia kely akory aza aho; ary tsy manoratra izany aho mba
hanaovana izany amiko; fa aleoko maty toy izay hisy hahafoana ny reharehako.
16 Fa raha mitory ny
filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany;
fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho!
17 Fa raha ny
sitrapoko no anaovako izany, dia mahazo valim-pitia aho; fa raha tsy ny
sitrapoko, dia natolotra aho ho andraikitro izany.
18 Inona ary no
valim-pitia azoko? Dia izao: raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy asiako
fandoavam-bola ny filazantsara, mba tsy hanampatra ny fahefako amin'ny
filazantsara.
19 Fa na dia afaka
amin'ny olona rehetra aza aho, dia mbola nataoko ho mpanompon'ny olona rehetra
ihany ny tenako mba hahazoako maromaro kokoa.
20 Tamin'ny Jiosy,
dia tonga toy ny Jiosy aho, mba hahazoako ny Jiosy; tamin'izay ambanin'ny
lalàna, dia tonga toy izay ambanin'ny lalàna aho, na dia tsy ambanin'ny lalàna
aza aho, mba hahazoako izay ambanin'ny lalàna;
21 tamin'izay tsy
manana lalàna, dia toy izay tsy manana lalàna aho (kanefa tsy mba olona tsy
manana lalàna amin'Andriamanitra aho, fa ambanin'ny lalàn'i Kristy), mba
hahazoako izay tsy manana lalàna;
22 tamin'ny malemy
dia tonga malemy aho, mba hahazoako ny malemy; efa tonga zavatra rehetra aho
amin'ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany na iza na iza.
23 Ary izany rehetra
izany dia ataoko noho ny filazantsara mba ho tonga mpiombona aminy aho.
24 Tsy fantatrareo va
fa izay mihazakazaka eo amin'ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka
avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba
hahazoanareo.
25 Ary ny
mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin'ny zavatra rehetra. Kanefa ireny
dia mitady satro-boninahitra mety ho lò ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lò.
26 Raha izaho ary, dia
mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa
tsy toy ny mamely ny rivotra;
27 fa asiako mafy ny
tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza
aho, dia holavina kosa ny tenako.
1 [Fananarana fandrao
misy manaram-po araka ny nofo ka tratry ny loza] Fa tsy tiako tsy ho
fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin'ny rahona, ary
izy rehetra namaky ny ranomasina,
2 ary izy rehetra dia
natao batisa ho amin'i Mosesy tao amin'ny rahona sy ny ranomasina,
3 ary izy rehetra
nihinana ny fihinam-panahy iray ihany,
4 ary izy rehetra
nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin'ny vatolampy fanahy
izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany.
5 Nefa ny ankabiazany
dia tsy sitrak'Andriamanitra, fa naringana tany an-efitra.
6 Ary izany zavatra
izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika toy ny
nilan'ireny.
7 Ary aoka tsy ho
mpanompo sampy ianareo tahaka ny sasany amin'ireny, araka ny voasoratra hoe: Ny
olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao (Eks. 32. 6).
8 Ary aoka tsy
hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin'ireny, ka telo arivo amby roa alina
no ringana indray andro.
9 Ary aoka tsy haka
fanahy ny Tompo* isika, tahaka ny nakan'ny sasany tamin'ireny fanahy Azy, ka
matin'ny menarana ireny. [* Na: [an'i Kristy]
10 Ary aoka tsy
himonomonona ianareo tahaka ny sasany tamin'ireny, izay matin'ny mpandringana.
11 Ary izany dia
nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay
niharan'ny faran'izao tontolo izao.
12 Koa izay manao azy
fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.
13 Tsy misy
fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky
Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo;
fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo
izany.
14 Koa amin'izany, ry
malala, mandosira ny fanompoan-tsampy.
15 Miteny toy ny
amin'ny olo-manan-tsaina aho; heveronareo izay lazaiko.
16 Ny kapoaky ny
fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin*'ny ran'i Kristy va izany? Ny
mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin**'ny tenan'i Kristy va izany? [* sy
**Na: fiombonana]
17 Satria iray ihany
ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy
mandray amin'izany mofo iray izany avokoa.
18 Indreo ny Isiraely
araka ny nofo; moa izay mihinana ny fanatitra tsy mpiombona amin'ny alitara va?
19 Inona ary no
holazaiko? Mety ho zavatra va ny hena aterina amin'ny sampy, na mety ho zavatra
va ny sampy?
20 Tsia, fa izay
zavatra aterin'ny jentilisa ho fanatitra, dia ateriny amin'ny demonia, fa tsy
amin'Andriamanitra (Deo. 32. 17); koa tsy tiako ho mpiombona amin'ny demonia
ianareo.
21 Tsy mahazo misotro
amin'ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia ianareo; tsy mahazo mihinana
amin'ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia ianareo.
22 Mampahasaro-piaro
ny Tompo va isika? Mahery noho Izy va isika?
23 Ny zavatra rehetra
azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; ny zavatra rehetra azo atao,
nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso.
24 Aoka tsy
hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.
25 Izay hena rehetra
amidy eny an-tsena dia hano, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana;
26 fa an'i
Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy (Sal. 24. 1).
27 Ary raha
misy amin'ny tsy mino manasa anareo, ka ta-handeha ianareo, dia hano izay
arosony eo anoloanareo, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana.
28 Fa raha misy
manao aminareo hoe: Hena naterina tamin'ny sampy io, dia aza homana noho ny
amin'ilay nilaza sy ny fieritreretana.
29
Fieritreretana, hoy izaho, tsy ny an'ny tenanano, fa ny an'ny olon-kafa; fa
nahoana ny fahafahako no dia tsarain'ny fieritreretan'ny olon-kafa?
30 Fa raha
amin'ny fisaorana no andraisako izany, nahoana aho no tenenina ratsy amin'izay
anaovako fisaorana?
31 Koa
amin'izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia
ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany.
32 Aza manao
izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan'Andriamanitra,
33 dia tahaka
ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra ka
tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy.
Chapitre 11. 1 Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny
anahafako an'i Kristy.
2 [Ny amin'ny
tokony hisaronan'ny vehivavy loha ao am-piangonana] Ary midera anareo aho,
satria mahatsiaro ahy amin'ny zavatra rehetra ianareo sady mitana tsara ny
fampianarana natolotra, araka ny nanolorako azy taminareo.
3 Ary tiako ho
fantatrareo fa Kristy no lohan'ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no
lohan'ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan'i Kristy.
4 Ny lehilahy
rehetra, raha mivavaka na maminany ka misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny
lohany.
5 Fa ny
vehivavy rehetra kosa, raha mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha, dia
mahafa-boninahitra ny lohany, satria toy ny voaharatra izy.
6 Fa raha tsy
misaron-doha ny vehivavy, dia aoka hohetezana izy; fa raha mahamenatra ny
vehivavy ny hohetezana na ny hoharatana, dia aoka hisaron-doha izy.
7 Ny lehilahy
dia tokony tsy hisaron-doha, satria endrika sy voninahitr'Andriamanitra izy; fa
ny vehivavy kosa no voninahitry ny lehilahy.
8 Fa tsy ny
vehivavy no nihavian'ny lehilahy; fa ny lehilahy no nihavian'ny vehivavy.
9 Fa tsy ny
lehilahy no natao ho an'ny vehivavy, fa ny vehivavy no ho an'ny lehilahy.
10 Izany no
mahamety ny vehivavy hisaron-doha* noho ny amin'ny anjely. [*Gr. hanana
fahefana eo amin'ny lohany]
11 Kanefa ao
amin'ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy
raha tsy misy vehivavy.
12 Fa toy ny
nihavian'ny vehivavy avy tamin'ny lehilahy, dia toy izany koa no nihavian'ny
lehilahy avy tamin'ny vehivavy; fa Andriamanitra kosa no ihavian'ny zavatra
rehetra.
13 Hevero ao
am-ponareo: Mendrika va raha mivavaka amin'Andriamanitra ka tsy misaron-doha ny
vehivavy?
14 Tsy
mampianatra anareo va izao fomban'ny zavatra rehetra izao fa raha lava volo ny
lehilahy, dia mahafa-boninahitra azy izany?
15 Fa raha lava volo
kosa ny vehivavy, dia voninahitra ho azy izany fa ny volo no nomena azy ho
fisaronana.
16 Fa raha misy olona
toa tia ady, dia tsy manana izany fanao izany isika, na ny
fiangonan'Andriamanitra.
17 [Ny amin'ny
Fanasan'ny Tompo] Ary raha manao izao didy izao aho, dia tsy midera anareo tsy
akory, satria tsy miangona hihatsara ianareo, fa hiharatsy.
18 Fa voalohany
indrindra, raha miangona ao am-piangonana ianareo, dia reko fa misy fisarahana
eo aminareo; ary mba misy inoako ihany izany.
19 Fa tsy maintsy
misy fitokoana eo aminareo, mba haseho eo aminareo izay olona ankasitrahana.
20 Koa raha miangona
ianareo, dia tsy misy hihinanana ny Fanasan'ny Tompo akory.
21 Fa raha mihinana
ianareo, dia samy homana ny sakafony avy aloha ianareo; koa ny anankiray dia
noana, fa ny anankiray kosa mamo.
22 Moa tsy
manan-trano hihinanana sy hisotroana va ianareo? Sa manao tsinontsinona ny
fiangonan'Andriamanitra ka manome henatra ny tsy manana? Inona no holazaiko
aminareo? Hidera anareo va aho? Tsy hidera anareo amin'izany aho.
23 Fa izaho efa
nandray tamin'ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin'iny
alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo,
24 ary rehefa
nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako* ho anareo; izao no ataovy
ho fahatsiarovana Ahy. [* Ampio hoe: [izay vakina]
25 Dia araka izany
koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena
vaovao amin'ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana
no misotro ianareo.
26 Fa na oviana na
oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin'ny kapoaka, dia
manambara ny fahafatesan'ny Tompo ianareo mandra-pihaviny.
27 Koa na zovy an
zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin'ny kapoaky ny Tompo amin'ny fanahy tsy
mendrika, dia ho meloka ny amin'ny tena sy ny ran'ny Tompo izy.
28 Fa aoka ny olona
hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin'ny kapoaka.
29 Fa izay rehetra
mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an'ny tenany, raha tsy
mamantatra ny tena izy.
30 Noho izany dia
betsaka no marary sy marofy eo aminareo, ary maro ihany no efa nodi-mandry.
31 Fa raha mba
mamantatra ny tenantsika isika, dia tsy mba hotsaraina.
32 Fa raha tsaraina
isika, dia faizan'ny Tompo mba tsy hohelohina miaraka amin'izao tontolo izao.
33 Koa raha miangona
hihinana ianareo, ry rahalahy, dia mifampiandrasa*. [* Na: mifampizarà]
34 Ary raha misy
olona noana, aoka izy hihinana no an-tranony, mba tsy hiangonanareo ho
fahamelohana. Ary ny zavatra sisa dia halahatro, rehefa tonga aho.
1 [Ny amin'ny
fanomezam-pahasoavana samy hafa] Ary ny amin'ny zava-panahy, ry rahalahy, dia
tsy tiako tsy ho fantatrareo.
2 Fantatrareo fa fony
jentilisa ianareo, dia nentina tany amin'ny sampy moana araka izay nitaomana
anareo.
3 Koa mampahafantatra
anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin'ny Fanahin'Andriamanitra ka manao hoe:
Voaozona* Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy
amin'ny Fanahy Masina. [* Gr. anatema]
4 Zarazaraina ho samy
hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany.
5 Ary zarazaraina ho
samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany.
6 Ary zarazaraina ho
samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra
rehetra amin'ny olona rehetra.
7 Ary izy rehetra dia
samy nomena ny fampisehoana* ny Fanahy hahasoa. [* Na: fisehoan']
8 Fa ny anankiray
nomen'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany
Fanahy izany ihany,
9 ary ny anankiray
finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana
ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany,
10 ary ny anankiray
ny manao fahagagana*, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny
mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy
hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra. [* Gr.
hery]
11 Ireo rehetra ireo
dia asan'ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny
sitrapony.
12 Fa tahaka ny tena
iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo,
na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy.
13 Fa Fanahy iray
ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy an jentilisa*,
na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy
iray. [* Gr. Grika]
14 Nefa ny momba ny
tena tsy iray, fa maro.
15 Raha ny tongotra
hanao hoe: Satria tsy tanana aho, dia tsy mba momba ny tena, amin'izany dia tsy
momba ny tena va izy?
16 Ary raha ny sofina
hanao hoe: Satria tsy maso aho, dia tsy mba momba ny tena,- koa amin'izany dia
tsy momba ny tena va izy?
17 Raha maso avokoa
ny tena rehetra, aiza ary izay fandrenesana? Raha fandrenesana avokoa, aiza ary
izay fanimboloana?
18 Fa Andriamanitra
efa nametraka izay rehetra momba ny tena, samy ho eo amin'ny tena araka ny
sitrapony.
19 Ary raha izay
rehetra momba ny tena no tonga iray monja, aiza intsony izay tena?
20 Fa maro ny momba
ny tena, nefa ny tena dia iray ihany.
21 Ary ny maso tsy
mahazo manao amin'ny tanana hoe: Tsy mila anao aho; ary indray, ny loha tsy
mahazo manao amin'ny tongotra hoe: Tsy mila anareo aho.
22 Fa mainka
ilaintsika aza ny momba ny tena izay atao ho malemilemy kokoa noho ny sasany.
23 Ary ny momba ny
tena izay ataontsika ho kely voninahitra kokoa dia tafiantsika voninahitra bebe
kokoa; ary izay tsy misy haja amin'ny momba ny tenantsika no hajaintsika kokoa;
24 fa tsy mila izany
ny efa misy haja rahateo amin'ny momba ny tenantsika. Fa tamin'ny
nanamboaran'Andriamanitra ny tena, dia izay kely voninahitra no nomeny
voninahitra bebe kokoa,
25 mba tsy hisy
fisarahana eo amin'ny tena, fa mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra.
26 Ary raha mijaly ny
anankiray amin'ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny
tena; fa raha omem-boninahitra kosa ny anankiray amin'ny momba ny tena, dia
miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena.
27 Ary ianareo no
tenan'i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy.
28 Ary Andriamanitra
efa nanendry ny sasany teo amin'ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa
mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana*, dia
fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia
fiteny samy hafa tsy fantatra. [* Gr. hery]
29 Apostoly va izy
rehetra? Mpaminany va izy rehetra? Mpampianatra va izy rehetra? Manao
fahagagana va izy rehetra?
30 Manana
fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana va izy rehetra? Miteny amin'ny fiteny
tsy fantatra va izy rehetra? Mandika teny va izy rehetra?
31 Nefa maniria
fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra; ary, indro, izay lalana
tsara indrindra no atoroko anareo:
1 Na dia miteny
amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia
tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho.
2 Ary na dia manana
faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny
fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra
tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho.
3 Ary na dia omeko
hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza
ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.
4 Ny fitiavana
mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy
mieboebo,
5 tsy manao izay tsy
mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po,
6 tsy mifaly amin'ny
tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa,
7 mandefitra* ny
zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra,
maharitra ny zavatra rehetra. [* Na: manarona]
8 Ny fitiavana tsy ho
levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy
fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana.
9 Fa
sombintsombiny ny fahalalantsika, ary sombintsombiny ny faminaniantsika;
10 fa rehefa
tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombintsombiny intsony.
11 Fony mbola
zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza;
fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana.
12 Fa ankehitriny
isika mizaha ao amin'ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia
mifanatrika; ankehitriny sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho
fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.
13 Ary ankehitriny
dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa
ny fitiavana no lehibe amin'ireo.
1 [Ny fihoaran'ny
fahaizana haminany noho ny fahaizana hanao fiteny tsy fantatra] Miezaha mitady
ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zava-panahy koa, indrindra fa ny haminany
2 Fa izay miteny
amin'ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny amin'olona, fa amin'Andriamanitra;
fa amin'ny fanahy no itenenany zava-miafina, ka tsy misy olona mahalala;
3 fa izay maminany
kosa miteny amin'olona ho fampandrosoana sy ho famporisihana ary ho
fampiononana.
4 Izay miteny amin'ny
fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany; fa izay maminany kosa
mampandroso ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]
5 Tiako raha samy
hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra ianareo rehetra; nefa aleo haminany; fa izay
maminany dia lehibe noho izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, raha tsy
mandika teny koa izy hahazoan'ny fiangonana* fampandrosoana. [* Gr. eklesia]
6 Nefa, ry rahalahy,
raha mankeo aminareo aho ka miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, inona moa no
soa ho vitako aminareo amin'izany, raha tsy fanambarana, na fahalalana, na
faminaniana, na fampianarana, no hitenenako aminareo?
7 Ary ny zavatra tsy
manana aina, na sodina, na lokanga, na dia maneno aza, raha tsy manao feo samy
hafa, ahoana no hahafantarana izay ataony, na amin'ny sodina, na amin'ny
lokanga?
8 Fa raha manao feo
hafahafa ny trompetra, iza no hiomana hiady?
9 Dia toy izany koa
ianareo: raha tsy mazava ny teny aloaky ny vavanareo, hatao ahoana no
fahafantatra izay lazainareo? Fa raha tsy izany, dia hiteny amin'ny rivotra
ianareo.
10 Misy fiteny maro
samy hafa amin'izao tontolo izao, ka samy manana ny heviny avy.
11 Koa raha tsy
mahalala ny hevitry ny fiteny aho, dia ho vaka amin'izay miteny, ary izay
miteny ho vaka amiko kosa.
12 Ary toy izany
ihany koa ianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny
fiangonana* no tadiavo indrindra. [* Gr. eklesia]
13 Koa aoka izay
miteny amin'ny fiteny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa.
14 Fa raha mivavaka
amin'ny fiteny tsy fantatra aho, dia ny fanahiko ihany no mivavaka, fa ny saiko
kosa tsy mahavanona.
15 Ahoana ary
no izy? Sady hivavaka am-panahy no hivavaka an-tsaina koa aho; sady hihira
am-panahy no hihira an-tsaina koa aho.
16 Fa raha
misaotra am-panahy fotsiny ihany ianao, hataon'izay tsy mahay ahoana no hanao
Amena, raha misaotra ianao? satria tsy mahalala izay lazainao Izy.
17 Fa ianao dia
misaotra tsara ihany, nefa ny hafa kosa tsy mba ampandrosoina.
18 Misaotra
an'Andriamanitra aho fa miteny amin'ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho
ianareo rehetra aho;
19 nefa raha ao
am-piangonana*, dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako
ny sasany koa, toy izay hanao teny iray alina amin'ny fiteny tsy fantatra. [*
Gr. eklesia]
20 Ry rahalahy, aza
mba ho zaza amin'ny fahalalana; raha amin'ny lolompo dia aoka ho zaza-bodo aza,
fa amin'ny fahalalana kosa dia aoka ho lehilahy tokoa.
21 Voasoratra amin'ny
lalàna hoe: Amin'ny olona hafa fiteny sy amin'ny molotry ny olon-kafa no
hitenenako amin'ity firenena ity; fa na dia amin'izany aza dia tsy hihaino Ahy
izy, hoy Jehovah (Isa. 28. 11, 12).
22 Koa ny fiteny tsy
fantatra dia famantarana amin'ny tsy mino, fa tsy amin'ny mino; fa ny
faminaniana kosa dia amin'ny mino, fa tsy amin'ny tsy mino.
23 Koa raha vory ny
mpiangona rehetra, ary ny olona rehetra samy miteny amin'ny fiteny tsy
fantatra, ary miditra ny tsy mahay, na ny tsy mino, tsy holazainy va fa very
saina ianareo?
24 Fa raha samy
maminany izy rehetra, ary miditra ny tsy mino, na ny tsy mahay, dia ho voan'ny
anatra ataon'izy rehetra izy sady hotsarain'izy rehetra;
25 ka dia miseho ny
zavatra takona ao am-pony, dia hiankohoka izy ka hivavaka amin'Andriamanitra
sady hilaza fa Andriamanitra dia ao aminareo marina tokoa.
26 Ahoana ary
no izy, ry rahalahy? Raha
miangona ianareo, misy ta-hanao hira ianareo, misy ta-hanao fampianarana, misy
manana fanambarana, misy manana fiteny tsy fantatra, misy manana fandikan-teny.
Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana.
27 Raha misy miteny
amin'ny fiteny tsy fantatra, dia avelao ho roa na telo, fa aza atao mihoatra
noho izany, ka ampifanarakarahina; ary avelao hisy iray mandika teny.
28 Fa raha tsy misy
mpandika teny, dia aoka izy hangina eo amin'ny fiangonana*; fa aoka hiteny
amin'ny tenany sy amin'Andriamanitra ihany izy. [* Gr. eklesia]
29 Ary aoka ny
mpaminany roa na telo no hiteny, fa aoka ny hafa hamantatra.
30 Fa raha misy
tsindrian'ny Fanahy ao am-pipetrahana, dia aoka hangina kosa ny voalohany;
31 fa mahazo maminany
tsirairay ianareo rehetra, mba hianaran'izy rehetra sy hamporisihana azy
rehetra;
32 ary ny
fanahin'ny mpaminany dia manaiky hozakain'izy mpaminany.
33 Fa Andriamanitra
tsy tompon'ny fikotronana, fa tompon'ny fiadanana. Araka ny fanaon'ny
fiangonan*'ny olona masina rehetra, [* Gr. eklesia]
34 dia aoka hangina
ny vehivavy raha ao am-piangonana*; fa tsy avela hiteny izy, fa aoka hanoa
tsara araka ny lazain'ny lalàna koa. [* Gr. eklesia]
35 Ary raha misy
tiany hianarana, dia aoka izy hanontany ny lahy raha mby any an-trano; fa
mahamenatra raha miteny ao am-piangonana* ny vehivavy. [* Gr. eklesia]
36 Avy aminareo va no
nihavian'ny tenin'Andriamanitra, sa ao aminareo ihany no nahatongavany?
37 Raha misy manao
azy ho mpaminany, na ho manana fahaizam-panahy, dia aoka ho fantany tsara fa
didin'ny Tompo ny teny izay soratako ho aminareo.
38 Fa raha misy tsy
mahalala, dia avelao tsy hahalala ihany izy.
39 Koa amin'izany, ry
rahalahiko, maniria fatratra ny haminany, ary aza mandrara tsy hiteny amin'ny
fiteny tsy fantatra;
40 kanefa aoka ny
zavatra rehetra hatao amin'ny fahamendrehana sy ny filaminana.
1 [Ny amin'ny
fitsanganan'ny maty] Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara
izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo,
2 izay amonjena
anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy
nino foana ianareo.
3 Fa natolotro anareo
ho isan'ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty
noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina,
4 dia nalevina, ary
natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina;
5 ary niseho tamin'i
Kefasy Izy, dia vao tamin'ny roa ambin'ny folo lahy koa.
6 Rehefa afaka izany,
dia niseho tamin'ny rahalahy tsy omby dimam-jato Izy, ny ankamaroan'ireny dia
mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry.
7 Rehefa afaka izany,
dia niseho tamin'i Jakoba Izy, dia tamin'ny Apostoly rehetra.
8 Ary faran'izy
rehetra, izaho, izay toy ny tsy tonga volana aza, dia mba nisehoany koa.
9 Fa izaho dia ambany
indrindra amin'ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe Apostoly, satria efa
nanenjika ny fiangonan*'Andriamanitra aho. [* Gr. eklesia]
10 Fa ny
fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany ato
amiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa
ny fahasoavan'Andriamanitra no niara-niasa tamiko.
11 Koa na izaho na ry
zareo, dia araka izany no fitorinay, ary araka izany koa no ninoanareo.
12 Ary raha Kristy no
torina fa natsangana tamin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany eo aminareo fa
tsy misy fitsanganan'ny maty?
13 Fa raha tsy misy
fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana;
14 ary raha tsy
natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo.
15 Ary dia hita ho
vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa
Andriamanitra no nanangana an'i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty, dia
tsy mba natsangany Izy.
16 Fa raha tsy
hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana;
17 ary raha tsy
natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo
ihany ianareo;
18 dia very koa izay
efa nodimandry ao amin'i Kristy.
19 Raha amin'izao
fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho
ny olona rehetra isika.
20 Nefa tsy izany, fa
efa natsangana tamin'ny maty tokoa Kristy ho santatr'izay efa nodi-mandry.
21 Ary satria ny
olona iray no nisehoan'ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan'ny
fitsanganan'ny maty.
22 Fa tahaka ny
ahafatesan'ny olona rehetra ao amin'i Adama no ahaveloman'ny olona rehetra kosa
ao amin'i Kristy.
23 Nefa samy amin'ny
filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an'i Kristy
amin'ny fihaviany.
24 Ary rehefa afaka
izany, dia avy ny farany, ka amin'izay dia hatolony ho an'Andriamanitra Ray ny
fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny
hery rehetra.
25 Fa tsy maintsy
manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin'ny tongony
(Sal. 110. 1).
26 Ny fahafatesana no
fahavalo farany horesena.
27 Fa ny zavatra
rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin'ny tongony (Sal. 8. 6). Fa na dia hataony
hoe aza: Ny zavatra rehetra no nampanekena, dia fantatra marina fa tsy mba
isan'izany Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy.
28 Ary rehefa
nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia ny tenan'ny Zanaka koa aza no hanaiky
Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy
Andriamanitra ihany*. [* Gr. mba ho zavatra rehetra amin'izy rehetra
Andriamanitra]
29 Raha tsy izany,
hanao ahoana izay atao batisa ny amin*'ny maty? Raha tsy hatsangana mihitsy ny
maty, nahoana ireny no atao batisa ny aminy? [* Na: nisolo]
30 Ary nahoana
izahay no manao vy very ny ainay mandrakariva?
31 Lazaiko
marina*, ry rahalahy, amin'ny fireharehako noho ny aminareo, izay ananako ao
amin'i Kristy Jesosy Tompontsika, fa maty isan'andro aho. [* Na: Mianiana aho]
32 Raha araka
ny fanaon'olona no niadiako tamin'ny bibi-dia tany Efesosy, inona no soa azoko
amin'izany? Raha tsy hatsangana ny maty, dia aoka isika hihinana* sy hisotro,
fa rahampitso dia ho faty (Isa. 22. 13). [* Na: inona no soa azoko, raha tsy atsangana ny maty? Aoka isika
hihinana]
33 Aza mety
hofitahina ianareo; ny fikambanana amin'ny ratsy manimba ny fitondran-tena
tsara.
34 Mifohaza tsara*,
ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an'Andriamanitra; ny
hampahamenatra anareo no ilazako izany. [* Na: Mifohaza ho amin'ny
fahamarinana]
35 Fa hisy hanao hoe:
Hatao ahoana ary no fanangana ny maty? Ary tena manao ahoana no hisehoany?
36 Ry adala,
izay afafinao tsy hovelomina, raha tsy maty aloha;
37 ary izay
afafinao, tsy dia ny tenany izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany,
na voambary*, na voa hafa; [* vary tritrika]
38 fa
Andriamanitra manome azy tena araka izay sitraky ny fony, ary ny voany rehetra
dia samy omeny ny tenany avy.
39 Tsy mitovy
ny nofo rehetra; fa hafa ny an'ny olona, ary hafa ny nofon'ny biby, ary hafa ny
nofon'ny vorona, ary hafa ny an'ny hazandrano.
40 Ary misy
tenan'ny any an-danitra, ary misy tenan'ny etỳ an-tany; fa hafa ny
voninahitry ny any an-danitra, ary hafa ny an'ny etỳ an-tany.
41 Hafa ny
voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volana, ary hafa ny
voninahitry ny kintana; fa ny kintana anankiray dia hafa voninahitra noho ny
kintana anankiray.
42 Dia toy
izany koa ny fitsanganan'ny maty: Afafy amin'ny fahalòvana izy, atsangana
amin'ny tsi-fahalòvana;
43 afafy
amin'ny fahafaham-boninahitra izy, atsangana amin'ny voninahitra; afafy amin'ny
fahalemena izy, atsangana amin'ny hery;
44 afafy tena
araka ny fomban'aina izy, atsangana ho tena araka ny fombam-panahy. Raha misy
tena araka ny fomban'aina, dia misy araka ny fombam-panahy koa.
45 Ary araka
izany koa no voasoratra hoe: Adama voalohan-dahy natao manan'aina (Gen. 2. 7);
Adama farany natao fanahy mahavelona.
46 Anefa tsy
izay amin'ny fanahy no voalohany, fa izay amin'ny manan'aina, dia vao izay
amin'ny fanahy.
47 Ny olona
voalohany avy amin'ny tany, dia tany; ny olona faharoa dia avy any an-danitra.
48 Izay amin'ny
tany dia tahaka ilay amin'ny tany; ary izay any an-danitra dia tahaka Ilay any
an-danitra.
49 Ary toy ny
nitondrantsika ny endriky ny amin'ny tany no hitondrantsika ny endrik'ilay any
an-danitra koa.
50 Fa izao no
lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny
fanjakan'Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana.
51 Indro,
zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra,
52 fa vetivety, toy
ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika
rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony,
ary isika hovana.
53 Fa ity mety lò ity
tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy
ny tsi-fahafatesana.
54 Fa rehefa mitafy
ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety
maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka
levona* (Isa. 25. 8). [* Gr. voatelina ka resy]
55 Ry fahafatesana ô,
aiza ny fandresenao? Ry
fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao? (Hos. 13. 14).
56 Fa ny ota no
fanindronan'ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin'ny ota.
57 Fa isaorana
anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy
Kristy Tompontsika.
58 Koa
amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be
mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory
ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo.
1 [Ny amin'ny
famoriam-bola ho an'ny olona malahelo tany Jerosalema. Teny farany sy
fanaovam-beloma] Ary ny amin'ny famoriam-bola ho an'ny olona masina, dia mba
manaova koa ianareo toy izay nasaiko nataon'ny fiangonana any Galatia.
2 Amin'ny andro
voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na
amin'inona na amin'inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny
famoriam-bola mandra-pahatongako.
3 Ary rehefa tonga
aho, dia izay sitrakareo no hirahiko hitondra taratasy hanatitra ny
fiantranareo ho any Jerosalema.
4 Ary raha tokony
handehanako izany, dia hiaraka amiko ireo.
5 Hankatỳ
aminareo aho, rehefa namaky an'i Makedonia - fa hamaky an'i Makedonia aho -
6 ary angamba
hitoetra eo aminareo aho, na handany ny ririnina aza, mba hanateranareo ahy
amin'izay halehako.
7 Fa tsy mikasa
hamangy anareo toy ny mandalo aho ankehitriny; fa manantena hitoetra elaela eo
aminareo aho, raha sitrapon'ny Tompo.
8 Nefa hitoetra any
Efesosy aho mandra-pihavin'ny Pentekosta;
9 fa varavarana
lehibe no voavoha ho ahy hahazoako miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra.
10 Ary rehefa tonga
Timoty, dia tandremo mba tsy hanan-tahotra eo aminareo izy; fa ny asan'ny Tompo
no ataony, tahaka ny ataoko koa.
11 Koa aza avela hisy
olona hanao tsinontsinona azy; fa atero soa aman-tsara izy mba ho tonga
atỳ amiko; fa miandry azy mbamin'ny rahalahy sasany aho.
12 Ary ny amin'i
Apolosy rahalahy, dia nangataka azy fatratra aho hiara-mandeha amin'ny rahalahy
hankatỳ aminareo, saingy tsy sitrapony akory ny handeha tamin'izany*;
nefa ho avy ihany izy, rehefa misy andro mahalalaka azy. [* Na: saingy tsy
sitrapon'Andriamanitra ny handehanany ankehitriny]
13 Miambena* ianareo,
tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza. [* Gr. miareta
tory]
14 Izay rehetra
ataonareo dia ataovy amin'ny fitiavana.
15 Fantatrareo ny
ankohonan'i Stefanasy, fa voaloham-bokatr'i Akaia izy sady efa nanolo-tena ho
amin'ny fanompoana ny olona masina; dia mangataka aminareo aho, ry rahalahy,
16 mba hanaiky tsara
ny olona tahaka ireny sy izay rehetra miara-miasa sy mikely aina koa ianareo.
17 Faly aho noho ny
fihavian'i Stefanasy sy Fortonato ary Akaiko; fa ireo no nahefa ny tsy
vitanareo;
18 fa namelombelona
ny fanahiko sy ny anareo koa izy; ka mba ekeo ny tahaka ireny.
19 Manao veloma
anareo ny fiangonana atỳ Asia. Manao veloma anareo indrindra ao amin'ny
tompo Akoila sy Prisila mbamin'ny fiangonana izay ao an-tranony.
20 Manao veloma
anareo ny rahalahy rehetra. Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina.
21 Ny tanako, izaho
Paoly, no anaovako veloma.
22 Raha misy tsy tia
ny Tompo, aoka ho voaozona* izy. Maran ata**. [* Gr. anatema] [** Maran ata =
Avy ny Tompontsika (?)]
23 Ho aminareo anie
ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo;
24 ny fitiavako dia
ao aminareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. Amena.