[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | index ouvrages | index auteurs | index sujets | centres d’intérêt]
1 Tesaloniana
Accès direct aux
chapitres de 1 Thessaloniciens : 1, 2, 3, 4, 5
1 [Fiarahabana ny
Tesaloniana, sy fisaorana an'Andriamanitra noho ny nandraisan'ireo ny
filazantsara sy ny nandrosoany tamin'ny finoana sy ny fitiavana] Paoly sy
Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan'ny Tesaloniana, izay ao
amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo: ho aminareo anie ny fahasoavana
sy ny fiadanana.
2 Misaotra
an'Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo
amin'ny fivavahanay,
3 sady tsy mitsahatra
mahatsiaro ny asanareo amin'ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin'ny
fitiavana ary ny faharetanareo amin'ny fanantenana an i Jesosy Kristy
Tompontsika eo imason'Andriamanitra Raintsika;
4 fa fantatray, ry
rahalahy malalan'Andriamanitra, ny fifidianana anareo,
5 fa ny
filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin'ny teny ihany, fa tamin'ny hery
koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay
toetry ny fitondran-tenanay teo aminareo noho ny aminareo.
6 Ary ianareo efa
nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin'ny fahoriana be
mbamin'ny hafaliana avy amin'ny Fanahy Masina,
7 ka dia tonga
fianarana ho an'ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia ianareo.
8 Fa avy taminareo no
nanenoan'ny tenin'ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny tontolo
eny no nielezan'ny lazan'ny finoanareo an'Andriamanitra, ka dia tsy misy
holazainay intsony.
9 Fa ireny ihany no
milaza ny aminay, dia izay fidirana azonay ho atỳ aminareo sy ny
nialanareo tamin'ny sampy hiverenana amin'Andriamanitra mba hanompo
an'Andriamanitra velona sy marina,
10 ary mba hiandry ny
Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin'ny maty, dia Jesosy, izay
Mpanafaka antsika amin'ny fahatezerana ho avy.
1 Fa ny tenanareo, ry
rahalahy, dia mahalala fa tsy foana ny fidiranay tatỳ aminareo;
2 fa rehefa
nampahorina sy nisetrasetrana tany Filipy izahay teo aloha, tahaka ny fantatrareo
ihany, dia sahy tao amin'Andriamanitray izahay hiteny taminareo ny
filazantsaran'Andriamanitra, na dia be aza ny fanoherana.
3 Fa ny fananaranay
dia tsy avy amin'ny fitaka, na ny fahalotoana, na ny soloky.
4 Fa tahaka ny
nankasitrahan'Andriamanitra anay, ka notolorana ny filazantsara ho adidinay
izahay, dia araka izany koa no itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin'olona,
fa amin'Andriamanitra, Izay mizaha toetra ny fonay.
5 Fa tsy nanao teny
mandrobo akory izahay na oviana na oviana, tahaka ny fantatrareo ihany, na
nihatsaravelatsihy hanafina fieremana (Andriamanitra no vavolombelona);
6 ary tsy nitady
voninahitra tamin'olona izahay, na taminareo, na tamin'ny sasany, na dia
nanam-pahefana hahavaky tratra aza izahay, araka izay mah'Apostolin'i Kristy
anay,.
7 Fa nalemy fanahy
teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany,
8 dia toy izany no
nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra; hanome anareo, tsy ny
filazantsaran'Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay
ianareo.
9 Fa tsaroanareo, ry
rahalahy, ny fikelezanay aina sy ny fisasaranay; fa niasa andro aman'alina, mba
tsy hahavaky tratra na dia olona iray akory taminareo aza, no nitorianay ny
filazantsaran'Andriamanitra taminareo.
10 Hianareo no
vavolombelona ary Andriamanitra koa fa masina sy marina ary tsy nanan-tsiny
tokoa ny fitondran-tenanay teo imasonareo izay mino,
11 toy ny fantatrareo
fa tahaka ny ray amin'ny zanaka no namporisihanay sy nampiononanay anareo
isam-batana sy nananaranay mafy anareo,
12 mba handehananareo
miendrika an'Andriamanitra, Izay miantso anareo ho amin'ny fanjakany sy ny
voninahiny.
13 Ary noho izany
izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an'Andriamanitra, satria rehefa nandray
ny tenin'Andriamanitra izay notorinay ianareo, dia tsy noraisinareo ho
tenin'olona, fa araka izay marina, dia ny tenin'Andriamanitra, izay miasa
anatinareo izay mino koa.
14 Fa ianareo, ry
rahalahy, dia efa tahaka ny fiangonan'Andriamanitra any Jodia izay amin'i
Kristy Jesosy; fa ny nanjo anareo noho ny nataon'ny iray firenena aminareo dia
sahafa amin'ny nanjo ireo koa noho ny nataon'ny Jiosy taminy,
15 izay namono an'i
Jesosy Tompo sy ny mpaminany koa ary nandroaka anay sady tsy manao ny
sitrapon'Andriamanitra ary manohitra ny olona rehetra,
16 ka mandrara anay
tsy hitory amin'ny jentilisa mba tsy hamonjena ireny, mba hameno ny fahotan'ny
tenany mandrakariva; kanjo efa niharan'ny fahatezerana hatramin'ny farany izy.
17 Ary izahay, ry
rahalahy, rehefa tafasaraka taminareo vetivety foana tamin'ny fanatrehana, fa
tsy tamin'ny fo, dia vao mainka nitady sy naniry fatratra hahita ny tavanareo.
18 Koa naniry hankany
aminareo indray mandeha amana indroa izahay, dia izaho Paoly; nefa nosakanan'i
Satana izahay.
19 Fa inona moa no
fanantenanay, na fifalianay, na satro-boninahitra reharehanay? Moa tsy ianareo
eo anatrehan'i Jesosy Tompontsika amin'ny fihaviany va?
20 Fa ianareo no
voninahitray sy fifalianay.
1 Ary amin'izany,
raha tsy naharitra intsony izahay, dia nataonay fa mety ny hilaozana hitoetra
irery tany Atena,
2 ka dia nirahinay
Timoty, rahalahinay sady mpanompon'Andriamanitra amin'ny filazantsaran'i
Kristy, mba hampahery sy hamporisika anareo amin'ny finoanareo,
3 mba tsy hisy ho
taitra amin'izao fahoriana izao; fa ny tenanareo mahalala fa ho amin'izao no
nanendrena antsika.
4 Fa fony teo
aminareo aza izahay, dia nilaza taminareo rahateo fa tsy maintsy hampahorina
isika, dia toy ny efa nanjo ihany ka fantatrareo.
5 Ary noho izany
izaho koa, raha tsy naharitra intsony, dia naniraka hahafantatra ny finoanareo,
fandrao sendra naka fanahy anareo ny mpaka-fanahy, ka ho foana ny nikelezanay
aina.
6 Fa raha vao tonga
atỳ aminay ankehitriny Timoty avy tatỳ aminareo ka nilaza teny
taminay ny amin'ny finoanareo sy ny fitiavanareo ary ny fahatsiarovana anareo tsara
anay mandrakariva, ka maniry hahita anay indrindra ianareo, tahaka anay
aminareo koa,-
7 noho izany, ry
rahalahy, dia nampionona anay teo amin'ny fahaterenay sy ny fahorianay rehetra
ny finoanareo;
8 fa ankehitriny
velona izahay, raha tomoetra tsara amin'ny Tompo ianareo.
9 Fa manao ahoana no
saotra azonay havaly an'Andriamanitra ny aminareo noho ny fifaliana rehetra
izay ifalianay noho ny aminareo eo anatrehan'Andriamanitray,
10 amin'ny
fangatahanay fatratra andro aman'alina hahita ny tavanareo sy hahatanteraka ny
tsy ampy amin'ny finoanareo?
11 Ary Andriamanitra
Raintsika anie sy Jesosy Tompontsika hanitsy ny lalanay ho atỳ
12 Ary ny Tompo anie
hampitombo sy hampandroso anareo amin'ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny
olona rehetra, dia tahaka anay aminareo koa,
13 mba hampiorina ny
fonareo tsy hanan-tsiny amin'ny fahamasinana eo anatrehan'Andriamanitra
Raintsika amin'ny fihavian'i Jesosy Tompontsika mbamin'ny masiny rehetra.
1 [Fananarana ny
Tesaloniana hitondra tena miendrika ny filazantsara] Ary farany, ry rahalahy,
mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin'i Jesosy Tompo izahay, mba ho
araka ny nandraisanareo taminay izay mety handehananareo sy hanaovanareo ny
sitrapon'Andriamanitra - dia araka ny andehananareo ihany - no hitomboanareo
bebe kokoa.
2 Fa fantatrareo ny
didy nomenay anareo avy tamin'i Jesosy Tompo.
3 Fa izao no
sitrapon'Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny
fijangajangana,
4 mba samy
hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin'ny fahamasinana
sy ny voninahitra,
5 tsy amin'ny filàna
fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an'Andriamanitra,
6 mba tsy hisy hanao
saina hifetsy ny rahalahiny amin'izany*; fa ny Tompo no mpamaly ny amin'izany
zavatra rehetra izany, toy ny nolazainay sy nambaranay taminareo rahateo. [*
Na: amin'ny raharaha]
7 Fa Andriamanitra
tsy niantso antsika ho amin'ny fahalotoana, fa amin'ny fahamasinana.
8 Koa izay mandà, dia
tsy olona no laviny, fa Andriamanitra, Izay manome anareo ny Fanahiny Masina.
9 Fa ny amin'ny
fifankatiavan'ny mpirahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria
ny tenanareo dia ampianarin'Andriamanitra hifankatia.
10 Fa manao izany
ihany ianareo amin'ny rahalahy rehetra eran'i Makedonia; nefa mananatra anareo
ihany izahay, ry rahalahy, mba hitombo bebe kokoa,
11 ary mba
hokendrenareo ny ho tafatoetra tsara sy hitandrina ny raharahanareo ary hiasa
amin'ny tananareo araka ny nandidianay anareo,
12 mba handehananareo
amin'izay fitondran-tena mahamendrika amin'ny eo ivelany, ary mba tsy
hanan-java-mahory ianareo.
13 [Ny hihavian'i
Kristy sy ny toetry ny Kristiana izay modi-mandry] Fa tsy tianay tsy ho
fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'izay modi-mandry, mba tsy hahalahelovanareo
tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana.
14 Fa raha inoantsika
fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no
hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy* hiaraka aminy.
[* Na: tamin'ny alalan'i Jesosy]
15 Fa izao no
lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra
mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory.
16 Fa ny tenan'ny
Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely
ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana
aloha;
17 ary rehefa afaka
izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny
amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny
Tompo mandrakariva isika.
18 Koa dia
mifampionòna ianareo amin'izany teny izany.
1 Fa ny amin'ny andro
sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo,
2 satria ianareo
mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny
Tompo.
3 Raha misy olona
manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana,
toy ny fahararian'ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy
izy.
4 Fa ianareo, ry
rahalahy, tsy ao amin'ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra
izany andro izany.
5 Fa ianareo rehetra
dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an'ny alina na an'ny maizina
isika.
6 Koa dia aza mba
matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina* ka hahonon-tena. [* Gr.
hiari-tory]
7 Fa izay matory dia
matory amin'ny alina; ary izay mamo dia mamo amin'ny alina.
8 Fa satria an'ny
andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho
fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.
9 Fa Andriamanitra
tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin'ny
alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika,
10 Izay maty hamonjy
antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory.
11 Koa mifananara sy
mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.
12 [Fananarana sy
fanaovam-beloma] Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay
mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin'ny Tompo ary mananatra anareo,
13 ary mba
hohajainareo indrindra amin'ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara.
14 Ary mananatra anareo
izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina;
ampaherezo ny reraka; mandefera amin'ny olona rehetra.
15 Tandremo mba tsy
hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny
namanareo na amin'ny olona rehetra.
16 Mifalia
mandrakariva.
17 Mivavaha, ka aza
mitsahatra.
18 Misaora amin'ny
zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho
anareo.
19 Aza mamono ny
Fanahy.
20 Aza manao
tsinontsinona ny faminaniana.
21 Fantaro ny zavatra
rehetra; hazòny mafy izay tsara.
22 Fadio ny
fanao ratsy rehetra.
23 Ary
Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka
harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka
tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika.
24 Mahatoky
Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.
25 Ry rahalahy,
mivavaha ho anay.
26 Manaova
veloma ny rahalahy rehetra amin'ny fanorohana masina.
27 Mampianiana
anareo amin'ny Tompo aho mba hovakina amin'ny rahalahy* rehetra ity epistily
ity. [* Na: (rahalahy masina)]
28 Ho aminareo
anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.