| Le TROISIÈME LIVRE de MOÏSE | |
| dit le | |
| LÉVITIQUE | Levitikosy |
| Chapitre 1 | Chapitre 1 |
| 1 Et l’Éternel appela Moïse, et lui parla, de la tente d’assignation, disant : | 1 [Ny fanatitra odorana] Ary Jehovah niantso an'i Mosesy ka niteny taminy tao amin'ny trano-lay fihaonana hoe: |
| 2 Parle aux fils d’Israël, et dis-leur : Quand un homme d’entre vous présentera une offrande* à l’Éternel, vous présenterez votre offrande de bétail, du gros ou du menu bétail. | 2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy aminareo manatitra biby fiompy ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia omby na ondry na osy no haterinareo ho fanatitrareo. |
| — v. 2 : dans tous ces passages : offrande ; hébreu : corban, dérivé du verbe traduit par : présenter. | |
| 3 Si son offrande est un holocauste de gros bétail, il la présentera, — un mâle sans défaut* ; il la présentera à l’entrée de la tente d’assignation, pour être agréé devant l’Éternel. | 3 Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah izy. |
| 4 Et il posera sa main sur la tête de l’holocauste, et il sera agréé pour lui, pour faire propitiation pour lui. | 4 Ary hametraka ny tànany eo amin'ny lohan'ny fanatitra dorana izy, dia hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanavotana ho azy. |
| 5 Et il égorgera le jeune taureau* devant l’Éternel ; et les fils d’Aaron, les sacrificateurs, présenteront le sang, et ils feront aspersion du sang tout autour sur l’autel qui est à l’entrée de la tente d’assignation ; | 5 Dia hamono ny zanak'omby eo anatrehan'i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, dia hanatitra ny rà ka hanopy azy manodidina amin'ny lafin'ny alitara, izay eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana; |
| 6 et il écorchera l’holocauste et le coupera en morceaux. | 6 ary hohodirany ny fanatitra dorana, dia horasainy tsara. |
| 7 Et les fils d’Aaron, le sacrificateur, mettront du feu sur l’autel, et arrangeront du bois sur le feu ; | 7 Ary ireo zanak'i Arona mpisorona dia hanisy afo eo ambonin'ny alitara ka handahatra kitay eo amin'ny afo. |
| 8 et les fils d’Aaron, les sacrificateurs, arrangeront les morceaux, la tête et la graisse, sur le bois qui est sur le feu qui est sur l’autel. | 8 Ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, dia handahatra ny voarasa mbamin'ny lohany sy ny saborany eo ambonin'ny kitay eo amin'ny afo izay eo ambonin'ny alitara; |
| 9 Et il lavera avec de l’eau l’intérieur et les jambes, et le sacrificateur fera fumer* le tout sur l’autel ; [c’est] un holocauste, un sacrifice par feu, une odeur agréable à l’Éternel. | 9 fa ny taovany, sy ny tongony kosa hosasany amin'ny rano; dia hodoran'ny mpisorona ho fofona izy rehetra eo ambonin'ny alitara; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah. |
| — v. 3 : hébreu : parfait ; ainsi partout. — v. 5 : ou : veau ; hébreu : le fils du gros bétail. — v. 9 : voir note à Ex. 29:13. | |
| 10 Et si son offrande pour l’holocauste est de menu bétail, d’entre les moutons ou d’entre les chèvres, il la présentera, — un mâle sans défaut ; | 10 Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema koa no hateriny. |
| 11 et il l’égorgera à côté de l’autel, vers le nord, devant l’Éternel ; et les fils d’Aaron, les sacrificateurs, feront aspersion du sang sur l’autel, tout autour ; | 11 Dia hamono azy eo avaratry ny alitara eo anatrehan'i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, dia hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara. |
| 12 et il le coupera en morceaux, avec sa tête et sa graisse, et le sacrificateur les arrangera sur le bois qui est sur le feu qui est sur l’autel ; | 12 Dia horasainy tsara izy mbamin'ny lohany sy ny saborany; ary halahatry ny mpisorona eo ambonin'ny kitay izy eo amin'ny afo izay eo ambonin'ny alitara; |
| 13 et il lavera avec de l’eau l’intérieur et les jambes ; et le sacrificateur présentera le tout et le fera fumer sur l’autel : c’est un holocauste, un sacrifice par feu, une odeur agréable à l’Éternel. | 13 fa ny taovany sy ny tongony kosa hosasany amin'ny rano; dia ho entin'ny mpisorona izy rehetra ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara; ho fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah. |
| 14 Et si son offrande à l’Éternel est un holocauste d’oiseaux, il présentera son offrande de tourterelles ou de jeunes pigeons*. | 14 Ary raha vorona no ateriny ho an'i Jehovah ho fanatitra dorana, dia domohina na zana-boromailala no hateriny ho fanatiny. |
| 15 Et le sacrificateur l’apportera* à l’autel, et lui détachera la tête avec l’ongle, et la fera fumer sur l’autel ; et il en épreindra le sang contre la paroi de l’autel ; | 15 Ary haterin'ny mpisorona ho eo amin'ny alitara izany, ka hotapahiny amin'ny hoho ny lohany, dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara, ary hofiazany eo amin'ny rindrin'ny alitara ny ràny; |
| 16 et il ôtera son gésier avec son ordure*, et les jettera à côté de l’autel, vers l’orient, au lieu où sont les cendres ; | 16 ary hesoriny ny takorobabony sy ny ao anatiny, ka hariany eo atsinanan'ny alitara, dia eo amin'ny fitoeran-davenona; |
| 17 et il fendra l’oiseau* entre les ailes, il ne le divisera pas ; et le sacrificateur le fera fumer sur l’autel, sur le bois qui est sur le feu : c’est un holocauste, un sacrifice par feu, une odeur agréable à l’Éternel. | 17 ary hosamahany amin'ny elany no fameraka azy, fa tsy hohenteriny; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara, ambonin'ny kitay izay eo amin'ny afo; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah. |
| — v. 14 : ou : colombes. — v. 15 : ailleurs : présenter. — v. 16 : quelques-uns : son jabot avec sa plume. — v. 17 : litt.: le fendra. | |
| * | * |
| Chapitre 2 | Chapitre 2 |
| 1 Et quand quelqu’un présentera en offrande* une offrande de gâteau à l’Éternel, son offrande sera de fleur de farine, et il versera de l’huile sur elle, et mettra de l’encens dessus ; | 1 [Ny fanatitra hohanina] Ary raha misy manatitra fanatitra hohanina ho an'i Jehovah, dia koba tsara toto no hataony fanatiny; ary hanidina diloilo aminy izy sy hanisy ditin-kazo mani-pofona eo amboniny. |
| 2 et il l’apportera aux fils d’Aaron, les sacrificateurs ; et le sacrificateur prendra une pleine poignée de la fleur de farine et de l’huile, avec tout l’encens, et il en fera fumer le mémorial sur l’autel : [c’est] un sacrifice par feu, une odeur agréable à l’Éternel ; | 2 Ary hitondra azy ho amin'ireo mpisorona, zanak'i Arona, izy, dia handraofan'ireo eran-tànan-ila ny kobany sy ny diloilony mbamin'ny ditin-kazo manipofona rehetra; ary hodoran'ny mpisorona ho fofona eo ambonin'ny alitara izany fanati-pahatsiarovana avy aminy izany; dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izany. |
| 3 et le reste de l’offrande de gâteau sera pour Aaron et pour ses fils : [c’est] une chose très-sainte entre les sacrifices de l’Éternel faits par feu. | 3 Ary ny sisa amin'ny fanatitra hohanina dia ho an'i Arona sy ny zanany; ho masina dia masina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany. |
| — v. 1 : hébreu : corban ; voir note à 1:2. | |
| 4 Et quand tu présenteras en offrande une offrande de gâteau cuit au four, ce sera de la fleur de farine, des gâteaux sans levain, pétris à l’huile, et des galettes sans levain ointes d’huile. | 4 Ary raha manatitra fanatitra hohanina voaendy amin'ny fanendasa-mofo ianao, dia aoka ho mofo tsy misy masirasira atao amin'ny koba tsara toto sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo. |
| 5 Et si ton offrande est une offrande de gâteau cuit sur la plaque, elle sera de fleur de farine pétrie à l’huile, sans levain. | 5 Ary raha fanatitra hohanina voaendy amin'ny lapoely no fanatitrao, dia aoka ho koba tsara toto voaharo diloilo sady tsy misy masirasira. |
| 6 Tu la briseras en morceaux, et tu verseras de l’huile dessus : c’est une offrande de gâteau. | 6 Hovakivakinao izy ary hanidinanao diloilo; dia fanatitra hohanina izany. |
| 7 Et si ton offrande est une offrande de gâteau cuit dans la poêle, elle sera faite de fleur de farine, avec de l’huile. | 7 Ary raha fanatitra hohanina voahandro amin'ny vilany no fanatitrao, dia koba tsara toto asian-diloilo no hatao. |
| 8 Et tu apporteras à l’Éternel l’offrande de gâteau qui est faite de ces choses, et on la présentera au sacrificateur, et il l’apportera à l’autel. | 8 Ary ho entinao ho an'i Jehovah ny fanatitra hohanina izay atao amin'ireo zavatra ireo; ary rehefa voatitra eo amin'ny mpisorona izany, dia ho entiny eo amin'ny alitara. |
| 9 Et le sacrificateur lèvera de l’offrande de gâteau son* mémorial, et le fera fumer sur l’autel : [c’est] un sacrifice par feu, une odeur agréable à l’Éternel. | 9 Ary ny mpisorona haka ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny fanatitra hohanina ka handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara; dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izany. |
| 10 Et le reste de l’offrande de gâteau sera pour Aaron et pour ses fils : [c’est] une chose très-sainte entre les sacrifices de l’Éternel faits par feu. | 10 Ary ny sisa amin'ny fanatitra hohanina dia ho an'i Arona sy ny zanany; ho masina dia masina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany. |
| — v. 9 : c. à d. de l’offrande | |
| 11 Aucune offrande de gâteau que vous présenterez à l’Éternel ne sera faite avec du levain ; car du levain et du miel, vous n’en ferez point fumer comme sacrifice par feu à l’Éternel. | 11 Ny fanatitra hohanina rehetra, izay aterinareo ho an'i Jehovah, dia aza asiana zava-maharikivy; fa ny masirasira sy ny tantely dia samy tsy hangalanareo hodorana ho fofona ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; |
| 12 Pour l’offrande* des prémices, vous les présenterez à l’Éternel ; mais ils ne seront point brûlés** sur l’autel en odeur agréable. | 12 fa ho fanatitra voaloham-bokatra ihany no hahazoanareo manatitra ireo ho an'i Jehovah; kanefa tsy hakarina eo ambonin'ny alitara ho hanitra ankasitrahana izany. |
| 13 Et toute offrande de ton offrande de gâteau, tu la saleras de sel, et tu ne laisseras point manquer sur ton offrande de gâteau le sel de l’alliance de ton Dieu ; sur toutes tes offrandes tu présenteras du sel. | 13 Ary samy asio sira ny fanatitra hohaninao rehetra; ary ny siran'ny faneken'Andriamanitrao dia aza atsahatra amin'ny fanatitra hohaninao; fa manatera sira miaraka amin'ny fanatitrao rehetra. |
| — v. 12* : hébreu : corban ; voir note à 1:2. — v. 12** : ou : offerts, comme 14:20. | |
| 14 Et si tu présentes à l’Éternel une offrande de gâteau des premiers fruits, tu présenteras, pour l’offrande de gâteau de tes premiers fruits, des épis nouveaux rôtis au feu, les grains broyés d’épis grenus ; | 14 Ary raha manatitra fanatitra hohanina ho an'i Jehovah avy amin'ny voaloham-bokatra ianao, dia salohim-bary voaendy amin'ny afo, dia lango avy amin'ny salohy maitso, no haterinao ho fanatitra hohanina avy amin'ny voaloham-bokatrao. |
| 15 et tu mettras de l’huile dessus, et tu placeras de l’encens dessus : c’est une offrande de gâteau*. | 15 Ary hasianao diloilo izy, sady hasianao ditin-kazo mani-pofona eo amboniny; dia fanatitra hohanina izany. |
| 16 Et le sacrificateur en fera fumer le mémorial, une portion de ses grains broyés et de son huile avec tout son encens : [c’est] un sacrifice par feu à l’Éternel. | 16 Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny langony sy avy amin'ny diloilony ary ny ditin-kazo mani-pofona rehetra; dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany. |
| — v. 15 : voir note à Ex. 29:41. | |
| * | * |
| Chapitre 3 | Chapitre 3 |
| 1 Et si son offrande* est un sacrifice de prospérités, si c’est du gros bétail qu’il présente, soit mâle, soit femelle, il le présentera sans défaut devant l’Éternel ; | 1 [Ny fanati-pihavanana] Ary raha fanati-pihavanana no fanatiny, ka ombilahy na ombivavy no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan'i Jehovah. |
| 2 et il posera sa main sur la tête de son offrande, et il l’égorgera à l’entrée de la tente d’assignation ; et les fils d’Aaron, les sacrificateurs, feront aspersion du sang sur l’autel, tout autour. | 2 Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana; ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara. |
| 3 Et il présentera, du sacrifice de prospérités, un sacrifice fait par feu à l’Éternel : la graisse qui couvre l’intérieur, et toute la graisse qui est sur l’intérieur, | 3 Dia hangalan'ny mpisorona ny fanati-pihavanana, ka hateriny ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy |
| 4 et les deux rognons, et la graisse qui est dessus, qui est sur les reins, et le réseau qui est sur le foie, qu’on ôtera jusque sur les rognons ; | 4 sy ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany. |
| 5 et les fils d’Aaron feront fumer cela sur l’autel, sur l’holocauste qui est sur le bois qui est sur le feu : [c’est] un sacrifice par feu, une odeur agréable à l’Éternel. | 5 Ary ireo zanak'i Arona dia handoro izany ho fofona eo ambonin'ny alitara miaraka amin'ny fanatitra dorana izay eo ambonin'ny kitay eo amin'ny afo; dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izany. |
| — v. 1 : hébreu : corban ; voir note à 1:2. | |
| 6 Et si son offrande pour le sacrifice de prospérités à l’Éternel est de menu bétail, mâle ou femelle, il le présentera sans défaut. | 6 Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah, dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy, no hateriny. |
| 7 Si c’est un agneau qu’il présente pour son offrande, il le présentera devant l’Éternel ; | 7 Raha zanak'ondry no hateriny ho fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan'i Jehovah izy. |
| 8 et il posera sa main sur la tête de son offrande, et il l’égorgera devant la tente d’assignation ; et les fils d’Aaron feront aspersion du sang sur l’autel, tout autour. | 8 Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak'i Arona hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara. |
| 9 Et il présentera, du sacrifice de prospérités, un sacrifice fait par feu à l’Éternel : sa graisse, la queue qu’on ôtera entière jusque contre l’échine, et la graisse qui couvre l’intérieur, et toute la graisse qui est sur l’intérieur, | 9 Ary hangalan'ireo ny fanati-pihavanana ka hateriny ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny hofany manontolo (faranana hatreo amin'ny faran'ny taolan-damosina no fanaisony izany) sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy |
| 10 et les deux rognons, et la graisse qui est dessus, qui est sur les reins, et le réseau qui est sur le foie, qu’on ôtera jusque sur les rognons ; | 10 ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany. |
| 11 et le sacrificateur fera fumer cela sur l’autel : [c’est] un pain de sacrifice par feu à l’Éternel. | 11 Ary ny mpisorona dia handoro izany ho fofona eo ambonin'ny alitara; hanina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany. |
| 12 Et si son offrande est une chèvre, il la présentera devant l’Éternel ; | 12 Ary raha osy no fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan'i Jehovah izy. |
| 13 et il posera sa main sur sa tête, et il l’égorgera devant la tente d’assignation ; et les fils d’Aaron feront aspersion du sang sur l’autel, tout autour ; | 13 Ary hametraka ny tànany amin'ny lohany izy, dia hamono azy eo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak'i Arona dia hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara. |
| 14 et il en présentera son offrande, un sacrifice par feu à l’Éternel : la graisse qui couvre l’intérieur, et toute la graisse qui est sur l’intérieur, | 14 Ary avy aminy no hanaterany ny fanatiny atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy |
| 15 et les deux rognons, et la graisse qui est dessus, qui est sur les reins, et le réseau qui est sur le foie, qu’on ôtera jusque sur les rognons ; | 15 ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany. |
| 16 et le sacrificateur les fera fumer sur l’autel : [c’est] un pain de sacrifice par feu, en odeur agréable. Toute graisse appartient à l’Éternel. | 16 Ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara; hanina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana izany; an'i Jehovah ny sabora rehetra. |
| 17 [C’est] un statut perpétuel, en vos générations, dans toutes vos habitations : vous ne mangerez aucune graisse ni aucun sang. | 17 Izao no ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby eny amin'izay rehetra itoeranareo: tsy hihinana sabora na rà akory ianareo. |
| * | * |
| Chapitre 4 | Chapitre 4 |
| 1 Et l’Éternel parla à Moïse, disant : Parle aux fils d’Israël, en disant : | 1 [Ny fanatitra noho ny ota] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: |
| 2 Si quelqu’un* a péché par erreur contre quelqu’un des commandements de l’Éternel dans les choses qui ne doivent pas se faire, et a commis quelqu’une de ces choses : | 2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy olona manota tsy nahy ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin'ireny: |
| 3 si c’est le sacrificateur oint qui a péché selon quelque faute du peuple, alors il présentera à l’Éternel, pour son péché qu’il aura commis, un jeune taureau* sans défaut, en sacrifice pour le péché. | 3 raha ny mpisorona voahosotra no manota ka mahameloka ny olona, dia aoka hanatitra vantotr'ombilahy tsy misy kilema izy noho ny fahotany izay nataony, dia fanatitra noho ny ota ho an'i Jehovah. |
| 4 Et il amènera le taureau à l’entrée de la tente d’assignation, devant l’Éternel ; et il posera sa main sur la tête du taureau, et égorgera le taureau devant l’Éternel ; | 4 Ary hitondra ny vantotr'ombilahy ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy ho eo anatrehan'i Jehovah; ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy izy ka hamono azy eo anatrehan'i Jehovah. |
| 5 et le sacrificateur oint prendra du sang du taureau, et il l’apportera dans la tente d’assignation ; | 5 Ary hangalan'ny mpisorona voahosotra ny ran'ny vantotr'ombilahy ka ho entiny ho ao amin'ny trano-lay fihaonana; |
| 6 et le sacrificateur trempera son doigt dans le sang, et fera aspersion du sang sept fois, devant l’Éternel, par devant le voile du lieu saint ; | 6 ary ny mpisorona hanoboka ny fanondrony eo amin'ny rà, ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny efitra lamba ao amin'ny fitoerana masina; |
| 7 et le sacrificateur mettra du sang sur les cornes de l’autel de l’encens des drogues odoriférantes qui est dans la tente d’assignation, devant l’Éternel ; et il versera tout le sang du taureau au pied de l’autel de l’holocauste qui est à l’entrée de la tente d’assignation. | 7 ary hotentenan'ny mpisorona rà ny tandroky ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Jehovah, izay ao amin'ny trano-lay fihaonana; ary ny rà sisa rehetra avy amin'ny vantotr'ombilahy dia haidiny eo am-bodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana. |
| 8 Et toute la graisse du taureau du sacrifice pour le péché, il la lèvera : la graisse qui couvre l’intérieur, et toute la graisse qui est sur l’intérieur, | 8 Ary halainy avokoa ny saborany rehetra amin'ny vantotr'ombilahy izay atao fanatitra noho ny ota, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy, |
| 9 et les deux rognons, et la graisse qui est dessus, qui est sur les reins, et le réseau qui est sur le foie, qu’on ôtera jusque sur les rognons, | 9 ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe;'hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany, |
| 10 comme on les lève du bœuf* du sacrifice de prospérités : et le sacrificateur les fera fumer sur l’autel de l’holocauste. | 10 tahaka ny fanalana azy amin'ny omby izay atao fanati-pihavanana; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana. |
| 11 Et la peau du taureau et toute sa chair, avec sa tête, et ses jambes, et son intérieur, et sa fiente, | 11 Fa ny hoditry ny vantotr'ombilahy sy ny henany rehetra mbamin'ny lohany sy ny tongony ary ny taovany sy ny tain-drorohany, |
| 12 tout le taureau, il* l’emportera hors du camp, dans un lieu net, là où l’on verse les cendres, et il* le brûlera sur du bois, au feu ; il sera brûlé au lieu où l’on verse les cendres. | 12 dia ny tenan'ny vantotr'ombilahy rehetra, no havoakany avokoa ho eny ivelan'ny toby ho amin'izay fitoerana madio fanariana ny lavenona; ary handoro azy eo ambonin'ny kitay amin'ny afo izy; eo amin'ny fanariana ny lavenona no handoroana azy. |
| — v. 2 : litt.: une âme. — v. 3 : ici et ailleurs, litt.: un jeune taureau, fils du gros bétail. — v. 10 : bête du gros bétail, mâle ou femelle. — v. 12 : ou : on. | |
| 13 Et si toute l’assemblée d’Israël a péché par erreur et que la chose soit restée cachée aux yeux de la congrégation, et qu’ils aient fait, à l’égard de l’un de tous les commandements de l’Éternel, ce qui ne doit pas se faire, et se soient rendus coupables, | 13 Ary raha ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, kosa no manota tsy nahy, fa misy tsy hitan'ny mason'ny fiangonana, ary mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao izy ka meloka, |
| 14 et que le péché qu’ils ont commis contre le [commandement] vienne à être connu, alors la congrégation présentera un jeune taureau en sacrifice pour le péché, et on l’amènera devant la tente d’assignation ; | 14 rehefa fantatra ny ota izay nataony, dia hanatitra vantotr'ombilahy ny fiangonana ho fanatitra noho ny ota ka hitondra azy ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana. |
| 15 et les anciens de l’assemblée poseront leurs mains sur la tête du taureau, devant l’Éternel ; et on égorgera le taureau devant l’Éternel. | 15 Ary ny loholon'ny fiangonana hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy eo anatrehan'i Jehovah; ary ny vantotr'ombilahy dia hovonoina eo anatrehan'i Jehovah. |
| 16 Et le sacrificateur oint apportera du sang du taureau dans la tente d’assignation ; | 16 Ary hangalan'ny mpisorona voahosotra ny ran'ny vantotr'ombilahy ka ho entiny ho ao amin'ny trano-lay fihaonana, |
| 17 et le sacrificateur trempera son doigt dans ce sang, et en fera aspersion, sept fois, devant l’Éternel, par devant le voile ; | 17 ary ny mpisorona hanoboka ny fanondrony amin'ny rà, ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah, dia eo anoloan'ny efitra lamba. |
| 18 et il mettra du sang sur les cornes de l’autel qui est devant l’Éternel, dans la tente d’assignation ; et il versera tout le sang au pied de l’autel de l’holocauste qui est à l’entrée de la tente d’assignation. | 18 Ary hangalany koa ny rà ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara izay eo anatrehan'i Jehovah, dia ilay ao anatin'ny trano-lay fihaonana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo ambodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo am-baravaran'ny trano-lay fihaonana. |
| 19 Et il lèvera toute la graisse, et la fera fumer sur l’autel : | 19 Dia hanaisotra ny saborany rehetra izy ka handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara. |
| 20 il fera du taureau comme il a fait du taureau pour le péché ; il fera ainsi de lui. Et le sacrificateur fera propitiation pour eux, et il leur sera pardonné. | 20 Ary ny vantotr'ombilahy dia hataony tahaka ny efa nataony tamin'ny vantotr'ombilahy izay natao fanatitra noho ny ota, toy izany no hanaovany azy; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an'ny olona, dia havela ny helony. |
| 21 Et on emportera le taureau hors du camp, et on le brûlera comme on a brûlé le premier taureau : c’est un sacrifice pour le péché pour la congrégation. | 21 Ary ny vantotr'ombilahy dia havoakany ho eny ivelan'ny toby ka hodorany tahaka ny efa nandoroany ny vantotr'ombilahy voalohany; dia fanatitra noho ny ota ho an'ny fiangonana izany. |
| 22 Si un chef a péché, et a fait par erreur, à l’égard de l’un de tous les commandements de l’Éternel, son Dieu, ce qui ne doit pas se faire, et s’est rendu coupable, | 22 Ary raha misy mpanapaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah Andriamaniny amin'izay tsy tokony hatao ka meloka, |
| 23 si on lui a fait connaître son péché qu’il a commis, alors il amènera pour son offrande* un bouc, un mâle sans défaut ; | 23 ary misy mampahafantatra azy ny fahotany izay nataony, dia hitondra osilahy tsy misy kilema ho fanatiny izy; |
| 24 et il posera sa main sur la tête du bouc, et il l’égorgera au lieu où l’on égorge l’holocauste devant l’Éternel : c’est un sacrifice pour le péché. | 24 ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny osilahy izy, dia hamono azy eo amin'ny famenoana ny fanatitra dorana eo anatrehan'i Jehovah; dia fanatitra noho ny ota izany. |
| 25 Et le sacrificateur prendra avec son doigt du sang du sacrifice pour le péché, et le mettra sur les cornes de l’autel de l’holocauste, et il versera le sang au pied de l’autel de l’holocauste ; | 25 Ary hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa dia haidiny eo am-bodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana; |
| 26 et il fera fumer toute la graisse sur l’autel, comme la graisse du sacrifice de prospérités ; et le sacrificateur fera propitiation pour lui [pour le purifier] de son péché, et il lui sera pardonné. | 26 ary ny saborany rehetra dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara, tahaka ny saboran'ny fanati-pihavanana ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany, dia havela ny helony. |
| — v. 23 : hébreu : corban ; voir note à 1:2. | |
| 27 Et si quelqu’un du peuple du pays a péché par erreur, en faisant à l’égard de l’un des commandements de l’Éternel, ce qui ne doit pas se faire, et s’est rendu coupable, | 27 Ary raha misy amin'ny vahoaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao ka meloka, |
| 28 si on lui a fait connaître son péché qu’il a commis, alors il amènera son offrande*, une chèvre, une femelle sans défaut, pour son péché qu’il a commis ; | 28 ary misy mampahafantatra azy ny fahotany izay nataony, dia hitondra osivavy tsy misy kilema ho fanatiny izy noho'ny fahotany izay nataony. |
| 29 et il posera sa main sur la tête du sacrifice pour le péché, et égorgera le sacrifice pour le péché au lieu où [l’on égorge] l’holocauste. | 29 Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy eo amin'ny fitoeran'ny fanatitra dorana. |
| 30 Et le sacrificateur prendra du sang de la [chèvre] avec son doigt, et le mettra sur les cornes de l’autel de l’holocauste, et il versera tout le sang au pied de l’autel. | 30 Ary hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny rà ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin'ny alitara. |
| 31 Et il ôtera toute la graisse, comme la graisse a été ôtée de dessus le sacrifice de prospérités ; et le sacrificateur la fera fumer sur l’autel, en odeur agréable à l’Éternel ; et le sacrificateur fera propitiation pour lui, et il lui sera pardonné. | 31 Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran'ny fanati-pihavanana; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy, dia havela ny helony. |
| 32 Et s’il amène un agneau pour son offrande* de sacrifice pour le péché, ce sera une femelle sans défaut qu’il amènera ; | 32 Ary raha zanak'ondry no entiny ho fanatitra noho ny ota, dia ny vavy tsy misy kilema no ho entiny; |
| 33 et il posera sa main sur la tête du sacrifice pour le péché, et l’égorgera en sacrifice pour le péché au lieu où l’on égorge l’holocauste. | 33 ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy ho fanatitra noho ny ota eo amin'ny famonoana ny fanatitra dorana. |
| 34 Et le sacrificateur prendra, avec son doigt, du sang du sacrifice pour le péché et le mettra sur les cornes de l’autel de l’holocauste, et il versera tout le sang au pied de l’autel. | 34 Ary hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin'ny alitara. |
| 35 Et il ôtera toute la graisse, comme la graisse de l’agneau a été ôtée du sacrifice de prospérités ; et le sacrificateur la fera fumer sur l’autel, sur les sacrifices de l’Éternel faits par feu ; et le sacrificateur fera propitiation pour lui pour son péché qu’il a commis ; et il lui sera pardonné. | 35 Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran'ny zanak'ondry izay natao fanati-pihavanana, ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara, ambonin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony. |
| — v. 28, 32 : hébreu : corban ; voir note à 1:2. | |
| * | * |
| Chapitre 5 | Chapitre 5 |
| 1 Et si quelqu’un a péché en ce que, étant témoin et ayant entendu la voix d’adjuration, ayant vu ou su, il ne déclare pas [la chose], alors il portera son iniquité ; | 1 Ary raha misy manota, satria mandre ny feon'ny fampianianana, sady vavolombelona nahita na nahalala, nefa tsy manambara izy, ka mahameloka azy izany, |
| 2 — ou si quelqu’un a touché une chose impure quelconque, soit le corps mort d’une bête sauvage impure, ou le corps mort d’une bête domestique impure, ou le corps mort d’un reptile impur et que cela lui soit resté caché, alors il est impur et coupable ; | 2 na misy mikasika izay zavatra tsy madio, na ny fatin'ny bibi-dia tsy madio, na ny fatin'ny biby fiompy izay tsy madio, na ny fatin'ny biby mandady na mikisaka izay tsy madio, nefa tsy hitany izany, ka mahaloto sy mahameloka azy izany, |
| 3 — ou s’il a touché l’impureté de l’homme, quelle que soit son impureté par laquelle il se rend impur, et que cela lui soit resté caché, quand il le sait, alors il est coupable ; | 3 na misy mikasika ny fahalotoan'olona, dia izay fahalotoany rehetra na inona na inona, nefa tsy hitany izany, rehefa fantany izany, ka mahameloka azy, |
| 4 — ou si quelqu’un, parlant légèrement de ses lèvres, a juré de faire du mal ou du bien, selon tout ce que l’homme profère légèrement en jurant, et que cela lui soit resté caché, quand il le sait, alors il est coupable en l’un de ces points-là. | 4 na misy mianiana ka miteniteny foana amin'ny molotra hanao ratsy na hanao soa, na inona na inona tenitenenin'ny olona foana ka asiany fianianana, nefa tsy hitany izany, rehefa fantany, ka meloka amin'ny anankiray amin'ireo izy: |
| 5 Et il arrivera, s’il est coupable en l’un de ces points-là, qu’il confessera ce en quoi il aura péché ; | 5 koa raha meloka amin'ny anankiray amin'ireo izy, dia hiaiky izay zavatra nanotany, |
| 6 et il amènera à l’Éternel son sacrifice pour le délit*, pour son péché qu’il a commis, une femelle du menu bétail, soit brebis, soit chèvre, en sacrifice pour le péché ; et le sacrificateur fera propitiation pour lui [pour le purifier] de son péché. | 6 ary hitondra ny saziny ho an'i Jehovah noho ny fahotany izay nataony izy, dia ondrivavy na osivavy, nefa izay vantony, ho fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany. |
| — v. 6 : le mot hébreu est dérivé d’un verbe traduit par : être coupable, verset 2, et ailleurs. | |
| 7 Et si ses moyens ne peuvent atteindre à un agneau*, il apportera à l’Éternel, pour son délit qu’il a commis, deux tourterelles ou deux jeunes pigeons, l’un pour le sacrifice pour le péché, et l’autre pour l’holocauste. | 7 Ary raha tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho an'i Jehovah izy ho saziny noho ny nanotany; ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana. |
| 8 Et il les apportera au sacrificateur, et le sacrificateur* présentera celui qui est pour le sacrifice pour le péché, premièrement, et lui détachera la tête avec l’ongle près du cou, mais il ne le divisera pas ; | 8 Dia hitondra ireo ho eo amin'ny mpisorona izy, ary ny mpisorona kosa hanatitra ny iray aloha ho fanatitra noho ny ota, ka hotapahiny amin'ny hoho ny lohany ho afaka amin'ny vozony, fa tsy hohenteriny izy. |
| 9 et il fera aspersion du sang du sacrifice pour le péché sur la paroi de l’autel, et le reste du sang, il l’épreindra au pied de l’autel : c’est un sacrifice pour le péché. | 9 Ary hamafazany eo amin'ny rindrin'ny alitara ny ran'ny fanatitra noho ny ota; ary ny rà sisa hofiazany eo ambodin'ny alitara; dia fanatitra noho ny ota izany. |
| 10 Et du second, il en fera un holocauste selon l’ordonnance. Et le sacrificateur fera propitiation pour lui [pour le purifier] de son péché qu’il a commis, et il lui sera pardonné. | 10 Ary ny iray kosa dia hataony fanatitra dorana, araka ny fanao; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony. |
| — v. 7 : ou : chevreau. — v. 8 : litt.: il. | |
| 11 Et si ses moyens ne peuvent atteindre à deux tourterelles ou à deux jeunes pigeons, alors celui qui a péché apportera pour son offrande* la dixième partie d’un épha de fleur de farine en sacrifice pour le péché ; il ne mettra pas d’huile dessus, et il ne mettra pas d’encens dessus ; car c’est un sacrifice pour le péché. | 11 Fa raha tsy tratry ny ananany koa ny domohina roa na ny zana-boromailala roa, dia hitondra ny fanatiny noho ny fahotany izy, dia koba tsara toto ampahafolon'ny efaha ho fanatitra noho ny ota; tsy hasiany diloilo izany, ary tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, fa fanatitra noho ny ota izany. |
| 12 Et il l’apportera au sacrificateur, et le sacrificateur en prendra une pleine poignée pour mémorial, et la fera fumer sur l’autel sur les sacrifices faits par feu à l’Éternel : c’est un sacrifice pour le péché. | 12 Dia hitondra azy ho eo amin'ny mpisorona izy, ary handraofan'ny mpisorona eran-tànan-ila ho fanati-pahatsiarovana avy aminy ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara miaraka amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; dia fanatitra noho ny ota izany. |
| 13 Et le sacrificateur fera propitiation pour lui, pour son péché qu’il a commis en l’une de ces choses-là, et il lui sera pardonné ; et le [reste] sera pour le sacrificateur, comme l’offrande de gâteau. | 13 Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony tamin'ny anankiray amin'ireo, dia havela ny helony; ary ho an'ny mpisorona ny sisa, toy ny fanatitra hohanina. |
| — v. 11 : hébreu : corban ; voir note à 1:2. | |
| 14 Et l’Éternel parla à Moïse, disant : | 14 [Ny fanati-panonerana] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: |
| 15 Si quelqu’un a commis une infidélité et a péché par erreur dans les choses saintes de l’Éternel, il amènera son sacrifice pour le délit à l’Éternel, un bélier sans défaut, pris du menu bétail, selon ton estimation en sicles d’argent, selon le sicle du sanctuaire, en sacrifice pour le délit. | 15 Raha misy olona manao izay mahadiso ka manota tsy nahy ny amin'ny zava-masin'i Jehovah, dia hitondra ny fanati-panonerany ho an'i Jehovah izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, koa sekely volafotsy no anombananao azy, araka ny sekely masina, ho fanati-panonerana. |
| 16 Et ce en quoi il a péché [en prenant] de la chose sainte, il le restituera, et y ajoutera par-dessus un cinquième, et le donnera au sacrificateur ; et le sacrificateur fera propitiation pour lui avec le bélier du sacrifice pour le délit ; et il lui sera pardonné. | 16 Ary izay efa nanotany ny amin'ny zava-masina dia honerany, ary hampiany ho tonga avy fahenina ka hatolony amin'ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin'ny ondrilahy atao fanati-panonerana, dia havela ny helony. |
| 17 Et si quelqu’un a péché, et a fait, à l’égard de l’un de tous les commandements de l’Éternel, ce qui ne doit pas se faire, et ne l’a pas su, il sera coupable, et portera son iniquité. | 17 Ary raha misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah, nefa tsy fantany izany, ka mahameloka azy, ary mitondra ny helony izy, |
| 18 Et il amènera au sacrificateur un bélier sans défaut, pris du menu bétail, selon ton estimation, en sacrifice pour le délit* ; et le sacrificateur fera propitiation pour lui, pour son erreur qu’il a commise sans le savoir ; et il lui sera pardonné. | 18 dia hitondra ondrilahy tsy misy kilema izy, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin'ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny ota tsy nahy izay nahadiso azy, nefa tsy fantany, dia havela ny helony; |
| 19 C’est un sacrifice pour le délit ; certainement il s’est rendu coupable envers l’Éternel. | 19 dia fanati-panonerana izany, fa efa meloka tamin'i Jehovah tokoa izy. |
| — v. 18 : ou : selon ton estimation du délit. | |
| 20 Et l’Éternel parla à Moïse, disant : | 20 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: |
| 21 Si quelqu’un a péché, et a commis une infidélité envers l’Éternel, et a menti à son prochain pour une chose qu’on lui a confiée, ou qu’on a déposée entre ses mains, ou qu’il a volée, ou extorquée à son prochain ; | 21 Raha misy olona manota, satria manao izay mahadiso amin'i Jehovah, fa mandainga amin'ny namany ny amin'izay nampitehirizina azy, na amin'ny zavatra notanany ho tsatòka, na amin'izay nalainy an-keriny, na ota nampahory ny namany, |
| 22 ou s’il a trouvé une chose perdue, et qu’il mente à ce sujet, et qu’il jure en mentant à l’égard de l’une de toutes les choses qu’un homme fait de manière à pécher en les faisant* ; | 22 na nahita izay zavatra very ka mandainga amin'izany sady mianian-tsy tò ny amin'izay mety ho fahotan'ny olona, |
| 23 alors, s’il a péché et qu’il soit coupable, il arrivera qu’il rendra l’objet qu’il a volé, ou la chose qu’il a extorquée, ou le dépôt qui lui a été confié, ou la chose perdue qu’il a trouvée, | 23 satria nanota izy ka meloka, dia hanonitra izay nalainy an-keriny, na izay tamin'ny fampahoriana, na izay nampitehirizina azy, na izay zavatra very hitany, |
| 24 ou tout ce à l’égard de quoi il a juré en mentant ; et il restituera le principal, et ajoutera un cinquième par-dessus ; il le donnera à celui à qui cela appartient, le jour de son sacrifice pour le délit. | 24 na izay rehetra nianianany tsy tò; dia hanonitra toraka izany izy sady hanampy azy koa ho tonga avy fahenina, ka homeny ilay tompon-javatra amin'ny andro anaterany ny fanati-panonerany izany. |
| 25 Et il amènera, pour l’Éternel, au sacrificateur, son sacrifice pour le délit, un bélier sans défaut, pris du menu bétail, selon ton estimation, en sacrifice pour le délit. | 25 Ary ny fanati-panonerana ho entiny ho an'i Jehovah dia ondrilahy tsy misy kilema, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin'ny mpisorona. |
| 26 Et le sacrificateur fera propitiation pour lui devant l’Éternel ; et il lui sera pardonné, quelle que soit la faute qu’il ait faite en laquelle il s’est rendu coupable. | 26 Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah, dia havela ny helony na inona na inona no fahadisoana nataony. |
| — v. 22 : litt.: par elles. | |
| * | * |
| Chapitre 6 | Chapitre 6 |
| 1 Et l’Éternel parla à Moïse, disant : | 1 [Lalàna ho an'ny mpisorona ny amin'ny fanaterany ny fanatitra samy hafa, sy ny hizarazarana azy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: |
| 2 Commande à Aaron et à ses fils, en disant : C’est ici la loi de l’holocauste. C’est l’holocauste : il sera sur le foyer sur* l’autel toute la nuit jusqu’au matin ; et le feu de l’autel brûlera sur lui. | 2 Mandidia an'i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no lalàna ny amin'ny fanatitra dorana: Ny fanatitra dorana dia ho eo amin'ny fatana eo an-tampon'ny alitara mandritra ny alina mandra-pahamaraina, ary ny afon'ny alitara hirehitra eo. |
| 3 Et le sacrificateur revêtira sa tunique de lin, et mettra sur sa chair ses caleçons de lin, et il lèvera la cendre* de l’holocauste que le feu a consumé sur l’autel, et la mettra à côté de l’autel ; | 3 Any hiakanjoan'ny mpisorona ny akanjony rongony fotsy, ary ny kalisaoniny rongony fotsy dia hataony manolo-koditra, dia handraoka ny lavenona avy amin'ny fanatitra dorana izay nolevonin'ny afo teo ambonin'ny alitara izy ka hametraka azy eo anilan'ny alitara. |
| 4 et il ôtera ses vêtements, et revêtira d’autres vêtements, et il emportera la cendre hors du camp en un lieu pur. | 4 Ary hanala ny fitafiany izy ka hitafy fitafiana hafa, dia hamoaka ny lavenona ho eny ivelan'ny toby amin'izay fitoerana madio. |
| 5 Et le feu qui est sur l’autel y brûlera ; on ne le laissera pas s’éteindre. Et le sacrificateur allumera du bois sur ce [feu] chaque matin, et y arrangera l’holocauste, et y fera fumer les graisses des sacrifices de prospérités. | 5 Ary ny afo eo ambonin'ny alitara hirehitra eo ka tsy havela ho faty, fa hotohofan'ny mpisorona kitay hazo isa-maraina; ary ny fanatitra dorana halahany eo amboniny ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny saboran'ny fanati-pihavanana. |
| 6 Le feu brûlera continuellement sur l’autel, on ne le laissera pas s’éteindre. | 6 Dia hisy afo mirehitra mandrakariva eo ambonin'ny alitara ka tsy havela ho faty. |
| — v. 2 : C’est l’holocauste parce qu’il brûlera sur. — v. 3 : cendre qui contient des chairs brûlées, et non de la cendre ordinaire. | |
| 7 Et c’est ici la loi de l’offrande de gâteau : [l’un] des fils d’Aaron la présentera devant l’Éternel, devant l’autel. | 7 Ary izao no lalàna ny amin'ny fanatitra hohanina: Ireo zanak'i Arona no hanatitra azy eo anatrehan'i Jehovah eo anoloan'ny alitara. |
| 8 Et il lèvera une poignée de la fleur de farine du gâteau et de son huile, et tout l’encens qui est sur le gâteau, et il fera fumer cela sur l’autel, une odeur agréable, son* mémorial à l’Éternel. | 8 Ary hangalany eran-tànan-ila ny koba tsara toto amin'ny fanatitra hohanina sy ny diloilony mbamin'ny ditin-kazo manipofona rehetra izay eo ambonin'ny fanatitra hohanina, dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah. |
| 9 Et ce qui en restera, Aaron et ses fils le mangeront ; on le mangera sans levain, dans un lieu saint ; ils le mangeront dans le parvis de la tente d’assignation. | 9 Ary izay sisa amin'ireny dia hohanin'i Arona sy ireo zanany, koa hataony mofo tsy misy masirasira, ary eo amin'izay fitoerana masina anankiray no hihinanany azy, dia eo anatin'ny kianjan'ny trano-lay fihaonana. |
| 10 On ne le cuira pas avec du levain. C’est leur portion, que je leur ai donnée de mes sacrifices faits par feu. C’est une chose très-sainte, comme le sacrifice pour le péché et comme le sacrifice pour le délit. | 10 Tsy hasiana masirasira izany raha hendasina; fa efa nomeko ho anjarany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho Ahy izany; masina dia masina izany tahaka ny fanatitra noho ny ota sy tahaka ny fanati-panonerana. |
| 11 Tout mâle d’entre les enfants* d’Aaron en mangera ; [c’est] un statut perpétuel en vos générations, [leur part] des sacrifices faits par feu à l’Éternel : quiconque** les touchera sera saint. | 11 Ny lehilahy rehetra amin'ny zanak'i Arona no mahazo mihinana izany. Ho anjara mandrakizay ho an'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany; ho masina izay rehetra manendry izany. |
| — v. 8 : c. à d. de l’offrande. — v. 11* : ordinairement : fils. — v. 11** : ou : tout ce qui ; ici, et verset 20. | |
| 12 Et l’Éternel parla à Moïse, disant : | 12 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: |
| 13 C’est ici l’offrande* d’Aaron et de ses fils, qu’ils présenteront à l’Éternel, le jour de son onction : un dixième d’épha de fleur de farine, en offrande de gâteau continuelle, une moitié le matin et une moitié le soir. | 13 Izao no fanatitr'i Arona sy ireo zanany, izay hateriny ho an'i Jehovah amin'izay andro anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon'ny efaha no hatao fanatitra hohanina isan'andro, ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva. |
| 14 Elle* sera apprêtée sur une plaque avec de l’huile ; tu l’apporteras mêlée [avec de l’huile] ; tu présenteras les morceaux cuits du gâteau en odeur agréable à l’Éternel. | 14 Amin'ny lapoely no hanaovana azy ka hasiana diloilo; ary rehefa voaendy izy, dia ento; voaendy sady voavakivaky toy ny fanatitra hohanina no hanateranao azy ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah. |
| 15 Et le sacrificateur d’entre ses fils qui sera oint à sa place, fera cela ; [c’est] un statut perpétuel : on le fera fumer tout entier à l’Éternel. | 15 Ary ilay mpisorona avy amin'ny zanany, izay voahosotra handimby azy, no hanao izany; anjara mandrakizay ho an'i Jehovah izany ka hodorana ho fofona avokoa; |
| 16 Et tout gâteau de sacrificateur sera [brûlé] tout entier ; il ne sera pas mangé. | 16 fa ny fanatitra hohanina rehetra izay aterin'ny mpisorona dia hodorana avokoa, fa tsy hohanina. |
| — v. 13 : hébreu : corban (note à 1:2). — v. 14 : c. à d. : l’offrande. | |
| 17 Et l’Éternel parla à Moïse, disant : | 17 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: |
| 18 Parle à Aaron et à ses fils, en disant : C’est ici la loi du sacrifice pour le péché : au lieu où l’holocauste sera égorgé, le sacrifice pour le péché sera égorgé devant l’Éternel : c’est une chose très-sainte. | 18 Mitenena amin'i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no Lalàna ny amin'ny fanatitra noho ny ota: Eo amin'ny famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanatitra noho ny ota eo anatrehan'i Jehovah; ho masina dia masina izany. |
| 19 Le sacrificateur qui l’offre pour le péché le mangera ; on le mangera dans un lieu saint, dans le parvis de la tente d’assignation. | 19 ilay mpisorona manatitra azy noho ny ota no hihinana azy; eo amin'izay fitoerana masina no hihinanany azy, dia eo amin'ny kianjan'ny trano-lay fihaonana. |
| 20 Quiconque* en touchera la chair sera saint ; et s’il en rejaillit du sang sur un vêtement, ce sur quoi le sang aura rejailli, tu le laveras dans un lieu saint ; | 20 Ho masina izay rehetra manendry ny henany; ary raha misy fitafiana ipitihan'ny ràny, dia hosasanao eo amin'izay fitoerana masina izay ipitihany. |
| 21 et le vase de terre dans lequel il a été cuit sera cassé ; et s’il a été cuit dans un vase d’airain, il sera écuré et lavé dans l’eau. | 21 Ary ny vilany tany izay nandrahoana azy dia hovakivakina; fa raha vilany varahina kosa no nandrahoana azy, dia hofotsiana sy hosasan-drano izany. |
| 22 Tout mâle d’entre les sacrificateurs en mangera : c’est une chose très-sainte. | 22 Ny lehilahy rehetra amin'ny mpisorona no mahazo mihinana azy; masina dia masina izany. |
| 23 Nul sacrifice pour le péché dont le sang sera porté dans la tente d’assignation pour faire propitiation dans le lieu saint, ne sera mangé ; il sera brûlé au feu. | 23 Fa ny fanatitra noho ny ota izay angalan-drà ho entina ao amin'ny trano-lay fihaonana, hanaovana fanavotana ao amin'ny fitoerana masina, dia tsy hohanina; hodorana amin'ny afo izany. |
| — v. 20 : ou : tout ce qui. | |
| Chapitre 7 | Chapitre 7 |
| 1 Et c’est ici la loi du sacrifice pour le délit ; c’est une chose très-sainte. | 1 Ary izao no lalàna ny amin'ny fanati-panonerana: masina dia masina izany. |
| 2 Au lieu où l’on égorge l’holocauste, on égorgera le sacrifice pour le délit, et on fera aspersion de son sang sur l’autel, tout autour. | 2 Eo amin'izay famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanati-panonerana; ary ny rà dia hatopiny manodidina amin'ny lafin'ny alitara. |
| 3 Et on en présentera toute la graisse, la queue, et la graisse qui couvre l’intérieur, | 3 Ary dia hateriny avokoa ny hofany sy ny saborany rehetra, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy |
| 4 et les deux rognons et la graisse qui est dessus, qui est sur les reins, et le réseau qui est sur le foie, qu’on ôtera jusque sur les rognons. | 4 ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hatao indray manala amin'ny voany no fanaisony izany. |
| 5 Et le sacrificateur les fera fumer sur l’autel, comme sacrifice par feu à l’Éternel : c’est un sacrifice pour le délit. | 5 Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona eo ambonin'ny alitara ireo ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; dia fanati-panonerana izany. |
| 6 Tout mâle d’entre les sacrificateurs en mangera ; il sera mangé dans un lieu saint : C’est une chose très-sainte. | 6 Ny lehilahy rehetra amin'ny mpisorona no mahazo mihinana izany; eo amin'izay fitoerana masina no hihinanany azy: masina dia masina izany. |
| 7 Comme le sacrifice pour le péché, ainsi est le sacrifice pour le délit ; il y a une seule loi pour eux : il appartient au sacrificateur qui a fait propitiation par lui. | 7 Ho tahaka ny fanatitra noho ny ota ny fanati-panonerana, ka lalàna iray no ho amin'izy roa: ho an'ny mpisorona izay manao fanavotana aminy izany. |
| 8 — Et quant au sacrificateur qui présentera l’holocauste de quelqu’un, la peau de l’holocauste qu’il aura présenté sera pour le sacrificateur : elle lui appartient. | 8 Ary ilay mpisorona manatitra ny fanatitra dorana izay aterin'ny olona dia hahazo ny hoditr'izany fanatitra dorana nateriny izany. |
| 9 Et toute offrande de gâteau qui sera cuit au four ou qui sera apprêté dans la poêle ou sur la plaque, sera pour le sacrificateur qui le présente : elle lui appartient. | 9 Ary ny fanatitra hohanina rehetra izay voaendy am in'ny fanendasa-mofo sy izay rehetra atao amin'ny vilany fandrahoana, na amin'ny lapoely, dia ho an'ilay mpisorona manatitra azy. |
| 10 Et toute offrande de gâteau pétri à l’huile et sec, sera pour tous les fils d’Aaron, pour l’un comme pour l’autre. | 10 Fa ny fanatitra hohanina rehetra, izay voaharo diloilo, na ny maina, dia ho an'ny zanak'i Arona rehetra kosa, ka hiara-misalahy izy. |
| 11 Et c’est ici la loi du sacrifice de prospérités qu’on présentera à l’Éternel : | 11 Ary izao no lalàna ny amin'ny fanati-pihavanana izay haterina ho an'i Jehovah: |
| 12 Si quelqu’un le présente comme action de grâces, il présentera, avec* le sacrifice d’action de grâces, des gâteaux sans levain pétris à l’huile, et des galettes sans levain ointes d’huile, et de la fleur de farine mêlée [avec de l’huile], en gâteaux pétris à l’huile. | 12 Raha misy manatitra izany ho fanati-pisaorana, dia izao no hateriny ho fanampiny: mofo izay tsy misy masirasira sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo ary mofo atao amin'ny koba tsara toto voaendy sady voaharo diloilo. |
| 13 Il présentera pour son offrande, avec les gâteaux, du pain levé avec son sacrifice d’action de grâces de prospérités ; | 13 Ary miaraka amin'ny mofo tsy misy masirasira dia mofo misy masirasira kosa no hateriny ho fanampin'ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana. |
| 14 et de l’offrande entière, il en présentera un en offrande élevée à l’Éternel : il sera pour le sacrificateur qui aura fait aspersion du sang du sacrifice de prospérités ; il lui appartient. | 14 Ary hangalany iray avy ny isam-panatitra ho fanatitra asandratra ho an'i Jehovah; ho an'ilay mpisorona manopy ny ran'ny fanati-pihavanana izany. |
| 15 Et la chair de son sacrifice d’action de grâces de prospérités sera mangée le jour où elle sera présentée ; on n’en laissera rien jusqu’au matin. | 15 Ary ny henan'ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin'ny andro anaterana azy; tsy hisy havela ho tra-maraina. |
| 16 Et si le sacrifice de son offrande est un vœu, ou [une offrande] volontaire, son sacrifice sera mangé le jour où il l’aura présenté ; et ce qui en restera sera mangé le lendemain ; | 16 Fa raha fanati-panalamboady na fanati-tsitrapo kosa no ateriny, dia amin'ny andro anaterany ny fanatiny no hihinanana azy, ary ampitson'iny no hihinanana izay ambiny. |
| 17 et ce qui restera de la chair du sacrifice sera brûlé au feu le troisième jour. | 17 Fa ny sisa amin'ny henan'ny fanatitra dia hodorana amin'ny afo amin'ny andro fahatelo. |
| 18 Et si quelqu’un mange de la chair de son sacrifice de prospérités le troisième jour, [le sacrifice] ne sera pas agréé ; il ne sera pas imputé à celui qui l’aura présenté : ce sera une chose impure ; et l’âme qui en mangera portera son iniquité. | 18 Ary raha tahìny hihinanana amin'ny andro fahatelo ny henan'ny fanati-pihavanana, na dia kely aza, dia tsy horaisina na hisaina ho an'izay manatitra azy izany, fa fahavetavetana; ary ny olona izay mihinana amin'izany dia ho meloka. |
| 19 Et la chair qui aura touché quelque chose d’impur ne sera point mangée : elle sera brûlée au feu. Quant à la chair, quiconque est pur mangera la chair. | 19 Ary na ny hena izay mikasika zava-maloto aza dia tsy hohanina, fa hodorana amin'ny afo; ary ny amin'ny hena, dia izay madio rehetra no mahazo mihinana azy; |
| 20 Et l’âme qui, ayant sur soi son impureté mangera de la chair du sacrifice de prospérités qui appartient à l’Éternel, cette âme-là sera retranchée de ses peuples. | 20 fa ny olona izay misy fahalotoana, nefa mihinana hena avy amin'ny fanati-pihavanana, izay an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. |
| 21 Et si une âme touche quoi que ce soit d’impur, impureté d’homme, ou bête impure, ou toute [autre] chose abominable et impure, et qu’elle mange de la chair du sacrifice de prospérités qui appartient à l’Éternel, cette âme-là sera retranchée de ses peuples. | 21 Ary ny olona izay mikasika zava-maloto, na fahalotoan'olona, na biby maloto, na izay zava-betaveta maloto, ka mihinana amin'ny henan'ny fanati-pihavanana izay an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. |
| — v. 12 : litt.: sur. | |
| 22 Et l’Éternel parla à Moïse, disant : | 22 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: |
| 23 Parle aux fils d’Israël, en disant : Vous ne mangerez aucune graisse de bœuf ou de mouton ou de chèvre. | 23 Mitenana amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Aza mihinana sabora akory ianareo, na ny an'ny omby, na ny an'ny ondry, nany an'ny osy. |
| 24 La graisse d’un corps mort ou la graisse d’une [bête] déchirée pourra être employée à tout usage, mais vous n’en mangerez point ; | 24 Ary ny saboran'ny biby izay maty ho azy sy ny saboran'izay noviraviraim-biby dila azo atao amin'ny zavatra hafa ihany, fa aza mihinana azy ianareo. |
| 25 car quiconque mangera de la graisse d’une bête dont on présente à l’Éternel un sacrifice fait par feu, l’âme qui en aura mangé sera retranchée de ses peuples. | 25 Fa izay rehetra mihinana saboran'ny biby fiompy, izay fanao fanatitra, atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. |
| 26 Et vous ne mangerez aucun sang, dans aucune de vos habitations, soit d’oiseaux, soit de bétail. | 26 Ary aza mihinana rà eny amin'izay rehetra itoeranareo, na ny an'ny vorona, na ny an'ny biby fiompy. |
| 27 Toute âme qui aura mangé de quelque sang que ce soit, cette âme-là sera retranchée de ses peuples. | 27 Izay rehetra mihinana rà dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. |
| 28 Et l’Éternel parla à Moïse, disant : | 28 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: |
| 29 Parle aux fils d’Israël, en disant : Celui qui présentera son sacrifice de prospérités à l’Éternel apportera à l’Éternel son offrande, prise de son sacrifice de prospérités. | 29 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izay manatitra ny fanati-pihavanany ho an'i Jehovah dia hitondra ny fanatiny ho an'i Jehovah avy amin'ny fanati-pihavanany. |
| 30 Ses mains apporteront les sacrifices faits par feu à l’Éternel ; il apportera la graisse avec la poitrine : la poitrine, pour la tournoyer* comme offrande tournoyée devant l’Éternel. | 30 Ny tànany ihany no hitondra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ny saborany mbamin'ny tratrany no ho entiny, ka ny tratrany dia hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah. |
| 31 Et le sacrificateur fera fumer la graisse sur l’autel ; et la poitrine sera pour Aaron et pour ses fils. | 31 Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona eo ambonin'ny alitara ny saborany; fa ny tratrany kosa dia ho an'i Arona sy ireo zanany. |
| 32 Et vous donnerez au sacrificateur, comme offrande élevée, l’épaule droite de vos sacrifices de prospérités. | 32 Ary ny soroka ankavanana dia homenareo ny mpisorona ho fanatitra asandratra avy amin'ny fanati-pihavananareo. |
| 33 Celui des fils d’Aaron qui présentera le sang et la graisse des sacrifices de prospérités aura pour sa part l’épaule droite. | 33 Ny anankiray amin'ny zanak'i Arona izay manatitra ny ran'ny fanati-pihavanana sy ny saborany no hanana ny soroka ankavanana ho anjarany. |
| 34 Car j’ai pris des fils d’Israël la poitrine tournoyée et l’épaule élevée de leurs sacrifices de prospérités, et je les ai données à Aaron, le sacrificateur, et à ses fils, par statut perpétuel, de la part des fils d’Israël. | 34 Fa ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandrata dia efa nalaiko tamin'ny Zanak'Isiraely avy amin'ny fanati-pihavanany, ary nomeko ho an'i Arona mpisorona sy ny zanany, ho anjarany mandrakizay avy amin'ny Zanak'Isiraely. |
| 35 C’est là [le droit de] l’onction d’Aaron et [de] l’onction de ses fils, dans les sacrifices de l’Éternel faits par feu, du jour qu’on les aura fait approcher pour exercer la sacrificature devant l’Éternel, | 35 Izany no anjaran'i Arona sy ny zanany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, amin'ilay andro ampanakekeny azy mba ho mpisorona ho an'i Jehovah, |
| 36 ce que l’Éternel a commandé de leur donner, de la part des fils d’Israël, du jour qu’il les aura oints ; [c’est] un statut perpétuel en leurs générations. | 36 dia izay nandidian'i Jehovah homena azy avy amin'ny Zanak'Isiraely amin'ilay andro anosorana azy, ho anjarany mandrakizay amin'ny taranany hatramin'ny fara mandimby. |
| — v. 30 : ou : balancer, ici et ailleurs. | |
| 37 Telle est la loi de l’holocauste, de l’offrande de gâteau, et du sacrifice pour le péché, et du sacrifice pour le délit, et du sacrifice de consécration, et du sacrifice de prospérités, | 37 Izany no lalàna ny amin'ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota sy ny fanati-panonerana sy ny fanati-panokanana ary ny fanati-pihavanana, |
| 38 laquelle l’Éternel commanda à Moïse sur la montagne de Sinaï, le jour où il commanda aux fils d’Israël de présenter leurs offrandes* à l’Éternel, dans le désert de Sinaï. | 38 izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy tao amin'ny tendrombohitra Sinay, tamin'ny andro izay nandidiany ny Zanak'Isiraely hanatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah, tany an-efitr'i Sinay. |
| — v. 38 : hébreu : corban (note à 1:2). | |
| * | * |
| Chapitre 8 | Chapitre 8 |
| 1 Et l’Éternel parla à Moïse, disant : | 1 [Ny nanokanana an'i Arona sy ny zanany ho mpisorona] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: |
| 2 Prends Aaron et ses fils avec lui, et les vêtements, et l’huile de l’onction, et le jeune taureau du sacrifice pour le péché, et les deux béliers, et la corbeille des pains sans levain ; | 2 Alao Arona sy ny zanany ary ny fitafiana sy ny diloilo fanosorana sy ny vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ny ondrilahy roa ary ny harona misy mofo tsy misy masirasira. |
| 3 et convoque toute l’assemblée à l’entrée de la tente d’assignation. | 3 Ary vorio ny fiangonana rehetra ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana. |
| 4 Et Moïse fit comme l’Éternel lui avait commandé, et l’assemblée fut convoquée à l’entrée de la tente d’assignation. | 4 Ary Mosesy nanao araka izay nandidian'i Jehovah azy; dia vory teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ny fiangonana. |
| 5 Et Moïse dit à l’assemblée : C’est ici ce que l’Éternel a commandé de faire. | 5 Ary hoy Mosesy tamin'ny fiangonana: Izao atao izao no raharaha izay nandidian'i Jehovah. |
| 6 Et Moïse fit approcher Aaron et ses fils, et les lava avec de l’eau ; | 6 Ary Arona sy ny zanany dia nentin'i Mosesy nanatona ka nampandroiny tamin'ny rano. |
| 7 et il mit sur lui la tunique, et le ceignit avec la ceinture, et le revêtit de la robe, et mit sur lui l’éphod, et le ceignit avec la ceinture de l’éphod, qu’il lia par elle sur lui ; | 7 Dia nampiakanjoiny ny akanjo lava izy ary nasiany ny fehin-kibo, dia nampiakanjoiny ny akanjo ivelany izy, ary ny efoda dia nataony taminy, dia nasiany ny fehin-kibo momba ny efoda izy, ka nataony fehin'ny efoda taminy izany. |
| 8 et il plaça sur lui le pectoral, et mit sur le pectoral les urim* et les thummim** ; | 8 Ary ny saron-tratra dia nataony taminy, ka nataony tao ny Orima sy ny Tomima. |
| 9 et il plaça la tiare sur sa tête, et, sur la tiare, sur le devant, il plaça la lame d’or, le saint diadème, comme l’Éternel l’avait commandé à Moïse. | 9 Ary ny hamama dia nataony teo an-dohany; ary ny takela-bolamena, ilay diadema masina, dia nataony teo anoloana amin'ny hamama, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. |
| 10 Et Moïse prit l’huile de l’onction, et oignit le tabernacle et toutes les choses qui y étaient, et les sanctifia ; | 10 Ary nalain'i Mosesy ny diloilo fanosorana dia nohosorany ny tabernakely sy izay rehetra tao ka nohamasininy. |
| 11 et il en fit aspersion* sur l’autel sept fois, et il oignit l’autel, et tous ses ustensiles, et la cuve et son soubassement, pour les sanctifier ; | 11 Dia namafazany impito teo ambonin'ny alitara ny diloilo; ary nohosorany avokoa ny alitara mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany hahamasina azy. |
| 12 et il versa de l’huile de l’onction sur la tête d’Aaron, et l’oignit, pour le sanctifier. | 12 Ary nanidinany teo amin'ny lohan'i Arona ny diloilo fanosorana, ka nanosotra azy izy hahamasina azy. |
| — v. 8* : lumières. — v. 8** : perfections. — v. 11 : comme Ex. 29:21 ; Lév. 4:6 ; 5:9, etc… | |
| 13 Et Moïse fit approcher les fils d’Aaron, et les revêtit des tuniques, et les ceignit de la ceinture, et leur attacha les bonnets, comme l’Éternel l’avait commandé à Moïse. | 13 Ary dia nentin'i Mosesy nanatona koa ny zanak'i Arona ka nampiakanjoiny akanjo lava, ary nasiany fehin-kibo, dia nampisatrohiny, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. |
| 14 Et il fit approcher le taureau* du sacrifice pour le péché, et Aaron et ses fils posèrent leurs mains sur la tête du taureau du sacrifice pour le péché ; | 14 Ary nentiny nanatona koa ny vantotr'ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany tamin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota. |
| 15 et on l’égorgea, et Moïse prit le sang, et en mit avec son doigt sur les cornes de l’autel, tout autour, et il purifia* l’autel ; et il versa le sang au pied de l’autel et le sanctifia, faisant propitiation pour** lui. | 15 Dia novonoiny ny, ary nalain'i Mosesy ny rà, ka notentenany tamin'ny fanondrony ny tandroky ny alitara teo amin'ny zorony efatra nanadiovany azy; ary ny rà sisa dia naidiny teo ambodin'ny alitara, ka nahamasina azy, mba hanao fanavotana ho azy. |
| 16 Et il prit toute la graisse qui était sur l’intérieur, et le réseau du foie, et les deux rognons, et leur graisse, et Moïse les fit fumer sur l’autel. | 16 Dia nalainy ny saboran-tsinainy rehetra sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany mbamin'ny fonom-boany, ka nodoran'i Mosesy ho fofona teo ambonin'ny alitara ireo. |
| 17 Et le taureau, et sa peau, et sa chair, et sa fiente, il les brûla au feu, hors du camp, comme l’Éternel l’avait commandé à Moïse. | 17 Fa ny hoditry ny vantotr'ombilahy sy ny henany ary ny tain-drorohany kosa dia nodorany tamin'ny afo teny ivelan'ny toby, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. |
| 18 Et il fit approcher le bélier de l’holocauste, et Aaron et ses fils posèrent leurs mains sur la tête du bélier ; | 18 Ary nentiny nanatona ny ondrilahy izay hatao fanatitra dorana; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany tamin'ny lohan'ny ondrilahy. |
| 19 et on l’égorgea, et Moïse fit aspersion du sang sur l’autel, tout autour ; | 19 Dia novonoina iny; ary Mosesy nanipy ny rà manodidina tamin'ny lafin'ny alitara. |
| 20 et on coupa le bélier en morceaux, et Moïse en fit fumer la tête, et les morceaux, et la graisse ; | 20 Ary norasainy tsara ny ondrilahy; dia nodoran'i Mosesy ho fofona ny lohany sy ireo voarasa ireo ary ny saborany. |
| 21 et on lava avec de l’eau l’intérieur et les jambes, et Moïse fit fumer tout le bélier sur l’autel : ce fut un holocauste en odeur agréable, ce fut un sacrifice par feu à l’Éternel, comme l’Éternel l’avait commandé à Moïse. | 21 Ary ny taovany sy ny tongony nosasany tamin'ny rano; dia nodoran'i Mosesy ho fofona teo ambonin'ny alitara ny tenan'ny ondrilahy; fanatitra dorana izany ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. |
| 22 Et il fit approcher le second bélier, le bélier de consécration ; et Aaron et ses fils posèrent leurs mains sur la tête du bélier ; | 22 Dia nentiny nanatona koa ny ondrilahy anankiray, dia ny ondrilahy fanokanana; ary Arona sy ny zanany dia nametraka ny tànany tamin'ny lohan'ny ondrilahy. |
| 23 et on l’égorgea, et Moïse prit de son sang, et le mit sur le lobe de l’oreille droite d’Aaron, et sur le pouce de sa main droite, et sur le gros orteil de son pied droit ; | 23 Dia novonoiny iny; ary nangalan'i Mosesy ny rà ka, natentiny teo amin'ny tendron'ny ravin-tsofin'i Arona ankavanana sy tamin'ny ankihiben-tànany ankavanana ary tamin'ny ankihiben-tongony ankavanana. |
| 24 et il fit approcher les fils d’Aaron, et Moïse mit du sang sur le lobe de leur oreille droite, et sur le pouce de leur main droite, et sur le gros orteil de leur pied droit ; et Moïse fit aspersion du sang sur l’autel, tout autour. | 24 Ary nentiny nanatona koa ny zanak'i Arona, ka notentenan'i Mosesy ny rà ny tendron'ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia natopin'i Mosesy manodidina tamin'ny lafin'ny alitara. |
| 25 Et il prit la graisse, et la queue, et toute la graisse qui était sur l’intérieur, et le réseau du foie, et les deux rognons et leur graisse, et l’épaule droite ; | 25 Ary nalainy ny hofany sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamim'ny fonom-boany ary ny sorony ankavanana. |
| 26 et il prit, de la corbeille des pains sans levain qui était devant l’Éternel, un gâteau sans levain, et un gâteau de pain à l’huile, et une galette, et les plaça sur les graisses et sur l’épaule droite ; | 26 Ary ilay harona nisy ny mofo tsy misy masirasira, izay teo anatrehan'i Jehovah, dia nangalany iray tamin'ny mofo tsy misy masirasira sy iray tamin'ny mofo voaisy diloilo ary iray tamin'ny mofo manify ka napetrany teo ambonin'ny saborany sy ny sorok'ondry ankavanana. |
| 27 et il mit le tout sur les paumes des mains d’Aaron et sur les paumes des mains de ses fils, et les tournoya comme offrande tournoyée devant l’Éternel. | 27 Dia napetrany teo amin'ny tànan'i Arona sy ny zanany ireo rehetra ireo ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah. |
| 28 Et Moïse les prit des paumes de leurs mains, et les fit fumer sur l’autel sur l’holocauste : ce fut un sacrifice de consécration, en odeur agréable ; ce fut un sacrifice par feu à l’Éternel. | 28 Dia nalain'i Moses |