Le   QUATRIÈME   LIVRE   de   MOÏSE  
   
dit  les  
   
NOMBRES Nomery
   
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 Et l’Éternel parla à Moïse, au désert de Sinaï, dans la tente d’assignation, le premier [jour] du second mois de la seconde année après leur sortie du pays d’Égypte*, disant : 1 [Ny nandaminana ny firenen'Isiraely] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay, tao amin'ny trano-lay fihaonana tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa, tamin'ny taona faharoa taorian'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta, ka nanao hoe:
2 Relevez la somme de toute l’assemblée des fils d’Israël, selon leurs familles, selon leurs maisons de pères, suivant le nombre des noms, tous les mâles, par tête : 2 Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anarany tsirairay,
3 depuis l’âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux d’Israël qui sont propres au service militaire, vous les compterez selon leurs armées, toi et Aaron. 3 dia ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika; handamina azy araka ny antokony avy ianao sy Arona.
4 Et, avec vous, il y aura un homme par tribu, un homme chef de sa maison de pères. 4 Ary aoka hisy lehilahy iray avy isam-pirenena ho namanareo, dia izay samy lohan'ny fianakaviany avy.
5 Et ce sont ici les noms des hommes qui se tiendront avec vous : pour Ruben, Élitsur, fils de Shedéur ; 5 Ary izao no anaran'ireo lehilahy ho namanareo ireo: Ny avy amin'i Robena dia Elizora, zanak'i Sedeora;
6 pour Siméon, Shelumiel, fils de Tsurishaddaï ; 6 ny avy amin'i Simeona dia Selomiela, zanak'i Zorisaday;
7 pour Juda, Nakhshon, fils d’Amminadab ; 7 ny avy amin'i Joda dia Nasona, zanak'i Aminadaba;
8 pour Issacar, Nethaneël, fils de Tsuar ; 8 ny avy amin'Isakara dia Netanela, zanak'i Zoara;
9 pour Zabulon, Éliab, fils de Hélon ; 9 ny avy amin'i Zebolona dia Eliaba, zanak'i Helona;
10 pour les fils de Joseph, pour Éphraïm, Élishama, fils d’Ammihud ; pour Manassé, Gameliel, fils de Pedahtsur ; 10 ny avy amin'ny zanak'i Josefa dia Elisama, zanak'i Amihoda, avy amin'i Efraima, ary Gamaliela, zanak'i Pedazora, avy amin'i Manase kosa;
11 pour Benjamin, Abidan, fils de Guidhoni ; 11 ny avy amin'i Benjamina dia Abidana, zanak'i Gideony;
12 pour Dan, Akhiézer, fils d’Ammishaddaï ; 12 ny avy amin'i Dana dia Ahiezera, zanak'i Amisaday;
13 pour Aser, Paghiel, fils d’Ocran ; 13 ny avy amin'i Asera dia Fagiela, zanak'i Okrana;
14 pour Gad, Éliasaph, fils de Dehuel ; 14 ny avy amin'i Gada dia Eliasafa, zanak'i Doela;
15 pour Nephthali, Akhira, fils d’Énan. 15 ny avy amin'i Naftaly dia Ahira, zanak'i Enana.
16 Ce sont là ceux qui furent les principaux* de l’assemblée les princes des tribus de leurs pères, les chefs des milliers d’Israël. 16 Ireo no voafidin'ny fiangonana, dia samy lohan'ny fireneny avy sady mpifehy arivo amin'ny Isiraely.
17 Et Moïse et Aaron prirent ces hommes-là, qui avaient été désignés par leurs noms, 17 Ary Mosesy sy Arona naka ireo olona voatonona anarana ireo,
18 et ils réunirent toute l’assemblée, le premier [jour] du second mois ; et chacun déclara sa filiation, selon leurs familles, selon leurs maisons de pères, suivant le nombre des noms, depuis l’âge de vingt ans et au-dessus, par tête. 18 dia namory ny fiangonana rehetra tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa; ary samy nampanoratra ny anarany avy izy araka ny firazanany, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra.
19 Comme l’Éternel l’avait commandé à Moïse, ainsi il les dénombra dans le désert de Sinaï. 19 Araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nandaminany azy tany an-efitr'Sinay.
— v. 1 : date : A.C. 1490. — v. 16 : litt.: les convoqués, c. à d. ceux qui étaient habituellement appelés pour s’occuper des affaires de l’assemblée.  
20 Et les fils de Ruben, premier-né d’Israël, leurs générations, selon leurs familles, selon leurs maisons de pères, suivant le nombre des noms, par tête, tous les mâles, depuis l’âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux qui étaient propres au service militaire, 20 Ary tamin'ny taranak'i Robena, lahimatoan'Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra izay azo nalefa hanafika,
21 ceux qui furent dénombrés de la tribu de Ruben furent quarante-six mille cinq cents. 21 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Robena dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.
   
22 Des fils de Siméon : leurs générations, selon leurs familles, selon leurs maisons de pères, ceux qui furent dénombrés suivant le nombre des noms, par tête, tous les mâles, depuis l’âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux qui étaient propres au service militaire, 22 Ary tamin'ny taranak'i Simeona araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra voalamina, araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, izay azo nalefa hanafika
23 ceux qui furent dénombrés de la tribu de Siméon furent cinquante-neuf mille trois cents. 23 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Simeona dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.
   
24 Des fils de Gad : leurs générations, selon leurs familles, selon leurs maisons de pères, suivant le nombre des noms, depuis l’âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux qui étaient propres au service militaire, 24 Ary tamin'ny taranak'i Gada araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
25 ceux qui furent dénombrés de la tribu de Gad furent quarante-cinq mille six cent cinquante. 25 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Gada dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.
   
26 Des fils de Juda : leurs générations, selon leurs familles, selon leurs maisons de pères, suivant le nombre des noms, depuis l’âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux qui étaient propres au service militaire, 26 Ary tamin'ny taranak'i Joda araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
27 ceux qui furent dénombrés de la tribu de Juda furent soixante-quatorze mille six cents. 27 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Joda dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.
   
28 Des fils d’Issacar : leurs générations, selon leurs familles, selon leurs maisons de pères, suivant le nombre des noms, depuis l’âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux qui étaient propres au service militaire, 28 Ary tamin'ny taranak'Isakara araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
29 ceux qui furent dénombrés de la tribu d’Issacar furent cinquante-quatre mille quatre cents. 29 izay voalamina avy tamin'ny firenen'Isakara dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.
   
30 Des fils de Zabulon : leurs générations, selon leurs familles, selon leurs maisons de pères, suivant le nombre des noms, depuis l’âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux qui étaient propres au service militaire, 30 Ary tamin'ny taranak'i Zebolona araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
31 ceux qui furent dénombrés de la tribu de Zabulon furent cinquante-sept mille quatre cents. 31 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Zebolona dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.
   
32 Des fils de Joseph, des fils d’Éphraïm : leurs générations, selon leurs familles, selon leurs maisons de pères, suivant le nombre des noms, depuis l’âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux qui étaient propres au service militaire, 32 Ary tamin'ny taranak'i Josefa: dia avy tamin'ny taranak'i Efraima araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
33 ceux qui furent dénombrés de la tribu d’Éphraïm furent quarante mille cinq cents. 33 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Efraima dia diman-jato amby efatra alina;
   
34 Des fils de Manassé : leurs générations, selon leurs familles, selon leurs maisons de pères, suivant le nombre des noms, depuis l’âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux qui étaient propres au service militaire, 34 ary tamin'ny taranak'i Manase araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
35 ceux qui furent dénombrés de la tribu de Manassé furent trente-deux mille deux cents. 35 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Manase dia roan-jato amby roa arivo sy telo alina.
   
36 Des fils de Benjamin : leurs générations, selon leurs familles, selon leurs maisons de pères, suivant le nombre des noms, depuis l’âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux qui étaient propres au service militaire, 36 Ary tamin'ny taranak'i Benjamina araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
37 ceux qui furent dénombrés de la tribu de Benjamin furent trente-cinq mille quatre cents. 37 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia efa-jato amby dimy arivo sy telo alina.
   
38 Des fils de Dan : leurs générations, selon leurs familles, selon leurs maisons de pères, suivant le nombre des noms, depuis l’âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux qui étaient propres au service militaire, 38 Ary tamin'ny taranak'i Dana araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
39 ceux qui furent dénombrés de la tribu de Dan furent soixante-deux mille sept cents. 39 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Dana dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.
   
40 Des fils d’Aser : leurs générations, selon leurs familles, selon leurs maisons de pères, suivant le nombre des noms, depuis l’âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux qui étaient propres au service militaire, 40 Ary tamin'ny taranak'i Asera araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika
41 ceux qui furent dénombrés de la tribu d’Aser furent quarante et un mille cinq cents. 41 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Asera dia diman-jato amby arivo sy efatra alina.
   
42 Des fils de Nephthali : leurs générations, selon leurs familles, selon leurs maisons de pères, suivant le nombre des noms, depuis l’âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux qui étaient propres au service militaire, 42 Ary tamin'ny taranak'i Naftaly araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
43 ceux qui furent dénombrés de la tribu de Nephthali furent cinquante-trois mille quatre cents. 43 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Asera dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
   
44 Ce sont là les dénombrés que Moïse et Aaron et les douze hommes, princes d’Israël, dénombrèrent : il y avait un homme pour chaque maison de pères. 44 Ireo no voalamin'i Mosesy sy Arona ary ny roa ambin'ny folo lahy lehibe amin'ny Isiraely, izay samy lohan'ny fianakaviany avy.
45 Et tous les dénombrés des fils d’Israël, selon leurs maisons de pères, depuis l’âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux qui étaient propres au service militaire en Israël, 45 Ary izay rehetra avy tamin'ny Zanak'Isiraely araka ny fianakaviany, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika avy amin'ny Isiraely,
46 tous les dénombrés, furent six cent trois mille cinq cent cinquante. 46 dia dimam-polo amby dimam-jato sy telo arivo sy enina hetsy.
   
47 Mais les Lévites, selon la tribu de leurs pères, ne furent pas dénombrés parmi eux. 47 [Ny amin'ny raharahan'ny Levita] Fa ny Levita, araka ny fireneny kosa dia tsy mba nalamina ho isan'ireo.
48 Car l’Éternel avait parlé à Moïse, disant : 48 Fa Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
49 Seulement, tu ne dénombreras pas la tribu de Lévi et tu n’en relèveras pas la somme parmi les fils d’Israël. 49 Ny firenen'ny Levita ihany no aza alamina, ary aza mba alaina isa miaraka amin'ny Zanak'Isiraely;
50 Et toi, tu préposeras les Lévites sur le tabernacle du témoignage, et sur tous ses ustensiles, et sur tout ce qui lui appartient : ce seront eux qui porteront le tabernacle et tous ses ustensiles ; ils en feront le service, et camperont autour du tabernacle ; 50 fa tendreo izy hitandrina ny tabernakelin'ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy; fa izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra momba azy sady hanao fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny tabernakely no hitobiany.
51 et quand le tabernacle partira, les Lévites le démonteront, et quand le tabernacle campera, les Lévites le dresseront ; et l’étranger qui en approchera sera mis à mort. 51 Ary raha hafindra ny tabernakely, dia ny Levita no hangorona azy; ary raha haorina ny tabernakely, dia ny Levita no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
52 Et les fils d’Israël camperont chacun dans son camp, et chacun près de sa bannière, selon leurs armées. 52 Dia hitoby ny Zanak'Isiraely, samy eo amin'ny tobiny avy, ary samy eo amin'ny fanevany ary, araka ny antokony.
53 Et les Lévites camperont autour du tabernacle du témoignage, afin qu’il n’y ait point de colère sur l’assemblée des fils d’Israël ; et les Lévites auront la garde du tabernacle du témoignage. 53 Fa ny Levita kosa hitoby manodidina ny tabernakelin'ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely; ary ny Levita hitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin'ny Vavolombelona.
54 Et les fils d’Israël firent selon tout ce que l’Éternel avait commandé à Moïse ; ils firent ainsi. 54 Dia nataon'ny Zanak'Isiraely izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataony.
* *
Chapitre 2 Chapitre 2
1 Et l’Éternel parla à Moïse et à Aaron, disant : 1 [Ny filaharan'ny tobin'ny Isiraely araka ny fireneny avy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2 Les fils d’Israël camperont chacun près de sa bannière, sous les enseignes de leurs maisons de pères ; ils camperont autour de la tente d’assignation, à distance, vis-à-vis. 2 Samy eo amin'ny fanevany sy eo amin'ny faneva kelin'ny fianakaviany avy no hitobian'ny Zanak'Isiraely; manodidina ny trano-lay fihaonana sady manandrify azy no hitobiany.
   
3 [Voici] ceux qui camperont à l’orient, vers le levant, [sous] la bannière du camp de Juda, selon leurs armées : le prince des fils de Juda, Nakhshon, fils d’Amminadab, 3 Ary ny hitoby eo amin'ny lafiny atsinanana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro, dia izay momba ny fanevan'ny tobin'i Joda, araka ny antokony; ary ny lohan'ny taranak'i Joda dia Nasona, zanak'i Aminadaba;
4 et son armée ; et ses dénombrés*, soixante-quatorze mille six cents. 4 ary ny miaramilany izay nalamina dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.
5 — Et ceux qui camperont près de lui, sont la tribu d’Issacar : le prince des fils d’Issacar, Nethaneël, fils de Tsuar, 5 Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'Isakara; ary ny lohan'ny taranak'Isakara dia Netanela, zanak'i Zoara;
6 et son armée ; et ses dénombrés, cinquante-quatre mille quatre cents. 6 ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.
7 — [Avec eux] sera la tribu de Zabulon : le prince des fils de Zabulon, Éliab, fils de Hélon, 7 Dia vao ny firenen'i Zebolona; ary ny lohan'ny taranak'i Zebolona dia Eliaba, zanak'i Helona;
8 et son armée ; et ses dénombrés, cinquante-sept mille quatre cents. 8 ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.
9 — Tous les dénombrés du camp de Juda, cent quatre-vingt-six mille quatre cents, selon leurs armées ; ils partiront les premiers. 9 Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Joda dia efa-jato amby enina arivo sy valo alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no loha-lalana.
— v. 4 : c. à d. les dénombrés de l’armée, ici, et dans tous ces passages.  
10 La bannière du camp de Ruben, selon ses armées, sera vers le midi : le prince des fils de Ruben, Élitsur, fils de Shedéur, 10 Ary ny fanevan'ny tobin'i Robena no ho eo amin'ny lafiny atsimo, araka ny antokony; ary ny lohan'ny taranak'i Robena dia Elizora, zanak'Sedeora;
11 et son armée ; et ses dénombrés, quarante-six mille cinq cents. 11 ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.
12 — Et ceux qui camperont près de lui, sont la tribu de Siméon : le prince des fils de Siméon, Shelumiel, fils de Tsurishaddaï, 12 Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'i Simeona; ary ny lohan'ny taranak'i Simeona dia Selomiela, zanak'i Zorisaday;
13 et son armée ; et ses dénombrés, cinquante-neuf mille trois cents. 13 ary ny miaramilany izay nalamina dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.
14 — Et [avec eux] sera la tribu de Gad : le prince des fils de Gad, Éliasaph, fils de Rehuel*, 14 Dia vao ny firenen'i Gada; ary ny lohan'ny taranak'i Gada dia Eliasafa, zanak'i Roela;
15 et son armée ; et ses dénombrés, quarante-cinq mille six cent cinquante. 15 ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.
16 — Tous les dénombrés du camp de Ruben, cent cinquante et un mille quatre cent cinquante, selon leurs armées ; et ils partiront les seconds. 16 Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Robena dia dimam-polo amby efa-jato sy arivo sy dimy alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha faharoany.
— v. 14 : ailleurs : Dehuel.  
17 Et la tente d’assignation partira, le camp des Lévites étant au milieu des camps ; comme ils auront campé, ainsi ils partiront, chacun à sa place, selon leurs bannières. 17 Dia handroso ny trano-lay fihaonana sy ny tobin'ny Levita, eo afovoan'ny toby rehetra; ka araka ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin'ny filaharany avy, araka ny fanevany.
   
18 La bannière du camp d’Éphraïm, selon ses armées, sera vers l’occident : le prince des fils d’Éphraïm, Élishama, fils d’Ammihud, 18 Ary ny fanevan'ny tobin'i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny andrefana; ary ny lohan'ny taranak'i Efraima dia Elisama, zanak'i Amihoda;
19 et son armée ; et ses dénombrés, quarante mille cinq cents. 19 ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby efatra alina.
20 — Et près de lui la tribu de Manassé ; le prince des fils de Manassé, Gameliel, fils de Pedahtsur, 20 Ary ny firenen'i Manase ho eo anilany; ary ny lohan'ny taranak'i Manase dia Gamaliela, zanak'i Pedazora;
21 et son armée ; et ses dénombrés, trente-deux mille deux cents. 21 ary ny miaramilany izay nalamina dia roan-jato amby roa arivo amby telo alina.
22 — Et [avec eux] sera la tribu de Benjamin : le prince des fils de Benjamin, Abidan, fils de Guidhoni, et son armée ; 22 Dia vao ny firenen'i Benjamina; ary ny lohan'ny taranak'i Benjamina dia Abidana, zanak'i Gideony;
23 et ses dénombrés, trente-cinq mille quatre cents. 23 ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby dimy arivo amby telo alina.
24 — Tous les dénombrés du camp d’Éphraïm, cent huit mille cent, selon leurs armées ; et ils partiront les troisièmes. 24 Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Efraima dia zato amby valo arivo sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha fahatelony.
   
25 La bannière du camp de Dan, selon ses armées, sera vers le nord : le prince des fils de Dan, Akhiézer, fils d’Ammishaddaï, 25 Ary ny fanevan'ny tobin'i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny avaratra; ary ny lohan'ny taranak'i Dana dia Ahiezera, zanak'i Amisaday;
26 et son armée ; et ses dénombrés, soixante-deux mille sept cents. 26 ary ny miaramilany izay nalamina dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.
27 — Et ceux qui camperont près de lui, sont la tribu d’Aser : le prince des fils d’Aser, Paghiel, fils d’Ocran, 27 Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'i Asera; ary ny lohan'ny taranak'i Asera dia Pagiela, zanak'i Okrana;
28 et son armée ; et ses dénombrés, quarante et un mille cinq cents. 28 ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-jato amby arivo sy efatra alina.
29 — Et [avec eux] sera la tribu de Nephthali : le prince des fils de Nephthali, Akhira, fils d’Énan, 29 Dia vao ny firenen'i Naftaly; ary ny lohan'ny taranak'i Naftaly dia Ahira, zanak'i Enana;
30 et son armée ; et ses dénombrés, cinquante-trois mille quatre cents. 30 ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
31 — Tous les dénombrés du camp de Dan, cent cinquante-sept mille six cents ; ils partiront les derniers, selon leurs bannières. 31 Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Dana dia enin-jato amby fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Dia ireo kosa no vodi-lalana.
   
32 Ce sont là les dénombrés des fils d’Israël, selon leurs maisons de pères. Tous les dénombrés des camps, selon leurs armées, furent six cent trois mille cinq cent cinquante. 32 Ireo no nalamina avy tamin'ny Zanak'Isiraely, araka ny fianakaviany; ny tontalin'izay nalamina tamin'ny toby rehetra, araka ny antokony, dia dimam-polo amby dimanjato amby telo arivo sy enina hetsy.
33 Mais les Lévites ne furent pas dénombrés parmi les fils d’Israël, ainsi que l’Éternel l’avait commandé à Moïse. 33 Fa ny Levita dia tsy mba niaraka nalamina tamin'ny Zanak'Isiraely, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
34 Et les fils d’Israël firent selon tout ce que l’Éternel avait commandé à Moïse : ainsi ils campèrent selon leurs bannières, et ainsi ils partirent, chacun selon leurs familles, selon leurs maisons de pères. 34 Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy.
* *
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Et ce sont ici les générations d’Aaron et de Moïse, au jour que l’Éternel parla à Moïse sur la montagne de Sinaï. 1 [Ny nandaminana ny firenen'i Levy, sy ny nitobiany, ary ny zavatra hotandremany] Ary izao no taranak'i Arona sy Mosesy tamin'ny andro nitenenan'i Jehovah tamin'i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay.
2 Et ce sont ici les noms des fils d’Aaron : le premier-né, Nadab, et Abihu, Éléazar et Ithamar. 2 Ny anaran'ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba lahimatoa sy Abiho ary Eleazara sy Itamara.
3 Ce sont là les noms des fils d’Aaron, les sacrificateurs oints qui furent consacrés* pour exercer la sacrificature. 3 Ireo no anaran'ny zanakalahin'i Arona, dia ny mpisorona voahosotra, izay natokana hanao fisoronana.
4 Et Nadab et Abihu moururent devant l’Éternel, lorsqu’ils présentèrent un feu étranger devant l’Éternel dans le désert de Sinaï, et ils n’eurent point de fils ; et Éléazar et Ithamar exercèrent la sacrificature en présence d’Aaron, leur père. 4 Fa maty teo anatrehan'i Jehovah Nadaba sy Abiho tamin'izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan'i Jehovah tany an-efitr'i Sinay, sady samy tsy nanan-janaka izy mirahalahy; ary Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana teo anatrehan'i Arona rainy.
— v. 3 : voir Ex. 28:41.  
5 Et l’Éternel parla à Moïse, disant : 5 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
6 Fais approcher la tribu de Lévi, et fais-la se tenir devant Aaron, le sacrificateur, afin qu’ils le servent, 6 Ento ny firenen'i Levy hanatona, ka ampitoero eo anatrehan'i Arona mpisorona mba hanompo azy.
7 et qu’ils accomplissent ce qui appartient à son service*, et au service* de toute l’assemblée, devant la tente d’assignation, pour faire le service du tabernacle ; 7 Dia hitandrina ny anjara-raharahan'i Arona sy ny anjara raharahan'ny fiangonana rehetra eo anoloan'ny trano-lay fihaonana izy, ka hanao ny fanompoana ao amin'ny tabernakely.
8 et ils auront la charge de tous les ustensiles de la tente d’assignation, et de ce qui se rapporte au service* des fils d’Israël, pour faire le service du tabernacle. 8 Dia hitandrina ny fanaka rehetra momba ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahan'ny Zanak'Isiraely izy ka hanao ny fanompoana ao amin'ny tabernakely.
9 Et tu donneras les Lévites à Aaron et à ses fils ; ils lui sont absolument donnés d’entre les* fils d’Israël. 9 Ary homenao an'i Arona sy ny zananilahy ny Levita; efa nomena azy mihitsy avy amin'ny Zanak'Isiraely ireo.
10 Et tu établiras Aaron et ses fils, afin qu’ils accomplissent les devoirs de leur sacrificature ; et l’étranger qui approchera sera mis à mort. 10 Ary Arona sy ny zananilahy hotendrenao hitandrina ny fisoronany; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
— v. 7, 7, 8 : litt.: charge. — v. 9 : ou : de la part des.  
11 Et l’Éternel parla à Moïse, disant : 11 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
12 Et moi, voici, j’ai pris les Lévites du milieu des fils d’Israël, à la place de tout premier-né d’entre les fils d’Israël qui ouvre la matrice ; et les Lévites seront à moi ; 12 Indro, Izaho efa naka ny Levita avy tamin'ny Zanak'Isiraely ho solon'ny lahimatoa rehetra izay voalohan-teraka eo amin'ny Zanak'Isiraely: dia Ahy ny Levita,
13 car tout premier-né est à moi. Le jour où j’ai frappé tout premier-né dans le pays d’Égypte, je me suis sanctifié tout premier-né en Israël, depuis l’homme jusqu’à la bête : ils seront à moi. Je suis l’Éternel. 13 satria Ahy ny lahimatoa rehetra; tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Egypta no nanamasinako ny voalohan-teraka rehetra eo amin'ny Isiraely ho Ahy, na olona, na biby fiompy: Ahy ireo; Izaho no Jehovah.
   
14 Et l’Éternel parla à Moïse, dans le désert de Sinaï, disant : 14 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay ka nanao hoe:
15 Dénombre les fils de Lévi selon leurs maisons de pères, selon leurs familles : tu dénombreras tous les mâles depuis l’âge d’un mois et au-dessus. 15 Alamino ny Levita araka ny fianakaviany sy ny fokony; ny lahy rehetra eo aminy hatramin'ny iray volana no ho miakatra no halaminao.
16 Et Moïse les dénombra selon le commandement* de l’Éternel, comme il lui avait été commandé. 16 Ary Mosesy nandamina azy araka ny tenin'i Jehovah, araka izay efa nandidiana azy.
— v. 16 : litt.: la bouche, ici, et ailleurs très-souvent dans les Nombres.  
17 Ce sont ici les fils de Lévi, selon leurs noms : Guershon, et Kehath, et Merari. 17 Ary izao no zanakalahin'i Levy, araka ny anarany: Gersona sy Kehata ary Merary.
18 Et ce sont ici les noms des fils de Guershon, selon leurs familles : Libni et Shimhi. 18 Ary izao no anaran'ny zanakalahin'i Gersona, araka ny fianakaviany: Libny sy Simey.
19 Et les fils de Kehath*, selon leurs familles : Amram, et Jitsehar, Hébron, et Uziel. 19 Ary ny zanakalahin'i Kehata, araka ny fianakaviany, dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.
20 Et les fils de Merari, selon leurs familles : Makhli et Mushi. Ce sont là les familles de Lévi, selon leurs maisons de pères. 20 Ary ny zanakalahin'i Merary, araka ny fianakaviany, dia Maly sy Mosy. Ireo no fokon'ny Levita, araka ny fianakaviany.
— v. 19 : quelques-uns, ici et ailleurs quelquefois : Kohath.  
21 De Guershon, la famille des Libnites et la famille des Shimhites ; ce sont là les familles des Guershonites : 21 Avy tamin'i Gersona ny fokon'ny Libnita sy ny Simeita: Ireo no fokon'ny Gersonita.
22 ceux d’entre eux qui furent dénombrés, en comptant tous les mâles depuis l’âge d’un mois et au-dessus, ceux qui furent dénombrés furent sept mille cinq cents. 22 Ary izay nalamina, araka ny isan'ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, dia diman-jato amby fito arivo.
23 Les familles des Guershonites campèrent derrière le tabernacle, vers l’occident ; 23 Ny fokon'ny Gersonita dia hitoby eo ivohon'ny tabernakely, dia eo andrefany.
24 et le prince de la maison de père des Guershonites était Éliasaph, fils de Laël. 24 Ary ny lohan'ny fianakavian'ny Gersonka dia Efiasafa, zanak'i Laela.
25 Et la charge des fils de Guershon, à la tente d’assignation, était le tabernacle et la tente, sa couverture, et le rideau de l’entrée de la tente d’assignation, 25 Ary ny anjara-raharahan'ny zanak'i Gersona eo amin'ny trano-lay fihaonana dia ny tabernakely sy ny lay sy ny firakony sy ny varavarana lamba amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana,
26 et les tentures du parvis, et le rideau de l’entrée du parvis qui entoure le tabernacle et l’autel, et ses cordages pour tout son service. 26 ary ny fefi-lamban'ny kianja sy ny vavahady lamba amin'ny vavahadin'ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehy rehetra momba azy.
   
27 Et de Kehath, la famille des Amramites, et la famille des Jitseharites, et la famille des Hébronites, et la famille des Uziélites ; ce sont là les familles des Kehathites : 27 Ary avy tamin'i Kehata ny fokon'ny Amramita sy ny fokon'ny Jizarita sy ny fokon'ny Hebronita ary ny fokon'ny Ozielita; ireo no fokon'ny Kehatita.
28 en comptant tous les mâles, depuis l’âge d’un mois et au-dessus, il y en eut huit mille six cents, qui avaient la charge du lieu saint. 28 Ny isan'ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia enin-jato amby valo arivo.
29 Les familles des fils de Kehath campèrent à côté du tabernacle, vers le midi ; 29 Ny fokon'ny zanak'i Kehata dia hitoby eo amin'ny lafiny atsimo amin'ny tabernakely.
30 et le prince de la maison de père des familles des Kehathites était Élitsaphan, fils d’Uziel. 30 Ary ny lohan'ny fianakaviana amin'ny fokon'ny Kehatita dia Elisafana, zanak'i Oziela.
31 Et leur charge était l’arche, et la table, et le chandelier, et les autels, et les ustensiles du lieu saint, avec lesquels on fait le service, et le rideau* et tout le service qui s’y rattachait. 31 Ary ny anjara-raharahany dia ny fiara sy ny latabatra sy ny fanaovan-jiro sy ny alitara roa, ary ny fanaky ny fitoerana masina, izay fanaovana fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba mbamin'ny zavatra rehetra fanaovana ny fanompoana momba azy.
32 — Et le prince des princes des Lévites était Éléazar, fils d’Aaron, le sacrificateur ; il était établi sur ceux qui avaient la charge du lieu saint. 32 Ary ny lehiben'ny lohan'ny Levita dia Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, izay lehiben'ny mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny fitoerana masina.
— v. 31 : c. à d. le voile.  
33 De Merari, la famille des Makhlites et la famille des Mushites ; ce sont là les familles de Merari : 33 Avy tamin'i Merary ny fokon'ny Malita sy ny fokon'ny Mosita; Ireo no fokon'i Merary.
34 et ceux d’entre eux qui furent dénombrés, en comptant tous les mâles depuis l’âge d’un mois et au-dessus, furent six mille deux cents. 34 Ary izay nalamina, araka ny isan'ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, dia roan-jato amby enina arivo,
35 Et le prince de la maison de père des familles de Merari était Tsuriel, fils d’Abikhaïl. Ils campèrent du côté du tabernacle, vers le nord. 35 Ary ny lohan'ny fianakaviana amin'ny fokon'i Merary dia Zoriela, zanak'i Abihaila; ireo no hitoby eo amin'ny lafiny avaratra amin'ny tabernakely.
36 Et la surveillance des ais du tabernacle, et de ses traverses, et de ses piliers, et de ses bases, et de tous ses ustensiles, et tout le service qui s’y rattachait, 36 Ary ny anjara-raharahan'ny zanak'i Merary dia ny zana-kazo amin'ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny ary ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy, sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao,
37 et les piliers du parvis tout autour, et leurs bases, et leurs pieux, et leurs cordages, furent confiés aux fils de Merari. 37 ary ny tsangantsangan'ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany ary ny kofehiny.
   
38 Et ceux qui campèrent devant le tabernacle, vers l’orient, devant la tente d’assignation, vers le levant, furent Moïse et Aaron et ses fils, veillant au service* du sanctuaire pour ce qui était confié aux fils d’Israël. — Et l’étranger qui approchera sera mis à mort. 38 Ary ny mitoby eo anoloan'ny tabernakely atsinanany, dia eo anoloan'ny trano-lay fihaonana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro, dia Mosesy sy Arona ary ny zanany, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia ny anjara-raharahan'ny Zanak'Isiraely; ary raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
— v. 38 : litt.: charge.  
39 Tous les Lévites dénombrés, que Moïse et Aaron dénombrèrent selon leurs familles, selon le commandement de l’Éternel, tous les mâles, depuis l’âge d’un mois et au-dessus, furent vingt-deux mille. 39 Ny tontalin'izay nalamina avy tamin'ny Levita, dia izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah, avy tamin'ny fokony, ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, dia roa arivo amby roa alina.
   
40 Et l’Éternel dit à Moïse : Dénombre tous les premiers-nés mâles des fils d’Israël, depuis l’âge d’un mois et au-dessus, et relève le nombre de leurs noms. 40 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Alamino ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely hatramin'ny iray volana no ho miakatra, ka alao isa ny anarany.
41 Et tu prendras les Lévites pour moi (je suis l’Éternel), à la place de tous les premiers-nés parmi les fils d’Israël, et le bétail des Lévites à la place de tous les premiers-nés parmi le bétail des fils d’Israël. 41 Ary alao ho Ahy ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely: Izaho no Jehovah; ary ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny voalohan-teraka rehetra amin'ny biby fiompin'ny Zanak'Isiraely.
42 Et Moïse fit le dénombrement de tous les premiers-nés parmi les fils d’Israël, comme l’Éternel lui avait commandé ; 42 Dia nalamin'i Mosesy ny lahimatoa rehetra teo amin'ny Zanak'Isiraely, araka izay efa nandidian'i Jehovah azy.
43 et tous les premiers-nés mâles, selon le nombre des noms, depuis l’âge d’un mois et au-dessus, selon leur dénombrement, furent vingt-deux mille deux cent soixante-treize. 43 Ary ny lahimatoa rehetra, araka ny anarany tsirairay hatramin'ny iray volana no ho miakatra, izay nalamina avy taminy dia telo amby fito-polo sy roan-jato sy roa arivo sy roa alina.
   
44 Et l’Éternel parla à Moïse, disant : 44 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
45 Prends les Lévites, à la place de tous les premiers-nés parmi les fils d’Israël, et le bétail des Lévites, à la place de leur bétail ; et les Lévites seront à moi. Je suis l’Éternel. 45 Alao ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely; ary ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny biby fiompiny: Ahy ny Levita; Izaho no Jehovah.
46 Et quant à ceux qu’il faut racheter, les deux cent soixante-treize parmi les premiers-nés des fils d’Israël, qui sont de plus que les Lévites, 46 Ary ny amin'ny avotry ny telo amby fito-polo sy roan-jato amin'ny lahimatoan'ny Zanak'Isiraely, izay mihoatra isa noho ny Levita,
47 tu prendras cinq sicles par tête ; tu les prendras selon le sicle du sanctuaire, le sicle à vingt guéras, 47 dia hangalanao sekely dimy isan-olona; araka ny sekely masina no hangalanao azy (gera roa-polo ny sekely iray).
48 et tu donneras à Aaron et à ses fils l’argent de ceux qui sont rachetés, qui sont de plus que les [Lévites]. 48 Dia homenao an'i Arona sy ny zanany ny vola ho avotr'ireo mihoatra isa ireo.
49 Et Moïse prit l’argent du rachat, de ceux qui étaient de plus que le nombre de ceux qui avaient été rachetés par les Lévites ; 49 Ary Mosesy nandray ny vola izay avotry ny nihoatra isa noho ny voavotry ny Levita;
50 il prit l’argent de la part des premiers-nés des fils d’Israël, mille trois cent soixante-cinq [sicles], selon le sicle du sanctuaire. 50 tamin'ny lahimatoan'ny Zanak'Isiraely no nandraisany ny vola, dia sekely dimy amby enim-polo sy telon-jato sy arivo, araka ny sekely masina;
51 Et Moïse donna l’argent des rachetés à Aaron et à ses fils, selon le commandement de l’Éternel, comme l’Éternel l’avait commandé à Moïse. 51 dia nomen'i Mosesy an'i Arona sy ny zanany izany vola avotra izany, araka ny tenin'i Jehovah, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
* *
Chapitre 4 Chapitre 4
1 Et l’Éternel parla à Moïse et à Aaron, disant : 1 [Ny raharahan'ny Levita, sy ny isany isam-pirazanany] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2 Relève la somme des fils de Kehath d’entre les fils de Lévi, selon leurs familles, selon leurs maisons de pères, 2 Alao isa ny taranak'i Kehata eo amin'ny taranak'i Levy, araka ny fokony sy ny fianakaviany,
3 depuis l’âge de trente ans et au-dessus, jusqu’à l’âge de cinquante ans, tous ceux qui entrent en service* pour faire l’œuvre dans la tente d’assignation. 3 hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra miditra amin'ny antokony hanao raharaha ao amin'ny trano-lay fihaonana.
4 C’est ici le service des fils de Kehath, dans la tente d’assignation : c’est une chose très-sainte. 4 Izao no ho fanompoan'ny taranak'i Kehata ao amin'ny trano-lay fihaonana, dia ny zavatra masina indrindra:
5 — Et lorsque le camp partira, Aaron et ses fils entreront, et ils démonteront le voile qui sert de rideau, et en couvriront l’arche du témoignage ; 5 Ary raha hifindra ny toby, dia hiditra Arona sy ny zanany ka hampidina ny efitra lamba fanakonana; ary hasarony ny fiaran'ny Vavolombelona'izany;
6 et ils mettront dessus une couverture de peaux de taissons, et étendront par-dessus un drap tout de bleu ; et ils y placeront les barres. 6 ary hodi-takasy no hataony sarona eo amboniny, ka lamba volon'ondry manga tokam-bolo no hovelariny hasarony eo ambonin'io, dia hataony eo aminy ny baony.
7 Et ils étendront un drap de bleu sur la table des pains de proposition, et mettront sur elle les plats, et les coupes, et les vases, et les gobelets de libation ; et le pain continuel sera sur elle. 7 Ary hamelatra lamba, volon'ondry manga eo ambonin'ny latabatry ny mofo aseho izy, ka hataony eo ny lovia sy ny lovia kely sy ny kapoaka ary ny fitoeran-divay ho fanidinana; ary ny mofo aseho dia hataony eo amboniny.
8 Et ils étendront sur ces choses un drap d’écarlate, et ils le couvriront d’une couverture de peaux de taissons, et ils y placeront les barres. 8 Dia hovelarany lamba jaky eo amboniny izy, ka hosaronany amin'ny sarona hodi-takasy izany; dia hataony eo aminy ny baony.
9 Et ils prendront un drap de bleu, et en couvriront le chandelier du luminaire, et ses lampes, et ses mouchettes, et ses vases à cendre, et tous ses vases à huile, dont on fait usage pour son service ; 9 Dia haka lamba volon'ondry manga izy, ka hasarony ny fanaovan-jiro fanazavana sy ny lela fanaovan-jirony sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony ary ny fitoeran-diloilo rehetra eo, izay anaovana ny fanompoam-pivavahana;
10 et ils le mettront, avec tous ses ustensiles, dans une couverture de peaux de taissons, et le mettront sur une perche. 10 ary ireo sy ny fanaka rehetra momba azy dia hataony ao anatin'ny sarona hodi-takasy ka hatainginy eo ambonin'ny filanjana azy.
11 Et sur l’autel d’or ils étendront un drap de bleu, et le couvriront d’une couverture de peaux de taissons, et y placeront les barres. 11 Ary hamelatra lamba manga eo ambonin'ny alitara volamena izy, dia hosaronany sarona hodi-takasy, ary hataony eo aminy ny baony;
12 Et ils prendront tous les ustensiles du service avec lesquels on sert dans le lieu saint, et ils les mettront dans un drap de bleu, et les couvriront d’une couverture de peaux de taissons, et les mettront sur une perche. 12 dia halainy ny fanaka rehetra enti-manompo, dia izay fanaovany fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, ka hataony ao anaty lamba volon'ondry manga ka hosaronany sarona hodi-takasy, dia hatainginy eo ambonin'ny filanjana azy.
13 Et ils ôteront les cendres de l’autel, et ils étendront sur lui un drap de pourpre. 13 Dia hanaisotra ny lavenona amin'ny alitara izy ka hamelatra lamba volomparasy eo amboniny.
14 Et ils mettront dessus tous ses ustensiles dont on fait usage pour son service : les brasiers, les fourchettes, et les pelles, et les bassins, tous les ustensiles de l’autel ; et ils étendront dessus une couverture de peaux de taissons, et y placeront les barres. 14 Ary hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra momba azy, izay fanaovana fanompoan-pivavahana eo, dia ny fitondran'afony sy ny fitrebiny sy ny sotron'afony ary ny loviany famafazana, dia ny fanaka rehetra momba ny alitara; ary hovelarany sarona hodi-takasy eo amboniny izy, dia hataony eo aminy ny baony.
15 — Et lorsque Aaron et ses fils auront achevé de couvrir le lieu saint et tous les ustensiles du lieu saint, lors du départ du camp, après cela les fils de Kehath viendront pour les porter, afin qu’ils ne touchent pas les choses saintes, et ne meurent pas. C’est là ce que les fils de Kehath porteront de la tente d’assignation. 15 Ary rehefa vitan'i Arona sy ny zanany ny manarona ny fitoerana masina sy ny fanaka rehetra momba azy, ka efa hifindra ny toby, dia vao izay no ho avy ny zanak'i Kehata hitondra azy; fa tsy hikasika ny fitoerana masina izy, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano-lay fihaonana izany no ho anjara entan'ny taranak'i Kehata.
— v. 3 : ici : service auquel on est assujetti ; ailleurs aussi : labeur, souffrances, guerre.  
16 Et Éléazar, fils d’Aaron, le sacrificateur, aura la surveillance de l’huile du luminaire, et de l’encens des drogues odoriférantes, et de l’offrande de gâteau continuelle, et de l’huile de l’onction, la surveillance de tout le tabernacle et de tout ce qui y est, du lieu saint et de ses ustensiles. 16 Ary ny raharahan'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, dia ny diloilo hatao fanazavana sy ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanatitra hohanina fanao isan'andro ary ny diloilo fanosorana, dia ny raharaha rehetra amin'ny tabernakely sy izay rehetra ao anatiny amin'ny fitoerana masina sy ny fanaka momba azy.
   
17 Et l’Éternel parla à Moïse et à Aaron, disant : 17 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
18 Ne faites pas que la tribu des familles des Kehathites soit retranchée d’entre les Lévites ; 18 Ataovy izay tsy hahafongotra ny fokon'ny Kehatita tsy ho amin'ny Levita:
19 et faites ceci pour eux, afin qu’ils vivent et ne meurent pas, en s’approchant du lieu très-saint : Aaron et ses fils viendront, et les placeront chacun à son service et à son fardeau. 19 fa izao no hataonareo aminy, mba ho velona izy ka tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: Arona ny ny zanany ihany no hahazo miditra ka hanendry azy rehetra samy ho amin'ny fanompoany avy sy amin'ny entany avy;
20 Et ils n’entreront pas pour voir*, quand on enveloppera les choses saintes, afin qu’ils ne meurent pas. 20 fa izy dia tsy hiditra hijery ny fitoerana masina, na dia indray mipi-maso akory aza, fandrao maty.
— v. 20 : ou : pour voir même un instant, c. à d. litt.: le [temps] d’avaler ; comparer Job 7:19.  
21 Et l’Éternel parla à Moïse, disant : 21 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
22 Relève aussi la somme des fils de Guershon, selon leurs maisons de pères, selon leurs familles ; 22 Alao isa koa ny taranak'i Gersona, araka ny fianakaviany sy ny fokony avy;
23 tu les dénombreras depuis l’âge de trente ans et au-dessus, jusqu’à l’âge de cinquante ans : tous ceux qui entrent en service* pour s’employer au service, à la tente d’assignation. 23 ny hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra miditra amin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana.
24 C’est ici le service des familles des Guershonites, pour servir et pour porter : 24 Izao no ho fanompoan'ny fokon'ny Gersonita hanompoany sy hitondrany entana:
25 ils porteront les tapis du tabernacle et la tente d’assignation, sa couverture, et la couverture de peaux de taissons qui est sur elle par-dessus, et le rideau de l’entrée de la tente d’assignation, 25 ny ambain'ny tabernakely sy ny trano-lay fihaonana sy ny firakony sy ny sarona hodi-takasy izay eo amboniny, ary ny varavarana lamba amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana,
26 et les tentures du parvis, et le rideau de l’entrée de la porte du parvis qui entoure le tabernacle et l’autel, et leurs cordages, et tous les ustensiles de leur service ; tout ce qui doit être fait avec eux constituera leur service. 26 ary ny fefy lamban'ny kianja sy ny vavahady lamba amin'ny vavahadin'ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehiny mbamin'ny fiasana rehetra momba azy; ary izay rehetra hatao amin'ireo no ho fanompoany.
27 Tout le service des fils des Guershonites, dans tout ce qu’ils portent et dans tout leur service, sera selon les ordres d’Aaron et de ses fils ; et vous leur donnerez* en charge tout ce qu’ils doivent porter. 27 Araka ny tenin'i Arona sy ny zanany no hanaovan'ny Gersonita ny fanompoany amin'ny entany rehetra sy ny fanompoany rehetra; ary hatolotrao azy ho anjara-raharahany ny zavatra rehetra izay ho entiny.
28 C’est là le service des familles des fils des Guershonites à la tente d’assignation ; et leur charge sera sous la main d’Ithamar, fils d’Aaron, le sacrificateur. 28 Izany no ho fanompoan'ny fokon'ny Gersonita ny amin'ny trano-lay fihaonana; ary ny ho mpifehy azy amin'izany anjara-raharahany izany dia Itamara, zanak'i Arona mpisorona.
— v. 23 : ici, litt.: entrent pour servir le service ; voir aussi la note, verset 3. — v. 27 : plus loin : compterez.  
29 Quant aux fils de Merari, tu les dénombreras selon leurs familles, selon leurs maisons de pères. 29 Ny amin'ny taranak'i Merary, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany no handaminanao azy;
30 Tu les dénombreras depuis l’âge de trente ans et au-dessus, jusqu’à l’âge de cinquante ans, tous ceux qui entrent en service* pour s’employer au service de la tente d’assignation. 30 ny hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra miditra amin'ny antokony hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana.
31 Et c’est ici la charge de ce qu’ils auront à porter, selon tout leur service à la tente d’assignation : les ais du tabernacle, et ses traverses, et ses piliers, et ses bases, 31 Ary izao no ho anjara-raharahany ny amin'ny entana araka ny fanompoany rehetra ao amin'ny trano-lay fihaonana: ny zana-kazo amin'ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany,
32 et les piliers du parvis tout autour, et leurs bases, et leurs pieux, et leurs cordages, tous leurs ustensiles, selon tout leur service ; et vous leur compterez, [en les désignant] par nom, les objets* qu’ils auront charge de porter. 32 sy ny tsangantsangan'ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany rehetra ary ny kofehy momba ny fiasana rehetra sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao; ary araka ny anarany avy no handaminanareo ny fanaka izay anjarany ho entina.
33 C’est là le service des familles des fils de Merari, pour tout leur service à la tente d’assignation, sous la main d’Ithamar, fils d’Aaron, le sacrificateur. 33 Izany no ho fanompoan'ny fokon'ny taranak'i Merary, araka ny fanompoany rehetra ao amin'ny trano-lay fihaonana, ary Itamara, zanak'i Arona mpisorona, no ho mpifehy azy.
— v. 30 : voir verset 3. — v. 32 : plus haut : ustensiles.  
34 Et Moïse et Aaron, et les princes de l’assemblée, dénombrèrent les fils des Kehathites, selon leurs familles et selon leurs maisons de pères, 34 Ary Mosesy sy Arona ary ny lohan'ny fiangonana nandamina ny taranaky ny Kehatita, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy,
35 depuis l’âge de trente ans et au-dessus, jusqu’à l’âge de cinquante ans, tous ceux qui entraient en service* pour servir dans la tente d’assignation : 35 hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra tamin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana.
36 leurs dénombrés, selon leurs familles, furent deux mille sept cent cinquante. 36 Ary izay nalamina taminy, araka ny fokony, dia dimam-polo amby fiton-jato sy roa arivo.
37 Ce sont là les dénombrés des familles des Kehathites, tous ceux qui servaient dans la tente d’assignation, que Moïse et Aaron dénombrèrent selon le commandement de l’Éternel par* Moïse. 37 Ireo no nalamina tamin'ny fokon'ny Kehatita, dia izay rehetra manao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana, izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah nampitondrainy an'i Mosesy.
— v. 35 : voir verset 3. — v. 37 : litt.: par la main de, ici, et ailleurs souvent.  
38 Et ceux qui furent dénombrés d’entre les fils de Guershon, selon leurs familles, et selon leurs maisons de pères, 38 Ary izay nalamina tamin'ny taranak'i Gersona, araka ny fokony sy ny fianakaviany,
39 depuis l’âge de trente ans et au-dessus, jusqu’à l’âge de cinquante ans, tous ceux qui entraient en service* pour servir à la tente d’assignation : 39 hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra amin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana
40 leurs dénombrés, selon leurs familles, selon leurs maisons de pères, furent deux mille six cent trente. 40 izay nalamina taminy, araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia telo-polo amby enin-jato sy roa arivo.
41 Ce sont là les dénombrés des familles des fils de Guershon, tous ceux qui servaient à la tente d’assignation, que Moïse et Aaron dénombrèrent selon le commandement de l’Éternel. 41 Ireo no nalamina tamin'ny fokon'ny taranak'i Gersona, izay rehetra manao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana, dia izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah.
— v. 39 : voir verset 3.  
42 Et ceux qui furent dénombrés d’entre les familles des fils de Merari, selon leurs familles, selon leurs maisons de pères, 42 Ary izay nalamina tamin'ny fokon'ny taranak'i Merary, araka ny fokony sy ny fianakaviany
43 depuis l’âge de trente ans et au-dessus, jusqu’à l’âge de cinquante ans, tous ceux qui entraient en service* pour servir à la tente d’assignation : 43 hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra tamin'ny antokony, hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana,
44 leurs dénombrés, selon leurs familles, furent trois mille deux cents. 44 izay nalamina taminy, araka ny fokony, dia roan-jato sy telo arivo;
45 Ce sont là les dénombrés des familles des fils de Merari, que Moïse et Aaron dénombrèrent selon le commandement de l’Éternel par Moïse. 45 ireo no nalamina tamin'ny fokon'ny taranak'i Merary, izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.
— v. 43 : voir verset 3.  
46 Tous ceux qui furent dénombrés, que Moïse et Aaron et les princes d’Israël dénombrèrent, savoir les Lévites, selon leurs familles et selon leurs maisons de pères, 46 Ny tontalin'ny taranak'i Levy izay nalamin'i Mosesy sy Arona mbamin'ny lohan'ny Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany
47 depuis l’âge de trente ans et au-dessus, jusqu’à l’âge de cinquante ans, tous ceux qui entraient pour s’employer à l’œuvre du service et à l’œuvre du portage, à la tente d’assignation, 47 hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra hanao raharaha amin'ny fanompoana sy ny fitondrana entana ao amin'ny trano-lay fihaonana,
48 — les dénombrés, furent huit mille cinq cent quatre-vingts. 48 izay nalamina taminy dia valo-polo amby diman-jato sy valo arivo.
49 On les dénombra selon le commandement de l’Éternel par Moïse, chacun selon son service et selon son fardeau ; et ils furent dénombrés par lui, comme l’Éternel l’avait commandé à Moïse. 49 Araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy no nandaminany azy samy ho amin'ny fanompoany avy sy ny anjara-entany avy ary ny zavatra nalamina araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
* *
Chapitre 5 Chapitre 5
1 Et l’Éternel parla à Moïse, disant : 1 [Lalàna ny amin'ny famoahana izay misy fahalotoana ho any ivelan'ny toby] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Commande aux fils d’Israël qu’ils mettent hors du camp tout lépreux, et quiconque a un flux, et quiconque est impur pour un mort. 2 Mandidia ny Zanak'Isiraely hamoaka ny boka rehetra sy ny marary mitsika rehetra ary ny maloto amim-paty rehetra hiala amin'ny toby;
3 Tant homme que femme, vous les mettrez dehors ; vous les mettrez hors du camp, afin qu’ils ne rendent pas impurs leurs camps, au milieu desquels j’habite. 3 na lehilahy na vehivavy dia samy havoakanareo any ivelan'ny toby, mba tsy handoto ny tobiny izay itoerako eo afovoany.
4 Et les fils d’Israël firent ainsi, et les mirent hors du camp ; comme l’Éternel avait dit à Moïse, ainsi firent les fils d’Israël. 4 Dia nanao izany ny Zanak'Isiraely ka namoaka ireny ho any ivelan'ny toby; araka izay nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely.
   
5 Et l’Éternel parla à Moïse, disant : 5 [Ny amin'ny fanonerana, raha misy manao izay mahadiso] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
6 Parle aux fils d’Israël : Si un homme ou une femme a commis quelqu’un de tous les péchés de l’homme, en commettant une infidélité envers l’Éternel, et que cette âme-là se soit rendue coupable, 6 Lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy manao izay mety ho fahotan'ny olona ka manao izay mahadiso amin'i Jehovah ary meloka,
7 ils confesseront leur péché qu’ils ont commis ; et le coupable* restituera en principal ce en quoi il s’est rendu coupable, et il y ajoutera un cinquième, et le donnera à celui envers qui il s’est rendu coupable. 7 dia tsy maintsy hiaiky ny fahotana izay nataony izy ary hanonitra ny amin'ny fahadisoany ka hanampy azy ho tonga avy fahenina, ary homeny an'ilay nanaovany diso.
8 Et si l’homme n’a pas de proche parent* à qui restituer la chose due, alors la chose due, restituée à l’Éternel, sera au sacrificateur, outre le bélier de propitiation avec lequel on fera propitiation pour lui. 8 Fa raha tàhiny tsy manana havana akaiky haterany ny fanonerana ny amin'ny fahadisoany ilay olona, ny zavatra naterina ho fanonerana dia ho an'i Jehovah ka ho an'ny mpisorona, ho fanampin'ny ondrilahy fanavotana izay hanaovany fanavotana ho azy.
9 Et toute offrande élevée de toutes les choses saintes des fils d’Israël qu’ils présenteront au sacrificateur, sera à lui. 9 Ary ny fanatitra rehetra alaina amin'ny zava-masina rehetra aterin'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho an'ny mpisorona, dia ho azy izany.
10 Et les choses saintes de chacun seront à lui ; ce que chacun donnera au sacrificateur sera à lui. 10 Ary ho azy ny zava-masina aterin'ny olona rehetra; na inona na inona omen'olona ho an'ny mpisorona, dia ho azy izany.
— v. 7 : litt.: il. — v. 8 : ailleurs : celui qui a le droit de rachat.  
11 Et l’Éternel parla à Moïse, disant : 11 [Ny lalàna ny amin'ny fanatitra noho ny ahiahy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
12 Parle aux fils d’Israël, et dis-leur : Si la femme de quelqu’un se détourne et lui devient infidèle, 12 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely, ka lazao aminy hoe: Na iza na iza vadin'olona mivily ka manao izay mahadiso azy amin'ny lahy,
13 et qu’un homme couche avec elle, ayant commerce avec elle, et que cela soit caché aux yeux de son mari, et qu’elle se soit rendue impure en secret, et qu’il n’y ait pas de témoin contre elle, et qu’elle n’ait pas été surprise ; 13 fa nisy lehilahy nandry taminy, nefa tsy hitan'ny lahy, fa miafina, ary voaloto ravehivavy, nefa tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tanana izy;
14 — et que l’esprit de jalousie vienne sur lui et qu’il soit jaloux de sa femme, et qu’elle se soit rendue impure ; ou si l’esprit de jalousie vient sur lui et qu’il soit jaloux de sa femme, et qu’elle ne se soit pas rendue impure ; 14 kanefa misy fiahiahiana ao amin'ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, sady efa voaloto ravehivavy; na misy fiahiahiana ao amin'ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, kanjo tsy voaloto ravehivavy;
15 — alors l’homme amènera sa femme au sacrificateur, et il apportera pour elle son offrande*, le dixième d’un épha de farine d’orge ; il ne versera pas d’huile dessus et n’y mettra pas d’encens, car c’est une offrande de gâteau de jalousie, un gâteau** de mémorial, qui met en mémoire l’iniquité. 15 dia ho entin'ny lahy ho eo amin'ny mpisorona ny vadiny, ary hitondra ny fanatiny noho ny vavy izy, dia kobam-bary hordea ampahafolon'ny efaha; tsy hanidinany diloilo izany, sady tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy izany, dia fanati-pahatsiarovana, hampahatsiaro heloka.
16 Et le sacrificateur la fera approcher, et la fera se tenir devant l’Éternel ; 16 Ary hampanakaiky azy ny mpisorona ka hampitoetra azy eo anatrehan'i Jehovah;
17 et le sacrificateur prendra de l’eau sainte dans un vase de terre, et le sacrificateur prendra de la poussière qui sera sur le sol du tabernacle, et la mettra dans l’eau. 17 dia haka rano masina amin'ny lovia tany ny mpisorona; ary ny vovoka eo amin'izay itoeran'ny tabernakely dia hangalan'ny mpisorona ka hataony amin'ny rano;
18 Et le sacrificateur fera tenir la femme debout devant l’Éternel, et découvrira la tête de la femme et mettra sur les paumes de ses mains le gâteau* de mémorial ; c’est un gâteau de jalousie ; et dans la main du sacrificateur seront les eaux amères qui apportent la malédiction. 18 ary ravehivavy dia hampitoeran'ny mpisorona eo anatrehan'i Jehovah, ka harakarakany ny volondohan-dravehivavy, ary hataony eo an-tànany ny fanati-pahatsiarovana, dia ny fanatitra noho ny ahiahy; ary ho eo an-tànan'ny mpisorona ny ranom-pangidiana izay mitondra ozona;
19 Et le sacrificateur adjurera la femme, et lui dira : Si un homme n’a pas couché avec toi, et si tu ne t’es pas détournée et rendue impure en étant avec un autre que ton mari, sois quitte de [l’effet de] ces eaux amères qui apportent la malédiction. 19 dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily niala tamin'ny vadinao ho amin'ny fahalotoana ianao, dia afaka amin'ity ranom-pangidiana mitondra ozona ity;
20 Mais si tu t’es détournée en étant avec un autre que ton mari, et que tu te sois rendue impure, et qu’un autre que ton mari ait couché avec toi : … 20 fa raha nivily niala tamin'ny vadinao kosa ianao ka voaloto ihany, fa nisy lehilahy nandry taminao, afa-tsy ny vadinao,
21 alors le sacrificateur adjurera la femme avec un serment d’exécration, et le sacrificateur dira à la femme : Que l’Éternel fasse de toi une exécration et un serment, au milieu de ton peuple, l’Éternel faisant dessécher ta hanche et enfler ton ventre ; 21 dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona mba hiozona, ka hanao aminy hoe: Jehovah anie hanao anao ho fiozonana sy ho fianianana eo amin'ny firenenao, amin'ny fampifezahan'i Jehovah ny fenao sy ny fampivontosany ny kibonao;
22 et ces eaux qui apportent la malédiction entreront dans tes entrailles pour te faire enfler le ventre et pour faire dessécher ta hanche. Et la femme dira : Amen ! amen ! 22 ary ity rano mitondra ozona ity dia hiditra ao an-kibonao ka hampivonto ny kibonao sy hampifezaka ny fenao. Ary ravehivavy hanao hoe: Amena, amena.
23 — Et le sacrificateur écrira ces exécrations dans un livre, et les effacera avec les eaux amères. 23 Ary hosoratan'ny mpisorona amin'ny taratasy izany fiozonana izany ka hosasany eo amin'ny rano mangidy ny soratra;
24 Et il fera boire à la femme les eaux amères qui apportent la malédiction, et les eaux qui apportent la malédiction entreront en elle, pour être amères. 24 dia hampisotroiny an-dravehivavy ny ranom-pangidiana mitondra ozona; atỳ ny rano izay mitondra ozona dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy.
25 Et le sacrificateur prendra, de la main de la femme, le gâteau* de jalousie, et tournoiera le gâteau devant l’Éternel, et le présentera à l’autel. 25 Dia halain'ny mpisorona eo an-tànan-dravehivavy ny fanatitra noho ny ahiahy; ary hahevahevany eo anatrehan'i Jehovah izany ka hateriny eo amin'ny alitara.
26 Et le sacrificateur prendra de l’offrande de gâteau une poignée pour mémorial*, et la fera fumer sur l’autel ; et après, il fera boire les eaux à la femme. 26 Dia horaofin'ny mpisorona ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny fanatitra ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara; ary rehefa afaka izany, dia hampisotroiny io rano io ravehivavy.
27 Quand il lui aura fait boire les eaux, il arrivera que, si elle s’est rendue impure et qu’elle ait été infidèle à son mari, les eaux qui apportent la malédiction entreront en elle pour être amères, et son ventre enflera, et sa hanche se desséchera : et la femme sera une exécration au milieu de son peuple. 27 Ary rehefa nampisotroina ny rano izy, ary voaloto, satria nanao izay nahadiso azy tamin'ny vadiny, dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy ny rano mitondra ozona, ary hivonto ny kibony, sady hifezaka ny feny; ka dia ho fiozonana eo amin'ny fireneny ravehivavy.
28 Et si la femme ne s’est pas rendue impure, mais qu’elle soit pure, alors elle sera quitte, et elle aura des enfants. 28 Nefa kosa, raha tsy voaloto ravehivavy, fa madio, dia ho afaka izy ka hanan'anaka.
29 Telle est la loi de jalousie, quand une femme se sera détournée pour être avec un autre que son mari et se sera rendue impure, 29 Izany no lalàna ny amin'ny ahiahy, raha misy vehivavy mivily miala amin'ny vadiny ka voaloto;
30 ou si l’esprit de jalousie est venu sur un homme et qu’il soit jaloux de sa femme : il fera tenir la femme debout devant l’Éternel, et le sacrificateur lui appliquera toute cette loi ; 30 na misy lehilahy azon'ny fiahiahiana ka miahiahy ny vadiny; dia hampitoetra ny vadiny eo anatrehan'i Jehovah izy, ary ny mpisorona hanefa izany lalàna rehetra izany aminy.
31 l’homme sera exempt d’iniquité, et cette femme portera son iniquité. 31 Dia tsy hanan-tsiny ralehilahy, fa ravehivavy kosa ho meloka.
— v. 15* : c. à d. l’offrande (corban) de la femme. — v. 15**, 18, 25 : litt.: offrande de gâteau. — v. 26 : litt.: son mémorial, celui du gâteau.  
* *
Chapitre 6 Chapitre 6
1 Et l’Éternel parla à Moïse, disant : 1 [Ny lalàna ny amin'ny mivoady ho Nazirita] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Parle aux fils d’Israël, et dis-leur : Si un homme ou une femme se consacre en faisant vœu de nazaréat*, pour se séparer [afin d’être] à l’Éternel, 2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady hitokana ho Nazirita mba hitokana ho an'i Jehovah,
3 il s’abstiendra* de vin et de boisson forte, il ne boira ni vinaigre de vin, ni vinaigre de boisson forte, et il ne boira d’aucune liqueur de raisins, et