| LE SECOND LIVRE DE SAMUEL | 2 Samoela |
| Chapitre 1 | Chapitre 1 |
| 1 Et il arriva, après la mort de Saül, quand David fut revenu d’avoir frappé Amalek, que David habita deux jours à Tsiklag. | 1 [Ny nataon'i Davida, rehefa nahare ny nahafatesan'i Saoly, sy ny hira fisaonana nentiny nisaona azy] Ary nony maty Saoly, ary niverina avy namono ny Amalekita Davida, dia nitoetra indroa andro tao Ziklaga izy. |
| 2 Et, le troisième jour, voici, un homme vint du camp, d’auprès de Saül, ses vêtements déchirés et de la terre sur sa tête ; et aussitôt qu’il arriva auprès de David, il tomba contre terre et se prosterna. | 2 Ary tamin'ny andro fahatelo, indro, nisy lehilahy iray tonga avy tany amin'ny miaramilan'i Saoly, triatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany; ary rehefa tonga teo amin'i Davida izy, dia niankohoka tamin'ny tany ka nitsaoka. |
| 3 Et David lui dit : D’où viens-tu ? Et il lui dit : Je me suis échappé du camp d’Israël. | 3 Ary hoy Davida taminy: Avy taiza moa ianao? Dia hoy izy taminy: Afaka nandositra avy tany amin'ny tobin'ny Isiraely aho. |
| 4 Et David lui dit : Que s’est-il passé ? raconte-le-moi, je te prie. Et il dit que le peuple s’était enfui de la bataille, et que beaucoup d’entre le peuple étaient tombés et étaient morts, et que Saül aussi et Jonathan, son fils, étaient morts. | 4 Ary hoy Davida taminy: Nanao ahoana izay tany? Masìna ianao, ambarao amiko. Dia hoy izy: Ny olona nandositra tamin'ny ady, ary be koa ny miampatrampatra sy maty, ary maty koa Saoly sy Jonatana zanany. |
| 5 Et David dit au jeune homme qui lui racontait [ces choses] : Comment sais-tu que Saül et Jonathan, son fils, sont morts ? | 5 Ary hoy Davida tamin'ilay zatovo niteny taminy: Ahoana no nahafantaranao fa maty Saoly sy Jonatana zanany. |
| 6 Et le jeune homme qui lui rapportait [ces choses] dit : Je passais par aventure sur la montagne de Guilboa ; et voici, Saül s’appuyait sur sa lance, et voici, les chars et les gens de cheval le serraient de près. | 6 Dia nanambara taminy ilay zatovo nanao hoe: Sendra tao an-tendrombohitra Gilboa aho, ary, indro, Saoly nitehina tamin'ny lefony; ary, indreo, ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly nanenjika azy mafy. |
| 7 Et il se tourna en arrière et me vit, et m’appela ; et je dis : Me voici. | 7 Dia niherika izy ka nahita ahy; ary niantso ahy izy, ka hoy izaho: Inty aho. |
| 8 Et il me dit : Qui es-tu ? Et je lui dis : je suis Amalékite. | 8 Ary hoy izy tamiko: Iza moa ianao? Dia hoy izaho taminy: Amalekita aho. |
| 9 Et il me dit : Tiens-toi, je te prie, sur moi, et tue-moi, car l’angoisse* m’a saisi, parce que ma vie est encore toute en moi. | 9 Ary hoy indray izy tamiko: Masìna ianao, hatony kely aho, ka vonoy, fa marary mivonkina ozatra aho, fa mbola ato anatiko ihany ny aiko. |
| 10 Alors je me suis tenu sur lui, et je l’ai mis à mort ; car je savais qu’il ne vivrait pas après sa chute ; et j’ai pris la couronne qui était sur sa tête et le bracelet qui était à son bras, et je les ai il apportés ici à mon seigneur. | 10 Dia nanatona azy aho ka namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona izy, rehefa resy*, ka dia nalaiko ny satro-boninahiny teo an-dohany sy ny fehin-tanana teo amin'ny sandriny, ka nentiko etỳ amin'ny tompoko izany.[Heb. lavo] |
| 11 Alors David saisit ses vêtements et les déchira ; et tous les hommes qui étaient avec lui [firent] de même ; | 11 Dia noraisin'i Davida ny fitafiany ka notriariny: ary dia mba nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy. |
| 12 et ils menèrent deuil, et pleurèrent, et jeûnèrent jusqu’au soir sur Saül et sur Jonathan, son fils, et sur le peuple de l’Éternel, et sur la maison d’Israël, parce qu’ils étaient tombés par l’épée. | 12 Ary nisaona sy nitomany sy nifady hanina ambara-paharivan'ny andro izy noho ny amin'i Saoly sy Jonatana zanany sy ny olon'i Jehovah ary ny taranak'Isiraely, satria lavon-tsabatra ireny. |
| — v. 9 : le sens du mot est incertain. | |
| 13 Et David dit au jeune homme qui lui avait rapporté [ces choses] : D’où es-tu ? Et il dit : Je suis fils d’un homme étranger, d’un Amalékite. | 13 Ary hoy Davida tamin'ilay zatovo nanambara taminy: Avy aiza ianao? Ary hoy izy: Zanaky ny vahiny Amalekita aho. |
| 14 Et David lui dit : Comment n’as-tu pas craint d’étendre ta main pour tuer* l’oint de l’Éternel ? | 14 Dia hoy Davida taminy: Nahoana ianao no tsy natahotra haninjitra ny tananao hamono ny voahosotr'i Jehovah? |
| 15 Alors David appela un des jeunes hommes et [lui] dit : Approche [et] jette-toi sur lui ! Et il le frappa, et il mourut. | 15 Dia niantso zatovo anankiray Davida ka nanao hoe: Hatony io, ka vonoy; dia nasiany izy ka maty. |
| 16 Et David lui dit : Ton sang soit sur ta tête, car ta bouche a témoigné contre toi, disant : J’ai mis à mort l’oint de l’Éternel. | 16 ary hoy Davida taminy: Aoka ny rànao ho eo amin'ny lohanao, satria ny vavanao ihany no efa niampanga anao nanao hoe: Izaho no namono ny voahosotr'i Jehovah. |
| — v. 14 : hébreu : détruire. | |
| 17 Et David prononça sur Saül et sur Jonathan, son fils, cette complainte ; | 17 Ary Davida nisaona an'i Saoly sy Jonatana zanany tamin'izao hira fisaonana izao |
| 18 et il dit d’enseigner aux fils de Juda [le chant de] l’Arc* ; voici, il est écrit au livre de Jashar**: | 18 (ary nasainy nampianarina ny taranak'i Joda ny hira atao hoe Tsipika; indro, voasoratra ao amin'ny Bokin'i Jasara* izany): [Jasara = Ilay mahitsy] |
| — v. 18* : ou : [à tirer de] l’arc. — v. 18** : quelques-uns : du Juste (droit). | |
| 19 Ton ornement, ô Israël, est tué sur tes hauts lieux. Comment les hommes forts sont-ils tombés ! | 19 Ilay voninahitrao*, ry Isiraely, no voalefona teo amin'ny havoananao; Endrey! Lavo ny mahery! [Na: gazelanao, dia anaram-biby haingan-tongotra] |
| 20 Ne le racontez pas dans Gath, n’en portez pas la nouvelle dans les rues d’Askalon ; de peur que les filles des Philistins ne se réjouissent, de peur que les filles des incirconcis ne tressaillent de joie. | 20 Aza ambaranareo any Gata izany, Aza torinareo ho fifaliana any an-dalamben'i Askelona. Fandrao mifaly ny zanakavavin'ny Filistina. Fandrao miravoravo ny zanakavavin'ny tsy mifora. |
| 21 Montagnes de Guilboa, qu’il n’y ait pas de rosée, pas de pluie sur vous, ni des champs d’offrandes* ; car là fut jeté comme une chose souillée le bouclier des hommes forts, le bouclier de Saül, [comme s’il n’eût] pas été oint d’huile. | 21 Hianareo tendrombohitra Gilboa, Aza misy ando aman'orana intsony eny aminareo, na saha angalana fanatitra asandratra, satria tany no nandotoana* ny ampingan'ny mahery, Dia ny ampingan'i Saoly, ka** tsy nohosorana diloilo.[*Na: nanariana][**Na: toy ny an'izay] |
| 22 L’arc de Jonathan ne se retirait pas du sang des tués [et] de la graisse des hommes forts ; et l’épée de Saül ne retournait pas à vide. | 22 Ny tsipìkan'i Jonatana tsy nihemotra. Raha tsy nahazo ny ran'ny maty sy ny tavin'ny mahery; ary ny sabatr'i Saoly tsy mba niverina foana. |
| 23 Saül et Jonathan, aimés et agréables dans leur vie, n’ont pas été séparés dans leur mort. Ils étaient plus rapides que les aigles, plus forts que les lions. | 23 Saoly sy Jonatana, izay tiana sady mahate-ho-tia fony fahavelony, dia tsy nosarahina na dia tamin'ny nahafatesany aza; Faingana noho ny voromahery izy ary mahery noho ny liona. |
| 24 Filles d’Israël, pleurez sur Saül, qui vous revêtait d’écarlate, magnifiquement*, qui a couvert vos vêtements d’ornements d’or. | 24 Ry zanakavavin'Isiraely, mitomania an'i Saoly, fa nahafinaritra ny mampitafiany jaky anareo, sady nasiany firava-bolamena ny fitafianareo. |
| 25 Comment les hommes forts sont-ils tombés au milieu de la bataille ! Comment Jonathan a-t-il été tué sur tes hauts lieux ! | 25 Endrey! lavo teo amin'ny ady ny mahery voalefona teo amin'ny havoananao Jonatana. |
| 26 Je suis dans l’angoisse à cause de toi, Jonathan, mon frère ! Tu étais pour moi plein de charmes ; ton amour pour moi était merveilleux, plus [grand] que l’amour des femmes. | 26 Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko; nahafinaritra ahy indrindra ianao; nahagaga ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan'ny vehivavy. |
| 27 Comment sont tombés les hommes forts, et sont péris les instruments de guerre ! | 27 Endrey! lavo ny mahery, ary levona ny fiadiana! |
| — v. 21 : c. à d. qui produisent de quoi faire des offrandes. — v. 24 : ou : avec délices. | |
| Chapitre 2 | Chapitre 2 |
| 1 Et il arriva, après cela, que David interrogea l’Éternel, disant : Monterai-je dans une des villes de Juda ? Et l’Éternel lui dit : Monte. Et David dit. Où monterai-je ? Et il dit : À Hébron. | 1 [Ny nanjakan'i Davida tamin'ny Joda, sy ny nanjakan'Isboseta tamin'ny Isiraely, ary ny niadian'izy roa tonta tao Gibeona] Ary rehefa afaka izany, Davida dia nanontany tamin'i Jehovah hoe: Hiakatra ho any amin'ny tanànan'ny Joda anankiray va aho? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara. Ary hoy Davida: Any aninona no hiakarako? Dia hoy Izy: Any Hebrona. |
| 2 Et David y monta, et ses deux femmes aussi, Akhinoam, la Jizreélite, et Abigaïl, femme de Nabal, le Carmélite. | 2 Dia niakatra nankany Davida mbamin'ny vadiny roa, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila, ilay novinadin'i Nabala Karmelita. |
| 3 Et ses hommes qui étaient avec lui, David les fit monter, chacun avec sa maison, et ils habitèrent dans les villes de Hébron. | 3 Ary ny olona izay tao amin'i Davida mbamin'ny ankohonan'ireo dia samy nentiny niakatra koa, ka nonina tao amin'ny tanàna momba an'i Hebrona izy ireo. |
| 4 Et les hommes de Juda vinrent et oignirent là David pour roi sur la maison de Juda. * | 4 Ary dia avy ny lehilahy amin'ny Joda ka nanosotra an'i Davida tao mba ho mpanjaka amin'ny taranak'i Joda. Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Ny olona any Jabesi-gileada no nandevina an'i Saoly. |
| — v. 4 : date : A.C. 1055. | |
| Et on rapporta à David, disant : Ce sont les hommes de Jabès de Galaad qui ont enterré Saül. | |
| 5 Et David envoya des messagers aux hommes de Jabès de Galaad, et leur fit dire : Bénis soyez-vous de l’Éternel, de ce que vous avez usé de cette bonté envers votre seigneur Saül, et de ce que vous l’avez enterré ! | 5 Ary Davida dia naniraka olona hankany amin'ny mponina any Jabesi-gileada hanao aminy hoe: Hotahin'i Jehovah anie ianareo noho ny soa nataonareo tamin'i Saoly tomponareo tamin'ny nandevenanareo azy. |
| 6 Et maintenant, que l’Éternel use envers vous de bonté et de vérité ! Et moi aussi je vous rendrai ce bien, parce que vous avez fait cela. | 6 Koa haneho famindram-po sy fahamarinana aminareo anie Jehovah, sady izaho koa efa manao izao soa izao aminareo noho ny nanaovanareo izany zavatra izany. |
| 7 Et maintenant, que vos mains se fortifient, et soyez des hommes vaillants ; car votre seigneur Saül est mort, et de plus, c’est moi que la maison de Juda a oint pour roi sur elle. | 7 Ary ankehitriny, aoka hampaherezina anie ny tananareo, ary aoka hatanjaka ianareo; fa maty Saoly tomponareo, ary izaho no nohosoran'ny firenen'i Joda ho mpanjakany. |
| 8 Et Abner, fils de Ner, chef de l’armée de Saül, prit Ish-Bosheth*, fils de Saül, et le fit passer à Mahanaïm | 8 Fa Abnera, zanak'i Nera, komandin'ny miaramilan'i Saoly, efa naka an'Isboseta, zanakalahin'i Saoly, ka nitondra azy nankany Mahanaima, |
| 9 et l’établit roi sur Galaad, et sur les Ashurites, et sur Jizreël, et sur Éphraïm, et sur Benjamin, et sur Israël tout entier. | 9 dia nampanjaka azy tamin'i Gileada sy ny Asorita* sy Jezirela sy ny Efraima sy ny Benjamina ary ny Isiraely rehetra.[Na: (Gesorita)] |
| 10 Ish-Bosheth, fils de Saül, était âgé de quarante ans lorsqu’il régna sur Israël, et il régna deux ans. Toutefois la maison de Juda suivit David. | 10 (Ary efa-polo taona no nahaveloman'Isboseta, zanak'i Saoly, fony izy vao nanjaka amin'ny Isiraely, ary roa taona no nanjakany.) Fa ny firenen'i Joda nomba an'i Davida. |
| 11 Et le nombre des jours, pendant lesquels David fut roi à Hébron sur la maison de Juda, fut de sept ans et six mois. | 11 Ary ny andro nanjakan'i Davida tao Hebrona tamin'ny taranak'i Joda dia fito taona sy enim-bolana. |
| — v. 8 : Eshbaal, 1 Chroniques 8:33. | |
| 12 Et Abner, fils de Ner, et les serviteurs d’Ish-Bosheth, fils de Saül, sortirent de Mahanaïm vers Gabaon ; | 12 Ary Abnera, zanak'i Nera, sy ny mpanompon'Isboseta, zanak'i Saoly, niala tao Mahanaima ka nankany Gibeona. |
| 13 et Joab, fils de Tseruïa, et les serviteurs de David, sortirent aussi ; et ils se rencontrèrent ensemble près du réservoir de Gabaon ; et ceux-ci s’assirent d’un côté du réservoir, et ceux-là de l’autre côté du réservoir. | 13 Ary Joaba, zanak'i Zeroia, sy ny mpanompon'i Davida nivoaka ka nihaona tamin'ireo teo amoron'ny kamory tao Gibeona; ary samy nipetraka teo amin'ny lafin'ny kamory avy izy. |
| 14 Et Abner dit à Joab : Que les jeunes hommes se lèvent donc et jouent [entre eux] devant nous ! Et Joab dit : Qu’ils se lèvent. | 14 Ary hoy Abnera tamin'i Joaba: Masìna ianao, aoka hitsangana ny zatovo hanao kilalao eto anatrehantsika. Ary hoy Joaba; Aoka ary izy hitsangana. |
| 15 Et ils se levèrent et passèrent, au nombre de douze pour Benjamin et pour Ish-Bosheth, fils de Saül, et de douze d’entre les serviteurs de David. | 15 Dia nisy nitsangana ka nita, dia roa ambin'ny folo lahy tamin'ny Benjamina, izay an'Isboseta, zanak'i Saoly, ary roa ambin'ny folo lahy koa tamin'ny mpanompon'i Davida. |
| 16 Et chacun saisit son adversaire* par la tête, et [passa] son épée dans le flanc de son adversaire*, et ils tombèrent [tous] ensemble. Et on appela ce lieu-là Helkath-Hatsurim**, qui est en Gabaon. | 16 Ary izy rehetra samy nifanavika nifampihazon-doha ka nifandefon-tehezana tamin'ny sabatra, dia niara-nikarapoka; koa izany no nanaovana izany fitoerana ao Gibeona izany hoe Helkata-hazorima*.[Helkata-hazorima = Tamin'ny sabatra maranitra] |
| 17 Et le combat fut très-rude ce jour-là ; et Abner et les hommes d’Israël furent battus devant les serviteurs de David. | 17 Ary mafy ny ady tamin'izany andro izany; ary dia resy teo anoloan'ny mpanompon'i Davida Abnera sy ny lehilahy amin'ny Isiraely. |
| — v. 16* : litt.: compagnon. — v. 16** : le champ des tranchants. | |
| 18 Et il y avait là trois fils de Tseruïa, Joab, et Abishaï, et Asçaël. | 18 Ary mba teo koa izy telo lahy zanak'i Zeroia, dia Joaba sy Abisay ary Asahela; ary Asahela dia haingan-tongotra tahaka ny gazela* any an-efitra.[Izahao i. and. 19] |
| 19 Et Asçaël était léger de ses pieds comme une des gazelles qui sont dans les champs. Et Asçaël poursuivit Abner, et il ne se détourna pas d’Abner pour aller à droite ou à gauche. | 19 Ary Asahela nanenjika an'i Abnera, ka ny fandehany nanenjika an'i Abnera dia tsy nivily akory na tamin'ny ankavanana na tamin'ny ankavia. |
| 20 Et Abner regarda derrière lui, et dit : Est-ce toi, Asçaël ? Et il dit : C’est moi. | 20 Ary Abnera niherika ka nanao hoe: Hianao moa izany, no Asahela? Dia hoy izy: Izaho ity. |
| 21 Et Abner lui dit : Détourne-toi à droite ou à gauche, et saisis-toi de l’un des jeunes hommes et prends pour toi son armure. Mais Asçaël ne voulut pas se détourner de lui. | 21 Dia hoy Abnera taminy: Mivilia ianao, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, ary zatovo anankiray no sambory, ka baboy ho anao izay eny aminy rehetra. Fa Asahela tsy nety nivily, fa nanenjika azy ihany. |
| 22 Et Abner dit encore à Asçaël : Détourne-toi de moi ! Pourquoi te jetterais-je mort par terre ? Et comment lèverais-je ma face devant Joab, ton frère ? | 22 Ary hoy indray Abnera tamin'i Asahela: Mivilia ianao, fa aza manenjika ahy; fa hataoko inona moa izay hamely anao hikarapoka amin'ny tany, ary hataoko ahoana no fijery an'i Joaba rahalahinao? |
| 23 Mais il refusa de se détourner, et Abner le frappa au ventre avec la hampe de sa lance, et sa lance lui sortit par derrière, et il tomba là et mourut sur place. Et tous ceux qui venaient à l’endroit où Asçaël était tombé et était mort, s’arrêtaient. | 23 Nefa tsy nety nivily ihany izy, ka dia nasian'i Abnera ny antsedefona ny kibony, ka dia niboroaka teo an-damosiny ny lefona, ary nikarapoka teo izy ka maty niaraka tamin'izay. Ary izay rehetra tonga teo amin'ilay nikarapohan'i Asahela sy nahafatesany dia nijanona. |
| 24 Et Joab et Abishaï poursuivirent Abner ; et le soleil se couchait quand ils arrivèrent à la colline d’Amma, qui est devant Guiakh, sur le chemin du désert de Gabaon. | 24 Ary Joaba sy Abisay dia nanenjika an'i Abnera; ka nony tonga teo amin'ny havoana Ama izy, izay tandrifin'i Gia amin'ny lalana mankany amin'ny efitr'i Gibeona, dia maty ny masoandro. |
| 25 Et les fils de Benjamin se rassemblèrent derrière Abner ; et ils formèrent une seule troupe, et se tinrent sur le sommet d’une colline. | 25 Ary ny taranak'i Benjamina niangona teo amin'i Abnera ka nifoko ho iray toko ary nijanona teo an-tampon'ny havoana anankiray. |
| 26 Et Abner cria à Joab et dit : L’épée dévorera-t-elle à toujours ? Ne sais-tu pas qu’il y aura de l’amertume à la fin ? et jusques à quand ne diras-tu pas au peuple de revenir de la poursuite de ses frères ? | 26 Ary Abnera niantso an'i Joaba hoe: Handany mandrakizay va ny sabatra? Tsy fantatrao va fa hangidy ny hiafaran'izany? Koa mandra-pahoviana no tsy hampivereninao ny olona tsy hanenjika ny rahalahiny? |
| 27 Et Joab dit : Dieu est vivant, que, si tu n’avais parlé, dès le matin [déjà] le peuple se serait retiré, chacun de la poursuite de son frère ! | 27 Ary hoy Joaba: Raha velona koa Andriamanitra, raha tsy ilay teninao*, dia efa lasa nody any naraina avokoa ny olona ka tsy nanenjika ny rahalahiny akory.[Izaho and. 14] |
| 28 Et Joab sonna de la trompette, et tout le peuple s’arrêta ; et ils ne poursuivirent plus Israël, et ils ne continuèrent plus à se battre. | 28 Dia nitsoka ny anjomara Joaba, ka dia nijanona ny olona rehetra, ary tsy nanenjika ny Isiraely intsony na niady taminy intsony izy. |
| 29 Et Abner et ses hommes marchèrent toute cette nuit-là dans la plaine*, et traversèrent le Jourdain, et marchèrent par tout le Bithron, et vinrent à Mahanaïm. | 29 Ary Abnera sy ny olony nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay*, dia nita an'i Jordana sy namaky an'i Bitrona rehetra, ka dia tonga tao Mahanaima izy.[Heb. Arabà] |
| 30 Et Joab s’en retourna de la poursuite d’Abner et rassembla tout le peuple ; et, des serviteurs de David, il manquait dix-neuf hommes et Asçaël. | 30 Ary rehefa niverina Joaba avy nanenjika an'i Abnera, dia novoriny ny olona rehetra, ary sivy ambin'ny folo lahy ihany mbamin'i Asahela no tsy teo ny mpanompon'i Davida. |
| 31 Et les serviteurs de David avaient frappé à mort trois cent soixante hommes de Benjamin et des hommes d’Abner. | 31 Fa ny mpanompon'i Davida efa nahafaty enim-polo sy telon-jato lahy tamin'ny Benjamita sy ny olon'i Abnera. |
| 32 Et ils enlevèrent Asçaël, et l’enterrèrent dans le sépulcre de son père, qui était à Bethléhem ; et Joab et ses hommes marchèrent toute la nuit ; et il faisait jour lorsqu’ils [arrivèrent] à Hébron. | 32 Ary Asahela dia nentiny ka naleviny tao amin'ny fasan-drainy, izay tao Betlehema. Ary Joaba sy ny olony nandeha mandritra ny alina, dia tonga tao Hebrona raha vao nazava ratsy ny andro. |
| — v. 29 : l’Araba. | |
| Chapitre 3 | Chapitre 3 |
| 1 Et la guerre fut longue entre la maison de Saül et la maison de David. Et David allait se fortifiant, et la maison de Saül allait s’affaiblissant. | 1 [Ny nandrosoan'ny fanjakan'i Davida, sy ny nihenan'ny an'Isboseta kosa, ary ny nivadihan'i Abnera hanaraka an'i Davida, sy ny namonoan'i Joaba azy] Ary naharitra ela ny adin'ny tamingan'i Saoly sy ny tamingan'i Davida, nefa Davida nihahery, fa ny tamingan'i Saoly kosa nihahosa. |
| 2 Et il naquit à David des fils à Hébron : son premier-né fut Amnon, d’Akhinoam, la Jizreélite ; | 2 Ary Davida niteraka zazalahy tao Hebrona: koa Amnona, tamin'i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoany; |
| 3 et le second, Kileab, d’Abigaïl, femme de Nabal, le Carmélite ; et le troisième, Absalom, fils de Maaca, fille de Talmaï, roi de Gueshur ; | 3 ary Kileaba, tamin'i Abigaila, ilay novinadin'i Nabala Karmelita, no lahiaivo; ary ny fahatelo dia Absaloma, zanak'i Maka, zanakavavin'i Talmay, mpanjakan'i Gesora; |
| 4 et le quatrième, Adonija, fils de Hagguith ; et le cinquième, Shephatia, fils d’Abital ; | 4 ary ny fahefatra dia Adonia, zanak'i Hagita; ary ny fahadimy dia Sefatia, zanak'i Abitala; |
| 5 et le sixième, Jithream, d’Égla, femme de David. Ceux-ci naquirent à David à Hébron. | 5 ary ny fahenina dia Jitreama, tamin'i Egla, vadin'i Davida. Ireo no naterak'i Davida tao Hebrona. |
| 6 Et il arriva que, pendant qu’il y eut guerre entre la maison de Saül et la maison de David, Abner tint ferme pour la maison de Saül. | 6 Ary raha mbola niady ny tamingan'i Davida sy ny tamingan'i Saoly, Abnera dia nampiseho hery niandany tamin'ny tamingan'i Saoly. |
| 7 Et Saül avait une concubine : son nom était Ritspa, fille d’Aïa ; et [Ish-Bosheth] dit à Abner : Pourquoi es-tu entré vers la concubine de mon père ? | 7 (Ary Saoly nanana vaditsindrano, Rizpa no anarany, zanakavavin'i Aia) Kanefa Isboseta niteny tamin'i Abnera hoe: Nahoana no nalainao ny vaditsindranon'ikaky? |
| 8 Et Abner fut fort irrité à cause des paroles d’Ish-Bosheth, et il dit : Suis-je une tête de chien, moi qui aujourd’hui, contre Juda, ai usé de bonté envers la maison de Saül, ton père, envers ses frères et envers ses amis, et qui ne t’ai pas livré aux mains de David, que tu m’imputes aujourd’hui de l’iniquité à cause de cette femme ? | 8 Dia tezitra mafy Abnera noho ny tenin'Isboseta, ka hoy izy: Lohan'alika no miandany amin'ny Joda va aho? He! izato izaho manisy soa ny tamingan'i Saoly rainao sy ny rahalahiny sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-tànan'i Davida, nefa aho izao helohinao noho ny amin'iny vehivavy iny? |
| 9 Que Dieu fasse ainsi à Abner et ainsi y ajoute, si je ne fais pas à David comme l’Éternel lui a juré, | 9 Hataon'Andriamanitra amin'i Abnera anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko aminy araka ny nianianan'i Jehovah tamin'i Davida, |
| 10 en faisant passer le royaume de la maison de Saül, et en établissant le trône de David sur Israël et sur Juda, depuis Dan jusqu’à Beër-Shéba ! | 10 ka hampiala ny fanjakana amin'ny tamingan'i Saoly aho ary hampitoetra ny seza fiandrianan'i Davida amin'ny Isiraely sy amin'ny Joda hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba. |
| 11 Et [Ish-Bosheth] ne put répliquer un mot à Abner, parce qu’il avait peur de lui. | 11 Dia tsy nahavaly an'i Abnera intsony izy noho ny tahony azy. |
| 12 Et Abner envoya des messagers à David de sa part, disant : À qui est le pays ? — disant : Fais alliance avec moi ; et voici, ma main sera avec toi pour tourner vers toi tout Israël. | 12 Ary Abnera dia naniraka olona tany amin'i Davida niaraka tamin'izay* hanao hoe: An'iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko, ary, indro, ny tanako homba anao hampanaiky ny Isiraely rehetra anao.[Na: hisolo vava azy] |
| 13 Et [David] dit : Bien, je ferai alliance avec toi ; seulement je demande de toi une chose, savoir : Tu ne verras pas ma face, à moins qu’auparavant tu ne fasses venir Mical, fille de Saül, quand tu viendras pour voir ma face. | 13 Dia hoy izy: Tsara izany; izaho hanao fanekena aminao; kanefa zavatra iray loha no ilaiko aminao: Tsy hahazo mihaona amiko ianao, raha tsy entinao atỳ Mikala, zanakavavin'i Saoly. |
| 14 Et David envoya des messagers à Ish-Bosheth, fils de Saül, disant : Donne-moi ma femme Mical, que je me suis fiancée pour cent prépuces de Philistins. | 14 Ary Davida naniraka olona nankany amin'Isboseta, zanakalahin'i Saoly, hanao hoe: Omeo ahy Mikala vadiko, izay efa nifanekena ho vadiko tamin'ny mariky ny fahafatesan*'ny Filistina zato lahy.[Heb. saron-tsotsoka] |
| 15 Et Ish-Bosheth envoya, et la prit d’auprès de son mari, d’auprès de Paltiel, fils de Laïsh. | 15 Ary Isboseta naniraka naka an'i Mikala tany amin'i Paltiela vadiny, zanak'i Laisy. |
| 16 Et son mari alla avec elle, marchant et pleurant après elle, jusqu’à Bakhurim. Et Abner lui dit : Va, retourne-t’en. Et il s’en retourna. | 16 Ary io vadiny io nanaraka azy ka nitomany teny aoriany hatrany Bahorima. Fa hoy Abnera taminy: Mandehana miverina. Dia niverina izy. |
| 17 Et Abner s’était entretenu avec les anciens d’Israël, disant : Ci-devant vous recherchiez David, pour qu’il fût roi sur vous ; | 17 Ary Abnera efa niteny tamin'ny loholon'ny Isiraely hoe: Efa ela izay no nitadiavanareo an'i Davida ho mpanjakanareo; |
| 18 et maintenant, agissez ; car l’Éternel a parlé touchant David, disant : Par la main de David, mon serviteur, je délivrerai* mon peuple Israël de la main des Philistins et de la main de tous ses ennemis. | 18 koa tanteraho izany ankehitriny, fa Jehovah efa nilaza an'i Davida hoe: Amin'ny tànan'i Davida mpanompoko no hamonjeko ny Isiraely oloko ho afaka amin'ny tanan'ny Filistina sy amin'ny tanan'ny fahavalony rehetra. |
| 19 Et Abner parla aussi aux oreilles de Benjamin, et Abner alla aussi pour dire aux oreilles de David, à Hébron, tout ce qui était bon aux yeux d’Israël et aux yeux de toute la maison de Benjamin. | 19 Ary Abnera efa niteny tamin'ny Benjamita koa, ary lasa izy hilaza amin'i Davida ao Hebrona koa izay rehetra tian'ny Isiraely sy ny taranak'i Benjamina rehetra hatao. |
| 20 Et Abner vint vers David, à Hébron, et avec lui vingt hommes ; et David fit un festin à Abner, ainsi qu’aux hommes qui étaient avec lui. | 20 Dia tonga tany amin'i Davida tao Hebrona Abnera sy olona roa-polo lahy nanaraka azy. Ary nanao fanasana ho an'i Abnera sy ny olona nanaraka azy Davida. |
| 21 Et Abner dit à David : Je me lèverai, et j’irai, et j’assemblerai vers mon seigneur, le roi, tout Israël ; et ils feront alliance avec toi ; et tu régneras sur tout ce que ton âme désire. Et David congédia Abner, et il s’en alla en paix. | 21 Ary hoy Abnera tamin'i Davida: Hiainga aho, dia handeha hamory ny Isiraely rehetra ho etỳ aminao mpanjaka tompoko, mba hanaovany fanekena aminao ary hanjakanao amin'izay rehetra irin'ny fonao. Ary Davida nampandeha an'i Abnera; ka dia lasa soa aman-tsara izy. |
| — v. 18 : litt.: il sauvera. | |
| 22 Et voici, les serviteurs de David, et Joab, revenaient d’une expédition, et ils amenaient avec eux un grand butin ; et Abner n’était pas avec David, à Hébron, car il l’avait congédié, et il s’en était allé en paix. | 22 Ary, indreo, tonga ny mpanaraka an'i Davida sy Joaba avy nitoha ka nitondra babo be; ary efa tsy teo amin'i Davida tao Hebrona intsony Abnera, fa efa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara. |
| 23 Et Joab et toute l’armée qui était avec lui vinrent ; et on rapporta à Joab, en disant : Abner, fils de Ner, est venu vers le roi qui l’a congédié, et il s’en est allé en paix. | 23 Nony tonga Joaba sy ny miaramila rehetra izay nanaraka azy, dia nisy nanambara tamin'i Joaba hoe: Tonga tao amin'ny mpanjaka Abnera, zanak'i Nera, nefa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara. |
| 24 Et Joab entra auprès du roi, et dit : Qu’as-tu fait ? Voici, Abner est venu vers toi ; pourquoi l’as-tu congédié, en sorte qu’il s’en est allé ? | 24 Ary Joaba nankao amin'ny mpanjaka ka nanao hoe: Inona izany nataonao izany? Nahoana no efa tonga teto aminao Abnera ka nalefanao fotsiny, ka dia afaka soa aman-tsara izy? |
| 25 Tu connais Abner, fils de Ner, qu’il est venu pour te tromper, et pour connaître tes sorties et tes entrées, et pour savoir tout ce que tu fais. | 25 Fantatrao anefa ny amin'i Abnera, zanak'i Nera, fa hamitaka anao no nahatongavany hahalalany ny ivoahanao sy ny idiranao ary hahalalany izay rehetra ataonao. |
| 26 Et Joab sortit d’auprès de David, et envoya après Abner des messagers qui le firent rebrousser depuis la citerne de Sira ; et David ne le savait pas. | 26 Dia nivoaka Joaba avy tao amin'i Davida ka naniraka olona hanaraka an'i Abnera, ary nitondra azy niverina avy any amin'ny lavaka famorian-drano atao hoe Siraha ireo: nefa tsy fantatr'i Davida izany. |
| 27 Et Abner revint à Hébron, et Joab le tira à part au milieu de la porte, pour lui parler tranquillement, et là il le frappa au ventre, en sorte qu’il mourut, à cause du sang de son frère Asçaël. | 27 Ary nony niverina tao Hebrona Abnera, dia nentin'i Joaba nitanila tao anaty vavahady hiresaka aminy mangingina, kanjo nasiany tamin'ny kibony ka matiny ho todin'ny ran'i Asahela rahalahiny. |
| 28 Et David l’apprit plus tard, et il dit : Je suis innocent, moi et mon royaume, devant l’Éternel, à jamais, du sang d’Abner, fils de Ner : | 28 Ary rehefa afaka izany, dia nahare Davida, ka hoy izy: Tsy manan-keloka mandrakizay eo anatrehan'i Jehovah izaho sy ny fanjakako ny amin'ny ran'i Abnera, zanak'i Nera. |
| 29 qu’il tombe sur la tête de Joab, et sur toute la maison de son père ; et que la maison de Joab ne soit jamais sans un homme ayant un flux, ou la lèpre, ou qui s’appuie sur un bâton, ou qui tombe par l’épée, ou qui manque de pain. | 29 Hitsingerina amin'ny lohan'i Joaba sy ny tarana-drainy rehetra anie ny todin'izany; ary tsy ho tapaka amin'ny taranak'i Joaba anie ny marary mitsika, na ny boka, na ny mamahana amin'ny tehina, na ny lavon-tsabatra, na ny tsy manan-kohanina. |
| 30 Ainsi Joab et Abishaï, son frère, tuèrent Abner, parce qu’il avait donné la mort à Asçaël, leur frère, à Gabaon, dans la bataille. | 30 Toy izany no namonoan'i Joaba sy Abisay rahalahiny an'i Abnera noho ny namonoany an'i Asahela rahalahiny tao Gibeona tamin'ny ady. |
| 31 Et David dit à Joab et à tout le peuple qui était avec lui : Déchirez vos vêtements et ceignez-vous de sacs, et menez deuil devant Abner. Et le roi David marchait après le cercueil. | 31 Ary hoy Davida tamin'i Joaba sy ny olona rehetra izay teo aminy: Triaro ny fitafianareo, ary misikìna lamba fisaonana*, ka aoka hisaona eo anolohan'i Abnera ianareo. Ary Davida mpanjaka nanaraka ny tranovorona.[Heb. lamba malailay] |
| 32 Et ils enterrèrent Abner à Hébron ; et le roi éleva sa voix et pleura au sépulcre d’Abner ; et tout le peuple pleura. | 32 Dia nandevina an'i Abnera tao Hebrona izy; ary ny mpanjaka nanandratra ny feony ka nitomany teo amin'ny fasan'i Abnera; ary ny vahoaka rehetra dia mba nitomany koa. |
| 33 Et le roi prononça une complainte sur Abner, et dit : | 33 Ary ny mpanjaka nanao hira fisaonana an'i Abnera hoe: Tahaka ny fahafatesan'ny adala va no tokony ho nahafatesan'i Abnera? |
| Abner devait-il mourir comme meurt un insensé* ? | |
| 34 Tes mains n’étaient pas liées, et tes pieds n’avaient pas été mis dans des chaînes ; tu es tombé comme on tombe devant les fils d’iniquité. | 34 Ny tananao tsy nifatotra, ary ny tongotrao tsy nigadra; Fa tahaka ny fikarapok'izay asian'ny olon-dratsy no nikarapohanao. Ary ny vahoaka rehetra dia mbola nitomany azy indray. |
| — v. 33 : ou : impie. | |
| Et tout le peuple pleura encore sur lui. | |
| 35 Et tout le peuple vint vers David pour l’engager à manger du pain, pendant qu’il était encore jour ; mais David jura, disant : Que Dieu me fasse ainsi et ainsi y ajoute, si avant que le soleil se soit couché, je goûte du pain ou aucune autre chose ! | 35 Ary izy rehetra dia avy hampihinan-kanina an'i Davida raha mbola antoandro, nefa Davida nianiana hoe: Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha mba hitendry hanina na inona na inona akory aho mandra-pilentiky ny masoandro. |
| 36 Et tout le peuple y eut égard, et cela fut bon à leurs yeux, comme tout ce que faisait le roi était bon aux yeux de tout le peuple. | 36 Ary azon'ny vahoaka rehetra ny hevitr'izany ka nankasitrahany, dia tahaka ny nankasitrahany izay rehetra nataon'ny mpanjaka. |
| 37 Et en ce jour-là tout le peuple et tout Israël reconnurent que ce n’était point de par le roi qu’on avait fait mourir Abner, fils de Ner. | 37 Ka dia fantatry ny vahoaka rehetra sy ny Isiraely rehetra tamin'izany andro izany fa tsy avy tamin'ny mpanjaka no nahafaty an'i Abnera, zanak'i Nera. |
| 38 Et le roi dit à ses serviteurs : Ne savez-vous pas qu’un prince, et un grand homme, est tombé aujourd’hui en Israël ? | 38 Ary hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Tsy fantatrareo va fa komandy sady lehilahy malaza no maty androany tamin'ny Isiraely? |
| 39 Et moi, je suis aujourd’hui faible, bien que j’aie reçu l’onction de roi* ; et ces hommes-là, les fils de Tseruïa, sont trop durs pour moi. Que l’Éternel rende à celui qui fait le mal, selon son méfait** ! | 39 Ary tsy mbola manan-kery loatra aho izao, na dia mpanjaka efa voahosotra aza; ary ireo zanak'i Zeroia ireo dia mahery sata loatra amiko; Jehovah anie hamaly izay nanao izao ratsy izao araka ny ratsy nataony. |
| — v. 39* : litt.: bien que roi oint. — v. 39** : ou : sa méchanceté. | |
| Chapitre 4 | Chapitre 4 |
| 1 Et quand le fils de Saül apprit qu’Abner était mort à Hébron, ses mains furent affaiblies, et tout Israël fut troublé. | 1 [Ny namonoana an'Isboseta, sy ny namalian'i Davida ireo namono azy kosa] Ary nony ren'ny zanakalahin'i Saoly fa maty tany Hebrona Abnera, dia niraviravy tanana izy, ary raiki-tahotra ny Isiraely rehetra. |
| 2 Et il y avait deux hommes, chefs de bandes du fils de Saül ; le nom de l’un était Baana, et le nom du second, Récab : [ils étaient] fils de Rimmon, le Beérothien, d’entre les fils de Benjamin ; car aussi Beéroth est comptée comme étant de Benjamin. | 2 Ary nisy roa lahy, lehiben'ny mpitohan'ny zanakalahin'i Saoly, Bana no anaran'ny iray, ary Rekaba no anaran'ny iray, samy zanak'i Rimona Berotita tamin'ny taranak'i Benjamina (fa Berota koa natao ho isan'ny an'i Benjamina; |
| 3 Et les Beérothiens s’enfuirent à Guitthaïm, et ils y ont séjourné jusqu’à aujourd’hui. | 3 ary ny Berotita nandositra nankany Gitaima, dia nivahiny tany mandraka androany). |
| 4 Et Jonathan, fils de Saül, avait un fils perclus des pieds ; il était âgé de cinq ans lorsque le bruit touchant Saül et Jonathan vint de Jizreël ; et sa nourrice l’emporta, et s’enfuit ; et il arriva que, comme elle se hâtait de fuir, il tomba et devint boiteux ; et son nom était Mephibosheth*. | 4 Ary Jonatana, zanak'i Saoly, nanan-janakalahy malemy tongotra. Dimy taona izy, fony tonga avy tany Jezirela ny filazana ny amin'i Saoly sy Jonatana; ary nentin'ny mpitaiza azy nandositra izy; ary raha nentiny nandositra tamin'ny fahatairana izy, dia nianjera ka tonga malemy tongotra, Mefiboseta no anarany. |
| — v. 4 : Merib-Baal, 1 Chroniques 8:34. | |
| 5 Et les fils de Rimmon, le Beérothien, Récab et Baana, s’en allèrent et vinrent, pendant la chaleur du jour, dans la maison d’Ish-Bosheth ; et il était couché pour son repos de midi. | 5 Ary Rekaba sy Bana, zanak'i Rimona Berotita, nandeha; ka rehefa nafana ny andro, dia tonga tao an-tranon'Isboseta, tamin'ilay izy nandriandry tamin'ny antoandro iny. |
| 6 Et ils entrèrent jusque dans l’intérieur de la maison, comme pour prendre du froment, et ils le frappèrent au ventre ; et Récab et Baana, son frère, s’échappèrent. | 6 Ary niditra tao anaty trano Rekaba sy Bana rahalahiny haka vary, ka namely azy tamin'ny kibony, dia lasa nandositra. |
| 7 Ils entrèrent dans la maison pendant qu’il était couché sur son lit dans sa chambre à coucher, et ils le frappèrent et le tuèrent ; et ils lui ôtèrent la tête, et ils prirent sa tête, et s’en allèrent toute la nuit par le chemin de la plaine*. | 7 Fa raha niditra tao an-trano izy roa lahy, ary Isboseta nandry teo amin'ny fandriany tao amin'ny trano fandriany dia namely azy izy roa lahy ka nahafaty azy, dia notapahiny ny lohany ka nentiny; ary nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay* izy.[Heb. Arabà] |
| 8 Et ils apportèrent la tête d’Ish-Bosheth à David, à Hébron, et ils dirent au roi : Voici la tête d’Ish-Bosheth, fils de Saül, ton ennemi qui cherchait ta vie ; et l’Éternel a donné en ce jour au roi, mon seigneur, d’être vengé de Saül et de sa race*. | 8 Ary nitondra ny lohan'Isboseta tany amin'i Davida tao Hebrona izy ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Indro ny lohan'Isboseta, zanak'i Saoly fahavalonao, izay nitady ny ainao; fa Jehovah efa namaly an'i Saoly sy ny taranany androany noho ny amin'ny mpanjaka tompoko. |
| 9 Et David répondit à Récab et à Baana son frère, fils de Rimmon, le Beérothien, et leur dit : L’Éternel est vivant, qui a racheté mon âme de toute détresse, | 9 Ary hoy Davida tamin'i Rekaba sy Bana rahalahiny, zanak'i Rimona Berotita: Raha velona koa Jehovah, Izay namonjy ahy tamin'ny fahoriana rehetra, |
| 10 que celui qui me rapporta, disant : Voici, Saül est mort ! et qui était à ses propres yeux comme un messager de bonnes nouvelles, je le saisis et le tuai à Tsiklag, lui donnant [ainsi] le salaire de sa bonne nouvelle : | 10 ilay nanambara tamiko hoe: Indro, maty Saoly, ka nanao ny tenany ho mpitondra teny mahafaly, dia nohazoniko ka novonoiko tao Ziklaga. hanomezako azy ny valin*'ny teny mahafaly nentiny;[Na: dia olona nampoizina homeko valim-pitia noho] |
| 11 combien plus, quand de méchants hommes ont tué un homme juste dans sa maison, sur son lit ! Et maintenant, ne redemanderai-je pas son sang de votre main ; et ne vous exterminerai-je pas de la terre ? | 11 koa mainka raha misy olon-dratsy mamono lehilahy marina ao an-tranony eo am-pandriany; koa tsy hadiniko eo an-tananareo va ny ràny, ary tsy hofongorako tsy ho amin'ny tany intsony va ianareo |
| 12 Et David commanda à ses jeunes hommes, et ils les tuèrent et leur coupèrent les mains et les pieds, et les pendirent au réservoir de Hébron. Et on prit la tête d’Ish-Bosheth, et on l’enterra dans le sépulcre d’Abner, à Hébron. | 12 Ary Davida nandidy ny zatovony, dia namono azy ireo, ka notapahiny ny tanany sy ny tongony, dia nahantony teo anilan'ny kamory tao Hebrona. Fa ny lohan'Isboseta kosa dia nentina ka nalevina tao am-pasan'i Abnera tao Hebrona. |
| — v. 7 : l’Araba. — v. 8 : litt.: semence. | |
| * | * |
| Chapitre 5 | Chapitre 5 |
| 1 Et toutes les tribus d’Israël vinrent vers David à Hébron, et parlèrent, disant : Voici, nous sommes ton os et ta chair. | 1 [Ny nanosorana an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely rehetra, sy ny nahazoany an'i Jerosalema ho renivohitry ny fanjakany] Dia tonga tao amin'i Davida tao Hebrona ny firenen'Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao. |
| 2 Et autrefois, quand Saül était roi sur nous, c’était toi qui faisais sortir et qui faisais entrer Israël ; et l’Éternel t’a dit : Tu paîtras mon peuple Israël, et tu seras prince sur Israël. | 2 Fa hatry ny fony fahiny ihany koa, raha mbola nanjaka taminay aza Saoly, dia ianao no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary Jehovah efa nilaza taminao hoe: Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy. |
| 3 Et tous les anciens d’Israël vinrent vers le roi à Hébron ; et le roi David fit alliance avec eux à Hébron, devant l’Éternel ; et ils oignirent David pour roi sur Israël. * | 3 Eny, tonga tao amin'ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon'ny Isiraely rehetra, ary Davida mpanjaka nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan'i Jehovah; ary dia nanosotra an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely izy. |
| — v. 3 : date : A.C. 1048. | |
| 4 David était âgé de trente ans lorsqu’il devint roi ; il régna quarante ans. | 4 Telo-polo taona Davida fony izy vao nanjaka, ary nanjaka efa-polo taona izy. |
| 5 Il régna à Hébron, sur Juda, sept ans et six mois ; et, à Jérusalem, il régna trente-trois ans sur tout Israël et Juda. | 5 Tao Hebrona no nanjakany tamin'ny Joda fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema no nanjakany tamin'ny Isiraely sy ny Joda rehetra telo amby telo-polo taona. |
| 6 Et le roi alla avec ses hommes à Jérusalem contre les Jébusiens, habitants du pays ; et ils parlèrent à David, disant : Tu n’entreras point ici ; mais les aveugles et les boiteux te repousseront ; — pour dire : David n’entrera pas ici. | 6 Ary ny mpanjaka sy ny olony nankany Jerosalema hiady amin'ny Jebosita tompon-tany, ary hoy izy ireo tamin'i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao; fa na dia ny jamba ny mandringa aza dia hahasakana anao ka hanao hoe*: Tsy ho tafiditra eto Davida.[Na: ary ny heviny tamin'izany dia toy ny manao hoe:] |
| 7 Mais David prit la forteresse de Sion ; c’est la ville de David. | 7 Kanjo afak'i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan'i Davida izany). |
| 8 Et David dit en ce jour-là : Quiconque frappera les Jébusiens et atteindra le canal, et les boiteux et* les aveugles qui sont haïs de l’âme de David… ! C’est pourquoi on dit : L’aveugle et le boiteux n’entreront pas dans la maison. | 8 Ary hoy Davida tamin'izany andro izany: Izay mamely ny Jebosita, dia aoka hananika ho eo amin'ny riana ka hamely, ny mandringa sy ny jamba izay halan'ny fon'i Davida. Koa dia mby am-pitenenana hoe: Izay jamba mandringa tsy ho tafiditra ao an-trano. |
| 9 Et David habita dans la forteresse, et l’appela ville de David ; et David bâtit tout autour, depuis Millo* vers l’intérieur. | 9 Dia nitoetra tao anatin'ny batery fiarovana Davida, ary ny anarany nataony hoe: Tanànan'i Davida. Ary narafitr'i Davida ny manodidina hatrany Milo* mbamin'ny ao anatiny.[Heb. fiarovana] |
| — v. 8 : selon d’autres : qu’il jette dans le canal et les boiteux et. — v. 9 : la citadelle. | |
| 10 Et David allait grandissant de plus en plus ; et l’Éternel, le Dieu des armées, était avec lui. | 10 Koa dia nandroso sy nihalehibe Davida, fa Jehovah, Andriamanitry ny maro, no nomba azy. |
| 11 Et Hiram, roi de Tyr, envoya des messagers à David, et des bois de cèdre, et des charpentiers, et des tailleurs de pierres pour les murailles* ; et ils bâtirent une maison à David. | 11 [Ny amin'ny lapan'i Davida, sy ny vadiny aman-janany] Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, naniraka olona tany amin'i Davida nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpandrafitra sy tambato; dia nanao trano ho an'i Davida ireo. |
| 12 Et David connut que l’Éternel l’avait établi roi sur Israël, et qu’il avait élevé son royaume à cause de son peuple Israël. | 12 Dia fantatr'i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan'ny Isiraely ka nanandratra ny fanjakany noho ny amin'ny Isiraely olony. |
| 13 Et David prit encore des concubines et des femmes de Jérusalem, après qu’il fut venu de Hébron, et il naquit encore à David des fils et des filles. | 13 Ary Davida mbola naka vaditsindrano sy vady koa tany Jerosalema, rehefa tonga avy tany Hebrona izy; ary dia nisy zanakalahy sy zanakavavy koa naterak'i Davida. |
| 14 Et ce sont ici les noms de ceux qui lui naquirent à Jérusalem : Shamua, et Shobab, et Nathan, et Salomon, | 14 Ary izao no anaran'ny naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona |
| 15 et Jibkhar, et Élishua, et Népheg, et Japhia, | 15 sy Jibara sy Elisoa sy Nafega sy Jafia |
| 16 et Élishama, et Éliada, et Éliphéleth. | 16 sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta. |
| — v. 11 : ou : des maçons. | |
| 17 Et les Philistins apprirent qu’on avait oint David pour roi sur Israël, et tous les Philistins montèrent pour chercher David ; et David l’apprit, et descendit à la forteresse. | 17 [Ny nandresen'i Davida ny Filistina] Koa nony ren'ny Filistina fa efa nohosoran'ny olona ho mpanjakan'ny Isiraely Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra; fa raha ren'i Davida izany dia nidina tao amin'ny batery fiarovana izy. |
| 18 Et les Philistins vinrent et se répandirent dans la vallée des Rephaïm. | 18 Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita. |
| 19 Et David interrogea l’Éternel, disant : Monterai-je contre les Philistins ? Les livreras-tu en ma main ? Et l’Éternel dit à David : Monte, car certainement je livrerai les Philistins en ta main. | 19 Ary Davida nanontany tamin'i Jehovah hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah tamin'i Davida: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistina. |
| 20 Et David vint à Baal-Peratsim ; et là David les frappa, et il dit : L’Éternel a fait une brèche au milieu de mes ennemis devant moi, comme une brèche faite par les eaux ; c’est pourquoi il appela le nom de ce lieu Baal-Peratsim*. | 20 Ary Davida tonga tao Bala-perazima* ka namely ireo tao, dia hoy izy: Jehovah efa namaky ny fahavaloko teo anoloako hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran'izany tany izany hoe Bala-perazima.[Bala-perazima = Tany nahavakiana] |
| 21 Et ils laissèrent là leurs idoles, et David et ses hommes les emportèrent. | 21 Ary nilaozany tao ny sampiny, ka dia lasan'i Davida sy ny olony ireny. |
| — v. 20 : Baal-des-brèches. | |
| 22 Et les Philistins montèrent encore de nouveau, et se répandirent dans la vallée des Rephaïm. | 22 Ary niakatra indray ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita. |
| 23 Et David interrogea l’Éternel. Et il dit : Tu ne monteras pas ; tourne-les par derrière, et tu viendras contre eux vis-à-vis des mûriers ; | 23 Ary nanontany tamin'i Jehovah Davida, ka novaliany hoe: Aza mandeha; fa hodidino avy eo aoriana izy, ka ho tonga eo aminy ianao eo amin'ny tandrifin'ny hazo balsama. |
| 24 et aussitôt que tu entendras sur le sommet des mûriers un bruit de gens qui marchent, alors tu t’élanceras, car alors l’Éternel sera sorti devant toi pour frapper l’armée* des philistins. | 24 Ary raha toa mahare fingadongadon'olona eny amin'ny tendron'ny hazo balsama ianao, dia faingàna; fa amin'izay no efa miainga mialoha anao Jehovah hamely ny miaramilan'ny Filistina. |
| 25 Et David fit ainsi, comme l’Éternel lui avait commandé ; et il frappa les Philistins depuis Guéba jusqu’à ce que tu viennes vers Guézer. | 25 Ary dia nanao araka ny nandidian'i Jehovah azy Davida ka dia namely ny Filistina hatrany Geba ka hatrao akaikin'i Gazera izy. |
| — v. 24 : ou : le camp. | |
| * | * |
| Chapitre 6 | Chapitre 6 |
| 1 Et David assembla encore toute l’élite d’Israël, trente mille [hommes]. | 1 [Ny namindrana ny fiaran'i Jehovah nankany Jerosalema] Ary novorin'i Davida indray ny lehilahy voafantina rehetra tamin'ny Isiraely, dia telo alina. |
| 2 Et David se leva et se mit en marche, et tout le peuple qui était avec lui, vers Baalé de Juda, pour en faire monter l’arche de Dieu, qui est appelée du nom, du nom de l’Éternel des armées, qui siège entre les chérubins. | 2 Dia niainga Davida sy ny olona rehetra izay nanaraka azy ka niala tany Bala-joda hampakatra ny fiaran'Andriamanitra izay niantsoana* ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay mipetraka amin'ny kerobima.[Na: izay nantsoina tamin'] |
| 3 Et ils montèrent l’arche de Dieu sur un chariot neuf, et l’emmenèrent de la maison d’Abinadab, qui était sur la colline* ; et Uzza et Akhio, les fils d’Abinadab, conduisaient le chariot neuf. | 3 Ary nataony teo amin'ny sariety vaovao ny fiaran'Andriamanitra ka nentiny avy tao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana*; ary Oza sy Ahio, zanak'i Abinadaba, no nampandeha ny sariety vaovao.[Na: Gibea] |
| 4 Et ils l’emmenèrent, avec l’arche de Dieu, de la maison d’Abinadab, qui était sur la colline*, et Akhio allait devant l’arche. | 4 Ary dia nentiny niala tao an-tranon'i Abinadaba teo ankavoana niaraka tamin'ny fiaran'Andriamanitra izany; ary Ahio nandeha teo alohan'ny fiara. |
| 5 Et David et toute la maison d’Israël s’égayaient devant l’Éternel avec toutes sortes [d’instruments] de bois de cyprès* : avec des harpes, et des luths, et des tambourins, et des sistres, et des cymbales. | 5 Ary Davida sy ny taranak'Isiraely rehetra nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah tamin'ny karazan'ny zava-maneno rehetra natao tamin'ny hazo kypreso, dia tamin'ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny kipantsona. |
| — v. 3, 4 : ou : à Guibha. — v. 5 : d’autres voudraient qu’on lût : de toute leur force, et avec des cantiques. | |
| 6 Et ils arrivèrent à l’aire de Nacon, et Uzza étendit [la main] vers l’arche de Dieu et la saisit, parce que les bœufs avaient bronché*. | 6 Ary nony tonga teo amin'ny famoloan'i Nakona izy, dia naninjitra ny tanany tamin'ny fiaran'Andriamanitra Oza ka nihazona azy, satria nazeran'ny omby ny fiara. |
| 7 Et la colère de l’Éternel s’embrasa contre Uzza, et Dieu le frappa là à cause de sa faute ; et il mourut là, près de l’arche de Dieu. | 7 Dia nirehitra tamin'i Oza ny fahatezeran'i Jehovah; ary namely azy teo Andriamanitra noho ny fahadisoany, ka dia maty teo anilan'ny fiaran'Andriamanitra izy. |
| 8 Alors David fut irrité de ce que l’Éternel avait fait une brèche en [la personne d’]Uzza ; et il appela ce lieu-là du nom de Pérets-Uzza*, [qui lui est resté] jusqu’à ce jour. | 8 Ary dia tezitra* Davida noho ny namelezan'i Jehovah an'i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza** ny anaran'izany tany izany mandraka androany.[*Na: nalahelo][**Perez-oza = Famelezana an'i Oza] |
| 9 Et David eut peur de l’Éternel en ce jour-là, et il dit : Comment l’arche de l’Éternel entrerait-elle chez moi ? | 9 Ary Davida natahotra an'i Jehovah tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana no ho entina atỳ amiko ny fiaran'i Jehovah? |
| 10 Et David ne voulut pas retirer l’arche de l’Éternel chez lui dans la ville de David, mais David la fit détourner dans la maison d’Obed-Édom, le Guitthien. | 10 Ary Davida dia tsy nety namindra ny fiaran'i Jehovah ho ao aminy ao an-Tanànan'i Davida; fa naviliny ho ao an-tranon'i Obed-edoma Gatita. |
| 11 Et l’arche de l’Éternel demeura trois mois dans la maison d’Obed-Édom, le Guitthien ; et l’Éternel bénit Obed-Édom et toute sa maison. | 11 Ary nipetraka telo volana tao an-tranon'i Obed-edoma Gatita ny fiaran'i Jehovah; ka dia notahin'i Jehovah Obed-edoma sy ny ankohonany rehetra. |
| — v. 6 : ou : glissé. — v. 8 : brèche d’Uzza. | |
| 12 Et on rapporta au roi David, en disant : L’Éternel a béni la maison d’Obed-Édom et tout ce qui est à lui, à cause de l’arche de Dieu. Et David alla, et fit monter l’arche de Dieu de la maison d’Obed-Édom dans la ville de David, avec joie. | 12 Ary nambara tamin'i Davida mpanjaka hoe: Jehovah efa nitahy ny ankohonan'i Obed-edoma sy izay nananany rehetra noho ny fiaran'Andriamanitra. Dia nandeha Davida ka nampakatra ny fiaran'Andriamanitra tamim-pifaliana avy tao an-tranon'i Obed-edoma ho any an-Tanànan'i Davida. |
| 13 Et il arriva que, quand ceux qui portaient l’arche de l’Éternel avaient fait six pas, il sacrifiait un taureau et une bête grasse. | 13 Ary rehefa namindra inenina ny mpitondra ny fiaran'i Jehovah, dia namono omby sy zanak'omby mifahy izy hatao fanatitra. |
| 14 Et David dansait de toute sa force devant l’Éternel ; et David était ceint d’un éphod de lin. | 14 Ary Davida nitsinjaka mafy dia mafy teo anatrehan'i Jehovah sady nisalotra efoda rongony fotsy. |
| 15 Et David et toute la maison d’Israël faisaient monter l’arche de l’Éternel avec des cris de joie et au son des trompettes. | 15 Ary Davida sy ny taranak'i Isiraely rehetra nampakatra ny fiaran'i Jehovah tamin'ny hoby sy ny feon'ny anjomara. |
| 16 Et comme l’arche de l’Éternel entrait dans la ville de David, Mical, fille de Saül, regarda par la fenêtre, et elle vit le roi David sautant et dansant devant l’Éternel, et elle le méprisa dans son cœur. | 16 Ary nony tonga teo an-Tanànan'i Davida ny fiaran'i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin'i Saoly, ka nahita an'i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy. |
| 17 Et ils amenèrent l’arche de l’Éternel, et la placèrent en son lieu, dans la tente que David avait tendue pour elle. Et David offrit* des holocaustes et des sacrifices de prospérités devant l’Éternel. | 17 Ary nampiditra ny fiaran'i Jehovah ny olona ka nametraka azy teo amin'ny fitoerany tao amin'ny lay izay naorin'i Davida hitoerany; ary Davida nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah. |
| 18 Et quand David eut achevé d’offrir* les holocaustes et les sacrifices de prospérités, il bénit le peuple au nom de l’Éternel des armées ; | 18 Ary nony voatitr'i Davida ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy. |
| 19 et il distribua à tout le peuple, à toute la multitude d’Israël, tant aux femmes qu’aux hommes, à chacun un pain*, et une ration [de vin] **, et un gâteau de raisins. Et tout le peuple s’en alla, chacun en sa maison. | 19 Dia nomeny mofo iray sy hena iray didy* ary ampempam-boaloboka iray avy ny olona rehetra, dia ny Isiraely rehetra, na lahy na vavy. Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra.[Na: divay eran'ny kapoaka] |
| — v. 17, 18 : comme Lévitique 14:20. — v. 19* : litt.: une galette de pain. — v. 19** : selon quelques-uns : une ration de viande. | |
| 20 Et David s’en retourna pour bénir sa maison ; et Mical, fille de Saül, sortit à la rencontre de David, et dit : Combien s’est honoré aujourd’hui le roi d’Israël, qui s’est découvert aujourd’hui devant les yeux des servantes de ses serviteurs, comme se découvrirait sans honte un homme de rien ! | 20 Ary Davida koa mba nody hitso-drano ny ankohonany. Fa Mikala, zanakavavin'i Saoly, nivoaka hitsena an'i Davida ka nanao hoe: Akory ity voninahitry ny mpanjakan'ny Isiraely androany! ilay nanary lamba anikeheo teo imason'ny zanakavavin'ny mpanompony, tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra. |
| 21 Et David dit à Mical : Ç’a été devant l’Éternel, qui m’a choisi plutôt que ton père et que toute sa maison pour m’établir* prince sur le peuple de l’Éternel, sur Israël ; et j’ai dansé devant l’Éternel ; | 21 Ary hoy kosa Davida tamin'i Mikala: Teo anatrehan'i Jehovah, Izay nifidy ahy noho ny rainao sy ny ankohonany rehetra ka nanendry ahy ho mpanapaka ny Isiraely, olon'i Jehovah, eny, teo anatrehan'i Jehovah no nitsinjahako. |
| 22 et je me rendrai plus vil encore que cela, et je serai abaissé à mes yeux ; mais auprès des servantes dont tu as parlé, auprès d’elles, je serai honoré. | 22 Ary mbola hivazina kokoa noho izany aza aho, ka hataoko tsinontsinona ny tenako; nefa hiaraka hanam-boninahitra amin'ireo tovovavy nantsoinao ireo kosa aho. |
| 23 Et Mical, fille de Saül, n’eut point d’enfant jusqu’au jour de sa mort. | 23 Ka dia tsy nanan-janaka intsony mandra-pahafatiny Mikala, zanakavavin'i Saoly. |
| — v. 21 : litt.: commander. | |
| * | * |
| Chapitre 7 | Chapitre 7 |
| 1 Et quand le roi habita dans sa maison, et que, tout autour, l’Éternel lui eut donné du repos de tous ses ennemis, | 1 [Ny nanirian'i Davida hanao tempoly sy ny toky nomen'Andriamanitra azy ny amin'ny haharetan'ny fanjakany, ary ny vavaka nataon'i Davida tamin'izany] Ary raha nipetraka tao an-tranony ny mpanjaka, ary efa nampiadanin'i Jehovah tamin'ny fahavalony rehetra manodidina azy izy, |
| 2 il arriva que le roi dit à Nathan, le prophète : Regarde, je te prie, moi j’habite dans une maison de cèdres, et l’arche de Dieu habite sous des tapis. | 2 dia hoy ny mpanjaka tamin'i Natana mpaminany: Akory izato izaho mitoetra amin'ny trano sedera, nefa ny fiaran'Andriamanitra kosa mitoetra ao anaty lay! |
| 3 Et Nathan dit au roi : Va, fais tout ce qui est dans ton cœur, car l’Éternel est avec toi. | 3 Dia hoy Natana tamin'ny mpanjaka: Andeha, ataovy izay rehetra ao am-ponao; fa Jehovah no momba anao. |
| 4 Et il arriva, cette nuit-là, que la parole de l’Éternel vint à Nathan, disant : | 4 Ary tamin'ny alin'iny ihany dia tonga tamin'i Natana ny tenin'i Jehovah nanao hoe: |
| 5 Va, et dis à mon serviteur, à David : Ainsi dit l’Éternel : Me bâtirais-tu une maison pour que j’y habite ? | 5 Andeha, lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hianao va no hanao trano hitoerako? |
| 6 car je n’ai pas habité dans une maison, depuis le jour où j’ai fait monter les fils d’Israël hors d’Égypte, jusqu’à ce jour ; mais j’ai marché çà et là dans une tente et dans un tabernacle. | 6 Fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin'ny nitondrako ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany Egypta ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby* sy nifindrafindra toerana**. [*Heb. lay][**Heb. tabernakely] |
| 7 Partout où j’ai marché au milieu de tous les fils d’Israël, ai-je dit un mot à quelqu’une des tribus d’Israël à laquelle j’ai commandé de paître mon peuple Israël, en disant : Pourquoi ne me bâtissez-vous pas une maison de cèdres ? | 7 Ary tamin'izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin'ny Zanak'Isiraely, moa nisy nitenenako akory va ny firenen'Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny Isiraely oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy manao trano sedera ho Ahy ianareo? |
| 8 Et maintenant tu diras ainsi à mon serviteur, à David : Ainsi dit l’Éternel des armées : Je t’ai pris des parcs, d’auprès du menu bétail, pour que tu fusses prince sur mon peuple, sur Israël ; | 8 Koa lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Izaho no naka anao avy tany an-tsaha, dia avy tamin'ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko. |
| 9 et j’ai été avec toi partout où tu as marché ; et j’ai retranché tous tes ennemis de devant toi, et je t’ai fait un grand nom, comme le nom des grands qui sont sur la terre. | 9 Ary nomba anao tamin'izay nalehanao rehetra Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana malaza tahaka ny anaran'izay lehibe ambonin'ny tany ianao. |
| 10 Et j’ai établi un lieu à mon peuple, à Israël, et je le planterai, et il habitera chez lui, et ne sera plus agité ; et les fils d’iniquité ne l’affligeront plus comme au commencement, | 10 Ary hifidy tany ho an'ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin'ny fonenany ary tsy hanana ahiahy intsony izy, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny taloha |
| 11 et depuis le jour où j’ai établi* des juges sur mon peuple Israël. Et je t’ai donné du repos de tous tes ennemis ; et l’Éternel t’annonce que l’Éternel te fera une maison. | 11 sy tahaka ny hatramin'ny nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko; ary hampiadana* anao ho afaka amin'ny fahavalonao rehetra Aho. Ary lazain'i Jehovah aminao koa fa hanome taranaka** ho anao Izy.[*Heb. nampiadana][**Heb. hanao trano] |
| 12 Quand tes jours seront accomplis et que tu dormiras avec tes pères, je susciterai après toi ta semence qui sortira de tes entrailles, et j’affermirai son royaume. | 12 Ary rehefa tapitra ny andronao, ka hodi-mandry any amin'ny razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ary hampitoeriko ny fanjakany; |
| 13 Lui, bâtira une maison à* mon nom ; et j’affermirai le trône de son royaume pour toujours. | 13 dia io no hanao trano ho an'ny anarako, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianan'ny fanjakany ho mandrakizay. |
| 14 Moi, je lui serai pour père, et lui me sera pour fils : s’il commet l’iniquité, je le châtierai avec une verge d’hommes et avec des plaies des fils des hommes ; | 14 Izaho ho rainy, ary izy ho zanako. Raha manao izay meloka izy, dia hanariko amin'ny tsorakazon'ny olona sy ny kapoky ny zanak'olombelona; |
| 15 mais ma bonté ne se retirera point de lui, comme je l’ai retirée d’avec Saül que j’ai ôté de devant toi. | 15 nefa ny famindram-poko tsy mba hiala aminy, tahaka ny nanesorako izany tamin'i Saoly, izay nesoriko teo alohanao. |
| 16 Et ta maison et ton royaume seront rendus stables à toujours devant toi, ton trône sera affermi pour toujours. | 16 Ary ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay. |
| 17 Nathan parla ainsi à David, selon toutes ces paroles et selon toute cette vision. | 17 Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana rehetra izao no nolazain'i Natana tamin'i Davida. |
| — v. 11 : litt.: commander. — v. 13 : ou, comme ailleurs : pour. | |
| 18 Et le roi David entra et s’assit devant l’Éternel, et dit : Qui suis-je, Seigneur Éternel ! et quelle est ma maison, que tu m’aies amené jusqu’ici ? | 18 Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan'i Jehovah ary nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Tompo ô? Ary zinona ny mpianakaviko, no novimbininao ambaraka ankehitriny aho? |
| 19 Et encore cela a été peu de chose à tes yeux, Seigneur Éternel ! et tu as même parlé de la maison de ton serviteur pour un long avenir. Est-ce là la manière de l’homme*, Seigneur Éternel ? | 19 Ary mbola ataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Jehovah Tompo ô, fa, indro, efa voalazanao koa ny amin'ny taranaky ny mpanomponao hatramin'ny mbola any aoriana lavitra aza. Ary izany dia fanaon'ny olona, Jehovah Tompo ô. |
| 20 Et David, que pourrait-il te dire de plus ? Et toi, Seigneur Éternel, tu connais ton serviteur. | 20 Ka inona intsony no holazain'i Davida aminao? Fa Hianao, Jehovah Tompo ô, no mahalala ny mpanomponao. |
| 21 C’est à cause de ta parole, et selon ton cœur, que tu as fait toute cette grande chose, pour la faire connaître à ton serviteur. | 21 Noho ny teninao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe rehetra io, hampahalalanao ny mpanomponao. |
| 22 C’est pourquoi, Éternel Dieu ! tu t’es montré grand, car il n’y en a point comme toi, et il n’y a point de Dieu si ce n’est toi, selon tout ce que nous avons entendu de nos oreilles. | 22 Koa amin'izany dia lehibe Hianao, Jehovah Andriamanitra; fa tsy misy tahaka Anao, ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao araka izay rehetra ren'ny sofinay. |
| 23 Et qui est comme ton peuple, comme Israël, seule nation sur la terre que Dieu soit allé racheter, afin qu’elle lui soit un peuple, et pour se faire un nom à lui-même, et pour opérer en leur faveur* cette grande chose, et des choses terribles, pour ton pays, devant ton peuple, que tu t’es racheté d’Égypte, des nations et de leurs dieux ? | 23 Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan'Andriamanitra havotana ho olony, sy hanaovany anarana ho Azy, ary hanaovany zavatra lehibe ho anareo sy zava-mahatahotra ho an'ny taninao teo anatrehan'ny olonao, izay navotanao ho Anao avy tamin'ny firenen'i Egypta sy ny andriamaniny? |
| 24 Et tu t’es établi ton peuple Israël pour peuple, à toujours ; et toi, Éternel, tu es devenu leur Dieu. | 24 Dia nampitoerinao ny Isiraely olonao ho olonao mandrakizay: ary Hianao, Jehovah ô, no efa tonga Andriamaniny. |
| 25 Et maintenant, Éternel Dieu ! confirme pour toujours la parole que tu as prononcée touchant ton serviteur et touchant sa maison, et fais comme tu as dit ; | 25 Ary ankehitriny, Jehovah Andriamanitra ô, ilay teny nolazainao ny amin'ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao. |
| 26 et que ton nom soit magnifié à toujours, de sorte qu’on dise : L’Éternel des armées est Dieu sur Israël. Et que la maison de ton serviteur David soit affermie devant toi ! | 26 Ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe; Jehovah, Tompon'ny maro, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak'i Davida mpanomponao. |
| 27 Car toi, Éternel des armées, Dieu d’Israël, tu as révélé à* ton serviteur, disant : Je te bâtirai une maison ; c’est pourquoi ton serviteur a trouvé son cœur pour te faire cette prière. | 27 Fa Hianao, Jehovah Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, efa nilaza tamin'ny mpanomponao hoe: Izaho hanome taranaka anao*; koa izany no nampahasahy ny fon'ny mpanomponao hanao izao vavaka izao aminao.[Heb. hanao trano ho anao] |
| 28 Et maintenant, Seigneur Éternel, toi, tu es Dieu*, et tes paroles sont vraies**, et tu as dit ce bien à ton serviteur. | 28 Ary noho izany, Jehovah Tompo ô, satria Hianao no Andriamanitra, ary marina ny teninao, ary Hianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin'ny mpanomponao, |
| 29 Et maintenant, qu’il te plaise de bénir la maison de ton serviteur, afin qu’elle soit à toujours devant toi ; car toi, Seigneur Éternel, tu as parlé ; et que la maison de ton serviteur soit bénie de ta bénédiction pour toujours. | 29 dia aoka ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa Hianao, Jehovah Tompo ô, efa niteny izany; eny, aoka ny fitahianao no hitahianao ny taranaky ny mpanomponao mandrakizay. |
| — v. 19 : ou : et cela à la manière (litt.: la loi) de l’homme. — v. 23 : litt.: opérer pour vous. — v. 27 : litt.: découvert l’oreille de, comme Ruth 4:4 ; 1 Sam. 9:15 ;20:2, etc… — v. 28* : ou : Tu es le Même, Dieu ; voir Néhémie 9:7, et comparer Deut. 32:39. — v. 28** : litt.: vérité. | |
| * | * |
| Chapitre 8 | Chapitre 8 |
| 1 Et il arriva, après cela, que David frappa les Philistins et les subjugua ; et David prit Métheg-Amma* de la main des Philistins. | 1 [Ny nandresen'i Davida ny fahavalony] Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy; ary ny fanapahana ny renivohitra dia nesorin'i Davida tamin'ny tanan'ny Filistina. |
| 2 Et il frappa Moab, et il les mesura au cordeau, les faisant coucher par terre, et il en mesura deux cordeaux pour les faire mourir, et un plein cordeau pour les laisser vivre ; et les Moabites* devinrent serviteurs de David : ils lui apportèrent des présents. | 2 Ary nandresy ny Moabita koa izy, dia nampandriny tamin'ny tany ireo ary nohariny tamin'ny kofehy, ka izay indroan'ny kofehy novonoiny, fa ny erany kosa novelominy; ka dia tonga mpanompon'i Davida ny Moabita ka nandoa hetra. |
| — v. 1 : le frein de la capitale. — v. 2 : litt.: Moab. | |
| 3 Et David frappa Hadadézer, fils de Rehob, roi de Tsoba, comme il allait pour rétablir sa puissance sur le fleuve [Euphrate]. | 3 Dia resin'i Davida koa Hadadezera, zanak'i Rehoba, mpanjakan'i Zoba, tamin'izy lasa nampody ny fanjakany teo amoron'ny ony Eofrata. |
| 4 Et David lui prit mille sept cents cavaliers et vingt mille hommes de pied ; et David coupa les jarrets [aux chevaux] de tous les chars, mais il réserva cent attelages. | 4 Ary Davida nahazo babo taminy, dia miaramila an-tsoavaly fiton-jato amby arivo sy miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin'i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin'ny kalesy zato ihany no navelany. |
| 5 Et les Syriens de Damas vinrent au secours d’Hadadézer, roi de Tsoba ; et David frappa vingt-deux mille hommes des Syriens. | 5 Ary tonga ny Syriana avy tany Damaskosy hanampy an'i Hadadezera, mpanjakan'i Zoba; dia nahafatesan'i Davida olona roa arivo sy roa alina koa ny Syriana. |
| 6 Et David mit des garnisons dans la Syrie de Damas, et les Syriens devinrent serviteurs de David : ils lui apportèrent des présents. Et l’Éternel sauvait David partout où il allait. | 6 Ary nametrahan'i Davida miaramila tany Syria momba an'i Damaskosy; dia tonga mpanompon'i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany. |
| 7 Et David prit les boucliers d’or qui étaient aux serviteurs d’Hadadézer, et les apporta à Jérusalem. | 7 Ary nalain'i Davida ny ampinga volamena izay teny amin'ny mpanompon'i Hadadezera ka nentiny nankany Jerosalema. |
| 8 Et de Bétakh et de Bérothaï, villes d’Hadadézer, le roi David prit une grande quantité d’airain. | 8 Ary teo Beta sy Berotahy, tanànan'i Hadadezera, no nahazoan'i Davida mpanjaka babo varahina be dia be. |
| 9 Et Tohi, roi de Hamath, apprit que David avait frappé toutes les forces d’Hadadézer. | 9 Ary nony ren'i Toy, mpanjakan'i Hamata, fa efa naharesy ny miaramilan'i Hadadezera rehetra Davida, |
| 10 Et Tohi envoya Joram, son fils, au roi David, pour le saluer* et le féliciter** de ce qu’il avait fait la guerre à Hadadézer et l’avait battu ; car Hadadézer était continuellement en guerre avec Tohi ; et [Joram] avait avec lui des vases d’argent, et des vases d’or, et des vases d’airain. | 10 dia nirahin'i Toy Jorama zanany hankany amin'i Davida mpanjaka hiarahaba azy sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin'i Hadadezera sy ny nandreseny azy (fa Hadadezera dia fahavalon'i Toy); ary gorama nitondra fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fanaka varahina; |
| 11 Ceux-ci aussi, le roi David les consacra à l’Éternel, avec l’argent et l’or qu’il avait consacrés de toutes les nations qu’il avait soumises : | 11 dia nohamasinin'i Davida mpanjaka ho an'i Jehovah koa izany mbamin'ny volafotsy sy ny volamena izay nohamasininy avy tamin'ny firenena rehetra izay efa resiny, |
| 12 de Syrie, et de Moab, et des fils d’Ammon, et des Philistins, et d’Amalek, et du butin d’Hadadézer, fils de Rehob, roi de Tsoba. | 12 dia tamin'i Syria sy Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Filistina sy ny Amalekita ary ny babo azony tamin'i Hadadezera, zanak'i Rehoba, mpanjakan'i Zoba. |