| NÉHÉMIE | Nehemia |
| Chapitre 1 | Chapitre 1 |
| 1 Les paroles de Néhémie, fils de Hacalia. | 1 Ny tantaran'i Nehemia, zanak'i Hakalia. Tamin'ny volana Kisleo tamin'ny taona faharoa-polo, raha tany an-dapa any Sosana aho, |
| Et au mois de Kislev, la vingtième année,* il arriva que, comme j’étais à Suse**, la capitale***, | |
| 2 Hanani, l’un de mes frères, lui et quelques hommes vinrent de Juda ; et je les interrogeai sur les juifs, les réchappés qui étaient restés de la captivité, et au sujet de Jérusalem ; | 2 dia tonga Hanany, anankiray amin'ny rahalahiko, mbamin'ny lehilahy sasany avy tany Joda; ary nanontaniako azy ny amin'ny Jiosy efa afaka, izay sisa tamin'ny fahababoana, ary ny amin'i Jerosalema. |
| 3 et ils me dirent : Les restants, qui sont demeurés de reste de la captivité, là, dans la province, sont dans une grande misère et dans l’opprobre, et la muraille de Jérusalem est en ruine et ses portes sont brûlées par le feu. | 3 Ka hoy no navaliny ahy: Ny sisa tamin'ny fahababoana izay any amin'ny tany any dia mitondra fahoriana be sy latsa; ary voarodana ny mandan'i Jerosalema sady nodoran'ny afo ny vavahadiny. |
| 4 Et lorsque j’entendis ces paroles, je m’assis et je pleurai ; et je menai deuil [plusieurs] jours, et je jeûnai, et je priai* le Dieu des cieux, | 4 Ary rehefa nandre izany teny izany aho, dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan'Andriamanitry ny lanitra |
| 5 et je dis : Je te supplie, ô Éternel, Dieu des cieux, le *Dieu* grand et terrible, qui gardes l’alliance et la bonté envers ceux qui t’aiment et qui gardent tes commandements ! | 5 ka nanao hoe: Indrisy! ry Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, |
| 6 Je te prie, que ton oreille soit attentive et que tes yeux soient ouverts, pour écouter la prière de ton serviteur que je fais aujourd’hui devant toi, jour et nuit, pour les fils d’Israël tes serviteurs, et la confession [que je fais] touchant les péchés des fils d’Israël, que nous avons commis contre toi ; moi aussi et la maison de mon père, nous avons péché. | 6 aoka hihaino ny sofinao ary hihiratra ny masonao, mba hohenoinao ny vavaky ny mpanomponao, izay ataoko eto anatrehanao ankehitriny andro aman'alina ho an'ny Zanak'Isiraely mpanomponao sy izay anekeko ny fahotan'ny Zanak'Isiraely, izay efa nanotanay taminao; fa izaho sy ny mpianakavin-draiko dia samy efa nanota avokoa. |
| 7 Nous avons très-mal agi contre toi, et nous n’avons pas gardé les commandements et les statuts et les ordonnances que tu as commandés à ton serviteur Moïse. | 7 Efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay ka tsy nitandrina ny didy, na ny lalàna, na ny fitsipika, izay nandidianao an'i Mosesy mpanomponao. |
| 8 Souviens-toi, je te prie, de la parole que tu as commandée à ton serviteur Moïse, en disant : Si vous êtes infidèles, je vous disperserai parmi les peuples ; | 8 Hotsarovanao anie ilay teny nandidianao an'i Mosesy mpanomponao hoe: Raha manao izay mahadiso ianareo, dia hampiely anareo any amin'ny firenena maro Aho; |
| 9 et si vous revenez à moi, et que vous gardiez mes commandements et que vous les pratiquiez, quand vos dispersés* seraient au bout des cieux, je les rassemblerai de là et je les ramènerai au lieu que j’ai choisi pour y faire demeurer mon nom. | 9 nefa raha miverina amiko kosa ianareo ka mitandrina ny didiko sy mankatò azy, na dia hisy voaroaka hatrany am-paravodilanitra aza ianareo, dia avy any no hanangonako azy, ka ho entiko ho ao amin'ny fitoerana izay nofidiko hampitoerako ny anarako izy. |
| 10 Et ils sont tes serviteurs et ton peuple, que tu as rachetés par ta grande puissance et ta main forte. | 10 Ary ireo dia mpanomponao sy olonao, izay navotanao tamin'ny herinao lehibe sy ny tananao mahery. |
| 11 Je te supplie, Seigneur, que ton oreille soit attentive à la prière de ton serviteur, et à la prière de tes serviteurs qui prennent plaisir à craindre ton nom ; et fais réussir aujourd’hui ton serviteur, je te prie, et donne-lui de trouver miséricorde devant cet homme. Or j’étais échanson du roi. | 11 Koa mitaraina aminao aho, ry Jehovah ô, mihainoa ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fivavaky ny mpanomponao rehetra izay faly amin'ny fahatahorana ny anaranao; ary hambinina anie ny mpanomponao anio, ary aoka hahazo famindram-po eo imason'io lehilahy io aho. Fa mpitondra kapoaky ny mpanjaka aho. |
| — v. 1* : c. à d. : d’Artaxerxès I, dit Longue-Main ; A.C. 455. — v. 1** : hébreu : Shushan. — v. 1*** : ou : forteresse, château fort. — v. 4 : litt.: priai devant. — v. 5 : hébreu : El. — v. 9 : litt.: vos chassés. | |
| * | * |
| Chapitre 2 | Chapitre 2 |
| 1 Et il arriva au mois de Nisan, la vingtième année du roi Artaxerxès, comme le vin était devant lui, que je pris le vin et le donnai au roi ; et je n’avais pas été triste en sa présence. | 1 Ary tamin'ny volana Nisana tamin'ny taona faharoa-polo nanjakan'i Artaksersesy, raha teo anoloany ny divay, dia noraisiko ka natolotro ny mpanjaka. Fa vao izay aho no mba nalahelo teo anatrehany. |
| 2 Et le roi me dit : Pourquoi as-tu mauvais visage, et pourtant tu n’es pas malade ? Cela n’est rien que de la tristesse de cœur. | 2 Dia hoy ny mpanjaka tamiko: Nahoana no malahelo tarehy ianao, kanefa tsy marary tsinona? Tsy zavatra hafa izao, fa alahelom-po mihitsy. Dia raiki-tahotra indrindra aho |
| 3 Alors j’eus extrêmement peur. Et je dis au roi : Que le roi vive à toujours ! Pourquoi mon visage ne serait-il pas triste, quand la ville, le lieu* des sépulcres de mes pères, est dévastée, et que ses portes sont consumées par le feu ? | 3 ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Ho velona mandrakizay anie ny mpanjaka; nahoana no tsy halahelo tarehy aho, fa rava ny tanàna misy ny fasan-drazako, sady efa levon'ny afo ny vavahadiny? |
| 4 Et le roi me dit : Que demandes-tu ? | 4 Dia hoy ny mpanjaka tamiko: Inona ary no angatahinao? Dia nivavaka tamin'Andriamanitry ny lanitra aho aloha, |
| 5 Et je priai le Dieu des cieux ; et je dis au roi : Si le roi le trouve bon, et si ton serviteur est agréable devant toi, qu’il m’envoie en Juda, à la ville des sépulcres de mes pères, et je la bâtirai. | 5 dia vao niteny tamin'ny mpanjaka hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ka mahita fitia eto imasonao ny mpanomponao, dia alefaso ho any Joda aho, ho any amin'ny tanàna misy ny fasan-drazako mba hanamboarako izany. |
| 6 Alors le roi me dit — et la reine était assise à son côté : — Combien de temps durera ton voyage, et quand reviendras-tu ? Et il plut au roi de m’envoyer, et je lui fixai un temps. | 6 Ary hoy ny mpanjaka tamiko (ny vadin'ny mpanjaka koa nipetraka teo anilany): Haharitra hoatrinona any anefa ianao, ary rahoviana no hiverina? Ka dia sitraky ny mpanjaka ny handefa ahy; ary dia nilaza fotoana taminy aho. |
| 7 Et je dis au roi : Si le roi le trouve bon, qu’il me donne des lettres pour les gouverneurs de l’autre côté du fleuve*, pour qu’ils me fassent passer jusqu’à ce que j’arrive en Juda, | 7 Ary hoy koa aho tamin'ny mpanjaka: Raha sitraky ny mpanjaka, aoka homena taratasy ho amin'ireo governora any an-dafin'ny ony aho, mba hamelany ahy handeha hatrany Joda, |
| 8 et une lettre pour Asaph, gardien de la forêt du roi, afin qu’il me donne du bois pour faire la charpente des portes du château fort attenant à la maison, et pour la muraille de la ville, et pour la maison dans laquelle je dois entrer. Et le roi me les donna, selon que la bonne main de mon Dieu était sur moi. | 8 sy taratasy ho amin'i Asafa, mpitandrina ny alan'i ny mpanjaka mba hanomezany hazo hanaovako ny vavahadin'ny lapa izay momba ny tempoly sy hanaovako ny mandan'ny tanàna sy ny trano izay hitoerako. Dia nomen'ny mpanjaka ahy izany araka ny soa nataon'ny tànan'Andriamanitro tamiko. |
| — v. 3 : litt.: la maison. — v. 7 : voir la note à Esdras 4:10. | |
| 9 Et je vins auprès des gouverneurs de l’autre côté du fleuve, et je leur donnai les lettres du roi ; or le roi avait envoyé avec moi des chefs de l’armée et des cavaliers. | 9 Dia tonga tany amin'ireo governora any an-dafin'ny ony aho, ka natolotro azy ny taratasin'ny mpanjaka. Ary ny mpanjaka efa naniraka manamboninahitra sy mpitaingin-tsoavaly hanatitra ahy. |
| 10 Et quand Sanballat, le Horonite, et Tobija, le serviteur ammonite, l’apprirent, ils furent très-mécontents de ce qu’un homme fût venu pour chercher le bien des fils d’Israël. | 10 Raha nahare izany Sanbala Horonita sy Tobia Amonita mpanompo, dia sosotra loatra izy, satria nisy lehilahy tonga hitady izay hahasoa ny Zanak'Isiraely. |
| 11 Et j’arrivai à Jérusalem, et je fus là trois jours. | 11 Dia tonga tany Jerosalema aho ka nitoetra tany hateloana. |
| 12 Et je me levai de nuit, moi et le peu d’hommes qui étaient avec moi, — et je n’avais informé personne de ce que mon Dieu m’avait mis au cœur de faire pour Jérusalem — et je n’avais pas de bête avec moi, sinon la bête que je montais. | 12 Ary nifoha tamin'ny alina aho, dia izaho sy ny olom-bitsy nomba ahy; nefa tsy nisy olona nilazako izay natsindrin'Andriamanitra ny foko hatao any Jerosalema; ary tsy nisy biby nentiko afa-tsy ilay nitaingenako ihany. |
| 13 Et je sortis de nuit, par la porte de la vallée*, en face de la source du chacal, vers la porte du fumier ; et je considérai les murailles de Jérusalem qui étaient en ruine, et ses portes consumées par le feu. | 13 Dia nandeha alina aho ka nivoaka tamin'ny vavahady mankany amin'ny lohasaha, tandrifin'ny loharanon'ny dragona, sy tamin'ny vavahadin-jezika ka nizaha ny mandan'i Jerosalema izay efa rava sy ny vavahadiny izay efa levon'ny afo. |
| 14 Et je passai à la porte de la fontaine, et à l’étang du roi, et il n’y avait pas de place où pût passer la bête qui était sous moi. | 14 Dia nankany amin'ny vavahadin-doharano sy ny farihin'ny mpanjaka koa aho; nefa tsy nisy lalana azon'ilay biby nitaingenako naleha akory. |
| 15 Et je montai de nuit par le torrent, et je considérai la muraille ; et je m’en revins, et entrai par la porte de la vallée, et je m’en retournai. | 15 Dia niakatra teo amin'ny lohasahan-driaka aho tamin'ny alina ka nizaha ny manda, dia nitodika ka niditra tamin'ny vavahady mankany amin'ny lohasaha, dia niverina. |
| 16 Or les chefs* ne savaient pas où j’étais allé, ni ce que je faisais ; et jusque-là je n’avais rien communiqué aux Juifs, ni aux sacrificateurs, ni aux nobles, ni aux chefs*, ni aux autres qui s’occupaient de l’œuvre. | 16 Nefa ireo mpanapaka tsy nahalala izay nalehako, na izay nataoko; fa hatramin'izay dia tsy mbola nolazaiko tamin'ny Jiosy izany, na tamin'ny mpisorona, na tamin'ny manan-kaja, na tamin'ny mpanapaka, na tamin'ny vahoaka sisa izay nanao ny asa. |
| — v. 13 : ou : ravin. — v. 16 : ou : gouverneurs ; voir Esdras 9:2. | |
| 17 Et je leur dis : Vous voyez la misère dans laquelle nous sommes, que Jérusalem est dévastée et que ses portes sont brûlées par le feu. Venez et bâtissons la muraille de Jérusalem, afin que nous ne soyons plus dans l’opprobre. | 17 Ary hoy izaho taminy: Hianareo mahita ny fahoriantsika , fa rava Jerosalema ary nodoran'ny afo ny vavahadiny; koa andeha isika hanangana ny mandan'i Jerosalema, mba tsy ho latsa intsony isika. |
| 18 Et je leur racontai comment la main de mon Dieu avait été bonne sur moi, et aussi les paroles du roi qu’il m’avait dites. Et ils dirent : Levons-nous et bâtissons. Et ils fortifièrent leurs mains pour bien faire. | 18 Dia nambarako azy ny tànan'Andriamanitro izay nahasoa ahy, ary ny tenin'ny mpanjaka koa izay nolazainy tamiko. Ary hoy izy: Eny, aoka ary isika hitsangana ka handrafitra azy. Koa dia nampahery ny tànany hanao izany soa izany izy. |
| 19 Et quand Sanballat, le Horonite, et Tobija, le serviteur ammonite, et Guéshem*, l’Arabe, l’apprirent, ils se moquèrent de nous et nous méprisèrent, et ils dirent : Qu’est-ce que vous faites là ? Voulez-vous vous révolter contre le roi ? | 19 Fa nony ren'i Sanbala Horonita sy Tobia Amonita mpanompo ary Gasema Arabo izany, dia nanaraby sy nanevateva anay izy nanao hoe: Inona izao zavatra ataonareo izao? Hikomy amin'ny mpanjaka angaha ianareo? |
| 20 Et je leur répondis et je leur dis : Le Dieu des cieux, lui, nous fera prospérer, et nous, ses serviteurs, nous nous lèverons et nous bâtirons ; mais vous, vous n’avez ni part, ni droit, ni souvenir à Jérusalem. | 20 Dia namaly azy aho ka nanao taminy hoe: Andriamanitry ny lanitra, Izy no hanambina anay, ka dia hitsangana handrafitra izahay mpanompony; fa ianareo tsy manana anjara. na rariny, na fahatsiarovana akory, atỳ Jerosalema. |
| — v. 19 : Gashmu, 6:6. | |
| * | * |
| Chapitre 3 | Chapitre 3 |
| 1 Alors Éliashib, le grand sacrificateur, et ses frères, les sacrificateurs, se levèrent et bâtirent la porte des brebis ; ils la sanctifièrent, et en posèrent les battants ; et ils la sanctifièrent jusqu’à la tour de Méa, jusqu’à la tour de Hananeël. | 1 Dia nitsangana Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny vavahadin'ondry; dia nanamasina azy izy ka nandatsaka ny lela-vavahadiny; hatramin'ny tilikambo Hamea ka hatramin'ny tilikambo Hananela no nohamasininy. |
| 2 Et à côté d’eux* bâtirent les hommes de Jéricho ; et à côté d’eux* bâtit Zaccur, fils d’Imiri. | 2 Ary manarakaraka ireo dia nandrafitra koa ny mponina tany Jeriko. Ary manarakaraka ireo indray dia nandrafitra koa Zakora, zanak'Imry. |
| — v. 2 : litt.: de lui. | |
| 3 Et les fils de Senaa bâtirent la porte des poissons ; ils en firent la charpenterie, et en posèrent les battants, les verrous et les barres. | 3 Ary ny vavahadin-kazandrano dia narafitry ny zanak'i Hasena, izy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny. |
| 4 Et à côté d’eux répara Merémoth, fils d’Urie, fils d’Hakkots. Et à côté d’eux répara Meshullam, fils de Bérékia, fils de Meshézabeël. Et à côté d’eux répara Tsadok, fils de Baana. | 4 Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Meremota.zanak'i Oria, zanak'i Hakoza. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Mesolama, zanak'i Berekia, zanak'i Mesezabela. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Zadoka, zanak'i Bana. |
| 5 Et à côté d’eux réparèrent les Thekohites ; mais les principaux d’entre eux ne plièrent* pas leur cou au service de leur Seigneur. | 5 Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny Tekoita; nefa ny olona ambonimbony teo aminy dia tsy nety nampiondrika ny vozony ho amin'ny fanompoana ny Tompony. |
| — v. 5 : litt.: n’apportèrent. | |
| 6 Et Jehoïada, fils de Paséakh, et Meshullam, fils de Besodia, réparèrent la porte du vieux [mur] ; ils en firent la charpenterie, et en posèrent les battants, et les verrous et les barres. | 6 Ary ny vavahady taloha dia namboarin'i Joiada, zanak'i Pasea, sy Mesolama, zanak'i Besodia; izy roa lahy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny. |
| 7 Et à côté d’eux réparèrent Melatia, le Gabaonite, et Jadon, le Méronothite, les hommes de Gabaon et de Mitspa, vers le siège du gouverneur de l’autre côté du fleuve. | 7 Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Melatia Gibeonita sy Jadona Meronotita mbamin'ny mponina tany Gibeona sy Mizpa, hatramin'ny seza fiandrianan'ny governora etỳ an-dafin'ny ony etỳ. |
| 8 À côté d’eux* répara Uziel, fils de Harhaïa, [l’un] des orfèvres ; et à côté de lui répara Hanania, d’entre les* parfumeurs ; et ils laissèrent Jérusalem** [en son état], jusqu’à la muraille large. | 8 Manarakaraka ireo dia namboatra koa Oziela, zanak'i Haraia, isan'ny mpanefy volamena. Manarakaraka io dia namboatra koa Hanania, isan'ny mpangaroharo zava-manitra; ary nanamafy an'i Jerosalema izy hatramin'ny mandà lehibe. |
| 9 Et à côté d’eux répara Rephaïa, fils de Hur, chef de la moitié du district de Jérusalem. | 9 Ary manarakaraka io dia namboatra koa Refaia. zanak'i Hora, komandin'ny antsasaky ny fehin'i Jerosalema. |
| 10 Et à côté d’eux répara Jedaïa, fils de Harumaph, savoir vis-à-vis de sa maison. Et à côté de lui répara Hattush, fils de Hashabnia. | 10 Ary manarakaraka io dia namboatra koa Jedaia, zanak'i Haromafa, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Hatosy, zanak'i Hasabnia. |
| 11 Malkija, fils de Harim, et Hashub, fils de Pakhath-Moab, réparèrent une seconde portion et la tour des fours. | 11 Ny sasany koa mbamin'ny tilikambo misy ny fatana fandoroana dia namboarin'i Malkia, zanak'i Harima, sy Hasoba. zanak'i Pahatamoaba. |
| 12 Et à côté d’eux* réparèrent Shallum, fils d’Hallokhesh, chef de la moitié du district de Jérusalem, lui et ses filles. | 12 Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Saloma, zanak'i Halohesy, komandin'ny antsasaky ny fehin'i Jerosalema, dia izy sy ny zananivavy. |
| — v. 8, 12 : litt.: de lui. — v. 8* : litt.: fils des. — v. 8** : d’autres : et [les Chaldéens] avaient laissé intacts [les murs] de Jérusalem. | |
| 13 Hanun et les habitants de Zanoakh réparèrent la porte de la vallée ; ils la bâtirent et posèrent ses battants, ses verrous et ses barres, et [firent] mille coudées de la muraille, jusqu’à la porte du fumier. | 13 Ny vavahady mankamin'ny lohasaha dia namboarin'i Hanona sy ny mponina tany Zanoa; ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny arivo hakiho amin'ny manda hatramin'ny vavahadin-jezika. |
| 14 Et Malkija, fils de Récab, chef du district de Beth-Hakkérem, répara la porte du fumier ; il la bâtit et posa ses battants, ses verrous et ses barres. | 14 Ary ny vavahadin-jezika dia namboarin'i Malkia, zanak'i Rekaba, komandin'ny fehin'i Beti-hakerema; izy no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny. |
| 15 Et Shallun, fils de Col-Hozé, chef du district de Mitspa, répara la porte de la fontaine ; il la bâtit et la couvrit, et posa ses battants, ses verrous et ses barres ; [il fit] aussi la muraille de l’étang de Siloé*, près du jardin du roi, et jusqu’aux degrés qui descendent de la ville** de David. | 15 Ary ny vavahadin-doharano dia namboarin'i Saloma, zanak'i Kola-hoze, komandin'ny fehin'i Mizpa; izy no nandrafitra sy nanafo izany ary nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny mandan'ny farihy Siloa, teo anilan'ny sahan'ny mpanjaka, ka hatramin'ny ambaratonga midina avy any an-Tanànan'i Davida. |
| — v. 15* : hébreu : Shélakh. — v. 15** : la partie de Jérusalem, ainsi nommée. | |
| 16 Après lui Néhémie, fils d’Azbuk, chef de la moitié du district de Beth-Tsur, répara jusque vis-à-vis des sépulcres de David, et jusqu’à l’étang qui avait été fait, et jusqu’à la maison des hommes forts. | 16 Ary manarakaraka io dia namboatra koa Nehemia, zanak'i Azboka, komandin'ny antsasaky ny fehin'i Beti-zora, hatramin'ny teo amin'ny tandrifin'ireo fasan'i Davida ka hatramin'ny farihy izay natao ary hatramin'ny tranon'ny lehilahy mahery. |
| 17 Et après lui réparèrent les Lévites : Rehum, fils de Bani. À côté de lui Hashabia, chef de la moitié du district de Kehila, répara pour son district. | 17 Manarakaraka io dia namboatra koa ny Levita, dia Rehoma, zanak'i Bany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Hasabia , komandin'ny antsasaky ny fehin'i Keila, ho an'ny fehiny. |
| 18 Après lui réparèrent leurs frères, Bavvaï, fils de Hénadad, chef de la moitié du district de Kehila. | 18 Manarakaraka io dia namboatra koa ireo rahalahiny, dia Bavay, zanak'i Henadada, komandin'ny antsasaky ny fehin'i Keila. |
| 19 Et, à côté de lui, Ézer, fils de Jéshua, chef de Mitspa, répara une seconde portion, vis-à-vis de la montée de l’arsenal de l’angle. | 19 Ary manarakaraka lreo dia nisy namboarin'i Ezera, zanak'i Jesoa, komandin'i Mizpa, teo amin'ny tandrifin'ny fiakarana ho any amin'ny trano fitehirizam-piadiana eo amin'ny fiolahana. |
| 20 Après lui, Baruc, fils de Zabbaï, répara avec zèle une autre* portion, depuis l’angle jusqu’à l’entrée de la maison d’Éliashib, le grand sacrificateur. | 20 Manarakaraka io koa dia Baroka, zanak'i Zabay, no nazoto namboatra ny sasany hatramin'ny fiolahana ka hatramin'ny varavaran'ny tranon'i Eliasiba mpisoronabe. |
| 21 Après lui Merémoth, fils d’Urie, fils d’Hakkots, répara une autre* portion, depuis l’entrée de la maison d’Éliashib jusqu’au bout de la maison d’Éliashib. | 21 Manarakaraka io koa dia nisy namboarin'i Meremota, zanak'i Oria, zanak'i Hakoza, hatramin'ny varavaran'ny tranon'i Eliasiba ka hatramin'ny faran'ny tranon'i Eliasiba. |
| 22 Et après lui réparèrent les sacrificateurs, hommes de la plaine [du Jourdain]. | 22 Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny mpisorona, dia ireo avy tany amin'ny tany lemaka. |
| 23 Après eux*, Benjamin et Hashub réparèrent vis-à-vis de leur maison. Après eux*, Azaria, fils de Maascéïa, fils d’Anania, répara à côté de sa maison. | 23 Manarakaraka ireo dia namboatra koa Benjamina sy Hasoba teo amin'ny tandrifin'ny tranony ihany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Azaria, zanak'i Mahaseia, zanak'i Anania, teo anilan'ny tranony ihany. |
| 24 Après lui, Binnuï, fils de Hénadad, répara une seconde portion, depuis la maison d’Azaria jusqu’à l’angle et jusqu’au coin. | 24 Manarakaraka io koa, dia nisy namboarin'i Binoy, zanak'i Henadada, hatramin'ny tranon'i Azaria ka hatramin'ny fiolahana eo amin'ny zorony. |
| 25 Palal, fils d’Uzaï, [répara] vis-à-vis de l’angle et de la haute tour saillante de la maison du roi, qui touche à la cour de la prison. Après lui [répara] Pedaïa, fils de Parhosh. | 25 Ary Palala, zanak'i Ozay, koa, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny fiolahana sy izay mandroso eo amin'ny tilikambo ambony, eo amin'ny ranon'ny mpanjaka, eo akaikin'ny tokotanin'ny trano-maizina. Manarakaraka io koa dia Pedaia, zanak'i Parosy. |
| 26 (Or les Nethiniens* demeuraient en Ophel**, jusque vis-à-vis de la porte des eaux au levant, et de la tour saillante). | 26 Ary ny Netinima dia nonina tany Ofela hatreo amin'ny tandrifin'ny vavahadin-drano atsinanana sy ny mandroso eo amin'ny tilikambo. |
| 27 Après lui, les Thekohites réparèrent une seconde portion, vis-à-vis de la grande tour saillante, et jusqu’au mur d’Ophel. | 27 Ary manarakaraka ireo koa dia nisy namboarin'ny Tekoita, teo amin'ny tandrifin'ny mandroso eo amin'ny tilikambo lehibe ka hatramin'ny mandan'i Ofela. |
| 28 Les sacrificateurs réparèrent au-dessus de la porte des chevaux, chacun vis-à-vis de sa maison. | 28 Hatreo ambonin'ny vavahadin-tsoavaly dia namboarin'ny mpisorona, dia samy ny teo amin'ny tandrifin'ny tranony avy. |
| 29 Après eux*, Tsadok, fils d’Immer, répara vis-à-vis de sa maison. Et après lui répara Shemahia, fils de Shecania, gardien de la porte du levant. | 29 Manarakaraka ireo dia namboatra koa Zadoka, zanak'Imera, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny. tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Semaia, zanak'i Sekania, mpiandry ny vavahady atsinanana. |
| 30 Après lui, Hanania, fils de Shélémia, et Hanun, sixième fils de Tsalaph, réparèrent une seconde portion. Après eux*, Meshullam, fils de Bérékia, répara vis-à-vis de sa demeure. | 30 Manarakaraka io koa dia nisy namboarin'i Hanania, zanak'i Setemia, sy Hanona, fahenin'ny zanak'i Zalafa. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Mesolama, zanak'i Berekia, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny efi-tranony ihany. |
| 31 Après lui, Malkija, d’entre les* orfèvres, répara jusqu’à la maison des Nethiniens et des commerçants, vis-à-vis de la porte de Miphkad, et jusqu’à la montée du coin. | 31 Manarakaraka io dia namboatra koa Malkia, isan'ny mpanefy volamena, hatramin'ny tranon'ny Netinima sy ny mpandranto, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny vavahady Mifikada ka hatramin'ny trano ambony teo an-jorony. |
| 32 Et entre la montée du coin et la porte des brebis réparèrent les orfèvres et les commerçants. | 32 Ary ny teo anelanelan'ny trano ambony teo an-jorony sy ny vavahadin'ondry no namboarin'ny mpanefy volamena sy ny mpandranto. |
| — v. 20 : hébreu : seconde. — v. 23, 29, 30 : litt.: lui. — v. 26* : voir note à 1 Chron. 9:2. — v. 26** : voir note à 2 Chron. 27:3. — v. 31 : litt.: fils des. | |
| * | |
| Chapitre 4 | |
| 1 Et il arriva que, lorsque Sanballat apprit que nous bâtissions la muraille, il se mit en colère et fut extrêmement irrité, et il se moqua des Juifs. | 33 Ary rehefa ren'i Sanbala fa nataonay ny manda, dia tezitra sady sosotra loatra izy ka nihomehy ny Jiosy, |
| 2 Et il parla devant ses frères et devant l’armée de Samarie, et dit : Que font ces faibles Juifs ? Les laissera-t-on faire ? Offriront-ils des sacrifices ? Achèveront-ils en un jour ? Feront-ils revivre les pierres des monceaux de poussière, quand elles sont brûlées ? | 34 dia niteny teo anatrehan'ny namany sy ny miaramilan'i Samaria hoe: Inona no ataon'ireo Jiosy osa ireo? Hahaleo tena va ireo? Hahavono zavatra hatao fanatitra va ireo? Hahatsangana indray andro va ireo ? Hahatsangana ny vato avy amin'ny lavenona miavosa va ireo? |
| 3 Et Tobija, l’Ammonite, était à côté de lui, et il dit : Au reste, pour ce que ceux-ci bâtissent, si un renard y montait, il ferait crouler leur muraille de pierres. | 35 Ary Tobia Amonita dia teo anilan'i Sanbala ka niteny hoe: Na dia amboa-haolo aza miakatra eo amin'izay atsangany, dia haharava ny manda vato ataony. |
| 4 — Écoute, ô notre Dieu, car nous sommes méprisés, et fais retomber leur outrage sur leurs propres têtes, et livre-les au mépris* dans un pays de captivité ; | 36 Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa atao tsinontsinona izahay; koa atsingereno ho eo an-dohany ihany ny latsa ataony, ary aoka ho babo any amin'ny tany izay ahababoany izy. |
| 5 et ne couvre pas leur iniquité, et que leur péché ne soit pas effacé de devant toi, car ils ont provoqué ceux qui bâtissent. | 37 Aza manarona ny helony, ary aza vonoina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany; fa efa nampahatezitra Anao teo anatrehan'ireo mandrafitra izy. |
| 6 Mais nous rebâtîmes la muraille, et toute la muraille fut reliée jusqu’à la moitié ; et le peuple avait le cœur au travail. | 38 Ka dia narafitray ihany ny manda ka tafakambana avokoa hatramin'ny antsasany miakatra; fa nazoto niasa ny olona. |
| — v. 4 : ou : en butin. | Chapitre 4 |
| 7 Mais il arriva que, lorsque Sanballat et Tobija, et les Arabes, et les Ammonites, et les Asdodiens, apprirent que la réparation des murs de Jérusalem avançait, que les brèches commençaient à se fermer, ils se mirent dans une grande colère ; | 1 Ary rehefa ren'i Sanbala sy Tobia sy ny Arabo sy ny Amonita ary ny Asdodita fa voatsangana ny mandan'i Jerosalema, ka efa ho voavoatra izay rava, dia nirehitra mafy ny fahatezerany. |
| 8 et ils se liguèrent tous ensemble pour venir faire la guerre contre Jérusalem et pour lui causer du dommage. | 2 Ary niray tetika izy rehetra handeha hamely an'i Jerosalema ka hanimba ny asa. |
| 9 Et nous priâmes notre Dieu, et nous établîmes une garde contre eux, jour et nuit, à cause d’eux. | 3 Dia nivavaka tamin'Andriamanitra izahay ka nametraka mpiambina hiandry azy andro aman'alina noho ny fahatahoranay azy. |
| 10 Et Juda dit : Les forces des porteurs de fardeaux faiblissent, et il y a beaucoup de décombres : nous ne pouvons bâtir la muraille. | 4 Ary hoy ny Joda: Mihena ny herin'ny mpitondra entana, ary be ny korontam-bato sy ny tany; ka dia tsy maharafitra ny manda izahay. |
| 11 Et nos ennemis disaient : Ils ne le sauront pas et ne le verront pas, jusqu’à ce que nous arrivions au milieu d’eux : et nous les tuerons, et nous ferons cesser l’ouvrage. | 5 Ary hoy kosa ny fahavalonay: Tsy hahalala izy, na hahita, raha tsy tonga eo afovoany isika ka mahafaty azy ary mampitsahatra ny asa. |
| 12 Et il arriva que, comme les Juifs qui habitaient près d’eux vinrent et nous le dirent par dix fois, de tous les lieux d’où ils revenaient* vers nous, | 6 Ary rehefa tonga ny Jiosy izay nonina teo akaikin'ireo ka nanao taminay im-polo hoe: Na avy aiza na avy aiza ianareo, dia miverena atỳ aminay, |
| 13 j’établis [des postes] dans les endroits bas, dans l’espace derrière la muraille, en des lieux découverts, et je plaçai le peuple par familles avec leurs épées, leurs piques et leurs arcs. | 7 dia nasiako olona teo amin'ny fitoerana ambany, teo ivelan'ny manda sy teo an-karihary; eny, nalahatro ny olona araka ny fokony avy, samy nitàna sabatra sy lefona ary tsipìka. |
| 14 Et je regardai et je me levai, et je dis aux nobles et aux chefs*, et au reste du peuple : Ne les craignez pas ; souvenez-vous du Seigneur, qui est grand et terrible, et combattez pour vos frères, pour vos fils et pour vos filles, pour vos femmes et pour vos maisons. | 8 Dia nijery aho sady nitsangana ka nilaza tamin'ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin'ny vahoaka sisa hoe: Aza matahotra azy ianareo; ny Tompo lehibe sy mahatahotra no tsarovy, ka miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny vadinareo ary ny tranonareo. |
| — v. 12 : hébreu : vous reveniez. — v. 14 : comme 2:16, et 5:7, 17. | |
| 15 Et quand nos ennemis apprirent que nous étions informés, et que Dieu avait dissipé leur conseil, il arriva que nous retournâmes tous à la muraille, chacun à son travail. | 9 Ary nony ren'ny fahavalontsika fa efa fantatray izany, sady efa nofoanan'Andriamanitra ny heviny, dia niverina ho amin'ny manda izahay rehetra, samy ho amin'ny asany avy indray. |
| 16 Et, dès ce jour-là, la moitié de mes jeunes hommes travaillait à l’œuvre, et la moitié tenait les piques, et les boucliers*, et les arcs, et les cuirasses ; et les chefs étaient derrière toute la maison de Juda. | 10 Ary hatramin'izay andro izay ny antsasaky ny zatovoko dia nanao ny asa, ary ny antsasany kosa nitàna lefona aman'ampinga sy tsipìka ary akanjo fiarovan-tratra; ary ny mpanapaka dia teo ivohon'ny fianakaviana rehetra amin'ny Joda. |
| 17 Ceux qui bâtissaient la muraille, et ceux qui portaient les fardeaux [et] ceux qui les chargeaient, faisaient le travail d’une main, et, de l’autre main, tenaient une arme. | 11 Ary izay nandrafitra ny manda sy ny mpitondra entana izay nanangona ny korontam-bato sy ny tany dia samy niasa tamin'ny tànany anankiray, ary nitan-defona kosa ny tànany anankiray. |
| 18 Et ceux qui bâtissaient avaient chacun leur épée ceinte sur leurs reins et bâtissaient, et celui qui sonnait de la trompette était à côté de moi. | 12 Ary ny mpandrafitra rehetra dia samy nanana ny sabany voafehy tamin'ny valahany avy, ka dia nandrafitra. Ary ny mpitsoka ny anjomara dia teo anilako. |
| — v. 16 : petits boucliers, écus. | |
| 19 Et je dis aux nobles et aux chefs*, et au reste du peuple : L’ouvrage est grand et étendu, et nous sommes épars sur la muraille, éloignés l’un de l’autre. | 13 Ary hoy izaho tamin'ny manan-kaja sy ny mpanapaka ary ny vahoaka sisa: Be sady malalaka ny asa, ka dia misaratsaraka eny ambonin'ny manda isika ka mifanalavitra. |
| 20 Au lieu où vous entendrez le son de la trompette, là, rassemblez-vous vers nous ; notre Dieu combattra pour nous. | 14 Koa eo amin'izay fitoerana andrenesanareo ny feon'ny anjomara dia mivoria ho any aminay ianareo; fa Andriamanitsika no hiady ho antsika. |
| 21 Ainsi nous faisions l’ouvrage ; et la moitié d’entre eux tenait les piques depuis le lever de l’aurore jusqu’à l’apparition des étoiles. | 15 Dia nanao ny asa izahay, ary ny antsasany kosa nitan-defona hatramin'ny mazavaratsy ka mandra-piposaky ny kintana. |
| 22 Dans ce temps-là aussi je dis au peuple : Que chacun, avec son serviteur*, passe la nuit à l’intérieur de Jérusalem, afin que de nuit ils nous soient une garde, et que de jour [ils fassent] le travail. | 16 Ary tamin'izany andro izany dia hoy koa aho tamin'ny olona: Samia mitoetra ato Jerosalema ianareo mbamin'ny zatovonareo, mba hiambina antsika raha alina ireo ary hiasa raha antoandro. |
| 23 Et ni moi, ni mes frères, ni mes jeunes hommes, ni les hommes de la garde qui me suivaient, nous n’ôtâmes nos vêtements ; chacun [avait] son arme à sa droite*. | 17 Fa izaho sy ny rahalahiko mbamin'ny zatovoko sy ny mpiambina, izay nanaraka ahy, dia samy tsy niala akanjo, sady tsy nisy nandro akory. |
| — v. 19 : comme 2:16, et 5:7, 17. — v. 22 : ordinairement : jeune homme. — v. 23 : à sa droite est douteux ; quelques-uns : avait son arme [en allant] à l’eau. | |
| Chapitre 5 | Chapitre 5 |
| 1 Et il y eut un grand cri du peuple et de leurs femmes contre les Juifs, leurs frères. | 1 Ary nitaraina mafy ny lehilahy sy ny vadiny ny amin'ny Jiosy rahalahiny. |
| 2 Et il y en avait qui disaient : Nous, nos fils et nos filles, nous sommes nombreux, et nous demandons du blé afin que nous mangions et que nous vivions. | 2 Fa nisy nanao hoe: Maro izahay mbamin'ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy; koa ta-hahazo vary izahay mba hohaninay hivelomanay. |
| 3 Et il y en avait qui disaient : Nous avons dû engager nos champs et nos vignes et nos maisons pour nous procurer du blé dans la disette. | 3 Ary nisy koa nanao hoe: Ny taninay sy ny tanim-boalobokay ary ny tranonay dia efa nataonay antoka, koa ta-hahazo vary izahay noho ny mosary. |
| 4 Et il y en avait qui disaient : Nous avons emprunté de l’argent sur nos champs et nos vignes pour le tribut du roi ; | 4 Ary nisy koa indray nanao hoe: Efa nisambo-bola izahay handoavanay ny hetran'ny mpanjaka, ary ny taninay sy ny tanim-boalobokay no nataonay antoka. |
| 5 et pourtant notre chair est comme la chair de nos frères, nos fils comme leurs fils ; et voici, nous réduisons nos fils et nos filles à la servitude, et parmi nos filles, il y en a qui sont [déjà] asservies, et il n’est pas au pouvoir de nos mains [de les racheter], car nos champs et nos vignes sont à d’autres. | 5 Kanefa mba tahaka ny nofon'ny rahalahinay ihany ny nofonay, ary tahaka ny zanany ihany ny zanakay; fa na dia izany aza, indreo izahay manetry ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy ho andevo, ary ny sasany amin'ny zanakai-vavy dia efa andevo rahateo; nefa tsy manan-ko enti-manavotra azy izahay, satria lasan'ny sasany ny taninay sy ny tanim-boalobokay. |
| 6 Et je fus très-irrité lorsque j’entendis leur cri et ces paroles. | 6 Dia tezitra indrindra aho, raha nahare ny fitarainany sy izany teny izany. |
| 7 Et mon cœur se consulta sur cela, et je querellai les nobles et les chefs, et je leur dis : Vous exigez de l’intérêt chacun de son frère ! Et je leur opposai une grande congrégation ; | 7 Ary nihevitra tao am-poko aho, ka dia nananatra mafy ny manan-kaja sy ny mpanapaka ka nanao taminy hoe: Samy mampanàna zavatra amin'ny rahalahinareo avy ianareo. Dia nanendry fiangonan-dehibe aho hitsarana azy. |
| 8 et je leur dis : Nous avons racheté, selon notre pouvoir, nos frères, les Juifs, qui avaient été vendus aux nations ; et vous voulez vous-mêmes vendre vos frères ? Et c’est à nous qu’ils se vendraient ? Et ils se turent et ne trouvèrent rien à dire. | 8 Ary hoy izaho taminy: Izahay araka izay tratry ny nanananay dia efa nanavotra ny Jiosy rahalahinay, izay efa namidy tamin'ny jentilisa; fa ianareo kosa moa hivarotra ny rahalahinareo va, ka hamidy aminay va izy? Dia sina izy, fa tsy hitany izay havaliny. |
| 9 Et je dis : Ce que vous faites n’est pas bien. Ne devriez-vous pas marcher dans la crainte de notre Dieu, pour n’être pas dans l’opprobre parmi les nations qui nous sont ennemies ? | 9 Ary hoy koa aho: Tsy tsara izao ataonareo izao; moa tsy tokony handeha amin'ny fahatahorana an'Andriamanitsika va ianareo noho ny fanaratsian'ny jentilisa fahavalontsika? |
| 10 Moi aussi, mes frères et mes jeunes hommes, nous pourrions exiger d’eux, comme intérêt, de l’argent et du blé. Laissons, je vous prie, cette usure. | 10 Izaho sy ny rahalahiko ary ny zatovoko efa nampanàna vola sy vary taminy; koa masìna ianareo, aoka re hafointsika izany trosa izany; |
| 11 Rendez-leur, aujourd’hui même, je vous prie, leurs champs, leurs vignes, leurs oliviers et leurs maisons, et le centième de l’argent et du blé, du moût et de l’huile, que vous avez exigé d’eux comme intérêt. | 11 eny, masìna ianareo, ampodio aminy anio ihany ny taniny sy ny tanim-boalobony sy ny tanin'olivany sy ny tranony sy ny ampahazaton'ny vola sy ny vary ary ny divay sy ny diloilo izay nampisamborinareo azy. |
| 12 Et ils dirent : Nous les rendrons et nous ne leur demanderons rien ; nous ferons ainsi, comme tu l’as dit. Et j’appelai les sacrificateurs, et je les fis jurer de faire selon cette parole. | 12 Dia hoy ireo: Eny, hampodinay izany, ka tsy haka na inona na inona aminy izahay, fa hanao araka izay lazainao. Dia niantso ny mpisorona aho ka nampianiana ireo hanao araka izany teny izany, |
| 13 Je secouai aussi le pan de ma robe, et je dis : Que Dieu secoue ainsi de sa maison et du fruit de son labeur quiconque n’accomplira pas cette parole, et qu’il soit ainsi secoué et à vide ! Et toute la congrégation dit : Amen ! Et ils louèrent l’Éternel. Et le peuple fit selon cette parole. | 13 sady nanakopaka ny lambako teo am-pofoako aho ka nanao hoe: Ho tahaka izany anie no hanakopahan'Andriamanitra ny olona rehetra izay tsy mahantanteraka izany teny izany hiala amin'ny tranony sy ny vokatry ny asany; eny, hakopaka ka hofoanana tahaka izany anie izy. Ary ny fiangonana rehetra nanao hoe: Amena; sady nidera an'i Jehovah izy. Ary dia nanao araka izany teny izany ny olona. |
| 14 Dès le jour aussi où je fus établi* leur gouverneur dans le pays de Juda, depuis la vingtième année jusqu’à la trente-deuxième année du roi Artaxerxès, pendant douze ans, ni moi, ni mes frères, nous n’avons mangé le pain du gouverneur. | 14 Ary koa, hatramin'ny andro nanendrena ahy ho governora amin'ny tany Joda, dia hatramin'ny taona faharoa-polo ka hatramin'ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan'i Artaksersesy, dia roa ambin'ny folo taona izay, izaho sy ny raha!ahiko tsy mba nihinana izay anjara-fiveloman'ny governora. |
| 15 Mais les gouverneurs précédents qui avaient été avant moi, avaient été à charge au peuple, et ils avaient pris d’eux du pain et du vin, et, de plus, quarante sicles d’argent ; leurs jeunes hommes aussi dominaient sur le peuple. Mais moi, je n’ai pas fait ainsi, à cause de la crainte de Dieu. | 15 Fa ireo governora fahiny izay teo alohako ireo dia nahavaky tratra ny olona ka nampandoa azy hanina sy divay ary sekely volafotsy efa-polo koa; eny, na dia ny zatovony aza dia nisetrasetra tamin'ny olona; fa izaho tsy mba nanao izany noho ny fahatahorako an'Andriamanitra. |
| 16 Et j’ai aussi tenu ferme, dans ce travail de la muraille, et nous n’avons acheté aucun champ, et tous mes jeunes hommes étaient rassemblés là pour l’ouvrage. | 16 Eny, izaho naharitra nanao io manda io ihany, sady tsy nividy tany izahay; ary ny zatovoko rehetra dia voangona hanao ny asa. |
| 17 J’avais aussi à ma table cent cinquante Juifs et chefs, outre ceux qui nous venaient du milieu des nations qui nous entouraient. | 17 Ary teo amin'ny latabatro nisy Jiosy sy mpanapaka dimam-polo amby zato afa-tsy izay nankeo aminay avy tamin'ny firenena manodidina anay. |
| 18 Or ce qui m’était apprêté pour un jour, c’était un bœuf, [et] six moutons choisis ; on m’apprêtait aussi de la volaille, et, tous les dix jours, toutes sortes de vins en abondance ; et avec cela, je n’ai point réclamé le pain du gouverneur, parce que le service pesait lourdement sur ce peuple. | 18 Ary ny namboarina ho ahy isan'andro dia omby iray sy ondry matavy enina ary vorona koa, ary indray mandeha isan-kafoloana dia nasiana divay samy hafa betsaka; nefa na dia izany aza, ny anjara-fiveloman'ny governora dia tsy mba nilaiko, satria nahavesatra ny olona ny fanompoana. |
| 19 Souviens-toi en bien pour moi, ô mon Dieu, de tout ce que j’ai fait pour ce peuple ! | 19 Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô, araka izay rehetra nataoko ho an'ity firenena ity. |
| — v. 14 : litt.: commandé. | |
| Chapitre 6 | Chapitre 6 |
| 1 Et il arriva que, lorsque Sanballat, et Tobija, et Guéshem, l’Arabe, et le reste de nos ennemis, apprirent que j’avais bâti la muraille et qu’il n’y restait aucune brèche, quoique jusqu’à ce temps-là je n’eusse pas posé les battants aux portes, | 1 Ary rehefa ren'i Sanbala sy Tobia sy Gasema Arabo mbamin'ny namany fahavalonay fa efa nanao ny manda aho, ka tsy nisy banga intsony teo (kanefa tamin'izany andro izany tsy mbola voalatsako ny lela-vavahady), |
| 2 Sanballat et Guéshem m’envoyèrent dire : Viens et rencontrons-nous ensemble dans les villages de la vallée* d’Ono. Mais ils pensaient à me faire du mal. | 2 dia naniraka ho any amiko Sanbala sy Gasema ka nanao hoe: Avia isika hihaona ao amin'izay vohitra anankiray amin'ny tany lemak'i Ono. Kanjo nikasa hanisy ratsy ahy izy roa lahy. |
| 3 Et je leur envoyai des messagers, disant : Je fais un grand travail et je ne puis descendre. Pourquoi le travail cesserait-il pendant que je le quitterais et que je descendrais vers vous ? | 3 Dia naniraka olona hankany aminy kosa aho hanao hoe: Asa lehibe no ataoko, ka tsy afa-midina aho; nahoana no hilaozako midina any aminareo ny asa ka hatsahatra? |
| 4 Et ils m’envoyèrent dire la même chose quatre fois, et je leur répondis de la même manière. | 4 Kanefa mbola naniraka tamiko inefatra araka izany ihany izy; ary izaho kosa dia mbola namaly azy toy izany ihany koa. |
| 5 Et Sanballat m’envoya son serviteur*, une cinquième fois, de la même manière, une lettre ouverte à la main. | 5 Dia nirahin'i Sanbala fanindiminy ny zatovony hankeo amiko araka izany ihany, nitondra taratasy nivelatra teny an-tànany, |
| 6 Il y était écrit : On entend dire parmi les nations, et Gashmu le dit, que toi et les Juifs vous pensez à vous révolter ; c’est pour cela que tu bâtis la muraille, et, d’après ces dires, c’est toi qui deviendras leur roi. | 6 izay nisy soratra hoe: Efa mahoraka any amin'ny firenena maro izao teny izao, sady lazain'i Gasema hoe: Hianao sy ny Jiosy dia mikasa hikomy, ka izany no anaovanao ny manda, ary araka izany teny izany dia mikasa ho mpanjakany, hono, ianao, |
| 7 Et même tu as établi des prophètes pour proclamer et dire de toi dans Jérusalem : Il y a un roi en Juda ! Et maintenant, on fera entendre au roi ces mêmes choses ; viens donc maintenant, et tenons conseil ensemble. | 7 sady efa nanendry ny mpaminany maro hilaza anao any Jerosalema hoe Mpanjaka any Joda; ary ankehitriny dia ho ren'ny mpanjaka izany teny izany; koa avia isika hiara-mihevitra. |
| 8 Et je lui envoyai dire : Aucune des choses dont tu parles n’a eu lieu ; mais tu les inventes dans ton propre cœur. | 8 Dia naniraka ho any aminy aho hanao hoe: Tsy marina izany zavatra lazainao izany, fa tao am-ponao ihany no namoronanao izany. |
| 9 Car ils voulaient tous nous effrayer, disant : Leurs mains se lasseront du travail, et il ne se fera pas. Maintenant donc, fortifie mes mains ! | 9 Fa ta-hampahatahotra anay izy rehetra, ka hoy izy: Ho kivy amin'ny asa izy ka tsy hahatontosa. Koa ankehitriny ampaherezo e ny tanako! |
| — v. 2 : voir note à Josué 11:8. — v. 5 : hébreu : jeune homme. | |
| 10 Et moi, je vins à la maison de Shemahia, fils de Delaïa, fils de Mehétabeël (et il s’était enfermé) ; et il dit : Rencontrons-nous dans la maison de Dieu, à l’intérieur du temple, et fermons les portes du temple, car ils vont venir pour te tuer, et c’est de nuit* qu’ils vont venir pour te tuer. | 10 Ary izaho dia tonga tao an-tranon'i Semaia, zanak'i Delaia, zanak'i Mehetabela, izay nihidy trano tao; dia hoy izy: Andeha isika hiditra ao an-tranon'Andriamanitra ao anatin'ny tempoly, ary aoka harindrintsika ny varavarana, fa ho avy hamono anao izy, eny, ho avy alina hamono anao izy. |
| 11 Et je dis : Un homme comme moi fuirait-il ? Et quel homme comme moi entrerait dans le temple et vivrait ? Je n’entrerai pas. | 11 Fa hoy izaho: Moa ny lehilahy tahaka ahy tokony handositra va? Ary iza no olona tahaka ahy no mahazo miditra ao amin'ny tempoly ka ho velona? Tsy hiditra ao aho. |
| 12 Et je reconnus que, voici, ce n’était pas Dieu qui l’avait envoyé, car il prononçait cette prophétie contre moi, et Tobija et Sanballat le soudoyaient. | 12 Ary hitako fa, indro, tsy Andriamanitra no naniraka azy, fa nilaza izany faminaniana izany hamitahany ahy izy, satria notambazan'i Tobia sy Sanbala. |
| 13 C’est pour cela qu’il était payé, pour que j’eusse peur et que je fisse ainsi et péchasse, et qu’ils eussent de quoi me faire un mauvais renom, afin de me couvrir d’opprobre. | 13 Izany no nanambazany azy, mba hampitahotra ahy hanaovako izany ka hanotako, dia hahazoany teny tatsy hanaratsiany ahy. |
| 14 Souviens-toi, ô Dieu, de Tobija et de Sanballat selon ces œuvres qu’ils ont faites ; et aussi de Noadia, la prophétesse, et du reste des prophètes qui voulaient m’effrayer ! | 14 Ry Andriamanitro ô, tsarovy Tobia sy Sanbala araka izany asany izany mbamin'i Noadia mpaminanivavy sy ny mpaminany sasany koa, izay nampitahotra ahy. |
| — v. 10 : ou : cette nuit. | |
| 15 Et la muraille fut achevée le vingt-cinquième [jour du mois] d’Élul, en cinquante-deux jours. | 15 Dia vita tamin'ny roa amby dimam-poloandro ny manda, dia tamin'ny andro faha-dimy amby roa-polo tamin'ny volana Elola. |
| 16 Et il arriva que, lorsque tous nos ennemis l’apprirent, toutes les nations qui nous environnaient craignirent et furent fort abaissées à leurs propres yeux, et elles reconnurent que cette œuvre avait été faite de par notre Dieu. | 16 Ary rehefa ren'ny fahavalonay rehetra izany, dia raiki-tahotra ny firenena rehetra manodidina anay, sady hitany fa tsinontsinona izy; ary fantany fa Andriamanitray no nahavitàna izany asa izany. |
| 17 En ces jours-là aussi, des nobles de Juda envoyèrent lettres sur lettres à Tobija, et celles de Tobija leur arrivaient ; | 17 Ary tamin'izany andro izany ny manan-kaja amin'ny Joda dia nampitondra taratasy maro ho any amin'i Tobia, ary ny avy tamin'i Tobia kosa tonga tany aminy. |
| 18 car plusieurs en Juda lui avaient prêté serment, car il était gendre de Shecania, fils d’Arakh, et Jokhanan, son fils, avait pris la fille de Meshullam, fils de Bérékia. | 18 Fa nisy maro tany Joda efa nianiana niray tetika taminy, satria vinanton'i Sekania, zanak'i Ara, izy; ary Johanana zananilahy efa nanambady ny zanakavavin'i Mesolama, zanak'i Berekia. |
| 19 Ils disaient aussi devant moi ses bonnes actions, et ils lui rapportaient mes paroles*. Tobija envoyait des lettres pour m’effrayer. | 19 Ary nisy koa teo anatrehako nilaza ny soa nataony ary nilaza ny teniko tany aminy kosa. Ary Tobia kosa nampitondra taratasy hampitahotra ahy. |
| — v. 19 : ou : mes affaires. | |
| * | * |
| Chapitre 7 | Chapitre 7 |
| 1 Or il arriva, quand la muraille fut bâtie et que j’eus posé les battants [des portes], qu’on établit dans leurs emplois les portiers, et les chantres, et les lévites. | 1 Ary nony vita ny manda, ka voalatsako ny lela-vavahady, sady voatendry ny mpiandry varavarana sy ny mpihira ary ny Levita, |
| 2 Et je chargeai du gouvernement de Jérusalem Hanani, mon frère, et Hanania, chef du château fort ; car c’était un homme fidèle, et il craignait Dieu, plus que beaucoup [d’autres] ; | 2 dia notendreko Hanany rahalahiko sy Hanania, lehiben'ny tao an-dapa, hitandrina an'i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an'Andriamanitra mihoatra noho ny maro. |
| 3 et je leur dis que les portes de Jérusalem ne devaient pas être ouvertes avant que le soleil ne fût chaud, et qu’on devait fermer les battants [des portes] pendant qu’ils étaient là, et mettre les barres, et qu’on devait placer des gardes d’entre les habitants de Jérusalem, chacun à son poste, et chacun devant sa maison. | 3 Koa hoy izaho tamin'ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin'i Jerosalema mandra-pahafanan'ny andro; ary raha mbola milanona eo ny mpiambina, dia aoka harindriny ny varavarana, ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin'izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin'ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin'ny tandrifin'ny tranony avy. |
| 4 Or la ville était spacieuse et grande, mais le peuple peu nombreux au milieu d’elle, et il n’y avait point de maisons bâties. | 4 Ary malalaka sy lehibe ny tanàna, nefa vitsy olona, sady tsy mbola vita ny trano. |
| 5 Et mon Dieu me mit au cœur de rassembler les nobles et les chefs*, et le peuple, pour les enregistrer par généalogies. Et je trouvai le registre généalogique de ceux qui étaient montés au commencement, et j’y trouvai écrit : | 5 Ary nomen'Andriamanitro hevitra aho hamory ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin'ny vahoaka, mba halaina isa araka ny firazanany avy ireo. Ary hitako ny taratasy filazana ny firazanan'izay niakatra voalohany, ka izao no hitako voasoratra tao: |
| 6 Voici ceux* de la province qui remontèrent de la captivité de ceux qui avaient été transportés, lesquels Nebucadnetsar, roi de Babylone, avait transportés, et qui retournèrent à Jérusalem et en Juda, chacun à sa ville, | 6 Izao no lehilahy amin'izany tany izany, izay niakatra avy tamin'ny fahababoana, dia ireo nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, fa niverina tany Jerosalema sy Joda izy, samy ho any an-tanànany avy, |
| 7 ceux qui vinrent avec Zorobabel, Jéshua, Néhémie, Azaria, Raamia, Nakhamani, Mardochée, Bilshan, Mispéreth, Bigvaï, Nehum, [et] Baana. | 7 dia ny olona izay niaraka tamin'i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Azaria sy Ramia sy Nahanany sy Mordekay sy Bilsana sy Mispereta sy Bigvay sy Nehoma ary Bana: Ary ny isan'ny lehilahy tamin'ny Isiraely dia izao: |
| — v. 5 : comme 2:16. — v. 6 : litt.: les fils. | |
| Nombre des hommes du peuple d’Israël : | |
| 8 Les fils de Parhosh, deux mille cent soixante-douze ; | 8 Ny taranak'i Parosy dia roa amby fito-polo amby zato sy roa arivo; |
| 9 les fils de Shephatia, trois cent soixante-douze ; | 9 ny taranak'i Sefatia dia roa amby fito-polo amby telon-jato; |
| 10 les fils d’Arakh, six cent cinquante-deux ; | 10 ny taranak'i Ara dia roa amby dimam-polo amby enin-jato; |
| 11 les fils de Pakhath-Moab, des fils de Jéshua et de Joab, deux mille huit cent dix-huit ; | 11 ny taranak'i Pahatamoaba, dia avy tamin'ny zanak'i Jesoa sy Joaba, dia valo ambin'ny folo amby valon-jato sy roa arivo; |
| 12 les fils d’Élam, mille deux cent cinquante-quatre ; | 12 ny taranak'i Elama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo; |
| 13 les fils de Zatthu, huit cent quarante-cinq ; | 13 ny taranak'i Zato dia dimy amby efa-polo amby valon-jato; |
| 14 les fils de Zaccaï, sept cent soixante ; | 14 ny taranak'i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato; |
| 15 les fils de Binnuï, six cent quarante-huit ; | 15 ny taranak'i Binoy dia valo amby efa-polo amby enin-jato; |
| 16 les fils de Bébaï, six cent vingt-huit ; | 16 ny taranak'i Bebay dia valo amby roa-polo amby enin-jato; |
| 17 les fils d’Azgad, deux mille trois cent vingt-deux ; | 17 ny taranak'Azgada dia roa amby roa-polo amby telon-jato amby roa arivo; |
| 18 les fils d’Adonikam, six cent soixante-sept ; | 18 ny zanak'i Adonikama dia fito amby enim-polo amby enin-jato; |
| 19 les fils de Bigvaï, deux mille soixante-sept ; | 19 ny taranak'i Bigvay dia fito amby enim-polo sy roa arivo; |
| 20 les fils d’Adin, six cent cinquante-cinq ; | 20 ny taranak'i Adina dia dimy amby dimam-polo amby enin-jato; |
| 21 les fils d’Ater, [de la famille] d’Ézéchias, quatre-vingt-dix-huit ; | 21 ny taranak'i Atera, avy tamin'i Hezekia, dia valo amby sivi-folo; |
| 22 les fils de Hashum, trois cent vingt-huit ; | 22 ny taranak'i Hasoma dia valo amby roa-polo amby telon-jato; |
| 23 les fils de Bétsaï, trois cent vingt-quatre ; | 23 ny taranak'i Bezay dia efatra amby roa-polo amby telon-jato; |
| 24 les fils de Hariph, cent douze ; | 24 ny taranak'i Harifa dia roa ambin'ny folo amby zato; |
| 25 les fils de Gabaon, quatre-vingt-quinze ; | 25 ny taranak'i Gibeona dia dimy amby sivi-folo. |
| 26 les hommes de Bethléhem et de Netopha, cent quatre-vingt-huit ; | 26 Ny mponina tany Betlehema sy Netofa dia valo amby valo-polo amby zato; |
| 27 les hommes d’Anathoth, cent vingt-huit ; | 27 ny mponina tany Anatota dia valo amby roa-polo amby zato; |
| 28 les hommes de Beth-Azmaveth, quarante-deux ; | 28 ny mponina tany Bet-azmaveta dia roa amby efa-polo; |
| 29 les hommes de Kiriath-Jéarim, de Kephira et de Beéroth, sept cent quarante-trois ; | 29 ny mponina tany Kiriata-jearima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato; |
| 30 les hommes de Rama et de Guéba, six cent vingt et un ; | 30 ny mponina tany Rama sy Geva dia iraika amby roa-polo amby enin-jato; |
| 31 les hommes de Micmas, cent vingt-deux ; | 31 ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato; |
| 32 les hommes de Béthel et d’Aï, cent vingt-trois ; | 32 ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby zato; |
| 33 les hommes de l’autre Nébo, cinquante-deux ; | 33 ny mponina tany amin'ilay Nebo anankiray dia roa amby dimam-polo; |
| 34 les fils de l’autre Élam, mille deux cent cinquante-quatre ; | 34 ny zanak'ilay Elama anankiray dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo; |
| 35 les fils de Harim, trois cent vingt ; | 35 ny zanak'i Harima dia roa-polo amby telon-jato; |
| 36 les fils de Jéricho, trois cent quarante-cinq ; | 36 ny zanak'i Jeriko dia dimy amby efa-polo amby telon-jato; |
| 37 les fils de Lod, de Hadid et d’Ono, sept cent vingt et un ; | 37 ny zanak'i Loda sy Hadida ary Ono dia iraika amby roa-polo amby fiton-jato; |
| 38 les fils de Senaa, trois mille neuf cent trente. | 38 ny zanak'i Sena dia telo-polo amby sivin-jato sy telo arivo. |
| 39 Sacrificateurs : les fils de Jedahia, de la maison de Jéshua, neuf cent soixante-treize ; | 39 Ary ny mpisorona koa dia izao: Ny taranak'i Jedaia, avy tamin'ny mpianakavin'i Jesoa, dia telo amby fito-polo amby sivin-jato; |
| 40 les fils d’Immer, mille cinquante-deux ; | 40 ny taranak'Imera, dia roa amby dimam-polo amby arivo; |
| 41 les fils de Pashkhur, mille deux cent quarante-sept ; | 41 ny taranak'i Pasora dia fito amby efa-polo amby roan-jato sy arivo; |
| 42 les fils de Harim, mille dix-sept. | 42 ny taranak'i Harima dia fito ambin'ny folo sy arivo. |
| 43 Lévites : les fils de Jéshua [et] de Kadmiel, d’entre les fils d’Hodva, soixante-quatorze. | 43 Ary ny Levita koa dia izao: Ny zanak'i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin'ny zanak'i Hodavia, dia efatra amby fito-polo. |
| 44 Chantres : les fils d’Asaph, cent quarante-huit. | 44 Ary ny mpihira koa dia izao: Ny taranak'i Asafa dia valo amby efa-polo amby zato. |
| 45 Portiers : les fils de Shallum, les fils d’Ater, les fils de Talmon, les fils d’Akkub, les fils de Hatita, les fils de Shobaï, cent trente-huit. | 45 Ary ny mpiandry varavarana koa dia izao: Ny taranak'i Saloma, ny taranak'i Atera, ny taranak'i Talmona, ny taranak'i Akoba, ny taranak'i Hatita, ny taranak'i Sobay, dia valo amby telo-polo amby zato. |
| 46 Nethiniens : les fils de Tsikha, les fils de Hasupha, les fils de Tabbaoth, | 46 Ary ny Netinima koa dia izao: Ny taranak'i Ziha, ny taranak'i Hasofa, ny taranak'i Tabaota, |
| 47 les fils de Kéros, les fils de Sia, les fils de Padon, | 47 ny taranak'i Kerosa, ny taranak'i Sia, ny taranak'i Padona, |
| 48 les fils de Lebana, les fils de Hagaba, les fils de Sçalmaï, | 48 ny taranak'i Lebana, ny taranak'i Hagaba, ny taranak'i Salmay, |
| 49 les fils de Hanan, les fils de Guiddel, les fils de Gakhar, | 49 ny taranak'i Hanana, ny taranak'i Gidela, ny taranak'i Gahara, |
| 50 les fils de Reaïa, les fils de Retsin, les fils de Nekoda, | 50 ny taranak'i Reaia, ny taranak'i Rezina, ny taranak'i Nekoda, |
| 51 les fils de Gazzam, les fils d’Uzza, les fils de Paséakh, | 51 ny taranak'i Gazama, ny taranak'i Oza, ny taranak'i Pasea, |
| 52 les fils de Bésaï, les fils de Meünim*, les fils de Nephissim**, | 52 ny taranak'i Besay, ny taranaky ny Meonita, ny taranaky ny Nefisita, |
| 53 les fils de Bakbuk, les fils de Hakupha, les fils de Harkhur, | 53 ny taranak'i Bakboka, ny taranak'i Hakafa, ny taranak'i Harora, |
| 54 les fils de Batslith, les fils de Mekhida, les fils de Harsha, | 54 ny taranak'i Bazlita, ny taranak'i Mehida, ny taranak'i Harsa, |
| 55 les fils de Barkos, les fils de Sisera, les fils de Thamakh, | 55 ny taranak'i Barkosa, ny taranak'i Sisera, ny taranak'i Tema, |
| 56 les fils de Netsiakh, les fils de Hatipha. | 56 ny taranak'i Nezia, ny taranak'i Hatifa. |
| — v. 52* : ou : des Maonites. — v. 52** : ou : des Nephusites, voir Esdras 2:50. | |
| 57 Fils des serviteurs de Salomon : les fils de Sotaï, les fils de Sophéreth, les fils de Perida, | 57 Ary ny taranaky ny mpanompon'i Solomona koa dia izao: Ny taranak'i Sotahy, ny taranak'i Sofereta, ny zanak'i Perida, |
| 58 les fils de Jaala, les fils de Darkon, les fils de Guiddel, | 58 ny taranak'i Jala, ny taranak'i Darkona, ny taranak'i Gidela, |
| 59 les fils de Shephatia, les fils de Hattil, les fils de Pokéreth-Hatsebaïm, les fils d’Amon. | 59 ny taranak'i Sefatia, ny taranak'i Hatila, ny taranak'i Pokereta-hazebaima, ny taranak'i Amona. |
| 60 Tous les Nethiniens et les fils des serviteurs de Salomon, trois cent quatre-vingt-douze. | 60 Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon'i Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato. |
| 61 Et voici ceux qui montèrent de Thel-Mélakh, de Thel-Harsha, de Kerub-Addon, et d’Immer ; mais ils ne purent pas montrer leurs maisons de pères et leur descendance*, s’ils étaient d’Israël : | 61 Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Kerofa sy Adona ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany, na avy tamin'ny Isiraely na tsia, izy): |
| 62 les fils de Delaïa, les fils de Tobija, les fils de Nekoda, six cent quarante-deux ; | 62 ny taranak'i Delaia, ny taranak'i Tobia, ny taranak'i Nekoda, roa amby efa-polo amby enin-jato. |
| 63 et des sacrificateurs, les fils de Hobaïa, les fils d’Hakkots, les fils de Barzillaï, qui prit une femme d’entre les filles de Barzillaï, le Galaadite, et fut appelé de leur nom. | 63 Ary ny avy tamin'ny mpisorona dia izao: Ny taranak'i Hobaia, ny taranak'i Hakoza, ny taranak'i Barzilay; nampaka-bady avy tamin'ny zanakavavin'i Barzilay Gileadita io ka notononina araka ny anarany. |
| 64 Ceux-ci cherchèrent leur inscription généalogique, mais elle ne se trouva pas ; et ils furent exclus, comme profanes, de la sacrificature. | 64 Ireo dia nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin'ny fisoronana. |
| 65 Et le Thirshatha* leur dit qu’ils ne devaient point manger des choses très-saintes, jusqu’à ce que fût suscité* le sacrificateur avec les urim et les thummim. | 65 Ary ny governora nilaza fa tsy mahazo mihinana ny zava-masina indrindra izy mandra-pitsangan'izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima. |
| — v. 61 : litt.: semence. — v. 65* : titre du gouverneur, sous les Perses. — v. 65** : litt.: se tint là. | |
| 66 Toute la congrégation réunie était de quarante-deux mille trois cent soixante [personnes], | 66 Ny tontalin'ny olona rehetra dia enim-polo amby telon-jato amby roa arivo sy efatra alina, |
| 67 sans compter leurs serviteurs et leurs servantes ; ceux-ci [étaient au nombre de] sept mille trois cent trente-sept ; et parmi eux, il y avait deux cent quarante-cinq chanteurs et chanteuses. | 67 afa-tsy ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary nanana mpihiralahy sy mpihiravavy dimy amby efa-polo amby roan-jato izy; |
| 68 Ils avaient sept cent trente-six chevaux, deux cent quarante-cinq mulets, | 68 ny soavaliny dia enina amby telo-polo amby fiton-jato; ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby roan-jato; |
| 69 quatre cent trente-cinq chameaux, [et] six mille sept cent vingt ânes. | 69 ny ramevany dia dimy amby telo-polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo. |
| 70 Et une partie des chefs des pères firent des dons pour l’œuvre. Le Thirshatha donna au trésor mille dariques d’or, cinquante bassins, cinq cent trente tuniques de sacrificateurs. | 70 Ary ny sasany tamin'ny lohan ny fianakaviana dia nahafoy hanaovana ny asa. Ny governora nanome darika volamena arivo sy lovia famafazana dimam-polo sy akanjo-mpisorona telo-polo amby dimam-jato ho ao amin'ny rakitra. |
| 71 Et des chefs des pères donnèrent au trésor de l’œuvre vingt mille dariques d’or et deux mille deux cents mines d’argent. | 71 Ary ny sasany tamin'ny lohan'ny fianakaviana dia nanome darika volamena roa alina sy mane volafotsy roan-jato sy roa arivo ho ao amin'ny rakitra hanaovana ny asa. |
| 72 Et ce que donna le reste du peuple fut vingt mille dariques d’or, et deux mille mines d’argent, et soixante-sept tuniques de sacrificateurs. | 72 Ary izay nomen'ny olona sisa dia darika volamena roa alina sy mane volafotsy roa arivo ary akanjo-mpisorona fito amby enim-polo. |
| 73 Et les sacrificateurs, et les lévites, et les portiers, et les chantres, et ceux du peuple, et les Nethiniens, et tout Israël, habitèrent dans leurs villes. | 73 Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny sasany amin'ny vahoaka ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra. |
| * | * |
| Et quand arriva le septième mois, les fils d’Israël étaient dans leurs villes. | |
| Chapitre 8. 1 — Alors tout le peuple s’assembla comme un seul homme sur la place qui est devant la porte des eaux. Et ils dirent à Esdras, le scribe, d’apporter le livre de la loi de Moïse, que l’Éternel avait commandée à Israël. | Chapitre 8. 1 Ary rehefa tonga ny volana fahafito, dia samy tany an-tanànany avy ny Zanak'Isiraely. Dia nivory tahaka ny olona iray izy rehetra ho eo an-kalalahana teo anoloan'ny vavahadin-drano; ary niteny tamin'i Ezra mpanora-dalàna izy mba ho entiny ny bokin'ny lalan'i Mosesy izay nandidian'i Jehovah ny Isiraely. |
| 2 Et le premier jour du septième mois,* Esdras, le sacrificateur, apporta la loi devant la congrégation des hommes et des femmes, et devant tous ceux qui avaient de l’intelligence pour entendre. | 2 Dia nentin'i Ezra mpisorona ny lalàna tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafito ho eo anatrehan'ny fiangonana, na lehilahy na vehivavy, mbamin'izay rehetra efa mahahaino. |
| 3 Et il y lut devant la place qui est devant la porte des eaux, depuis l’aube* jusqu’à midi, en présence des hommes et des femmes, et de ceux qui avaient de l’intelligence. Et tout le peuple prêtait l’oreille au livre de la loi. | 3 Dia novakina teo an-kalalahana teo anoloan'ny vavahadin-drano izy hatramin'ny vao maraina koa ka ambara-pitataovovonan'ny andro, dia teo anatrehan'ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin'izay efa mahahaino; ary ny olona rehetra dia nampandry sofina hihaino ny bokin'ny lalàna. |
| 4 Et Esdras, le scribe, se tenait sur une estrade* de bois qu’on avait faite pour l’occasion ; et Matthithia, et Shéma, et Anaïa, et Urie, et Hilkija, et Maascéïa, se tenaient à côté de lui, à sa droite ; et à sa gauche, Pedaïa, et Mishaël, et Malkija, et Hashum, et Hashbaddana, Zacharie, [et] Meshullam. | 4 Ary Ezra mpanora-dalàna nitsangana teo ambonin'ny lampihazo fitoriana, izay efa natao ho fitoriana izany; ary Matitia sy Sema sy Anaia sy Oria sy Hilkia ary Mahaseia no nitsangana teo anilany ankavanana; ary Pedaia sy Misaela sy Malkia sy Hasoma sy Hasbadana sy Zakaria ary Mesolama no teo anilany ankavia kosa. |
| 5 Et Esdras ouvrit le livre aux yeux de tout le peuple, car il était [élevé] au-dessus de tout le peuple ; et quand il l’ouvrit, tout le peuple se tint debout. | 5 Dia nosokafan'i Ezra teo imason'ny olona rehetra ny boky (fa ambony toerana noho ny olona rehetra izy); ary rehefa nosokafany izany, dia nitsangana koa ny olona rehetra. |
| 6 Et Esdras bénit l’Éternel, le grand Dieu, et tout le peuple répondit : Amen, Amen ! en élevant les mains, et ils s’inclinèrent et se prosternèrent devant l’Éternel, le visage contre terre. | 6 Ary Ezra nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitra lehibe; ary ny olona rehetra nanandra-tanana ka namaly hoe: Amena, Amena; dia niondrika izy sady niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Jehovah. |
| 7 Et Jéshua, et Bani, et Shérébia, Jamin, Akkub, Shabthaï, Hodija, Maascéïa, Kelita, Azaria, Jozabad, Hanan, Pelaïa, et les lévites, faisaient comprendre la loi au peuple ; et le peuple se tenait à sa place. | 7 Ary Jesoa sy Bany sy Serebia sy Jamina sy Akoba sy Sabetahy sy Hodia sy Mahaseia sy Kelita sy Azaria sy Jozabada sy Hanana sy Pelaia ary ny Levita dia nampianatra ny olona ny lalàna; ary ny olona dia teo amin'izay nitoerany ihany. |
| 8 Et ils lisaient distinctement dans le livre de la loi de Dieu, et ils en donnaient le sens et le faisaient comprendre lorsqu’on lisait. | 8 Dia novakiny mazava ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon'ny olona tsara ny teny novakina. |
| — v. 2 : date : A.C. 455. — v. 3 : litt.: la lumière. — v. 4 : hébreu : tour. | |
| 9 Et Néhémie, qui était le Thirshatha, et Esdras, le sacrificateur, le scribe, et les lévites qui faisaient comprendre au peuple [ce qu’on lisait], dirent à tout le peuple : Ce jour est saint à l’Éternel, votre Dieu ; ne menez pas deuil et ne pleurez pas ! Car tout le peuple pleurait en entendant les paroles de la loi. | 9 Ary Nehemia governora sy Ezra mpisorona, mpanora-dalàna, ary ny Levita izay nampianatra ny olona dia nanao tamin'ny olona rehetra hoe: Masina ho an'i Jehovah Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany. Fa nitomany ny olona rehetra raha nandre ny tenin'ny lalàna. |