Le  Livre  du  Prophète  ÉZÉCHIEL Ezekiela
   
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 Et il arriva en la trentième année,* au quatrième [mois], le cinquième [jour] du mois, comme j’étais au milieu des captifs**, près du fleuve Kebar, que les cieux furent ouverts, et je vis des visions de Dieu. 1 [Ny nahitan'i Ezekiela ny voninahitr'i Jehovah] Ary tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahefatra tamin'ny taona fahatelo-polo, raha teo amin'ny babo teo amoron'ny ony Kebara aho, dia nisokatra ny lanitra, ka nahita fahitana avy tamin'Andriamanitra aho.
2 Le cinquième [jour] du mois (c’était la cinquième année de la transportation du roi Jehoïakin), 2 Tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana (taona fahadimy taorian'ny namaboana an'i Joiakina mpanjaka izany)
3 la parole de l’Éternel vint expressément à Ézéchiel, le sacrificateur, fils de Buzi, dans le pays des Chaldéens, près du fleuve Kebar ; et la main de l’Éternel fut là sur lui. 3 dia tonga tamin'i Ezekiela mpisorona, zanak'i Bozy, ny tenin'i Jehovah tany amin'ny tanin'ny Kaldeana, teo amoron'ny ony Kebara; ary ny tànan'i Jehovah dia taminy teo.
— v. 1* : date : A.C. 595. — v. 1** : ailleurs : [ceux de] la transportation.  
4 Et je vis, et voici, un vent de tempête venait du nord, une grosse nuée, et un feu qui s’entortillait* ; et il y avait une splendeur tout autour, et de son milieu, du milieu du feu, [brillait] comme l’apparence de l’airain luisant** ; 4 Ary hitako fa, indro, nisy tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona, sady nisy namirapiratra manodidina azy; ary avy teo amin'ny afo dia nisy toy ny volon'ny metaly mamirapiratra.
5 et, du milieu, la ressemblance de quatre animaux ; et voici leur aspect : ils avaient la ressemblance d’un homme ; 5 Ary teo aminy koa nisy toa endriky ny zava-manan'aina efatra. Ary ny fikery azy dia hoatra ny endrik'olona.
6 et chacun d’eux avait quatre faces, et chacun avait quatre ailes ; 6 Ary samy nanana tarehy efatra sy elatra efatra avy izy.
7 et leurs pieds étaient des pieds droits, et la plante de leurs pieds était comme la plante du pied d’un veau ; et ils étincelaient comme l’apparence de l’airain poli ; 7 Ary mahitsy ny tongony; ary ny faladiany dia tahaka ny faladian'ny ombilahy kely; ary mamirapiratra toy ny volon'ny varahina manganohano izy.
8 et il y avait des mains d’homme sous leurs ailes sur leurs quatre côtés ; et ils avaient, les quatre, leurs faces et leurs ailes ; 8 Ary nisy tanan'olona teo ambanin'ny elany teo amin'ny lafiny efatra, ary samy nanana ny tarehiny sy ny elany avy izy efatra.
9 leurs ailes étaient jointes l’une à l’autre ; ils ne se tournaient pas quand ils allaient : ils allaient chacun droit devant soi. 9 Nifanendry ny elany; tsy niherika izy raha nandeha, fa samy nizotra tamin'izay hitsiny avy izy rehetra.
10 Et la ressemblance de leurs faces était la face d’un homme ; et, les quatre, ils avaient la face d’un lion, à droite ; et, les quatre, ils avaient la face d’un bœuf, à gauche ; et, les quatre, ils avaient la face d’un aigle ; 10 Ary ny toetry ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'olona; ary tamin'ny ankavanany dia samy nanana ny tarehin'ny liona izy efatra, ary tamin'ny ankaviany dia samy nanana ny tarehin'omby, ary samy nanana ny tarehin'ny voromahery koa izy efatra.
11 et leurs faces et leurs ailes étaient séparées par le haut : chacun avait deux [ailes] jointes l’une à l’autre, et deux qui couvraient leur corps. 11 Ary ny tarehiny sy ny elany dia nisaraka hatreo ambony: samy nisy roa nifanendry tamin'ny an'ny namany, ary ny roa nanarona ny tenany.
12 Et ils allaient chacun droit devant soi : là où l’Esprit devait aller, ils allaient ; ils ne se tournaient point lorsqu’ils allaient. 12 Dia samy nizotra tamin'izay hitsiny avy izy, ka na aiza na aiza no tian'ny fanahy ho nalehany dia nalehany: tsy niherika izy raha nandeha.
— v. 4* : ou : qui s’entremêlait ; comparer Exode 9:24. — v. 4** : substance inconnue ; peut-être un alliage d’or et d’argent.  
13 Et quant à la ressemblance des animaux, leur aspect était comme des charbons de feu brûlants, comme l’aspect de torches ; le [feu] courait entre les animaux ; et le feu avait de l’éclat, et du feu sortaient des éclairs. 13 Ary tahaka ny vainafo mirehitra ny fijery ny zava-manan'aina, dia tahaka ny fijery ny fanilo; nivoivoy teny anelanelan'ny zava-manan'aina ny afo; ary namirapiratra ny afo, sady nisy helatra nivoaka avy tao aminy.
14 Et les animaux couraient et retournaient, comme l’aspect du sillon de l’éclair. 14 Ary ny zava-manan'aina nifanaresaka nankary nankatsy toy ny helatra mifelopeloka.
   
15 Et je regardais les animaux, et voici, une roue sur la terre, à côté des animaux, vers leurs quatre faces. 15 Ary hitako ny zava-manan'aina, fa, indro, nisy kodia iray avy teo ambonin'ny tany, teo anilan'ny zava-manan'aina teo anoloan'ny tarehiny efatra.
16 L’aspect et la structure des roues étaient comme l’apparence d’un chrysolithe ; et il y avait une même ressemblance pour les quatre, et leur aspect et leur structure étaient comme si une roue eût été au milieu d’une roue. 16 Ny tarehin'ny kodia sy ny rafiny dia tahaka ny volon'ny krysolita, ary nitovy endrika izy efatra, ary ny tarehiny sy ny rafiny dia toy ny kodia anatin'ny kodia.
17 En allant, elles allaient sur leurs quatre côtés ; elles ne se tournaient point quand elles allaient. 17 Raha nandeha izy, dia nandeha tamin'izay hitsin'ny lafiny efatra: tsy niherika izy raha nandeha.
18 Et quant à leurs jantes, elles étaient hautes et terribles, — et leurs jantes, à toutes les quatre, étaient pleines d’yeux tout autour. 18 Ary ny boriboriny manodidina azy dia avo sy mahatahotra, sady feno maso manodidina izy efatra.
19 Et quand les animaux allaient, les roues allaient à côté d’eux ; et quand les animaux s’élevaient de dessus la terre, les roues s’élevaient. 19 Ary raha nandeha ny zava-manan'aina, dia nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha niainga tsy nipaka tamin'ny tany ireo zava-manan'aina, dia mba niainga koa ny kodia.
20 Là où l’Esprit devait aller, là ils allaient, là [leur] esprit tendait à aller ; et les roues s’élevaient auprès d’eux, car l’esprit de l’animal était dans les roues. 20 Na aiza na aiza no tian'ny fanahy ho naleha dia nalehan'ireo koa; fa any koa no mba tian'ny fanahy haleha, ary ny kodia dia niainga teo anilany; fa teo amin'ny kodia ny fanahin'ny zava-manan'aina.
21 Quand ils allaient, elles allaient ; et quand ils s’arrêtaient, elles s’arrêtaient ; et quand ils s’élevaient de dessus la terre, les roues s’élevaient auprès d’eux, car l’esprit de l’animal était dans les roues. 21 Raha nandeha ireny, dia mba nandeha koa ireto; ary raha nijanona ireny, dia mba nijanona koa ireto; ary raha niainga tsy nipaka tamin'ny tany ireny, dia mba niainga teo anilany koa ny kodia; fa ny fanahin'ny zava-manan'aina dia tao amin'ny kodia.
   
22 Et au-dessus des têtes de l’animal, il y avait la ressemblance d’une étendue, comme l’apparence d’un cristal terrible étendu sur leurs têtes, en haut. 22 Ary teo ambonin'ny lohan'ny zava-manan'aina dia nisy toa endriky ny eloelo, toy ny volon'ny krystaly mahatahotra, mivelatra eo ambonin'ny lohany.
23 Et au-dessous de l’étendue, leurs ailes se tenaient droites, l’une vers l’autre : chacun en avait deux, qui couvraient [leur corps], d’un côté, et chacun en avait deux, qui couvraient leur corps, de l’autre côté. 23 Ary nivelatra mahitsy sady nifanendry ny elany teo ambanin'ny eloelo: samy nanan-droa avy izy rehetra, izay nanaronany ny tenany.
24 Et j’entendis le bruit de leurs ailes quand ils volaient*, comme le bruit de grandes eaux, comme la voix** du Tout-puissant, un bruit tumultueux comme le bruit d’une armée. Quand ils s’arrêtaient, ils abaissaient leurs ailes ; 24 Ary raha nandeha izy, dia nahare ny fikopakopaky ny elany aho, toy ny firohondrohon'ny rano be, dia tahaka ny feon'ny Tsitoha, dia feo toy ny fireondreon'ny miaramila mitoby;
25 et il y avait une voix au-dessus de l’étendue qui était sur leurs têtes : quand ils s’arrêtaient, ils abaissaient leurs ailes. 25 Ary nisy feo avy teo ambonin'ny eloelo izay teo ambonin'ny lohany; nony nijanona izy, dia namihina ny elany.
— v. 24* : hébreu : allaient. — v. 24** : ou : bruit.  
26 Et au-dessus de l’étendue qui était sur leurs têtes, il y avait comme l’aspect d’une pierre de saphir, la ressemblance d’un trône ; et, sur la ressemblance du trône, une ressemblance comme l’aspect d’un homme, dessus, en haut. 26 Ary teo ambonin'ny eloelo, izay teo ambonin'ny lohany, dia nisy endriky ny seza fiandrianana mitovy volo amin'ny vato safira; ary teo ambonin'ny endriky ny seza fiandrianana dia nisy hoatra ny endrik'olona.
27 Et je vis comme l’apparence de l’airain luisant*, comme l’aspect du feu, au dedans, tout autour : depuis l’aspect de ses reins vers le haut et depuis l’aspect de ses reins vers le bas, je vis comme l’aspect du feu ; et il y avait une splendeur tout autour. 27 Ary nahita toy ny volon'ny metaly mamirapiratra aho, dia hoatra ny tarehin'ny afo manodidina azy; ary hatramin'ny valahany no ho miakatra ka hatramin'ny valahany no ho midina dia hitako tahaka ny afo, ka nisy namirapiratra manodidina azy.
28 Comme l’aspect de l’arc qui est dans la nuée en un jour de pluie, tel était l’aspect de la splendeur tout autour. 28 Toy ny tarehin'avana amin'ny rahona amin'ny andro nisy ranon'orana no tarehin'ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny endriky ny voninahitr'i Jehovah. Ary nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka nandre ny feon'ny anankiray niteny.
— v. 27 : substance inconnue ; peut-être un alliage d’or et d’argent.  
C’était là l’aspect de la ressemblance de la gloire de l’Éternel. Et je vis, et je tombai sur ma face, et j’entendis une voix qui parlait.  
Chapitre 2 Chapitre 2
1 Et il me dit : Fils d’homme, tiens-toi debout sur tes pieds, et je parlerai avec toi. 1 [Ny niantsoana an'i Ezekiela ho mpaminany] Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, mitsangàna, fa hiteny aminao Aho.
2 Et comme il me parlait, l’Esprit entra en moi, et me fit tenir sur mes pieds, et j’entendis celui qui me parlait. 2 Ary nisy fanahy tonga tao anatiko*, raha niteny tamiko Izy, ka nampitsangana ahy, ary reko Izay niteny tamiko.[Na: nody ny aiko]
   
3 Et il me dit : Fils d’homme, je t’envoie vers les fils d’Israël, vers les nations, les rebelles qui se sont rebellés contre moi ; eux et leurs pères m’ont désobéi jusqu’à ce jour même. 3 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, maniraka anao ho amin'ny zanak'Isiraely Aho, eny, ho amin'ireo jentilisa mpiodina, izay efa niodina tamiko; izy sy ny razany dia samy efa nanota tamiko avokoa mandraka androany.
4 Et ce sont des fils à la face impudente et au cœur obstiné ; je t’envoie vers eux, et tu leur diras : Ainsi dit le Seigneur, l’Éternel. 4 Ary ho any amin'ny zanaka mafy handrina sy madi-po no anirahako anao, ary ianao hanao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo.
5 Et eux, soit qu’ils écoutent, soit qu’ils n’en fassent rien, car ils sont une maison rebelle, ils sauront qu’il y a eu un prophète au milieu d’eux. 5 Ary na hihaino izy na tsy hihaino (fa taranaka maditra izy), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany teo aminy.
6 Et toi, fils d’homme, ne les crains pas, et ne crains pas leurs paroles ; car tu as près de toi des ronces et des épines, et tu demeures parmi des scorpions : ne crains point leurs paroles et ne sois point effrayé de leurs visages*, car ils sont une maison rebelle. 6 Ary ianao, ry zanak'olona, aza matahotra azy, ary aza matahotra ny teniny, na dia voakasiky ny amiana* sy ny tsilo aza ianao, ary na dia eo amin'ny maingoka aza no ipetrahanao; eny, aza matahotra ny fiteniny, ary aza mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy. [Na: maditra]
7 Et tu leur diras mes paroles, soit qu’ils écoutent, soit qu’ils n’en fassent rien ; car ils sont rebelles. 7 Ary holazainao aminy ihany ny amiko, na hihaino izy na tsy hihaino, fa tena naditra izy.
8 Et toi, fils d’homme, écoute ce que je te dis ; ne sois pas rebelle, comme cette maison rebelle ; ouvre ta bouche, et mange ce que je te donne. 8 Fa ianao kosa, ry zanak'olona, mihainoa izay lazaiko aminao; aza maditra tahaka izany taranaka maditra izany ianao; akafy ny vavanao, ka hano izay afahako anao.
— v. 6 : ou : d’eux.  
9 Et je regardai, et voici, une main étendue vers moi, et voici, il y avait en elle un rouleau de livre. 9 Ary hitako fa, indro, nisy tanana nahinjitra tamiko, ary, indro, nisy horonan-taratasy ny aminy.
10 Et il le déploya devant moi ; et il était écrit devant et derrière ; et des lamentations, et des plaintes, et des gémissements y étaient écrits. 10 Dia novelariny teo anatrehako izany, ary nisy soratra teo anatiny sy teo ivoany; ary fitomaniana sy fidradradradrana loza no voasoratra teo.
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Et il me dit : Fils d’homme, mange ce que tu trouves ; mange ce rouleau, et va, parle à la maison d’Israël. 1 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, hano izay hitanao, eny, hano ity horonan-taratasy ity, dia mandehana, ka mitenena amin'ny taranak'Isiraely.
2 Et j’ouvris ma bouche, et il me donna à manger ce rouleau. 2 Dia nosokafako ny vavako, ary nafahany ahy izany horonan-taratasy izany.
3 Et il me dit : Fils d’homme, nourris ton ventre et remplis tes entrailles de ce rouleau que je te donne. Et je le mangeai, et il fut dans ma bouche doux comme du miel. 3 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy ny horonan-taratasy omeko anao ity ny tsinainao. Dia nihinana aho, ka, mamy tao am-bavako toy ny tantely izy.
4 Et il me dit : Va, fils d’homme, va vers la maison d’Israël, et tu leur parleras avec mes paroles. 4 [Ny nanirahana an'i Ekeziela hilaza ny tenin'i Jehovah tamin'ny Isiraely] Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, andeha mankany amin'ny taranak'Isiraely, ka lazao aminy ny teniko.
5 Car ce n’est pas vers un peuple à langage obscur ou à langue incompréhensible que tu es envoyé ; c’est vers la maison d’Israël ; 5 Fa tsy ho any amin'ny firenena miboediboedi-piteny sy miboeriboerika no anirahana anao, fa ho any amin'ny taranak'Isiraely ihany;
6 ce n’est pas vers beaucoup de peuples à langage obscur ou à langue incompréhensible, dont tu ne puisses entendre les paroles : si tu étais envoyé vers eux, ne t’écouteraient-ils pas ? 6 tsy ho amin'ny firenena maro, izay miboediboedi-piteny sy miboeriboerika, ka tsy ho azonao ny teniny, fa raha maniraka anao ho amin'ireto Aho, dia hihaino anao izy.
7 Mais la maison d’Israël ne voudra pas t’écouter, car aucun d’eux ne veut m’écouter ; car toute la maison d’Israël a le front dur et le cœur obstiné. 7 Fa ny taranak'Isiraely dia tsy mety mihaino anao, satria tsy mety mihaino Ahy izy; fa ny taranak'Isiraely rehetra dia mafy handrina sady madi-po.
8 Voici, j’ai rendu ta face dure contre leurs faces, et ton front dur contre leur front ; 8 Indro, efa nohamafiko ny tarehinao hiatrika amin'ny tarehiny sy ny handrinao hanandrina ny handriny.
9 j’ai rendu ton front comme un diamant, plus dur que le roc. Ne les crains pas, et ne sois point effrayé d’eux, car ils sont une maison rebelle. 9 Ataoko toy ny diamondra ny handrinao, eny, mafy noho ny vatolampy aza; ka aza matahotra azy na mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy.
10 Et il me dit : Fils d’homme, toutes mes paroles que je te dirai, reçois-les dans ton cœur, et écoute-les de tes oreilles ; 10 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ny teny rehetra izay holazaiko aminao dia aoka ho mamin'ny fonao*, ka henoy amin'ny sofinao.[Heb. raiso amin'ny fonao]
11 et va, va vers ceux de la transportation, vers les fils de ton peuple, et tu leur parleras et tu leur diras : Ainsi dit le Seigneur l’Éternel, — soit qu’ils écoutent, soit qu’ils n’en fassent rien. 11 Dia mandehana mankany amin'ny babo, dia ireo zanaky ny firenenao ary mitenena aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo na hihaino izy na tsy hihaino.
   
12 Et l’Esprit m’enleva* ; et j’entendis derrière moi le bruit d’une grande commotion, [disant] : Bénie soit de son lieu la gloire de l’Éternel ! — 12 Ary nisy fanahy* nanainga ahy, dia nandre horakoraka be teo ivohoko aho nanao hoe: Isaorana anie ny voninahitr'i Jehovah avy amin'ny fitoerany. [Na: rivotra]
13 et le bruit des ailes des animaux qui s’entre-touchaient l’une l’autre, et le bruit des roues auprès d’eux, et le bruit d’une grande commotion. 13 Ary reko koa ny fikopakopaky ny elatry ny zava-manan'aina, izay nifanendry, sy ny fidilodilotry ny kodia teo anilany sy ny horakoraka be.
14 Et l’Esprit m’enleva, et me prit ; et je m’en allai plein d’amertume dans l’ardeur de mon esprit ; et la main de l’Éternel était forte sur moi. 14 Ary nisy fanahy* nanainga ahy ka nitondra ahy, dia lasa aho sady nirehitra** tamin'ny fahavontosan'ny fanahiko; ary ny tànan'i Jehovah dia nahery tao amiko.[*Na: rivotra][**Heb. mangidy]
15 Et je vins à Thel-Abib vers ceux de la transportation qui demeuraient auprès du fleuve Kebar ; et là où ils étaient assis, je m’assis stupéfait, là au milieu d’eux, sept jours. 15 Dia tonga tany amin'ny babo tany Telabiba aho, dia teo amin'izay nonina teo amoron'ny ony Kebara, teo amin'izay nipetrahany, ary mandritra ny hafitoana dia tahaka ilay torana iny aho.
— v. 12 : ailleurs : porter, élever.  
16 Et il arriva, au bout de sept jours, que la parole de l’Éternel vint à moi, disant : 16 Ary nony afaka ny hafitoana, dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
17 Fils d’homme, je t’ai établi sentinelle pour la maison d’Israël ; et tu entendras la parole de ma bouche, et tu les avertiras de ma part. 17 Ry zanak'olona, efa nataoko mpitily ho an'ny taranak'Isiraely ianao; ka dia hohenoinao ny teny avy amin'ny vavako, ary avy amiko no hananaranao azy.
18 Quand je dirai au méchant : Tu mourras certainement, et que tu ne l’avertiras pas, et que tu ne parleras pas pour avertir le méchant [de se détourner] de sa méchante voie, afin qu’il vive, — lui, le méchant, mourra dans son iniquité, mais je redemanderai son sang de ta main. 18 Raha hoy Izaho amin'ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao! ary tsy mananatra azy ianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy, hialany amin'ny lalany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin'ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin'ny tananao ny ràny.
19 Et si tu avertis le méchant, et qu’il ne se détourne pas de sa méchanceté ni de sa méchante voie, il mourra, lui, dans son iniquité ; mais toi, tu as délivré ton âme. 19 Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, ka izy no tsy mety miala amin'ny faharatsiany sy amin'ny lalany ratsy, dia ho faty amin'ny helony ihany izy; fa ho voavonjinao ny fanahinao.
20 Et si le juste se détourne de sa justice et commet l’iniquité, et que je mette une pierre d’achoppement devant lui, il mourra ; parce que tu ne l’as point averti, il mourra dans son péché, et ses actes justes qu’il a faits ne viendront pas en mémoire ; mais je redemanderai son sang de ta main. 20 Ary koa, raha ny marina miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka, ary mametraka fahatafintohinana eo anoloany Aho, dia Ho faty izy; eny noho ny tsy nananaranao azy dia ho faty amin'ny fahotany ihany izy, ary ny fahamarinana izay nataony tsy hotsaroana, nefa kosa hadiniko amin'ny tananao ny ràny.
21 Et si tu avertis le juste de ne pas pécher, et que le juste ne pèche pas, il vivra certainement, car il s’est tenu pour averti ; et toi tu as délivré ton âme. 21 Fa raha mananatra ny marina mba tsy hanota ianao, ka tsy manota izy, dia ho velona tokoa izy, satria nino anatra; ary voavonjinao koa ny fanahinao.
   
22 Et la main de l’Éternel fut là sur moi, et il me dit : Lève-toi, sors dans la vallée*, et là je parlerai avec toi. 22 [Faminaniana ny amin'ny hanjo an'i Jerosalema] Ary ny tànan'i Jehovah dia tamiko, ary hoy Izy tamiko: Mitsangàna, ka mivoaha ho any amin'ny lohasaha, ary any no hitenenako aminao.
23 Et je me levai, et je sortis dans la vallée ; et voici, la gloire de l’Éternel se tenait là, selon la gloire que j’avais vue près du fleuve Kebar ; et je tombai sur ma face. 23 Dia nitsangana aho ka nivoaka nankany amin'ny lohasaha; ary, indro, nitoetra teo ny voninahitr'i Jehovah tahaka ny voninahitra izay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany dia nikarapoka nihohoka aho.
24 Et l’Esprit entra en moi et me fit tenir sur mes pieds ; et il me parla, et me dit : Va, enferme-toi dans ta maison. 24 Ary nisy fanahy tonga tao anatiko ka nampitsangana ahy; dia niteny tamiko Izy ka nanao hoe: Andeha, mirindrina ao anatin'ny tranonao ianao.
25 Et toi, fils d’homme, voici, on mettra sur toi des cordes, et on t’en liera ; et tu ne sortiras pas parmi eux. 25 Fa ianao, ry zanak'olona, indro, hasiany fatorana, izay hamatorany anao, ka tsy hahazo mivoaka ho ao aminy ianao.
26 Et je collerai ta langue à ton palais, et tu seras muet, et tu ne seras pas pour eux un homme qui les reprenne ; car ils sont une maison rebelle. 26 Ary hampiraiketiko amin'ny lanilaninao ny lelanao, ka ho moana ianao ary tsy ho mpananatra azy; fa taranaka maditra izy.
27 Et quand je parlerai avec toi, j’ouvrirai ta bouche, et tu leur diras : Ainsi dit le Seigneur, l’Éternel : Que celui qui écoute, écoute ; et que celui qui n’en fait rien, n’en fasse rien ; car ils sont une maison rebelle. 27 Fa raha miteny aminao Aho, dia hosokafako ny vavanao, ka dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izay mihaino, dia aoka izy hihaino; ary izay tsy mihaino, dia aoka izy tsy hihaino kosa; fa taranaka maditra izy.
— v. 22 : ou : plaine ; voir la note à Josué 11:8.  
Chapitre 4 Chapitre 4
1 Et toi, fils d’homme, prends une brique et mets-la devant toi, et trace sur elle une ville, Jérusalem. 1 Ary ianao, ry zanak'olona, makà kapila tanimanga, ary apetraho eo anoloanao, dia manorata sarin-tanàna eo aminy, dia sarin'i Jerosalema;
2 Et mets le siège contre elle, et bâtis contre elle des tours, et élève contre elle une terrasse, et pose des camps contre elle, et place contre elle des béliers tout autour. 2 ary ataovy fahirano izy, ka manaova tilikambo hamelezana azy, ary manandrata tovon-tany manodidina azy; ary asio toby hamelezana azy, ary asio lohondry vy fandravana manodidina azy.
3 Et toi, prends une plaque de fer, et mets-la comme un mur de fer entre toi et la ville ; et dresse ta face contre elle, et elle sera assiégée*, et tu l’assiégeras : ce sera un signe pour la maison d’Israël. 3 Ary makà lapoely, ka ataovy manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna, dia banjino tsara io, ary aoka hatao fahirano, eny, aoka hataonao fahirano io. Famantarana ho amin'ny taranak'Isiraely izany.
— v. 3 : litt.: en siège.  
4 Et toi, couche-toi sur ton côté gauche, et mets sur lui l’iniquité de la maison d’Israël : le nombre des jours que tu coucheras sur ce côté, tu porteras leur iniquité. 4 Ary ataovy ambany mandry ny ilanao ankavia, ka ataovy eo aminy ny fahotan'ny taranak'Isiraely; koa araka ny isan'ny andro handrianao toy izany no hitondranao ny helony.
5 Et moi, je t’ai assigné les années de leur iniquité selon le nombre des jours, trois cent quatre-vingt-dix jours, et tu porteras l’iniquité de la maison d’Israël. 5 Fa Izaho dia manao fetr'andro ho anao mitovy amin'ny taonan'ny helony, dia sivi-folo amby telon-jato andro, ka ho entinao ny heloky ny taranak'Isiraely.
6 Et quand tu auras accompli ceux-là, tu te coucheras une seconde fois sur ton côté droit, et tu porteras l’iniquité de la maison de Juda, quarante jours ; je t’ai assigné un jour pour chaque année. 6 Ary rehefa tapitrao ireo, dia ataovy ambany mandry kosa ny ilanao ankavanana, ary aoka hitondra ny heloky ny taranak'i Joda efa-polo andro ianao; ny indray andro no nataoko solon'ny herintaona ho anao.
7 Et tu dresseras ta face vers le siège de Jérusalem ; et ton bras sera découvert, et tu prophétiseras contre elle. 7 Dia banjino tsara io fahirano an'i Jerosalema io, ary aoka hiseho sandry ianao ka haminany hamely azy.
8 Et voici, j’ai mis sur toi des cordes, et tu ne te tourneras point de l’un de tes côtés sur l’autre, jusqu’à ce que tu aies accompli les jours de ton siège. 8 Ary, indro, hafatotro ianao ka tsy hahavadi-mandry ambara-pahatapitrao ny andron'ny fahiranonao.
   
9 Et toi, prends du froment, et de l’orge, et des fèves, et des lentilles, et du millet, et de l’épeautre ; et tu les mettras dans un même vase, et tu t’en feras du pain selon le nombre des jours que tu te coucheras sur ton côté : tu en mangeras trois cent quatre-vingt-dix jours. 9 Ary mangalà vary tritika sy vary hordea sy tsaramaso sy voanemba* sy ampemby sy spelta ianao, ary ataovy am-bilia iray ireo, ka anaovy mofo ho anao; araka ny isan'ny andro izay handrianao amin'ny ilanao, dia sivi-folo amby telon-jato andro, no hihinananao azy. [Heb. nangidy]
10 Et ton manger que tu mangeras sera au poids, vingt sicles par jour ; tu le mangeras de temps en temps. 10 Ary an-danjany no hihinananao ny haninao, dia roa-polo sekely isan'andro; asio elanelany ny fihinanao azy.
11 Et l’eau, tu la boiras à la mesure, un sixième de hin* ; tu la boiras de temps en temps. 11 Ary rano afàtra no hosotroinao, dia ampahenin'ny hina; asio elanelany koa ny fisotronao azy.
12 Et tu mangeras cela [préparé comme] un gâteau d’orge, et tu le cuiras sous leurs yeux avec des excréments sortis de l’homme. 12 Ary hatao toy ny mofo vary hordea no ho fihinanao azy, ary diky no hataonao kitay hanendasanao azy eo imasony.
13 Et l’Éternel dit : Les fils d’Israël mangeront ainsi leur pain impur parmi les nations où je les chasserai. 13 Ary hoy Jehovah: Toy izany no hihinanan'ny zanak'Isiraely ny mofony voaloto any amin'ny firenena izay handroahako azy.
— v. 11 : un hin égal 3 litres 35 centilitres  
14 Et je dis : Ah, Seigneur Éternel ! voici, mon âme ne s’est pas rendue impure, et, depuis ma jeunesse jusqu’à maintenant, je n’ai mangé de rien de ce qui est mort de soi-même ou qui a été déchiré, et aucune chair impure n’est entrée dans ma bouche. 14 Dia hoy izaho: Indrisy Jehovah Tompo ô, indro tsy voaloto ny fanahiko; fa hatry ny fony aho mbola tanora ka mandraka ankehitriny dia tsy mba nihinana izay fatin-javatra na izay noviraviraim-biby akory aho; ary tsy mbola nikasika ny vavako akory izay nofo fahavetavetana.
15 Et il me dit : Regarde, je t’ai donné la fiente du bétail au lieu des excréments de l’homme, et tu cuiras ton pain sur elle. 15 Dia hoy Izy tamiko: Indro, tain'omby no omeko anao hisolo ny dity, ka izany no hataonao kitay hanendasanao ny mofonao.
16 Et il me dit : Fils d’homme, voici, je brise le bâton du pain dans Jérusalem ; et ils mangeront le pain au poids et avec inquiétude, et ils boiront l’eau à la mesure et avec stupeur, 16 Ary hoy koa Izy tamiko: Ry zanak'olona, indro, hotapahiko any Jerosalema ny mofo, tohan'aina, ka an-danjany amin'ny fanahiana no hihinanany mofo; ary rano afàtra no hosotroiny amin'ny fahatahorana.
17 parce que le pain et l’eau manqueront ; et ils seront dans la stupeur, les uns et les autres, et ils se consumeront dans leur iniquité. 17 Ka dia ho mosare-mofo sy rano izy, ary samy ho raiki-tahotra sady hihalevona noho ny helony.
Chapitre 5 Chapitre 5
1 Et toi, fils d’homme, prends un couteau tranchant (tu prendras un rasoir de barbier), et tu le feras passer sur ta tête et sur ta barbe ; et tu prendras une balance à peser, et tu partageras les [cheveux]. 1 Ary ianao, ry zanak'olona, dia makà sabatra maranitra ho toy ny harezan'ny mpanala volombava, ka anarato ny lohanao sy ny somotrao, dia makà mizana, ka zarao ny volo.
2 Tu en brûleras un tiers dans le feu*, au milieu de la ville, lorsque les jours du siège seront accomplis ; et tu en prendras un tiers, [et] tu les frapperas avec le couteau tout autour ; et un tiers, tu le disperseras au vent, et je tirerai l’épée après eux. 2 Ny ampahatelony dia dory amin'ny afo ao an-tanàna, rehefa tapitra ny andron'ny fahirano; ary alao koa ny ampahatelony, ka asio ny sabatra manodidina; ary ny ampahatelony dia aelezo ho amin'ny rivotra; ary hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho.
3 Et tu en prendras un petit nombre, et tu les serreras dans les pans de ta robe ; 3 Ary analao vitsivitsy ireo, ka fonosy ao amin'ny sisin-dambanao.
4 et de ceux-ci, tu en prendras encore, et tu les jetteras au milieu du feu, et tu les brûleras au feu : il en sortira un feu contre toute la maison d’Israël. 4 Ary ireny indray dia mbola analao koa, dia atsipazo eo anaty afo izany, ka dory eo fa hisy afo hivoaka avy aminy ho amin'ny taranak'Isiraely rehetra.
— v. 2 : litt.: lumière.  
5 Ainsi dit le Seigneur, l’Éternel : C’est ici Jérusalem ! Je l’ai posée au milieu des nations, et autour d’elle, des pays ; 5 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ity Jerosalema ity dia nataoko eo afovoan'ny jentilisa, ka voahodidin'ireny tany ireny izy.
6 et, dans sa méchanceté, elle a été rebelle à mes jugements* plus que les nations, et à mes statuts, plus que les pays qui sont autour d’elle ; car ils ont rejeté mes jugements* et n’ont point marché dans mes statuts. 6 Ary nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy, fa nanao ratsy mihoatra noho ny jentilisa sy ny tany manodidina azy; eny, nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy ka tsy nandeha araka izany.
7 C’est pourquoi, ainsi dit le Seigneur, l’Éternel : Parce que votre turbulence a été plus grande que celle des nations qui sont autour de vous, parce que vous n’avez point marché dans mes statuts et n’avez point pratiqué mes ordonnances*, et que vous n’avez pas [même] agi selon les droits établis des nations qui sont autour de vous, — 7 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria ianareo nitabataba mihoatra noho ny firenena manodidina anareo ka tsy nandeha araka ny didiko na nanaraka ny fitsipiko sady tsy nanaraka ny fitsipiky ny firenena izay manodidina anareo aza,
8 à cause de cela, ainsi dit le Seigneur, l’Éternel : Voici, j’en veux à toi, moi aussi, et j’exécuterai au milieu de toi des jugements aux yeux des nations ; 8 dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho dia Izaho no mamely anao ka hanao fitsarana eo aminao eo imason'ny firenena.
9 et je ferai en toi ce que je n’ai pas fait et ne ferai plus semblablement, à cause de toutes tes abominations. 9 Ary noho ny fahavetavetanao rehetra dia hataoko aminao izay tsy mbola nataoko, sady tsy hataoko tahaka izany intsony.
10 C’est pourquoi les pères mangeront les fils au milieu de toi, et les fils mangeront les pères ; et j’exécuterai des jugements sur toi, et je disperserai à tout vent tous tes restes. 10 Koa ny ray dia hihinana ny zanany eo aminao, ary ny zanaka kosa hihinana ny rainy; ary hanao fitsarana eo aminao Aho, ary izay sisa rehetra aminao dia haeliko ho amin'ny rivotra rehetra;
— v. 6, 7 : jugements ou ordonnances, justes jugements ; au verset 7 : droits établis.  
11 C’est pourquoi, je suis vivant, dit le Seigneur, l’Éternel ! parce que tu as rendu impur mon sanctuaire par toutes tes choses exécrables et par toutes tes abominations, moi aussi, je retirerai mon œil et il n’aura plus compassion, et moi aussi je ne t’épargnerai pas. 11 eny, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nandotoanao ny fitoerako masina tamin'ny zava-dratsinao rehetra sy tamin'ny fahavetavetanao rehetra, Izaho kosa dia hampiala ny masoko, fa tsy hiantra; eny, Izaho dia tsy hamindra fo.
12 Un tiers d’entre vous mourra par la peste et sera consumé par la famine au milieu de toi ; et un tiers tombera par l’épée autour de toi ; et j’en disperserai un tiers à tout vent, et je tirerai l’épée après eux. 12 Ny ampahatelony eo aminao dia ho fatin'ny areti-mandringana na ho ringan'ny mosary eo aminao; ary ny ampahatelony dia ho lavon'ny sabatra manodidina anao; ary ny ampahatelony dia haeliko ho amin'ny rivotra rehetra, ary hanatsoaka sabatra ho entiko manenjika azy Aho.
13 Et ma colère s’accomplira, et je satisferai ma fureur sur eux, et je me consolerai ; et ils sauront que moi, l’Éternel, j’ai parlé dans ma jalousie, quand j’aurai accompli ma fureur sur eux. 13 Ary ho tanteraka amin'izany ny fahatezerako, sady hampariko aminy ny fahatezerako, ka hialako fo izy; dia ho fantany fa Izaho Jehovah no niteny izany tamin'ny  fahasaro-piaroko, rehefa notanterahiko taminy ny fahatezerako.
14 Et je ferai de toi un désert et un opprobre parmi les nations qui sont autour de toi, aux yeux de tout passant. 14 Ary hataoko lao sy fandatsa eny amin'ny firenena izay manodidina anao ianao eo imason'izay rehetra mandalo.
15 Et l’opprobre et l’insulte seront une* instruction et un étonnement pour les nations qui sont autour de toi, quand j’exécuterai sur toi des jugements, avec colère, et avec fureur, et par des châtiments de fureur. Moi, l’Éternel, j’ai parlé. 15 Ka dia hisy latsa sy fitenenan-dratsy sy famaizana sy figagana avy amin'ny jentilisa manodidina anao, rehefa manao fitsarana aminao Aho amin'ny fahatezerana sy ny fahavinirana ary amin'ny fananarana mafy Izaho Jehovah no niteny izany
16 Quand j’enverrai parmi eux les flèches funestes de la famine qui seront pour la destruction, lesquelles j’enverrai pour vous détruire, j’augmenterai sur vous la famine, et je briserai pour vous le bâton du pain ; 16 raha alefako ho fandringanana azy ny mosary dia ny zana-tsipìka ratsy izay halefako handringana anareo, sady hampitomboiko ny mosary eo aminareo, ka hotapahiko ny mofonareo, izay tohan'aina.
17 et j’enverrai sur vous la famine et les bêtes mauvaises qui te priveront d’enfants, et la peste et le sang passeront sur toi, et je ferai venir l’épée sur toi. Moi, l’Éternel, j’ai parlé. 17 Dia haterako mosary sy biby masiaka eo aminareo, izay hahalany fara anareo; ary handroso eo aminao ny areti-mandringana sy ny fandatsahan-drà, ary hataoko mihatra aminao ny sabatra. Izaho Jehovah no niteny izany
— v. 15 : ou : Et ce sera un opprobre et une insulte, une….  
Chapitre 6 Chapitre 6
1 Et la parole de l’Éternel vint à moi, disant : 1 [Ny amin'ny handravana ny fomban'ny sampy sy ny mpivavaka aminy] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Fils d’homme, tourne ta face contre les montagnes d’Israël, et prophétise contre elles, et dis : 2 Ry zanak'olona, manandrifia ny tendrombohitry ny Isiraely, ary maminania ny hamelezana azy,
3 Montagnes d’Israël, écoutez la parole du Seigneur, l’Éternel : Ainsi dit le Seigneur, l’Éternel, aux montagnes et aux collines, aux ravins et aux vallées : Voici, moi je fais venir sur vous l’épée, et je détruirai vos hauts lieux. 3 ka ataovy hoe: Ry tendrombohitry ny Isiraely ô. Mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo: Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ny tendrombohitra sy ny havoana, ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha: Indro, Izaho no hahatonga sabatra hamely anareo, ary horavako ny fitoerana avonareo.
4 Et vos autels seront dévastés, et vos colonnes consacrées au soleil seront brisées ; et je ferai tomber vos blessés à mort devant vos idoles* ; 4 Ary hokoroina ny alitaranareo, ary hosimbana ny tsangan-kazonareo* ho an'ny masoandro; ary hataoko mitsitra eo anoloan'ny sampinareo ny fatinareo;[Na: tsangam-batonareo]
5 et je mettrai les cadavres des fils d’Israël devant leurs idoles, et je disperserai vos ossements autour de vos autels. 5 Ary ny fatin'ny zanak'Isiraely hataoko eo anoloan'ny sampiny; Ary ny taolanareo dia haeliko eny manodidina ny alitaranareo eny.
6 Dans toutes vos demeures les villes seront réduites en solitudes et les hauts lieux seront désolés, afin que vos autels soient délaissés et désolés, et que vos idoles soient brisées et ne soient plus, et que vos colonnes consacrées au soleil soient abattues, et vos ouvrages anéantis. 6 Any amin'ny fonenanareo rehetra dia ho lao ny tanàna, Ary ho rava ny fitoerana avo, mba ho rava sy lao koa ny alitaranareo, dia hotapatapahina sy hofoanana ny sampinareo, ary hokapaina ny tsangan-kazonareo* ho an'ny masoandro, Ka dia holevonina ny asanareo.[Na: tsangam-batonareo]
7 Et les blessés à mort tomberont au milieu de vous ; et vous saurez que je suis l’Éternel. 7 Ary hisy faty hiampatrampatra eo aminareo; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
8 Mais je laisserai un reste, en ce que vous aurez des réchappés de l’épée parmi les nations, quand vous serez dispersés dans les pays. 8 Nefa hamelako hisy sisa ihany ianareo, fa hisy ho afaka amin'ny sabatra any amin'ny jentilisa, Rehefa voaely ho any amin'ny tany samy hafa ianareo.
9 Et vos réchappés se souviendront de moi parmi les nations où ils auront été emmenés captifs, quand j’aurai brisé leur cœur prostitué qui s’est détourné de moi, et* leurs yeux qui se prostituent après leurs idoles ; et ils auront horreur d’eux-mêmes à cause des iniquités qu’ils ont commises par toutes leurs abominations ; 9 Ary izay afaka aminareo dia hahatsiaro Ahy any amin'ny jentilisa izay hitondrana azy ho babo, rehefa voatorotoroko ny fony mijangajanga, izay efa niala tamiko, sy ny masony, izay mijangajanga manaraka ny sampiny, ary haharikoriko azy ny tenany noho ny ratsy izay efa nataony, dia ny fahavetavetany rehetra;
10 et ils sauront que moi, l’Éternel, je n’ai pas* dit en vain que je leur ferais ce mal. 10 Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, ary tsy foana ny nilazako fa hahatonga izany loza izany aminy Aho.
— v. 4 : le mot hébreu pour idole est toujours, dans Ézéchiel, un terme de mépris ; voir Lév. 26:30. — v. 9 : ou : parce que je suis brisé par leur cœur …, et par. — v. 10 : ou : que je suis l’Éternel ; je n’ai point.  
11 Ainsi dit le Seigneur, l’Éternel : Bats de tes mains, et frappe de ton pied, et dis : Hélas, pour toutes les abominations des iniquités de la maison d’Israël ! car ils tomberont par l’épée, par la famine et par la peste. 11 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mameleza amin'ny tananao ianao, ary mitotoa amin'ny tongotrao, ka manaova hoe: Indrisy! ny fahavetavetana ratsy rehetra ataon'ny taranak'Isiraely, izay ho lavon'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana!
12 Celui qui est loin mourra par la peste, et celui qui est près tombera par l’épée ; et celui qui est demeuré de reste, et qui est assiégé, mourra par la famine ; et je consommerai ma fureur sur eux. 12 Ny lavitra ho fatin'ny areti-mandringana, ny akaiky ho lavon'ny sabatra, ary izay sisa sy izay voaro dia ho faty mosary; Ka dia hotanterahiko aminy ny fahatezerako.
13 Et vous saurez que je suis l’Éternel, quand leurs blessés à mort seront au milieu de leurs idoles, autour de leurs autels, sur toute haute colline, sur tous les sommets des montagnes, et sous tout arbre vert, et sous tout térébinthe touffu, dans les lieux où ils offraient à toutes leurs idoles des parfums agréables. 13 Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, Rehefa miampatrampatra eny amin'ny sampy manodidina ny alitarany ny voavono ao aminy, eny amin'ny havoana andrandraina rehetra, eny amin'ny tendrombohitra rehetra sy eny ambanin'ny hazo maitso rehetra sy eny ambanin'ny terebinta misandrahaka rehetra, dia eny amin'izay efa nanaterany hanitra ankasitrahana tamin'ny sampiny rehetra;
14 Et j’étendrai ma main sur eux, et je ferai du pays une désolation et il sera plus désolé que le désert de Dibla, dans toutes leurs demeures ; et ils sauront que je suis l’Éternel. 14 Hahinjitro aminy ny tanako, ary ny tany any amin'ny fonenany rehetra dia hataoko lao sy foana mihoatra noho ny efitr'i Dibla; Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
Chapitre 7 Chapitre 7
1 Et la parole de l’Éternel vint à moi, disant : 1 [Ny amin'ny handringanana ny Isiraely] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Et toi, fils d’homme ! Ainsi dit le Seigneur, l’Éternel, à la terre d’Israël : Une fin !… la fin vient sur les quatre coins du pays. 2 Ary ianao, ry zanak'olona, dia izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ny tanin'ny Isiraely: Injao ny farany! Eny, mby akaiky ny farany ho amin'ny vazan-tany efatra.
3 Maintenant la fin [vient] sur toi, et j’enverrai sur toi ma colère, et je te jugerai selon tes voies, et je mettrai sur toi toutes tes abominations. 3 Ankehitriny dia mby akaikinao ny farany, ary halefako aminao ny fahatezerako, dia hotsaraiko araka ny alehanao ianao, ka hatambesatro aminao ny fahavetavetanao rehetra.
4 Et mon œil n’aura point compassion de toi, et je n’épargnerai pas ; mais je mettrai tes voies sur toi, et tes abominations seront au milieu de toi ; et vous saurez que je suis l’Éternel. 4 Ary tsy hiantra anao ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; Fa hatambesatro aminao ny lalanao, ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao, ary dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
   
5 Ainsi dit le Seigneur, l’Éternel : Un mal, un mal unique ! Voici, il est venu ! 5 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Injao! avy ny loza, dia loza izay tsy misy toa azy*![Heb. loza iray]
6 La fin est venue, la fin est venue ! Elle se réveille contre toi ; voici, elle vient ! 6 Injao ny farany! Eny, mby akaiky ny farany; Mifoha hamely anao iny, indro, efa mby akaiky iny.
7 Ton destin* est venu sur toi, habitant du pays ; le temps est venu, le jour est proche, — le trouble, et non le cri joyeux des montagnes. 7 Mby akaiky ny anjaranao, ry mponina amin'ny tany; Mby akaiky ny fotoana, efa antomotra ny andro, dia akoran'ady, fa tsy fihobiana, eny an-tendrombohitra .
8 Maintenant, bientôt, je verserai sur toi ma fureur, et je consommerai ma colère contre toi, et je te jugerai selon tes voies, et je mettrai sur toi toutes tes abominations. 8 Ary vetivety foana dia hampidiniko aminao ny fahatezerako, Ary hotanterahiko aminao ny fahavinirako; ka hotsaraiko araka ny alehanao ianao, ary hatambesatro aminao ny fahavetavetanao.
9 Et mon œil n’aura point compassion, et je ne t’épargnerai pas ; je te rendrai selon tes voies, et tes abominations seront au milieu de toi ; et vous saurez que c’est moi, l’Éternel, qui frappe. 9 Ary tsy hiantra anao ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; Hatambesatro aminao ny lalanao, ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no mamely.
— v. 7 : litt.: Le cercle.  
10 Voici le jour, voici, il est arrivé ! Le destin a germé*, la verge a fleuri, la fierté s’est épanouie. 10 Indro ny andro, indro mby akaiky iny! Miseho ny anjaranao. Mamonjy ny tsorakazo, manorobona ny avonavona!
11 La violence s’élève pour être une verge de méchanceté. [Il ne reste] rien d’eux, ni de leur foule bruyante, ni de leur abondance de biens, ni de la magnificence au milieu d’eux*. 11 Ny fanaovana an-keriny dia mitsangana ho tsorakazo hamelezana ny faharatsiana; tsy hisy sisa intsony aminy, na ny hamaroany, na ny hareny*, na ny zava-mendrika eo aminy.[Na: ny hamaroany mitabataba sy mireondreona]
12 Le temps est venu, le jour s’est approché ; que celui qui achète ne se réjouisse pas, et que celui qui vend ne mène pas deuil ; car il y a une ardente colère sur toute sa foule bruyante. 12 Mby akaiky ny fotoana, antomotra ny andro; aoka tsy hifaly ny mpividy, ary aoka halahelo ny mpivarotra; Fa iharan'ny fahatezerana mirehitra ny hamaroany rehetra.
13 Car celui qui vend ne rentrera pas en possession de ce qui a été vendu, fût-il même encore en vie parmi les vivants ; car la vision est touchant toute sa foule bruyante, elle ne sera* point révoquée, et personne par son iniquité ne fortifiera** sa vie. 13 Fa ny mpivarotra tsy hifodian'izay efa lafony, na dia mbola isan'ny velona aza izy; Fa ny fahitana ny amin'ny hanjo ny hamaroanay dia tsy hitsoaka, ary tsy hisy ampahery ny ainy amin'ny helony.
14 Ils ont sonné de la trompette et ont tout préparé ; mais personne ne marche au combat, parce que l’ardeur de ma colère est sur toute sa foule bruyante. 14 Efa nitsoka ny trompetra izy ka nahavonona ny zavatra rehetra, nefa tsy misy mankany amin'ny ady, satria iharan'ny fahatezerako mirehitra ny hamaroany rehetra.
15 L’épée est au dehors, et la peste et la famine sont au dedans : celui qui est aux champs mourra par l’épée ; et celui qui est dans la ville, la famine et la peste le dévoreront. 15 Ny sabatra no eny ivelany, ary ny areti-mandringana sy ny mosary kosa no ao anatiny; Izay any an-tsaha dia ho fatin-tsabatra, ary izay any an-tanàna kosa dia ho levon'ny mosary sy ny areti-mandringana.
16 Et leurs réchappés échapperont, et seront sur les montagnes comme les colombes des vallées, tous gémissant, chacun pour* son iniquité. 16 Ary na dia misy afa-mandositra aza, dia ho any an-tendrombohitra izy ka ho toy ny voromailala an-dohasaha: Izy rehetra dia samy hitoloko avokoa noho ny helony.
17 Toutes les mains deviendront lâches, et tous les genoux se fondront en eau. 17 Hiraviravy ny tanana rehetra, ary ho rano ny lohalika rehetra;
18 Ils se ceindront de sacs, et le frisson les couvrira ; la honte sera sur tous les visages, et toutes leurs têtes seront chauves. 18 Hisikina lamba fisaonana* koa izy, ka ho menatra ny tava rehetra.[Heb. lamba malailay]
19 Ils jetteront leur argent dans les rues, et leur or sera [rejeté] comme une impureté ; leur argent ni leur or ne pourra les délivrer au jour de la fureur de l’Éternel ; ils ne rassasieront pas leurs âmes, et ne rempliront pas leurs entrailles, car c’est ce qui a été la pierre d’achoppement de leur iniquité. 19 Ny volafotsiny dia harianay eny an-dalambe, ary ny volamenany hataony ho maharikoriko, ny volafotsiny sy ny volamenany tsy hahavonjy azy amin'ny andro fahatezeran'ny Jehovah Tsy hahavoky ny fanahiny na hahafeno ny kibony izany, fa tonga fahatafintohinana mahameloka azy.
— v. 10 : litt.: est sorti. — v. 11 : selon quelques-uns : et on ne se lamentera pas sur eux. — v. 13* : ou : la vision touchant toute sa foule bruyante ne sera. — v. 13** : ou : n’affermira. — v. 16 : ou : dans.  
20 Et de la beauté de son ornement il a fait sa gloire ; mais ils y ont fait* des images de leurs abominations [et] de leurs choses exécrables. C’est pourquoi j’en ai fait pour eux une impureté abjecte ; 20 Fa ny firàvany tsara tarehy dia nataony ho rehareha sady nentiny nanao ireo sary fahavetavetany, dia ireo zava-dratsiny, koa izany no efa nanaovako ireny ho zava-maharikoriko azy.
21 et je l’ai livrée en pillage aux mains des étrangers, et pour butin aux méchants de la terre, et ils la profaneront. 21 Ary hatolotro ho babo eny an-tànan'ny hafa firenena izy, Eny, ho babo ho an'ny ratsy fanahy amin'ny tany, ka holotoin'ireny izy.
22 Et je détournerai d’eux ma face ; et ils profaneront mon lieu secret ; et les violents y entreront et le profaneront. 22 Dia hiamboho azy koa Aho, ka holotoiny ny rakitro; Fa hiditra ao aminy ny mpandroba ka handoto azy.
— v. 20 : ou : il (le peuple) a fait son orgueil, et ils en ont fait.  
23 Fabrique la chaîne ; car le pays est plein de coulpe de sang, et la ville est pleine de violence. 23 Manefa gadra, fa efa feno fitsarana ny amin'ny fandatsahan-drà ny tany, ary feno fampahoriana ny tanàna.
24 Et je ferai venir les iniques des nations, et ils posséderont leurs maisons ; et je ferai cesser l’orgueil des forts, et leurs sanctuaires seront profanés*. 24 Ka dia hitondra izay jentilisa ratsy indrindra Aho, ary ho lasan'ireny ny tranony; dia hatsahatro ny avonavon'ny mahery, ary ho lotoina ny fitoerany masina.
25 La destruction vient ; et ils chercheront la paix, mais il n’y en aura point. 25 Ho avy ny fandringanana*; ary hitady fiadanana izy, fa tsy hisy.[Na: fampangovitana]
26 Il viendra calamité sur calamité, et il y aura rumeur sur rumeur, et ils chercheront [quelque] vision de la part d’un prophète ; mais la loi est périe de chez le sacrificateur, et le conseil, de chez les anciens. 26 Mifanontona ny fandravana, ary mifanindry ny filazan-doza; Dia manontany fahitana amin'ny mpaminany izy, fa tsy misy lalàna intsony amin'ny mpisorona, na fahendrena amin'ny anti-panahy.
27 Le roi mènera deuil, et les princes seront vêtus de stupeur, et les mains du peuple du pays trembleront : je leur ferai selon leur voie, et je les jugerai par leurs propres jugements ; et ils sauront que je suis l’Éternel. 27 Hitomany ny mpanjaka, eny, hitafy fahatalanjonana ny andriana, ary hangovitra ny tanan'ny vahoaka; Araka ny alehany no hataoko aminy, ary hotsaroiko araka ny fitsarana nataony izy, ka dia fantany fa Izaho no Jehovah.
— v. 24 : ou : ils hériteront leurs sanctuaires.  
* *
Chapitre 8 Chapitre 8
1 Et il arriva, en la sixième année,* au sixième [mois], le cinquième [jour] du mois, qu’étant assis dans ma maison, et les anciens de Juda étant assis devant moi, la main du Seigneur, l’Éternel, tomba là sur moi. 1 [Fahitana ny amin'ny nanarahan'ny olona tany Jerosalema ny fomban-tsampy] Ary tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahenina tamin'ny taona fahenina, raha nipetraka tao an-tranoko aho, ary nipetraka teo anatrehako ny loholon'ny Joda, dia nilatsaka tamiko ny tànan'i Jehovah Tompo.
— v. 1 : date : A.C. 594.  
2 Et je vis, et voici une ressemblance comme l’aspect d’un feu : depuis l’aspect de ses reins vers le bas, c’était du feu ; et depuis ses reins vers le haut, c’était comme l’aspect d’une splendeur, comme l’apparence de l’airain luisant*. 2 Ary hitako fa, indro, nisy nitarehin'afo; hatramin'ny valahany no ho midina dia afo; ary hatramin'ny valahany no ho miakatra kosa dia nitarehin-java-mamirapiratra dia toy ny volon'ny metaly mamirapiratra.
3 Et il étendit la forme d’une main, et me prit par les boucles de ma tête ; et l’Esprit m’éleva entre la terre et les cieux, et m’emmena à Jérusalem, dans les visions de Dieu, à l’entrée de la porte intérieure qui regarde vers le nord, où était le siège de l’idole de jalousie qui provoque à la jalousie. 3 Ary nisy nitarehin-tanana nahinjiny, ka noraisiny tamin'ny voloko aho, dia nisy fanahy* nanainga ahy ho eny anelanelan'ny tany sy ny lanitra ka nitondra ahy ho any Jerosalema tamin'ny fahitana avy amin'Andriamanitra, ho eo amin'ny vavahadin'ny kianja anatiny, izay manatrika ny avaratra, dia ilay nisy ny sarin-javatra fampahasaro-piaro, dia ilay mampahasaro-piaro.[Na: rivotra]
4 Et voici, là était la gloire du Dieu d’Israël, selon la vision que j’avais vue dans la vallée*. 4 Ary, indro, teo ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely tahaka ilay fahitana efa hitako teo amin'ny lohasaha.
— v. 2 : voir note à 1:4. — v. 4 : ou : plaine.  
5 Et il me dit : Fils d’homme, lève tes yeux vers le nord. Et je levai mes yeux vers le nord ; et voici, au nord de la porte de l’autel, cette idole de jalousie, à l’entrée. 5 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, atopazy kely amin'ny lalana mianavaratra ny masonao. Dia natopiko tamin'ny lalana mianavaratra ny masoko ka, indro, eny avaratry ny vavahadin'ny alitara no nisy ilay sarin-javatra fampahasaro-piaro teo amin'ny fidirana.
6 Et il me dit : Fils d’homme, vois-tu ce qu’ils font, les grandes abominations que la maison d’Israël commet ici, pour m’éloigner de mon sanctuaire ? Et tu verras encore de grandes abominations. 6 Dia hoy koa Izy tamiko: Ry zanak'olona, hitanao va izay ataon'ireo, dia ny fahavetavetana lehibe izay ataon'ny taranak'Isiraely eto ka mampanalavitra Ahy amin'ny fitoerako masina? Mbola hahita fahavetavetana lehibe koa ianao.
   
7 Et il me mena à l’entrée du parvis ; et je regardai, et voici, un trou dans le mur. 7 Dia nentiny ho eo amin'ny vavahadin'ny kianja aho; ary hitako fa, indro, nisy loaka teo amin'ny ampiantany.
8 Et il me dit : Fils d’homme, perce le mur. Et je perçai le mur, et voici, une porte. 8 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, loahy ny ampiantany; dia noloahako ny ampiantany ka, indro, nisy varavarana.
9 Et il me dit : Entre, et regarde les mauvaises abominations qu’ils commettent ici. 9 Ary hoy Izy tamiko: Midira, ka jereo ny fahavetavetana lehibe ataony eto.
10 Et j’entrai, et je regardai ; et voici toute [sorte] de figures de reptiles, et de bêtes exécrables, et toutes les idoles de la maison d’Israël tracées sur le mur, tout autour ; 10 Dia niditra aho ka nahita, ary indreo, nisy sarin'ny biby mandady sy mikisaka rehetra sy ny biby hafa, dia izay fahavetavetana, sy ny sampy rehetra an'ny taranak'Isiraely, voasoratra teo amin'ny rindrina manodidina.
11 et soixante-dix hommes d’entre les anciens de la maison d’Israël se tenaient devant elles, et au milieu d’eux se tenait Jaazania, fils de Shaphan : chacun avait son encensoir dans sa main, et il montait une épaisse nuée d’encens. 11 Ary nisy olona fito-polo lahy, isan'ny loholon'ny taranak'Isiraely, nitsangana teo anoloan'ireo, ary Jazania, zanak'i Safana, nitsangana teo afovoany, samy nitondra ny loviany fandoroana ditin-kazo manitra teny an-tànany avy, ary ny setroky ny ditin-kazo manitra dia nidonata.
12 Et il me dit : As-tu vu, fils d’homme, ce que les anciens de la maison d’Israël font dans les ténèbres, chacun dans leurs cabinets d’images ? Car ils disent : L’Éternel ne nous voit pas, l’Éternel a abandonné le pays*. 12 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona efa hitanao va ny ataon'ny loholon'ny taranak'Isiraely amin'ny maizina, dia samy ao amin'ny efi-tranony misy sary*? Fa hoy izy: Jehovah tsy mahita anay; efa nahafoy ny tany Izy.[Na: tsara soratra]
13 Et il me dit : Tu verras encore de grandes abominations qu’ils commettent. 13 Ary hoy koa Izy tamiko: Mbola hahita fahavetavetana lehibe izay ataony koa ianao.
— v. 12 : ou : la terre.  
14 Puis il me mena à l’entrée de la porte de la maison de l’Éternel, qui est vers le nord ; et voici des femmes assises là, pleurant Thammuz. 14 Dia nentiny ho eo anoloan'ny vavahadin'ny tranon'i Jehovah, izay manatrika ny avaratra aho; ary, indreo, nisy vehivavy nipetraka teo, nitomany an'i Tamoza.
15 Et il me dit : As-tu vu, fils d’homme ? Tu verras encore des abominations plus grandes que celles-là. 15 Dia hoy Izy tamiko: Hitanao va izany ry zanak'olona? Mbola hahita fahavetavetana lehibe noho ireto koa ianao.
   
16 Puis il me fit entrer au parvis intérieur de la maison de l’Éternel ; et voici, à l’entrée du temple de l’Éternel, entre le portique et l’autel, environ vingt-cinq hommes, le dos tourné vers le temple de l’Éternel, et leurs faces vers l’orient ; et ils se prosternaient vers l’orient devant le soleil. 16 Dia nentiny ho eo amin'ny kianja anatiny amin'ny tranon'i Jehovah aho, ary, indro, teo am-baravaran'ny tempolin'i Jehovah, dia teo anelanelan'ny lavarangana fidirana sy ny alitara, dia nisy tokony ho dimy amby roa-polo lahy niamboho ny tempolin'i Jehovah ka nanatrika ny atsinanana; ary ireo dia niankohoka manandrify ny masoandro, nanatrika ny atsinanana.
   
17 Et il me dit : As-tu vu, fils d’homme ? Est-ce une chose légère à la maison de Juda de commettre les abominations qu’ils commettent ici, pour qu’ils remplissent encore le pays de violence, et qu’ils me provoquent à colère [toujours] de nouveau ? Et voici, ils mettent le rameau à leur nez ! 17 Dia hoy Izy tamiko: Hitanao va izany, ry zanak'olona? Moa ataon'ny taranak'i Joda ho kely loatra va ny nanaovany ny fahavetavetana izay ataony eto, no fenoiny fampahoriana koa ny tany, ka mampahatezitra Ahy lalandava izy; ary indro izy nanainga ny rantsan-kazo ho amin'ny orony.
18 Et moi aussi, j’agirai avec fureur ; mon œil n’aura point compassion, et je n’épargnerai pas ; et quand ils crieront à mes oreilles à haute voix, je ne les écouterai point. 18 Ary Izaho kosa dia hamely amin'ny fahatezerako; tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; ary na dia mitaraina mafy eo an-tsofiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho.
Chapitre 9 Chapitre 9
1 Et il cria à mes oreilles à haute voix, disant : Approchez, vous qui avez la charge de la ville, et chacun avec son instrument de destruction dans sa main. 1 [Ny amin'ireo lehilahy nirahina hamely an'Jerosalema] Ary niantso tamin'ny feo mahery teo anatrehako Jehovah ka nanao hoe: Manakeke ianareo, ry mpiambina ny tanàna, ka samia mitondra ny fiadiany eny an-tànany avy ho enti-mandringana.
2 Et voici six hommes qui venaient du chemin de la porte supérieure qui est tournée vers le nord, et chacun avec son instrument de mort dans sa main ; et il y avait au milieu d’eux un homme vêtu de lin, avec un encrier d’écrivain à ses reins ; et ils entrèrent, et se tinrent à côté de l’autel d’airain. 2 Ary, indreo, nisy lehilahy enina avy tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady ambony, izay manatrika ny avaratra, sady samy nitondra ny fiasany fanorotoroana teny an-tanany avy izy; ary ny anankiray tamin'ireo dia nitafy rongony fotsy, sady nisy fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo am-balahany; ary niditra izy ireo ka nitsangana teo anilan'ny alitara varahina.
3 Et la gloire du Dieu d’Israël s’éleva de dessus le chérubin sur lequel elle était, [et vint] sur le seuil de la maison ; et il cria à l’homme vêtu de lin, qui avait l’encrier d’écrivain à ses reins ; 3 Ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely efa niakatra niala teo amin'ny kerobima, izay nitoerany, ho eo amin'ny tokonam-baravaran'ny trano, ary Izy niantso ilay olona nitafy rongony, totsy izay nisy fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo am-balahany.
4 et l’Éternel lui dit : Passe au milieu de la ville, au milieu de Jérusalem, et fais* une marque** sur les fronts des hommes qui soupirent et gémissent à cause de toutes les abominations qui se commettent au dedans d’elle. 4 Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika* ny handrin'ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.[Heb. marika mitanam-bokovoko]
5 Et à ceux-là il dit, à mes oreilles : Passez par la ville après lui, et frappez ; que votre œil n’ait point compassion, et n’épargnez pas. 5 Ary reko Izy nanao tamin'ny sasany hoe: Mandehana manaraka azy ianareo hamaky ny tanàna, ka mameleza; aoka tsy hamindra fo aminy ny masonareo, ary aza ananana antra izy,
6 Tuez, détruisez vieillards, jeunes hommes, et vierges, et petits enfants, et femmes ; mais n’approchez d’aucun de ceux qui ont sur eux la marque, et commencez par mon sanctuaire. Et ils commencèrent par les anciens qui étaient devant la maison. 6 Fa na lahy antitra, na zatovo, na virijina, na zaza madinika, na vehivavy, dia aringano avokoa; fa izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina ary atombohy hatreo amin'ny fitoerako masina izany. Dia nanomboka tamin'ny lahy antitra izay teo anoloan'ny trano ireo.
7 Et il leur dit : Rendez impure la maison, et remplissez les parvis de tués ; sortez ! Et ils sortirent et frappèrent dans la ville. 7 Ary hoy Izy taminy: Lotoy ny trano, ary fenoy faty ny kianja; dia mivoaha ianareo. Ary dia nivoaka izy ka namely ny tao an-tanàna.
— v. 4* : litt.: marque. — v. 4** : hébreu : Thau, nom hébreu de la lettre T.  
8 Et il arriva que, comme ils frappaient et que moi je demeurais de reste, je tombai sur ma face, et je criai et dis : Ah, Seigneur Éternel ! veux-tu détruire tout le reste d’Israël en versant ta fureur sur Jérusalem ? 8 Ary raha mbola namely izy, ary izaho ihany no sisa teo, dia niankohoka aho ka nitaraina hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô! haringanao va ny sisa rehetra amin'ny Isiraely amin'izao ampidinanao ny fahatezeranao amin'i Jerosalema izao?
9 Et il me dit : L’iniquité de la maison d’Israël et de Juda est excessivement grande, et le pays est rempli de sang, et la ville est remplie d’injustices ; car ils ont dit : L’Éternel a abandonné le pays*, et l’Éternel ne voit pas. 9 Dia hoy Izy tamiko: Lehibe dia lehibe ny heloky ny taranak'ny Isiraely sy ny Joda, ary feno ran'olona nalatsaka ny tany, sady feno fitsarana miangatra ny tanàna, satria hoy izy: Jehovah efa nahafoy ny tany ary Jehovah tsy mahita.
10 Et moi aussi, — mon œil n’aura point compassion, et je n’épargnerai pas ; je ferai retomber* leur voie sur leur tête. 10 Ary Izaho kosa, dia tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo aho, fa hatsingeriko ho eo an-dohany ny nataony*.[Heb. lalany]
11 Et voici, l’homme vêtu de lin, qui avait l’encrier à ses reins, rapporta, disant : J’ai fait comme tu m’as commandé. 11 Ary, indro, ralehilahy, ilay nitafy rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomainty teo am-balahany, dia nitondra teny niverina nanao hoe: Efa vitako izay nandidianao ahy.
— v. 9 : ou : la terre. — v. 10 : litt.: je mettrai, comme aussi 22:31, et 1 Rois 8:32.  
Chapitre 10 Chapitre 10
1 Et je regardai, et voici, sur* l’étendue, qui était au-dessus de la tête des chérubins, parut comme une pierre de saphir, comme l’aspect de la ressemblance d’un trône, au-dessus d’eux. 1 [Fahitana ny amin'ny handoroana an'i Jerosalema, sy ny hialan'ny voninahitr'i Jehovah aminy] Ary hitako fa, indro, teo ambonin'ny eloelo izay teo ambonin'ny lohan'ny kerobima dia nisy tahaka ny vato safira; tahaka ny endriky ny seza fiandrianana no fijery azy; ary Jehovah* niseho teo amboniny. [Heb. Izy]
2 Et il parla à l’homme vêtu de lin, et dit : Viens entre les roues, au-dessous du chérubin, et remplis le creux de tes mains de charbons de feu pris d’entre les chérubins, et répands-les sur la ville. Et il entra, devant mes yeux. 2 Ary niteny tamin-dralehilahy nitafy rongony fotsy Izy nanao hoe: Midira eo anelanelan'ny kodia, dia eo ambanin'ny kerobima, ary fenoy vain'afo avy eo anelanelan'ny kerobima ny tananao roa, ka afafazo amin'ny tanàna izany. Dia niditra teo imasoko izy.
3 Et les chérubins se tenaient à droite de la maison lorsque l’homme entra, et la nuée remplissait le parvis intérieur. 3 Ary ny kerobima nitsangana teo amin'ny ankavanan'ny trano, raha niditra ralehilahy; ary feno ilay rahona ny kianja anatiny.
4 Et la gloire de l’Éternel s’éleva de dessus le chérubin, [et vint] sur le seuil de la maison ; et la maison fut remplie de la nuée, et le parvis fut rempli de la splendeur de la gloire de l’Éternel. 4 Dia niakatra niala teo amin'ny kerobima ny voninahitr'i Jehovah ho eo amin'ny tokonam-baravaran'ny trano; ary feno ilay rahona ny trano, ary ny kianja dia feno ny famirapiratan'ny voninahitr'i Jehovah.
5 Et le bruit des ailes des chérubins s’entendit jusqu’au parvis extérieur, comme la voix du *Dieu Tout-puissant* quand il parle. 5 Ary ny fikopakopaky ny elatry ny kerobima dia re hatrany amin'ny kianja ivelany, toy ny feon'Andriamanitra Tsitoha, raha miteny.
6 Et il arriva que, lorsqu’il eut commandé à l’homme vêtu de lin, disant : Prends du feu d’entre les roues, d’entre les chérubins, il entra et se tint à côté de la roue. 6 Ary rehefa nodidiany ralehilahy nitafy rongony fotsy, nataony hoe: Manalà afo avy eo analenelan'ny kodia, eo anelanelan'ny kerobima, dia niditra izy ka nitsangana teo anilan'ny kodia.
7 Et le chérubin étendit sa main entre les chérubins, vers le feu qui était entre les chérubins, et il [en] prit, et le mit dans le creux des mains de l’[homme] vêtu de lin ; et il le prit et sortit. 7 Ary ny kerobima anankiray naninjitra ny tànany avy teo anelanelan'ny kerobima, tamin'ny afo Izay teo anelanelan'ny kerobima, dia nangalany ka nataony teny amin'ny tànan-droan'ilay nitafy rongony fotsy; ary rehefa nandray izany ralehilahy, dia nivoaka.
— v. 1 : litt.: à, dans. — v. 5 : hébreu : El-Shaddaï ; voir Genèse 17:1.  
8 Et on voyait aux chérubins la figure d’une main d’homme sous leurs ailes. 8 Ary nisy nitarehin-tànan'olona niseho teo ambanin'ny elatry ny kerobima.
9 Et je regardai, et voici, quatre roues à côté des chérubins, une roue à côté d’un chérubin, et une roue à côté d’un chérubin, et l’aspect des roues était comme l’apparence d’une pierre de chrysolithe. 9 Ary hitako fa, indreo, nisy kodia efatra teo anilan'ny kerobima, dia kodia iray avy teo anilan'ny isan-kerobima; ary ny tarehin'ny kodia dia toy ny volon'ny vato krysolita.
10 Et quant à leur aspect, elles avaient les quatre une seule ressemblance, comme si une roue était au milieu d’une roue. 10 Ary izy efatra dia nitovy tarehy, toy ny kodia anatin'ny kodia.
11 Quand elles allaient, elles allaient sur leurs quatre côtés ; elles ne se tournaient pas, quand elles allaient ; mais, vers le lieu où la tête regardait, elles allaient après elle : elles ne se tournaient pas quand elles allaient. 11 Raha nandeha izy, dia nandeha tamin'ny hitsin'ny lafiny efatra; tsy niherika izy raha nandeha, fa tamin'ny hitsin'izay natrehin'ny lohany ihany no nalehany; tsy niherika izy raha nandeha.
12 Et tout leur corps*, et leur dos, et leurs mains, et leurs ailes, et les roues, étaient pleins d’yeux tout autour, — à eux quatre, leurs roues. 12 Ary feno maso manodidina ny tenany* rehetra sy ny lamosiny sy ny tànany sy ny elany mbamin'ny kodia; izy efatra dia samy nisy kodia avokoa.[Heb. nofony]
13 Quant aux roues, on leur cria, moi l’entendant : Roue ! * 13 Ny amin'ny kodia dia reko nisy niantso azy hoe: Ry kodia*![Na: Mikodiadiava!]
14 Et chacun avait quatre faces : la première face était la face d’un chérubin, et la seconde face était la face d’un homme, et la troisième était la face d’un lion, et la quatrième, la face d’un aigle. 14 Ary samy nanana tarehy efatra avy izy: ny tarehin'ny voalohany dia nitarehin-kerobima, ary ny tarehin'ny faharoa dia nitarehin'olona, ary ny fahatelo nitarehin-diona, ary ny fahefatra nitarehim-boromahery.
15 Et les chérubins s’élevèrent. C’était là l’animal que j’avais vu près du fleuve Kebar. 15 Ary niakatra ny kerobima. Izany dia ilay zava-manan'aina hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany.
16 Et quand les chérubins allaient, les roues allaient à côté d’eux ; et quand les chérubins levaient leurs ailes pour s’élever de dessus terre, les roues aussi ne se détournaient point d’à côté d’eux ; 16 Ary raha nandeha ny kerobima, dia mba nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha nasandratry ny kerobima ny elany hiainga tsy hipaka amin'ny tany, dia tsy nisaraka taminy koa ny kodia.
17 quand ils s’arrêtaient, elles s’arrêtaient, et quand ils s’élevaient, elles s’élevaient avec eux, car l’esprit de l’animal était en elles. 17 Raha nijanona izy, dia mba nijanona koa ireo, ary raha niainga izy, dia mba niainga koa ireo: fa ny fanahin'ny zava-manan'aina no tao aminy.
— v. 12 : litt.: chair. — v. 13 : quelques-uns : Tourbillon !  
18 Et la gloire de l’Éternel sortit de dessus le seuil de la maison, et se tint au-dessus des chérubins. 18 Dia niala avy teo ambonin'ny tokonambaravaran'ny trano ny voninahitr'i Jehovah ka nijanona teo ambonin'ny kerobima.
19 Et les chérubins haussèrent leurs ailes et s’élevèrent de terre à mes yeux, quand ils sortirent ; et les roues étaient auprès d’eux. Et ils s’arrêtèrent* à l’entrée de la porte orientale de la maison de l’Éternel ; et la gloire du Dieu d’Israël était au-dessus d’eux, en haut. 19 Ary nasandratry ny kerobima ny elany, ka niainga tsy nipaka tamin'ny tany teo imasoko izy, raha nivoaka, ary teo anilany ny kodia ary samy nijanona teo anoloan'ny vavahady atsinanana amin'ny tranon'i Jehovah izy ireo; ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely no teo amboniny.
20 C’était là l’animal que j’avais vu au-dessous du Dieu d’Israël, près du fleuve Kebar ; et je connus que c’étaient des chérubins. 20 Izany dia ilay zava-manan'aina hitako teo ambanin'Andriamanitry ny Isiraely teo amoron'ny ony Kebara; ary fantatro fa kerobima ireo.
21 Chacun avait quatre faces, et chacun, quatre ailes, et il y avait une ressemblance de mains d’homme sous leurs ailes. 21 Samy nanana tarehy efatra avy izy, sady samy nanana elatra efatra avy koa; ary nisy nitarehin-tànan'olona teo ambanin'ny elany.
22 Et quant à la ressemblance de leurs faces, c’étaient les faces que j’avais vues près du fleuve Kebar, leur aspect, et eux-mêmes ; ils allaient chacun droit devant soi. 22 Ary ny endriky ny tarehiny dia nitovy tamin'ilay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany, dia ny endriny sy ny tenany; ary ny hitsin'ny tavany no nalehany.
— v. 19 : litt.: il s’arrêta.  
Chapitre 11 Chapitre 11
1 Et l’Esprit m’éleva et me transporta à la porte orientale de la maison de l’Éternel qui regarde vers l’orient ; et voici, à l’entrée de la porte, vingt-cinq hommes ; et je vis au milieu d’eux Jaazania, fils d’Azzur, et Pelatia, fils de Benaïa, princes du peuple. 1 [Filazana ny amin'ny loza hanjo, sy fampanantenana ny famindram-po] Ary nisy fanahy* nanainga ahy koa, dia nitondra ahy ho eo amin'ny vavahady atsinanana amin'ny tranon'i Jehovah, dia ilay manatrika ny atsinanana; ary, indreo, nisy olona dimy amby roa-polo lahy teo anoloan'ny vavahady; dia hitako teo amin'ireo Jazania, zanak'i Azora, sy Pelatia, zanak'i Benaia, lehiben'ny vahoaka.[Na: rivotra]
2 Et il me dit : Fils d’homme, ce sont ici les hommes qui méditent l’iniquité et qui donnent de mauvais conseils dans cette ville, qui disent : 2 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ireo no lehilahy izay mamoron-tsain-dratsy sady manolo-tsain-dratsy eto amin'ity tanàna ity,
3 Ce n’est pas le moment de bâtir des maisons* ; elle** est la marmite, et nous sommes la chair.