| Le NOUVEAU TESTAMENT | |
| Épître aux ROMAINS | Romana |
| Accès direct aux chapitres des Romains : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16 | Accès direct aux chapitres des Romains : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16 |
| Chapitre 1 | Chapitre 1 |
| 1 Paul, esclave de Jésus Christ, apôtre appelé*, mis à part pour l’évangile** de Dieu | 1 [Fitarihan-teny] Paoly, mpanompon'i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly, voatokana ho amin'ny filazantsaran'Andriamanitra, |
| 2 (lequel il avait auparavant promis par ses prophètes dans de saintes écritures), | 2 izay nampilazainy ny mpaminany rahateo teo amin'ny Soratra Masina*, [* teo amin'izay soratra masina] |
| 3 touchant son Fils (né de la semence de David, selon la chair, | 3 ny amin'ny Zanany, Izay nateraka avy tamin'ny taranak'i Davida araka ny nofo, |
| 4 déterminé Fils de Dieu, en puissance, selon [l’]Esprit* de sainteté, par [la] résurrection des morts**), Jésus Christ, notre Seigneur, | 4 ary naseho* tamin-kery ho Zanak'Andriamanitra** araka ny fahamasinana tamin'ny fitsanganany tamin'ny maty, - dia Jesosy Kristy Tompontsika, [* Na: notendrena] [** Na: naseho ho Zanak'Andriamanitra mahery] |
| 5 par lequel nous avons reçu grâce et apostolat, pour [l’]obéissance de [la] foi parmi toutes les nations, | 5 Izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah'Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin'ny jentilisa rehetra; |
| 6 pour son nom, parmi lesquelles vous aussi, vous êtes des appelés de Jésus Christ, | 6 ary ianareo koa, izay isan'ireny, dia voantso ho an'i Jesosy Kristy, - |
| 7 — à tous les bien-aimés de Dieu qui sont à Rome, saints appelés* : Grâce et paix à vous, de la part de Dieu notre Père et du seigneur Jésus Christ ! | 7 ho an'izay rehetra any Roma, malalan'Andriamanitra sady voantso ho masina; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. |
| — v. 1*, 7 : c. à d. : tel(s) par l’appel de Dieu. — v. 1** : ou : la bonne nouvelle. — v. 4* : Esprit, et esprit, c. à d. le Saint Esprit lui-même aussi bien que l’état de l’âme caractérisé par sa présence et sa puissance. — v. 4** : litt.: de morts. | |
| 8 Premièrement, je rends grâces à mon Dieu, par Jésus Christ, pour vous tous, de ce que votre foi est publiée dans le monde entier. | 8 Voalohany, misaotra an'Andriamanitro amin'ny alalan'i Jesosy Kristy aho noho ny aminareo rehetra, satria efa re eran'izao tontolo izao ny lazan'ny finoanareo. |
| 9 Car Dieu, que je sers dans mon esprit dans l’évangile de son Fils, m’est témoin que sans cesse je fais mention de vous, | 9 Fa Andriamanitra, Izay tompoin'ny fanahiko amin'ny filazantsaran'ny Zanany, no vavolombeloko fa tsy mitsahatra mahatsiaro anareo aho, ka mandrakariva, raha mivavaka aho, |
| 10 demandant toujours dans mes prières, si en quelque manière, maintenant une fois, il me sera accordé par la volonté de Dieu d’aller vers vous. | 10 dia mangataka fandrao mba hisy hahafahako amin'izao ho tonga aminareo, raha sitrapon'Andriamanitra. |
| 11 Car je désire ardemment de vous voir, afin de vous faire part de quelque don de grâce spirituel, pour que vous soyez affermis, | 11 Fa maniry hahita anareo aho hanomezako anareo fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaharezina ianareo, |
| 12 c’est-à-dire pour que nous soyons consolés ensemble au milieu de vous, vous et moi, chacun par la foi qui est dans l’autre. | 12 izany dia ny mba hiarahako hamporisihina aminareo amin'ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy. |
| 13 Or je ne veux pas que vous ignoriez, frères, que je me suis souvent proposé d’aller vers vous (et que j’en ai été empêché jusqu’à présent), afin de recueillir quelque fruit parmi vous aussi, comme parmi les autres nations. | 13 Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa matetika aho no efa nikasa hankatỳ aminareo (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny aho), hananako izay vokatra atỳ aminareo koa, toy ny any amin'ny jentilisa sasany. |
| 14 Je suis débiteur* et envers les Grecs et envers les barbares**, et envers les sages et envers les inintelligents : | 14 Ananan'ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho; |
| 15 ainsi, pour autant qu’il dépend de moi, je suis tout prêt à vous annoncer l’évangile*, à vous aussi qui êtes à Rome. | 15 koa raha izaho, dia mazoto hitory ny filazantsara aminareo izay any Roma koa aho. |
| — v. 14* : c. à d. : J’ai un devoir à remplir ; voir Actes 9:15 ; 22:15. — v. 14** : les barbares : les étrangers à la civilisation grecque. — v. 15 : proprement : annoncer la bonne nouvelle. | |
| 16 Car je n’ai pas honte de l’évangile, car il est [la] puissance de Dieu en salut à quiconque croit, et au Juif premièrement, et au Grec. | 16 Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa* koa. [* Gr. Grika] |
| 17 Car [la] justice de Dieu y est révélée sur le principe de la foi pour la foi, selon qu’il est écrit «Or le juste vivra de* foi» [Habakuk 2:4]. | 17 Fa amin'izany no anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velona* (Hab. 2. 4). [*Na: Ny marina ho velon'ny finoana] |
| — v. 17 : plus haut : sur le principe de. | |
| 18 Car [la] colère de Dieu est révélée du ciel contre toute impiété et toute iniquité* des hommes qui possèdent la vérité [tout en vivant] dans l’iniquité* : | 18 [Ny amin'ny faharatsian'ny toetry ny jentilisa sy ny mahameloka azy] Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-fahamarinan'ny olona izay misakana ny fahamarinana amin'ny fanaovan-dratsy, |
| 19 parce que ce qui se peut connaître de Dieu est manifeste parmi eux ; car Dieu le leur a manifesté ; | 19 satria izay fantatra ny amin'Andriamanitra dia miseho ao am-pon'ireny, fa nasehon'Andriamanitra taminy. |
| 20 car, depuis la fondation du monde, ce qui ne se peut voir de lui, [savoir] et sa puissance éternelle et sa divinité*, se discerne par le moyen de l’intelligence, par les choses qui sont faites, de manière à les** rendre inexcusables : | 20 Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra* ireo; [* Na: Mba tsy hanan-kalahatra] |
| 21 — parce que, ayant connu Dieu, ils ne le glorifièrent point comme Dieu, ni ne lui rendirent grâces ; mais ils devinrent vains dans leurs raisonnements, et leur cœur destitué d’intelligence fut rempli de ténèbres : | 21 fa na dia nahalala an'Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an'Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin'ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto. |
| 22 se disant sages, ils sont devenus fous, | 22 Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala, |
| 23 et ils ont changé la gloire du Dieu incorruptible en la ressemblance de l’image d’un homme corruptible et d’oiseaux et de quadrupèdes et de reptiles. | 23 koa ny voninahitr'Andriamanitra tsy mety lò dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lò sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka. |
| 24 C’est pourquoi Dieu les a aussi livrés, dans les convoitises de leurs cœurs, à l’impureté, en sorte que leurs corps soient déshonorés entre eux-mêmes : | 24 Ary izany no nanoloran'Andriamanitra azy tamin'ny filan'ny fony ho amin'ny fahalotoana, dia ny nifanalany voninahitra tamin'ny tenany avy; |
| 25 eux qui ont changé la vérité de Dieu en mensonge, et ont honoré et servi la créature plutôt que celui qui l’a créée, qui est béni éternellement*. Amen ! | 25 ary ny fahamarinan'Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena. |
| 26 C’est pourquoi Dieu les a livrés à des passions infâmes, car leurs femmes ont changé l’usage naturel en celui qui est contre nature ; | 26 Izany no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin'izay tsy fanaony; |
| 27 et les hommes aussi pareillement, laissant l’usage naturel de la femme, se sont embrasés dans leur convoitise l’un envers l’autre, commettant l’infamie, mâles avec mâles, et recevant en eux-mêmes la due récompense de leur égarement. | 27 ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany. |
| 28 Et comme ils n’ont pas eu de sens moral pour garder la connaissance de Dieu*, Dieu les a livrés à un esprit réprouvé**, pour pratiquer des choses qui ne conviennent pas, | 28 Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an'Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao, |
| 29 étant remplis de toute injustice, de méchanceté, de cupidité, de malice, — pleins d’envie, de meurtres, de querelles, de fraude, de mauvaises mœurs, | 29 ka dia feno ny tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo,- feno fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otri-po,- |
| 30 — délateurs, médisants, haïssables pour Dieu*, outrageux, hautains, vantards, inventeurs de mauvaises choses, désobéissants à leurs parents, sans intelligence, | 30 mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halan'Andriamanitra*, mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny, [* Na: mpankahala an'Andriamanitra] |
| 31 ne tenant pas ce qu’ils ont promis, sans affection naturelle, sans miséricorde, | 31 tsy manam-pahalalana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra; |
| 32 [et] qui, ayant connu la juste sentence* de Dieu, que ceux qui commettent de telles choses sont dignes de mort, non seulement les pratiquent, mais encore trouvent leur plaisir en ceux qui les commettent. | 32 dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen'Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa. |
| — v. 18 : ailleurs : injustice. — v. 20 : * divinité ici, — non pas déité, comme Colossiens 2:9. — v. 20** c’est-à-dire les [hommes]. — v. 25 : litt.: pour les siècles. — v. 28* : litt.: avoir Dieu en connaissance. — v. 28** : ou, selon quelques-uns : dépourvu de sens moral. — v. 30 : ou : abominables. — v. 32 : ce que demande la juste volonté de Dieu ; ou : un acte juste répondant à ce qu’il exige. | |
| Chapitre 2 | Chapitre 2 |
| 1 C’est pourquoi tu es inexcusable, ô homme, qui que tu sois qui juges ; car en ce que tu juges autrui, tu te condamnes toi-même, puisque toi qui juges, tu commets les mêmes choses. | 1 [Ny amin'ny tsi-fahamarinan'ny Jiosy sy ny tsy ahazoany fahamarinana avy amin'ny lalàna] Koa amin'izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ralehilahy*, na zovy na zovy ianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa. [* Gr. olona] |
| 2 Or nous savons que le jugement de Dieu est selon la vérité contre ceux qui commettent de telles choses. | 2 Nefa fantatsika fa ny fitsaran'Andriamanitra dia araka ny marina amin'izay manao toy izany. |
| 3 Et penses-tu, ô homme qui juges ceux qui commettent de telles choses et qui les pratiques, que tu échapperas au jugement de Dieu ? | 3 Ary ianao, ralehilahy*, izay mitsara ny manao izany, kanefa manao izany koa ny tenanao, moa ataonao va fa ho afa-mandositra ny fitsaran'Andriamanitra ianao? [* Gr. olona] |
| 4 Ou méprises-tu les richesses de sa bonté, et de sa patience, et de sa longue attente, ne connaissant pas que la bonté de Dieu te pousse à la repentance ? | 4 Sa hamavoinao ny haren'ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka? |
| 5 Mais, selon ta dureté et selon ton cœur sans repentance, tu amasses pour toi-même la colère dans le jour de la colère et de la révélation du juste jugement de Dieu, | 5 Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no irakatenao fahatezerana ho anao amin'ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra, |
| 6 qui rendra à chacun selon ses œuvres : | 6 Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy: |
| 7 à ceux qui, en persévérant dans les bonnes œuvres, cherchent la gloire et l’honneur et l’incorruptibilité*, — la vie éternelle ; | 7 ho an'izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay; |
| 8 mais à ceux qui sont disputeurs et qui désobéissent à la vérité, et obéissent à l’iniquité*, — la colère et l’indignation ; | 8 fa ho an'izay mitady ny ho an'ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka ny tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana, |
| 9 tribulation et angoisse sur toute âme d’homme qui fait le mal, et du Juif premièrement, et du Grec ; | 9 eny, fahoriana sy fahantrana ho an'ny fanahin'ny olona rehetra izay manao ratsy, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa; |
| 10 mais gloire et honneur et paix à tout [homme] qui fait le bien, et au Juif premièrement, et au Grec ; | 10 fa voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an'ny olona rehetra izay manao ny tsara, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa* koa. [* Gr. Grika] |
| 11 car il n’y a pas d’acception de personnes auprès de Dieu. | 11 Fa tsy misy fizahan-tavan'olona amin'Andriamanitra. |
| 12 Car tous ceux qui ont péché sans loi, périront aussi sans loi ; et tous ceux qui ont péché sous [la] loi, seront jugés par [la] loi | 12 Fa izay nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna. |
| 13 (car ce ne sont pas les auditeurs de la loi qui sont justes devant Dieu ; mais ce sont ceux qui accomplissent la loi qui seront justifiés ; | 13 Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina; |
| 14 car quand les nations* qui n’ont point de loi, font naturellement les choses de la loi, n’ayant pas de loi, elles sont loi à elles-mêmes, | 14 fa na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian'ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia lalàn-tenany ihany; |
| 15 et elles montrent l’œuvre de la loi, écrite* dans leurs cœurs, leur conscience rendant en même temps témoignage, et leurs pensées s’accusant entre elles, ou aussi s’excusant), | 15 fa ireo maneho ny asan'ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa aza,- |
| 16 [seront jugés, dis-je,] au jour où Dieu jugera par Jésus Christ les secrets des hommes, selon mon évangile. | 16 amin'ny andro izay hitsaran'Andriamanitra ny zavatra takona ataon'ny olona, araka ny filazantsarako amin'ny alalan'i Jesosy Kristy. |
| — v. 7 : incorruptibilité, non pas immortalité. — v. 8 : ailleurs : injustice. — v. 14 : ceux qui ne sont pas juifs. — v. 15 : c’est l’œuvre qui est écrite, non pas la loi. | |
| 17 Or si toi, tu portes le nom de Juif, et que tu te reposes entièrement sur la loi, | 17 Fa raha saingy atao hoe Jiosy ianao ka mitoky amin'ny lalàna sy manao an'Andriamanitra ho reharehanao |
| 18 et que tu te glorifies en Dieu, et que tu connaisses la volonté, et que tu saches discerner les choses excellentes, | 18 ary mahalala ny sitrapony sady mamantatra ny zavatra tsara indrindra*, satria efa nampianarina ny lalàna ianao [* Na: samy hafa] |
| 19 étant instruit par la loi, et que tu croies que tu es conducteur d’aveugles, lumière de ceux qui sont dans les ténèbres, | 19 ary matoky ny tenanao ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny ao amin'ny maizina, |
| 20 instructeur des hommes dépourvus d’intelligence, maître* de petits enfants, ayant la formule de la connaissance et de la vérité dans la loi ; | 20 mpananatra ny adala, mpampianatra ny bodo, satria ianao manana ny lalàna ho mariky ny fahalalana sy ny fahamarinana: |
| 21 toi donc qui enseignes les autres, ne t’enseignes-tu pas toi-même ? Toi qui prêches qu’on ne doit pas dérober, dérobes-tu ? | 21 ka moa ianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va? Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va ianao? |
| 22 Toi qui dis qu’on ne doit pas commettre adultère, commets-tu adultère ? Toi qui as en abomination les idoles, commets-tu des sacrilèges ? | 22 Hianao izay manao hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va ianao? Hianao izay mametaveta ny sampy, mba mandroba tempoly ihany va ianao? |
| 23 Toi qui te glorifies en [la] loi, déshonores-tu Dieu par la transgression de la loi ? | 23 Hianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an'Andriamanitra ihany va ianao amin'ny andikanao ny lalàna? |
| 24 Car le nom de Dieu est blasphémé à cause de vous parmi les nations, comme il est écrit*. | 24 Fa araka ny voasoratra, dia ianareo no itenenana ratsy* ny anaran'Andriamanitra any amin'ny jentilisa (Isa. 52. 5). [*Gr. anaovana blasfemia; izahao Mat. 9, 3] |
| 25 Car en effet [la] circoncision est profitable si tu accomplis [la] loi ; mais si tu es transgresseur de [la] loi, ta circoncision est devenue incirconcision. | 25 Fa ny famorana mahasoa tokoa, raha mankatò ny lalàna ianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa ianao, dia efa tonga toy ny tsy voafora, na dia efa voafora aza. |
| 26 Si donc l’incirconcision garde les exigences* de la loi, son incirconcision ne sera-t-elle pas comptée pour circoncision ; | 26 Ary raha mankatò ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan'ny voafora va izy, na dia tsy voafora aza? |
| 27 et l’incirconcision qui l’est par nature, en accomplissant la loi, ne te jugera-t-elle pas, toi qui, dans la lettre et la circoncision*, es transgresseur de [la] loi ? | 27 Ary tsy hohelohin'ny tsy mifora izay mankatò ny lalàna va ianao, izay mpandika ny lalàna, na dia manana ny soratra sy ny famorana aza ianao? |
| 28 Car celui-là n’est pas Juif qui l’est au dehors, et celle-là n’est pas la circoncision qui l’est au dehors dans la chair ; | 28 Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin'ny nofo no famorana; |
| 29 mais celui-là est Juif qui l’est au dedans, et la circoncision est du cœur, en esprit, non pas dans la lettre ; et la louange de ce [Juif] ne vient pas des hommes, mais de Dieu. | 29 fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra. |
| — v. 20 : maître qui enseigne, ailleurs : docteur. — v. 24 : comparer Ésaïe 52:5 et Ézéchiel 36:20-23. — v. 26 : voir note à 1:32. — v. 27 : proprement : avec lettre et circoncision. | |
| Chapitre 3 | Chapitre 3 |
| 1 Quel est donc l’avantage du Juif, ou quel est le profit de la circoncision ? | 1 Koa inona ary no tombony ananan'ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin'ny famorana? |
| 2 — Grand de toute manière, et d’abord en ce que les oracles de Dieu leur ont été confiés. | 2 Be ihany amin'ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin'Andriamanitra ho adidiny. |
| 3 Quoi donc ? Si quelques-uns n’ont pas cru, leur incrédulité annulera-t-elle la fidélité de Dieu ? | 3 Fa ahoana kosa ary? Raha tsy nino ny sasany, moa ny tsi-finoanay va hahafoana ny fahamarinan'Andriamanitra? |
| 4 Qu’ainsi n’advienne ! mais que Dieu soit vrai et tout homme menteur, selon ce qui est écrit : «En sorte que tu sois justifié dans tes paroles, et que tu aies gain de cause quand tu es jugé» [Psaume 51:4]. | 4 Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga; araka ny voasoratra hoe: Mba hohamarinina amin'ny teninao Hianao, Ary hahery, rehefa manana ady* (Sal. 51. 4). [*Na: tsaraina] |
| 5 Mais si notre injustice constate la justice de Dieu, que dirons-nous ? Dieu est-il injuste quand il donne cours à la colère ? — Je parle selon l’homme. | 5 Fa raha ny tsi-fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan'Andriamanitra, ahoana ary no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra Izay mandatsaka ny fahatezerany! - miteny araka ny fanaon'ny olona aho - |
| 6 — Qu’ainsi n’advienne ! puisqu’[alors], comment Dieu jugera-t-il le monde ? | 6 Sanatria izany! Fa raha izany, hataon'Andriamanitra ahoana no fitsara izao tontolo izao? |
| 7 Car si la vérité de Dieu dans mon mensonge a abondé pour sa gloire, pourquoi moi aussi suis-je encore jugé comme pécheur ? | 7 Fa raha ny fahamarinan'Andriamanitra kosa no nitombo tamin'ny laingako ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray? |
| 8 Et non, comme nous sommes calomnieusement accusés et que quelques-uns prétendent que nous disons : Faisons du mal, afin qu’arrive le bien ? — desquels le jugement est juste*. | 8 Ary nahoana no tsy hanao ratsy hihavian'ny soa isika,- araka ny anendrikendrehana anay sy ny filazan'ny sasany anay. Marina ny fanamelohana ireny. |
| — v. 8 : c. à d. : lesquels méritent d’être condamnés. | |
| 9 Quoi donc ? Sommes-nous plus excellents* ? Nullement. Car nous avons ci-devant accusé et Juifs et Grecs d’être tous sous [le] péché, selon qu’il est écrit : | 9 Ahoana ary? Manan-kavaly* va isika? Tsia tsy akory; fa efa voalazantsika rahateo ho mpanota avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa**; [*Na: Latsaka noho ireny va isika?] [** Gr. Grika] |
| 10 «Il n’y a point de juste, non pas même un seul ; | 10 araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza; |
| 11 il n’y a personne qui ait de l’intelligence, il n’y a personne qui recherche Dieu ; | 11 Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an'Andriamanitra. |
| 12 ils se sont tous détournés, ils se sont tous ensemble rendus inutiles ; il n’y en a aucun qui exerce la bonté, il n’y en a pas même un seul» [Psaume 14:1-3] ; | 12 Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza (Sal. 14. 1-3). |
| 13 «c’est un sépulcre ouvert que leur gosier ; ils ont frauduleusement usé de leurs langues» [Psaume 5:9] ; «il y a du venin d’aspic sous leurs lèvres» [Psaume 140:3] ; | 13 Fasana misokatra ny tendany; Ny lelany no anaovany fitaka (Sal. 5. 9); Ny poizin'ny menarana no ao ambanin'ny molony (Sal. 140. 3); |
| 14 «et leur bouche est pleine de malédiction et d’amertume» [Psaume 10:7] ; | 14 Feno ozona sy fangidiana ny vavany (Sal. 10. 7); |
| 15 «leurs pieds sont rapides pour verser le sang ; | 15 Ny tongony mimaona handatsa-drà; |
| 16 la destruction et la misère sont dans leurs voies, | 16 Fandravana sy fandringanana no eo amin'ny alehany; |
| 17 et ils n’ont point connu la voie de la paix» [Ésaïe 59:7-8] ; | 17 Ary ny lalan'ny fiadanana dia tsy fantany (Isa. 59. 7, 8); |
| 18 «il n’y a point de crainte de Dieu devant leurs yeux» [Psaume 36:1]. | 18 Tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra eo anoloan'ny masony (Sal. 36. 1). |
| 19 Or nous savons que tout ce que la loi dit, elle le dit à ceux qui sont sous* la loi, afin que toute bouche soit fermée, et que tout le monde soit coupable devant Dieu. | 19 Ary fantatsika fa izay zavatra lazain'ny lalàna dia lazainy amin'izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan'ny fitsaran'Andriamanitra izao tontolo izao, |
| 20 C’est pourquoi nulle chair ne sera justifiée devant lui par des œuvres de loi, car par [la] loi est la connaissance du péché. | 20 satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin'ny ota. |
| — v. 9 : ou : Nous défendons-nous ? — v. 19 : litt.: en. | |
| 21 Mais maintenant, sans loi, [la] justice de Dieu est manifestée, témoignage lui étant rendu par la loi et [par] les prophètes, | 21 [Ny fanamarinan'Andriamanitra maimaimpoana ny mino an'i Kristy] Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, tsy amin'ny lalàna anefa, fa ambaran'ny lalàna sy ny mpaminany, |
| 22 [la] justice, dis-je, de Dieu par [la] foi en* Jésus Christ envers tous, et sur tous ceux qui croient ; | 22 dia ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy* ho an'izay rehetra mino; fa tsy misy hafa, [* Ampio hoe: (ho an'ny olona rehetra sy)] |
| 23 car il n’y a pas de différence, car tous ont péché et n’atteignent pas à la gloire de Dieu, | 23 fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra, |
| 24 — étant justifiés gratuitement par sa grâce, par* la rédemption qui est dans le christ Jésus, | 24 nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy, |
| 25 lequel Dieu a présenté pour propitiatoire, par la foi en son sang, afin de montrer sa justice à cause* du support des péchés précédents dans la patience de Dieu, | 25 Izay nasehon'Andriamanitra tamin'ny ràny ho fanavotana* amin'ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin'ny tsy namalian'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin'ny nandeferany, [* Na: fanatitra fampiononam-pahatezerana] |
| 26 afin de montrer, [dis-je], sa justice dans le temps présent, en sorte qu’il soit juste et justifiant celui qui est de la foi de Jésus. | 26 mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an'i Jesosy. |
| — v. 22 : litt.: de, voir Galates 2:20. — v. 24 : par le moyen de. — v. 25 : ou : à l’égard. | |
| 27 Où donc est la vanterie ? — Elle a été exclue. — Par quelle loi ? — celle des œuvres ? — Non, mais par la loi de la foi ; | 27 Aiza ary ny fireharehana? Efa foana izany. Amin'ny lalàna manao ahoana? amin'ny lalàn'ny asa va? Tsia; fa amin'ny lalàn'ny finoana. |
| 28 car nous concluons que l’homme est justifié par [la] foi, sans œuvres de loi. | 28 Koa amin'izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan'ny lalàna. |
| 29 [Dieu] est-il seulement le Dieu des Juifs ? ne l’est-il pas aussi des nations ? | 29 Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an'ny jentilisa koa? Eny, an'ny jentilisa koa; |
| 30 — Certes, aussi des nations ; puisque c’est un seul Dieu qui justifiera la circoncision sur le principe de [la] foi et l’incirconcision par la foi. | 30 fa iray ihany Andriamanitra, Izay hanamarina ny voafora noho ny finoana, ary ny tsy voafora amin'ny finoana. |
| 31 Annulons-nous donc [la] loi par la foi ? Qu’ainsi n’advienne ! au contraire, nous établissons [la] loi. | 31 Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika. |
| Chapitre 4 | Chapitre 4 |
| 1 Que dirons-nous donc que, selon la chair, Abraham notre père a trouvé ? | 1 Inona ary no holazaintsika ho efa azon'i Abrahama, razantsika araka ny nofo? |
| 2 Car si Abraham a été justifié sur le principe des œuvres, il a de quoi se glorifier, mais non pas relativement à Dieu ; | 2 Fa raha asa no nanamarinana an'i Abrahama, dia misy hireharehany ihany, nefa tsy amin'Andriamanitra. |
| 3 car que dit l’écriture ? «Et Abraham crut Dieu, et cela lui fut compté à justice» [Genèse 15:6]. | 3 Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6). |
| 4 Or à celui qui fait des œuvres, le salaire n’est pas compté à titre de grâce, mais à titre de chose due ; | 4 Ary ho an'izay miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa. |
| 5 mais à celui qui ne fait pas des œuvres, mais qui croit en celui qui justifie l’impie, sa foi [lui] est comptée à justice ; | 5 Fa ho an'izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana. |
| 6 ainsi que David aussi exprime la béatitude de l’homme à qui Dieu compte la justice sans œuvres : | 6 Dia araka izany koa no ilazan'i Davida fa sambatra ny olona izay isain'Andriamanitra fahamarinana tsy amin'ny asa, hoe: |
| 7 «Bienheureux ceux dont les iniquités* ont été pardonnées et dont les péchés ont été couverts ; | 7 Sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. |
| 8 bienheureux l’homme à qui le Seigneur ne compte point le péché*» [Psaume 32:1-2]. | 8 Sambatra izay olona tsy hisain'i Jehovah heloka (Sal. 32. 1, 2). |
| — v. 7 : marche sans loi, sans frein, comme en Matthieu 7:23. — v. 8 : c’est-à-dire que le Seigneur tient pour n’avoir point de péché. | |
| 9 Cette béatitude donc [vient-elle] sur la circoncision ou aussi sur l’incirconcision ? Car nous disons que la foi fut comptée à Abraham à justice. | 9 Koa izany fahasambarana izany moa an'ny voafora ihany va, sa an'ny tsy voafora koa? fa lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan'i Abrahama. |
| 10 Comment donc lui fut-elle comptée ? quand il était dans la circoncision, ou dans l’incirconcision ? — Non pas dans la circoncision, mais dans l’incirconcision. | 10 Ary ahoana no nanisana izany? Tamin'izy efa voafora va, sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin'izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora. |
| 11 Et il reçut le signe de la circoncision, comme sceau de la justice de la foi qu’[il avait] dans l’incirconcision, pour qu’il fût le père de tous ceux qui croient étant dans l’incirconcision, pour que la justice leur fût aussi comptée, | 11 Ary ny famorana, izay famantarana, dia noraisiny ho tombo-kasen'ny fahamarinana amin'ny finoana izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain'ny olona rehetra izay mino izy, na dia ny tsy voafora aza, mba hisaina ho an'ireny ny fahamarinana, |
| 12 et qu’il fût père de circoncision*, non seulement pour ceux qui sont de la circoncision, mais aussi pour ceux qui marchent sur les traces de la foi qu’a eue notre père Abraham, dans l’incirconcision. | 12 ary ho rain'ny voafora, dia tsy izay voafora ihany, fa izay mandeha araka ny dian'ny finoan'i Abrahama razantsika koa, izay nananany fony izy tsy mbola voafora. |
| — v. 12 : c’est-à-dire celui en qui, le premier, la vraie séparation à Dieu, et pour Dieu, a été publiquement établie. | |
| 13 Car ce n’est pas par [la] loi que la promesse d’être héritier du monde [a été faite] à Abraham ou à sa semence, mais par [la] justice de [la] foi. | 13 Fa tsy lalàna, fa fahamarinana amin'ny finoana, no nahazoan'i Abrahama sy ny taranany ny teny fikasana ho mpandova izao tontolo izao izy. |
| 14 Car si ceux qui sont du principe de [la] loi sont héritiers, la foi est rendue vaine et la promesse annulée ; | 14 Fa raha izay amin'ny lalàna no mpandova, dia efa foana ny finoana, ary efa tsinontsinona ny teny fikasana; |
| 15 car [la] loi produit la colère, mais là où il n’y a pas de loi, il n’y a pas non plus de transgression. | 15 fa ny lalàna mahatonga fahatezerana; fa raha tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna. |
| 16 Pour cette raison, [c’est] sur le principe de [la] foi, afin que [ce soit] selon [la] grâce, pour que la promesse soit assurée à toute la semence, non seulement à celle qui est de la loi, mais aussi à celle qui est de la foi d’Abraham, lequel est père de nous tous | 16 Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahatò ny teny fikasana ho an'ny taranaka rehetra,- tsy ho an'izay amin'ny lalàna ihany, fa ho an'izay amin'ny finoan'i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra - |
| 17 (selon qu’il est écrit : «Je t’ai établi père de plusieurs nations» [Genèse 17:5]), devant Dieu qu’il a cru, — qui fait vivre les morts et appelle les choses qui ne sont point comme si elles étaient, | 17 araka ny voasoratra hoe: Nataoko ho rain'ny firenena maro ianao (Gen. 17. 5) - teo anatrehan'izay ninoany, dia Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy. |
| 18 — qui, contre espérance, crut avec espérance, pour devenir père de plusieurs nations, selon ce qui a été dit : «Ainsi sera ta semence» [Genèse 15:5]. | 18 Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain'ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao (Gen. 15. 5). |
| 19 Et n’étant pas faible dans la foi, il n’eut pas égard à son propre corps déjà amorti*, âgé qu’il était d’environ cent ans, ni à l’état de mort du sein de Sara ; | 19 Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan'ny kibon'i Saraha, |
| 20 et il ne forma point de doute sur la promesse de Dieu par incrédulité, mais il fut fortifié dans* la foi, donnant gloire à Dieu, | 20 ary tsy niahanahana ny amin'ny teny fikasan'Andriamanitra tamin'ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin'ny finoana ka nanome voninahitra an'Andriamanitra |
| 21 et étant pleinement persuadé que ce qu’il a promis, il est puissant aussi pour l’accomplir. | 21 ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa. |
| 22 C’est pourquoi aussi cela lui a été compté à justice. | 22 Dia nisaina ho fahamarinany izany. |
| 23 Or ce n’est pas pour lui seul qu’il a été écrit que cela lui a été compté, mais aussi pour nous, | 23 Nefa tsy ho azy ihany no nanoratana fa nisaina ho azy izany, |
| 24 à qui il sera compté, à nous qui croyons en celui qui a ressuscité d’entre les morts Jésus notre Seigneur, | 24 fa ho antsika izay hanisana izany koa, dia isika izay mino Ilay nanangana an'i Jesosy Tompontsika tamin'ny maty, |
| 25 lequel a été livré pour nos fautes et a été ressuscité pour notre justification. | 25 Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika. |
| — v. 19 : déjà comme mort. — v. 20 : ou : par. | |
| Chapitre 5 | Chapitre 5 |
| 1 Ayant donc été justifiés sur le principe de la foi, nous avons la paix avec* Dieu par notre seigneur Jésus Christ, | 1 [Ny soa ananan'ny mino an'i Kristy, sy ny fihoaran'izany noho izay soa verin'i Adama] Koa amin'izany, satria efa nohamarinina tamin'ny finoana isika, dia aoka isika hanana* fihavanana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. [* Na: (dia manana)] |
| 2 par lequel nous avons trouvé* aussi accès, par la foi, à cette faveur dans laquelle nous sommes, et nous nous glorifions dans l’espérance de la gloire de Dieu. | 2 Tamin'ny alalany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin'ny finoana ho amin'izao fahasoavana itoerantsika izao, ka dia aoka isika hifaly amin'ny fanantenana ny voninahitr'Andriamanitra. |
| — v. 1 : litt.: envers, quant à. — v. 2 : c. à d. avons obtenu et possédons. | |
| 3 Et non seulement [cela], mais aussi nous nous glorifions dans les tribulations, sachant que la tribulation produit la patience, | 3 Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin'ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; |
| 4 et la patience l’expérience, et l’expérience l’espérance ; | 4 ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana; |
| 5 et l’espérance ne rend point honteux, parce que l’amour de Dieu est versé dans nos cœurs par l’Esprit Saint qui nous a été donné. | 5 ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra* ho ao am-pontsika. [* Na: ny fitiavana an'Andriamanitra] |
| 6 Car Christ, alors que nous étions encore sans force, au temps convenable, est mort pour des impies. | 6 Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin'ny fotoan'andro hamonjy ny ratsy fanahy. |
| 7 Car à peine, pour un juste, quelqu’un mourra-t-il, (car pour l’homme de bien, peut-être, quelqu’un se résoudrait* même à mourir) ; | 7 Fa saiky tsy misy olona manaiky ho faty hamonjy ny marina; fa angamba hisy ihany ny sasany sahy maty asa hamonjy ny manao soa. |
| 8 mais Dieu constate* son amour à lui envers nous, en ce que, lorsque nous étions encore pécheurs, Christ est mort pour nous. | 8 Fa Andriamanitra mampiseho* ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. |
| 9 Beaucoup plutôt donc, ayant été maintenant justifiés par son sang, serons-nous sauvés de la colère par lui. | 9 Koa mainka aza ny hamonjeny antsika ho afaka amin'ny fahatezerana ankehitriny, rehefa nohamarinina tamin'ny ràny isika. |
| 10 Car si, étant ennemis, nous avons été réconciliés avec Dieu par la mort de son Fils, beaucoup plutôt, ayant été réconciliés, serons-nous sauvés par sa vie. | 10 Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin'Andriamanitra tamin'ny nahafatesan'ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin'ny fahavelomany ankehitriny, rehefa nampihavanina. |
| — v. 7 : ou : aurait le courage. — v. 8 : ou : prouve. | |
| 11 Et non seulement [cela], mais aussi nous nous glorifions en Dieu par notre seigneur Jésus Christ, par lequel nous avons maintenant reçu la réconciliation. | 11 Ary tsy izany ihany koa, fa mifaly amin'Andriamanitra isika amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny. |
| 12 * C’est pourquoi, comme par un seul homme le péché est entré dans le monde, et par le péché la mort, et qu’ainsi la mort a passé à tous les hommes, en ce que tous ont péché … | 12 Koa izany dia tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra; |
| 13 * (car jusqu’à [la] loi [le] péché était dans le monde ; mais [le] péché n’est pas mis en compte quand il n’y a pas de loi ; | 13 fa hatrany alohan'ny lalàna aza dia nisy ota tamin'izao tontolo izao; nefa tsy isaina ny ota, raha tsy misy lalàna; |
| 14 mais la mort régna depuis Adam jusqu’à Moïse, même sur ceux qui ne péchèrent pas selon la ressemblance* de la transgression d’Adam, qui est la figure de celui qui devait venir. | 14 fa ny fahafatesana nanjaka hatramin'i Adama ka hatramin'i Mosesy, na dia tamin'izay tsy nanota tahaka ny nanotan'i Adama aza, izay tandindon'ilay ho avy. |
| 15 Mais n’en est-il* pas du don de grâce comme de la faute ? car si, par la faute d’un seul, plusieurs** sont morts, beaucoup plutôt la grâce de Dieu et le don ont abondé envers plusieurs**, par la grâce qui est d’un seul homme, Jésus Christ. | 15 Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana. Fa raha ny fahadisoan'ny anankiray no nahatonga fahafatesana ho an'ny maro, mainka ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fanomezana amin'ny fahasoavan'ny olona iray, dia Jesosy Kristy, no tonga be ho an'ny maro kosa. |
| 16 Et n’en est-il* pas du don comme [de ce qui est arrivé] par un seul qui a péché ? car le jugement vient** d’un seul en condamnation, — mais le don de grâce, de plusieurs fautes, en justification***. | 16 Ary tsy tahaka ny avy amin'ny anankiray izay nanota ny fanomezana; fa noho ny nataon'ny anankiray no nisehoan'ny fitsarana ho fanamelohana, fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisehoan'ny fanomezam-pahasoavana ho fanamarinana. |
| 17 Car si, par la faute d’un seul, la mort a régné par un seul, beaucoup plutôt ceux qui reçoivent l’abondance de la grâce et du don de la justice, régneront-ils en vie par un seul, Jésus Christ) ; | 17 Fa raha ny fahadisoan'ny olona anankiray no nanjakan'ny fahafatesana noho ny nataon'ny anankiray, mainka izay mahazo ny haben'ny fahasoavana sy ny fanomezan'ny fahamarinana no hanjaka amin'ny fiainana noho ny nataon'ny Anankiray, dia Jesosy Kristy. |
| 18 ainsi donc, comme par une seule faute [les conséquences de cette faute furent] envers tous les hommes en condamnation, ainsi aussi par une seule justice* [les conséquences de cette justice furent] envers tous les hommes en justification de vie. | 18 Koa tahaka ny nahatongavan'ny fanamelohana ho an'ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan'ny fanamarinana ho amin'ny fiainana kosa ho an'ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray. |
| 19 Car comme par la désobéissance d’un seul homme plusieurs ont été constitués pécheurs, ainsi aussi par l’obéissance d’un seul, plusieurs* seront constitués justes. | 19 Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan'ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan'ny Anankiray. |
| 20 Or [la] loi est intervenue afin que la faute abondât ; mais là où le péché abondait, la grâce a surabondé, | 20 Ary ny lalàna dia niditra koa hahabe ny fahadisoana. Nefa teo amin'izay nihabiazan'ny ota no nihoaran'ny fahasoavana be lavitra, |
| 21 afin que, comme le péché a régné par la mort, ainsi aussi la grâce régnât par [la] justice pour [la] vie éternelle par Jésus Christ notre Seigneur. | 21 mba ho tahaka ny nanjakan'ny ota tao amin'ny fahafatesana no hanjakan'ny fahasoavana kosa amin'ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. |
| — v. 12 : la partie doctrinale de l’épître (chap. 1à 8), jusqu’au chapitre 5:11 traite des péchés ; à partir d’ici, elle s’occupe du péché. — v. 13 à 17 : ces versets forment une parenthèse. — v. 14 : comparer Osée 6:7. — v. 15* et 16* : ou : il n’en est. — v. 15** et 19 : les plusieurs, c. à d. la masse en contraste avec la personne en question. — v. 16** : c. à d. était fondé sur une seule chose ou un seul acte, ou en découlait. — v. 16*** : justification, ici : justice judiciaire (verset 18 : justice). — v. 18 : ici, il s’agit de la justice qui subsiste, qui est accomplie, et qui répond à la seule faute. | |
| Chapitre 6 | Chapitre 6 |
| 1 Que dirons-nous donc ? Demeurerions-nous dans le péché afin que la grâce abonde ? | 1 [Ny fahafahan'ny maro an'i Kristy amin'ny herin'ny ota, ary ny fanamasinana azy] Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana? |
| 2 — Qu’ainsi n’advienne ! Nous qui sommes morts au péché, comment vivrons-nous encore dans le péché ? | 2 Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany? |
| 3 — Ignorez-vous que nous tous qui avons été baptisés pour le christ Jésus, nous avons été baptisés pour sa mort ? | 3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? |
| 4 Nous avons donc été ensevelis avec lui par le baptême, pour la mort, afin que comme Christ a été ressuscité d’entre les morts par la gloire du Père, ainsi nous aussi nous marchions en nouveauté de vie. | 4 Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao. |
| 5 Car si nous avons été identifiés avec lui dans la ressemblance de sa mort, nous le serons donc aussi [dans la ressemblance] de [sa] résurrection ; | 5 Fa raha nampiraisina* taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; [* Na: niara-nambolena] |
| 6 sachant ceci, que notre vieil homme a été crucifié avec lui, afin que le corps du péché soit annulé, pour que nous ne servions* plus le péché. | 6 fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony. |
| 7 Car celui qui est mort est justifié du péché*. | 7 Fa izay efa maty dia afaka amin'ny ota. |
| 8 Or si nous sommes morts avec Christ, nous croyons que nous vivrons aussi avec lui, | 8 Ary raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika; |
| 9 sachant que Christ, ayant été ressuscité d’entre les morts, ne meurt plus ; la mort ne domine plus sur lui. | 9 ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin'ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana. |
| 10 Car en ce qu’il est mort, il est mort une fois pour toutes au péché ; mais en ce qu’il vit, il vit à Dieu. | 10 Fa ny amin'ny nahafatesany, dia maty ny amin'ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin'ny ahavelomany kosa, dia velona ho an'Andriamanitra Izy. |
| 11 De même vous aussi, tenez-vous vous-mêmes pour morts au péché, mais pour vivants à Dieu dans le christ Jésus. | 11 Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy. |
| — v. 6 : servir, ici : être esclave, servir comme tel. — v. 7 : justifié du péché, ici, non pas des péchés. | |
| 12 Que le péché donc ne règne point dans votre corps mortel pour que vous obéissiez aux convoitises de celui-ci ; | 12 Koa aza avela ny ota hanjaka amin'ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany; |
| 13 et ne livrez pas vos membres au péché comme instruments d’iniquité*, mais livrez-vous vous-mêmes à Dieu, comme d’entre les morts étant [faits] vivants, — et vos membres à Dieu, comme instruments de justice. | 13 ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian*'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian**'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra. [* Na: fiasan'] [** Na: fiasan'] |
| 14 Car le péché ne dominera pas sur vous, parce que vous n’êtes pas sous [la] loi, mais sous [la] grâce. | 14 Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin'ny lalàna ianareo, fa ambanin'ny fahasoavana. |
| — v. 13 : ailleurs : injustice. | |
| 15 Quoi donc ! pécherions-nous, parce que nous ne sommes pas sous [la] loi, mais sous [la] grâce ? — Qu’ainsi n’advienne ! | 15 Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany! |
| 16 Ne savez-vous pas qu’à quiconque vous vous livrez vous-mêmes comme esclaves pour obéir, vous êtes esclaves de celui à qui vous obéissez, soit du péché pour [la] mort, soit de l’obéissance pour [la] justice. | 16 Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo ianareo na ho an'iza na ho an'iza, dia mpanompon'izay arahinareo ianareo, na ny ota ho amin'ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin'ny fahamarinana? |
| 17 Or grâces à Dieu de ce que vous étiez esclaves du péché, mais de ce que [ensuite] vous avez obéi de cœur à la forme de doctrine dans laquelle vous avez été instruits. | 17 Ary isaorana anie Andriamanitra, fa na dia efa mpanompon'ny ota aza ianareo, ny fonareo dia efa nanaraka ny fomban'ny fampianarana izay nanolorana anareo; |
| 18 Mais ayant été affranchis du péché, vous avez été asservis à la justice | 18 ary rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo, dia tonga mpanompon'ny fahamarinana. |
| 19 (je parle à la façon des hommes, à cause de l’infirmité de votre chair). Car ainsi que vous avez livré vos membres comme esclaves à l’impureté et à l’iniquité* pour l’iniquité*, ainsi livrez maintenant vos membres comme esclaves à la justice pour la sainteté. | 19 Miteny araka ny fanaon'ny olona aho noho ny fahalemen'ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna hahatanteraka ny tsi-fanarahan-dalàna, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana. |
| 20 Car lorsque vous étiez esclaves du péché, vous étiez libres à l’égard de la justice. | 20 Fa fony mpanompon'ny ota ianareo, dia afaka tamin'ny fahamarinana. |
| 21 Quel fruit donc aviez-vous alors des choses dont maintenant vous avez honte ? car la fin de ces choses est la mort. | 21 Inona ary no vokatra azonareo fahiny tamin'izay zavatra mahamenatra anareo ankehitriny? fa fahafatesana no hiafaran'izany zavatra izany. |
| 22 — Mais maintenant, ayant été affranchis du péché et asservis à Dieu, vous avez votre fruit dans la sainteté et pour fin la vie éternelle. | 22 Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay. |
| 23 Car les gages du péché, c’est la mort ; mais le don de grâce de Dieu, c’est la vie éternelle dans le christ Jésus, notre Seigneur. | 23 Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika. |
| — v. 19 : état ou marche sans loi, sans frein. | |
| Chapitre 7 | Chapitre 7 |
| 1 Ignorez-vous, frères, (car je parle à gens qui entendent ce que c’est que [la] loi,) que la loi a autorité sur l’homme aussi longtemps qu’il vit ? | 1 Tsy fantatrareo, va, ry rahalahy (fa miteny amin'izay mahalala ny lalàna aho), fa ny lalàna dia manapaka ny olona, raha mbola velona izy? |
| 2 Car la femme qui est soumise à un mari, est liée à son mari par [la] loi, tant qu’il vit ; mais si le mari meurt, | 2 Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin'ny lalàna ho an'ny lahy, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'ny lalàn'ny lahy izy. |
| 3 elle est déliée de la loi du mari. Ainsi donc, le mari étant vivant, elle sera appelée adultère si elle est à un autre homme ; mais si le mari meurt, elle est libre de la loi, de sorte qu’elle n’est pas adultère en étant à un autre homme. | 3 Koa raha mbola velona ny lahy, ka manambady olon-kafa ravehivavy, dia hatao hoe mpijangajanga izy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'izany lalàna izany izy ka tsy mba mpijangajanga, na dia manambady olon-kafa aza. |
| 4 C’est pourquoi, mes frères, vous aussi, vous avez été mis à mort à la loi par le corps du Christ, pour être à un autre, à celui qui est ressuscité d’entre les morts, afin que nous portions du fruit pour Dieu. | 4 Ary amin'izany ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin'ny lalàna noho ny tenan'i Kristy, mba ho vadin'ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin'ny maty, mba hahavokarantsika ho an'Andriamanitra. |
| 5 Car, quand nous étions dans la chair, les passions des péchés, lesquelles sont par la loi, agissaient dans nos membres pour porter du fruit pour la mort ; | 5 Fa fony tao amin'ny nofo isika, dia ny filan'ny ota, izay nohetsehin'ny lalàna, no niasa tao amin'ny momba ny tenantsika hahavokatra ho amin'ny fahafatesana. |
| 6 mais maintenant nous avons été déliés de la loi, étant morts dans ce en quoi nous étions tenus, en sorte que nous servions* en nouveauté d’esprit, et non pas en vieillesse de lettre. | 6 Fa ankehitriny dia efa afaka tamin'ny lalàna isika, satria maty ny amin'izay nihazonana antsika, ka dia manompo amin'ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin'ny hahelan-tsoratra. |
| — v. 6 : servir, ici : être esclave, servir comme tel ; comme en 6:6 et 7:25. | |
| 7 Que dirons-nous donc ? La loi est-elle péché ? — Qu’ainsi n’advienne ! Mais je n’eusse pas connu le péché, si ce n’eût été par [la] loi ; car je n’eusse pas eu conscience de la convoitise, si la loi n’eût dit : «Tu ne convoiteras point» [Exode 20:17]. | 7 Inona ary no holazaintsika? Ota va ny lalàna? Sanatria izany! Kanefa tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin'ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha tsy ny lalàna no nanao hoe: Aza mitsiriritra (Eks. 20. 17). |
| 8 Mais le péché, ayant trouvé une occasion par le commandement, a produit en moi toutes les convoitises, car sans [la] loi [le] péché est mort. | 8 Fa io didy io dia nentin'ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko; fa maty ny ota, raha tsy misy lalàna. |
| 9 Or moi, étant autrefois sans loi, je vivais ; mais le commandement étant venu, le péché a repris vie, et moi je mourus ; | 9 Ary izaho dia velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray ny ota, ka dia maty aho. |
| 10 et le commandement qui était pour la vie, a été trouvé lui-même pour moi pour la mort. | 10 Ary ny didy izay natao hahazoana fiainana, dia hitako fa nahatonga fahafatesana tamiko kosa. |
| 11 Car le péché, ayant trouvé une occasion par le commandement, me séduisit, et par lui me tua. | 11 Fa io didy io dia nentin'ny ota namitaka sy nahafaty ahy. |
| 12 La loi donc est sainte, et le commandement est saint, et juste, et bon. | 12 Ka dia masina tokoa ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara. |
| 13 Ce qui est bon est-il donc devenu pour moi [la] mort ? — Qu’ainsi n’advienne ! Mais le péché, afin qu’il parût péché, m’a causé la mort par ce qui est bon, afin que le péché devînt par le commandement excessivement pécheur. | 13 Koa ny tsara va no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota; fa ny tsara no nentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota indrindra ny ota noho ny nataon'ny lalàna. |
| 14 Car nous savons que la loi est spirituelle : mais moi je suis charnel*, vendu au péché** ; | 14 Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon'ny ota. |
| 15 car ce que je fais*, je ne le reconnais pas, car ce n’est pas ce que je veux, que je fais, mais ce que je hais, je le pratique. | 15 Fa izay ataoko dia tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko. |
| 16 Or si c’est ce que je ne veux pas que je pratique, j’approuve la loi, [reconnaissant] qu’elle est bonne. | 16 Fa raha manao ny tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny lalàna. |
| 17 Or maintenant, ce n’est plus moi qui fais* cela, mais c’est le péché qui habite en moi. | 17 Ary amin'izany tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko. |
| 18 Car je sais qu’en moi, c’est-à-dire en ma chair, il n’habite point de bien ; car le vouloir est avec moi, mais accomplir le bien, [cela] je ne le trouve pas. | 18 Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin'ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato. |
| 19 Car le bien que je veux, je ne le pratique pas ; mais le mal que je ne veux pas, je le fais. | 19 Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko. |
| 20 Or si ce que je ne veux pas, moi, — je le pratique, ce n’est plus moi qui l’accomplis, mais c’est le péché qui habite en moi. | 20 Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko. |
| 21 Je trouve donc cette loi pour moi qui veux pratiquer le bien, que le mal est avec moi. | 21 Koa hitako izao lalàna izao: raha ta-hanao ny marina aho*, dia ato amiko ihany ny ratsy. [* Na: koa hitako fa raha ta-hanaraka ny lalàna aho hanaovako ny marina] |
| 22 Car je prends plaisir à la loi de Dieu selon l’homme intérieur ; | 22 Fa mankasitraka ny lalàn'Andriamanitra aho araka ny toetra anaty; |
| 23 mais je vois dans mes membres une autre loi qui combat contre la loi de mon entendement et qui me rend captif de la loi du péché qui existe dans mes membres. | 23 nefa mahita lalàna hafa amin'ny momba ny tenako aho, miady amin'ny lalàn'ny saiko ka mamabo ahy ho an'ny lalàn'ny ota izay ao amin'ny momba ny tenako. |
| 24 Misérable homme que je suis, qui me délivrera de ce corps de mort* ? | 24 Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin'ny tenan'ity fahafatesana ity? |
| 25 Je rends grâces à Dieu par Jésus Christ notre Seigneur. Ainsi donc moi-même, de l’entendement je sers* la loi de Dieu ; mais de la chair, la loi du péché. | 25 Misaotra an'Andriamanitra aho amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa raha ny amiko, dia mankatò ny lalàn'Andriamanitra aho amin'ny saiko, fa ny lalàn'ny ota kosa amin'ny nofoko. |
| — v. 14* : ailleurs : de chair. — v. 14** : litt.: vendu sous le péché. — v. 15, 17 : faire, ici, opérer, effectuer ; au verset 8 : produire, et au verset 13 : causer. — v. 24 : ou : du corps de cette mort. — v. 25 : servir, ici : être esclave, servir comme tel, comme en 6:6 et 7:6. | |
| Chapitre 8 | Chapitre 8 |
| 1 Il n’y a donc maintenant aucune condamnation pour ceux qui sont dans le christ Jésus ; | 1 [Ny famonjen'i Kristy ny mino Azy, izay miantomboka amin'izao fiainana izao ary mbola hotanterahina ho mandrakizay] Ary amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho an'izay ao amin'i Kristy Jesosy. |
| 2 car la loi de l’Esprit de vie dans le christ Jésus, m’a affranchi de la loi du péché et de la mort ; | 2 Fa ao amin'i Kristy Jesosy ny lalàn'ny Fanahin'aina no nahafaka ahy tamin'ny lalàn'ny fahotana sy ny fahafatesana. |
| 3 car ce qui était impossible à la loi, en ce qu’elle était faible par la chair, Dieu, ayant envoyé son propre Fils en ressemblance de chair de péché, et pour [le] péché, a condamné le péché dans la chair, | 3 Fa izay tsy hain'ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan'Andriamanitra tamin'izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin'ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin'ny nofo, |
| 4 afin que la juste exigence de la loi fût accomplie en nous, qui ne marchons pas selon [la] chair, mais selon [l’]Esprit. | 4 mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain'ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy. |
| 5 Car ceux qui sont selon [la] chair ont leurs pensées aux choses de la chair ; mais ceux qui sont selon [l’]Esprit, aux choses de l’Esprit ; | 5 Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy. |
| 6 car la pensée de la chair est [la] mort ; mais la pensée de l’Esprit, vie et paix ; | 6 Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana |
| 7 — parce que la pensée de la chair est inimitié contre Dieu, car elle ne se soumet pas à la loi de Dieu, car aussi elle ne le peut pas. | 7 satria fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany. |
| 8 Et ceux qui sont dans la chair ne peuvent plaire à Dieu. | 8 Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra. |
| 9 Or vous n’êtes pas dans [la] chair, mais dans [l’]Esprit*, si du moins [l’]Esprit de Dieu habite en vous ; mais si quelqu’un n’a pas [l’]Esprit de Christ, celui-là n’est pas de lui. | 9 Fa ianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy. |
| 10 Mais si Christ est en vous, le corps est bien mort à cause du péché, mais l’Esprit est vie à cause de [la] justice. | 10 Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota*, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fanamarinana. [*Na: na dia maty ny tena noho ny ota, fa] |
| 11 Et si l’Esprit de celui qui a ressuscité Jésus d’entre les morts habite en vous, celui qui a ressuscité le Christ d’entre les morts vivifiera vos corps mortels aussi, à cause de son Esprit qui habite en vous. | 11 Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an'i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin'ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo. |
| — v. 9 : l’Esprit lui-même, et l’état du croyant sont souvent trop intimement liés dans ces versets 1 à 11, pour faire la différence entre Esprit et esprit, et les séparer l’un de l’autre ; voir aussi verset 15, et la note à 1:4. | |
| 12 Ainsi donc, frères, nous sommes débiteurs, non pas à la chair pour vivre selon [la] chair ; | 12 Ary amin'izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika - tsy amin'ny nofo anefa, ka ho velona araka ny nofo. |
| 13 car si vous vivez selon [la] chair, vous mourrez ; mais si par [l’]Esprit vous faites mourir les actions du corps, vous vivrez. | 13 Fa raha velona araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan'ny tena dia ho velona ianareo. |
| 14 Car tous ceux qui sont conduits par [l’]Esprit de Dieu, ceux-là sont fils de Dieu. | 14 Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra. |
| 15 Car vous n’avez pas reçu un esprit de servitude pour être de nouveau dans la crainte, mais vous avez reçu [l’]Esprit* d’adoption, par lequel nous crions : Abba**, Père ! | 15 Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô. |
| 16 L’Esprit lui-même rend témoignage avec notre esprit, que nous sommes enfants de Dieu ; | 16 Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. |
| 17 et si [nous sommes] enfants, [nous sommes] aussi héritiers ; héritiers de Dieu, cohéritiers de Christ ; si du moins nous souffrons avec lui, afin que nous soyons aussi glorifiés avec lui. | 17 Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa. |
| — v. 15* : ou : un esprit. — v. 15** : voir Marc 14:36 ; Galates 4:6. | |
| 18 Car j’estime que les souffrances du temps présent ne sont pas dignes [d’être comparées] avec la gloire à venir qui doit nous* être révélée. | 18 Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika. |
| 19 Car la vive* attente de la création attend la révélation des fils de Dieu. | 19 Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra; |
| 20 Car la création a été assujettie à la vanité (non de sa volonté, mais à cause de celui qui l’a assujettie), | 20 fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy, |
| 21 dans l’espérance que la création elle-même aussi sera affranchie de la servitude de la corruption, pour [jouir de] la liberté de la gloire des enfants de Dieu. | 21 sady nahazo fanantenana koa fa* izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin'ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin'ny fahafahana izay momba ny voninahitr'ireo zanak'Andriamanitra. [* Na: satria] |
| 22 Car nous savons que toute la création ensemble soupire et est en travail jusqu’à maintenant ; | 22 Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny; |
| 23 et non seulement [elle], mais nous-mêmes aussi qui avons les prémices de l’Esprit, nous aussi, nous soupirons en nous-mêmes, attendant l’adoption, la délivrance* de notre corps. | 23 ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan'anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika. |
| 24 Car nous avons été sauvés en espérance : or une espérance qu’on voit n’est pas une espérance ; car ce que quelqu’un voit, pourquoi aussi l’espère-t-il ? | 24 Fa ny fanantenana no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan'ny olona izay efa hitany? |
| 25 Mais si ce que nous ne voyons pas, nous l’espérons, nous l’attendons avec patience. | 25 Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin'ny faharetana. |
| 26 De même aussi l’Esprit nous est en aide dans notre infirmité* ; car nous ne savons pas ce qu’il faut demander comme il convient ; mais l’Esprit lui-même intercède par des soupirs inexprimables ; | 26 Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina. |
| 27 — et celui qui sonde les cœurs sait quelle est la pensée de l’Esprit, car il intercède pour les saints, selon Dieu ; | 27 Ary Izay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an'Andriamanitra ny fifonany ho an'ny olona masina. |
| 28 — mais nous savons* que toutes choses travaillent ensemble pour le bien de ceux qui aiment Dieu, de ceux qui sont appelés selon [son] propos. | 28 Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo. |
| 29 Car ceux qu’il a préconnus, il les a aussi prédestinés à être conformes à l’image de son Fils, pour qu’il soit premier-né entre plusieurs frères. | 29 satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin'ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin'ny rahalahy maro Izy. |
| 30 Et ceux qu’il a prédestinés, il les a aussi appelés ; et ceux qu’il a appelés, il les a aussi justifiés ; et ceux qu’il a |